Hijanona eto an-tany tokoa ve isika?

1. jajajaly ( 09/07/2012 11:18)
Raha atao indray mijery ny tany misy antsika dia toy izao sisa no fahitana azy.

Ahoana ary no amerenan'Andriamanitra an'ity tany ity indray ho paradisa raha ny Baiboly no jerena?
Inona no tianao hiova amin'ireo sary ireo ary inona no tena hiova? Mahafaly ny valiny omen'ny baiboly.
novalian'i RBNIR ny 31/08/2012 09:54
2. Miharena ( 09/07/2012 13:32)
Rafitra napetrak'olombelona araka ny fahaiza-manaony avy no mahatonga ireo voatanisa amin'ny sary ireo. Ny fomba fialàna aminy dia manao rafitra vaovao ifampitaizana tsy hahitana ireo famoronan-javatra miteraka tsy firaharahaina ny maha-olombelona. Ny vola no voalohany ilaina foanana fa ovaina ny rafi-pamokarana ifampizaràna. Izay vao misy azo lazaina fa hahafoana ireo voatanisa rehetra ireo. Ankoatr"izay dia miteraka fahalovana ny mahaolona ny rafitra raha tazonina hatrany toy izao.
3. majesty ( 10/07/2012 04:51)
>

asan' Andriamanitra izany fa tsy antsika!
4. didi10 ( 10/07/2012 08:16)
Apo 21 : 1
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.

Rehefa mahita ny sarisary ao anatin'ny boky samihafa aho momba ilay Paradisa an-tany dia variana ihany satria matetika dia zaridaina tsara tarehy, misy fianakaviana kely maromaro mampiseho fifankatiavana, misy liona manakaiky ondry, misy renirano kely sy voninkazo tsara tarehy no aseho.

Dia izany ve no paradisa andrandrainao?

Mazava anie io Teny io fa efa lasa (disparu ) ilay tany voaloha sy lanitra voaloha e! imagineo kely izany tany vaovao tsy misy ranomasina izany, ny renirano anie no mahatonga ranomasina e! raha tsy misy ny ranomasina dia tsy misy rano koa izany, satria tsy ilaina, tsy misy fambolena sy fiompiana intsony fa hafa tsy takatry ny saina mihitsy ny endrik'izany tany vaovao izany.

Izay mieritreritra ny hijanona eto amin'ity tany ity satria mihevitra fa nofo izy fa tsy fanahy dia ho lasa(disparu) miaraka amin'ity tany izay eritreretiny holovaina ity.
5. Miharena ( 10/07/2012 08:50)

Izay mieritreritra ny hijanona eto amin'ity tany ity satria mihevitra fa nofo izy fa tsy fanahy dia ho lasa(disparu) miaraka amin'ity tany izay eritreretiny holovaina ity

izany hoe mihevitrave Didi10 fa ny eritreriny no hitarika azy any amin'y fahafoanana sa ny fanahiny azo lazaina fa tsy voakasik'izany eritreritra izany?
6. didi10 ( 10/07/2012 14:01)

Miharena:

Izay mieritreritra ny hijanona eto amin'ity tany ity satria mihevitra fa nofo izy fa tsy fanahy dia ho lasa(disparu) miaraka amin'ity tany izay eritreretiny holovaina ity

izany hoe mihevitrave Didi10 fa ny eritreriny no hitarika azy any amin'y fahafoanana sa ny fanahiny azo lazaina fa tsy voakasik'izany eritreritra izany?

Manontany i Miharena sa mamaly?
7. Miharena ( 10/07/2012 18:24)
Fanontaniana tiako apetraka amin'ny rehetra mihitsy io satria toa lasa heverina fa rehefa mieritreritra ny halehany ny olona iray dia mandeha any ny nofo amam-panahiny.

Ka raha toa ka tsy manan-toerana ny tena atao hoe fanahy, dia aiza no azo andefasana azy?
8. leva2 ( 10/07/2012 19:40)
Velona Jesosy!

