Hijanona eto an-tany tokoa ve isika?
21. jojo3t
(
11/07/2012 09:30)
Apetraho mazava eo ny valin-teny sy fanontanianareo fa rapitso ndrai za mamaly azy tsirairay avy. Mahafinaritra ny dinika ary satry foana ho eto saingy manam-petra ny fotoana.
22. Tefigasy
(
11/07/2012 09:45)
jojo3t:
Namana tefigasy, amiko ny dinika dia tsy fanakianana fotsiny fa fifanakalozan-kevitra, mahakasika ny tany ity lohahevitra ity ka aiza le valinteninao fa toa variana be any amin'ny fitsarana fotsiny enao, sa ireo andininy nomeko ireo tsy mety aminao fa hoe navadika, tsy voavaly hatreto ny fanontaniana mipetraka, ka mba valio azafady.
Tsy haiko na ianao no minia tsy mamaky izay voasoratra rehetra tahaka ny famakianao ny baiboly ihany fa efa noraisiko tsirairay izay nolazainao teo ambony ary efa nasiako valiny mifanaraka tsara aminy .
jojo3t:
Hampiako kely, fa hisy mpaminany sandoka hipoitra, fanontaniana manokana ho an'i Tefigasy, tenin'iza kai ireo nolazaiko momba ny tany etsy ambony, dia teniko sa ao amin'ny baiboly, nindrana ny mpaminany isaia tsika tery amboalohany nilaza momba ny paradisa an-tany ho avy, ka sanatria ve dia i Isaia no lazainao fa mpaminany sandoka, Andriamanitra anie hamela ny helokao fa ratsy be izany.
Tsy mahagaga fa ny Devoly ihany koa dia naka toko sy andininy tao anaty baiboly raha nitady izay hamitahana an'i Jesoa izy.
Tsy ny baiboly akory no diso fa ny fandikanareo vilana azy no mahatonga ahy hiteny hoe mpaminany sandoka ianareo raha manao izao fanaonareo izao. Tsy mitsara ny filazana izany amiko fa fitenenana ny zava-misy fotsiny ihany. Izay andraisanao azy tsy mampaninona ahy.
Ny efa voaosoratra aza moa toy ny hoe "anio" dia sahinareo ny mamadika izany ho "amin'ny manaraka" . Mapalahelo e !
23. jajajaly
(
11/07/2012 10:26)
Hoy ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Mpitoriteny 1:4 "4Â Lasa ny taranaka iray, ary mandimby ny taranaka iray, fa ny tany kosa maharitra mandrakizay."
Ahoana ny fahazahoanareo an'io teny io?
Ahoana ny fahazahoanareo an'io teny io?
24. jajajaly
(
11/07/2012 10:38)
Tefigasy
Lio 23 : 43 :"Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa ."
Fanontaniana: Nankany amparadia ny androtriny ve i Jesosy?
25. Tefigasy
(
11/07/2012 11:42)
jajajaly:
Tefigasy
Lio 23 : 43 :"Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa ."
Fanontaniana: Nankany amparadia ny androtriny ve i Jesosy?
Dia lazaivo fa mandainga koa izany Jesoa izany aminareo e !
jajajaly:
Hoy ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Mpitoriteny 1:4 "4 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby ny taranaka iray, fa ny tany kosa maharitra mandrakizay."
Ahoana ny fahazahoanareo an'io teny io?
Mila mijery tsara ny vanim-potoana rehetra ianao fa tsy nijanona tamin'ny vanim-potoana iray akory ny seho ao amin'ny baiboly ao:
1 - Nisy fotoana rehefa nanota ny olom-belona dia nanjary nisy zavatra voaozona sy voaloto ka tsy azo nohanina na natao n'inon'inona
2 - Nisy fotoana nitondran'Andriamanitra ny zanak'israely niala tany amin'ny tany egypta ary nomeny lalàna arahina mandrapahatanterak'izany lalàna rehetra izany.
3 - .....
==> Raha mijanona eo amin'io vanim-potoana nitrangan'ny tranga iray io fotsiny ianao fa tsy tohizanao izay voalaza ao anaty baiboly dia tavela e!
