ody "gasy" hoe?

21. fahamarinana ( 15/11/2009 19:50)
:arrow: LazaD : misaotra namaly e! Isan'ny sambatra tokoa ise raha izay ! :) (l)
22. cutie ( 15/11/2009 20:54)
18. Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 15-11-2009 20:02:04
Lohateny : Re : ody "gasy" hoe?
Tonga dia miavaka avy hatrany fa tsy mahafehy tena sy tsy mahalanjalanja ny teny avaokany eto ireo voatohitohina amin'ity resaka ity

misy raha la terre :-D
23. ravonjison ( 16/11/2009 08:51)
LazaDaddy:

aza manaiky rebirebena amin'ny fiantsoana hoe ody "gasy" ianareo. Tsy ody "gasy" ny anaran'ireny fa "ody sy mosavin'i Satana", ary feno an'ireny na any Afrika na any Etazonia, na any Eraopa na any Azia na aiza na aiza. Tsy ny "gasy" no tompon'ireny karazan'ody ireny fa i Satana.

ahirato ny maso!



Misy hevitra azo raisina tokoa itý voalazan" i LazaDaddy itý.
Araka ilay ady hevitra tany aloha " Mistery ny fiainanao ramalagasy " dia nisy nitompo tena fa speciale tokoa ramalagasy. T@ iny no efa nolazaiko fa tsy nianagaran" ny vintana izany ramalagasy ka mahay zavatra hafa noho ny rehetra. Noho izany tiako hamafisina fa ireny lazaina fa ody gasy ireny dia misy erantany tokoa fa tsy ao Dago irey ( Etazonia, Afrika, Eoropa, Australie sns.....) saingy hafa no hiantsoana azy.
Manarak" izany , io dia miankina @ tenanao sy ny hevitrao ary ny fahalalanao no hiantsoanao azy : ny gasy sasany milaza fa ody gasy, ny mpino kristianina milaza satana, ny saasany indray milaza fa soloky sy famosaviana.
Amiko manokana aloha dia soloky sy famosaviana no azoko hiantsoana azy.
24. hery ( 16/11/2009 09:22)
Mila avahina tsara ilay hoe "ody gasy".

Ny ody gasy rehetra dia tsy manao ratsy avokoa. Misy manasitrana (toa ny ody vazaha ihany koa) ary misy tena mamono mamosavy.

Raha ny ody mamono sy manakorontana dia inoako fa avy amin'ny ratsy (na satàna io na tsia)... fa ny ody manasitrana, mampilamin-tsaina, mampihavana amin'Andriamanitra kosa dia tsy ho possible hoe avy amin'ny ratsy.

Tadidio va maro be koa ny zavatra (sy famantarana) omen'Andriamanitra antsika hahalalàna ny sitrapony sy hanehoany ny fitiavany... ary ny ankamaroan'izy ireny dia tsy hita sy tsy fantatsika na odiantsika tsy fantatra.
25. Djhamhal ( 16/11/2009 09:37)
ody gasy ! ody = fanefitra na sakana @ zavatra iray na mamerina na fiaro ! oh: ody moka ( fiaro @ moka ) ! ody am-bavafo (gouter ) hoy isika ! ody tazo ( fanafody mùiaro @ tazo ) sns ka tsy itako miitsy zay zavatra ratsy @ reo ! fa ny tena mikarantsana ao antsofitsika dia maheno le we GASY ! Fa maninona ????? ra ny vorika sy ody fitia sy ny tolaka dia ny mpamosavy no mpanao an'reny fa tsy ny fanafody malagasy !!!!
26. LazaDaddy ( 16/11/2009 10:30)
ravonjison:
Misy hevitra azo raisina tokoa itý voalazan" i LazaDaddy itý.
Araka ilay ady hevitra tany aloha " Mistery ny fiainanao ramalagasy " dia nisy nitompo tena fa speciale tokoa ramalagasy. T@ iny no efa nolazaiko fa tsy nianagaran" ny vintana izany ramalagasy ka mahay zavatra hafa noho ny rehetra. Noho izany tiako hamafisina fa ireny lazaina fa ody gasy ireny dia misy erantany tokoa fa tsy ao Dago irey ( Etazonia, Afrika, Eoropa, Australie sns.....) saingy hafa no hiantsoana azy.
Manarak" izany , io dia miankina @ tenanao sy ny hevitrao ary ny fahalalanao no hiantsoanao azy : ny gasy sasany milaza fa ody gasy, ny mpino kristianina milaza satana, ny saasany indray milaza fa soloky sy famosaviana.
Amiko manokana aloha dia soloky sy famosaviana no azoko hiantsoana azy.

