Zaza kely tao anatin'ny lavaka .Fanehoana ny Voninahiny
62. niryna
(
05/02/2010 04:53)
fijo:
niryna,de tsy mitombona izay eto,satria ny ao irland ,dia samy mpino an'i jesoa no mifampitifitra.sa avy dia tsorina hoe tsy mpino an'andriamanitra ny ao?????
mety mitombona ny teninao ka,ka na samy olona milaza hoe kristiana aza anie dia mifamono e,tsy izay anefa ny hafatra nomena antsika fa mifankatiava,didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo toy ny mpirahalahy
mifankatiava ihany e,raha mbola velon'aina ,tsy misy toy izany ,no mampifaly saina !
63. niryna
(
05/02/2010 05:09)
fijo:ie ,farany miverina indray ny sekoly alahady nampianarin'i dada sy neny an'i fijo
jesoa rehefa nahita fa nisy nivarotra tao an tempoly,dia niditra ary nandrava izany.satria tsy natao hivarotana hozy io toerana io.
ny tranon-draiko tsy natao hivarotana,ary toa izany koa isika,ny tenin'Atra izay omeny dia tsy mila mividy na mitady vola ny olona fa mizara fotsiny sa ?
:D
64. niryna
(
05/02/2010 05:13)
Izy no niaro azy tao anatin'ny lavaka,ny vovoko,ny horohoro ,ny aizina eny mety tsy nisy tahotra na nanana ahiahy akory aza ilay zaza fa teo ambanin'ny fahefana sy ny heriny ary teo ambanin'ny elaNy Ny zavatra tsy ain'olombelona ain'Atra
Mirananirina:
ny nahagaga ahy dia ilay zaza natanjaka,mbola afaka natsangany ambony ny tanana 2.no faly be izy.Misaotra an'Andriamanitra
izay mihitsy,kanefa tsy nisy nampiteny azy hoe antsangano ny tanana e,raha ny tongotra indray dia ahoana hoy ika,dia vao maika nihoatra ny fahagagana ,ny zaza aza anie ry ika mampiditra ny ratsan-tongony any am-bava e ! kanefa ny olon-dehibe mino aho fa tsy ahavita an'izany raha tsy hoe angaha efa tena malefaka tenany
65. ikaretsaka
(
05/02/2010 15:31)
fa ny tsy azoko de maninona no no attribuer-na hoa Atra nno niaro azy e ..na possible hoe zavatra hafa nefa
66. niryna
(
05/02/2010 20:55)
fijo:
ka za kosa aloh atsy hino tsaho e,tena marina izany ry niryna
:D efa hoe ty ho voatery hino woa toi
67. niryna
(
05/02/2010 20:58)
benkakely:
o RaKapy a,efa voasoratra ao anaty baiboly anie zany e!aza de manome tsiny an'Andriamanitra ianao fa hoy jesosy:ary handre horohorontany samihafa enareo etsetra.....)efa ho avy ny farany raKapy a,manaova zavatra fa aza ilaozanao manome tsiny eo
:roll: :D ,anao inona izy ry ben ? azavao tsara e,efa nahalala an'Atra hianao rakapy ,efa nomena anao ny teny ary aza miteny hoe tsy naheno izany aho tompoko ,rehefa tonga ny andro fitsarana antsika,nomena ilay izy ary tsy maintsy misy olona hizara ny tenin'Atra amintsika
68. ikaretsaka
(
05/02/2010 21:10)
de io izany tsy misy hafa @ le heo amboary tsara daholo ny papier sy ny jiro sns an'ny kamion ry benakely, dia ianao ny codes fa misy polisy misava sy manadina ao aloha ao? aoka le!
amiko tsy tokony ho probleme ho an'ny mpino loatra intsony izany hoe ho avy ny farany ho avy ny farany izany.. mbola sarimbikotra ianao raha mifezaka @ zany fa ho an'ny ny mahay lesona sy ny nianatra tsara dia na izao de izao aza izy adinina dia lasa foana

69. niryna
(
09/02/2010 20:20)
ikaretsaka:hi,hi, ka ny tenin'Atra aza anie efa manambara amintsika hoe mihomana ka efa mba miomana ve izao hianao io ?