Raha ny boky iray ihany amin'ny baiboly manontolo no andeha hanatsoahina tsoan-kevitra dia mbola tsy hahita ilay fahamarinana lazaina ianao. Apetrako foana ity teny fa ny "soratra mahafaty fa ny teny no mahavelona" Ary Jeso kristy io teny io Tompoko, Izy no henoy ! Rehefa niteny taminao izy fa ho potika ny lanitra sy ny tany izay hitsahinao ity dia ho potika izy izany !
26. didi10
(
11/07/2012 11:52)
jajajaly:
Hoy ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Mpitoriteny 1:4 "4Â Lasa ny taranaka iray, ary mandimby ny taranaka iray, fa ny tany kosa maharitra mandrakizay."
Ahoana ny fahazahoanareo an'io teny io?
Eo amin'ilay teny hoe mandrakizay no tena miseho ny olana.
Indraindray ny Baiboly rehefa milaza zavatra tsy manam-piafarana dia manao hoe mandrakizay, fa indraindray kosa dia misy teny ho mandrakizay mandrakizay.
ohatra: Mandrakizay ny famindram-poNY (Salamo 100,5)
Ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay (Fil 4,20)
Misy mahasamihafa azy ve ireo roa ireo?
27. Miharena
(
11/07/2012 12:09)
Jojo3t:
Tsy misy resaka mihitsy ao amin'ny baiboly hoe lasa fanahy i Lazarosy dia naverina nofo, sa i Lazarosy ve nitantara na nahita fiainana hafa ao amin'ny baiboly ry Miharena, tsy tokony natsangana izy raha efa lasa fanahy, toy izany le zazavavy 12 taona sy ny zanak'ilay mpitondratena natsangan'i Jesosy.
Isika moa dia ao anaty Baiboly ihany no manovo avy eo mamboly arakarak'izay fiheverantsika, indrindra fa io valinteny ataonao io Jojo3t izay tsy mitombina mihitsy raha ny fandinihana iray manontolo ny Baiboly fotsiny aza no jerena.
Ny mandrakizay ao amin'y olombelona matoa nampanantenaina fiainana mandrakizay izy dia tsy misy afa-tsy ny fanahy. Ny nofo dia tsy hitoetra mandrakizay velively. Ka asa hoe rehefa modimanry ny olona ka raraka ny nofony dia mbola ao ihany hoy ianao izy ?
Aza tanana be fahatany ny hevitrao fa tohano tsara namana Jojo3t a! Ataoko ianao tena mahay maneho hevitra mihitsy ary mahay maka ohatra be dia be ao amin'y Baiboly!
Ny forum moa lazaina fa fanehoan-kevitra ary marina izany ary ataoko fa ahafahana mamantatra izay lalan-kombana koa ny fanehoan-kevitra toy itony fa tsy hoe very anjambany akory.
28. jojo3t
(
12/07/2012 03:25)
Tiako raha sokafan'i Miharena amin'ny lohahevitra hafa mihitsy ilay hoe fanahy tsy mety maty fa ny nofo no miraraka ao am-pasana dia dinihintsika miaraka io, mahaliana be anao mantsy izy io matoa lazainao foana.
Maro be ny mpamaky mandinika ity dinika ity ka aleo marina tsy mivoana amin'ny lohahevitra, ny namana tefigasy moa zany d'efa hafa mihitsy ny fandraisany azy, mahakasika ny tany ity lohahevitra ity nefa toa tsy mety voavaly mihitsy le fanontaniana fa haholakolany amin'ny hoe avadika foana ny andinin-teny, mivantana sy mazava loatra ve le andininy dia tsy hita izay hamaliana azy.
Na tsy voavaly aza ny teo aloha dia hampiako foana ny andinin-teny momba ny tany, tsy lany mihitsy io ao amin'ny baiboly, marihiko fa mamaly nareo fa tsy mahakasika ny tany mihitsy :
Andininy hafa indray ireto :
Matio 5 : 5 : "Heureux ceux qui sont doux de caractère, puisqu'ils hériteront de la terre".
Salamo 37 : 11 : "Mais les humbles posséderont la terre, et vraiment ils se délecteront de l'abondance de paix".
Asa namana tefigasy, navadika ve ny andinin-teny, aiza ho aiza enao ?
Ny marina, ny malemy fanahy, ny mpandefitra no ilazan'ny baiboly an'ireo handova ny tany, ka asa diso fanoratra ngamba ny mpaminany, aiza ho aiza amin'ireo telo ireo nareo zai ho any an-danitra, mba hazavao hoe ireo andininy 2 ireo fotsiny!
