Iza no tompon'antoka?

61. ravonjison ( 20/01/2010 16:24)
rzakarivola:

ravonjison:

Dia mipetraka izany ny fanontaniana : iza no tompon' antoka @ hoe naratra ilay saka ? Nanota ve io saka io sa nanadino ny fisian ' Adriamanitra ? izay no nahatonga azy naratra . Tokony handray an' i Jesoa kristy ve io saka io mba hahalalany fa Andriamanitra dia manao ny tsara ? Tsy miraharaha an' Andriamanitra ilay saka , ary izay no nahavoa azy ? Tokony hifona ve izy ? @ fomba ahoana .....
Betsaka ny fanontaniana ilána valiny ao, ka anjaran' ny tsirairay no manohy sy mamaly .

==> Ary raha toa ka izao no valiny momba ilay saka hoe : "Tsy ny fahadisoan'ny tompon'ny saka na ny hadalan'ny saka, fa tian' Andriamanitra haseho @ olona ny asanao mitsabo ilay saka ka hahasitrana avy eo".
Moa ve Andriamanitra azo sakanana raha te hampiseho ny heriNy (sy ny fitiavaNy) manasitrana ny maratra, mihoatra lavitra, manangana ny maty ?

Izao no azo antoka, raha tsy nentin'ilay tompony tany aminao ilay saka dia tsy ho afaka notsaboinao, na dia nahay nitsabo aza ianao.
Ny fibebahana dia fanatonana an' Andriamanitra. Sambatra ny firenena izay manana an'Iaveh ho Andriamaniny, fa hitondra Azy ho amin'i Jesoa Kristy izy, ary ny ràn'i Kristy no hananganana azy amin'ny maty, hanasitrana azy amin'ny aretina, ary dia tsy haninona intsony mandrakizay izy.



- Ka raha hoy ianao hoe Andriamanitra te hampiseho ny heriny , izay no nahatonga ireo loza na ilay ratra, dia Andriamanitra izany no tompon ' antoka, satria izy te hanao " demonstration". Izany hoe efa PLAN -ny dieny mialoha ilay izy. Eto dia miverina any @ ady hevitra tany aloha tany isika : ny azo fahalalána ny tsara sy ny ratsy

- Dia hoy ianao hoe ny fibebahana dia fanatonana an' Andriamanitra : ka iza izany no tokony hibebaka, ilay saka izany. @ fomba ahoana ?
62. ikaretsaka ( 20/01/2010 19:23)
gaaaaaa. hahita saka hikonfesy koa ao @ confessionna atsy ho atsy zany raha zohina le hadihevitra....
non visionnaire pas sourd hoy ny gazety lakroa izay! :-D :-D :-D

HS out!
63. fijo ( 20/01/2010 20:39)
izany hoe nanome vato mafana"ny tany misy hafanana be ao anatiny ao"ny zanany iznay andriamanitra raha ny fandraisann'y sasany azy?????hummmmm hialao wa fa loza
64. ikaretsaka ( 20/01/2010 21:51)
lasa fanaticism le religion fa tsy misy maha finoana azy intsonyho an'ny sasany.. vo mananona kely de Atra
65. diamondra27 ( 21/01/2010 07:45)
rzakarivola:

diamondra27:

Tu vois que on n'a pas besoin de Dieu pour resoudre le probleme fa isika olombelona ihany dia manome ny solution, saingy dommage hoe hiandry zavatra toy ireny vao mihazakazaka manome dons sns ny olona, soa ihany anefa.

==> Mahagaga ity famarananao resaka ity.
Si nous n'avons pas besoin de Dieu, pourquoi nous n'avons pas fait celà depuis longtemps ? C'est justement ça l'erreur, c'est ce que j'ai dit à propos de vision géocentrique du monde et vision héliocentrique.



tsy haiko na azonao ny tiako ambara na tsia .
ny tiako lazaina hoe tsy mila an'Atra eto dia izao:
tsy voatery hihazakazaka hitaraina tahaka ny zaza foana ny olona fa misy ambaratongany ny fiainana eto an-tany . misy @ maha olona ny olona dia misy ny loi mifehy antsika , ara-kristiana ihany koa dia misy ny zavatra tokony hatao, any ampianarana dia tahaka izany etc etc
ka tokony nisoroka fa tsy hiandry loza vao hoe omena toerana hafa hametrahana ireo olona tra-boina ireo

