ody "gasy" hoe?

41. milamm ( 18/11/2009 17:28)
cutie a,I give up ko @ le vidaka :-D demo-ny kelimaso @ youtube manasitrana olona maro @ fanomezampahasoavana ananany izy io John Chang no anaran'i lery indoneziana budhist mo lery (Qi Gong no ampesainy @ zany)mazava oazy fa tsy kristiana,nefa manasoa ny mpiarabelona aminy(mahay mampirehitra afo @ tanampolo le kofa e,misy raha latera)tsetsatsetsa tsy aritra iny fa elana tsiny @ tompondresaka sy ny mpisera ;-)
42. cutie ( 18/11/2009 22:00)
too bad tsy nandeha le video :-D
43. milamm ( 18/11/2009 23:41)
cutie >mahaliana le izy saingy mety misy mahay mandefa an'izy eto e raha misahirana kely le ol nefa de iangaviana ho fahafahampon'i cutie,isaorana azy meloha efa eo ambony io le sopapa :lol:
ikaretsaka >misy marina mintsiny ny volazany zoky eto zany,talenta sy fahefana voajanahary ts1/1 de voninahitry le Nahary,natao ampiasaina fa nony tonga ny baiboly izay ny britanika no nandika azy @ teny malagasy voalohany de nifangaro sy nampangaina ireny fanomezampahasoavana sy fahalalana fahagola reny ho an'ny satana,nadika vilana aoka aloha hiavaka @ fanompoantsampy an(ny tendrombohitra 12 izay mifamatotra @ fomba nentimpaharazana sns...) matetika mo de tsy mazava ny antony izy ireny ho lazaina @ taranaka fa de lazaina oe fady sns...
44. ravonjison ( 19/11/2009 09:56)
LazaDaddy:

ravonjison:
Misy hevitra azo raisina tokoa itý voalazan\" i LazaDaddy itý.
Araka ilay ady hevitra tany aloha \" Mistery ny fiainanao ramalagasy \" dia nisy nitompo tena fa speciale tokoa ramalagasy. T@ iny no efa nolazaiko fa tsy nianagaran\" ny vintana izany ramalagasy ka mahay zavatra hafa noho ny rehetra. Noho izany tiako hamafisina fa ireny lazaina fa ody gasy ireny dia misy erantany tokoa fa tsy ao Dago irey ( Etazonia, Afrika, Eoropa, Australie sns.....) saingy hafa no hiantsoana azy.
Manarak\" izany , io dia miankina @ tenanao sy ny hevitrao ary ny fahalalanao no hiantsoanao azy : ny gasy sasany milaza fa ody gasy, ny mpino kristianina milaza satana, ny saasany indray milaza fa soloky sy famosaviana.
Amiko manokana aloha dia soloky sy famosaviana no azoko hiantsoana azy.

Mampalahelo anefa fa mbola misy milaza fa misy maha-tsara azy ihany io. Ireny olona ireny angamba mety ho voasoloky sy jamban\'ilay mosavy, na tratran\'ny fandrahonan\'ilay mpisoloky sy mpamosavy ka tsy sahy miala, na koa mety ho ilay misoloky sy mpamosavy mihitsy no miaro tena? Ahoana ny hevitrao Ravonjison?



Voalohany aloha dia tsy misy intsony ny mahatsara azy ireny. Faharoa dia fandrebirebena, soloky sy famosaviana ( herin\" ny satana koa moa ) avokoa izy ireo .Ireo hevitra roa ireo no tohanako hatrany .

Alohan\" izany anefa dia ho velebelariko tsotsotra ilay izy satria betsaka no manafangaro ilay izy ka mihevitra fa zavatra tsara ananan\" ny gasy izy io !!!!



TSIMPONA :



A la redécouverte de quelques éléments de la sorcellerie en Imerina (Madagascar)


Malanjaona Rakotomalala, Docteur en Anthropologie, Centre d’Etude et de Recherche sur l’Océan Indien Occidental, Institut National des Langues et Civilisations Orientales (CEROI-INALCO, Paris), malanjaona@yahoo.fr.


Date de mise en ligne : 28 septembre 2005


Résumé

La sorcellerie légitime les cultes sur les sanctuaires publics. Leurs techniques présentent une similitude structurale : l’une et l’autre manipulent le hasina (sacré). Leur fonction respective est ambivalente, car un tradithérapeute peut également ensorceler. Cependant, la conception populaire merina les met en opposition : la sorcellerie est pensée comme inscrite à la fois dans la ruralité et dans la notion de zone « côtière », comme si l’urbanisation l’avait refoulée. Toujours est-il que, bien que sorcellerie et culte « traditionnel » soient considérées comme des Å“uvres du démon par certains Chrétiens, ils sont censés étre des éléments de l’identité nationale, en opposition avec la civilisation occidentale.