Io Apo 21 io tokoa no valiny ry didi10 saingy tsara tohizana vakiana hatramin'ny farany hahitantsika tsara ny mombamomba an'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao fa indrindra koa ilay Jerosalema vaovao, satria mifandray ihany ireo.

mazotoa mamaky daholo e!

didi10:

Apo 21 : 1
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.

Rehefa mahita ny sarisary ao anatin'ny boky samihafa aho momba ilay Paradisa an-tany dia variana ihany satria matetika dia zaridaina tsara tarehy, misy fianakaviana kely maromaro mampiseho fifankatiavana, misy liona manakaiky ondry, misy renirano kely sy voninkazo tsara tarehy no aseho.

Dia izany ve no paradisa andrandrainao?

Mazava anie io Teny io fa efa lasa (disparu ) ilay tany voaloha sy lanitra voaloha e! imagineo kely izany tany vaovao tsy misy ranomasina izany, ny renirano anie no mahatonga ranomasina e! raha tsy misy ny ranomasina dia tsy misy rano koa izany, satria tsy ilaina, tsy misy fambolena sy fiompiana intsony fa hafa tsy takatry ny saina mihitsy ny endrik'izany tany vaovao izany.

Izay mieritreritra ny hijanona eto amin'ity tany ity satria mihevitra fa nofo izy fa tsy fanahy dia ho lasa(disparu) miaraka amin'ity tany izay eritreretiny holovaina ity.
9. jojo3t ( 11/07/2012 04:44)
Miarahaba ry namana isany, ela2 tsy teto ny tenako ka zao ndray vo hanohy ny dinika, tsara ny lohahevitra :

Lanitra vaovao sy tany vaovao, matetika ny baiboly rehefa milaza ny olona rehetra ety ambony tany dia antsoina hoe "ny tany", vakio Genesisy 11 : 1, mazava ho azy fa tsy hanorina lanitra vaovao sy tany ara-bakiteny izy, ny zavatra eo ambonin'ireo na koa hoe ireo zava-boary miaina ao no havaozina ka lasa vaovao.

Indrana ny Mpaminany Isaia tsika eto :
Vakio ny Isaia 65 : 17-25, indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao aho hoy izy ary tsy hotsarovana intsony ny zavatra taloha, dia tohizo hatramin'ny farany ny famakiana, fa hazavainy tsara eo fa tsy ny tany no ho levona fa ireo zavatra eo amboniny no miova tsy toy ny taloha intsony, hanao trano ny olona ho an'ny tenany fa tsy an'olona toy ny taloha, hamboly ho an'ny tenany fa tsy toy ny taloha hoe ho an'olona sns..., diniho ny andininy 25 farany, fa miresaka ny biby izy eo, mazava ho azy fa mboly hisy ny biby fa tsy ho any an-danitra akory.

Isaia 11 : 6-9 : tsy foronina akory ny endriky ny paradisa, fa izay lazain'ny baiboly no atao an-tsary, diniho tsara io andininy io fa miresaka momba ny amboadia sy zanak'ondry miara-mitoetra ireo ary zaza no hiraoka azy, eto antany no misy an'izany fa tsy an-danitra, ary tsy toy ny taloha izany rehefa tonga io fotoana io satria mbola tsy afaka iraoka amboadia mihitsy ny zaza amin'izao fotoana izao.

Isaia 33 : 24 : tsy hisy amin'ny mponina ao hilaza hoe marary aho, mbola marary isika zao, fa rehefa tonga zany fotoana zany dia tsy hotsarovana intsony zany satria efa lasa.

Jaona 5 : 28, 29 : aza gaga amin'zany fa ho avy ny andro handrenesan'ny olona ao am-pasana ny feon'i Jesosy, dia hivoaka izy ireo : aiza no iantsoan'i Jesosy ny olona maty, atao inona izy ireo, hatsangana amin'ny maty, fa tsy any an-koatra akory na lasa fanahy tsy hita maso, tsy mila hatangana izy ireo raha izay no izy.

