Hijanona eto an-tany tokoa ve isika?

61. didi10 ( 19/07/2012 10:20)

jojo3t:

nenareo ny fitsanganana lasa aloha loatra, ka raha maty zany nareo dia ahoana, tsy hatsangana iaraka amin'ny be sy ny maro aorian'ny Ady Aramagedona zany nareo. Raha sady tsy mpisorona 144000 iaraman-jaka amin'i Kristy nareo, no sady tsy olona hiaina eto an-tany ao am-paradisa, dia aiza zany no hiafaranareo, mitadiava an'i Jehovah hoy ny baiboly dieny mbola misy fotoana, ke mety ho voahafina ihany amin'ny farany ka tsy iharan'ny hatezerany, so dia tsy ahita toerana mety aminareo nareo rehefa ho avy Kristy hanatanteraka ny didim-pitsaran'Andriamanitra. Saintsaino tsara.

Romana 6 4-7
3 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin'i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony. 7 Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.

Io namana Jojo ilay fitsanganana amin'ny maty voalohany satria nandia ny fahafatesana voalohany (fahafatesan'ny fanahy = mpanota= ny fahafatesana no tambin'ny ota).
Izay vita batisa, nandray ny Fanahy Masina ka naharitra hatramin'ny farany (fahafatesan'ny nofo) dia ho any an-danitra Apok 7,9. Vakio tsara fa tsy mijanona eo amin'ilay 144000 akory ilay teny:
Apok 7-9
9 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,

izay tsy mino kosa izany hoe, mpanota tsy nibebaka, efa maty fanahy dia handalo ilay fahafatesana faharoa, atsipy any amin'ny farihy mirehitra afo.

Apok 20,6
6 Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
7 Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny trano-maizina nitoerany 8 ka hivoaka hamitaka ny firenena any amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany. 9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy. 10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.
11 Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany; ka tsy nisy hitoerany intsony. 12 Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany. 13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy. 14 Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo

62. jojo3t ( 20/07/2012 04:50)
Raha mandalina tsara io Apok 7 : 9 io ianao ka mampitaha azy amin'ny andininy vitsy2, dia ho hitanao tsara fa tsy ara-bakiteny no ilazana ny hoe nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny zanak'ondry, adikany hoe eo anoloan'Andriamanitra izy io, ary Andriamanitra eny ambony, mijery azy ireo ety ambany, lavalava ny hanazavany azy io sy ny andininy mifandray amin'io ary mety tsy ho azonao tsara, fa harindrako tsara io fanazavana io dia omeko eto.

Enao ihany dia efa mamaly ilay hoe fitsanganana voalohany, ireo olo-masina no hitsangana voalohany, zany hoe ireo 144000, lazainy tsara eo fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona, ireo izay hatsangana ho any an-danitra no mitsangana voalohany, ary tsy miandry aorian'ny Ara-magedona izy ireo, fa rehefa maty, dia lasa miakatra any an-danitra, ny fitsanganana faharoa kosa dia ny fitsanganan'ireo hiaina eto an-tany, aorian'ny Ady Ara-magedona ny fotoana hitsanganan'ireo, ary diniho tsara fa ny fiainan-tsihita sy ny ranomasina hamoaka ny maty ao aminy io dia tsy amin'zao fotoana zao mihitsy fa amin'ny ho avy, ary ny fahafatesana faharoa dia izao, mariho tsara koa fa ireo natsangana voalohany, zany hoe ireo mpisorona 144000 dia tsy hihatra aminy intsony ny fahafatesana faharoa, fa ireo natsangana hiaina eto an-tany rehefa mitsangana dia hotsaraina, ka izay tsy mibebaka no mahazo ny fahafatesana faharoa ka tsy hitsangana intsony. Fanjakana arivo taona, lazaina tsara fa i Kristy sy ny 144000 no hiara-anjaka amin'io fanjakana arivo taona io, Vakio Apok 5 : 10, ireo hoy izy no mpisorona hitondra ny tany, diniho tsara an, hitondra ny tany, ka tsy mitombina velively ny hoe iaraka amin'izy ireo any an-danitra ny olona hoentiny.

