Hijanona eto an-tany tokoa ve isika?
41. leva2
(
12/07/2012 21:32)
jojo3t:
Vakio tsara ny tantara fa ny Apostoliny no nilazan'i Jesosy io toerana nomaniny io, ireo voahosotry ny fanahy 144000, hiaraman-jaka aminy ireo ka ipetraka eo akaikiny ary izay misy azy dia misy an'ireo, sa ny namana ve mieritreritra ho apostoly na vohahositry ny fanahy ka hanjaka iaraka amin'ny Jesosy, so dia amin'izay fotoana izay no ilazan'i Jesosy hoe tsy fantako enao.
Aiza ho aiza nareo amin'ilay hoe ny marina handova ny tany ? Sa tsy novakianareo.
Velona Jesosy!
Efa novaliko etsy ambony fa tsy ireo 144000 ireo ihany no mankany an-danitra.
Marihiko fa io no fitsanganana voalohany sady lalana na toerana tokana azon'ny kristiana antenaina, fa ny fitsanganana faharoa dia ho amin'ny fitsarana, na ny marimarina kokoa fotoana hihainoan'ireo izay tsy mba nandray an'i Kristy sy tsy marina ka handraisany ny valin'asany, dia ny fahafatesana faharoa na ny fanipazana ao anaty farihy afo.
"Puis je vis un nouveau ciel et une nouvelle terre; car le premier ciel et la première terre avaient disparu, et la mer n’était plus. Et je vis descendre du ciel, d’auprès de Dieu, la ville sainte, la nouvelle Jérusalem, préparée comme une épouse qui s’est parée pour son époux. Et j’entendis du trône une forte voix qui disait: Voici le tabernacle de Dieu avec les hommes! Il habitera avec eux, et ils seront son peuple, et Dieu lui-méme sera avec eux". Apo 21/01-03
Araho tsara fa rehefa avy naringana satana sy ny forongony, nohavaozina ny zavatra rehetra : lanitra sy tany vaovao; dia hidina ety an-tany ireo rehetra ireo (Jerosalema vaovao, tanàna masina) miaraka amin'ny Tabernakelin'Andriamanitra ary hiara-monina aminy. Amin'izay fotoana izay no mampitombona ny teny faminaniana hoe :"Ary ny marina handova ny tany".
42. jojo3t
(
13/07/2012 03:19)
Hanamafisako ihany ity ny amin'ny handovan'ny marina sy ny olo-mahitsy ny tany izay ho lasa paradisa :
Misy andininy hafa indray ity mahafaoka azy ihany koa :
Ohabolana 2 : 21,22 :
21 Satria ny olo-mahitsy fo no honina amin'ny tany,
ary ny olo-marina no ho tafatoetra eo.
22 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany,
ary ny mpivadika hongotana hiala eo.
Lazain'ny baiboly foana fa ny ratsy fanahy no hoesorina tsy ho eo amin'ny tany, ary lazaina foana fa ny marina sy ny mpandefitra dia hijanona eo foana, ampitahao amin'ny Salamo 37 : 9-11.

43. Miharena
(
13/07/2012 03:37)
Ireo tanisain'i Jojo3t ireo ve tsy ao amin'ny Testamenta taloha avokoa? Tsy azo lazaina fa ireo hevitra momba ny fanarenana ny tany ihany ve ireo fa ny tany sy lanitra vaovao no azo lazaina fa mitombina?
44. jojo3t
(
13/07/2012 04:36)
Hatrany amboalohany mihitsy enao dia tokony hanaraka ny fizotry ny tantara, ireo 144000 voalaza fa ho any an-danitra, ireo no lazaina fa tsy afaka handova sy hiaraman-jaka amin'ny Jesosy raha mbola nofo aman-dra, tsy maintsy lasa zava-boary ara-panahy izy ireo ary tsy ho faty sy tsy mety lo intsony, ny fahitana momba an'ireo vahoaka be kosa dia ireo le ao amin'ny Jerosalema vaovao, tsy hiaina any an-danitra akory izy ireo, fa ianoka amin'ny paradisa eto an-tany araka ny efa novoizina teto hatrizay, hono oà, ireo lazain'ny baiboly fa ho tafita velona, ary tsy handia fahafatesana mihitsy, ho aiza izy ireo raha ho any an-danitra daholo nareo, nofo aman-dra mantsy izy ireo, ary antsoin'ny baiboly hoe olo-marina sy handova fiainana mandrakizay eto an-tany.