Salamo 72 ; 16 : hahavoka-bary betsaka ny tany na dia eny an-tampotendrombohitra aza, aiza no hahavoka-bary betsaka, any an-danitra ve sa eny an-tendrombohitra, mazava io. Mbola ho avy daholo zany.

Farany :
Iza no atao disparu ety an-tany dia iza no ijanona eo mandrakizay :

Salamo 37 : 9-11 :
ny ratsy fanahy hofongorana fa ny marina kosa handova ny tany, handinika ny fonenany ianao fa tsy ho hita izy, fa ny malemy fanahy no hanana ny tany, iza hony no hofongorana dia iza no ijanona dia ijanona aiza? Saintsaino tsara.

Salamo 37 : 29 : ny marina handova ny tany ka honina eo mandrakizay, iza hono no handova ny tany, diso ve zany ze milaza fa handova ny tany, dia honina eo hafiriana hono ry zareo?

Vakio tsara ny andinin-teny ry namana isany dia mazotoa daholo dia saintsaino tsara, tsy foronin'olombelona ireo fa faminaniana mazava tsara, ary santionany amin'ny andinin-teny momba ny paradisa an-tany ihany ireo.
10. Tefigasy ( 11/07/2012 05:33)
Ho an'izay mandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamaniny dia ito no lalana hiozaran'izy ireo rehefa miala eto an-tany :
Jao 14 : 2-3 "Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany , dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho . Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho , dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko , ka izay itoerako no hitoeranareo koa ."

Lio 23 : 43 :"Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa ."

Ho an'izay tsy mandray an'i Jeso Kristy ho Tompo sy Andriamaniny dia ito no toerana hisy azy ireo rehefa miala aminy ny ainy :

Jao 7 : 34 "Hitady Ahy ianareo , fa tsy hahita ; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha ."

Mazava ho azy fa ho tafajanona eo amin'izay toerana misy azy eo izy dia eto an-tany eto ihany izany. Ary inona moa no hiafaran'ity tany ity :

Mar 13 : 31 sy Mat 24 : 35 : Ny lanitra sy ny tany ho levona , fa ny teniko tsy mba ho levona .
Dia ho levona miaraka amin'izany tany izy ireo !

11. Miharena ( 11/07/2012 05:47)
MAnamafy ny hevitr'i Tefigasy aho saingy eo amin'ny safidy no ametrahako kokoa azy.

Misy ny misafidy ny honina any ankoatry ny tany ary misy ny misafidy ny hitoetra eto an-tany amin'ny endriny vaovao.

Ny fifohazan'ny tsirairay ihany no mametraka ny safidy ka izay mbola manana ireo vesatra tsapany fa tokony mbola hihoarana dia mijanona izy fa izay efa manana anjara asa any ankoatra dia any izy manohy azy.

Ny momba ny hoe fitsanganana indray no mila fantarina hoe amin'y fomba ahoana fa tsy misy magie akory ny momba io raha ny tokony ho izy.

Azo resahana ohatra ny réincarnation (izay fanazavana tsy hita ao anaty Baiboly fa re sy voasoratra avy amin'y hafatra nomen'i Jesoa ho an'ny olona nampanoratana ny Troisième Testament. Ny fandaminana farany ataon'i Kristy no ao amin'io boky io.

Ny namana hafa moa dia nanipaka tanteraka izay voalaza ao fa ny ahy kosa dia misy lojika mazava ny resaka ao sady manamafy izay fanatanterahana izay ao anaty Baiboly.
12. jojo3t ( 11/07/2012 06:27)
Vakio tsara ny tantara fa ny Apostoliny no nilazan'i Jesosy io toerana nomaniny io, ireo voahosotry ny fanahy 144000, hiaraman-jaka aminy ireo ka ipetraka eo akaikiny ary izay misy azy dia misy an'ireo, sa ny namana ve mieritreritra ho apostoly na vohahositry ny fanahy ka hanjaka iaraka amin'ny Jesosy, so dia amin'izay fotoana izay no ilazan'i Jesosy hoe tsy fantako enao.