Abstract

Sorcery legitimates « traditional » cults on public sanctuaries. Their techniques present a structural similarity : both of them manipulates the hasina (sacred). Their respective function is ambivalent : a traditherapist can bewitch too. However, the Merina popular conception sets an opposition between them : people think that sorcery is in keeping at the same time with rurality and « coastal » notion, as if urbanization had drawed it back. Anyhow, even if sorcery and « traditional » cult are considered as works of the Devil by some Christians, they are supposed to be elements of national identity, opposed to western civilization.



Fehiny fitsony io fa ho tohizako .

Ny sorcellerie ( famosaviana) sy contre-sorcellerie ( fanalána mosavy) dia pratique fanaon\" ny gasy taloha. Mifandray anefa izy roa ireo satria ny fisian\" ny famosaviana ( ataon\" ny mpamosavy = sorcier ) no nahatonga ny olona hitady fanafody @ izany ka nampisy ny fanalána mosavy ( ataon\"ny mpanala ody = tradithérapeute). Izy roa ireo anefa dia atao miaraka : ny mpamosavy dia sady mpanala mosavy ( ny sorcier dia sady tradithérapeute), noho izany tsy azo sahrahina ny famelabelarana azy ireo.
Ny famosaviana dia natao taloha t@ fotoana maizina ( mbola tsy nandroso)mba hanatsarana fiainana ( hamonoana ny adversaire, ahazoana tany, ahazoana olon-tiana, sns.....). Noho ny tsy fahampian\" ny fandrosoana anefa dia tsy maintsy nampiasa fahalalána empirique, ody ( fahalalána tsy nandalo teste fanaovana porofo), nampiasa finoana, nampiasa tahotra izy ireo @ izany.
Noho ny tsy fahampiamn\" ny fahalalána koa anefa no nahatonga ny olona nifidy ireo mpamosavy ihany mba hanalána ny mosavy , satria izy ireo ihany izany no mi-comprendre ny zavamisy.

Noho ny mpamosavy manafangaro element maromaro @ asa ataony ( fahalalána tsy voaporofo, ODY, tahotra, finoana, ) dia sarotra ny fandraisana ilay olana, ka rehefa misy tranga manokana hitadiavana vahaolana dia tsy maintsy mijery hoe iza @ ireo element ireo no tena miasa ao !

Hotoizana .....
45. ravonjison ( 19/11/2009 10:45)

Definiton:
Ny famosaviana dia fitadiavana tombotsoa @ alalan\" ny fanaovana zavatra ratsy ho an\" olona iray na maromaro, ary ireo olona hanaovana ratsy ireo dia tsy mahalala izany velively ( raha mahalala izany dieny mialoha ilay olona, dia tsy famosaviana izany)

Ny famosaviana dia mila fahaizana mampiasa : fahalálana empirique, finoana, tahotra, ODY ( fitaovana concrets : tapa-kazo, ravinkazo sns....)
Ny ody tsirairay dia samy manana ny fadiny, ka raha tsy mitandro ireo fady ilay mpanao ody ( = mpamosavy) dia mifototra aminy ilay od ( = zakanů ody).

Misy karazany telo ny ody ( charme ):
1- Ody mahery ( charme fort) sy ody ratsy ( charme mauvais) izay izay ampiasaina @ famosaviana ( ampiasain\" ny mpamosavy).
2- ny ody sady ampiasain\" ny mpamosavy no ampiasain\" mpanala ody (tradithérapeute)
3- ny ody fanasitranana : ampiasain\" ny mpanala ody. Satria izay zavatra rehetra niseho t@ ozany fotoana izany dia avy @ ody sy maizina daholo ( avy @ mpamosavy).


Tsara ho marihina fa na t@ androny faha-panjaka na fanjanahantany dia samy niezaka ireo mpitondra ny hanala ireo pratique ireo . Ny antony dia mazava:
- t@ andron\" ny faha-panjaka : miafinafina izy ireo ka mety misy mpikomy ao
- t@ andron\" ny fanjanahantany : izay rehetra ankoatry ny medicine oficielle dia resaka soloky daholo
- ny kristianina : indrindra ny Pantecotiste sy ny fifohazana ( moüvement du Reveil) dia nanohitra an\" io tokoa satria aminy ireny dia asan\" ny devoly daholo.

Classificatin ( sorsellerie = mosavy, mpamosavy ):
1- Ny vorika ( mpamorika) : izay famosaviana mifandray @ sakafo sy fihinanana ( vorika an-kanina , vorika an-tenda. sn...)
2-Hazary ( mpanazary): izay mifandray @ tany ( alohan\" ny hananganana trano, mba tsy ahazoan\" ny sasany ilay tany sns...)
3-Lalao ( mpilalao) : ampiasaina @ resaka fitiavana. Tsy mamono akory fa natao hampijaly ilay olona asina ody.
4- Tolaka ( mpanolaka) : mampiasa ny astrologie , ary tsy ilaina ny contact @ olona asiana ody.
5-Andahiny : hamonoana indrindra ny lehilahy. Ny fanafody ampiasain\" ny mpanala ody hanoherana an\" io dia ny \" ambaviny \" izay mampiasa ny zavatra sotroina antsoina hoe \" tambavy.