45. jojo3t
(
13/07/2012 04:39)
Valinteny ho an'ny leva2 io ambony fa taty aoriana vo hitako, fa ny an'ny Miharena, efa maro be ny andininy miresaka ny fampanantenana eto an-tany nolazaina teto na testamenta taloha na vaovao fa mety tsy hitanao, santionany iray ity omeko anao ity sady mazava tsara :
Matio 5 : 5 : Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
Matio 5 : 5 : Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.
46. Miharena
(
13/07/2012 13:22)
Azo lazaina hoe marina izay lazainao Jojo3t nefa ny indrokely dia ilay fampanantenana fiainana vaovao, amin'ny fomba ahoana? Izany hoe tsy ampy ny filazana fa hitsangana ny olona fa mba hazavaina tsara hoe fomba ahoana? Ny vatany efa vovoka ve hitsangana?
47. jajajaly
(
13/07/2012 13:58)
Miharena
Azo lazaina hoe marina izay lazainao Jojo3t nefa ny indrokely dia ilay fampanantenana fiainana vaovao, amin'ny fomba ahoana? Izany hoe tsy ampy ny filazana fa hitsangana ny olona fa mba hazavaina tsara hoe fomba ahoana? Ny vatany efa vovoka ve hitsangana?
Jaona 11:11, 14-44: «[Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany:] ‘Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.’ ... Dia notsorin’i Jesosy hoe: ‘Maty i Lazarosy.’ ... Tonga àry i Jesosy, ka hitany fa efa efatra andro i Lazarosy no tao am-pasana. ... Koa hoy i Jesosy [tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy]: ‘Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.’ ... Niantso mafy [izy] hoe: ‘Ry Lazarosy, mivoaha!’ Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty, mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, ary nisy fehy lamba ny tarehiny. Hoy i Jesosy tamin’ny olona: ‘Vahao izy, ka avelao handeha.’ »
Tsara fanahy ve i Jesosy raha namerina an’i Lazarosy tetỳ an-tany, raha efa sambatra tany an-danitra izy? Maty tsy nahatsiaro tena tao am-pasana anefa izy, ka tena fanehoana hatsaram-panahy taminy sy ny anabaviny ny nananganana azy!! Olombelona toy ny teo aloha ihany izy rehefa natsangana. Sa tsy izany!
Asa. 24:15: «Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.» (Samy hatsangana na ireo nanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra, na ireo nanao ny tsy marina noho ny tsy fahalalana. Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe iza avy no hatsangana amin’ny maty. Afaka matoky anefa isika fa tsy hizaha tavan’olona Andriamanitra, satria mahalala ny zava-drehetra izy. Tsy hanao tsinontsinona an’ireo fitsipiny ara-drariny izy, satria manao ny rariny sy mamindra fo. Ampitahao amin’ny Genesisy 18:25.)
48. Miharena
(
13/07/2012 18:01)
Mbola azo lazaina toy ny varotr'omby anaty ambiaty ihany ireo voalaza ireo fa ny tena endrika mihitsy no mila fantatra Jojo3t.
Ny vovoka tsy hitsangana izany. Raha miteny ianao hoe Lazarosy efarana tao am-pasana dia mbola azo atao tsar any manangana azy ary tsy izy ihany fa misy ireo izay olona ankehitriny (Azonao fantarina ny momba an'i Mamavao Mpiandry) no efa nitsangana tamin'ny maty tao amin'ny nofony izay efa notsindronina formol. Ary ny fivelomany ankehitriny dia miaraka amin'i Jesosy hatrany araka ny fitantarany.
Tsy soratra hoy aho no tiana hipoitra fa izay tena tranga mazava ka anisan'izany ny fanehoana ohatra toy ny lazaiko io.