Aiza ho aiza nareo amin'ilay hoe ny marina handova ny tany ? Sa tsy novakianareo.

Hiaona amiko ao am-paradisa enao : efa nazavaina tany aloha be ny tian'i Jesosy holazaina amin'io, tsy teo no ho eo na tamin'ny iny andro iny akory io jiolahy io no hoe nalefa tany ankoatra sy lasa fanahy ka hoe tany am-paradisa, maty izy, ary mijanona ao ampasana, hotsarovan'i Jesosy izy ka hatsangany amin'ny maty ary zai vao honina amin'ny paradisa an-tany, i Jesosy ary taorian'ny nahafatesany mbola nijanona tao am-pasana toy ireny maty ireny ary tamin'ny andro fahatelo vao natsangana, dia taiza zany le jiolahy, dia 40 andro taorian'izay i Jesosy vao niakatra ho any an-danitra, vita ny iraka nataony tety ka niakatra izy ary mbola miandry ny baiko farany hanatanterahany ny fikasan'Andriamanitra rehetra momba ny olona sy ny tany.Vakio ny Matio, Marka, Lioka, Jaona fa ao zany tantara zany.

Ho levona ny lanitra sy ny tany : raha ara-bakiteny io, dia ho levona koa zany io lanitra fonenan'Andriamanitra sy ny anjely io, dia ho aiza izy ireo, toy izany koa ny amin'ny tany, na dia tsy hanaraka ny baiboly aza ny namana sasany dia araho ihany ny lojika tokony hitombona sy tsy hitombona.

13. didi10 ( 11/07/2012 06:36)

jojo3t:

Variana amin'ny "logique" sy ny "calcul" ampianarin'olombelona ianao namana ka izay no tsy hanekenao fa ho levona ny lanitra sy ny tany, Andriamanitra namana mahay manao ny misy ho tsy misy ary mahay manao ny tsy misy ho misy a!
Mba mangataka fahatakaran-kevitra avy aminao sy Jajajaly aho ny amin'io ranomasina tsy hisy intsony io amin'ny tany vaovao.
14. Miharena ( 11/07/2012 06:38)

maty izy, ary mijanona ao ampasana

Ity ihany no singaniko amin'ny valinteninao Jojo3t. Marina ve io aminao? Raha izaho manko dia tsy hilaza mihitsy hoe raha maty ny reniko dia ao am-pasana fa ny vatany fotsiny io ao io. Asa ny fanazavanao io hevitrao io. Azo omena ohatra mazava ve izany fianana ao am-pasana izany?
15. Tefigasy ( 11/07/2012 07:01)
jojo3t:

Vakio tsara ny tantara fa ny Apostoliny no nilazan'i Jesosy io toerana nomaniny io

Ilay izy hoy aho raha adika vilana foana io baiboly io, alaina amin'izay tiana sy mahametimety anao dia ho takona aminao hatrany ny fahamarinana voalaza ao anatiny ao. Jesoa dia niresaka tamin'ny olona hita maso hatrany, na mpianatra na tsy mpianatra ao anaty baiboly ao fa tsy niresaka tamin'ny rivotra akory na niresaka manokana ho an'ny taonjato mbola ho avy manaraka rehetra. Ka raha izay no hororitina dia lasa tsy natokana ho anao ny baiboly fa nijanona ho an'ireo niaina tamin'izany taonjato taloha ela be izay fotsiny nefa dia DISO tanteraka izany tompoko !
jojo3t:

sa ny namana ve mieritreritra ho apostoly na vohahositry ny fanahy ka hanjaka iaraka amin'ny Jesosy, so dia amin'izay fotoana izay no ilazan'i Jesosy hoe tsy fantako enao.

