silamo eto frantsa
41. rakapy
(
01/02/2010 22:54)
Hoy iSoanja
Aza adino fa ny nudistes koa anie ka mba te hanana ny fahalalahany eo anivon'ny fiaraha-monina toy ny burqa nefa dia manaiky sy manaja izy ireo fa manelingelina ny hafa ny fiboridanany ka dia any @ toerana sahaza izany izy ireo no manao izany. Nefa tsarovy fa miboridana no nanamboaran' A/tra antsika fa tsy mifono lamba akory.
Ary ny fetrany dia tokony ny sainao ihany dia mahalala ny fetrany fa tsy iandry lalana hametra anao indrindra raha milaza izy ireny fa mpino an'A/tra.
Efa norarana ve izy ireo sa mbola heverina? Ny hoe fetrany mihitsy no tsy azon-dRakapy. Izay fetrany izay no mila mazava hoe hatraiza. Ka raha mbola misaron-tava izy dia mbola tsy voafetra izay. Izy mahalala ny lalana mifehy ny firahamonina misy azy, enga anie.
Voaelingelina aho raha ny ohatra raisinao hoe any an-tranoko moa ny lakilen'ny ramoseako no ilainy. Fa raha any ampivarotana izy dia ka tsy azy ny mangazay na azy dia tsy hitako ny olana. Zoko ny miditra mividy zavatra raha misy zavatra ilaiko ao raha tsy hoe misy milaza hoe tsy mikiraro aho ohatra nefa ny lalana milaza fa mila mikiraro sy miakanjo ianao vao tafiditra ao ary tsy anjarako ny mametra izay olona hivarotra ao anaty tranombarotra. Anjarako sy zoko kosa ny mahalala hoe ireto ny ahy no ifandraisako amin'ny fiainana. Ny fanavakavahan anie misy tokoa ary io resaka sarondoha/ sarontava io dia isany fanavahana ny momba azy tokoa. Ka raha zaho no tsy mifandray dia zoko ny manavaka eo. Fa hatraiza koa no ahafahako manavakavaka no tokony fantarina. Ny fahafantarana ny zonao ary ny zon'ny hafa no tena zavadehibe ary ny fampiharana izany amin'ny fiainana.
Aza adino fa ny nudistes koa anie ka mba te hanana ny fahalalahany eo anivon'ny fiaraha-monina toy ny burqa nefa dia manaiky sy manaja izy ireo fa manelingelina ny hafa ny fiboridanany ka dia any @ toerana sahaza izany izy ireo no manao izany. Nefa tsarovy fa miboridana no nanamboaran' A/tra antsika fa tsy mifono lamba akory.
Ary ny fetrany dia tokony ny sainao ihany dia mahalala ny fetrany fa tsy iandry lalana hametra anao indrindra raha milaza izy ireny fa mpino an'A/tra.
42. fijo
(
01/02/2010 23:05)
Amiko ny fahalalahana tsy midika akory hoe samy manao izay tiany hatao ny olona rehetra.
Ary ny miseho tava akory tsy milaza fa manary ny finoanao ianao. Ny olana dia tsy ilay finoany fa ilay fisaroman-tava."
ny ahy ny mahagaga ahy fotsiny de ilay hoe raha mande any aminjareo ianao dia tereny hanaraka ny fombany saron-doha ohatra (raha vehivavy) sns... , nefa izy izao raha mandeha an-taninao na tanin'olonkafa dia tsy manaiky raha tsy ny fombany no arahiny
samy mahakamo amin'ny fombandry zareo ireo.ary tandremo fa ny raopilanina mandalo ao arabia saodita tsy mahazo misy alikaola an,sao maka zotra mandalo ao,ka hitady beks na visiky fa limonady no mahery indrindra ao

43. soanja
(
01/02/2010 23:11)
rakapy:
Aza adino fa ny nudistes koa anie ka mba te hanana ny fahalalahany eo anivon'ny fiaraha-monina toy ny burqa nefa dia manaiky sy manaja izy ireo fa manelingelina ny hafa ny fiboridanany ka dia any @ toerana sahaza izany izy ireo no manao izany. Nefa tsarovy fa miboridana no nanamboaran' A/tra antsika fa tsy mifono lamba akory.
