Paradisa _ ahoana no fahazoantsika azy?
1. Miharena
(
20/05/2012 07:56)
Raha amin'ny fahazoana azy ara-Baiboly dia inona no mety azo hamaritana ny paradisa ?
Toerana ve izy io sa fiainana?
Raha nandre toriteny iray izay aho dia nilaza ilay mpitandrina fa "personne" na "étre" izany paradisa izany. Io no vokatry ny fanalinana na fahatsapana ara-panahy azony nozaraina ary nifandinihan'ny maro ka nekena momba ny Paradisa.
Ahoana ny hevitsika amin'izany?

novalian'i majesty ny 10/07/2012 04:54
2. LazaDaddy
(
20/05/2012 23:44)
Miharena:
Raha nandre toriteny iray izay aho dia nilaza ilay mpitandrina fa "personne" na "étre" izany paradisa izany. Io no vokatry ny fanalinana na fahatsapana ara-panahy azony nozaraina ary nifandinihan'ny maro ka nekena momba ny Paradisa.
Tsy ara-Baiboly izany
3. Miharena
(
21/05/2012 05:18)
Raha ny ao anaty Baiboly no jerena dia miresaka fahitana avokoa momba ny paradisa : toy ny hoe eo an-tratran'i Abrahama, na koa hoe seza fiandrianana sy anjely maro be araka ny Apokalypsy. Fa ny endrika nampahitana izay olona nanambara ny fahitana no fantatra fa nentina toy ny olona nanonofy.
Tsy dia misy loatra izay endrika mazava tsara ahafahana mamaritra hoe inona no Paradisa ary aiza raha ny ao anaty Baiboly fa mila manadihady kokoa.
Mila manamarina valinteny i LD izany raha lazainy fa tsy ara-Baiboly tokoa ny hoe personne na étre ny Paradisa. Etat na endrika no fahazoako azy manko raha ireo fampahitana nomena tao anaty Baiboly no jerena.

4. hery
(
21/05/2012 07:22)
Anisan'ny fomba tsotra hamaalianaa azy koa hoe ilay Jesoa niakatra any an-danitra nankalazaina tamin'ny alakamisy, niakatr aiza? Toerana sa etat?
Inoako fa io niakaran'i Jesoa io no paradisa

5. Miharena
(
21/05/2012 09:09)
Raha toa tokoa ilay izy hoe toerana fa tsy etat, dia lasa tsy ampy ihany satria tsy mitombina ilay vavaka nampianarin'ny Tompo hoe : Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Raha io no zohina dia misy etat roa samihafa tiana hihaona. Ao amin'ny fanoharana be dia be i Krsity dia nilaza momba ny fanjakan'ny lanitra ary raha zohina dia tsy toerana na dia iray aza fa Etat na endrika ilay vontoatin"ny voalazany rehetra. Ao koa aza ny toetra. Ka izay angamba no nilazan'ilay mpitandrina hoe : Personne ilay izy.
6. RBNIR
(
21/05/2012 10:59)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Hoy Jesosy Tompo tamini'lay jiolahy iray maty teo anilany :
« Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. » (Lio.23:43).
Raha araka io teny io, dia rehefa maty ny olona iray izay voavonjy, ny fanahin'izireo dia mandeha mankany amin'ny toerana iray atao hoe "Paradisa".
Marina ny filazan'i Miharena fa ilay malahelo koa dia lasa any ary i Abrahama koa dia efa any.
« Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina; » (Lio.16:22).
Arak'ireo dia toerana iray handehanan'ny fanahin'ireo olona rehetra voavonjy io "Paradisa" io.
Tsy ao amin'io "Paradisa" io anefa araka teny nampanantenaina no hiainana ilay fiainana mandrak'izay fa any amin'izany "tany vaovao sy lanitra vaovao" izany.
« Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. » (2 Pet.3:13)
« [Ny amin'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (Apok.21:1)
Noho izany mbola hisy ny fotoana ialan'ny fanahin'ireo olona voavonjy ireo ao amin'io toerana atao hoe "paradisa" io.
Mbola azon-tsika hotohizana fa zava-miafina izany ry namana isany (ho an'izay mangetaheta marina tokoa).
Miala ao amin'ny "paradisa" dia mankaiza avy eo???
Tandremo anefa ny mandray ankafaliana namana isany (ny voavonjy irery no manana alalana ho any amin'ny "Paradisa" sy ny lanitra vaovao sy tany vaovao fa ny tsy voavonjy kosa mampalahelo B ny anjarany....
Samy ho tahin'ny Tompo daholo indray.