Sao dia ilay atao hoe apostoly mihitsy koa aza no tsy azonareo e ?
Aza matahotra ny amiko ianao fa efa assuré ny aty ary tena hiaraka sy tafiditra ao amin'izany fanjakan'i Kristy izany, ianao mbola tsy mandray an'i Jeso ho tompo sy Andriamanitrao io izao no atahorana mafy mihitsy sady mampivarohantsana ahy ny hiafaranao ka mbola mahatonga ahy hizara hatrany eto !
jojo3t:

Aiza ho aiza nareo amin'ilay hoe ny marina handova ny tany ? Sa tsy novakianareo.

Torohevitra ity: rehefa mamaky ny baiboly dia tsy tapatapahina isaky ny andininy fa vakiana daholo hatramin'ny farany dia ho azonao hoe aiza io tany efa nampandovain'Andriamanitra io firenena nofidiany io !
jojo3t:

Hiaona amiko ao am-paradisa enao : efa nazavaina tany aloha be ny tian'i Jesosy holazaina amin'io, tsy teo no ho eo na tamin'ny iny andro iny akory io jiolahy io no hoe nalefa tany ankoatra sy lasa fanahy ka hoe tany am-paradisa, maty izy, ary mijanona ao ampasana, hotsarovan'i Jesosy izy ka hatsangany amin'ny maty ary zai vao honina amin'ny paradisa an-tany, i Jesosy ary taorian'ny nahafatesany mbola nijanona tao am-pasana toy ireny maty ireny ary tamin'ny andro fahatelo vao natsangana, dia taiza zany le jiolahy, dia 40 andro taorian'izay i Jesosy vao niakatra ho any an-danitra, vita ny iraka nataony tety ka niakatra izy ary mbola miandry ny baiko farany hanatanterahany ny fikasan'Andriamanitra rehetra momba ny olona sy ny tany.Vakio ny Matio, Marka, Lioka, Jaona fa ao zany tantara zany.

Alohan'ny hamakiana ny baiboly ihany koa ry namana dia mila mangataka tsara ny Andriamanitra FAnahy MAsina ianao mba hanazava aminao fa raha tsy izany dia hivilana toy izao foana ny zavatra hitanao ao anatin'io baiboly io!
Ary averiko foana ity fa aza avilana hoy aho ny tenin'Andriamanitra izay voasoratra. Rehefa hoe anio dia anio izany fa tsy avadikareo ho afaka 40 andro indray. Azon'i Jesoa tsara ny niteny hoe afaka 4O andro ianao no hiaona amiko fa tsy anio ! lol
jojo3t:

Ho levona ny lanitra sy ny tany : raha ara-bakiteny io, dia ho levona koa zany io lanitra fonenan'Andriamanitra sy ny anjely io, dia ho aiza izy ireo, toy izany koa ny amin'ny tany, na dia tsy hanaraka ny baiboly aza ny namana sasany dia araho ihany ny lojika tokony hitombona sy tsy hitombona.

Diniho tsara ny Genesisy fa ao amin’ny soratra masina dia misy lanitra maro.
Gen.1:1 : « Au commencement, Dieu créa les cieux et la terre» . Pluriel eto ny lanitra fa ny tany kosa singulier satria tokana. Raha tena adika avy amin’ny teny hebreo io dia toy izao hoe «tamin’ny voalohany Andriamanitra dia nahary ireo lanitra sy tany». Misy lanitra maro izany ambara eto. Ary aty aoriana, any amin'ny Gen.1:6-8 Andriamanitra vao namorona ity lanitra misy eto amin'ity tany ity : «Ary Andriamanitra nanao hoe : Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy . Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany . Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra . dia nisy hariva , ary nisy maraina , andro faharoa izany .» Ilay lanitra resahina eto dia lanitra tokana amin’izay dia lanitra miaraka amin’ny tany ary hamarinin’ny siansa izany fa misy galaxy maromaro amin’ny zavatra noharian’Andriamanitra ary galaxy iray fotsiny no misy ity lanitra sy tany hitatsika ity izay nolazain'i Jesoa fa holevonina ! Tadidio fa tsy nasarany tamin'ny tany misy azy io lanitra holevonina io tompoko fa tsy ny lanitra any amin'ny galaxy hafa izay tsy mbola fantatrao akory ny fisiany !

