Hijanona eto an-tany tokoa ve isika?
82. jojo3t
(
27/07/2012 04:11)
didi10:Tsara atao lohahevitra hafa ny andro farany sy ny hoe fiverenan'i Kristy raha mety fa mivoana amin'ny lohahevitra marina, fa hazavaiko kely ilay rohy nomenao, enao kosa e, ao amin'ny wikipedia ve enao no mandalina momba ny TJ, tranonkala tsy miankina mamoaka mombamomba ny olona iray na fikambanana sns ny wikipedia, tsy voatery ho marina nefa ny zavatra lazainy, ekena fa tany am-boalohany dia nisy zavatra tsy azon'ny mpanoratra ny watch tower mahakasika ny zavatra sasany, niezaka nandalina ny baiboly nefa izy ireo ary nangataka ny fanahy masina mba ahafahan'izy ireo mahazo tsara ny zavatra hampitainy mifanaraka ny toe-java-misy maneran-tany, io le lazain'ny baiboly hoe miposaka toy ny fiposahan'ny andro maraina ny fahazavan'ny fahamarinana, nihanazava tamin'izy ireo ny tena marina ary nisy ny zavatra sasany niova, ary niezaka nanaraka ny modelin'ireo fiangonana tamin'ny taonjato voalohany, tsy manombana daty momba ny andro farany ny TJ, hita eto fa liana ny amin'ny tantaran'ny TJ sady tia mamaky tilikambo enao namana, raha tena te ahafantatra ny momba azy enao dia ity ny adiresy tokony tsidihinao : "www.watchtower.org".
http://fr.wikipedia.org/wiki/T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah
http://fr.wikipedia.org/wiki/Histoire_des_T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah
83. jajajaly
(
27/07/2012 05:57)
Hanampiako kely. Tsy ho ela io site omen'i jojo3 io dia hiova 'www.jw.org' misy teny gasy io site io ho hitanao ao izay tadiavinao ary efa mandeha izy io amin'izao.
84. didi10
(
27/07/2012 07:02)
jojo3t:
didi10:Tsara atao lohahevitra hafa ny andro farany sy ny hoe fiverenan'i Kristy raha mety fa mivoana amin'ny lohahevitra marina, fa hazavaiko kely ilay rohy nomenao, enao kosa e, ao amin'ny wikipedia ve enao no mandalina momba ny TJ, tranonkala tsy miankina mamoaka mombamomba ny olona iray na fikambanana sns ny wikipedia, tsy voatery ho marina nefa ny zavatra lazainy, ekena fa tany am-boalohany dia nisy zavatra tsy azon'ny mpanoratra ny watch tower mahakasika ny zavatra sasany, niezaka nandalina ny baiboly nefa izy ireo ary nangataka ny fanahy masina mba ahafahan'izy ireo mahazo tsara ny zavatra hampitainy mifanaraka ny toe-java-misy maneran-tany, io le lazain'ny baiboly hoe miposaka toy ny fiposahan'ny andro maraina ny fahazavan'ny fahamarinana, nihanazava tamin'izy ireo ny tena marina ary nisy ny zavatra sasany niova, ary niezaka nanaraka ny modelin'ireo fiangonana tamin'ny taonjato voalohany, tsy manombana daty momba ny andro farany ny TJ, hita eto fa liana ny amin'ny tantaran'ny TJ sady tia mamaky tilikambo enao namana, raha tena te ahafantatra ny momba azy enao dia ity ny adiresy tokony tsidihinao : "www.watchtower.org".
http://fr.wikipedia.org/wiki/T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah
http://fr.wikipedia.org/wiki/Histoire_des_T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah
Ilay hoe tia mamaky Tilikambo aloha tsy dia izay loatra, mamaky ireny boky ireny aho mba handalinako ny fampianarana marina sy diso toa ny handalinako ny 3e Testament an'i Miharena, ny bokin'i Mormon, ny Coran...