7. hery
(
21/05/2012 11:24)
Soa ihany fa be dia be ny fika maha voavonjy.
Ohatra fotsiny hoe
Jaona 6. 55 "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin'ny farandro"

8. didi10
(
21/05/2012 11:42)
Miharena:
Raha amin'ny fahazoana azy ara-Baiboly dia inona no mety azo hamaritana ny paradisa ?
Toerana ve izy io sa fiainana?
Raha nandre toriteny iray izay aho dia nilaza ilay mpitandrina fa "personne" na "étre" izany paradisa izany. Io no vokatry ny fanalinana na fahatsapana ara-panahy azony nozaraina ary nifandinihan'ny maro ka nekena momba ny Paradisa.
Ahoana ny hevitsika amin'izany?
Faly miarahaba ny namana Miharena
Inona ny Paradisa?
Raha ny teny ho Paradisa no jerena ao anaty Baiboly dia miverina in-3
1/ Lioka 23,43:
Dia hoy Jesosy taminy, lazaiko aminao marina tokoa, anio no hihaonanao amiko any Paradisa
2/II Kor 12,4
fa nakarina ho any Paradisa Izy ka nandre teny tsy azo tenenina sady tsy tokony holazain'olona.
3/Apo 2 : 7
7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana .Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina , izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra
Mazava aloha hatreto fa toerana ny Paradisa ary tsy eto an-tany no misy azy ary tsy natao ho an'ny olona rehetra fa ho an'izay maharesy.
Mazava koa eto ny toerana alehan'ny fanahin'ny tsy maharesy.
Apok 21,6
6 Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta. 7 Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako. 8 Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara;
Mahereza ry namana mbola fotoana izao, mibebaha, aza miala amin'ny Baiboly fa ao ihany no misy ny Teny fikasana.
9. Miharena
(
21/05/2012 18:49)
Araka ny tanisa nolazain'i RBNIR sy Didi10 izany dia heveriny fa toerana ny Paradisa ary tsy hoe itoerana mandrakizay aza fa handalovana ihany. Lasa misy izany ny hoe raha avy ao Paradisa dia misy toerana hafa indray.
Raha ireo tanisa ireo anefa no tena zohina dia ny mamintina azy dia ny vavaka nampianarin'ny Tompo ihany. Ilay hoe ety an-tany tahaka ny any an-danitra, satria raha hilaza hoe indro nisy tany vaovao sy lanitra vaovao dia io no fahatanterahan'io vavaka io. Raha miteny ny ami'ny fitsanganana dia mazava fa endri-piainana vaovao ao amin'ny lanitra vaovao sy tany vaovao no hisy. Eto raha ataontsika hoe boudhiste na hindoue no manaraka ny lojikantsika dia réincarnation no ilazany azy ary sehatra vaovao no hisian'io réincarnation io.
Endrika iray ahafahana manazava ny fonosin'io teny hoe lanitra vaovao sy tany vaovao izy io.
Ny Paradisa anefa dia tsy misy afa-tsy toe-po no ahafahana mahazo azy. Ilay izy dia tsy haleha fa rombahina ho an'ny tena.
Raha izay resaka rombahina izay anefa dia tsy misy hidiran'ny toerana ilay izy fa endrika azontsika.
Raha hoy Krsity hoe : anio no hihaonanao amiko ao am-paradisa dia firaisana amin'i Kristy tamin'io fotoana io no azon'ilay niara-nifantsika tamiNY fa tsy toerana. Eto dia mbola marina indray hoe personne na personalité ilay Paradisa, izany hoe personalité maha-kristy.
Asa hoe ahoana no fandraisanareo izay hevitra izay?

10. danielio
(
22/05/2012 08:27)

"MATIO 6 10 - 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra." tsara ny mamantatra ny tiany lazaina fa ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra ety antany tahaka ny fanaovana azy any andanitra no lazainy io toko sy andininy io.Misaotra
11. didi10
(
22/05/2012 08:29)
Aleo aloha ny namana Miharena ampianarina malagasy kely fa tsy azonao ilay vavaka nampianarain'ny Tompo.
Ho tonga anie ny fanjakanao ety an-tany ka hatrany an-danitra.
Ho tonga : Enti-milaza (Verbe)
ny fanjakanao : Lazaina (Sujet)
ety an-tany tahaka ny any an-danitra: Fameno (Complément)
Tsy manana hevitra mitokana ny teny hoe "ety an-tany tahaka ny any an-danitra" fa fameno tsy misaraka amin'ny hoe:"ho tonga anie ny fanjakanao", ny teny hoe tahaka dia afaka solina hoe: "na" "na ety an-tany na any an-danitra" izay mazava fa milaza toerana roa samihafa sy fotoana samihafa.
Omeko ohatra hafa ianao: Raha maniraka ny mpamilinao ianao hanasa ny fiaranao dia afaka miteny ianao hoe: "Sasao tsara ny ao anatiny tahaka ny ao ivelany", dia midika ve izany fa ny anatiny ihany no ivelany? Tsia midika izany fa tokony sasana tsara ny anatiny tahaka ny anasana tsara ny ivelany.
Izay nandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany dia efa nanome ny vatany ho Tempolin'Andriamanitra mba hanjakany sy hitoeran'ny fanahiNY, fa rehefa maty kosa ilay olona dia hiakatra any amin'ny Paradisa ny fanahiNY handova ny Paradisa izay efa misy toerana nomanin'i Jesosy ho an'izay hovoavonjy.