..............

@ izao fotoana izao dia mbola misy ihany ny mampiasa ireo satria misy foana ny toerana sy olona tsy mandroso.

Ny maharatsy azy io mantsy dia itý :

- tsy misy mihitsy tombotsoa azo avy aminy
- ny zavatra atao dia afenimpenina daholo
-ny mpanala ody ( =mpitsabo) dia sady miptsabo no mpamosavy, ilay fitsaboana anefa dia tsy ankinina @ porofo mazava toy ny medicine scientifique, fa afenimpenina ny afangaro @ hery miafina.Ny fitsaboana tsy miankina @ porofo mazava dia tsy azo ekena intsony. Satria tsy fantatra na mandaitra na tsia.

-ny fampijaliana olona sy famonoana olona miafnafina dia tsy azo ekena mihitsy. Raha misy olana eo @ roa tonta dia aoka ny fitsarana no hamaha ny olana.
- misy ny oloana ( antokon\" olona ) izay mampiasa io fomba io ho fitadiavambola satria misy ny olona azo adalaina , ary ny ilay izy moa miafinafina rahateo.

\" Raha misy olona milaza fa mahay mitsabo @ alalan\" ny ody dia aoka izy hitsabo \" paludisme \" satria io izao dia olana lehibe ( araka ny lazain\" ny sasany fa ny ody sasany dia tsara). Fa matoa izy tsy mahavita izany dia zavatra ratsy daholo no ao, ary satana tokoa ny mibahana ao.

Hatreo aloha......
46. ikaretsaka ( 19/11/2009 11:50)
Raha zohina tsara nen-dravonjison de mosavy sy ankasomparana no resahinao fa tsary hoe ody loatra
Na gasy io na vazaha..na voaporofo ara tsiansa na tsary...saingy rehefa mandripaka de mitovy aby ..rehefa manasoa sy mitsabo de mitovy aby...
Fa tsy hoe rehefa mampiasa an zao de tsizy fa rehefa zao de izy..
Ny vokany ijerevana azzy : mandripaka sa mamelona?
47. rzakarivola ( 19/11/2009 14:06)
[quote=ikaretsaka]

==> Izao no voasoratra : "Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.".


de ny tsy azoko eto ... maninona le hoe "ody gasy" no lazaina avy hatrany hoe "ratsy"
->izany ve no tsy tena mandainga sy "mamono ny tenany faharoa" ?
satria tonga de mangeja ny tenany sy ny fahalalany sy ny asa (iza no mahalala raha fanehoan'Atra ny voninahiny ao aminao le misiterin'ny "ody gasy" karaha ohatran'ny miracles rehetra ihany saingy gehjainao sy condamnenao avy hatrany...) sy ny talenta tokony ho developper-na ao aminy, tsy hivelatra?

==> Asa izay nilaza an'izany raha afaka hanazava ny heviny. Izaho manokana dia ny tenin'i Jesoa no tenin' Andriamanitra, Izy no tenin' Andriamanitra, ary izao no teniNy : "Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra".
Ny hoe : "iza no mahalala", izao no ambarany :
"Tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka, sy izay tian'ny Zanaka hanambarana azy"
48. rzakarivola ( 19/11/2009 14:18)
milamm:
...nefa manasoa ny mpiarabelona aminy(mahay mampirehitra afo @ tanampolo le kofa e,misy raha latera)tsetsatsetsa tsy aritra iny fa elana tsiny @ tompondresaka sy ny mpisera ;-)

==> Inona no atao hoe manasoa ny mpiara-belona aminy?
Nisy malagasy iray teto Madagasikara ambavahoanan'ny fahafatesana, ary voalazan'ny dokotera fa any Japon irery ihany no afaka hamonjena azy traitement spécial miaraka @ fanafody lafo vidy, kestion de vie ou de mort, vola 120 000 000 Ar no nilainy, ary nilainy ara-potoana izany.
Nisy mpiara-belona ankiroa teo anilany teo, ny iray nanana 120 Ar ary nanolotra, ny anakiray tsy nanana teo am-pelan-tanany, fa nanana tany @ banky, ary nanome chèque 120 000 000 Ar.
Iza amin'izy roa ireo no afaka hanasoa feno ilay nila famonjena ?

Ny fiainana eto an-tany tsy mihoatra ny 120 taona, fa ny fiainan'ny lanitra dia mandrakizay ... ka izay mamonjy ny nofo dia mamonjy zavatra haharitra 120 taona farafahabetsany, fa izay mamonjy ny fanahy, dia manasoa maharitra mandrakizay.

