Iza no tompon'antoka?

1. rakapy ( 18/01/2010 06:56)
Dia maiarahaba antsika mpisera indray ny tenako tratry taona 2010. Mirary soa ho antsika ary koa mirary fialan-tsasatry ny fanahin'ireo izay nindaosin'ny onjan'ny fiainana.

Mampahonena sy mahatoro-fo tokoa ny mahita ireo havana sy mpiray tontolo amintsika any @ nosy Haiti amin'izao fotoana izao. Tsy hita intsony no ilazana azy fa dia ao anatin'ny fahoriana tanteraka tokoa ry zareo any.

Ato anatin'ny fivavahana sy finoana no nampidirako ity loha-hevitra ity satria misy fanotaniana tiako apetraka ny momba ity tranga ity ho an'ireo mpino.

Raha voalaza fa A/tra no namorona ny zavatra rehetra ary manana fahefana tanteraka eo @ asa-tanany.
Ny xana koa anefa etsy andaniny dia milaza fa A/tra dia tsy namorona ny ratsy.
Asa moa na tsara na ratsy ny zava-misy any Haiti @ izao fotoana izao raha fijery xana no ijerevana azy fa ny fanotaniana manitikitika ny saiko dia hoe: Iza no heverinao fa tompon'antoka @ izao zava-misy any izao ry xana? Ary nahoana no izy ireo no nofidina hiaran'ny loza, izay mariahana etona fa toerana anisan'ny feno fahantrana sy mpino xana maro be tokoa raha jerena?
répondu par fijo le 10/02/2010 21:30
2. rahery08 ( 18/01/2010 07:58)
Sarotra ny miteny hoe Kristianina ny maro any Haity, ary sarotra ihany koa ny miteny hoe Krirstinina manaiky ny baiko'ny Kristy ny filoha mitondra ny firenena any Haity!
Malahelo tokoa ny fo ary onena, Eny fa na Jesosy aza angamba dia malahelo, kanefa rehefa feno ny kapoaka akory atao!

Malaza amin'ny finoana Vaudou manko iny faritra iny, misy ny Kristianina mitory, misy tsy mety miala amin'ny nentindrazana!

Ka asa fa dia efa voasoratro ary ambadika ilay izy vao hitako ity lohateninao ity.

Andriamanitra no mampihorohoro ny tany @ fahatezerany!
hofongorany ny sampy.

Isika ihany no tompon'antoka.
3. rakapy ( 18/01/2010 08:12)
Hoy Rahery08
Sarotra ny miteny hoe Kristianina ny maro any Haity, ary sarotra ihany koa ny miteny hoe Krirstinina manaiky ny baiko'ny Kristy ny filoha mitondra ny firenena any Haity

Ny statistika no nijerevako azy. Koa raha tsy mino ny statistika ianao dia sarotra be ilay resaka.

Malaza amin'ny finoana Vaudou manko iny faritra iny, misy ny Kristianina mitory, misy tsy mety miala amin'ny nentindrazana!

Ataoko angamba fa tsy i Haiti irery no firenena na toerana mbola ahitana voodoo fa na any Europe sy America aza dia misy azy ireny koa.
4. ikaretsaka ( 18/01/2010 13:48)
momba ilay vodoon"aiza n"aiza .. fa ny anarana fotsiny no samihafa sy miova arkaraky ny tany
5. rzakarivola ( 18/01/2010 14:03)
Kristiana aho ka dia hitondra valin-teny, kanefa amiko, dia ilay Jesoa Kristy no tsara anontaniana, satria Izy no tenin' Andriamanitra velona, ary miteny Andriamanitra fa tsy moana.