Aleo ny mpamaky mba handinika tsara hoe inona marina no voalazan'ny baiboly ?

29. Miharena
(
12/07/2012 04:16)
Somary mihodina manodidina ny resaka paradisa nosokafana tatsy ihany moa ity lohahevitra ity ary voaresaka avokoa ny resaka fanahy tsy mety maty sy ny sisa raha hiresaka toerana ipetrahan'ny olombelona aorian'ny fandaozana nofo isika.
Ny nofo no mitady trano isitrihana fa ny fanahy tsy voafefin'izany.
Raha raisina ny tenin'i Kristy hoe Ny Zanak'olona tsy manana izay andrian'ny lohany, dia mazava io fa resaka ara-panahy. Tsy misy trano ny fanahy fa manerana fa ny nofo no mila toerana.
Koa raha voalaza hoe ny mpandefitra no handova ny tany, dia fanomezana toerana ny fanahy réincarné izany.
Ny fanavaozana dia miainga amin'ny fihavaozana ao anaty raha io resahana io no jerena. Izany hoe tsy misy tany vaovao raha tsy misy olom-baovao na nahadio tena tanteraka, na azo lazaina hoe mifoha tanteraka.

30. jojo3t
(
12/07/2012 04:46)
Olona nofo no lazain'ny baiboly fa handova ny tany, hono oà Miharena, ireo lazain'ny baiboly fa ho tafita velona, zai tsy ho faty aorian'ny Ara-magedona, ahoana ireo ? Vatana nofo sy ra no ho tafita velona, ary mihampy ireo hatsangana amin'ny maty, ary mbola lazaina ary hoe hanadio ny tany ireo ary ny faty miampatrampatra aorian'io Ady lehibe io dia ho zeziky ny tany hoy ihany ny baiboly, ny biby lazaina fa tsy hasiaka intsony na handratra amin'izany fotoana izany, hovaina fanahy koa ve ireo, mifanohitra tanteraka amin'ny baiboly zany fanjohihan-kevitra zany, aoka ho fantatsika tsara fa samy fanahy(âme) hita maso no hiantsoan'ny baiboly ny olona sy ny biby, vakio ny Ezekiela 18 : 4 fa hazavainy ao tsara fa ny fanahy izay manota no ho faty, io vatantsika io no antsoin'ny baiboly hoe fanahy ao Genesisy fa tsy hoe misy tsy hita maso miala ao rehefa maty. Io no lazaiko hoe ataovy lohahevitra hafa mihitsy.
31. Tefigasy
(
12/07/2012 04:48)
jojo3t:
Matio 5 : 5 : "Heureux ceux qui sont doux de caractère, puisqu'ils hériteront de la terre".
Salamo 37 : 11 : "Mais les humbles posséderont la terre, et vraiment ils se délecteront de l'abondance de paix".
Jereo tsara tompoko fa verbe"futur simple" daholo ireo ampiasaina ireo. Ny tany izay tenenina eto dia tany "futur" fa tsy tany present akory. Izay no mba hitenenana foana fa diniho hatramin'ny farany ny teny fa aza tsongatsongaina araka izay tiana hatongavana.
Misy tany roa izay ambaran'ny soratra masina, misy jerosalema roa izay ambaran'ny baiboly. Ary misy lanitra be dia be.Tany roa samy hafa, Jerosalema roa samy hafa. Ny iray (tany, Jerosalema) ho levonina ary ny iray kosa dia hafa mihitsy izay tsy misy hifandraisany amin'ilay teo aloha :
Avy aiza ilay Jerosalema vaovao, ilay jerosalema taloha ve no namboamboarina? Raha ny taloha no namboamboarina dia tsy vaovao no fiteny izany tompoko fa hafa mihitsy.
Apo 21 : 2 : "Ary nahita aho fa , indro , ny tanàna masina , dia Jerosalema vaovao , nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra , voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny ."
Inona ny zava-misy any amin'io jerosalema vaovao io, mitosy amiin'ilay fiainana tao amin'ilay Jerosalema ankehitriny ve na misy hifandraisany ?
Apo 21 : 4 :"Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony ; ary tsy hisy fahafatesana intsony , sady tsy hisy alahelo , na fitarainana , na fanaintainana ; fa efa lasa ny zavatra taloha ."