NB : 120 000 000 Ar dia afaka mahavidy izay zavatra voavidin'ny 120 Ar ----> Ny olona mamonjy ny fanahy dia afaka hitondra famonjen'ny nofo koa aza. Hoy ny Apostoly Paoly : "Izy izay tsy niaro ny zanaNy ho avotra noho ny fahotantsika, moa tsy homeny antsika maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?"
49. ikaretsaka ( 19/11/2009 14:47)
Hs be njay ny kpipetsopentson-drazaka.. taoko resak'ody no resaka fa tsy resabola...
Ze tiana ambara hoa tonga de tarognina fa aza manao fombana farizeo hoe ny hamaron'ny resaka no.....
Raha lava ny ahitra very ny kisoa moa raha lava ny tarogna very ny soa hoy ny fiteny any aminay
50. cutie ( 19/11/2009 14:53)
:-D :-D :-D :-D
51. cutie ( 19/11/2009 14:57)
tsy hitako mitsy alou ze olana refa manasoa ny mpiara-belona aminy le talenta ananany e. Efa fahasoavana aza zany ka in ndray, matoa ny sasany tsy nahazo fahasoavana manokana de ao raha zay :-D
52. milamm ( 19/11/2009 16:59)
mafinaritra ny hevitry razaka na dia tonga @ resaka bizna aza ny oh,resaka moralite sociale,spirituelle,economique,politique sns ihany no fototra ifaharany
ty resaka ty, bizna dolidoly ihany ny rehetra rehefa zohina.misy ny ozinina manamboatra fanafody iadiana @ aretina sy manao fikarohana hanatsarana ny fahasalamany rehetra,misy nefa ireo faritra tsy tongany izany fivoarana izany de ny fahalalana nampitainy reo teo alohany no itsaboany tena(ratsy v zany ???asa) toy izany ko ny karazampinoana marobe nipoitra hitsaboana sy hanatsarana ny tontolony fanahy,samy milaza izy ireny fa tsara daholo sy marina ,Ao reo zay miankina tanteraka @ fomba sy fanao nentimpaharazana zay nitezaina azy,ireo rehetra ireo nefa tsy tanteraka raha tsy misy olona hanaiky ampiasa izany,misy lafiratsy sy mahatsara azy daolyizy reo ary ny safidiny ts1/1 no ho lasa mpanjifa ary miaina ao anatiny izany rafimpisainany tontolo manodidina azy izany.Refa manohitohina ny tombotsoany 1 izay de oe ratsy,fahavalony izao na izao satria mpifaninana,io foana no heno matetika ka tsy manadihady tsara.Tsy mety azoko hatr@ zao oe nahoana ny tahotra izay faratampony @ fandementsaina no asesika lava ao anaty baiboly oe raha tsy izao de...io ambony io aza misy oe arehitra any @ afo sy solifara,fampitahorana zany re ol,b d b aza izy no voasoratra ao ka eto antany aza misy ny amnistie,any ankoatra lazaina fitiavana tsy manampetra/unconditional love nahoana no noforonina meloha ny toerana afobe ,mba lasa ihany ny saiko betsaka marina ny zv tsy azoko ka lazao ahy,za aloha de mpino an\'Andriamanitra 3 izay 1 nefa bobaka reo fanontaniana tsy mazava amiko
53. ravonjison ( 19/11/2009 18:34)
Tohiny...


La dualisme sorcier/traditherapéure:

Rehefa misy ny olona voa mosavy dia mandeha any @ mpanala mosavy.Ilay mpanala mosavy anefa dia manala ilay mosavy ary averiny any @ tompony ilay
mosavy.@ ilay fotoana izay dia mpamosavy koa ilay mpanala mosavy.

Eto dia tiako marihina fa ilay mpitsabo gasy ( mpanala mosavy) dia sady mpamosavy izy no mpitsabo gasy .Arakaraka ny tombotsoa azony directe fotsiny no hitondrany ny tenany.

Technique de sorcellerie et de traditherapeute :

1-Fahalala empirique : mampiasa fahalalana tokoa izy ireo saingy ( psychologie, medecine), saingy fahalalana efa tranainy sy tsy ampy .
2-Fanafody : ny marina kokoa dia fanafody ni filaza satria io no milaza ny zavamisy: mana-fody = mampiverina @ laony.Fanafody: fitaovana ho entina mampiverina ilay aretina ( ilay mosavy ) any @ tompony ( any @ ilay mpamosavy).
Ampasaina izay rehetra misy eo antoerana : tapa-kazo, ravinkazo, fatim-biby. poizina sns.....
Finoana: betsaka ny finoana ampiasaina ao .Ireto ny sasany:
- ny aretina rehetra dia fanahy ratsy sy hery maizina no nahatonga azy , ary olona no mampiditra izany ( @ alalan\" ny mpamosavy)
-ny famahy sasany anefa dia miharo : ohatra ny fanahin\" ny mpanjaka
-astrologie: ampiasaina indrindra @ fanaovana tolaka. Ny andro hanaovana ritoaly dia fidina araka ny astrologie, izay mifanohitra @ andro nahaterahan\" ilay olona ho asiana tolaka
- exorscisme/endorcisme: ny mpanala mosavy dia manao exorcisme ( manala ilay famahy ratsy ), ny mpamosavy indray dia mampiditra ilay fanahy ratsy ( endorcisme.

