Ny tena fahotana dia ny tsy fizarà na ny Hazavana
61. ikaretsaka
(
21/10/2009 14:59)
rzakarivola:
Tsy ny tenin' Atra ihany no mahavonjy fa Atra. Mihitsy ka..
==> Amiko manokana (ahy izay), ny Teny dia Fanahy, Andriamanitra dia Fanahy. Ny asa na ny boky na ny soratra na ny nofo, na ny zavatra rehetra dia maneho sy manambara ny Teny, fa tsy ireny no Teny.
Amiko, i Jesoa Kristy tsy nofo, fa natao nofo, novonoina tamin'ny nofo fa natsangana tamin'ny Fanahy, koa tsy ny nofon'i Kristy izay efa nohombohona 2000 taona lasa no monina ety fa ny FanahiNy, dia ny TeniNy. Izy no Tenin' Andriamanitra velona.
"Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny."[Joany 1:1]
ka tsary nijanona teo @ toko 1 andininy 1 anie ry Razaka ny tantara fa nitohy lava beeee e
toa adinonao ba odianao dikaina tsotra izao fotsiny ny Joany toko faha 6 sy ny principen'ny eokaristia t@ alakamisy Masina sy ny Lamesa mandrak"ankehitriny!
Raha natao nofo izy -> IZA no nanao azy? ->IZY! io le hoe tsy misy tsy vitan'Atra (sa lasa tsy mahavita sy Atra indray izy eto)?
Mba apetrapetraho tsara moa ny tohan-kevitra sy ny lojika de vakio aby ny tantara fa tsary izay metimety sy azoazonao fotsiny e
62. bor2lais
(
22/10/2009 11:03)
Voalaza etsy ambony :
"Matoa izany mifandripaka toa izao ny mpiara-belona,tsy milamina ny firenena MALAGASY anefa 'reo eo hany ka samby niseho ho mpino an'Atra.
... dia "FOSIKA" be izany ny fifandraisan-drizareo @ Atra satria raha tia an'Atra tokoa 'zareo tokony ho hainy ny mifampitsimbina! "
-------
-> Ary Toriteny ange izany ataonao izany "Ra seri" an ! :D
HS Ra seri = Ra serisezy = Rakaroka : vazivazy ny ahy an ! Sô tezitsa eo ! :D

63. ikaretsaka
(
22/10/2009 11:13)
Izay nga ra bord vao kopy hoe "toriteny" ange no ataon drakaroka! Fa aminareo mo refa tsy 30 lignes sy tsy misy kitsimpona de ....
Ao tsy atao hoe toriteny aza fa misarika antsika izymba ho tonga saina @ fampatsiahivina ireo tranga isan'andro odiantsika fanina...
(Itovizanay iny saingy ny azy serieux fa ny ahy feno tsindrom-paingotra)

64. soanja
(
22/10/2009 12:52)
xxx:
Tsy mitsipaka velively ny fahazavana ao aminareo ka! Tenin\'Andriamanitra iray ihany no ampitaina dia canal fotsiny izay mampita, dia mba manaraka tsara sao dia diso izay nolazaina ka izany no hijerena ny Tenin\'Andriamanitra. Ny mitsipaka ny fisian\'ny fahotana no mampitanaka satria tsy anjely latsaka an-tany isika ka izany no hitandremana sao manamaizina ny hafa ny zavatra lazain\'ny tena milaza ho mpampita.
Ohatra raha milaza hoe : tsy misy ny fahotana fa raha toa ianao ka mifoka sigara dia tsy ianao no manota fa safidinao io. Dia manazava ilay olona ve aho amin\'izay? Tsia angamba.
Fa raha miteny hoe: voafatry ny sigara ianao ary ekena fa mpanota isika fa mandraisa ny Hazavana dia afaka amin\'io ianao. Dia ataoko fa mampita ianao amin\'izay. Raha tsy azony dia ampio ny fanazavana.
Ny fihevitro dia ny zavatra rehetra eto ambany masoandro dia efa voadinik'Andriamanitra avokoa ary matoa misy ny fisiany dia manana fandaharany Izy Andriamnaitra noho izany.