Raha somary iverenako ilay hoe faminaniana diso tamin'ny 1925 (Rutherford) sy 1975 (Knorr) dia tsy afaka hiala amin'io ianareo fa tena nisy io. Na ianareo iziriziry fa tsy nisy izany, na ianareo hanaiky fa manana mpaminany tsy manana ny Fanahy Masina ka tokony hieritreritra.
Pet II 2 : 1
[-2-] Fa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary HANDA NY TOMPO Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho an'ny tenany.
85. jojo3t
(
27/07/2012 08:47)
didi10:Tsy azonao mihitsy le nolazaina tetsy ambony, tsy mpaminany akory ny rahalahy Rutherford sy ny rahalahy Knorr, ary nihanazava tamin'izy ireo ny fahamarinana tao amin'ny baiboly, be no tsy fantatrao fa ny tantara taloha no hainao, ary amin'zao fotoana zao dia tsy olona iray toy ny taloha no mitantana ny birao fa maromaro, tsy manombana daty ny watchtower amin'zao fotaona zao fa mampianatra ny olona ny famantarana ny andro farany, ary manambara fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra, tsy mahita tombatombana daty enao amin'zao fotoana zao raha mandinika ireo adiresy nomena anao ireo, hazava tsara aminao kosa hoe inona marina no inoan'ny TJ, ary inona marina no torin'izy ireo, manao ahoana izy ireo, dia ao koa enao afaka mahita hoe, inona no novaina sy niova, araka ny efa nambara tery aloha fa ny fahamarinana dia miposaka toy ny fiposaky ny andro maraina, ka raha tena hampitaha enao namana, aza misalasala mijery ireo adiresy ireo, fa aza variana amin'ny lasa a, ary ny antony hamakianao ny tilikambo sy ny coran zan raha azoko tsara dia antony manosika ratsy satria ny fonao dia mitady mafy ny azo hanakianana ny zavatra, zao nefa namana, efa mba nizaha toetra sy ny finoanao ve enao hoe ao amin'ny fahamarinana marina fa sao variana mijery ny an'ny hafa ka sao ho very any am-parany, raha jerena mantsy ny finoanao, tsy sanatria mitsara fa mba ahafahanao ho tonga saina kely vetivety, toa mampiasa baiboly enao nefa ny ankabeazany hevitrao dia mifanohitra amin'ny baiboly ary avy amin'ny hevitr'olombelona, toy ny fanahy tsy mety maty, sy ny vavaka, ny hifadianao ny ra, na ny fanahy masina aza tsy fantatrao hoe hery miasa sns, eny e, na izany aza, mampirisika anao ihany hamaky satria ho hitanao amin'ny fijery tsy miangatra ny fahamarinana raha izay no hataonao,
jojo3t:
didi10:Tsara atao lohahevitra hafa ny andro farany sy ny hoe fiverenan'i Kristy raha mety fa mivoana amin'ny lohahevitra marina, fa hazavaiko kely ilay rohy nomenao, enao kosa e, ao amin'ny wikipedia ve enao no mandalina momba ny TJ, tranonkala tsy miankina mamoaka mombamomba ny olona iray na fikambanana sns ny wikipedia, tsy voatery ho marina nefa ny zavatra lazainy, ekena fa tany am-boalohany dia nisy zavatra tsy azon'ny mpanoratra ny watch tower mahakasika ny zavatra sasany, niezaka nandalina ny baiboly nefa izy ireo ary nangataka ny fanahy masina mba ahafahan'izy ireo mahazo tsara ny zavatra hampitainy mifanaraka ny toe-java-misy maneran-tany, io le lazain'ny baiboly hoe miposaka toy ny fiposahan'ny andro maraina ny fahazavan'ny fahamarinana, nihanazava tamin'izy ireo ny tena marina ary nisy ny zavatra sasany niova, ary niezaka nanaraka ny modelin'ireo fiangonana tamin'ny taonjato voalohany, tsy manombana daty momba ny andro farany ny TJ, hita eto fa liana ny amin'ny tantaran'ny TJ sady tia mamaky tilikambo enao namana, raha tena te ahafantatra ny momba azy enao dia ity ny adiresy tokony tsidihinao : "www.watchtower.org".
http://fr.wikipedia.org/wiki/T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah
http://fr.wikipedia.org/wiki/Histoire_des_T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah
Ilay hoe tia mamaky Tilikambo aloha tsy dia izay loatra, mamaky ireny boky ireny aho mba handalinako ny fampianarana marina sy diso toa ny handalinako ny 3e Testament an'i Miharena, ny bokin'i Mormon, ny Coran...