Ary ny fetrany dia tokony ny sainao ihany dia mahalala ny fetrany fa tsy iandry lalana hametra anao indrindra raha milaza izy ireny fa mpino an'A/tra.
[/quote]
Te hanana izy fa tsy afaka satria misy lalana velona mametra azy amin'izany. Raha aty US ianao dia miafina izy ireo manao izany fa tsy hoe misy lalana mamela zany mihitsy. Ny miboridana ny tapany ambony no misy toerana mamela anao hanao izany.
Ka izay fetran'ny saina izay mihitsy no mahatonga ny fanjakana hiditra antsehatra ka manorina ny lalana na hoe tokony hiditra antsehatra amin'izay satria samy manana ny fetrany sy fomba fijeriny ny olona ary io dia mivoatra hatrany miankina amin'ny zavamisy.
44. fijo
(
01/02/2010 23:30)
Te hanana izy fa tsy afaka satria misy lalana velona mametra azy amin'izany."
ka izay mihintsy no hanovan'ny frantsay lalana momba io sarontava io.

45. soanja
(
02/02/2010 04:47)
fijo:
Te hanana izy fa tsy afaka satria misy lalana velona mametra azy amin'izany."
ka izay mihintsy no hanovan'ny frantsay lalana momba io sarontava io.
Izay indrindra mantsy. Mbola hanova ny lalana ny Frantsay fa tsy efa lalana velona ilay izy. Ka raha mbola tsy lalana velona ilay izy dia henoy izany ry hazondamosiko hoy ny Silamo izay mifikitra amin'ny fanajana ny finoany. Ny fananganana lalana ho hanankery ihany no vahaolana.
46. rakapy
(
02/02/2010 08:13)
Hoy i Soanja
Asa na mazava aminao ilay resaka na tsia fa dia izay anie no hiadina hevitra eto e! Mikasa raha tsy efa eo an-dalana aza ny hanao lalana vaovao momba ny burqa ny Frantsay. Tsy mora anefa izany satria misy andaniny izay voatohina dia ny silamo izany.
Ary matetika dia tsy maintsy raisin'ny olona sy ahodin'ny olona ho fanavakavahana ara-pinoana na ara-pirazanana foana ny resaka toy itony na dia tsy izany aza ny no tena antony.
Ataoko amgamba fa tsy atoro anao izay any US ny nahatonga ny rongony (marijuana) ho voarara ny lalana tany amerika avaratra ka nandrarana azy ho tsy azo ampiasain'ny saramba be nanomboka t@ taona 1970. Raha talohan'izay dia azo atao tsara ny mifoka azy sy mamboly azy satria nohevarina fa malalaka sy zon'ny Amerikana hanao izay tiany atao. Dia ireo mexikanina sy Latino ary ny native no victim t@ izany satria izy ireo no tena nampiasa azy ho fiasana sy fitadiavana ary fanafody .
Mitovy tsy misy valaka @izany ny tranga ao Frantsa sy Europa. Manao abus ny olona ka mila fehezina .
Izay indrindra mantsy. Mbola hanova ny lalana ny Frantsay fa tsy efa lalana velona ilay izy. Ka raha mbola tsy lalana velona ilay izy dia henoy izany ry hazondamosiko hoy ny Silamo izay mifikitra amin'ny fanajana ny finoany. Ny fananganana lalana ho hanankery ihany no vahaolana
Asa na mazava aminao ilay resaka na tsia fa dia izay anie no hiadina hevitra eto e! Mikasa raha tsy efa eo an-dalana aza ny hanao lalana vaovao momba ny burqa ny Frantsay. Tsy mora anefa izany satria misy andaniny izay voatohina dia ny silamo izany.
Ary matetika dia tsy maintsy raisin'ny olona sy ahodin'ny olona ho fanavakavahana ara-pinoana na ara-pirazanana foana ny resaka toy itony na dia tsy izany aza ny no tena antony.
Ataoko amgamba fa tsy atoro anao izay any US ny nahatonga ny rongony (marijuana) ho voarara ny lalana tany amerika avaratra ka nandrarana azy ho tsy azo ampiasain'ny saramba be nanomboka t@ taona 1970. Raha talohan'izay dia azo atao tsara ny mifoka azy sy mamboly azy satria nohevarina fa malalaka sy zon'ny Amerikana hanao izay tiany atao. Dia ireo mexikanina sy Latino ary ny native no victim t@ izany satria izy ireo no tena nampiasa azy ho fiasana sy fitadiavana ary fanafody .