Tsy inoako velively ny hoe vao teraka ny zazakely menavava dia efa mipetaka aminy na miaraka aminy " ny Ota" . Tsia, hoy aho satria amiko ny zaza dia madio ary any aminy daholo ny hatsarana rehetra fa ny tontolo mandray azy no mety hisy tsininy amin'ny fanomezana azy ny tokony ho fanabeazana feno ilainy hanantontosany koa ny diany.
Iza moa no namorona ity atao hoe " fahotana" ity?
Ny fahotana tokoa dia tsy misy fa ny lalana aleha rehetra dia hisy ny marina, misy ny meloka ary misy mitsingevaheva..... Safidy ny hizotra amin'ireo lalana ireo ary mety tsy safidy noho ny amintsika. Isika no tonga eto an-tany dia tsy nanantsafidy fa tonga satria izay no nisy. Izay safidintsika no koa ho lalantsika na any ankoatra aza. Manana toerana isan-karazany Andriamanitra ao an-tranony. Samy manana ny andraikiny avy mifanaraka tamin'ireo safidy natao.
Ny meloka eo anatrehan'Andriamanitra dia heveriko fa tsy misy fa ny meloka kosa eo anatrehan'ny fiarahamonina sy ny momba anao dia misy satria nisy ianao mba hifandray amin'ny hafa ary hanatsara izany fifandraisana izany araka izay vitanao. Andriamanitra no Mpanjakan'izao rehetra izao, tsy ny tany irery fa ny rehetra misy sy ny tsy tazamaso. Ny fahazavana dia hitondra antsika mba ahita izany asa nomen'Andriamanitra izany antsika. Samy manana ny fahazavana ananany anefa ka tsy anjarako ny hitsara ny hafa, ny hazavana ananako kosa no fantatro sy refesiko isik'izay misy fifandraisana. Ny finoako anefa dia mitaky ahy lalandava hanazava ny hafa amin'ny alalan'ny hazavana eny aminy. Io no antsoina hoe Andriamanitra eo amperinasa.
Mazotoa!
65. fidinirina
(
22/10/2009 13:02)
Valin'ny 38
Jeremia 33.2 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
33.3 Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Jaona 22.13 (Hoy Ananiasy) Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
22.14 Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
22.15 fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra hianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
22.16 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
Eto aloha tsy misy manery an’iza an’iza fa averiko foana ny ahy hoe manitsy izay hevi-diso mbola any anantin’ny olona any no ataonay eto. Ahitsy @ izay voasoratra Marina ao anaty Baiboly ny olona mba tsy handika vilana na hanatsatso ny hevi-teny ka hitsikera isaky ny voambolana.
Io raha raisiko ohatra @ fiainana andavan’andro dia izao, ianao ve tsy mbola nahafantatra izay atao hoe «Mathématique» fa nahare fotsiny na nahita olona mianatra izany fotsiny dia ianao indray ve no hiseho hampianatra na hanakiana azy ireo nefa na boky Mathématique iray aza tsy anananao na tsy novakianao.
Efa nosaratanay teto foana koa ny hoe :
Ii Timoty 3.16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana , ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
3.17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
Ny zavatra soratanay eto dia fampianarana, fizarana, fijoroana vavolombelona ary indrindra fampihaonana ny olona mbola tsy mahafantatra ny tenin’Andriamanitra @ Jesoa Kristy (teny tonga nofo). Mivavaka koa izahay ho an’ireny olona ireny fa efa nifanena tamin’ny tenin’Andriamanitra izy ireo ary tsy maintsy miasa any anatin’ny tsirairay izay nandray ny teny izany.
Ny finoana koa dia avy amin’ny toriteny ary tsy miverina foana any amin’Andriamanitra ny teny raha tsy nahavita ny asany.