Mampalahelo anefa fa mbola misy milaza fa misy maha-tsara azy ihany io. Ireny olona ireny angamba mety ho voasoloky sy jamban'ilay mosavy, na tratran'ny fandrahonan'ilay mpisoloky sy mpamosavy ka tsy sahy miala, na koa mety ho ilay misoloky sy mpamosavy mihitsy no miaro tena? Ahoana ny hevitrao Ravonjison?
27. LazaDaddy ( 16/11/2009 10:37)
tywa68:
Lazadaddy : Ka ny inoanao tsy voatery inoan'ny hafa anie :wink:
tsy finoana na sanatria tomban-kevitra ny ahy io fa filazana zava-misy (fait réel)


28. ikaretsaka ( 16/11/2009 11:15)
Tsy hoe faits reels loatra le izy eto fa karazan'ny conclusion tsisy arguments..
Karaha hoe ratsy rakoto..de tsisy lilil manazava ny hoe fa maninona no ratsy rakoto fa amboletra be fotsiny hoe hitan 'ilay olona rakoto (faits reels hono) de misy raha tsy azony momban drakoto na tsy fantany (possible koa hoe odiany fanina le cote tsaran-drakoto) ny tena hoe rakoto aminy de tsaraina hoe... ratsy izy
29. rzakarivola ( 16/11/2009 11:58)
LazaDaddy:

fahamarinana> ny tiako ambara @ ilay hoe tsy azony kitikitihina dia hoe "tsy manam-pahefana" amiko izy

Hoy i Jaona hoe: Anaka, hianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao"

==> Hoy i Jesoa : "Fa hataon'ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon'ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? Dia vao handroba ny ao an-tranony izy." [Matio 12:29].
Ny vatan'ny olona dia trano itoeran'ny fanahiny, raha fanahy ratsy no mankao anatiny ka mandroba ny herin-tsainy sy herim-pony sy ny raisonnement-ny rehetra, dia iny fanahy iny izany mahery noho izy.
Raha ny fanahin'i Kristy kosa no tonga ao amin'ny olona iray dia afaka handroaka ny fanahy ratsy ao anatiny izany, ary araha ny fanahin'i Kristy no mitoetra ao amin'ny olona iray dia tsy hisy fanahy hafa aafka handroba azy.
30. LazaDaddy ( 16/11/2009 12:01)
rzakarivola> misaotra :)
31. rzakarivola ( 16/11/2009 13:15)
fahamarinana:

:arrow: LazaD : misaotra namaly e! Isan\'ny sambatra tokoa ise raha izay ! :) (l)

==> Hoy i Jesoa : \"Kanefa aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.\". [Lioka 10:20]
Ny fananana ny anarana voasoratra any an-danitra mbola tsara lavitra noho ny fananana hery handresena ody sy ny tariny.
32. xxx ( 16/11/2009 13:24)
na tsy miditra any am-bava aza ve ireny dia mandaitra ?
33. cutie ( 16/11/2009 15:26)
Mpandefa : Djhamhal [ Valio ] 16-11-2009 10:37:28
Lohateny : Re : ody "gasy" hoe?
ody gasy ! ody = fanefitra na sakana @ zavatra iray na mamerina na fiaro ! oh: ody moka ( fiaro @ moka ) ! ody am-bavafo (gouter ) hoy isika ! ody tazo ( fanafody mùiaro @ tazo ) sns ka tsy itako miitsy zay zavatra ratsy @ reo ! fa ny tena mikarantsana ao antsofitsika dia maheno le we GASY ! Fa maninona ????? ra ny vorika sy ody fitia sy ny tolaka dia ny mpamosavy no mpanao an'reny fa tsy ny fanafody malagasy !!!!

miampy 1 :)
34. rzakarivola ( 17/11/2009 07:31)
hery:

Mila avahina tsara ilay hoe \"ody gasy\".

Ny ody gasy rehetra dia tsy manao ratsy avokoa. Misy manasitrana (toa ny ody vazaha ihany koa) ary misy tena mamono mamosavy.

Raha ny ody mamono sy manakorontana dia inoako fa avy amin\'ny ratsy (na satàna io na tsia)... fa ny ody manasitrana, mampilamin-tsaina, mampihavana amin\'Andriamanitra kosa dia tsy ho possible hoe avy amin\'ny ratsy.