Mbola tsy resy koa ny fahavalo farany, dia ny fahafatesana, raha hitsangana ho fanahy esprits any an-danitra avokoa isika, dia tsy mila resena io fahavalo io, amin'ny farany mihitsy anefa rehefa avy mandrava ny ratsy sy Satana devoly i Jesosy, zay vao hanafoana io fahavalo io, 1 Korintiana 15 : 26 VAKIO

Inty koa porofo mazava sy mivantana ny amin'ny hoe tsy miova ho fanahy esprits isika, miangavy mihitsy za eto hoe vakio ireto andininy ireto :

Mpitorinteny 3 : 19-21 : iray ihany ny olona sy ny biby, iray ihany ny heri-mpiainana nomena azy ireo, izany hoe ilay fofon'aina mahavelona, (fanamarihana kely :antsoin'ny baiboly hoe fanahy io ao, io no mahavelona ny vatan'olona sy ny biby, herim-piainana izy io, ary hery fa tsy miendrika vatan-olona na biby tsy hita maso, toy ny herin-aratra izay mamelona ny télé na radio, rehefa miala ao io, dia miverina amin'Andriamanitra ka iny ihany no hamelomany io olona io rehefa mitsangana izy, io no mahavoafitaka ny maro hoe mbola velona sy miendrika olona ny fanahy rehefa maty isika, lazaina mazava tsara anefa fa fofon'aina na herim-piainana izy io.) Tohizo ny vanki-teny, mitovy ihany hoy izy ny iafarany olona sy ny biby, ary mitovy ihany ny ahafatesany, fa toy ny ahafatesan'ny olona ihany no ahafatesan'ny biby, ary izy roa dia samy hiverina ho amin'ny vovoka satria tany no nakana azy.

Ka ahoana ny hevitsika, raha mitovy ny olona sy ny biby, tsy mba manana fanahy esprits koa ve ny biby, ary iaraka amintsika ho any an-danitra? Ary mariho tsara fa ny biby dia hiaina ao amin'ny paradisa koa, dia ny biby irery ve no havela eto an-tany sa ahoana no ilazan'ny baiboly azy, Vakio ny Isaia 11 : 6-9 : hiara-mitoetra ny zanak'ondry sy ny amboadia, ary tsy hifandratra intsony ireo, ary zaza no hiandry azy ka tsy hampidi-doza aminy ireo.

Voaporofo ara-baiboly fa ny maty dia tsy mahatsiaro tena intsony, ary tsy misy andininy na iray aza milaza fa manana fanahy esprits isika ka ho any an-danitra rehefa maty ? Afangarontsika foana amin'ny Olo-masina io fiakarana any an-danitra io, ka ny dikany izany, dia mila mandalina tsara isika mba tsy ho diso ny fampianarana homena ny olona.

Avy aiza ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty rehefa tsy avy ao amin'ny baiboly ?

Araho tsara ireto :

Ny fariseo no nino fa hitsangana ny maty ary ho lasa fanahy esprits any an-danitra, izany no nifandiran'i Paoly tamin'izy ireo momba ny fitsanganana amin'ny maty, satria i Paoly na dia Apostoly hiaina any an-danitra aza, dia nampianatra fa hisy fitsanganana amin'ny maty ho an'ireo izay hiaina eto an-tany araka ny nampianarin'i Kristy azy, Vakio ny Asan'ny Apostoly manontolo dia ho hitantsika tsara izany, na ny toko faha-23.

Ankoatr'izay, iza ireo olombelona namorona ny fanahy tsy mety maty :
I Platon ary narahin'i Md Augustin , jereo ao amin'ny Rakipahalalana Katolika vaovao (1967), boky faha-3, p. 452,454.

Ny Grika nampianatra azy io koa, ny Jiosy nefa tsy nino izany, nefa nanaiky lembenana na dia nanana porofo ara-baiboly azy fa tsy izany no izy, ka nanaraka ny Grika, jereo (Frantsay, Valence, 1935) boky faha-2, p. 557.

Ary io fampianarana Grika io koa nohatsarain'i Platon, jereo fiainan'ny Presbyterianina (Anglisy, 1 Mey 1970, p. 35.

Nino i Platon fa misaraka ny vatana sy ny fanahy miendrika olona, ka mbola miaina aorian'ny fahafatesana, jereo (anglisy 1952), boky faha-7, p. 223, 245, 246.

Ny teolojiana babyloniana koa dia nino izany, jereo ny fivavahan'i Babylonia sy Asyria (Boston, 1898), M. Jastrow, p. 556.

Navoaka ireo mba hahalalan'ny maro fa tsy mpanompon'Andriamanitra ireo namorona ny finoana tsy mety maty ny fanahy, ary hevitr'olombelona sy filozofian'olona fa tsy ao anaty baiboly.