Iza no heverinao fa tompon'antoka @ izao zava-misy any izao ry xana? Ary nahoana no izy ireo no nofidina hiaran'ny loza, izay mariahana etona fa toerana anisan'ny feno fahantrana sy mpino xana maro be tokoa raha jerena?
==> "An'i Jehovah no tany sy izay rehetra ao aminy".
Izy dia Ray (mpamorona), Tsitoha (tsy hay sakanana raha hiasa), Mpanao ny lanitra sy ny tany.
"1 Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
2 Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
...
Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
" [Amos 3:1-7]
6. ikaretsaka ( 18/01/2010 14:16)
ka tsy ny fitsimponana sy ny fanaovana toriteny 30 lignes et + ange no hoe "fanontaniana an'i Jesoa" sy fangalana valiny avy any aminy e e

fa ny fananananao Azy ao aminao sy ny fandraisanao andraikitra @ famitana izay anjara lahasa kely isanandro omeny anao.

io le hoe "tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any..."
7. Mirananirina ( 18/01/2010 14:36)
Iza no tompon'antoka?
Ny olombelona.
8. ravonjison ( 18/01/2010 15:13)
Mbola azo zaraina roa ilay fanontanian\' i Rakapy :
1- Tompon\'antoka @ fisian \' ilay horohorontany : region tectonique active, efa nihetsika taloha.Dia mazava fa mbola hihetsika koa any aoriana any. Izany hoe tsy maintsy miverina any aloha be tany isika, ahoana moa no niforonan\' ilay tany sy ranomaina ao Haiti ? dia iza ary no tompon\' antoka @ izany ? Tsy Fantako !!!

2- Tompon\' antoka @ ilay voka-dratsin \' ny horohorontany: raha mba nandeha tsara daholo mantsy ny zavatra rehetra tao Haiti, dia mba tsy betsaka toy izao ny olona maty. Satria rehefa natao ny analyse dia hita fa : tsy misy na manaramaso ny fisian\' ilay horohorontany, tsy misy ny systeme d\' alerte, ny trano amboarina toa ratsy contruction, mahantra daholo ny akamaroan\' ny olona, ny systeme de santé tsy ampy...sns. Eto aloha dia hita fa ny olomelona ihany no tompon\' antoka : ny colons ( ny frantsay), ireo filoha haitiana ( dicature ), ireo antokon\' olona mpitsetsitra isankarazany, ireo mpanondrana andevo taloha ( misy mantsy ny milaza fa toa niniana naondrana avy @ toerana samihafa avy ao afrika ireo andevo, @ izay tsy afaka miresaka sy mitady vahaolana miaraka. Hatramin\' izao dia toa mbola betsaka ireo olona no tsy dia mifankahazo @ lafiny rehetra ).
9. ikaretsaka ( 18/01/2010 15:25)
Io fanilihana sy fanendrena an zaso sy anona ho "tompon'antoka" de mifanononondro eo io ihany no tsy handrosoana..
Nisy le izy de raiso ny andraikitra @ fiezahana fanatontosana ny lahasanao androany...izay de ampy!
10. rijadolly ( 18/01/2010 18:09)
Ka ilay sujet nge ry Ika efa napetrak\'i Rakapy e! Iza no tompon\'antoka?

Ny zavatra rehetra miseho ry Rakapy dia entin\' Andriamanitra hanehoany ny Heriny sy ny voninahiny, fa ny anjaratsika dia samy mandini- tena, indrindra eo amin\' fahaizantsika nefa tsy mahavaha ilay fisehoan-javatra akory.
11. rakapy ( 18/01/2010 18:11)
Hoy Ika
Io fanilihana sy fanendrena an zaso sy anona ho "tompon'antoka" de mifanononondro eo io ihany no tsy handrosoana.

Ka tokony ho fantarina kosa ny rangory fototry ny afo mba akana lesona sy hisorohana ny ho avy.
Nisy le izy de raiso ny andraikitra @ fiezahana fanatontosana ny lahasanao androany...izay de ampy!