Tokony manao ny adidy @ mahaolombelona aloha fa tsy hoe mihetsika kely de Atra Atra, avant que Dieu doit agir il faut que tu dois faire ce que t'as a faire fa tsy avy eo vao hoe aiza re Atra @ zao e

Tsy lasa le fanatisme @ fanarahana ny Tompo indraindray
araho aloha izay loi tokony arahina eto antany , dia etsy ankilany manaraka ny didin'Atra sy miantehatra aminy.
66. rakapy ( 21/01/2010 08:35)
Hoy i Diamondra27
lasa le fanatisme @ fanarahana ny Tompo indraindray

Io no anisan'ny mahatonga ny olana ara-pinoana @ izao fotoana izao. Lasa fanatisque sy extremiste ny mpino sasany ka adino ilay COEXISTANCE
67. ANARIM ( 21/01/2010 09:44)
rakapy:

Hoy i Anarim
efa napetrk'Andriamanitra hiaina ety ambonin'ny tany isika, dia miaina, ary rehefa hoe maty isika dia maty!!! d misy ndray teraka, d velona, d aveo maty!!!
fa raha ny fahotana misy erank'izao tontolo izao ve tsy tokony efa babangoana ny univers

Angamba kosa ny biby hafa no manao izany. Fa raha olombelona misaina kosa dia miezaka ny hanatsara lalandava ny fianany sy fianan'ny taranaka ho avy izy.
Maro ny zavatra noharin'A/tra mety hanimba ny fiainantsika olomelona. Loza voa-janahary, aretina, biby samihafa ... Fa anjaratsika olombelona kosa no miaro tena na azao atao koa hoe miady @ireny zavatra ireny.
Raha apetrakao eo @ ilay hoe izay no sitra-pon'A/tra moa ny fiainanao dia tsy misy misakana anao amin'izany.


Vakio tsara ilay tohiny rakapy a! nofaritako tsara tao ny hoe
...fa anjaran'ny velona ny miezaka ho tsara, fa izay ihany no ahitana filaminana ao anaty! au moins niezaka, na tsy nahavita 100% aza, satria tsy misy tonga lafatra...

ka 2 zany tsika zao no mitovy hevitra amin'ilay hoe ny velona dia mila manao ny tsara sy miezaka ho tsara.

Omeko tranga tena nisy kely iray ianao : 4 be izao, dada, neny, zandry, ary zanak'io zandry io, no indray nafoiko tao anatin'ny 1 mi pi maso tamin'iny 2009 iny, accident de circulation no nahazo azy ireo!!! dia hitady tompon'antoka aiza aho???? hanome tsiny an'iza????
fa dia maty ry zareo, tsy hiverina intsony .... fa izaho mbola velona, dia nanao ny adidiko, nanao izay nahatafapetraka tsara ny razana tamin"'ny toerana mendrika izany, miatrika ny raharaha eny amin"ny tribonaly (tsy sanatria mihitsy hoe andeha ho karohako ilay saoferan'ilay taxi brousse tompon'ny porte bagage nipitika teo amin'ny pare-brise nisy ny fiara nentin"ireo havako ireo, satria raha ny fahitako azy dia ilay porte bagage nipitika iny no tena naha-mortel ny accident satria avy dia potipotika tsy nisy jerena intsony ny faritry ny lohan'izy mianaka teo am devant sns sns sns) lava be fa famintinako azy dia izao : izay rehetra mitranga eo amin'ny fiainako, tsy voatery hitadiavako "tompon'antoka" fa izaho mihitsy no mila miezaka minimiser ny dégat sy ny zavatra ataontsika en général hoe ratsy ary ny lasa rehetra dia atao bagage sy reference ho amin'ny ho avy!

68. rakapy ( 21/01/2010 10:07)
Mampalahelo tokoa izany nanjo anao sy ny fianakavianao izay.Mirary fiadanana tanteraka ho an'ny fanahin'izy ireo ny tenako.