de io izany tsy misy hafa @ le heo amboary tsara daholo ny papier sy ny jiro sns an'ny kamion ry benakely, dia ianao ny codes fa misy polisy misava sy manadina ao aloha ao? aoka le!
marina izany ho an'izay rehetra tena mino an'i kristy dia manana fahatokiana fa any aminy tokoa ny lalana mankany amin'ny raiNy ary raha tonga ny faran'izay fotoana hialana eto amin'ity tany fandalovana ity dia efa miandry azy tokoa i kristy satria efa nanome toky ho an'ireo izay mino azy tokoa izy,raha mbola tsy manana azy aloha dia tsy maintsy manana olana foana e,eny fa na mino kanefa misalasala hoe any aminy tokoa ve ny lalana dia mitovy amin'izay tsy mino ihany ka
amiko tsy tokony ho probleme ho an'ny mpino loatra intsony izany hoe ho avy ny farany ho avy ny farany izany..
mbola sarimbikotra ianao raha mifezaka @ zany fa ho an'ny ny mahay lesona sy ny nianatra tsara dia na izao de izao aza izy adinina dia lasa foana
dia efa manana fahatokisana tanteraka tokoa izany ika miresaka ny hafa ho sarimbikotra io? mino an'i kristy fa any aminy irery no lalana mankany amin'ny raiNy ? tsy mivavaka na amin'inona na inona fa ny anaran'ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina no deraina isan'andro ? misaotra mialoha
70. ikaretsaka
(
16/02/2010 00:17)
ka raha ny tokony ho izy na afaka 1/100 na segondra avy hamakianao an'ity nba ho afaka firy arivo taona anie ry niryna, tokony ho vonona foana e.. na mino na tsy mino
fa tsy heo rehefa adinina ihany vao mi "crame"
fa tsy heo rehefa adinina ihany vao mi "crame"
71. rakapy
(
16/02/2010 10:10)
Hoy Ikaretsaka
Tsy tokony ho problema mihitsy izy io nefa dia hita fa problema be eo @ mpino ilay fara andro. Resabe no madeha raha vao misy milaza fa ho avy ny farany. Ao ny mitady namana mba hiara-dalana aminy. @ alalan'ny fitoriana sns...izany . Matahotra mafy izy ireny sao tsy tonga any @ ilay toerana nofinofisiny ka dia mitariaka ny hafa mba hiara dia aminy. Dia eo no miseho ilay fitiavan-tena ary tonga @ ilay fitenena hoe "Maty aho matesa rahavako"
amiko tsy tokony ho probleme ho an'ny mpino loatra intsony izany hoe ho avy ny farany ho avy ny farany izany.. mbola sarimbikotra ianao raha mifezaka @ zany fa ho an'ny ny mahay lesona sy ny nianatra tsara dia na izao de izao aza izy adinina dia lasa foana
Tsy tokony ho problema mihitsy izy io nefa dia hita fa problema be eo @ mpino ilay fara andro. Resabe no madeha raha vao misy milaza fa ho avy ny farany. Ao ny mitady namana mba hiara-dalana aminy. @ alalan'ny fitoriana sns...izany . Matahotra mafy izy ireny sao tsy tonga any @ ilay toerana nofinofisiny ka dia mitariaka ny hafa mba hiara dia aminy. Dia eo no miseho ilay fitiavan-tena ary tonga @ ilay fitenena hoe "Maty aho matesa rahavako"
72. ikaretsaka
(
16/02/2010 17:32)
De miverina @ le resako arokatra hoe
my experience is that it's precisely the ones who don't know what to do with this life who are all hot and bothered about what they are going to do with another life. One sign that you're awakened is that you don't give a damn about what's going to happen in the next life.
73. soanja
(
20/02/2010 18:15)
niryna:
Raha mijery ny vaovao mampalahelo mahazo ny firenena iray isika dia ontsa tokoa mahita ireo tsy manan-kialofana ,very daholo ny zavatra nisasarana rehetra,ny aina nafoy ,ny toerana ipetrahana tsy misy intsony,maro ny zaza kambotsy tsy misy mpiahy intsony ary vao maika mitombo ny fahoriana satria na ny rano aza tsy misy ho sotroina.