==> Izao no voasoratra : \"Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin\'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.\".
Mety ho fanontaniana dia hoe : hatraiza no faritana hoe ratsy na tsara ny ody ?
Etymologiquement, ny ody hono dia ratsy, fa ny fanafody no fanafana @ ody.
Ny ody natao amonoana fa ny fanafody (na fanafana) dia natao hitsaboana izay azon\'ody.
Raha adika teny hafa, ny ody dia mosavy sy poizina, ary ny Malagasy dia nilaza hoe \"aleo mifanena amin\'ny mpamosavy toy izay mifanena amin\'ny mpandainga\".
Jesoa Kristy niteny hoe : \"Ny devoly dia mpandainga sady rain\'ny lainga. Tsy misy marina ao aminy, ary raha miteny izy dia izay avy ao anatiny no ambarany (dia lainga). Izy dia mpamono olona hatramin\'ny voalohany\".
Ny hoe ratsy sa tsara, dia izao no tenin\'i Jesoa : \"Tsy misy tsara afa-tsy ray ihany, dia Andriamanitra\".

hery:
Tadidio va maro be koa ny zavatra (sy famantarana) omen\'Andriamanitra antsika hahalalàna ny sitrapony sy hanehoany ny fitiavany... ary ny ankamaroan\'izy ireny dia tsy hita sy tsy fantatsika na odiantsika tsy fantatra.

==> Marina izany, hain\' Andriamanitra no maneho amin\'tsika ny sitrapoNy amin\'ny fomba fitenintsika (langue maternelle), ary izao no tenin\'i Jesoa : \"Fa ny sitrapon\'ny Raiko, dia mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy, ary izaho hanangana azy amin\'ny andro farany.\" [Joany 6:40].
Izany no ilazako hoe marina ny tenin\'i Hery.
35. milamm ( 18/11/2009 01:27)
salama dolidoly e,le " ody " no malalaka be, olana tsy ekeny lazadaddy eto oe voarara ny baiboly hevi-teny efa nambarany dhjamal tetsy aloha na vazaha io na gasy mitovy(tadidio fa na sekta tsy miankina aminy kristianisma de mampiasa reny fomba fahagola reny na de efa eo aza ny teknolojia/witchcraft izay misy aty ivelany manasoa ny mpiarabelona aminy @ reo zay manana fahasoavana voajanahary sy talenta)
fanefitra,fiaro ary ampiako oe fanasitranana(raha diso fampiasa na @ tsy tokony ho izy de lasa poizina ho an'ny hafa,mosavy no anarany izay midika fa ratsy),noho ny siansa tandrefana mo de nampivoatra izany haingana @ zao taonjato izao(biolojia sns...)izay tsy natsoina oe ody intsony fa fanafody noho ny fivoarany vanimpotoana,tsy norarany baiboly zany mbola misy nefa reo fomba nentindrazana sasany izay tsy nilaozany toetrandro azo ampiasaina satria mbola mahasoa ny ts1/1 sy ny fiarahamonina(izay ataony hafa bambaray ho sampy aza satria manohitohina ny fivavahany...)misy zv nahavariana ahy ty isintomako ny sainy reo tsy mijery lavitra ny fahefana voajanahary sy talenta ananany zanak'olmbel hanasoa ny ny mpiarabelona aminy,ao reo itsara avy atrany fa ody(kelimaso) iohttp://www.youtube.com/watch?v=77nD5xmL0kU
36. ikaretsaka ( 18/11/2009 13:41)
==> Izao no voasoratra : "Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.".


de ny tsy azoko eto ... maninona le hoe "ody gasy" no lazaina avy hatrany hoe "ratsy"
->izany ve no tsy tena mandainga sy "mamono ny tenany faharoa" ?
satria tonga de mangeja ny tenany sy ny fahalalany sy ny asa (iza no mahalala raha fanehoan'Atra ny voninahiny ao aminao le misiterin'ny "ody gasy" karaha ohatran'ny miracles rehetra ihany saingy gehjainao sy condamnenao avy hatrany...) sy ny talenta tokony ho developper-na ao aminy, tsy hivelatra?
37. cutie ( 18/11/2009 14:44)
za mba gaga :wink:
38. ikaretsaka ( 18/11/2009 15:01)
izay no mampalahelo ahy sy tsy azoko @ le "freako fanatics".. ny fivavahana sy finoana ange tsy fangejana sy famonoanao ny -tena fa famelanao ny tenanao ho fiasan"Atra e
39. cutie ( 18/11/2009 15:08)
eisy e
I give up efa ela :-D
40. milamm ( 18/11/2009 17:16)
azafady manapadresaka tsy nisokatra le vidaka tetsy aloha fahttp://www.youtube.com/watch?v=77nD5xmL0kU
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.978