Afaka manamarina tsara ireo ny mpamaky, karohy, ary manaova fampitahana tsara, santionany ihany ireo fa manampahaizana maro no nahita fa filozofian'olona ny finoana hoe tsy mety maty ny fanahy.

Dia vakio amin'izay ireo andininy ireto :
Ohabolana 14 : 12 : "misy lalana heverin'ny olona ho mahitsy, nefa fahafatesana no iafarany".
Kolosiana 2 : 8 : "Mitandremana mba tsy ho lasa rembiny amin'ny filozofiany fa tsy ao amin'ny Kristy."

Mampirisika mafy ny baiboly eto hoe mitandrema amin'ireo hevitra noforonin'ny olombelona fa hitarika anao any amin'ny fahaverezana ireo. Ialana tsiny fa lava loatra ny fanazavana, nefa tsara hazavaina tsara amin'ny mpamaky.

63. zazamaroroka ( 20/07/2012 07:44)
Aiza izy zan e,rehefa tena mandinika le ziztoire ny boay kely dia hita hoe logika be le hiaina eto antany.
Amin'ny maha-pamaky anà no hikoziko an'zai fa tsy manakiana n'iza n'iza lou eto satri n tenanay tsy mihadi evitra
fa mamaky de miverna zéro aveo, milay be le fanazavana, ary io finoana fanahy tsy maty io ihany no mahatonga ny pokina
ambanivolo hamadika sy hataotra razana, mitahy sy ny sisa, za ts mkozy hoe zai mino an'io no manao
izany, fa mikozy kosa ah hoe avy amin'io finoana io no mahatonga zany,okay.
64. universal ( 20/07/2012 08:05)
TSAROVY fa raha ekenao fga Andriamanitra no nahary izao tontolo izao ka ekenao izany dia isika izao de sitrapony no nahatonga antsika eto ka akory ato , eto ihany isika aloha fa miandry Azy hametraka antsika any am metimety kokoa
65. didi10 ( 20/07/2012 09:50)

jojo3t:

Raha mandalina tsara io Apok 7 : 9 io ianao ka mampitaha azy amin'ny andininy vitsy2, dia ho hitanao tsara fa tsy ara-bakiteny no ilazana ny hoe nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny zanak'ondry, adikany hoe eo anoloan'Andriamanitra izy io, ary Andriamanitra eny ambony, mijery azy ireo ety ambany, lavalava ny hanazavany azy io sy ny andininy mifandray amin'io ary mety tsy ho azonao tsara, fa harindrako tsara io fanazavana io dia omeko eto.

Mazava tsara fa nahita ireo olona voaisy tombon-kase tonga any an-danitra i Jaona, maninona rehefa hitany ireo zanak'israely 144000 dia lazainao fa ara-bakiteny fa rehefa ireo olona tsy tambo isaina hafa firenena voaisy tombon-kase dia lazainao fa tsy ara-bakiteny fa mitady fanazavana hafa avy ao amin'ny bokin'ny Tilikambo ianao? Na hiodina aiza ianao na hiodina aiza dia marina io Teny io. Eny e! marina ho anay ho any aloha en tout cas.

jojo3t:

Enao ihany dia efa mamaly ilay hoe fitsanganana voalohany, ireo olo-masina no hitsangana voalohany, zany hoe ireo 144000, lazainy tsara eo fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona, ireo izay hatsangana ho any an-danitra no mitsangana voalohany, ary tsy miandry aorian'ny Ara-magedona izy ireo, fa rehefa maty, dia lasa miakatra any an-danitra, ny fitsanganana faharoa kosa dia ny fitsanganan'ireo hiaina eto an-tany, aorian'ny Ady Ara-magedona ny fotoana hitsanganan'ireo, ary diniho tsara fa ny fiainan-tsihita sy ny ranomasina hamoaka ny maty ao aminy io dia tsy amin'zao fotoana zao mihitsy fa amin'ny ho avy, ary ny fahafatesana faharoa dia izao, mariho tsara koa fa ireo natsangana voalohany, zany hoe ireo mpisorona 144000 dia tsy hihatra aminy intsony ny fahafatesana faharoa, fa ireo natsangana hiaina eto an-tany rehefa mitsangana dia hotsaraina, ka izay tsy mibebaka no mahazo ny fahafatesana faharoa ka tsy hitsangana intsony. Fanjakana arivo taona, lazaina tsara fa i Kristy sy ny 144000 no hiara-anjaka amin'io fanjakana arivo taona io, Vakio Apok 5 : 10, ireo hoy izy no mpisorona hitondra ny tany, diniho tsara an, hitondra ny tany, ka tsy mitombina velively ny hoe iaraka amin'izy ireo any an-danitra ny olona hoentiny.