49. leva2
(
14/07/2012 08:32)
jojo3t:
Hatrany amboalohany mihitsy enao dia tokony hanaraka ny fizotry ny tantara, ireo 144000 voalaza fa ho any an-danitra, ireo no lazaina fa tsy afaka handova sy hiaraman-jaka amin'ny Jesosy raha mbola nofo aman-dra, tsy maintsy lasa zava-boary ara-panahy izy ireo ary tsy ho faty sy tsy mety lo intsony, ny fahitana momba an'ireo vahoaka be kosa dia ireo le ao amin'ny Jerosalema vaovao, tsy hiaina any an-danitra akory izy ireo, fa ianoka amin'ny paradisa eto an-tany araka ny efa novoizina teto hatrizay, hono oà, ireo lazain'ny baiboly fa ho tafita velona, ary tsy handia fahafatesana mihitsy, ho aiza izy ireo raha ho any an-danitra daholo nareo, nofo aman-dra mantsy izy ireo, ary antsoin'ny baiboly hoe olo-marina sy handova fiainana mandrakizay eto an-tany.
Velona Jesosy!
Tena nanaraka hatrany amboalohany mihitsy aho ry jojo3t, fa mahaliana ahy ity lohahevitra ity.
Tsia ry jojo3t, fa ny Apokalipsy 07 iray manontolo dia mifampitohy tsara mihitsy, fa tsy vanim-potoana hafa akory ilay misy ny 144000 ary hafa ireo vahoaka maro. Porofon'izany ny Apo 07/15 "C'est pourquoi ils sont devant le trône de Dieu et le servent jour et nuit dans son temple". Mazava eto fa any an-danitra io fa tsy ety an-tany mihitsy, ary jereo tsara fa mialoha ny handringanana ny tany ity fahitana ity : Apo 07/ 02-03 "Et je vis un autre ange montant de l'orient, ayant le sceau du Dieu vivant; et il cria à haute voix aux quatre anges, auxquels il avait été donné de nuire à la terre et à la mer, disant: Ne nuisez pas à la terre, ni à la mer, ni aux arbres, jusqu'à ce que nous ayons scellé au front les esclaves de notre Dieu".
Any amin'ny Apo 21 vao misy filazana fa hidina ety an-tany ny Jerosalema vaovao sy ny tabernakelin'Andriamanitra ary honina eto. Koa aza lalaovina amin'ny resaka chronologie re ny tenin'Andriamanitra ry jojo3t, minoa ahy ianao fa samy hotsaraina amin'izay soratantsika eto isika.
Tena mamporisika anao aho hamaky baiboly eo ambany fanilovan'ny Fanahy Masina mandrakariva fa tsy haka réference amin'izay ambaran'ny fiangonana misy anao.
50. leva2
(
14/07/2012 09:35)
Velona Jesosy!
Mba tiako ho marihina ry zareo ity : Ny antony nananganan'i Jesoa Kristy an'i Lazarosy raha araka ny Soratra Masina dia tsy ho ohatra ny amin'ny fitsanganan'ny maty velively, fa antony hafa : "Jésus lui dit: Ne t’ai-je pas dit que, si tu crois, tu verras la gloire de Dieu? Ils ôtèrent donc la pierre. Et Jésus leva les yeux en haut, et dit: Père, je te rends grâces de ce que tu m’as exaucé. Pour moi, je savais que tu m’exauces toujours; mais j’ai parlé à cause de la foule qui m’entoure, afin qu’ils croient que c’est toi qui m’as envoyé" Jaona 11/40-42. Ny antony izany dia mba ny mba hinoan'ny olona an'i Jesosy, sy hanaporofoana fa Tompon'ny aina izao Andriamanitra ivavahatsika izao.
Ny ambaran'ny Soratra Masina kosa fa ohatry ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy iza fa Jesosy irery ihany.

51. jojo3t
(
16/07/2012 04:01)
Raha mamaky tsara ny Lioka 12 : 32 sy ny Apokalipsy 14 : 1-5 enao, dia hitanao mazava ao fa tsy misy afa-tsy ireo 144000 no ho any an-danitra ary navotana hiala amin'ny tany ireo, ireo fahitana mahakasika ny vahoaka be eo anatrehan'ny seza fiandrianana dia tsy midika mihitsy hoe hiaina any an-danitra izy ireo, ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia i Jesosy no mpanjaka ary ireo 144000 dia lazaina hoe mpisorona sy iara-manjaka aminy any an-danitra, ary ireo vahoaka hoentin'izy ireo kosa dia eto an-tany araka ny ambeti-tenin'ny baiboly, ka araka izany raha any an-danitra daholo ny olona, iza zany no hoentina ety an-tany ? Ny fananganana amin'ny maty nataon'i Jesosy dia mazava tsara fa taratry ny zavatra ho hataony amin'ny ho avy ho an'ny olombelona rehetra, mazava ho azy fa nanome voninahitra an'Andriamanitra izy satria hery avy aminy no nanaovany izany, jereo tsara ny fampanantenana ho an'ny olona nodimandry ao amin'ny Jaona 5 : 28,29, ny olona hatsangana amin'ny maty dia mahazo vatana vaovao, Andriamanitra no namorona ny olona koa nahoana no tsy ho hainy ny hanome vatana vaovao ny olona izay hatsangany, nanome fahefana an'i Jesosy hamarana ity tontolo ratsy ity Andriamanitra, ary anisan'izany ny hananganan'i Jesosy ny maty, ary ireo zai ho tafita velona tsy handia fahafatesana, ahoana ny hevitrao amin'io fa mbola tsy azoko ny valiny ?