Raha somary iverenako ilay hoe faminaniana diso tamin'ny 1925 (Rutherford) sy 1975 (Knorr) dia tsy afaka hiala amin'io ianareo fa tena nisy io. Na ianareo iziriziry fa tsy nisy izany, na ianareo hanaiky fa manana mpaminany tsy manana ny Fanahy Masina ka tokony hieritreritra.
Pet II 2 : 1
[-2-] Fa nisy mpaminany sandoka teo amin'ny olona Isiraely, ary hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo, izay hahatonga mangingina sain-diso mahavery ary HANDA NY TOMPO Izay nividy azy aza ka hahatonga fahaverezana tampoka ho an'ny tenany.
86. Miharena
(
27/07/2012 08:59)
Aleo aloha àry hiverina aminn'y loha-hevitra indray isika ka raisina amin'ny fandalinana tsotsotra.
Raha tena dinihina dia tsy azo hiainana intsony ity tany ity raha mbola izao rafitra napetrak'olombelona eto izao no misy eo. Ny fampiasana ny harena miankina amin'ny fifaninanana dia isan'ny mandavo ny olombelona, indrindra ny fanomezan-danja ny vola ho sandan'ny herim-po sy ny fanehoana hery amin'ny alalan'ny fananana fitaovam-piadiana.
Tsy misy mihitsy ny filaminana azo tohizina raha toa ka misy ireo izay tsy mizara fahasoavana raha tsy sandaina vola.
Tsy misy mhitsy ny paradisa an-tany raha tsy mazava ny fifandraisan'ny olombelona ka ariana tanteraka ireo resaka manome lanja ivelany ny olona rehetra.
Rehefa samy manaiky fa madiniky ny Tompo ny tsirairay ary rodanina ny rindrina mampisaraka (harena, fahaizana, hery famoretana) dia azo heverina ny voalaza hoe hijanona eto an-tany ihany ny olombelona.
Mila faritana anefa hoe amin'ny fomba ahoana?
Ao amin'ny 3è Testament voambaran'i Didi10 io ohatra: Ireo olona izay misafidy hijanona dia réincarnation no endrika azony hanohizana ny eto. Safidy no miteraka ny fandehanana na fijanonana arakaraka ny zava-misy.
Raha mbola misy ny tsy mahatsiaro tena dia mbola ho tarihina sy hampianarina koa izy ka tsy maintsy Baiboly feno (misy tovana) no hiasa amin'izany fanarenana izany fa tsy afaka hionona amin'io Baiboly boky roa io intsony.

87. jojo3t
(
27/07/2012 09:18)
Efa maro be ny fanazavana nomena momba ny tany, fa teny kely tsotra fotsiny omeko an'i Miharena amin'ilay hoe tsy misy filaminana azo tohizina, aiza ny finoanao, tsy mino ve enao fa hain'Andriamanitra ny manavao ny zava-drehetra ? Hampioreno amin'ny teniny ny finoanao dia tsy hisalasala ny amin'ny ho avy enao na hanana fanahiana.
88. Miharena
(
27/07/2012 09:30)
Ny fampiorenam-pinoana anie namana Jojo3t dia mazava fa ny fambolena eritreritra no mahavery ny olona e! Milaza izy fa mahefa ny zava-drehetra Andriamanitra nefa izy imihitsy no mibaiko ny tokony hataon'Andriamanitra. Ny zava-drehetra novolavolain'ny olombelona dia tsy nisy nidiran'Andriamanitra na dia iray aza fa ny fanomezana izay ahafahana manao ny sitrapon'ny tsirairay no nomeNY an-kalalahana tanteraka.
