ody "gasy" hoe?

81. ikaretsaka ( 25/11/2009 13:32)
betsaka ireo fitsaboana azo tanisaina fa refa mahasoa izay de natao hampiasaina daoly,ny hoe ody gasy itsy na avy @ devoly ry satria tsy mazavazava misy porofo,jereo fotsiny reny oe androbe oh.psychosomatic tsy ahitana fanafana,ny fanainga lavitra de hypnosis ,aneroxia tsy mihankanina reny... n'iza2 tratrany aretina mafy refa tsy misy vahaolana afatsy izay mahasitrana de ataony iny satria manavotra aina izany

+1
82. cutie ( 25/11/2009 14:05)
I miss Laza :-D
83. ravonjison ( 25/11/2009 14:17)
ikaretsaka:

betsaka ireo fitsaboana azo tanisaina fa refa mahasoa izay de natao hampiasaina daoly,ny hoe ody gasy itsy na avy @ devoly ry satria tsy mazavazava misy porofo,jereo fotsiny reny oe androbe oh.psychosomatic tsy ahitana fanafana,ny fanainga lavitra de hypnosis ,aneroxia tsy mihankanina reny... n'iza2 tratrany aretina mafy refa tsy misy vahaolana afatsy izay mahasitrana de ataony iny satria manavotra aina izany

+1



...ny androbe ( epilepsie ) :fantatra azo tsaboina ,arakaraka ny antony
...ny fanainga lavitra : tsy misy, resaka sy finoana fotsiny. Ny olona lasa adala no misy
...anorexie : fantatra , azo tsaboina.
...hypnose : fantatra , ato atao . Fa kosa tsy manasitrana araka ny eritreritry ny sasany.

Tsy hitako izay hitadiavana ody gasy noho ireo, zavatra fantatra sy mazava daholo ny mikasika an ' ireo.
84. ravonjison ( 25/11/2009 14:30)
Mba jerijereo ihany sao misy hafatra tonga any ry Cutie ???
85. ikaretsaka ( 25/11/2009 14:37)
eo @ le fomba hitsaboana azy ry Ravonjison no misy maha samihafa azy an..
ho an'ny olona sasany de le "gasy" no hitsaboany azy na fantatra aza... satria izay no inoany , na izay no misy sy azo rombasana eo ampelantanany!
ka raha sitran'iny izy de ahoana no handraizana azy?
amiko manokana tsy aziako olana... izy aza sitrana ko!
86. cutie ( 25/11/2009 14:45)
83. Mpandefa : ravonjison [ Valio ] 25-11-2009 15:30:58
Lohateny : Re : ody "gasy" hoe?
Mba jerijereo ihany sao misy hafatra tonga any ry Cutie ???

haiko we misy any fa mbola ocp za tsy afaka mamaly :wink:
87. ikaretsaka ( 25/11/2009 15:04)
haut indray ny cu.. sy ny pe an'i cutie ooon ... hay ooonnnn!
Hs out!
88. cutie ( 25/11/2009 15:09)
:-D :-D :-D :-D
aleo alou za hime
89. ravonjison ( 25/11/2009 15:17)
ikaretsaka:

eo @ le fomba hitsaboana azy ry Ravonjison no misy maha samihafa azy an..
ho an'ny olona sasany de le "gasy" no hitsaboany azy na fantatra aza... satria izay no inoany , na izay no misy sy azo rombasana eo ampelantanany!
ka raha sitran'iny izy de ahoana no handraizana azy?
amiko manokana tsy aziako olana... izy aza sitrana ko!



D 'accord tanteraka aminao aho hoe: izay no inoana sy azo rombasana.
( izay dia tsy asiako olana koa !!!)

Izany anefa tsy midika velively fa mahasitrana ilay izy.
Ny androbe dia aretina tokony hatolotra ny specialiste ( neurolog).
Ny antony mantsy dia mety ho cancer ( tsy misy ody gasy mahasitrana cancer ! !!!). Ka raha lany andro any @ ananonanona any, mety ho maty mihitsy aza, nefa ilay izy azo tsaboana tsara izao.( izay no mampalahelo ahy indraindray, matimaty foana ny gasy sasany).
90. ikaretsaka ( 25/11/2009 15:44)
ka raha tsary mahita neurologue izy any @ ze toerana misy azy any fa tain'omby sy ravinkazo sy zavatra magnetika vokatry ny filaharan-boanjavatra maro (izay tsy mbola maitrise sy azo sokajiana ao @ le hoe mistery, satria tsy nisy formule, tsy nisy raiki-tsoratra nitazonana azy ) na placebo vokatry ny finoana sy herintsainy... no nahasasitrana ny androbe ny
de ahoana?
91. ravonjison ( 25/11/2009 16:12)
ikaretsaka:

ka raha tsary mahita neurologue izy any @ ze toerana misy azy any fa tain'omby sy ravinkazo sy zavatra magnetika vokatry ny filaharan-boanjavatra maro (izay tsy mbola maitrise sy azo sokajiana ao @ le hoe mistery, satria tsy nisy formule, tsy nisy raiki-tsoratra nitazonana azy ) na placebo vokatry ny finoana sy herintsainy... no nahasasitrana ny androbe ny
de ahoana?