Raha nisy nitoraka ve ny fitaratry ny tranonao dia fanolona ny fitaratra sy ny fanadiovana ny vaki-pitaratra ihany no ataonao fa tsy mba hitady hoe iza no nitoraka ary inona no antony?
12. ikaretsaka ( 18/01/2010 19:45)
Ovaiko fitaratra incassable lety de asiako grillage eo alohany a.
Tsy misy hafa @ le example nataoko t@ za mbola surveillant ana sekolinjazavavy io.
Le sipakely miala sakana ireny no tao de le manao lokomena ireny. De rehefa avy manao lokomena izy de orohany ilay fitaratry ny toilettes.. tsy ny fijereko hoe iza no nanao an'io lokomena @ fitaratra io no nampisava sy nanakana andry zareo hanoroka ilay fitaratra... fa ny fampiatsoako azy rehetra niaraka @ le mpadio toilettes dia ny fanaovana demonstration hoe zao ny famafana an'io fitaratra io rehefa maloto..de le serpillere avy nanasana ny kabone sy ny carreaux no namafana ilay fitaratra....
Nga nisy nanao tsony!
-> zay no tokony hatao au lieu de hoe I anona no nanao an'io na ianona no tompon'aandraikitra....
13. rakapy ( 19/01/2010 04:42)
Ny ohatra tsy ho lany na hivadika aza ny taona fa misy cas azonao atao an'izany fa misy kosa cas tsy maintsy fantarina ny tompon'antoka mba ahafahana miroso lavidavitra kokoa. Ary io tompon'antoka io dia tsy voatery @ ratsy ihany fa misy koa ny tompon'antoka @ tsara fa aza adino!!!
14. niryna ( 19/01/2010 05:46)
rijadolly:

Ka ilay sujet nge ry Ika efa napetrak'i Rakapy e! Iza no tompon'antoka?

Ny zavatra rehetra miseho ry Rakapy dia entin' Andriamanitra hanehoany ny Heriny sy ny voninahiny, fa ny anjaratsika dia samy mandini- tena, indrindra eo amin' fahaizantsika nefa tsy mahavaha ilay fisehoan-javatra akory.

yap ,afaka najanon'Atra tokoa io raha tiany saingy misy ny antony ary Izy irery noa afaka mamaly izany, ny firenena mijery izany no afaka andanjalanja hoe inona no antony.Asehony antsika mbola velona izao mba hitodidoha aminy isika satria tsy fantatra hoy izy ny fihaviany ,dia nasehony tokoa izany ho itan'ny amban'ny lanitra rehetra fa rehefa tonga ny loza tsy mahavita na inona na inona isika.Fanoharana ny fihaviany io mba hiverina aminy isika

Inona anefa no mitranga? fanomezantsiny azy,isika anefa mihevitra fa tsy mety ny nataony fa izy efa nampahafantatra antsika taona maro fa ho fehezina ny firenena izay manao tsinotsinona ny Anarany(malaza mpanao sampy tokoa ny firenena io ,tsy nahafantatra izany aho raha tsy izao nisy loza izao,toa izany koa ny firenena nianjadian'ny katrina )

Ary ambony ary misy teny hoe maninona no ireo tsy mino an'Atra no ataony fa tsy ny firenena mahantra toa an'i Haiti ? dia Izy irery no afaka mamaly izany ary avelany anjaka ny ratsy satria misy fetrany io fa tsy ho mandrakizay ary nomeny safidy ihany koa ny tsirairay sy ny firenena na hiaraka aminy na tsia

Mivavaka no ataontsika mba hiverina Aminy ireo izay mbola velona ao ary mba ahita ny voninahiny fa tsy mahavita ny fiainantsika isika raha tsy miaraka aminy ,raha tsy misy fo mitia azy ny firenena hafa dia tsy ho hisy anampy ny fireneny ,anehoan'Atra ny voninahiny koa izany mba hitodoha ireo velona ao ka hiantso ny anarany ary isaotra noho ny fanampian'ireo firenena maro azy ireo,toy izany koa no anehoan'Atra amintsika velona fa na inona harena,inona fahaizana dia ho endahina amintsika amin'ny fotoana fohy tsy ampoizina izany,fa ny fanahy izay manankina Azy kosa dia ahita fiainana mandrakizay ary hiaraka aminy rahatrizay.
Izay no hevitro ,ny tompon'andraikitra ? ny mpitondra ao aminy araka ny filazan'ny namana ao ambony io ny tantara