12. Miharena
(
22/05/2012 13:25)
Ilay endrika tian'i Jesoa ahatongavna namana Didi10 no tiana havoitra fa tsy hoe tsy fahaizana miteny na tsy fahazoana ny teny.
Raha hoy Izy hoe : indro Izaho mandondona eo am-baravarana, raha misy mihaino ny feoko ka mampandroso Ahy dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-hisakafo aminy ary Izaho ao aminy.
Andrasana ve io sa dieny mbola nofo dia efa mahatsapa fa miaraka AMINY? Ary raha miaraka Aminy izay, tsy efa azo lazaina ve fa efa mahatanteraka sahady ny fanjakaNY ety an-tany tahaka ny any an-danitra?
Raha zohina dia matetika isika manao tsilalaon-teny ny efitra manasaraka toy ny fotoana sy ny erana asiana elanelany fa tsy mijery ny atao hoe fiombonana na firaisana. Ny tena tanjona anefa raha Andriamanitra no lazaina dia ilay hoe IRAY ao amin'ny Ray. Ka raha mahatanteraka io ny tsirairay dia efa dingana lehibe hahatanteraka ny Paradisa izany. Eto ilay izy dia tonga amin'ny resaka hoe endrika na toetra no mahatanteraka ilay Paradisa.

13. RBNIR
(
22/05/2012 13:55)
Miharena:
Araka ny tanisa nolazain'i RBNIR sy Didi10 izany dia heveriny fa toerana ny Paradisa ary tsy hoe itoerana mandrakizay aza fa handalovana ihany. Lasa misy izany ny hoe raha avy ao Paradisa dia misy toerana hafa indray.
Faly miarahaba namana Miharena,
Aza dia zatra manakadavitra namana fa mamitaka ny sain-tsika olombelona.
Teny efa mazava B ny an'i Kristy io ambony io : "Anio no hihaonanao amiko any Paradisa hoy Izy"
Luc.23:43 Jésus lui répondit : Je te le dis en vérité, aujourd'hui tu seras avec moi dans le paradis.
Toerana no nilazana ny paradisa eto fa tsy misy heviny hafa tsy akory.
Conseil d'amis zany namana ary fitiavana no hifampizarana eto fa sao ianao ho tezitra. Izaho manokana dia mba manana Q.I misimisy ihany saingy nampirimoko sady nataoko ho taimboraka izany rehefa nahita aho fa tsy misy fotony mihoatra ny fahendren'Andriamanitra.
Samia ho tahin'ny Tompo namana isany
14. didi10
(
22/05/2012 13:59)
Romana 8,9
Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy
Dieny velon'aina tokoa ny olona dia tokony hanana an'i Kristy ao anaty, fa izany akory tsy midika velively fa tsy misy ny fiainana aorian'ny fahafatesana, na tsy misy ny Paradisa. Raha mandray an'i Jesosy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany ny olona iray dia ho velona mandrakizay miaraka amiNY ka na ny fahafatesan'ny nofo aza dia dingana fotsiny ihany fa ny fanahiny dia ho velona mandrakizay miaraka amin'ny Tompo.