52. jajajaly
(
16/07/2012 05:42)
Mihareana
Ny vovoka tsy hitsangana izany.
F'angaha tsy vovoka nitsangana i Adama rehefa noforonin'Andriamanitra?
Hoy i Jojo3
'Andriamanitra no namorona ny olona koa nahoana no tsy ho hainy ny hanome vatana vaovao ny olona izay hatsangany,
53. Miharena
(
16/07/2012 08:42)
Raha ny fahafantarako ny voary dia tsy misy fifangaroan'ny aina sy ny materialy raha tsy ilay aina no miorina aloha. Ka ny vovoka tsy hoe hitsangana angamba no marimarina kokoa fa ny endrika isehoan'ny aina no ao amin'ny nofo na ao amin'ny endrika hafa. Fa tsy hoe ara-bakiteny akory ilay resaka vovoka nasiana fofon'aina fa ny hoe novolavolaina hanana endrika azo asiana aina azo iheverana izay momba an'i Adama. Raha resaka fivoaran'izao tontolo izao indray no ilazana azy dia ilay fizarazaran'ny aina ao anatin'ny fananahana no manome ireo taranaka maro samihafa misy.
K aoka angamba tsy hatao resaka tsy misy fanazavana ny resaka vovoka hiverina hanan'aina indray fa manjary lasa miteniteny zavatra tsy misy isika.
Aoka koa ny Baiboly tsy heverina hoe milaza izay tena rehetra antsipiriany tokony ho fantatra fa matoa i Kristy nilaza fanoharana hatrany ao dia tsy io akory ny tena izy fa hafa mihitsy ny fisehon'ny tena izy fonosin'ny fanoharana.

54. jojo3t
(
16/07/2012 09:10)
Tsy asiana adi-hevitra lalina ny amin'ny famoronana, fa ny zava-dehibe dia ny hoe hatsangana ary ahazo vatana vaovao azo tsapain-tanana ny olona nodimandry, izy no namorona ary hainy tsara ny mamerina ny vatanao rehefa hanangana ny maty izy.
55. Miharena
(
16/07/2012 09:45)
izy no namorona ary hainy tsara ny mamerina ny vatanao rehefa hanangana ny maty izy
Eto no mila fantarina hoe isika ve no manapaka sa IZY? Araka ny fantatra manko dia nomena fahafahana isika hamaritra ny ho avintsika. Raha ny Baiboly dia mazava hoe lalana roa ihany, ny fiainana na ny fahafatesana no fahefan-tsafidy omena antsika.
Ka izy io ve ilay fiverimberanana ho nofo no safidy sa ilay fahafantarana fa fanahy mandrakizay mandova ny fianana mandrakizay?
Ilay voalohany moa dia mazava fa fifikirana amin'izay tsy maharitra mitozo amin'ny fahafatesana maromaro mifanesisesy, ny faharoa dia fiombonana amin'Andriamanitra mandrakizay.
56. leva2
(
18/07/2012 18:01)
jojo3t:
Tsy asiana adi-hevitra lalina ny amin'ny famoronana, fa ny zava-dehibe dia ny hoe hatsangana ary ahazo vatana vaovao azo tsapain-tanana ny olona nodimandry, izy no namorona ary hainy tsara ny mamerina ny vatanao rehefa hanangana ny maty izy.
Velona Jesosy!
Miala tsiny ry jojo3t raha izao vao afaka hamaly sy hanitsy izay tsy mety ambaranao.
Tiako marihina koa fa tsy ny hevitro mihitsy no avoakako eto fa ny hevitry ny Soratra Masina.