Averiko ihany fa ny fitsanganana voalohany dia ilay fahateraham-baovao tao amin'ny Batisan'ny fibebahana amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hahatonga zanak'Andriamanitra.
Raha ianao Jojo io no mibebaka ka miroso amin'ny Batisa dia mamantsika anao eo amin'ny hazo fijaliana ho faty miaraka amin'i Kristy, alevina ary ateraky ny rano sy ny ra (ran'i Jesosy = manadio) ho lasa olom-baovao (Rom 6,4) izany hoe tsy ianao (Jojo taloha) intsony no velona fa i Kristy no velona ao anatinao.
Gal 2.20
20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra,

Mibebaha rahalahy a!

I Tes 4,14
14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy [tamin'ny alalan'i Jesosy] HIARAKA AMINY
66. Miharena ( 21/07/2012 07:49)
Didi10:

Gal 2.20
20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra,

Mibebaha rahalahy a!

Azo hazavaina tsara ve ilay mibebaka eto namana Didi10?

Ilay fanekena hita maso ve hoe iny ny namana fa hitan'ny rehetra niova ho kristianina sa hoe iny ilay mpanao sikidy sy ody malaza fa lasa mpitory ny asan'i Kristy sa hoe iny ilay namana fa lasa mpanaja ny Sabata?
67. zazamaroroka ( 23/07/2012 06:10)
Ho oà razoky be didi10, le ho any amin'ny avo otrany asesiky nareo foana, nefa refa tena koboina marina le andininy, tsy mikozy mihitsy izy oe hijanona, na hiaina any amin'ny lanitra le vahoaka be, fa otrani fahitana mijoro eo anoloana fotsiny le izy, sa ahoana ozy ianona? Ho anay mpamaky sy mpankafy anti kozy ty zao refa tena mandinika de,nareo to otrani mahita rirany amle baiboly iany, fa otrani tsy mbola nahita mihitsy zay hoe nanazava momba le andinin-teny bobaka be momba ny tany reo nareo, sa ve misy tsy izy ny baiboly dia misy izy, zai manko zao mandinika anle adi-hevitrareo sy ry TJ, r TJ zao manazava anle andininy omenareo fa nareo otrani ts manazava anle avy any mihitsy, sa ve tena ts kobonareo hoe misy ani'reny ao amin'ny bible, kozy atsipy ihany ny ahy iny mba tsy hitsaran'ny mpamaky sasany hoe mody fanina nareo,okay lava be ny sermona fa zai alou ny azo pehana.
68. didi10 ( 23/07/2012 07:31)
Ny tena tsara namana dia fafao ao an-dohanao daholo aloha ny hevitra nomen'ny olona teto na izaho na hafa. Raiso ny Baibolinao dia vakio izay miresaka momba ny fanjakan'ny lanitra rehetra na izay mikasika ny fiainana mandrakizay dia mety mba hahita rirany koa ianao, tsy afaka hanavaka ny fampianarana marina sy diso ianao raha tsy manana finiavana hikaroka sy handalina aloha.
69. zazamaroroka ( 23/07/2012 08:17)
Siora e,kozy vré doly zan torohevitra be zan,fa n tiko ho kozina né de zao e,ra n andalina be lou tsy poince sad ts taona ve no isain vo vita zan, zai no idiranay eto mba ahafantatr, za zan ts hoe maka hevitr'iza na iza, fa manaraka logika miainga amle bible kozinareo eto, zai n mahatong n bandy mntany hoe hazavao tsara le izy, ohatra hoe fa manina ty no mena ary maninamanina ty no mavo, zan hoe raha mikozy nareo hoe ity andininy ity any andanitra fa zao sy zao, dia manazava indray nareo ty andininy momba ny tany ty kosa zao sy zao, n logika tiako koboina dé hoe, mari-pototra, otranle anaovan ra TJ azy, ohatra miaing amin'ny famoronana de miverina vovoka miafara amin'ny fitsangana sy paradisa, miaraka amin'ny andininy, kobonareo ve le heta2nay, mba afahanai mijery hoe ahoana marina, raha manazava ny lanitra nareo dia revenai koa raha mba manazava ny tany hoe ireto andininy ireto otrizao na zao, efa itanai nen'i TJ, fa mb tianay hoe nareo mihtsy manazava azy. Copy nareo an!
70. didi10 ( 23/07/2012 10:18)

zazamaroroka:

Ok! mahafinaritra namana rehefa mangetaheta tenin'Andriamanitra toa izany fa izany no fiandohan'ny famonjena.