16. jojo3t ( 11/07/2012 07:56)
Ny Apostoly dia mpianatra nofidin'i Jesosy manokana, anisan'izany ireo apostoly 11 sy ireo kristiana vohahosotry ny fanahy mba iaraman-jaka amin'i Kristy, antsoina hoe "ondry vitsy" izy ireo, mbola manana ondry hafa tsy ao anatin'ity vala ity anefa aho hoy i Jesosy dia nantsoiny hoe "ondry hafa" ireo, ny ondry vitsy dia ireo vohahosotry ny fanahy ho any an-danitra, ary ny ondry hafa dia ireo olona hoentina eto amin'ny paradisa eto an-tany, ary ny sisa amin'ireo ondry vitsy mbola eto an-tany dia ireo no nampandreketin'i Jesosy hikarakara sy hanome sakafo ara-panahy ampy ho an'ireo ondry hafa, antsoina hoe mpanompo mendri-pitokisana sy malina izy ireo, ary ny ondry vitsy sy ny ondry hafa dia miara-miasa amin'ny fanantanterahana ny asa fitoriana mandra-pahatongan'ny farany araka ny nolazain'i Jesosy, lava be io resaka io ary hazavainy tsara ao amin'ny baiboly fa tsy ho voatanisa eto.

Efa nazavaiko foana fa misy ara-bakiteny, ary misy ara-panoharana ny zavatra lazain'ny baiboly, tsy ara-bakiteny ahalevona ny tany fa ny zavatra ratsy eo aminy no ho levona ary havaaozina izany avy eo, tsy novakin'i didi10 tsara ve le efa voalazako ery ambony, mahay zavatra Andriamanitra dia tsy ho hainy ve ny hanavao ny tany araka ny teniny fa holevoniny toy ny tsy misy ny zavatra nohariany.

Raha mamaky tsara ny famoronana ao amin'ny Genesisy enao namana tefigasy dia hitanao tsara ao fa nataon'Andriamanitra sy noforoniny tsy hihozongozona mandrakizay ny tany, ary tsy miova amin'izany fikasany zany izy na nanota aza i Adama sy Eva.

Ho an'i Miharena, raha maty ny reninao dia mijanona ao am-pasana izy fa tsy lasa any and-anitra na niova ho fanahy akory, toy ny matory tsy mahatsiaro tena no ilazan'i Jesosy ny maty, hono oà miharena, taiza kay i Jesosy no nanangana an'i Lazarosy, maty hafiriana izy, dia iza avy no nanatrika teo, tany an-koatra ve, tany an-danitra ve, ny reninao dia miandry ny fitsanganan'ny maty ary i Jesosy no hanangana azy, efa voalaza tery aloha zany, na ny ranomasina aza hamoaka ny maty ao aminy, tsy fantatrareo ve izany.

Miezaka mihitsy za mamaly anareo tsirairay avy, mahafinaritra anà zany, fa zao, ianareo tsy mamaly an'ilay fanontaniako momba ny marina handova ny tany mihitsy fa avadikareo foana, tsy maninona iny raha tsy voavalinareo, fa anjarako ndray ny manontany eto dia mba valio :

Matio 6 : 9... : vavaka nampianarin'i Jesosy, "Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, atao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any and-danitra".