Raha ny hevitro momba ilay" tompon'antoka" dia tsy hoe hanafay na hamaly faty azy akory fa ny mba ahafantarana ny tokony hoaleha sy ho atao @ manaraka. Rano raraka sy ravin-kazo nanitsana iny fa ny sisa no ampanirina hoy ilay hira.

Indraindray koa anefa dia tokony ho faizina ireny tompon'antoka ireny satria lasa ataony fanao na koa mihevitra izy fa tsy nisy fiatraikany teo @ finany ilay zava-dratsy ka mety mbola hamerina na hiverina indray ilay zava-dratsy nataony indray andro.

Raha izaho no mijery ilay situation-nao dia tokony hisy lesona azo tsoahina ao:

Marina fa accident nefa dia nita fa nohon'ny tandrametak'ilay tompon'ny fiara taxi-brousse no namoizana ain'olona 4 be izao. Tandrametaka sy tsy fitandremana hoy aho satria dia izy no tokony ho tompon'andraikitra @ fikojakojana ny fiarany. Raha izy sy ny fiarany moa no nivarina tany an-kady, dia azy sy ny heritreriny izany fa tsy tokony nohon'ny tandrametaka nataony no amoizana ny ain'ny hafa izay
tsy manan-tsiny.
Vakio tsara ilay tohiny rakapy a! nofaritako tsara tao ny ho

Mazava ny tianao ambara fa nisy andalana kely tiako nidirana nazavaina fotsiny.( entre parentheses hoy ny Frantsay)
69. ANARIM ( 21/01/2010 10:13)
ô ry reto a, adinoko kely, fa izao wa e! naheno feo vitsivtsy aho taorian'ilay accident nafahaty azy efa-mianaka io hoe "tokony handini-tena ry zareo, misy zavatra tsy mety ao ka mila ovaina" kom si hoe "nanota fady" izahay ka mendrika anay ny 4 be izao no indray maty!!! ary raha tsy hiova izahay dia mbola mety hisy 4 na 8 indray ho faty atsy ho atsy!!! d toy izany koa ireo ao Haiti!!!

ilay maty dia efa hay fa samy ho faty daholo, na izaho, na ianao io, isika rehetra e! fa ny tombony ho an'ny velona hoy ihany aho dia ny fiezahana mandroso hatrany ho amin'ny tsara na tsy tonga lafatra aza!

am gazety izao be dia be ny hoe "vonoan'olona tatsy sy taroa", vao tsy ela izay ilay teratany espaniola!!! dia manoloana ny ankety sy ny lalàna dia meloka sy "tompon'antoka" ireo telo lahy tratra taty aoriana, fa nefa mety hisy koa hahavita hiteny hoe mpanota loatra ilay epsaniola iny ka dia naringan'andriamanitra sns sns sns sns

lava be le izy ra taritina, fa dia izao : tsy nisafidy ny ho teraka aho, tsy nisafidy ihany koa ny ho faty (maro amin'ireo mamono tena mihinana fanafody sns ohatra no tsy maty fa velona b aza aveo sns sns) tsy misy mahalala ny "heure exacte" hikimpian'ny maso rehefa hoe "resin-tory" fa rehefa henonao kosa hoe iny aho fa mifoha dia mino aho fa samy afaka mi-verifier tsara daholo hoe tamin'ny firy aho no taitra teo ... betsaka ny mistery sy saro-pantarina fa dia araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa mandalo izao fiainana izao!!!!
70. rakapy ( 21/01/2010 10:21)
Hoy i Anarim
ô ry reto a, adinoko kely, fa izao wa e! naheno feo vitsivtsy aho taorian'ilay accident nafahaty azy efa-mianaka io hoe "tokony handini-tena ry zareo, misy zavatra tsy mety ao ka mila ovaina" kom si hoe "nanota fady" izahay ka mendrika anay ny 4 be izao no indray maty!!! ary raha tsy hiova izahay dia mbola mety hisy 4 na 8 indray ho faty atsy ho atsy!!!