Aleo tonga dia résumeko ilay izy.

1- Mila manaiky aloha ianao fa samihafa ny nofo sy ny fanahy ary misaraka ireo rehefa tonga ny fahafatesan'ny nofo satria tsy mitovy ny endriky ny fahafatesan'ny nofo sy ny fahafatesan'ny fanahy.
- Raha nandika ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny = nanota ianao dia voakasiky ny fahafatesana ny fanahinao na dia velona aza ny nofo, kanefa ny Teny dia milaza fa tsy ny nofo aman-drà no handova ny fanjakan'ny lanitra (Kor I 15,50). Mila velomina, hatsangana amin'ny maty ny fanahinao amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny batisan'ny rano, ary rehefa vita izany dia lasa olom-baovao ianao, tonga zanak'Andriamanitra tsy mahay manota.
- Izay maty (nofo) talohan'ny Batisa dia araka izay nanarahany ny lalàna no hitsarana azy (ny fanahiny) Rom 2,12 Fa izay manota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna

2- Ny fanjakan'ny lanitra dia lovain'ny zanak'Andriamanitra satria raha zanaka dia mpandova (Rom 8,17), tsy izay rehetra vita Batisa anefa no ho any fa izay manana ny Tombo-kase (Fanahy Masina), mila mandray ny Fanahy Masina ianao satria izay tsy manana ny FanahiNY dia tsy Azy (Rom 8,9). tsy izay rehetra manana ny Fanahiny koa anefa no hovonjena fa izay maharitra hatramin'ny farany (fahafatesan'ny nofo) Mat 24,13.

3- Raha tanteraka aminao izany rehetra izany dia mitoetra ao amin'ny Bokin'ny fiainana ny anaranao, Tim II 2,12 :Raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy, raha mandà azy isika, izy kosa handà antsika , Jesosy anefa efa niteny fa tsy avy eto amin'izao tontolo izao ny fanjakaNy (jao 18,36) ary i Paoly mbola nanamafy ny fanjakantsika dia any an-danitra (Fil 3,20).

4- Ny Voasoratra dia hiara-hanjaka Aminy mandritra ny arivo taona any an-danitra izay maharesy rehetra, 144000 ny avy amin'ny taranak'israely ary tsy tambo isaina ny avy amin'ny firenena hafa, ary aorian'izay dia hidina amin'ny tany vaovao sy lanitra vaovao ny fanjakan'Andriamanitra (Jerosalema vaovao).(Apok 21)
71. jojo3t ( 24/07/2012 04:49)

didi10:

jojo3t:

Raha mandalina tsara io Apok 7 : 9 io ianao ka mampitaha azy amin'ny andininy vitsy2, dia ho hitanao tsara fa tsy ara-bakiteny no ilazana ny hoe nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny zanak'ondry, adikany hoe eo anoloan'Andriamanitra izy io, ary Andriamanitra eny ambony, mijery azy ireo ety ambany, lavalava ny hanazavany azy io sy ny andininy mifandray amin'io ary mety tsy ho azonao tsara, fa harindrako tsara io fanazavana io dia omeko eto.

Mazava tsara fa nahita ireo olona voaisy tombon-kase tonga any an-danitra i Jaona, maninona rehefa hitany ireo zanak'israely 144000 dia lazainao fa ara-bakiteny fa rehefa ireo olona tsy tambo isaina hafa firenena voaisy tombon-kase dia lazainao fa tsy ara-bakiteny fa mitady fanazavana hafa avy ao amin'ny bokin'ny Tilikambo ianao? Na hiodina aiza ianao na hiodina aiza dia marina io Teny io. Eny e! marina ho anay ho any aloha en tout cas.

jojo3t:

Enao ihany dia efa mamaly ilay hoe fitsanganana voalohany, ireo olo-masina no hitsangana voalohany, zany hoe ireo 144000, lazainy tsara eo fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona, ireo izay hatsangana ho any an-danitra no mitsangana voalohany, ary tsy miandry aorian'ny Ara-magedona izy ireo, fa rehefa maty, dia lasa miakatra any an-danitra, ny fitsanganana faharoa kosa dia ny fitsanganan'ireo hiaina eto an-tany, aorian'ny Ady Ara-magedona ny fotoana hitsanganan'ireo, ary diniho tsara fa ny fiainan-tsihita sy ny ranomasina hamoaka ny maty ao aminy io dia tsy amin'zao fotoana zao mihitsy fa amin'ny ho avy, ary ny fahafatesana faharoa dia izao, mariho tsara koa fa ireo natsangana voalohany, zany hoe ireo mpisorona 144000 dia tsy hihatra aminy intsony ny fahafatesana faharoa, fa ireo natsangana hiaina eto an-tany rehefa mitsangana dia hotsaraina, ka izay tsy mibebaka no mahazo ny fahafatesana faharoa ka tsy hitsangana intsony. Fanjakana arivo taona, lazaina tsara fa i Kristy sy ny 144000 no hiara-anjaka amin'io fanjakana arivo taona io, Vakio Apok 5 : 10, ireo hoy izy no mpisorona hitondra ny tany, diniho tsara an, hitondra ny tany, ka tsy mitombina velively ny hoe iaraka amin'izy ireo any an-danitra ny olona hoentiny.

Averiko ihany fa ny fitsanganana voalohany dia ilay fahateraham-baovao tao amin'ny Batisan'ny fibebahana amin'ny anaran'i Jesosy Kristy hahatonga zanak'Andriamanitra.
Raha ianao Jojo io no mibebaka ka miroso amin'ny Batisa dia mamantsika anao eo amin'ny hazo fijaliana ho faty miaraka amin'i Kristy, alevina ary ateraky ny rano sy ny ra (ran'i Jesosy = manadio) ho lasa olom-baovao (Rom 6,4) izany hoe tsy ianao (Jojo taloha) intsony no velona fa i Kristy no velona ao anatinao.
Gal 2.20
20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra,

Mibebaha rahalahy a!

I Tes 4,14
14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy [tamin'ny alalan'i Jesosy] HIARAKA AMINY

Isa an'ohatra fotsiny ve ny 144000?
Taorian'ny nilazana ilay isa voafaritra tsara 144000, dia noresahin'ny Apokalypsy 7 : 9 fa nisy "vahoaka be tsy tambo isaina. Raha isa an'ohatra fotsiny ny 144000 mba hilazana olona maro be, dia tsy misy dikany ny ilazana fa "tsy tambo isaina ilay vahoaka be". Ara-bakiteny ary io isa io, mifanaraka amin'ny tenin'i Jesosy ao amin'ny Matio 22 : 14 hoe : "Maro no asaina, nefa vitsy no fidina." Afangarontsika foana ny tenin'i Jesosy ho an'ireo voahosotra sy ireo vahoaka be.

Mankany an-danitra koa ve ny "vahoaka be" resahin'ny Apokalypsy 7 : 9,10?
Lazain'ny Apokalypsy fa "novidina avy teto an-tany" mba hiaraka amin'i Kristy eo amin'ny tendrombohitra Ziona any an-danitra ny 144000. Tsy voalaza ho toy izany kosa ny "vahoaka be". Apok. 14 : 1-3.
Tsy voatery ho ara-bakiteny ny hoe "mitsangana eo anoloan'ny seza fiandrianana sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry, fa midika kosa hoe ankasitrahan'Andriamanitra. (Ampitahao amin'ny Apok. 6 : 17 sy ny Lioka 21 : 36). Tsy voatery ho any an-danitra ny hoe "eo anoloan'ny seza fiandrianana" (grika : enôpiôn to trôno, midika ara-bakiteny hoe "eo imason'ny seza fiandrianana"). "Eo imason'Andriamanitra" fotsiny izy ireo, ary any an-danitra izy no mijery ny zanak'olombelona. Sal 11 : 4, ampitahao amin'ny Matio 25 : 31-33, Lioka 1 : 74, 75 ary ny Asan'ny Apos 10 : 33.
Tsy ilay "vahoaka be" resahin'ny Apok. 7 : 9 akory ilay "vahoaka be" any an-danitra resahin'ny Apok. 19 : 1, 6. Tsy "avy amin'ny firenena rehetra" ilay vahoaka be any an-danitra, ary tsy milaza izy ireo hoe avy amin'ny zanak'ondry ny famonjena azy. Anjely mantsy izy ireo nanao fiderana makotrokotroka ho an'andriamanitra, izay nantsoina koa ao hoe vahoaka be.