-ny tahotra: ny tahotra dia ampiasaina mba hampisy ny \" nocebo effect\" @ ilay olona amosaviana.Matetika koa anefa dia izy samy mpamosavy no mifandrahona.


Fanakianana :

-fahalalana : ny fahalalana @ izao mfotoana izao dia ezahina mba ho feno indrindra @ fitsaboaana. Ny ampiasain\" izy ireo anefa dia mbola fahalalana tranainy foana, ka matetika manao hadisoana izy ireo.
-fanafody : mifanaraka @ voalaza etsy ambony . Ny fanafody ampiasaina dia ilaina fantatra tsara araka ny dose sy ny effet secondaire. Izy ireo anefa rehefa misy tsy fahombiazana ( noho ilay fahalalana tsy ampy) dia mody ataony hoe : mahery loatra ilay ody ka tsy misy azo atao intsony: Izy ireo anefa tsy voasazy @ izany hadisoana izany.
Finoana:ny finoana toy ireo dia tsy azo ekena intsony @ izao fotoana izao satria efa mazava fa finoanoampoana : ny astrologi dia resaka fotsiny, ny aretina dia be dia be ny antony fa tsy fanahy ratsy velively, ny hoe ny fanahin\" ny mpanjak dia miaro , ny fanahin\" ny sasany kosa tsia dia tsy azo raisina.


Arak \" izany dia pratique efa tranainy iio ka tsy tokony atao intsony
Ny sasany moa milaza fa tokony havaozina.Raha havaozina anefa dia mazava ho azy fa rava tanteraka satria ny votoatiny dia mifanaraka @ fotoana t@ taonjato taloha , ny hevitra mikasika ny fitsaboana @ izao fotoana izao dia hafa mihitsy.
Tsy ho fongana velively anefa izy io raha mbola misy ireo olona mahao tombotsoa @ izy io: ireo mpanala ody (´=mpitsabo) izay manana toerana eo @ fiarahamonina, ireo izay misoloky mba ahazo vola noho ny aretin\" ny sasany ( milaza fa mahay ody gasy , kamefa tsy mahay akory fa maka vola fotsiny), ny mpinompino foana.

Ny azo atao dia ny manala azy ireo mifanaraka @ technique ampiasainy:
- fahalalana : resena @ fahalalana moderme
-ny fanafody : resena @ alalan\" ny medecine scientifique moderne, famatsarana ny fitsaboana ho an\" ny olona.
- ny fonoanoampoana: resena @ finoana an\" Andriamanitra sy Jesosy Kristy.
ny tahotra : resena @ alalan\" ny firaisankina sns....

54. ravonjison ( 19/11/2009 18:40)
ikaretsaka:

Raha zohina tsara nen-dravonjison de mosavy sy ankasomparana no resahinao fa tsary hoe ody loatra
Na gasy io na vazaha..na voaporofo ara tsiansa na tsary...saingy rehefa mandripaka de mitovy aby ..rehefa manasoa sy mitsabo de mitovy aby...
Fa tsy hoe rehefa mampiasa an zao de tsizy fa rehefa zao de izy..
Ny vokany ijerevana azzy : mandripaka sa mamelona?



Mazava izany ry Ika . @ contexte , ny oda gasy dia natao hitsaboana, ny aretina matsy taloha dia noheverina fa avy @ fanahy ratsy ( mosavy) sy nataon" olona.
Izay indrindra no tsy mampety azy , satria ny aretiana dia efa hafa ny fahazoantsika azy @ izao fotoana izao.
55. milamm ( 19/11/2009 22:30)
ony oa ravonjy voalazanao teo fa

>

mety manana valiny v ravonjy @ ty fanotaniako ty

>

ka asa ra afaka manampy ahy,tsy tsikera ny baiboly fa misy hevitra mifanipaka mazava ao,betsaka ny pejy milaza reo fampitahorana voalaza ao zany,sa ny saiko no diso mihevitra fa tsy ho omby intsony ny toerana any andanitra de asina toerana mampatahotra ho any hafa, :-D ,mba lasa ihany ny saiko
56. rzakarivola ( 20/11/2009 08:51)
ravonjison:

Tohiny...
Ny azo atao dia ny manala azy ireo mifanaraka @ technique ampiasainy:
- fahalalana : resena @ fahalalana moderme
-ny fanafody : resena @ alalan\" ny medecine scientifique moderne, famatsarana ny fitsaboana ho an\" ny olona.
- ny fonoanoampoana: resena @ finoana an\" Andriamanitra sy Jesosy Kristy.
ny tahotra : resena @ alalan\" ny firaisankina sns....