Mitovy tsy misy valaka @izany ny tranga ao Frantsa sy Europa. Manao abus ny olona ka mila fehezina .
47. rzakarivola
(
02/02/2010 12:16)
fijo:
==> Ny tsi-finoana no problema. Raha misy olona mino zavatra diso dia hain' Andriamanitra entina amin'ny marina izy, fa ny olona tsy mino, na Andriamanitra aza tsy afaka hanao na inona na inona aminy."
heeee hay misy zavatra tsy vitany,hialao fa fopla izany.
==> "raha amin'olona dia tsy hainy izany, fa tsy mba tahaka izany amin' Andriamanitra, fa ny zavatra rehetra hain' Andriamanitra atao."
Ahoana ary ianao izany, ho an'ny olona tsy mino dia tsy misy na inona na inona afaka ataon' Andriamanitra, fa ho an'ny olona mino dia entin' Andriamanitra hino ny fahamarinana izy. Ny olona tsy mino indray dia ataon' Andriamanitra izay hinoany. Ary izany no nandefasaNy ny ZanaNy Lahitokana tety ambonin'ny tany, mba hinoan'izay mahita Azy ka hananany fiainana mandrakizay.
Manana safidy ianao hihinana na tsy hihinana sakafo iray, tahaka izany, omen' Andriamanitra safidy ianao hino na tsy hino Azy, fa Izy kosa dia mahay manao izay mampino anao, ary efa nataoNy sady ataoNy rahateo izany.
Izaho koa mba tsy nino taloha, fa rehefa ny tenako no nandre Azy, ataoko ahoana no mbola tsy hino ihany ?
48. soanja
(
02/02/2010 12:30)
rakapy:
Hoy i SoanjaIzay indrindra mantsy. Mbola hanova ny lalana ny Frantsay fa tsy efa lalana velona ilay izy. Ka raha mbola tsy lalana velona ilay izy dia henoy izany ry hazondamosiko hoy ny Silamo izay mifikitra amin'ny fanajana ny finoany. Ny fananganana lalana ho hanankery ihany no vahaolana
Asa na mazava aminao ilay resaka na tsia fa dia izay anie no hiadina hevitra eto e! Mikasa raha tsy efa eo an-dalana aza ny hanao lalana vaovao momba ny burqa ny Frantsay. Tsy mora anefa izany satria misy andaniny izay voatohina dia ny silamo izany.
Ary matetika dia tsy maintsy raisin'ny olona sy ahodin'ny olona ho fanavakavahana ara-pinoana na ara-pirazanana foana ny resaka toy itony na dia tsy izany aza ny no tena antony.
Ataoko amgamba fa tsy atoro anao izay any US ny nahatonga ny rongony (marijuana) ho voarara ny lalana tany amerika avaratra ka nandrarana azy ho tsy azo ampiasain'ny saramba be nanomboka t@ taona 1970. Raha talohan'izay dia azo atao tsara ny mifoka azy sy mamboly azy satria nohevarina fa malalaka sy zon'ny Amerikana hanao izay tiany atao. Dia ireo mexikanina sy Latino ary ny native no victim t@ izany satria izy ireo no tena nampiasa azy ho fiasana sy fitadiavana ary fanafody .
Mitovy tsy misy valaka @izany ny tranga ao Frantsa sy Europa. Manao abus ny olona ka mila fehezina .
Rakapy angamba no tsy mahazo ny resako fa inona no tsy aharahako ny zavamisy.
"Amiko tsy izay hevitrao sy hevitr'i ianona no hanariako ny finoako. Fa raha misy lalana manakana ahy tsy hanantanteraka izany dia izay aho vao milefitra. Ny lalana ihany no zavadehibe amiko ankoatr'izay minemenoma eo ianareo fa izay atao dia ataoko satria izay no momba ahy.
Fa raha misy Imam kosa na olon-kafa mitady hanova sy hanodikodina ny fomba efa nisy hatramin'izay amin'ny mahaSilamo vavy ahy dia hoy aho hoe aoka hifampiresaka izahay fa tsy izay heviny akory no hanekeko tsy sazoka ny fomba nentin-drazako efa hatramin'izay ary manome hery ny finoako. Iza moa izy no hifandraika amin'ny fihevitry ny tsy mpino????" Io no fomba fisainany raha hindramiko. Ny sainy no miasa eo ary arahim-pinoana io fisainany io.