Mianatra lesona tsika eto, zavatra ho avy daholo ireo, ary mbola tsy tanteraka, ary hasain'i Jesosy hangatahana foana zany mandra-pahatongany, hohamasinana aiza hony ny anaran'Andriamanitra, dia aiza hono no ho tonga ny fanjakany, dia hatao aiza hony ny sitrapony, dia tenin'iza no nilaza ireo teny ireo? Raiso ny penina ary ry namana isany.
17. Miharena ( 11/07/2012 08:04)

Ho an'i Miharena, raha maty ny reninao dia mijanona ao am-pasana izy fa tsy lasa any and-anitra na niova ho fanahy akory, toy ny matory tsy mahatsiaro tena no ilazan'i Jesosy ny maty, hono oà miharena, taiza kay i Jesosy no nanangana an'i Lazarosy, maty hafiriana izy, dia iza avy no nanatrika teo, tany an-koatra ve, tany an-danitra ve, ny reninao dia miandry ny fitsanganan'ny maty ary i Jesosy no hanangana azy, efa voalaza tery aloha zany, na ny ranomasina aza hamoaka ny maty ao aminy, tsy fantatrareo ve izany.

Aleo aloha ity ho raisina tsara satria ity no mifanandrify amin'ny resatsika satria koa heveriko fa efa voavaly ilay resaka momba ny hoe amin'y fomba ahoana ny olona no hahazo nofo sy ny hoe iza no hivelona any ankoatra.

Ilay resaka hoe ao am-pasana dia tsy mbola manome valiny mazava amiko io valinteninao io. Fantatra fa naverin'i Jesoa tamin'ny nofony ny fanahin'i Lazarosy. Fa rehefa maty fanindroany i Lazarosy dia efa eo an-tratran'i Abrahama. Vakio tsara ilay Baiboly fa aza dia tonga dia maka tsoa-kevitra bontolo (ialàna tsiny ami'ny fomba fiteny).

18. Tefigasy ( 11/07/2012 08:10)
Mat 24 : 11 "Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro . "
Ny olona izay mandika vilana sy mamadika izay voasoratra ao amin'ny soratra masina no ambara eto ! Ary aiza moa no mety hiafaran'ireny :
Apo 19 : 20 : Ary nosamborina ilay bibidia mbamin'ny mpaminany sandoka , dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany , izay nentiny namitaka ny efa nandray ny sariny ; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa .
19. jojo3t ( 11/07/2012 09:18)
Tsy misy resaka mihitsy ao amin'ny baiboly hoe lasa fanahy i Lazarosy dia naverina nofo, sa i Lazarosy ve nitantara na nahita fiainana hafa ao amin'ny baiboly ry Miharena, tsy tokony natsangana izy raha efa lasa fanahy, toy izany le zazavavy 12 taona sy ny zanak'ilay mpitondratena natsangan'i Jesosy.

Namana tefigasy, amiko ny dinika dia tsy fanakianana fotsiny fa fifanakalozan-kevitra, mahakasika ny tany ity lohahevitra ity ka aiza le valinteninao fa toa variana be any amin'ny fitsarana fotsiny enao, sa ireo andininy nomeko ireo tsy mety aminao fa hoe navadika, tsy voavaly hatreto ny fanontaniana mipetraka, ka mba valio azafady.
20. jojo3t ( 11/07/2012 09:28)
Hampiako kely, fa hisy mpaminany sandoka hipoitra, fanontaniana manokana ho an'i Tefigasy, tenin'iza kai ireo nolazaiko momba ny tany etsy ambony, dia teniko sa ao amin'ny baiboly, nindrana ny mpaminany isaia tsika tery amboalohany nilaza momba ny paradisa an-tany ho avy, ka sanatria ve dia i Isaia no lazainao fa mpaminany sandoka, Andriamanitra anie hamela ny helokao fa ratsy be izany.

Ary haveriko ihany fa momba ny tany ity lohahevitra ity fa tsy fasana sy mpaminanay sandoka, fa tsara atao lohahevitra hafa ndray ireo, dia zao, valio le mahakasika ny tany fa aleo tsy mivoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.073