Eto aloha izao dia marina ny filazanao fa "hahazo vatana vaovao" saingy fanitarana kosa ny tohiny : "azo tsapain-tanana", tsisy an'izany mihitsy ao. Averiko ihany ny fanazavan'i Paoly : "Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana" I Kor 15/50.
Mitohy ny fanazavany azy : "Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipì-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana. Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana" I Kor 15/51-53. Ireo izay tsy handalo ny fahafatesana eto dia "hovana". Asa mba ahoana no fandraisanao an'izany hoe "hovana"?
Dia andeha hovakiana indray ity : "Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika". I Tes 04/15-17. Mazava be eto ny hoe : "hakarina hiakatra ... ho eo amin'ny Tompo mandrakariva isika". Sa handeha hiteny indray ianao ry jojo3t fa tsy anisan'ny voakasik'izany ianao? tsy natao ho anareo ireo versets ireo? sao dia mba antony hahavery anao ny hevi-disonao.
Miala tsiny aloha ry jojo3t sy jajajaly fa ny tsapako hatreto dia ny hevitry ny fiangonana izay misy anareo, sy ny fampianaran-diso entiny no iorenanareo kokoa noho ny Tenin'Andriamanitra. Hita taratra fa ampiasainareo ny baiboly hanohananareo ny hevitrareo.
Ny Tompo anie hanitsy ny dianareo.
57. leva2
(
18/07/2012 18:24)
jajajaly:
Tsara fanahy ve i Jesosy raha namerina an’i Lazarosy tetỳ an-tany, raha efa sambatra tany an-danitra izy? Maty tsy nahatsiaro tena tao am-pasana anefa izy, ka tena fanehoana hatsaram-panahy taminy sy ny anabaviny ny nananganana azy!! Olombelona toy ny teo aloha ihany izy rehefa natsangana. Sa tsy izany!
Asa. 24:15: «Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.» (Samy hatsangana na ireo nanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra, na ireo nanao ny tsy marina noho ny tsy fahalalana. Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe iza avy no hatsangana amin’ny maty. Afaka matoky anefa isika fa tsy hizaha tavan’olona Andriamanitra, satria mahalala ny zava-drehetra izy. Tsy hanao tsinontsinona an’ireo fitsipiny ara-drariny izy, satria manao ny rariny sy mamindra fo. Ampitahao amin’ny Genesisy 18:25.)
Velona Jesosy!
Mbola averiko ihany ry jajajaly fa tsy Lazarosy mihitsy akory no ohatry ny fitsanganana amin'ny maty fa i Kristy izy tenany : " Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry". I Kor 15/20. Raha te hahalala ny endriky ny fitsangana ami'ny maty izany dia ny an'i Kristy no tokony hodinihina akaiky.
Vakio fa ity no antony nananganan'i Jesosy an'i Lazarosy : "Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao. Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy". Jaona 11/41-42.
Ny Tompo anie hanokatra ny masom-panahintsika rehetra! Amen
58. leva2
(
18/07/2012 19:44)
jojo3t:
Raha mamaky tsara ny Lioka 12 : 32 sy ny Apokalipsy 14 : 1-5 enao, dia hitanao mazava ao fa tsy misy afa-tsy ireo 144000 no ho any an-danitra ary navotana hiala amin'ny tany ireo, ireo fahitana mahakasika ny vahoaka be eo anatrehan'ny seza fiandrianana dia tsy midika mihitsy hoe hiaina any an-danitra izy ireo, ny fitondram-panjakan'Andriamanitra dia i Jesosy no mpanjaka ary ireo 144000 dia lazaina hoe mpisorona sy iara-manjaka aminy any an-danitra, ary ireo vahoaka hoentin'izy ireo kosa dia eto an-tany araka ny ambeti-tenin'ny baiboly, ka araka izany raha any an-danitra daholo ny olona, iza zany no hoentina ety an-tany ?
Velona Jesosy!