Ekena tanteraka mila fehezina ny olona fa tsy izay fisainany no antenainao hanome fahafaham-po anao!
49. rakapy
(
02/02/2010 14:20)
Soanja> :-D :-D :-D Aleo ajanona eo ilay resaka fa ohatra miady hevitra hoe ramanonaka io sa mofogasy isika roa. Misaotra @ hevitrao.
50. ikaretsaka
(
02/02/2010 14:26)
raha tany ity toko ireny any amazonie sy any @ kalahari ireny mi imposer le indigene any hoe ny olona rehetra mamangy azy sy mankany @ taniny de tsy maintsy manao ny fombany...
tsa hisy hanala akanjo sy hanao le takokenatra kely iny fotsiny eo.. indrindra ny vehivavy fa mba ity ahako eto
saingy!

51. ravonjison
(
02/02/2010 16:13)
soanja:
ravonjison:
efa nilaza ny heviny mikasika an'iny daholo ireo mpadninika ara-teolojika, fa tsy misy resaka finoana ao.
Ary tsy ny eo antoerana velively no tokony hiafihafy fa izay tonga mila ravinahitra no tokony mba hieritreritra.
Raha mbola tsy tonga amin'ny fahafantarana fa matoa ireo vehivavy mitazona ny fanaronana ny lohany nohon'ny finoany dia mbola tsy tonga amin'ilay fahitana ny hazavana momban'io finoana io ireo mpandinika fa azoko lazaina hoe mitady vahaolana amin'ny olana misy. Misy tokoa anie ny olana e. Ekeko izany.
Raha mahatsiaro miafiafy ny vahoaka tompon-tany dia fantany ny andraikitra miandry azy. Dia ny miezaka manova ny lalana misy velona eo amin'ny taniny.
Fa ny fananan-jo misarontava dia mbola misy ao amin'ilay firenana dia tsy misy azo atao momba izany satria bitika izay fiheveran'ny hafa ny finoan'ny iray.
Efa nojerena iny Soanja a. Ireo mpandala teolojika silamo, krisianina, ara-pivavahana isan-karazany dia efa nilaza fa tsy mitaky an'io ny fivavahana silamo. Ao @ Coran tsy misy mihitsy andalana manery na mametraka ny vehivavy silamo hisarontava. Ary izay koa no mahasamihafa ilay izy , arakaraka ny firenena honen' ilay vehivavy.
Ny fandirana ny finoana ao dia fampifanangaroana ny zavamisy.
Mba lazao amiko hoe : aiza ho aiza ao @ coran no milaza na manery ny fanaovana sarin-tava ?
52. ikaretsaka
(
02/02/2010 16:23)
io indray le fisainana hoe rehefa Xtianina de baiboly de rehefa silamo de coran...
de ahoana ny tsy mahay mamaky teny?
de ahoana ny tsy mahay mamaky teny?
53. ravonjison
(
02/02/2010 16:59)
ikaretsaka:
io indray le fisainana hoe rehefa Xtianina de baiboly de rehefa silamo de coran...
de ahoana ny tsy mahay mamaky teny?
Ka io ange ry Ika ilay olana eto e. Ny fihetsika, ny fiainana silamo dia ao anaty coran daholo , voasoratra, ary arahin' ireo ara-bakiteny tokoa izany.
Ka ny tsy mahay mamaky teny, dia voalemy saina tokoa satria ny fetsy mahay mamaky teny sy te hi-exploiter olona ( lavage de cerveau) dia mody milaza fa finoana ny fisaronana tava ary ao anaty coran.
Raha mamaky ny coran anefa ianao dia tsy hahita velively filazana fa finoana ny saron-tava, na tokony atao.
Noho izany fandaniana andro ny fampidirana ny finoana @ io.
Fa ianao aloha nandefasako hafatra, fa tsy haiko raha arakao.
54. xxx
(
02/02/2010 17:04)
Hatreto aloha dia tsy misy hevitra mivohitra hoe: inona marina no hanakanana an'ilay silamo vavy tsy hisaro-doha (na hisaro-tava).