Raha toa ka sitrana izy dia tsara dia tsara , izay moa no tadiavina.
Izay any @ dezaka any izany dia tsy misy azo atao aminy ( ny fanjakana no tompon' andraikitra @ izany ). Fa ny sasany efa atý andafy , mbola ody gasy foana no ao antsainy.
Tena lasa lavitra be lay ady hevitra.
92. ikaretsaka ( 25/11/2009 16:41)
ka ny tsy azoko ange ravonjison hoe nga ny fankanesana any an-dafy midika hoe adinoy ny zao sy zao mahagasy anao na hoe raha lasa ambanivolo lavitra any ravazaha dia adinony ny fomban'andafiny?
rehefa cas ohatran'itony de ze mahasoa sy mahahavotra aina no kendrena!
93. ravonjison ( 25/11/2009 18:15)
ikaretsaka:

ka ny tsy azoko ange ravonjison hoe nga ny fankanesana any an-dafy midika hoe adinoy ny zao sy zao mahagasy anao na hoe raha lasa ambanivolo lavitra any ravazaha dia adinony ny fomban\'andafiny?
rehefa cas ohatran\'itony de ze mahasoa sy mahahavotra aina no kendrena!


Mitohy indray ny adihevitra Ika a.
Eto dia misy hadisoana kely ny fahazoanao mikasika ilay medecine. Nandany andro aho nanazava ilay izy atsy ambony atsy, lava loatra angamba ilay izy :

1- ny medecine scientifique izay hezahina @ izao fotoana izao dia universelle.
Donc tsy miankina @ hoe iza no manao azy. Miezaka manao an\' io daholo na vazaha , na avy any Inde, na avy any Japon , na gasy , na vahaza, ta avy any ambanivolo , na avy any andrenivohitra. Mahazo manao an\'io koa ny mpamosavy , ny mpisikidy sns...Saria io no hita sy ananana porofo fa mamaha ny olana ara-pitsaboana.
Ny fanaovana ny medecine scientifique izany dia midika hoe manary ny mahagasy na mahasinoa ny olona iray. Zavatra universelle io.

Tsy azo atao ny milaza hoe : ny fanaovana medecine scientifique dia fakána fomba vazaha( tsy fomba vazaha velively io ) , ary ny fitazonana ny ody gasy dia fitazonana ny maha gasy .
Diso tanteraka izay fomba fijery izay. Io filazana ny identité gasy miankina @ ody gasy io dia fomba fijery tranainy .

Io medecine io dia midika fotsiny hoe: izay zavatra ampiasaina dia tsy maintsy voaporofo mialoha fa mandaitra, fa raha tsy izany dia mampijaly olona fotsiny ( ny aina dia sarobidy) ary manjary araraotin\' ny mpisoloky isankarazany.

2- ny hoe any an-dafy dia tsy midika velively fa manary ny mahagasy , fa kosa midika fa afaka manokatra maso sy mijery ny manodoidina, ary mahita ohatra concret mikasika izany . Noho izany afaka miala mora @ ilay fomba fisainana hoe : ny aretina dia hery maizina sy fanahy ratsy, na mosavy no mahatonga azy, izay mbola hita tokoa @ fomba fisainana malagasy.