==> Fa ngah ravonjison miady @ ody ratsy ? Ireto misy fanontaniana :
1- izay rehetra nanao ody ratsy ve dia azo antoka fa lasa any @ afobe daholo ?
2- Izay rehetra tsy mba nanao ody ratsy ve dia azo antoka fa mahazo fiainana mandrakizay daholo ?

Raha ny fahitako ireto solution an'i ravonjison ireto, soloina ody moderne ny ody fahiny ? Na ny finoana an' Andriamanitra sy Jesosy Kristy aza anie ankehitriny toa mitovy amin'ilay finoanoam-poana fahiny ihany e!
La face du monde change, la technologie progresse, mais le coeur de l'homme reste le méme ... à moins de naître de nouveau.

"Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'ny lanitra"
57. rzakarivola ( 20/11/2009 09:10)
milamm:
...Tsy mety azoko hatr@ zao oe nahoana ny tahotra izay faratampony @ fandementsaina no asesika lava ao anaty baiboly oe raha tsy izao de...io ambony io aza misy oe arehitra any @ afo sy solifara,fampitahorana zany re ol,b d b aza izy no voasoratra ao ka eto antany aza misy ny amnistie,any ankoatra lazaina fitiavana tsy manampetra/unconditional love nahoana no noforonina meloha ny toerana afobe ,mba lasa ihany ny saiko betsaka marina ny zv tsy azoko ka lazao ahy,za aloha de mpino an\'Andriamanitra 3 izay 1 nefa bobaka reo fanontaniana tsy mazava amiko

==> Marina tokoa fa na dia eto an-tany aza misy ny amnistie, ny grâce (royale ou présidentielle). Na eto an-tany aza, tsy ny olona tsy meloka no atao amnistie na omena grâce, fa izay meloka. Ary tsy nisy nilàna amnistie sy grâce raha tsy nisy loza mahazo ireo voaheloka ireo (ohatra figadrana, sazy miantona, sesin-tany, ... sns).
Na dia amin'ny zavatra faarny tsotra aza, ataoko fa tsy fampitahorana velively rehefa misy soratra eo @ rindrina iray hoe : "tsy azo anaovana maloto na anariana fako eto. Izay tratra mandoa dina 25000 fmg miampy daroka".

Ny afobe ambaran'ny Baiboly dia tsy fampitahorana velively, fa filazana zava-misy.

Ny tenin'i Jesoa kristy dia mampiseho zavatra roa :
1- Ny olombelona rehetra dia meloka, voaheloka ho any @ afobe.
2- Omen' Andriamanitra famotsoran-keloka izay miverina amiNy, ary ankoatra ny famon-tsorakeloka (fanafoanana ny sazy), ireo dia homena casier judiciaire vaovao (purification, résurrection).

Hoy ilay rahalahy ao @ Jesoa Kristy anakiray izay : "Si Dieu met tant de peine pour nous dire nos maladies, c'est qu'IL veut nous guérir" ...
Ny afobe miandry ny mpanota dia réalité, vérité.
Ny maha mpanota ny taranak'i Adama rehetra, dia réalité, vérité.
Tsy hoe rehefa tsy inoana izany dia tsy marina ... Fa raha izany, mahazo mangalatra ny olona dia mino fotsiny hoe "tsy hisy hisambotra ahy eo" dia tsy misy misambotra.
Anontanio anie ilay tovolahy kely anakiray tratra nangaro-paosy dia voadaroky ny enti-po sy ny mpanararaotra e! Na ataovy hoe : "raha nino ianao fa tsy ho hita, dia tsy hita".
Izay rehetra te hahazo ny famotsoran-keloka, dia mila mandalo amin'ny fiaikena izy aloha fa voaheloky ny fitsaran' Andriamanitra tokoa, ary afobe no miandry azy. Tsy misy fampitahorana izany fa rehefa misy jiro manazava ny ao am-ponao, dia hitanao mazava ny zava-drehetra. Ary ny tenin'i Jesoa Kristy no jiro manazava, fitaratra marina mampiseho ny tena maha izy ny olona.
58. rzakarivola ( 20/11/2009 09:28)
ikaretsaka:

Ny vokany ijerevana azzy : mandripaka sa mamelona?