Hazavaiko: Raha resaka fahafahana no anakanana azy dia midika izany, fa tsy misy ny fahafahana ao amin'ilay firenena manakana. marina fa ny fahafahana dia tsy fanaovana izay tiana hatao, saingy ny fanakanana ny olona tsy hiseho amin'ny maha izy azy kosa dia manafoana ny fisian'ny fahafahana. Ohatra, samy manaiky ny rehetra fa tsy mety ny ataon'ny silamo any amin'ny taniny satria tereny hanaraka ny fombany ny olona tonga any. ka raha tsy mety izany, ahoana no ampiharina any amin'ny tany misy ny tena indray (oh: Frantsa) ?
Sa rehefa ny silamo no manery ny olona hanaraka ny fombany any aminy de tsy mety, fa rehefa ny frantsay kosa no manery azy hanaraka ny fomba frantsay de mety? Misy injustice izany amiko.

55. fijo
(
02/02/2010 21:01)
soanja,ny atao hoe lalana velona,dia ny lalana izay nolaniann'y solombavam bahoaka,ary misy "decret" mamihina azy.
izany hoe rehefa vita ireo zotra"procedures" ireo dia lasa lalana velona ilay vinavinan dalana.ka rehefa lasa lalana velona io,dia natao hiantra sy azo ampiarina.
ohatra ,any turky izay tany silamo,dia voararan'ny lalana ny manao voaly mandeha miasa sy mianatra"efa lalana velona io,ka mihantra any"
zakarivola,toa mifangojo be ny hevitrareo izany

56. ikaretsaka
(
02/02/2010 21:09)
ravonjison:
io indray le fisainana hoe rehefa Xtianina de baiboly de rehefa silamo de coran...
de ahoana ny tsy mahay mamaky teny?
Ka io ange ry Ika ilay olana eto e. Ny fihetsika, ny fiainana silamo dia ao anaty coran daholo , voasoratra, ary arahin' ireo ara-bakiteny tokoa izany.
Ka ny tsy mahay mamaky teny, dia voalemy saina tokoa satria ny fetsy mahay mamaky teny sy te hi-exploiter olona ( lavage de cerveau) dia mody milaza fa finoana ny fisaronana tava ary ao anaty coran.
Raha mamaky ny coran anefa ianao dia tsy hahita velively filazana fa finoana ny saron-tava, na tokony atao.
Noho izany fandaniana andro ny fampidirana ny finoana @ io.
Fa ianao aloha nandefasako hafatra, fa tsy haiko raha arakao.
toa izany koa ange ny fiainana Xristianina le extremiste be ireny fa odiana fanina fotsiny satria hoe mba Xtianina ny tena e
fa tsy hitanao @ perception le izy satria ao anatin'ilay vala (Xtianina extremista ) sy mi favoriser izany ianao
fa imagineo ange hoe silamo ianao no mijery ilay Xtianina e.. fa de io tanteraka mihitsy no haverinao fa ny coran lasa transposer-na hoe baiboly fotsiny.. de le hoe misarontava soloina fomba hafa fataon'ny kristianina extremiste fotsiny
Ps: momba ilay hafatra... tsy mbola izao aloha!
58. soanja
(
02/02/2010 23:31)
ravonjison:
soanja:
ravonjison:
efa nilaza ny heviny mikasika an'iny daholo ireo mpadninika ara-teolojika, fa tsy misy resaka finoana ao.
Ary tsy ny eo antoerana velively no tokony hiafihafy fa izay tonga mila ravinahitra no tokony mba hieritreritra.
Raha mbola tsy tonga amin'ny fahafantarana fa matoa ireo vehivavy mitazona ny fanaronana ny lohany nohon'ny finoany dia mbola tsy tonga amin'ilay fahitana ny hazavana momban'io finoana io ireo mpandinika fa azoko lazaina hoe mitady vahaolana amin'ny olana misy. Misy tokoa anie ny olana e. Ekeko izany.
Raha mahatsiaro miafiafy ny vahoaka tompon-tany dia fantany ny andraikitra miandry azy. Dia ny miezaka manova ny lalana misy velona eo amin'ny taniny.
Fa ny fananan-jo misarontava dia mbola misy ao amin'ilay firenana dia tsy misy azo atao momba izany satria bitika izay fiheveran'ny hafa ny finoan'ny iray.