Kianina foana izahay hoe izany ve no mba kristianina? Ny fomba fisainana eto matetika koa manao hoe :izany kristianina izany, felahana ny takolany havia dia omeny koa ny havanana. Tena marina izany ary izany no mbola mampijoro sy tsy mampiato anay eto foana. Kristy Mpandresy ary Izy efa naharesy izao tontolo izao sy ilay ratsy. Tsy miaro ny tenanay izahay ary tsy mampaninona anay izay atao anay, fa na Kristy koa aza fahizay, notevatevaina, norororana, nampijaliana, novonoina raha niteny fa Izy dia Andriamanitra nefa dia tsy nisy tsy nahalala fa namonjy olona marobe Izy t@ fandalovany tety an-tany. Koa noho izany raha manohitra @ fihizingizinan’ny hevitran’ny sasany izahay dia tsy ho anay velively sanatria fa efa nataon’Andriamanitra hiaro azy sy ny teniny koa izahay ka tsy hoe izay te-hiteny ratsy ny anaran’Andriamanitra dia avela fotsiny eo.
Marobe nareo no sahy mijoro @ tsy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra sy mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra mihitsy. Mbola tsy foinay ho very anefa ianareo satria fantatray fa izay voasoratra tsy maintsy tanteraka ka tsy mikely aina izahay mananatra sy mitory ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjen’i Jesoa Kristy andro aman’alina.
Tadidio fa natao hanohitra ny fahavalo ihany koa ny kristianina fa tsy hanaiky fotsiny izay alefan’ilay ratsy.
Efesiana 6.11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
6.12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. (Gr, lanitra)
rakaroka:
Hono" ny sehon-njavatra iray ni-reporté-na fa tsy hita sy tsapa mivantana ka!, indrindra ity izy tsy 'tsapanao hoe "hazavana dans quel sens moa?..."
Tsy mitsilo, tsy mahazava, tsy mazava, tsy hitan'ny "tierce perso ety ivelany izay maha "hazavana fa dia natao ho anareo xtiana ihany 'zany ka "ampirimo any fa tsy "accessible" aty!"
Jeremia 33.2 Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
33.3 Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
Jaona 22.13 (Hoy Ananiasy) Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin'izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
22.14 Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
22.15 fa ho vavolombelony amin'ny olona rehetra hianao ny amin'izay efa hitanao sy renao.
22.16 Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa hianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao.
rakaroka:
Fa ilay "fitorianareo ve natao ho an'izay efa namaky baiboly? Ary raha samby hafa ny fandraisana sy fahitana ny teny nefa "asesikareo hino ny "fihevitrareo ny hafa? Mety ve izany?
Eto aloha tsy misy manery an’iza an’iza fa averiko foana ny ahy hoe manitsy izay hevi-diso mbola any anantin’ny olona any no ataonay eto. Ahitsy @ izay voasoratra Marina ao anaty Baiboly ny olona mba tsy handika vilana na hanatsatso ny hevi-teny ka hitsikera isaky ny voambolana.
Io raha raisiko ohatra @ fiainana andavan’andro dia izao, ianao ve tsy mbola nahafantatra izay atao hoe «Mathématique» fa nahare fotsiny na nahita olona mianatra izany fotsiny dia ianao indray ve no hiseho hampianatra na hanakiana azy ireo nefa na boky Mathématique iray aza tsy anananao na tsy novakianao.
Efa nosaratanay teto foana koa ny hoe :
Ii Timoty 3.16 Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana , ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
3.17 mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
Ny zavatra soratanay eto dia fampianarana, fizarana, fijoroana vavolombelona ary indrindra fampihaonana ny olona mbola tsy mahafantatra ny tenin’Andriamanitra @ Jesoa Kristy (teny tonga nofo). Mivavaka koa izahay ho an’ireny olona ireny fa efa nifanena tamin’ny tenin’Andriamanitra izy ireo ary tsy maintsy miasa any anatin’ny tsirairay izay nandray ny teny izany.
Ny finoana koa dia avy amin’ny toriteny ary tsy miverina foana any amin’Andriamanitra ny teny raha tsy nahavita ny asany.