Iza no niteny izany taminao?
71. ANARIM ( 21/01/2010 11:48)
rakapy : euhhhhhhhhhh tsy tadidiko hoe iza sy iza fa tsaroako tsara fotsiny nisy niteny an'io voalazako io!!! dia misy koa ireo "Mpiandry" tonga tany an-tananàn'i dada sy neny, dia hoe roasina devoly hono ny tanàna dia noteren'zareo zahay hoe avohay daholo izay "zavajavatra" tehirizinareo eto amin'ity tanàna ity, fa danaka vava fotsiny wa zahay oe ary misy mahita sy mahay mamorona ny tsy misy kay an!!!
72. rakapy ( 21/01/2010 13:11)
Hoy i Anarim
rakapy : euhhhhhhhhhh tsy tadidiko hoe iza sy iza fa tsaroako tsara fotsiny nisy niteny an'io voalazako io!!! dia misy koa ireo "Mpiandry" tonga tany an-tananàn'i dada sy neny, dia hoe roasina devoly hono ny tanàna dia noteren'zareo zahay hoe avohay daholo izay "zavajavatra" tehirizinareo eto amin'ity tanàna ity, fa danaka vava fotsiny wa zahay oe ary misy mahita sy mahay mamorona ny tsy misy kay an!!!

Io resaka fandroahana devoly sy devoly ataon'ny xana sasany io dia tsy mba ankasitrahiko loatra. Matetika dia teren-kiisy ilay atao-ndry zareo hoe devoly io. Amin'ireny olona ireny mantsy dia "Black or white" na "Shadow or light" ny fiainana.
Amiko , raha madio ny fonao sy ny heritreritrao ary nanao ny marina ianao dia tsy misy izany nanota fady izany. raha misy moa ny fady voadika tsy nahy dia ny miala tsiny no atao.
Manaraka izany dia mbola averiko eto ihany fa ilaina ny fahafatanrana ny tompon'antoka mba ahitana ny lalank'aleha. Tsy voatery ho ratsy foana anie io tompon'antoka io fa mety tompon'antoka @ tsara koa.
73. rzakarivola ( 21/01/2010 13:53)
ikaretsaka:

1_ Kristy aloha aleo hipetraka any
fa efa ratsambatany ianao amin'ny maha kristianina anao, nomeny fahefana , ary io ohatran'ny ambaratonga hoe tsy handeha hanontany ny jeneral foana aloha ra vatatay na ambanan'ny jiolahy basy aza fa afaka maka ny fanapaha-keviny azy samirery @ efa maha zandary azy tompon"andraikitra @ ze fanapaha-keviny ny tenany ary tompon"andraikitra koa ny zandarimaria sy izay lehibeny rehetra any! fa tsy hisy raha ho vanona eo raha vo anona kely de ...anontanio anontanio ahoana hono.... a la guerre comme a la guerre io lety a!

==> Rantsam-batany ny kristiana iray raha toa ka manao ny asaNy. Marina indrindra izany, nomeNy fahefana, afaka manapa-kevitra @izay toerana misy azy, araka ny fahefana nomeNy, ary ho an'izay mino Azy dia nomeny fahefana hatramin'ny mamela heloka.
Nahoana ianao no tsy mino izay tenina sasany eto ho hevitr'i Jesoa ?

ikaretsaka:
2)momba ilay hoe resaka lalana: raha simba ny lalana tana toamasina : ny compania mpanampina lalana sy ny mpanao maintenance no antsoinao fa tsy i gallieni nanana hevitra ny hamaky lalana sy ny smotig izay namaky ny lalana no handeha hotairina any @ ze misy azy any sy anontaniana sopapa

... io le hoe manohy ny Asa ....

La catastrophe qui finit par arriver n'est jamais celle à laquelle on s'est préparé

==> Lalàna (loi) no noresahina teo raha tsy diso aho, kanefa mety hitovy ihany ngamba izany.
Iza no mpanao ny lalana ? NY maître d'oeuvre sa ny maître d'ouvrage ?
Ny Tompon-tsafidy sy tompon'ny vola nanakarama mpamboatra sa ny orinasa mpamboatra ?
74. ravonjison ( 21/01/2010 14:02)
Io indray ilay zavatra manorisory ahy mihitsy ao Dago.
Efa hita fa tsy voakojakoja tsara ilay fiara, ary izay no nahatonga ilay loza, ka tsy hikato mihitsy izay andaniana andro @ fanalána devoly sy fiitadiavana sampy @ izany.
75. rzakarivola ( 21/01/2010 14:06)
rakapy:

Hoy Rzakarivola
=> Io azavainao amiko io angamba. Izaho kosa milaza aminao ny panne spirituelle izay goavana lavitra

Tsy ny spirituelle angamba no olako satria manan ny hinoko aho

==> Raha toa tamin'io fotoana io ka nisy olona nahafantatra hoe vaky ny tuyau na gasoil nao, kanefa ny témoin-nao mbola tsy nampiseho (satria mbola tsy ritra), mety ho nataonao ve izy hoe "fantatro tsara ny fiarako fa tsy misy tuyau vaky izany eo, tsy any no olako" ?
Manana ny inoanao ianao, fa Andriamanitra no mahafantatra na mino ny fahamarinana ianao na mino fitaka, ary Izy no afaka hiteny aminao hoe "misy problema ny tuyau-nao", fa raha misy izany, fomba ahoana no hanehoaNy aminao izany ?

rakapy:
Raha noana ianao tany @ toerana tsy hay, nahoana no tsy vitan'ny sainao ny nikaroka hanina hamokisana ny tenanao sy ny mpiara-dia taminao ?"

Izaho ary anie mba gaga koa fa na izy ireo aza dia tsy nahavita namoky ny tenany nefa dia milaza fa manam-pinoana lalina an'i jesosy e!
Toa nitovy ihany izahay nefa dia mbola izaho ihany no nahita solution t@ ilay solika.

==> Izaho tsy gaga hoe tsy nahay nampisy sakafo izy ireo nilaza fa nino an'i Jesosy. I Jesosy efa nilaza fa "na inona na inona angatahinareo amin'ny anarako dia ho azonareo izany", ka tsy mahita explication afa-tsy telo aho (ka iray amin'ireo izany) :
1- Tsy nangataka t@ anaran'i Jesoa izy ireo
2- Nangataka t@ anaran'i Jesoa izy ireo, koa tsy nangataka izay mahasoa ny tenany fa izay araka ny sitrapon' Andriamanitra. Ary ny fahitako azy, ilay tantara niainanao dia tian' Andriamanitra nanehoana t@nao fa tsy hoe satria manana ny finoanao ianao dia ho "ok" ny fanahinao, tahaka ilay teninao hoe "tsy hoe satria (nilaza fa) nino fa hisy sakafo teo dia nisy tokoa". Fa mila mino ny marina ianao.
Izaho mino, fa ny zanak' Andriamanitra tsy sitraNY ho noana fa omeNy sakafo @ izay fotoana ilàNy izany, ianao no nahita hanohanana sy fimenomenonan'ny sasany, fa tsy hitanao izay fahasoavana azon'ny sasany tamin'izy ireo (na izy rehetra), nanam-potoana nifantohana t@ Andriamanitra sy nianatra ny marina mikasika ny finoana an'i Jesoa. Ny faniriako dia ny tombontsoanao hahafantatra ny marina mikasika ny finoana, ny momba an' Andriamanitra. Ary ny sitrapon'ny Ray ho anao dia mba hahita an'i Jesoa ianao ka hino Azy hanananao fiainana mandrakizay.
76. rzakarivola ( 21/01/2010 14:08)
ravonjison:

- Dia hoy ianao hoe ny fibebahana dia fanatonana an' Andriamanitra : ka iza izany no tokony hibebaka, ilay saka izany. @ fomba ahoana ?

==> Raha naratra ilay saka ka nandehandeha tany fa tsy niverina tany @ tompony dia tsy ho afaka nitondra azy tany @nao ny tompony.
Ny mpanota koa mila miverina amin' Andriamanitra, Tompony, mba hitondran' Andriamanitra azy any @ ZanaNy izay mpanasitrana mahay sy azo antoka. Izay fiverenana amin' Andriamanitra izay ny fibebahana.
77. ikaretsaka ( 21/01/2010 14:09)
ravonjison> izay mihitsy

razaka> fa rehefa simba ny lalana na nirodana ny tetezana .. tsy izay nanao an'iny t@ voalohany mihitsy no voatery antsoina ... indrindra raha emergency... ra ny hanamboatra azy no hatao voalohany...