Vokatr'ireo zava-misy ireo dia ny fanomezantsiny amin'Atra no betsaka sy mitamberina.Raha misy tokoa izany Atra izany nahoana no vonoiny avokoa ny olona tsy manantsiny rehetra,nahoana no firenena efa mahantra indrindra no vao maika narodany,nahoana,nahoana ? Ny valiny ? dia Izy Atra irery no mahalala izany ary ny zavatra mitranga amin'ny fiainana dia misy antony avokoa ary mbola asehony ihany koa izany mba hiverinantsika amiNy
Rehefa nitranga ny horohorontany tao Haiti dia zavatra maro no anomezan'ny olona tsiny amin'Atra kanefa zavatra iray kely fotsiny no santionany nasehony antsika azo anehoana NY VONINAHINY dia NY NAHAVELOMAN'ITY ZAZA KELY IRAY tototra ny vovotany,nianjeran'ny trano kanefa dia tsy naratra ,tsy maty,tsy nisy namahana na nisy nampinono nandritra ny dimy andro. Iza no nanome hery aza tao,hery avy aiza no nahavelona azy ?
Jereo ny voromanidy hoy izy fa tsy mba miahy na manana trano hialofana. Izy no mamahana an'ireny ary toy izany koa ity zazakely,Izy no niaro azy tao anatin'ny lavaka,ny vovoko,ny horohoro ,ny aizina eny mety tsy nisy tahotra na nanana ahiahy akory aza ilay zaza fa teo ambanin'ny fahefana sy ny heriny ary teo ambanin'ny elaNy Ny zavatra tsy ain'olombelona ain'Atra
Toy izany koa isika,jereo ny zavatra nomeny anao,ny fahasoavana nomeny anao na dia kely fotsiny ihany aza dia isaory sy derao ny anarany fa mahagaga ny asaNY .Fanehoana ny Voninahiny avokoa izany toy ity zazakely tao anaty lavaka ity
(l) niryna
Miala tsiny fa tsy afaka namaly ny an'ny hafa.
Mahagaga tokoa izany fisainana izany satria raha betsaka amanalinanaliny ny olona maty noho io horohoron-tany io dia tsy naneho ny voninahiNY ve Andriamanitra tamin'izany fotoana izany???? Tsy manahy na be ny maty fa ilay zazakely voavonjy no ahitana ny VoninahiNY?????
Aoka Tompoko sao lahy manao tsinotsinona ilay Avo indrindra isika!
74. ikaretsaka
(
21/02/2010 14:27)
Io le hoe "ampifandraikana @ ze revirevintsika andriamanitra" de rehefa tsy revirevy le tranga de ahilika Izy....
Tsy Atra intsony no inoanao raha izany no ataonao fa ny tenanao
Tsy Atra intsony no inoanao raha izany no ataonao fa ny tenanao
75. niryna
(
24/02/2010 05:09)
Hoy Ikaretsaka
amiko tsy tokony ho probleme ho an'ny mpino loatra intsony izany hoe ho avy ny farany ho avy ny farany izany.. mbola sarimbikotra ianao raha mifezaka @ zany fa ho an'ny ny mahay lesona sy ny nianatra tsara dia na izao de izao aza izy adinina dia lasa foana
rakapy:izay foana ilay teneniko woa ,ny kristiana tsy matahotra ny ho very any amin'ny afobe intsony,izay mino Azy no misy azy ihany koa,mizara ho anareo izay manohitra ny tenin'Atra eto foana no a taon'ireo mpanara-dia azy,raiso izay tandrifinareo ry rakapy a
Tsy tokony ho problema mihitsy izy io nefa dia hita fa problema be eo @ mpino ilay fara andro. Resabe no madeha raha vao misy milaza fa ho avy ny farany. Ao ny mitady namana mba hiara-dalana aminy. @ alalan'ny fitoriana sns...izany
Matahotra mafy izy ireny sao tsy tonga any @ ilay toerana nofinofisiny ka dia mitariaka ny hafa mba hiara dia aminy. Dia eo no miseho ilay fitiavan-tena ary tonga @ ilay fitenena hoe "Maty aho matesa rahavako"tsy aleo ve mino dieny mbola ety sao rehefa tonga any vao iteny hoe tsy naheno izany aho .oops
:roll: :cry: :cry: :cry:
76. ikaretsaka
(
25/02/2010 00:54)
Ny olona tsy de misy atao eto @ ity fiainana ity sy matahotra sahady ny any @ ze fiainana ho avy any no mitady kil hiaraka aminy sy hiara hatahotra hiaraka aminy ry niryna an...