Namana, tsy nisy tsy novaliako sy novaliako tamin'ny tenin'Andriamanitra ny fanontanianao rehetra, hatreto anefa, tsy mbola novalianao na iray aza ny napetrako momba ny tany sy ny maty, na ny fanontanian'i zazamaroroka momba ny tany etsy ambony koa aza avilinao, taiza namana no nisy andininy milaza fa misaraka amin'ny vatana ny fanahinao rehefa maty enao, efa notaterina teto fa filozofian'olombelona no niforonan'ireo finoana ireo, haveriko foana, fa aza tsongoina ny andininy fa halalino ny baiboly, fa lasa diso doly no hampianarina ny olona raha izany. Mba valio tsirairay miaraka amin'ny andininy otrizao ataoko zao ny momba ny fanahy tsy mety maty, ireo andininy maro momba ny tany, ny toetran'ireo maty, ny biby sy ny olona mitovy fiafara, ny hoe Jesosy tsy natao ivavahana sns....
72. Miharena ( 25/07/2012 18:02)
Ny fanontaniako amin'i Jojo3t amin'ilay 144000, efa miaraka amin'Andriamanitra ve izy ireo ankehitriny sa mbola ho avy izany? Ny fahafantarako ireo TJ manko dia mbola manambara fa ho avy ireo nefa amiko sy ny fandalinako dai efa miara-miasa amin'Andriamanitra ireo ankehitriny.
73. jojo3t ( 26/07/2012 03:33)

Miharena:

Ny fanontaniako amin'i Jojo3t amin'ilay 144000, efa miaraka amin'Andriamanitra ve izy ireo ankehitriny sa mbola ho avy izany? Ny fahafantarako ireo TJ manko dia mbola manambara fa ho avy ireo nefa amiko sy ny fandalinako dai efa miara-miasa amin'Andriamanitra ireo ankehitriny.
Tsara ny fanontanianao, efa any an-danitra izy ireo amin'zao fotoana izao ka, misy famantarana sy kajy omen'ny baiboly hoe oviana no nanomboka ny fanangonana azy ireo ary rahoviana no hifarana fa lavalava ny fanazavana, fa ny azo hambara dia ny hoe efa any izy ireo fa tsy izy rehetra, fa mbola misy sisa amin'izy ireo eto an-tany amin'zao fotoana zao.
74. didi10 ( 26/07/2012 07:47)
Fanampim-panazavana

Naminany ny Watch Tower fa:
- tamin'ny 1874 hono ny fahatongavan'i Jesosy fanindroany teto an-tany (2e venue du Christ)
- tamin'ny 1914 no nifarana ny fahefan'olombelona sy ny fanjakany fa efa tonga ny fanjakan'Andriamanitra.
- tamin'ny 1925 dia nisy olona masina toa an-dry Abrahama, Isaka, Jakoba hitsangan-ko velona ka honina ao San Diego (Californie)
- tamin'ny 1975 dia tapitra ny andron'ny olombelona ka hanomboka ny 1000 taona hanjakan'i kRISTY.

Ka iza amin'ireo mpaminany ikoizana ireo no manana ny tombonkase ka efa lasa any an-danitra?
75. jojo3t ( 26/07/2012 08:20)
Hono oà, mba te hanontany an'i didi10 za hoe taiza no nahazoany io faminanian'ny watch tower io, voalohany aloha, dia tsy mpaminany ny watch tower fa milaza ny zava-misy eran-tany ary milaza ny voalazan'ny baiboly mialoha mifanaraka amin'zany, ireo voalazanao rehetra ireo dia sahiko ny milaza fa diso, watch tower pirate ngamba no hitanao satria maro be ny manao izany ao amin'ny Internet sy ny hafa.