Nahoana ianao no tsy mino izay tenina sasany eto ho hevitr'i Jesoa ?

satria ny sasany 1) tsy i Jesoa incarne 2) nefa misandoka sy mihambo ho Izy..

78. rzakarivola ( 21/01/2010 14:10)
fijo:

izany hoe nanome vato mafana"ny tany misy hafanana be ao anatiny ao"ny zanany iznay andriamanitra raha ny fandraisann'y sasany azy?????hummmmm hialao wa fa loza

==> Izaho indray mandeha namahana ny zanako, tsy tongatonga saina hoe mamay kay ilay vary. Fa Andriamanitra tsy mba tahaka izany, Andriamanitra mahay manome zava-tsoa ny ZanaNy, mila tonga zanak' Andriamanitra vao hahafantatra an'izany.
Ny olona voafitaka mihevitra fa ny ratsy dia tsara ary ny tsara dia ratsy.
79. ikaretsaka ( 21/01/2010 14:15)
ny havendrananao sy ny tsy fahatongavanao saina aza ahilika amin'Atra
80. rakapy ( 21/01/2010 14:42)
Hoy Rzakarivola
Raha toa tamin'io fotoana io ka nisy olona nahafantatra hoe vaky ny tuyau na gasoil nao, kanefa ny témoin-nao mbola tsy nampiseho (satria mbola tsy ritra), mety ho nataonao ve izy hoe "fantatro tsara ny fiarako fa tsy misy tuyau vaky izany eo, tsy any no olako" ?
Manana ny inoanao ianao, fa Andriamanitra no mahafantatra na mino ny fahamarinana ianao na mino fitaka, ary Izy no afaka hiteny aminao hoe "misy problema ny tuyau-nao", fa raha misy izany, fomba ahoana no hanehoaNy aminao izany ?

Zavatra tsotra anie izany ry Rzakarivola e! raha misy miteny hoe misy vaky ny tuyau n'ny gasoil-nao dia mijanona aho ary hijery hanamarina fa tena vaky marina ilay tuyau. Tsy hitako izay idiran'ny resaka finoana @ zany.
Izaho tsy gaga hoe tsy nahay nampisy sakafo izy ireo nilaza fa nino an'i Jesosy. I Jesosy efa nilaza fa "na inona na inona angatahinareo amin'ny anarako dia ho azonareo izany", ka tsy mahita explication afa-tsy telo aho (ka iray amin'ireo izany) :
1- Tsy nangataka t@ anaran'i Jesoa izy ireo
2- Nangataka t@ anaran'i Jesoa izy ireo, koa tsy nangataka izay mahasoa ny tenany fa izay araka ny sitrapon' Andriamanitra. Ary ny fahitako azy, ilay tantara niainanao dia tian' Andriamanitra nanehoana t@nao fa tsy hoe satria manana ny finoanao ianao dia ho "ok" ny fanahinao, tahaka ilay teninao hoe "tsy hoe satria (nilaza fa) nino fa hisy sakafo teo dia nisy tokoa". Fa mila mino ny marina ianao.
Izaho mino, fa ny zanak' Andriamanitra tsy sitraNY ho noana fa omeNy sakafo @ izay fotoana ilàNy izany, ianao no nahita hanohanana sy fimenomenonan'ny sasany, fa tsy hitanao izay fahasoavana azon'ny sasany tamin'izy ireo (na izy rehetra), nanam-potoana nifantohana t@ Andriamanitra sy nianatra ny marina mikasika ny finoana an'i Jesoa. Ny faniriako dia ny tombontsoanao hahafantatra ny marina mikasika ny finoana, ny momba an' Andriamanitra. Ary ny sitrapon'ny Ray ho anao dia mba hahita an'i Jesoa ianao ka hino Azy hanananao fiainana mandrakizay.

Iny indray moa dia izay fijerinao sy fitsaranao azy tsy dia misy olana fa amiko dia tsy dia zavatra ohatra izany no andehanako hivakisana loha hoe avy @ A/tra ve ity sa tsia. Ataoko fa manana zavatra maro lehibe lavitra noho izany sahanina izy ka tsy ho ndeha ho kotabaiko @ izay resaka tuyau-na gasoil vaky.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091