Novakiko ny Lioka 12/32. Gaga aho fa hay ireo "ondry vitsy" no lazainao fa ireo 144000? Mba manana verset hafa hanohanana izany ve ianao sa dia izay no "logique" e? Dia ahoana ity izany : "Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry". Jaona 10/16. Ilay hoe andiany iray ve midika hoe ny sasany ety an-tany, ny sasany any an-danitra? Marina tokoa fa vitsy ireo mpianatry ny Tompo tany am-boalohany, saingy hatramin'izay dia efa nihitatra tany amin'ny jentilisa ny fanarahana ny Tompo ka mandraka ankehitriny sy manerana an'izao tontolo izao. Efa nambarako fa mifampitohy tsara mihitsy ny Apo 07 iray manontolo fa vakio dia araho tsara : any an-danitra koa ireo vahoaka marobe ary "manompo Azy andro aman'alina eo amin'ny seza fiandrianany" Apo 07/09.
Mbola averiko ihany fa isika amin'izao vanim-potoana izao, izay efa tokony hahalala ny amin'ny famonjen'i Jesosy Kristy (fa na mandray azy, na tsia), dia tokana ihany ny lalam-pamonjena (Efe 4/4) dia ny fitsanganana voalohany : "Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha;" I Tes 4/16. "Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa" II Tim 2/11.
Iza ireo maty ao amin'i Kristy? Mba fantatrao ve ny hevitry ny batisa? : "Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? Koa niara-nalevina taminy tamin’ny batisa ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao. Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;" Rom 06/03-05.
Iza izany no ho ety an-tany? dia mbola averiko ihany koa : ao amin'ny Apo 21/02-03 "Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Ary nahare feo mahery avy teo amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny". Hidina ety an-tany izany ilay Jerosalema vaovao na tanàna masina ary koa ny tabernakelin'Andriamanitra ka honina ety mandrakizay.
Efa nambarako ny amin'ireo izay tsy hahita ny fahafatesana ara-nofo.
Koa dieny mbola misy ny fotoana, dia araraoty hikatsahana izay tena fahamarinana araka ny Tenin'Andriamanitra, fa tsy hianona amin'ny lojikam-pampianaran'olombelona tohantohanana amin'ny verset biblique fotsny ihany.
59. didi10
(
19/07/2012 06:07)
Tsara ny Tompo
Misaotra an'i namana Leva2 amin'ny tsy fanaikena lembenana amin'ny fampianaran-diso,
ny azy anie namana efa safidy ny hijanonana eto e! nefa isika sy ianao mahalala fa hisaraka ny vatana sy fanahy aorian'ny fahafatesan'ny nofo ka eo vao hisy "SURPRISE" ho azy hoe "AIZA AHO IZAO?" eo vao tonga ny "TAHAK'IZAY" nefa efa "TARA LOATRA".
Mahereza namana.

60. jojo3t
(
19/07/2012 09:25)
Diniho tsara fa ety an-tany no hiafaran'ilay fahitana ny amin'ny Jerosalema vaovao, ary io fahitana io tsy miresaka mihitsy fa hitoetra any an-danitra ireo vahoaka be, efa voaporofo koa fa tsy misy fanahy tsy hita maso misaraka amin'ny vatana rehefa maty ny olona, efa nambara foana sy voaporofo mazava koa fa tsy misy afa-tsy ireo 144000 ihany no iaraman-jaka amin'i Kristy any an-danitra ary lazaina mihitsy hoe hitondra ny tany ireo fa tsy hitondra ny lanitra, modianareo tsy hita ireo andininy ampolony maro efa voasoratra momba ny fiainana eto an-tany sy ny fandovana ny tany, fa io andininy iray zay efa hazavaina ery ambony io ihany no hitanareo, so dia tokony mbola handalina misimisy kokoa nareo sa tsy hitanareo mihitsy ve le fampanantenan'Andriamanitra momba ny tany, ary mifandray amin'zany ny toetry ny maty izay tsy hitan'ny masonareo ao amin'ny baiboly, nenareo ny fitsanganana lasa aloha loatra, ka raha maty zany nareo dia ahoana, tsy hatsangana iaraka amin'ny be sy ny maro aorian'ny Ady Aramagedona zany nareo. Raha sady tsy mpisorona 144000 iaraman-jaka amin'i Kristy nareo, no sady tsy olona hiaina eto an-tany ao am-paradisa, dia aiza zany no hiafaranareo, mitadiava an'i Jehovah hoy ny baiboly dieny mbola misy fotoana, ke mety ho voahafina ihany amin'ny farany ka tsy iharan'ny hatezerany, so dia tsy ahita toerana mety aminareo nareo rehefa ho avy Kristy hanatanteraka ny didim-pitsaran'Andriamanitra. Saintsaino tsara.