Tsy ny fanovana no olana fa ny firondran'ny fanovana ka ilazako hoe raha tsy mifoha ny olombelona rehetra dia tsy hisy tany hiova izany.
Mila fiantobohana amin'ny fahafoanana mihitsy isika vao miova ny zava-drehetra satria Andriamanitra tsy manao asa mahaleo-tena velively fa miaraka amin'y voariNY Izy no miasa.

89. jojo3t
(
30/07/2012 03:41)
Voalazanao fa misy ny tsy mifoha sy mibaiko an'Andriamanitra, na maro aza anefa izany dia misy foana ny tena manaraka ny sitrapon'Andriamanitra sy efa niova ka manaraka ny tari-dalana omeny, ireo no tokony iezaka mafy hampifoha ireo mbola tsy mifoha, sarobidy amin'Andriamanitra ny olona manao ny sitrapony na dia vitsy noho ny tsy manao aza.
90. RBNIR
(
13/08/2012 11:21)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Hoy ny lohahevitra hoe hijanona eto an-tany tokoa ve isika?
Raha araka ny « Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. » (2 Pet.3:10).
Raha araka io teny io dia hodorana avokoa ity tany misy an-tsika ity sy ny asa izay eo aminy.
Hoy koa ny « Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itœran'ny fahamarinana. » (2 Pet.3:13)
Araka io teny io indray dia voamarina fa tena tany vaovao no nampanantenaina an-tsika.
Tany vaovao izay tsy inona fa :
« Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apok.21:1)
Vaovao tokoa satria io tany nampanantenaina io dia tsy hisy ranomasina intsony.
Ireto koa mbola zava-baovao ao amin’io tany izay hiainana ny fiainana mandrak’izay io :
1- « Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hœ: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitœtra* eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitœtra eo aminy, dia ho Andriamaniny. [* Gr. hitœtra an-day] » (Apok.21:3)
Raha mivavaka isika izao dia mivavaka amin’Andriamanitra tsy hita maso fa amin’izany kosa dia ho hitan-tsika ary hiaramonina amin-tsika ilay Andriamanitra hivavahan-tsika.
2- « Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia perila roa ambin'ny folo; perila iray avy ny isam-bavahady; ary ny lalambe teo an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano. » (Apok. 21:21)
Araka io teny io dia ny lalana any dia vita amin’ny volamena (hanitsaka volamena isika)
Manaporofo fa dia tena vaovao tokoa io tany ampanantenaina io dia hisy ihany koa zavatra izay misy ankehitriny saingy tsy ho any intsony :
1- « Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. » (Apok.21:4)
Mazava B ireo : ireo zavatra rehetra izay mampitondra fahoriana an-tsika ankehitriny dia tsy hisy any intsony.
2- « Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy » (Apokalypsy 22:3)
Amin’izao fotoana izao isika dia mbola mihaina ao anatin’ny ozona nolovain-tsika tamin’ireo razam-ben-tsika fahiny dia I Adama sy Eva. Fa amin’izany dia tsy hivoaka amin’ny vavan’Andriamanitra intsony ny fanozonona na inona na inona.
3- « Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. » (Apokalypsy 22:5)
Tsy hisy intsony ny alina fa dia mazava foana no iainana mandrakizay mandrakizay.
Ireto teny rehetra ireo no ahafahana manamarina sy manaporofo fa tsy ity tany ity mihitsy no hiainana ilay fiainana mandrak’izay fa TANY VAOVAO MIHITSY.
NOHO IZANY TSY HIJANONA ETO AN-TANY AKORY ISIKA.
Samia ho tahin’ny Tompo namana.

91. RBNIR
(
31/08/2012 09:54)
RBNIR
Faly miarahaba sy manasa ny namana rehetra,
Fandaharana ao @ TN TV UHF 471.25 anio alina amin'ny 8h 30.
Samia ho tahin'ny Tomp namana,
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Raha tsy nahita ianao dia mbola afaka mijery ny alahady 02-09-2012 ho avy izao ao amin'io télé io ihany fa amin'ny 1ora tolakandro fandaharana tsiambara3,
Samia ho tahin'ny Tompo,