Amiko raha tena xtiana marina ianao dia tsy tokony hisy ahiahinao na ity fiainana ity na ny ho avy fa ze tonga eo de hezahinao ny haha"paradisa" azy...DIENY IZAO!
Amiko raha tena xtiana marina ianao dia tsy tokony hisy ahiahinao na ity fiainana ity na ny ho avy fa ze tonga eo de hezahinao ny haha"paradisa" azy...DIENY IZAO!
77. niryna
(
25/02/2010 19:41)
ikaretsaka:tsy misy mitady kil eo fa manana ny ampy ny aty dia ilay ATra velona ka,ny tsy manana azy no manohitra ny Teniny lava ry toi ,ha,ha
Ny olona tsy de misy atao eto @ ity fiainana ity sy matahotra sahady ny any @ ze fiainana ho avy any no mitady kil hiaraka aminy sy hiara hatahotra hiaraka aminy ry niryna an...
toi ve tsy mahazo teny gasy e,sa atao teny angilisy ? mizara no atao fa tsy misy tahotra ny andeha ho any satria tsy ho any mihitsy aho ,rehefa une fois nomeko ho tantanan'ilay ATra velona ny fiainako dia tsy matahotra aho na androany aza no alainy.Mba fantatrao moa izany fahasarobidin'ny fitiavany antsika izany? hitako eto
Amiko raha tena xtiana marina ianao dia tsy tokony hisy ahiahinao na ity fiainana ity na ny ho avy fa ze tonga eo de hezahinao ny haha"paradisa" azy...DIENY IZAO!
=)) =))
78. niryna
(
25/02/2010 19:41)
ikaretsaka:tsy misy mitady kil eo fa manana ny ampy ny aty dia ilay ATra velona ka,ny tsy manana azy no manohitra ny Teniny lava ry toi ,ha,ha
Ny olona tsy de misy atao eto @ ity fiainana ity sy matahotra sahady ny any @ ze fiainana ho avy any no mitady kil hiaraka aminy sy hiara hatahotra hiaraka aminy ry niryna an...
toi ve tsy mahazo teny gasy e,sa atao teny angilisy ? mizara no atao fa tsy misy tahotra ny andeha ho any satria tsy ho any mihitsy aho ,rehefa une fois nomeko ho tantanan'ilay ATra velona ny fiainako dia tsy matahotra aho na androany aza no alainy.Mba fantatrao moa izany fahasarobidin'ny fitiavany antsika izany? itako eto
Amiko raha tena xtiana marina ianao dia tsy tokony hisy ahiahinao na ity fiainana ity na ny ho avy fa ze tonga eo de hezahinao ny haha"paradisa" azy...DIENY IZAO!
=)) =))
79. ikaretsaka
(
27/02/2010 14:57)
I would believe in a God who would choose to save people on the basis of the totality of their lives and not the pattern of their words. I think he would prefer an honest and righteous atheist to a TV preacher whose every word is God, God, God, and whose every deed is foul, foul, foul."
80. ikaretsaka
(
27/02/2010 21:06)
Ny atao hoe "mizara" ry niryna de tsy ny famerenana fahatany ny efa voasoratra (io le hoe manao boloky)
Fa ny mampiseho zavatra tsy mbola fantatry ny olona ka ianao irery no manana azy (ataoko fa ny olona gasy manao internet ato de mahafantatra aby ny baiboly sy jesoa sy Atra aby... fa ny fomba nahafantarany azy no samihafa... tsy midika izany fa rehefa tsy ny fomba nahafantaranao azy sy ny nahitanao azy dia tsy izy ny azy)
Miainga any @ ny fahafantaranao sy ny fahafehezanao tanteraka ilay zavatra anananao aloha io, dia
ny fahafantaranao ny hoe ilain'ny hafa "nasaina hizaranao azy" ve io zavatra io
Dia ny fahaizana mamaly sy maka lesona @ ny feedback omen'izay nizarana koa zava dehibe; izay no maha samihafa ny forum sy ny pilipitra