Hazavaiko kely ny tamin'ny 1914, lava be io fanazavana io sy ny kajy amin'io omen'ny baiboly ka mety ho sarotra amin'ny hafa ny hahazo azy raha tsy mianatra sy mandalina mihitsy aloha, io no resahin'ny watch tower, tamin'io no tanteraka ny famantarana ny amin'ny fanatrehan'i Krsity, ary nanjera an'i Satana sy demoniany tety an-tany izy ka loza ho an'ny tany sy ny ranomasina, nanomboka koa ny vanim-potoan'ny andro farany teo, niantombohan'izany ny ady lehibe I, nanomboka teo dia tanteraka daholo ny faminaniana momba ny andro farany sy ny fanatrehan'i Kristy, marihina fa mbola afaka nandeha tany amin'ny faritry ny lanitra i Satana talohan'io, rehefa voazera i Satana, nanomboka nanjaka koa i Kristy any an-danitra, ary manangona ny sisa amin'ireo mpisorona, ary miandry ny baiko avy amin'Andriamanitra hanantaterahany ny fikasany eto an-tany, mbola eo ny fitondran-olombelona fa tsy foana zany, amin'ny ho avy i Kristy vao hanafoana azy ireo araka ny Daniela 2 : 44.
76. jajajaly ( 26/07/2012 09:36)
didy10
aminany ny Watch Tower fa:
- tamin'ny 1874 hono ny fahatongavan'i Jesosy fanindroany teto an-tany (2e venue du Christ)
- tamin'ny 1914 no nifarana ny fahefan'olombelona sy ny fanjakany fa efa tonga ny fanjakan'Andriamanitra.
- tamin'ny 1925 dia nisy olona masina toa an-dry Abrahama, Isaka, Jakoba hitsangan-ko velona ka honina ao San Diego (Californie)
- tamin'ny 1975 dia tapitra ny andron'ny olombelona ka hanomboka ny 1000 taona hanjakan'i kRISTY.

Ka iza amin'ireo mpaminany ikoizana ireo no manana ny tombonkase ka efa lasa any an-danitra?

Mba omeo ilay reference na ilay rohy raha mba mety sao dia lasa mandainga eo ranamana ko ty!!!
77. didi10 ( 26/07/2012 09:51)
http://fr.wikipedia.org/wiki/T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah

http://fr.wikipedia.org/wiki/Histoire_des_T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah
78. jajajaly ( 26/07/2012 10:07)
Voalohany aloha dia isaka ny misy lohahevitra dia dia iniana avily ilay izy mba tsy ahafana manatsoaka hevitra inona no valiny omen'ny Baiboly ny lohahevitra anakiray.
Anisany nanokatra ity lohahevitra ity izaho, ka tsy diso angamba aho raha milaza hoe sao dia mba tokony hanokafanareo lohahevitra hafa io voalaza etsy ambony io dia ao isika manazava azy tsara satria tsy misy ifandraisany amin'ity lohahevitra ity, sa ahoana ny hevitrareo.
Fa ilay tany aloha nanao ahoana e! eto ihany ve sa .....
79. didi10 ( 26/07/2012 11:47)
Nangataka rohy ianao dia nomeko fa sao lazainao fa mamorona aho.

Iveranako ilay lohahevitra.
hijanona eto an-tany tokoa ve isika?
Eny ny valiny raha mihevitra ianao fa io vatana sy saina io no maha ianao anao. Raha maty tokoa io ka ho aiza moa fa tsy ho lo ao am-pasana?

Tsia koa ny valiny raha mihevitra ianao fa fanahy mitondra nofo ianao, ka ny hanompoana an'Andriamanitra dia ny hamonjena ny fanahy.

80. jajajaly ( 26/07/2012 13:28)
De iza amin'ireo izany no izy ry didi10.
Hindramiko ilay voalohany: Vatana sy saina no maha ianao anao.
Misy famaritana hafa koa andikan'ny voambolana malagasy sasany ny hoe Saina. Ampitoviany amin'ny hoe fanahy izy io. Izany hoe FITAOVANA ENTINA MANAHY. Toy ny hoe fitaratra = fitaovana entina mitaratra, fangady= fitaovana entina mangady, fanjaitra= fitaovana entina manjaitra...
Ny hoe manahy dia hoe mieritreritra. Tara hariva ohatra ny zanaka dia manahy ny olona hoe sao dia .../ Io Fanahy na fitaovana entina manahy io no maha olona ny olona hoy ny ntaolo satria miankina amin'io no hampiasan'ny olona ny safidy. Tsy inona io fa ny Saina. Raha ny Gasy ary izany raha io hevitr'i didi10 io no iangana dia ENY, hijanona eto an-tany ny vatana + SAina = Fanahy no maha izy azy.
Heritrerotro MANOKANA io fa tsy misy ifandraisana amin'ny finoan'ny TJ sao dia misy manitatra eo. Mba fanazavana azo tamin'ny Proff malagasy dia mba zaraina. Miala tsiny fa tsy misy toko sy andininy ilay nomeny!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0818