15. Miharena
(
23/05/2012 08:20)
Marina daholo ny fiheveranareo Didi10 sy RBNIR fa ny resaka hoe toerana na tsy toerana dia misy endrika ananana vao tonga amin'ny tanjona iray raha ny fahafantarako azy.
Ilay hoe velona mandrakizay miaraka amin'y Tompo dia midika amiko hoe velona mandrakizay ao Aminy, ary Izy ao amintsika. Ka raha raisina tanteraka io fahamarinana io dia dieny mbola eto an-tany dia efa azo lazaina fa efa velona ao Aminy araka ny tenin'iPaoly hoe : Tsy izaho intsony no velona fa i Krsit yno velona ao anatiko.
Izay ihany no maha-Andriamanitra an'i Kristy. Raha tsy afaka mizarazara ho ao anati'nny olona rehetra tsy ankanavaka Izy tsy Andriamanitra. Ary ny fahatanterahan'ny MAZAVA no mahatanteraka ny Paradisa.
Aza heverina hoe tezitra ny tena rehefa manazava izany fa raiso amin'ny fomba fijery anaty ilay izy fa tsy fomba fijery ivelany izay heverina fa fifindrana ny mankao am-paradisa nefa toetra no tiana avoitra etoana satria amiko ny fanahy dia tsy manan-toerana fa ny nofo no mitady toerana hialofana. Ny fanahy dia miova endrika ho mazava ary manerana toy ny fanahin'i Kristy rehefa manana AZY isika.
Ny tsy fahazoana ilay paradisa eto an-tany dia ny fiheverana fa tsy eto izany, izany hoe fefy ilay fiheverana. Raha esorina ilay fiheverana ary manaiky ny rehetra fa hampitoetra ny Paradisa eto an-tany dia mazava fa ho paradisa ny eto an-tany. Saingy tsy izany no miseho rehefa mbola mifikitra amin'ny fahamaizinantsaina na fahadisoam-piheverana, na ny marina kokoa, ny fiononana fa tsy eto ny paradisa.
Misy ady tokony hataon'ny Krsitianina hampitoetra ny mazava hisian'ny fandriam-pahalemana sy Fiainana feno fitiavana eto an-tany ka entiny mandrakizay izany na efa nilaozana aza ny nofo ka hiditra endrika vaovao indray.

16. rekinbelo
(
04/06/2012 05:26)
salama naman isany!
raha ny fijeriko ny momba ny paradisa ao amin'ny baiboly dia mizara 2. Ary raha jerena aza ny definition ny atao hoe paradisa dia toerana mahafinaritra, noho izany dia toerana izy io fa tsy hoe zvt tsy azo tsapain-tanana akory fa zavatra tena misy sy azo itoerana sy iainana.
Ny hoe mizara 02 dia misy ny any andanitra ary misy eto antany. Ary mizara 2 koa izany ny olona mahazo ireo paradisa ireo.
Farany dia tsy hoe avy amintsika no mety na tsy azahoana ny paradisa fa izy io dia fanomezana avy any ambony fa tsy safidintsika akory fa ny ataontsika dia ny miezaka hatrany manao ny Sitrapony ary ny ahazo ny fankasitrahany Tompo hatrany.
Mahereza namana isany!

17. LazaDaddy
(
06/06/2012 01:10)
Miharena,
1) Tsy misy mihitsy ao anaty Baiboly hoe "tahaka ny any an-danitra ny ety an-tany", fa ny fahatanterahan'ny sitrapon'Andriamanitra ety an-tany sy any an-danitra no hita ao.
2) Aoka ho fantatrao fa ny paradisa sy ny lanitra dia tsy mitovy fa toerana roa samihafa ka aza afangaro.
3) Manaova fandalinana kely ny teny Hebreo sy Grika dia angataho Andriamanitra hanokatra ny fonao ka ahaizanao sy andraisanao ny Teniny dia ho fantatrao ny Marina.

18. jojo3t
(
06/06/2012 05:24)
Salama doly e, mba hiteny kely momba ny paradisa :
Mazava ny soratra masina fa tsy ary ho voatanisa eto fa marina le hoe fakafakao fa ao ihany no marina fa aza mihaino sy mianatra ny fampianaran'olombelona sy lovantsofina hatram'zay,
Ny paradisa dia eto antany ihany, ity tany ity no hovaina paradisa, voafetra ihany ny olona mankany andanitra dia 144000 ny isany, ireo le iaramanjaka @Jesosy ao @fanjakan'Andriamanitra, ny mpitondra ihany no any fa ny olombelona hoentina eto antany, ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay, ny ratsy fanahy hofongorana fa ny mpandefitra no handova ny tany hoy by baiboly, ny olona rehefa maty dia tsy mankaiza izany fa mijanona ao ampasana iany sady tsy mahalala na inona na inona, miandry ny fitsanganana @maty izy ireo, ny faminaniana rehetra mahakasika ny paradisa toy ny hoe, ho tondraka ny sakafo, tsy hisy ady intsony, mosary, aretina, fahafatesana, sns... dia eto antany avokoa, handringana ny ratsy fanahy rehetra Andriamanitra, dia ze mankato iahny no ho tafita velona, dia aveo hatsangana ny maty, hotsaraina ny olona, hovana paradisa @zay ny tany, ny ratsy no hesorina eto antany fa tsy oe ny tany no horavana mandrakizay, efa natao honenana eto antany, ireo 144000@zai efa any andanitra, ny tian'i Jesosy holazaina t@le jiolahy de zao : hoy ilay jiolahy, tsarovy za rehefa ao@fanjakanao enao, i Jesosy no mpanjakan'ny fanjakan'Andriamanitra, hoy Jesosy ; anio de hiarak@ko ao @paradisa enao, tsy teo no eo no tiany Jesosy lazaina fa oe ho tsarovany io jiolahy io ary hatsangany@maty ka hiaina ao@paradisa eto antany, jereo tsara ny teny manodidina ao@baiboly de ho hitanareo zany, efa miaina @andro farany sika zao satria efa mipoitra ny famantarana fa akaiky io fanjakan'Andriamanitra hitondra paradisa io.
Zay aloha no azo hambara fa lavalava ihany zai, raha misy mila porofo mazava ao @baiboly momba ireo nolazaiko reo dia afaka omeko azy. mazto doly e.