Zavatra hafa mihitsy izany tompoko!
32. jojo3t
(
12/07/2012 05:20)
Mazava tsara ny voalazanao ary tsotra no hamaliako azy, efa lasa ny zavatra taloha, efa nazavaiko tary aloha io, hazavainy tsara ao fa zao zavatra rehetra iainantsika amin'zao fotoana zao no ho tsy hisy intsony ary tsy hotsarovana intsony, ny ratsy rehetra ety ambonin'ny tany no ho foana fa tsy ny tany no hiova hafa mihitsy, ny dikan'ny hoe havaozina dia zao raha tsy haintsika : "ny efa eo no hatsaraina ho tonga lafatra fa tsy hoe hamorona vaovao", havaoziko ny zava-drehetra hoy Andriamanitra, anisan'izany ny io lazain'ny apokalipsy io hoe, tsy hisy intsony ny fanaintainana, ary tsy hisy intsony ny fahafatesana, amin'zao tsika mbola antitra sy maty, fa amin'zany fotoana zany kosa, efa voavoatra ny zava-drehetra ka ho tanteraka avokoa ny faminaniana rehetra ho an'ny tany sy zai monina eo.
33. Tefigasy
(
12/07/2012 05:57)
Aleo hajanoko hatreto amin'izay ilay fandraisako anjara amin'ity lohahevitra iray ity aloha fa na ho tapitra hambarako eto daholo aza izay ao anaty baiboly ao dia aodinareo foana ilay tenin'Andriamanitra ka tsy dia hitako intsony izay tokony hanohizana azy.
Averiko foana fa :
afaka natao ny nanoratra tao anaty baiboly hoe "amin'ny manaraka" fa tsy "anio". Anio aloha no voasoratra ao
afaka natao ny nanoratra hoe "tany nohavaozina" saingy "tany vaovao" aloha no hita ao. Raha manavao ny fiarako (2cv) aho (lokoiko tsara, ovaiko daholo ny piece rehetra aminy, alako ny ratsy dia soloiko tsaratsara kokoa )dia tsy hisy hiteny mihitsy hoe iny misy 2cv vaovao na hiodin-kavia na hiodin-kavanana; saingy kosa raha maka modele fiara hafa mihitsy izay tsy mbola nisy aho ary ny piece tamin'io fiara (2cv) efa nisy io no natsaraiko ka natao taminy dia betsaka ny hanambara fa vaovao io fiara io !
afaka natao ny nanoratra hoe "jerosalema nohavaozina" saingy "Jerosalema vaovao" aloha no hita ao .
sy ny sisa maro be , ovay daholo fa hahasoa anareo izany ary raha izaho ianareo dia mamorona baiboly hafa mihitsy amin'izay tsy misahirana intsony mamadibadika teny isaky ny mihetsika !

34. didi10
(
12/07/2012 05:59)
Ahoana hoy aho ry Jojo sy Jajajaly ilay hoe tsy hisy ranomasina intsony fa tsy mety mamaly mihitsy ianareo.
35. jojo3t
(
12/07/2012 06:27)
Efa nohazavaiko tery ambony fa tsy mamaky mihitsy didi10 zany fa tonga de aty ambany no mijery, ny namana tefigasy, aza kivy sahady ka hoe faranana ny fandraisana anjara, zao voa tena liana ny mpamaky hoe inona marina no hambaran'ny baiboly :
Mitohy foana ny dinika : ireto ndray misy andininy vitsivitsy momba ny tany :
Harindrako tsara inty lohahevitra inty mba hazava amin'ny mpamaky :
Natao honenana sy naorina ho mandrakizay ny tany fa tsy natao ho potehina :
Vakio ireto : Salamo 78 : 69, Mpitorinteny 1 : 4, Isaia 45 : 18 (andininy vaovao ndray ireo).
Fa iza no ho any an-danitra : testamenta taloha sy vaovao ireto :
Lioka 12 : 32 : ireo ondry vitsy no ho any an-danitra.
Apokalipsy 14 : 1-5 : 144000 no isan'izy ireo, ary lazaina ao fa tsy misy afa-tsy izy ireo no mahay ilay fihiràna vaovao sy navotana hiala amin'ny tany, lazainy tsara ao koa hoe olona manao ahoana izy ireo, vakio tsara io andininy io.