Raha mety ny atao ,ny saobakaka aza mampiditra ranonketsa,fa raha tsy mety ny atao,ny tain'omby mivadika aza mampianjera
Rehefa misy zavatra mitranga dia manome tsiny an'Atra foana isika fa rehefa misy fahasoavana kosa dia tsy maheno firy hoe noho ny fitiavany sy ny fahasoavany no nahatonga ahy toa izao ka ho teneniko izany ho ren'ny ambanin'ny lanitra .Fa ahoana tokoa re no anton'izany e ?
Efa mahazatra io,raha misy mahazo dia manome tsiny olona isika fa raha misy zavatra tokony hisaorana dia afenina iny ,izay no atao hoe fiainana oops
15. rakapy ( 19/01/2010 06:47)
Hoy Niryna
Efa mahazatra io,raha misy mahazo dia manome tsiny olona isika fa raha misy zavatra tokony hisaorana dia afenina iny ,izay no atao hoe fiainana oops

Angamba tsy misy manome tsiny kosa eto fa ny fandraisanao ny resaka raha mba misy manotany no tonga dia lasa hoe fanomezana tsiny. Asa mety efa zavatra mahazatra anao angamba???
Hoy Ravonjison
Mbola azo zaraina roa ilay fanontanian' i Rakapy :
1- Tompon'antoka @ fisian ' ilay horohorontany : region tectonique active, efa nihetsika taloha.Dia mazava fa mbola hihetsika koa any aoriana any. Izany hoe tsy maintsy miverina any aloha be tany isika, ahoana moa no niforonan' ilay tany sy ranomaina ao Haiti ? dia iza ary no tompon' antoka @ izany ? Tsy Fantako !!!

2- Tompon' antoka @ ilay voka-dratsin ' ny horohorontany: raha mba nandeha tsara daholo mantsy ny zavatra rehetra tao Haiti, dia mba tsy betsaka toy izao ny olona maty. Satria rehefa natao ny analyse dia hita fa : tsy misy na manaramaso ny fisian' ilay horohorontany, tsy misy ny systeme d' alerte, ny trano amboarina toa ratsy contruction, mahantra daholo ny akamaroan' ny olona, ny systeme de santé tsy ampy...sns. Eto aloha dia hita fa ny olomelona ihany no tompon' antoka : ny colons ( ny frantsay), ireo filoha haitiana ( dicature ), ireo antokon' olona mpitsetsitra isankarazany, ireo mpanondrana andevo taloha ( misy mantsy ny milaza fa toa niniana naondrana avy @ toerana samihafa avy ao afrika ireo andevo, @ izay tsy afaka miresaka sy mitady vahaolana miaraka. Hatramin' izao dia toa mbola betsaka ireo olona no tsy dia mifankahazo @ lafiny rehetra ).

Ny hevitrao izao no mba misy hevitra azo raisina. Satria ny horohotany dia isan'ireo zavatra voa-janahary mety handrotika ny olombelona sy ny fananany, ary efa fantatra araka ny siansa sy ny fikarohana fa miorina eo ambony plaque ny tanana nefa dia tsy nisy nampitandrina na mety nisy fa nohon'ny antony samihafa dia tsy tanteraka. Noho izany dia marina ny tenin'i sasany @ tsika fa isika olombelona no tompon'antoka.
Hoy i rijadolly:

Ka ilay sujet nge ry Ika efa napetrak'i Rakapy e! Iza no tompon'antoka?

Ny zavatra rehetra miseho ry Rakapy dia entin' Andriamanitra hanehoany ny Heriny sy ny voninahiny, fa ny anjaratsika dia samy mandini- tena, indrindra eo amin' fahaizantsika nefa tsy mahavaha ilay fisehoan-javatra akory.

