Zaza kely tao anatin'ny lavaka .Fanehoana ny Voninahiny

1. niryna ( 21/01/2010 12:36)
Raha mijery ny vaovao mampalahelo mahazo ny firenena iray isika dia ontsa tokoa mahita ireo tsy manan-kialofana ,very daholo ny zavatra nisasarana rehetra,ny aina nafoy ,ny toerana ipetrahana tsy misy intsony,maro ny zaza kambotsy tsy misy mpiahy intsony ary vao maika mitombo ny fahoriana satria na ny rano aza tsy misy ho sotroina.
Vokatr'ireo zava-misy ireo dia ny fanomezantsiny amin'Atra no betsaka sy mitamberina.Raha misy tokoa izany Atra izany nahoana no vonoiny avokoa ny olona tsy manantsiny rehetra,nahoana no firenena efa mahantra indrindra no vao maika narodany,nahoana,nahoana ? Ny valiny ? dia Izy Atra irery no mahalala izany ary ny zavatra mitranga amin'ny fiainana dia misy antony avokoa ary mbola asehony ihany koa izany mba hiverinantsika amiNy

Rehefa nitranga ny horohorontany tao Haiti dia zavatra maro no anomezan'ny olona tsiny amin'Atra kanefa zavatra iray kely fotsiny no santionany nasehony antsika azo anehoana NY VONINAHINY dia NY NAHAVELOMAN'ITY ZAZA KELY IRAY tototra ny vovotany,nianjeran'ny trano kanefa dia tsy naratra ,tsy maty,tsy nisy namahana na nisy nampinono nandritra ny dimy andro. Iza no nanome hery aza tao,hery avy aiza no nahavelona azy ?
Jereo ny voromanidy hoy izy fa tsy mba miahy na manana trano hialofana. Izy no mamahana an'ireny ary toy izany koa ity zazakely,Izy no niaro azy tao anatin'ny lavaka,ny vovoko,ny horohoro ,ny aizina eny mety tsy nisy tahotra na nanana ahiahy akory aza ilay zaza fa teo ambanin'ny fahefana sy ny heriny ary teo ambanin'ny elaNy Ny zavatra tsy ain'olombelona ain'Atra

Toy izany koa isika,jereo ny zavatra nomeny anao,ny fahasoavana nomeny anao na dia kely fotsiny ihany aza dia isaory sy derao ny anarany fa mahagaga ny asaNY .Fanehoana ny Voninahiny avokoa izany toy ity zazakely tao anaty lavaka ity

(l) niryna
novalian'i niryna ny 15/03/2010 16:24
2. rakapy ( 21/01/2010 13:21)
Hoy iNiryna
Rehefa nitranga ny horohorontany tao Haiti dia zavatra maro no anomezan'ny olona tsiny amin'Atra kanefa zavatra iray kely fotsiny no santionany nasehony antsika azo anehoana NY VONINAHINY dia NY NAHAVELOMAN'ITY ZAZA KELY IRAY tototra ny vovotany,

Olona iza no nanome tsiny an'Atra t@ iny horohortany tany Haiti iny ry Niryna? Ry zareo aza toa mbola mivavaka nefa efa fiangonana foana no teo? Angamba fomba fitsaranareo samy irery izany.
Ary nahoana no zazakely 1 tsy maty no atao ohatra fa tsy ireo aman'aliny maro maty tototry ny trano? Na koa ireo nianjeran'ny trano nefa voavonjin'ny mpiara-belona taminy
3. ikaretsaka ( 21/01/2010 13:50)
voninahiny aby izany fa aza fidiana hoe rehefa cas zao de maneho voninahiny de rehefa zao de tsy maneho... lasa tsy Atra no inoanao @ zay fa izay metimety aminao=ny tenanao
4. Mirananirina ( 21/01/2010 14:19)
Izy no niaro azy tao anatin'ny lavaka,ny vovoko,ny horohoro ,ny aizina eny mety tsy nisy tahotra na nanana ahiahy akory aza ilay zaza fa teo ambanin'ny fahefana sy ny heriny ary teo ambanin'ny elaNy Ny zavatra tsy ain'olombelona ain'Atra
ny nahagaga ahy dia ilay zaza natanjaka,mbola afaka natsangany ambony ny tanana 2.no faly be izy.Misaotra an'Andriamanitra
5. ikaretsaka ( 21/01/2010 14:28)
de raha ny tongony no natsangany de ahoana indray ny @ izay?
6. rakapy ( 21/01/2010 14:43)
Dia hoe ny voodoo no nanavotra ahy :-D :-D :-D
7. fijo ( 21/01/2010 21:56)
aza hadino aloha,fa amin'ny zavatra mihotsaka toa ireny,dia manana sansa kokoa ny olona kely vatana"fohy ,sy mahia"tsy ho voaporitra ,noho ny olona lava sy vaventy.