Marka 10 : 29, 30 : i Jesosy mihitsy no miteny inty : izay rehetra mahafoy tena ho azy, dia hahazo ny fiainana mandrakizay amin'ny ho avy, mariho tsara, amin'ny ho avy fa tsy any ankoatra na any an-danitra amin'zao fotoana zao.
Fa maninona no amin'ny ho avy? Mbola hanao zavatra maro izy alohan'ny hahatongavan'io fanjakany io :
Santionany iray monja ity :
Daniela 2 : 44 : ho avy izy hanorotoro ny fitondram-panjakan'olombelona rehetra misy eto an-tany, fa maninona no horavana ireo fa tsy ny olona rehetra, satria ireo no anisan'ny fototra mahatonga ny fahorian'ny olombelona, rehefa levona ireo dia tohizo ny vakinteny fa ny fanjakan'Andriamanitra no hisolo azy, izay i Jesosy no ho Mpanjaka ary hitoetra mandrakizay ny fanjakany.
Ka hono oà efa mitranga amin'zao ve io faminaniana io ? Sa mbola eo ny fitondran'olombelona, ka aza maika loatra isika fa fantaro ny famantarana omen'i Jesosy, izy aza mbola miandry ny baiko omena azy nefa nareo toa efa lasa any ankoatra sy ho any an-danitra rehefa maty, ny fanjakany aza mbola tsy tonga.
Mazotoa mamaky ry mpamaky hajaina.

36. jajajaly
(
12/07/2012 06:30)
jajajaly
Lio 23 : 43 :"Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa ."
Fanontaniana: Nankany amparadia ny androtriny ve i Jesosy?
Tefigasy
Dia lazaivo fa mandainga koa izany Jesoa izany aminareo e !
Raha i Jesosy no anontaniana dia izao no navaliny : Tsy tany an-danitra izy nandritra ireo telo andro ireo sady tsy tany amparadisa, satria hoy izy tamin’i Maria Magdalena, taorian’ny nitsanganany: «Mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray aho.» (Jaona 20:17) Efa 40 andro taorian’izay ny mpianany vao nahita azy nakarina tany an-danitra, ary avy eo tsy nahita azy intsony.—Asa. 1:3, 6-11.
Sao dia tsy azonao ary ny tian'i Jesosy resahana amin'io. Saintsaina tsara ny soratra masina.
37. jajajaly
(
12/07/2012 06:58)
Didi10
Ahoana hoy aho ry Jojo sy Jajajaly ilay hoe tsy hisy ranomasina intsony fa tsy mety mamaly mihitsy ianareo.
Mamakia tsara baiboly hatrany amin'ny voalohany namana. Efa nazavain'ny rahalahy Jojo io ny tany, ity indray ary ny ranomasina e!
Isaia 57:20Â «Ny ratsy fanahy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara tsy mety mitony, ary mamoaka ahidranomasina sy fotaka ny ranon’ilay ranomasina."
Tsy hisy intsony ny ranomasina satria esorina eto an-tany ireo. Mariho ny hanavaozan'Andriamanitra ny tany ao amin'ny salamo 37: 9,10 "Ny mpanao ratsy horinganina, Fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. 10Â Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy."
Hanao ahoana ity tany ity raha tsy hisy intsony ny ratsy fanahy? (Tsy tsara ve ny eto? izany indrindra no ampanantenain'ny baiboly) Mazava ve ilay Ranomasina.
Miresaka lanitra vaovao sy tany vaovao isika: Valio azafady (Didi10 sy Tefigasy).
2 Petera 3:7, 10 / Apokalypsy 21:1
Misy firesahana an'ireto 2 Petera 3:5, 6 (sy 2:5, 9) aloha vao nosoratana ireo teny ireo. Mba azavao hoe miresaka an'iza sy inona ireo andinin-teny ireo? Raha tsy haintsika manko izany dia sarotra amintsika ny hamantatra amin'ny saina tsy miangatra ny laitra vaovao sy tany vaovao!!