( Miala tsiny @ ireo izay tsy mbola tany andafy , fa matoa izahay miady hevitra eto dia ny fampandrosoana an\' ny Dago no jerena).
94. milamm ( 26/11/2009 13:19)
tsy averiko tsony ngamba ravonjy fa ny fitsaboana rehetra de manana ny lafy tsara sy ratsiny araky ny fiovany vanimpotoana de anjarany ts1/1 no mampiasa zay mahasoa azy,betsaka aza reo hafa tsy ho voatanisa eto any ambadiky ny tontolo ary(consciousness)oh. psychic healing,aura sns...izay mifandray tendro @ fisiany hery tsy hita maso miasa tsy ho voazavany lalanany siansa ary manana izany dolidoly ny firenena rehetra izay antsoiny oe maha-izy azy ara-kolotsaina avy any @ tany niaviany
-resaka fivoarana @ tontolo iainana sy rafimpisainana,sivilizasiona sy kolotsaina no mahasamy hafa azy ireny samy manana ny hajany,fahaizana mampifanaraka ireny fitsaboana sy fahalalana araky ny manodidina azy,tsy hitsahatra hitombo ny fahaiza-manao sy ny fikarohana nefa niainga t@ reo fahalalana niampita teo aloha,ny tandrefana oh.de siansa,na ireo fomba nentimpaharazana,sy ireo fanomezampahasoavany ts1/1 hanasoa ny hafa...siansa no nentiny nanazavana ireny,ry Aristotle zay biolojia no taranja anisany notrandrahany de efa nino ny fisiany ireo voalazako ireo(hylomorphism)izay hevitra novelominy Descartes taonjato 17 t@ revolisiona siantifika tato aoriana.Ny tiko lazaina,samy manana ny anjara birikiny ireny @ fanasitranana ka ampiasaina daholo raha mahasoa fa tsisy atao latsa-danja satria na manana credibility tahaka an\'in aza ny siansa tsy tapitr\'ohatra mahavita ny rehetra2,mbola ao reo fanasitranana taloha tsy voasolony,ary mino aho fa tsy ny baiboly no handrara izany hoe asandevoly

95. ikaretsaka ( 26/11/2009 14:01)
Mitohy indray ny adihevitra Ika a.
Eto dia misy hadisoana kely ny fahazoanao mikasika ilay medecine. Nandany andro aho nanazava ilay izy atsy ambony atsy, lava loatra angamba ilay izy :

ie, lava loatra nefa toa misangodingodina fotriny koa, io le lazaiko hoe tonga de avantano de ze tiana lazaina no aoka ho lazaina...

ny medecine scientifique izay hezahina @ izao fotoana izao dia universelle
.
tsy misy manda an'io nge e.. fa ny tiana lazaina de hoe le "universelle" voafehy nge mbola vitsy lavitra noho ireo tsy mbola voafehy e.. na hoe (indramiko ny filazan-drakaroka) hoe mbola misy "bbboobaka bbeee" mbola tsy voafehin'io tanteraka
-> tsy voatery hoe fiable io ary fijery borne tahaka ny borne rehetra ny mametra hoe io ihany

Io medecine io dia midika fotsiny hoe: izay zavatra ampiasaina dia tsy maintsy voaporofo mialoha fa mandaitra,
:wink:
ahoana ny nanaporofoana azy "mialoha" hoe "nandaitra"?
tsy maintsy nila cobaye aloha, de nila niainga fijery skeptic, na fijery te hanandrana koa nanao heo tsy mahasitrana izany io na hoe andraso aloha jerena raha mety tokoa.. kanjo nahasitrana de notohizana..
->tsy misy hafa @ ilay 1 kianinao ihany le izy au fonds ...

ka ampiasaina daholo raha mahasoa fa tsisy atao latsa-danja satria na manana credibility tahaka an'in aza ny siansa tsy tapitr'ohatra mahavita ny rehetra2

+1
96. milamm ( 26/11/2009 14:53)
voalaza
97. milamm ( 26/11/2009 16:14)
fanitsiana kely da'toa ravonjy,ny medicine dia fitsaboana manaraka ny toetr'andro zay manampy ireo efa nisy,fitaovana(scientific mechanism)hanatontoloina ny fikarohana @ izao fotoana,tsy universelle no filaza izy fa globalisation
98. ravonjison ( 26/11/2009 17:07)
milamm:

tsy averiko tsony ngamba ravonjy fa ny fitsaboana rehetra de manana ny lafy tsara sy ratsiny araky ny fiovany vanimpotoana de anjarany ts1/1 no mampiasa zay mahasoa azy,betsaka aza reo hafa tsy ho voatanisa eto any ambadiky ny tontolo ary(consciousness)oh. psychic healing,aura sns...izay mifandray tendro @ fisiany hery tsy hita maso miasa tsy ho voazavany lalanany siansa ary manana izany dolidoly ny firenena rehetra izay antsoiny oe maha-izy azy ara-kolotsaina avy any @ tany niaviany
-resaka fivoarana @ tontolo iainana sy rafimpisainana,sivilizasiona sy kolotsaina no mahasamy hafa azy ireny samy manana ny hajany,fahaizana mampifanaraka ireny fitsaboana sy fahalalana araky ny manodidina azy,tsy hitsahatra hitombo ny fahaiza-manao sy ny fikarohana nefa niainga t@ reo fahalalana niampita teo aloha,ny tandrefana oh.de siansa,na ireo fomba nentimpaharazana,sy ireo fanomezampahasoavany ts1/1 hanasoa ny hafa...siansa no nentiny nanazavana ireny,ry Aristotle zay biolojia no taranja anisany notrandrahany de efa nino ny fisiany ireo voalazako ireo(hylomorphism)izay hevitra novelominy Descartes taonjato 17 t@ revolisiona siantifika tato aoriana.Ny tiko lazaina,samy manana ny anjara birikiny ireny @ fanasitranana ka ampiasaina daholo raha mahasoa fa tsisy atao latsa-danja satria na manana credibility tahaka an\\\'in aza ny siansa tsy tapitr\\\'ohatra mahavita ny rehetra2,mbola ao reo fanasitranana taloha tsy voasolony,ary mino aho fa tsy ny baiboly no handrara izany hoe asandevoly