Ka aminao ve izany dia tokony hiankohoka sy hivavaka fotsiny isika olombelona fa tsy mba hitady hevitra hialana @ loza sy hery mandrava satria maneho ny voninahiny izy? Soa fa tsy ohatranao avokoa ny olona satria mety efa lany taraka ny olombelona sy ny biby maro raha hidera azy fotsiny atao.
16. rzakarivola ( 19/01/2010 08:04)
ikaretsaka:

ka tsy ny fitsimponana sy ny fanaovana toriteny 30 lignes et + ange no hoe "fanontaniana an'i Jesoa" sy fangalana valiny avy any aminy e e

fa ny fananananao Azy ao aminao sy ny fandraisanao andraikitra @ famitana izay anjara lahasa kely isanandro omeny anao.

io le hoe "tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any..."

==> Tsy azoko loatra ilay fanamarihanao. Izaho mahatsikaritra fa materialy be ny finoanao, Saingy ilay Jesoa tsy nofo tonga nofo fa Teny, ary ny fanontaniana mila valiny, dia valin-TENY izany.
Maro no nahita ny nofon'i Jesoa sy nino ny fahagagana vitany, nahazo fahasoavana avy tamiNy, saingy ireo izay nino ny teniNy ihany no nahita Azy rehefa nitsangana Izy.
Ry Piera, izay lazainao fa inoanao, dia nijoro vavolombelona tamin'izany.
Raha mino ny teniNy ianao dia hahita Azy (an'i Jesoa) koa.
17. rzakarivola ( 19/01/2010 08:11)
ikaretsaka:

Io fanilihana sy fanendrena an zaso sy anona ho "tompon'antoka" de mifanononondro eo io ihany no tsy handrosoana..
Nisy le izy de raiso ny andraikitra @ fiezahana fanatontosana ny lahasanao androany...izay de ampy!

==> Hitako fa averinao foana ilay hoe "lahasanao androany", inoako fa maharesy lahatra anao tanteraka io.
Ekeko ihany, fa ahoana no ahafantaranao izay tokony ho lahasa omeNy anao androany? Ahoana no ahafantaranao hoe itsy lahasa anakiray itsy dia anjarako anio ka tsy azoko avela rahampitso fa tsy maintsy vitaiko anio, itsy iray itsy tsy anjarako mihitsy koa aoka aho tsy hikasika an'io ... ?
18. rzakarivola ( 19/01/2010 08:32)
rakapy >>>
1- Valiny ara-teknika siantifika (izay heveriko fa théorie ihany) no nomen-dravonjison, fa ny fanontaniana hoe "Iza" (izay tena fanontaniana mendrika valiana), dia spirituel no valiNy.
2- Raha ekena fa olombelona no tompon' antoka, iza kosa no tompon'antoka namorona ny olombelona ?

rijadolly >>>
Hoy ianao hoe : "entin' Andriamanitra hanehoana ny heriny". Dia izao no ambarako, nefa tsy izaho fa i Jesoa Kristy hoe : "Izay mino ahy na dia maty aza, dia ho velona indray, ary izay velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay". Ny herin' Andriamanitra dia tsy amin'ny fanakanana ny olona tsy ho faty fotsiny, tahaka izay nataoNy tamin'ny teniNy tany am-boalohany hoe "aza ihinananao io, fa raha mihinana ianao dia ho faty". Fa rehefa nihinana ny olona, dia asehon' Andriamanitra ny heriNy amin'ny fananganana amin'ny maty.
19. rzakarivola ( 19/01/2010 08:38)
niryna >>>
Hoy ianao (in-2) hoe "Izy (Andriamanitra) irery noa afaka mamaly izany". Hoy i Jesoa Kristy hoe : "Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy", ary koa hoe : "Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.", ary koa "Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo."
20. rakapy ( 19/01/2010 09:13)
Hoy Rzakarivola
1- Valiny ara-teknika siantifika (izay heveriko fa théorie ihany) no nomen-dravonjison, fa ny fanontaniana hoe "Iza" (izay tena fanontaniana mendrika valiana), dia spirituel no valiNy.
2- Raha ekena fa olombelona no tompon' antoka, iza kosa no tompon'antoka namorona ny olombelona

Raha io valiteninao farany io no raisina dia lasa borobory vetaveta ilay resaka ka A/tra ihany no ho tompon'antoka @ zavatra rehetra satria izy no voalaza fa nahary ny zavatra rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.061