38. jojo3t
(
12/07/2012 08:16)
Hanampiako ny valin-teny momba ny ranomasina, efa nilaza za tery aloha fa ara-panoharana ny ranomasina izay tsy hisy intsony, ary io voalazan'i jajajaly ao amin'ny Isaia io ilay izy, fa ny ranomasina ara-bakiteny kosa dia maro izy ao amin'ny baiboly, anisan'izany ity fahitana hitan'i Jaona momba ny fitsanganana amin'ny maty ity :
Apokalipsy 20 : 11-13 : hamoaka ny maty ao aminy ny ranomasina sy ny fiainan-tsihita na ny fasana, zany hoe na aiza na aiza misy ny nahafatesan'ilay olona, dia hitsangana izy amin'izay fotoana izay, ary anisan'izany ny ranomasina.
Ny fitsanganana amin'ny maty anefa aorian'ny Haramagedona, ho levona amin'izay ireo ranomasina ara-panoharana, ary hatsangana ny maty, ka ahoana no fomba hamoahan'ny ranomasina ny maty ao aminy raha tsy ho eo intsony izy.

39. leva2
(
12/07/2012 20:30)
jojo3t:
Olona nofo no lazain'ny baiboly fa handova ny tany, hono oà Miharena, ireo lazain'ny baiboly fa ho tafita velona, zai tsy ho faty aorian'ny Ara-magedona, ahoana ireo ? Vatana nofo sy ra no ho tafita velona, ary mihampy ireo hatsangana amin'ny maty, ary mbola lazaina ary hoe hanadio ny tany ireo ary ny faty miampatrampatra aorian'io Ady lehibe io dia ho zeziky ny tany hoy ihany ny baiboly, ny biby lazaina fa tsy hasiaka intsony na handratra amin'izany fotoana izany, hovaina fanahy koa ve ireo, mifanohitra tanteraka amin'ny baiboly zany fanjohihan-kevitra zany, aoka ho fantatsika tsara fa samy fanahy(âme) hita maso no hiantsoan'ny baiboly ny olona sy ny biby, vakio ny Ezekiela 18 : 4 fa hazavainy ao tsara fa ny fanahy izay manota no ho faty, io vatantsika io no antsoin'ny baiboly hoe fanahy ao Genesisy fa tsy hoe misy tsy hita maso miala ao rehefa maty. Io no lazaiko hoe ataovy lohahevitra hafa mihitsy.
"Ce que je dis, frères, c’est que la chair et le sang ne peuvent hériter le royaume de Dieu" 1 Kor 15/50
Ny nofo ama-ndra tsy mandova ny fanjakan'Andriamanitra namana fa, taiza no nahitanao an'io hoe olona "nofo" handova ny tany?
"Une voix dit: Crie! Et il répond: Que crierai-je? Toute chair est comme l’herbe, Et tout son éclat comme la fleur des champs. L’herbe sèche, la fleur tombe, Quand le vent de l’Eternel souffle dessus. Certainement le peuple est comme l’herbe: L’herbe sèche, la fleur tombe; Mais la parole de notre Dieu subsiste éternellement." Isa 40/06-08
Ny nofo tsy maharitra mandrakizay fa ny Tenin'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Santionany ihany ireo verset ireo.
40. leva2
(
12/07/2012 21:09)
jojo3t:
Fa iza no ho any an-danitra : testamenta taloha sy vaovao ireto :
Lioka 12 : 32 : ireo ondry vitsy no ho any an-danitra.
Apokalipsy 14 : 1-5 : 144000 no isan'izy ireo, ary lazaina ao fa tsy misy afa-tsy izy ireo no mahay ilay fihiràna vaovao sy navotana hiala amin'ny tany, lazainy tsara ao koa hoe olona manao ahoana izy ireo, vakio tsara io andininy io.
Velona Jesosy!
Marina tokoa fa ho vitsy ny ho voavonjy raha ampitahaina amin'izay ho very : "Car large est la porte, spacieux est le chemin qui mènent à la perdition, et il y en a beaucoup qui entrent par là. Mais étroite est la porte, resserré le chemin qui mènent à la vie, et il y en a peu qui les trouvent." Mat 07/13-14, saingy tsy araka izay iheveranao azy.
Vakio tsara ny Apo 07 dia ho hitanao fa tsy ireo 144000 ireo ihany akory no mankany an-danitra fa mbola misy olona marobe avy amin'ny firenena sy ny foko samihafa, ireo izay "nanasa ny lambany tamin'ny Ran'ny Zanak'ondry" ka hanompo an'Andriamanitra andro aman'alina eo amin'ny seza fiandrianany.