mbola manana sansa bebe kokoa rah atoa ka eo akaikin'ny andry"rindrina matanjaka "no misy azy,satria ilay fihotsahana dia miala avy amin'io rindrina fototra io ka miankavia na miankavanana.
ka izay no mety nitranga tao,fa aza lazaina indray hoe "nasain'andriamanitra nankeo ambody rindrina ilay zaza fa tsssss"
8. niryna ( 22/01/2010 17:39)
Hoy iNiryna
Rehefa nitranga ny horohorontany tao Haiti dia zavatra maro no anomezan'ny olona tsiny amin'Atra kanefa zavatra iray kely fotsiny no santionany nasehony antsika azo anehoana NY VONINAHINY dia NY NAHAVELOMAN'ITY ZAZA KELY IRAY tototra ny vovotany,
rakapy:

Olona iza no nanome tsiny an'Atra t@ iny horohortany tany Haiti iny ry Niryna? Ry zareo aza toa mbola mivavaka nefa efa fiangonana foana no teo? Angamba fomba fitsaranareo samy irery izany.
rakapy:

Ary nahoana no zazakely 1 tsy maty no atao ohatra fa tsy ireo aman'aliny maro maty tototry ny trano? Na koa ireo nianjeran'ny trano nefa voavonjin'ny mpiara-belona taminy
io no valiny :arrow: zazakely tsy maty no ohatra asehon'Atra antsika fa miasa izy na tao anatin'ny lavaka mangitsokitsoka aza, olona aman'alina ? izay ilay fanomezana tsiny satria izy no tompony ary misy antony avokoa ny zavatra mitranga,marary isika,mangirifiry nilaozan'olontiana saingy ny fahalalana fa tsy afaka manao na inona na inona isika rehefa tonga ilay fotoana ahatongavan'ny tompo dia efa fitiavana asehony ho an'ireo izay mbola tsy mitodidoha aminy fa mbola omeny fotoana hibebahana foana
9. niryna ( 22/01/2010 17:40)
ikaretsaka:

voninahiny aby izany fa aza fidiana hoe rehefa cas zao de maneho voninahiny de rehefa zao de tsy maneho... lasa tsy Atra no inoanao @ zay fa izay metimety aminao=ny tenanao


izay indrindra mantsy
10. xxx ( 22/01/2010 18:01)
Ny fahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra dia personnel ka raha tsy mahatsapa ny sasany dia tsy midika izany fa tsy misy izay fitiavan'Andriamanitra izay. Ny tsy mpino miezaka mametraka lojika mba hahafahany manazava ny tranga misy, tsy maninona izany. Ny mpino kosa, alohan'ny zavatra rehetra, misaotra an'Andriamanitra, tsy misy maharatsy azy. Fa ity misy tantara iray tena nisy, de anjarantsika no mijery sy mandanjalanja izay tena tsara sy mety. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Jaona&Toko=9
11. fijo ( 22/01/2010 20:25)
mino azy aho rehefa ataon mahazo loto.fa za tsy manao loto an
12. niryna ( 23/01/2010 05:49)
xxx:

Ny fahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra dia personnel ka raha tsy mahatsapa ny sasany dia tsy midika izany fa tsy misy izay fitiavan'Andriamanitra izay. Ny tsy mpino miezaka mametraka lojika mba hahafahany manazava ny tranga misy, tsy maninona izany. Ny mpino kosa, alohan'ny zavatra rehetra, misaotra an'Andriamanitra, tsy misy maharatsy azy. Fa ity misy tantara iray tena nisy, de anjarantsika no mijery sy mandanjalanja izay tena tsara sy mety. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=Jaona&Toko=9

misaotra anao nizara.Jamba aho eny jamba a
Isaorana ny Tompo fa fanoharana ho antsika tokoa io,jamba isika fahiny kanefa dia nahita,very kanefa dia ita indray.Toy ny tantaran'ny zanaka adala

13. niryna ( 23/01/2010 05:53)
fijo:

mino azy aho rehefa ataon mahazo loto.fa za tsy manao loto an



:D ahoana hoy ny teny nampitondrana? Rehefa niseho tamin'ireo mpianany i kristy dia nisy tsy nino azy ny iray tao aminy raha tsy mahita ny tongony sy ny tanany nisy diam-pantsika ? Rehefa nivory nivavaka anefa izy ireo dia niditra ny rindrina i kristy ary dia nampiseho ny mpianany izay tsy nino azy ny tanany ary dia nino ilay mpianany
Nino hianao satria nahita ny diam-pantsika tamin'ny tongotro sy ny tanako ?saingy sambatra kosa ny tsy mahita kanefa mino
14. fijo ( 24/01/2010 00:26)
ka za kosa aloh atsy hino tsaho e,tena marina izany ry niryna
15. benkakely ( 24/01/2010 13:18)
o RaKapy a,efa voasoratra ao anaty baiboly anie zany e!aza de manome tsiny an'Andriamanitra ianao fa hoy jesosy:ary handre horohorontany samihafa enareo etsetra.....)efa ho avy ny farany raKapy a,manaova zavatra fa aza ilaozanao manome tsiny eo
16. fijo ( 24/01/2010 20:29)
na dia tsy nisy izany aza tao anaty baiboly,rehefa misy hetsika ao anaty tany ao,mihetsika foana io,ary manimba zavatra maro foana.
17. rakapy ( 25/01/2010 08:49)
Hoy i Benkakely.
o RaKapy a,efa voasoratra ao anaty baiboly anie zany e!aza de manome tsiny an'Andriamanitra ianao fa hoy jesosy:ary handre horohorontany samihafa enareo etsetra.....)efa ho avy ny farany raKapy a,manaova zavatra fa aza ilaozanao manome tsiny e

Resaka ifanakalozana kosa angamba no ataontsika eto fa tsy misy manome tsiny an'A/tra eo.
Efa ho avy ny farany???? Angaha moa mahatsiaro tena nanao ny tsy mety no atahotra ny farany e? Ary ny horohorotany sns...koa ve moa tsy efa nisy talohan'ny nanoratana ny baiboly e?
18. ANARIM ( 25/01/2010 11:44)
zà klou faly e! tam le zazakely hoe avotra tao!!! fa nandefa emission envoyé spécial momba an'iny horohorontany haiti iny ny Ma-tv tam sabotsy alina fa tena snif b an!
19. fijo ( 25/01/2010 22:16)
hetraketraky ny natiora ireny e,izay fotsiny ihany
20. rzakarivola ( 26/01/2010 14:06)
niryna:

[quote=ikaretsaka]
voninahiny aby izany fa aza fidiana hoe rehefa cas zao de maneho voninahiny de rehefa zao de tsy maneho... lasa tsy Atra no inoanao @ zay fa izay metimety aminao=ny tenanao


izay indrindra mantsy


==> Be voninahitra Andriamanitra, tompon'ny Fanjakàna sy ny hery ary ny Voninahitra mandrakizay. Saingy tsy hitan'ny olona izany voninahiNy izany araka ny voasoratra hoe :
"fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr'Andriamanitra," [Romana 3:23]
i Jesoa Kristy nidina tety no nahafahan'ny Voninahitr' Andriamanitra ho hitan'izay mino Azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089