Efa nojerena iny Soanja a. Ireo mpandala teolojika silamo, krisianina, ara-pivavahana isan-karazany dia efa nilaza fa tsy mitaky an'io ny fivavahana silamo. Ao @ Coran tsy misy mihitsy andalana manery na mametraka ny vehivavy silamo hisarontava. Ary izay koa no mahasamihafa ilay izy , arakaraka ny firenena honen' ilay vehivavy.
Ny fandirana ny finoana ao dia fampifanangaroana ny zavamisy.
Mba lazao amiko hoe : aiza ho aiza ao @ coran no milaza na manery ny fanaovana sarin-tava ?
Ilay izy Ravonjison dia tsotra fotsiny. Raha hamonjy raharaha ianao any amin'ny Antakarana ohatra ka tromba no atao na fiantsoana razana na misy maty sns sns hafa dia iny ny vehivavy fa hanao kisaly sy salovana ary misy aza hanao masonjoany. Tsy misy lalana misoratra io na inona fa izay no mahaAntakarana azy rehefa manao ny fombany. Ka n'aiza n'aiza izy ireo rehefa hanao ny fombany dia hikisaly sy salovana izy ary hanisy masonjoany raha mbola mino ny fomban-drazany. Ny silamo dia sady finoana no fiainana miaraka mifangaro, andavanandro zany ilay resaka.
Tsy izay Coran any no ahafahantsika hiady hevitra eto satria zah dia mbola tsy nahavaky Coran tanteraka na dia mamaky ihany aza. Fa hoy aho hoe rehefa io no iheverany fa fanamafisany ny mahaSilamo vavy azy dia hoy aho hoe manaja anazy aho satria tiako raha mba hajaina ny mahaXtianina vavy ahy aho. Izay tsy tiako atao amiko dia tsy ataoko amin'ny namako.
Fa raha lalana velona no manakana azy tsy hanao izany dia izy sy ny lalana no mifanaraka fa raha ny hevitro dia manaja azy ireo aho amin'ny fombany sy izay mahaizy azy. Ka azoko tsara mihitsy raha misy olona mitovy finoana aminy no mitady hanova zavatra ka tezitra izy ireo, nefa hita fa io no hamikirany ny momba azy. Saingy tsy vahaolana ny herisetra n'inona n'inona fahatezerana.
59. soanja
(
02/02/2010 23:35)
fijo:
soanja,ny atao hoe lalana velona,dia ny lalana izay nolaniann'y solombavam bahoaka,ary misy "decret" mamihina azy.
izany hoe rehefa vita ireo zotra"procedures" ireo dia lasa lalana velona ilay vinavinan dalana.ka rehefa lasa lalana velona io,dia natao hiantra sy azo ampiarina.
ohatra ,any turky izay tany silamo,dia voararan'ny lalana ny manao voaly mandeha miasa sy mianatra"efa lalana velona io,ka mihantra any"
zakarivola,toa mifangojo be ny hevitrareo izany
Ka raha ny fazahoako azy aloha raha ny vaovao novakiako dia tsy mbola lalana velona ilay izy ao Frantsa fa vao atao hoe "bill" hoy ny US. Rehefa velona ny lalana dia hihatra fa saingy ataovy aloha izay hahavelona azy.
60. rakapy
(
03/02/2010 06:36)
Hoy ixxx 53
Valiny
Hoy ixxx53
Ny contraire no miseho. Raha te handeha any tany be silamo ny olona iray dia tsy maintsy manaraka ny fomban-dry zareo (ny vhv tsy maintsy misaron-doha fara-faharatsiny ary tsy mahazo mampiseho na dia ny sandriny aza, plage @ maillot de bain dia fady, mifampitantana ny vhv sy lhl fady, hifampitsoda en publique moa dia aoka fotsiny, tribonaly tsy vita ary mety ahatapa-doha aza raha sendra ny tena henjana ,sns...)
Hatreto aloha dia tsy misy hevitra mivohitra hoe: inona marina no hanakanana an'ilay silamo vavy tsy hisaro-doha (na hisaro-tava)
Valiny
tsy tokony ho resaka finoana (Silamo) loatra no tena olana @ ireo firenena tandrefana fa ilay fisaroman-tava, manafina ny identiter-ny en publique ary indrindra ny securite sy ny zava-misy @ izao fotoana izao