Salit Milamm . En general loatra ilay hevitra entinao ka tsy dia azo raisina, satria tsy mamaha olana velively. Ho ezahiko ihany anefa ny hamaly azy :

1- Ny siansa dia noentina hijerena, nanadihadiana, ny nanazavana ny lalána misy eo @ natiora. Voajanahary @ olombelona ny manao siansa. Manao siansa daholo na gasy , na vazaha , na sinoa , na japoney , na zazakely , na olon-dehibe...satria toetra voajanahary ny toetra te hahalala ny manodidina azy. Donc ny siansa tsy dogme, na fivavahana ampidiirna ao antsin\'ny olona, fa kosa toetra ananan\' ny tsirairay, samy manao izany daholo saingy @ niveau samihafa.

2- ny mahasamihafa azy dia ny sasany kinga saina ka lasa aloha, ny sasany indray mitavozovozo ka tara. Rehafa tara ny sasany @ izany fahaizana mijery sy mandinika ny manodidina azy izany, dia tsy manana fanazavana @ zavatra miseho @ natiora izy. Rehefa tsy manana fanazavana izy dia ataony hoe : hery miafina ilay izy !!!! Rehefa tara ny firenena iray @ izany fandihnihina ny manodidina azy izany , dia aoka hilaza fa tara ka hiezaka ny handinika bebe kokoa ny manodidina azy. Fa tsy hanao demagogie hoe : hery miafina io , fomba malagasy io, fombam-bazaha io sns....

3- Ny siansa tokoa dia tsy mahalala ny zavatra rehetra. Fa saingy misy zavatra efa fantatra mazava ny momba azy ka tsy tokony asiana ady hevitra be intsony .
Ohatra : - ny haromotana dia fantatra fa virus no mahatonga azy, ary serum sy vaccin no fanafodiny. Ka tsy tokony asiana ady hevitra be hoe , mosavin\'olona io ka tokony handeha any @ mpisikidy haka ody gasy.
- hatramin\'izao dia tsy fantatra na misy ny extraterestre na tsia. Donc lazaina fotsiny hoe tsy fantatra, fa tsy tokony hamoromporona izao finoana isankarazany, izay milaza fa extraterrestre no lehibeny ary hoavy izy ireo tsy ho ela haka vahoakany.

4- voalazanao fa samy manana ny anjara birikiny : jereo hoe firy ny esperance de vie-ny malagasy , ary firy ny esperance de vie ny frantsay ( noho ny fitsaboana efa lasa lavitra).
Ny ahy ilay fitsaboana mitondra anjarabiriky izay mahalava andro iainana ny ahy no tiako, fa tsy ilay mahafoy andro iainana toy ny ao Dago .
Amiko dia latsa-danja tokoa ny fitsaboana izay mbola mampiasa finoanoam-poana ( anisan\'izany ny ody gasy)

5- Psychic healing, misy kely azo raisina ihany ( voir placebo effect). Aura : tsy misy azo raisina. Ny aura dia tsy misy . Zavatra noforomoronona ao @ ezoterique izany, fa tsy misy akory, ary noho ny tsy fahampian\' ny fahaizana mamndinika ny manodidina eo @ olona no mampiparitaka azy.
99. ravonjison ( 26/11/2009 17:12)
milamm:

fanitsiana kely da'toa ravonjy,ny medicine dia fitsaboana manaraka ny toetr'andro zay manampy ireo efa nisy,fitaovana(scientific mechanism)hanatontoloina ny fikarohana @ izao fotoana,tsy universelle no filaza izy fa globalisation



Universelle io Milamm a , valable partout, manao an' io daholo, saingy arakaraka ny niveau ananany.
100. cutie ( 26/11/2009 17:36)
mahay miresaka be daholo nareo rehetra e :-d
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085