19. didi10
(
06/06/2012 08:15)
Misaotra an'i jojo3t
Ny mahagaga ahy amin'ny TJ dia ianareo manaiky ny tsy hiakatra any an-danitra!!!! raha zanaka r'ise dia mpanova a! mpandova ny fanjakan'ny lanitra io fa tsy ilay Jerosalema Vaovao ety an-tany rahatrizay, inona no tokony hivavahana sy iaretana ao amin'ny Tompo raha samy handova daholo na ny mpijangajanga sy ny mpamono olona.
Izaho aloha r'ise dia manana fanantenana ny handova izany Paradisa izany a! ahoana moa no ahatongavan'ise any nefa ise aza tsy mieritreritra ny ho any?

20. jojo3t
(
06/06/2012 12:10)
Mankasitraka @le famakafakana didi a,
Tsy oe ts manaiky ny ho any andanitra zay fa tsy misy fampanantenana mitsy ao@baiboly oe hiakatra any andanitra doly sika rehatra,genesisy ka hatramin'ny apokalipsy dia milaza mazava fa eto antany ny paradisa ka gaga iany za @le ho any andanitra, ny apostoly ihany no nolazaina Jesosy t@le oe hanomana toerana ho anareo any andanitra za,144000 ny isan'ireo, hiaramanjaka aminy reo, ra samy ho any doly de iza no hoentina ety antany, eto antany ny paradisa fa tsy any andanitra, vavaka nampianariny Jesosy hoe "ho tonga anie ny fanjakanao ety antany tahaka ny any andanitra, efa manjaka any andanitra i Jesosy@zao ary handringana tsy hoela ny ratsy fanahy rehetra ety antany, ny ratsy no ho ringana fa tsy ny tany manontolo, hovana paradisa ny tany avy eo, hatsangana ny maty, ary hotsaraina ny olona. Nataon'Andriamanitra honenana mandrakizay ny tany fa tsy oe noforoniny dia aveo potehiny : ty misy hohatra : raha nanao trano tsara tarehy enao dia aveo nasianao olona nipetraka tao,mety oe mpanofa trano, simba le trano aveo sady maloto, dia ahoana : horavanao ve le trano sa le olona fotsiny no hesorinao de havaozinao ho tsara indray le trano aveo, azonareo tsara ngamba ny tiako holazaina.
Ny oe handova doly ve ny olona rehetra, tsia avy hatrany ny valiny, tsy mitovy mitsy ny mainty sy ny fotsy, ny manao sy ny tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra, hampamoahan'Andriamanitra tsirairay ny olona any amparany, io le fitsarana, ny mpijangajanga, mpamono olona lazainao sns... dia horinganin'Andriamanitra ao@fahafatesana mandrakizay, fa ny tsara fanahy manao ny marina kosa le handova ny tany paradisa mandrakizay ao@fiadanana sy fahasambarana.
Fantatrareo ve ny didin'Andriamanitra lehibe indrindra alohan'ny farany : nolazain'i Jesosy ao Matio 28 : 19,20 io hoe: mandehana ataovy mpianatra ny firenena rehetra... : Anjarantsika ny mampahafantatra ny olona rehetra ny sitrapon'Andriamanitra @fitoriana sy fampianarana ao @baiboly mba ahafahan'izy ireo miova sy mibebaka ka ho voavonjy tsy hiaran'ny didim-pitsaran'Andriamanitra ka hiaina ao@paradisa.
Mankasitraka antsika rehetra e,mazotù mivavaka hatrany.