==>
- Indray mandeha hono nisy lehilahy nivarotra masque à gaz t@ireo biby nonina tany anaty ala ... tsy nandeha ny biznan-drazoky, nihomehezan'ireo gidro sy ny tariny hoe "ataonay inona masque à gaz?" ... afaka volana vitsy, nanangana orinasa teo afovoan'ny Ala ranamana, sempotry ny setroka nivoaka ny ozinina ireo biby ka farany nanaiky ny hividy masques à gaz, sady nanontany hoe : "fa orinasa mpanao inona io ?", dia hoy ingahirainy hoe : "mpanao masques à gaz"
- Henoko, asa raha marina, fa eo @ sehatry ny informatique, dia misy karazan'olona telo no mpamokatra virus :
*** Ireo mpamokatra anti-virus mba hampandeha ny tsenany.
*** Ireo te hiseho fa mahay mba hokaramaina lafo.
*** Ireo orinasa sasany te higafy ny vokatra ataon'ny sasany tsy ho lafo. (Voalaza ohatra fa ny OS LInux tsy dia mba ahitana virus izany fa ny windows be virus be ... ary pub ho an'ny OS Linux hoe tsy dia afaka ataken'ny virus).
Tsy fantatro ireo raha marina na tsia, fa ny tenin'i Jesoa kosa dia fantatro fa marina :
"Ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatramin'ny voalohany".
Ny lainga dia mosavin'ny fanahy. Tsy ny ahafantarana ny lainga (ody, mosavy, poizina) akory no tanjona, fa aoka ny marina no hiseho, ary izay rehetra manohitra ny marina dia lainga avokoa.
Ary i Jesoa Kristy no fahamarinana, ka ny tenin'i Jesoa Kristy no marina :
1- "Fa amin'ny andro izay hihinananao ny voankazo voarara, dia ho faty tokoa ianao" ...> Izay nilaza fa "tsy ho faty tsy akory ianareo raha mihinana amin'io" dia manohitra ny tenin'i Jesoa.
2- "Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra" ...> Izay milaza fa "tsy Andriamanitra irery izany no tsara", dia manohitra ny tenin'i Jesoa
3- "Aza matahotra izay mamono ny nofo kanefa tsy mahay manao na inona na inona mihoatra ..." ...> misy koa ny manohitra izany, publicité isan-karazany mihitsy : SIDA, PALU, DIABETE, ....
4- "Fa iray ihany no atahory : dia Andriamanitra, izay, rehefa avy namono ny nofo, manam-pahefana hanary any amin'ny helo" ...> Izay rehetra milaza fa tsy tokony hatahorana Andriamanitra dia manohitra ny tnein'i Jesoa. Izay mino an'i Jesoa, aoka hitandrina @ fitaka, rehefa niteny i Jesoa hoe "craindre", dia "craindre" izay no izy, fa tsy hoe "respecter" fotsiny.

Mba tsy hilazan'Ikaretsaka fa HS dia iverenako kely ny ody gasy ... Ao @ ireo tenin'i Jesoa no hahitanao hoe ratsy sa tsia izany. Kanefa, Misy ody anakiray faran'izay dangereux ... danger éternel ka ny tena mpanasoa dia izay mitondra fanafana ho an'ny olona amin'izany ody (mosavy, poizina). Ny lainga no ody loza indrindra, io no poizina mahavery ny fanahin'ny olona, ary ny Devoly no mpanapoizina ... Kanefa izao no nisehoan'ny Zanak' Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny Devoly. Ary izao no tenin'i Jesoa : "Ireto no marika hamantarana izay mino, na misotro poizina aza izy, dia tsy haninona"
59. rzakarivola ( 20/11/2009 10:15)
ikaretsaka:

Hs be njay ny kpipetsopentson-drazaka.. taoko resak\'ody no resaka fa tsy resabola...
Ze tiana ambara hoa tonga de tarognina ...

==> Hoy ianao hoe : tsy rehefa ody dia ratsy, fa rehafa mamonjy olona dia tsara. Ny fanoharana nomeko dia nentiko ilazàna hoe, ny famonjena tapany dia tsy mahavonjy, fa ny tena famonjena dia ny famonjena manontolo, ahafahana mitsara marina hoe famonjena sa tsia.
Ny Famonjena feno, dia ny famonjena maharitra mandrakizay.
ikaretsaka:
...fa aza manao fombana farizeo hoe ny hamaron\'ny resaka no.....
Raha lava ny ahitra very ny kisoa moa raha lava ny tarogna very ny soa hoy ny fiteny any aminay

==> Tadidiko iny fanamarihana anakiray iny. Tsy haiko indrya ny Farizeo na lava resaka na tsia. Misy tenin\'i Jesoa nampianatra momba ny vavaka tahatahaka io teneninao io raha nanesorana sy nosamatsamahana :
\"5 Ary raha mivavaka hianareo, aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin\'ny sinagoga sy eny an-joron-dàlana, mba hahitan\'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. 6 Fa hianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin\'ny efi-tranonao, ka rahefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin\'ny Rainao izay ao amin\'ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin\'ny mangingina no hamaly anao. 7 Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan\'ny teniny no hihainoana azy.\" [Matio 6].
1 - Inona no atao hoe mivavaka ? Mitoriteny ve sa maneho hevitra sa mitondra fampianarana sa miresaka ?
2- Izay manao teny lava rehetra ve dia tsy izy daholo (araka ny tenin\'i Jesoa) ?
Ekeko fa izaho matetika lava fanazavana hevitra anakiray izay voafehy ao anaty fehezan-teny tokana, lava satria izaho maniry fatratra mba hahazoan\'izay mamaky ny hevitra, ka mampiasa fanoharana maro araka izay azo atao.
Fa aleo aho hangina, fa aleo i Jesoa no hiteny
60. ravonjison ( 20/11/2009 11:48)
rzakarivola:

ravonjison:

Tohiny...
Ny azo atao dia ny manala azy ireo mifanaraka @ technique ampiasainy:
- fahalalana : resena @ fahalalana moderme
-ny fanafody : resena @ alalan\\\" ny medecine scientifique moderne, famatsarana ny fitsaboana ho an\\\" ny olona.
- ny fonoanoampoana: resena @ finoana an\\\" Andriamanitra sy Jesosy Kristy.
ny tahotra : resena @ alalan\\\" ny firaisankina sns....

==> Fa ngah ravonjison miady @ ody ratsy ? Ireto misy fanontaniana :
1- izay rehetra nanao ody ratsy ve dia azo antoka fa lasa any @ afobe daholo ?
2- Izay rehetra tsy mba nanao ody ratsy ve dia azo antoka fa mahazo fiainana mandrakizay daholo ?

Raha ny fahitako ireto solution an\'i ravonjison ireto, soloina ody moderne ny ody fahiny ? Na ny finoana an\' Andriamanitra sy Jesosy Kristy aza anie ankehitriny toa mitovy amin\'ilay finoanoam-poana fahiny ihany e!
La face du monde change, la technologie progresse, mais le coeur de l\'homme reste le méme ... à moins de naître de nouveau.

\"Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan\'ny lanitra\"



Alohan\' ny hamaliako ny fanontanianao dia hiverenako, ho fintiniko ilay \" raison fondamentale \" @ ilay resaka \"ody gasy \" satria ilaina mazava:

1- ny ody gasy ( fanafody fagsy ) dia amipasaina hitsaboana( hanasitranana), hanesorana ny fanahy ratsy , hanoherana ny herin\' ny maizna etsy andaniny.
Natao koa anefa hamosaviana etsy ankilany
2- ny aretina sy ny zava-dratsy rehetra dia noheverina fa asan\'ny fanahy ratsy sy herin\' ny maizina daholo, ary ny mpamosavy no mpadefa na mpanelanelana izany. Noho izany ny ody gasy no azo hanoherana ny famosaviana.
3- ny ody gasy izany dia sady azo anaovana zavatra tsara ( eto izy dia ampiasain\' ny mpanala mosavy= traditherapetue=mpitsabo gasy sns...hanoherana ny herin \' ny maizina sy aretina), ary azo anaovana zavatra ratsy ( eto izy dia ampiasain\'ny mpamosavy hamosaviana sy hampijaliana olona)
4- Ny mpitsabo gasy sy mpamosavy anefa dia iray ihany satria samy mampiasa ireo technique ilaina @ izany ( voalazako etsy ambony).Ny olona iray indraindray izy manala mosavy , indraindray izy mamosavy, arakaraka ny tombotsoa harahina sy ny zava-misy eo@ fiarahamonina no anaovany izany( io ilay dualisme !!!!!!!)

Mikasika ilay fanontanianao:
-Raha ny critrere kristianina no arahina dia mandeha ny @ afobe izany ny mpilalao ody gasy satria mamono olona ( ny mampijaly koa dia azo lazaina fa mamono ihany).
- raha ny mikasika ilay \" solution indray dia tiako marihina fa ny eto eoropa dia nadalo io periode io koa , ka ny vahaolana nampiasaina dia ireo voalazko ireo , ary resy tokoa ireny pratique tranainy ireny. Misy ihany aloha ny miseho @ endriny vaovao, fa vitsy.
Ny votoatiny mihitsy no miova hoa azy:
- ny fanafody @ izao fotoana izao dia fantatra @ antsipirihany ny momba azy fa tsy fantampantatra fotsiny. Ary izay te hahalala dia afaka maka information. Tsy izay anefa ny zava-misy @ ilay resaka ody gasy.
- ny finoana an\'Andriamanitra sy jesosy kristy dia tsy mitovy @ finoanoampoana fahiny velively.
Ny finoana ampiasaina manodidina ny ody gasy dia azo azera sy lavina avy hatrany satria tsy mifototra @ fahamarinana ( voalazako etsy ambony reo finoana ao)
Ny finoana kristianina kosa dia mifototra @ fahamarinana : Jesosy dia maty tokoa ary nitsangana. Io dia zava-misy tsy azo toherina na lavina. Efa natao daholo izay etude rehetra fa eeee, nitsangana tokoa Jesosy, ary izay no vato fototry ny finoana kristianina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1102