Kianina foana izahay hoe izany ve no mba kristianina? Ny fomba fisainana eto matetika koa manao hoe :izany kristianina izany, felahana ny takolany havia dia omeny koa ny havanana. Tena marina izany ary izany no mbola mampijoro sy tsy mampiato anay eto foana. Kristy Mpandresy ary Izy efa naharesy izao tontolo izao sy ilay ratsy. Tsy miaro ny tenanay izahay ary tsy mampaninona anay izay atao anay, fa na Kristy koa aza fahizay, notevatevaina, norororana, nampijaliana, novonoina raha niteny fa Izy dia Andriamanitra nefa dia tsy nisy tsy nahalala fa namonjy olona marobe Izy t@ fandalovany tety an-tany. Koa noho izany raha manohitra @ fihizingizinan’ny hevitran’ny sasany izahay dia tsy ho anay velively sanatria fa efa nataon’Andriamanitra hiaro azy sy ny teniny koa izahay ka tsy hoe izay te-hiteny ratsy ny anaran’Andriamanitra dia avela fotsiny eo.
Marobe nareo no sahy mijoro @ tsy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra sy mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra mihitsy. Mbola tsy foinay ho very anefa ianareo satria fantatray fa izay voasoratra tsy maintsy tanteraka ka tsy mikely aina izahay mananatra sy mitory ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famonjen’i Jesoa Kristy andro aman’alina.
Tadidio fa natao hanohitra ny fahavalo ihany koa ny kristianina fa tsy hanaiky fotsiny izay alefan’ilay ratsy.
Efesiana 6.11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
6.12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra. (Gr, lanitra)
66. rakaroka
(
22/10/2009 16:13)
[quote=bor2lais]
Voalaza etsy ambony :
"Matoa izany mifandripaka toa izao ny mpiara-belona,tsy milamina ny firenena MALAGASY anefa 'reo eo hany ka samby niseho ho mpino an'Atra.
... dia "FOSIKA" be izany ny fifandraisan-drizareo @ Atra satria raha tia an'Atra tokoa 'zareo tokony ho hainy ny mifampitsimbina! "
-------
-> Ary Toriteny ange izany ataonao izany "Ra seri" an ! :D
Matematika no ataontsika koa . Ny resakao etsy @ 52 ihany anie no voiziko
Si [A] =>[B] donc ny opposé-ny non[A]=> non [B]
Ny fifankatiavan'ny olona dia taratry ny fitiavana an'Atra !
Ka raha tsy mifankatia izy "AZA MANANTENA fa ho hita taratra koa ilay "fitiavan'Atra" ? Voamafin'ny soratra joe "izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpinatro ianareo raha mifankatia. Rehefa tsy izany dia aza miseho ho mpianatra fa "fosika"

70. bor2lais
(
23/10/2009 09:20)
Si [A] =>[B] donc ny opposé-ny non[A]=> non [B]
no tiako tenenina etsy ambony io : marina ve io ?
Fin HS :D

72. rijadolly
(
23/10/2009 16:30)
rzakarivola ao @ 55:Misaotra Rzakarivola amin'ilay Fanazavana e!Izay nomena maimaipoana dia mizara maimaipoana marina,Misaotra fa marina ilay lohateny e!
==> Meloka ny rahalahiny satria nijangajanga, meloka izy satria tezitra. Izay no tenin'i Jesoa Kristy. Hazavaiko aminao kokoa hoe maninona no meloka izy na dia compréhensible aza ny fahatezerany.
Andriamanitra dia fitiavana, tompon'ny fahefana rehetra misy, ka tsy misy manana fahefana raha tsy nomen' Andriamanitra. Noho izany, ny fahatezerany na dia amin'ilay rahalahiny aza, satria io no hitany maso, dia indirectement amin' Andriamanitra, afaka hanaovana enquéte Andriamanitra hoe : nahoana no tsy narovanao ny vadiko mba tsy hijangajangany ? Rehefa atao ny fanadihadiana rehetra, Andriamanitra no mahatezitra tsy nampiasa ny heriny sy ny fiarovany.
Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny, na inona antony na inona, dia amin' Andriamanitra Tsitoha no iantefan'ny fahatezerany, ka moa ve tsy fitsarana an' Andriamanitra ho manaonao foana izany ?
Dia mitovy amin'ilay hoe "ny vehivavy nomenao ahy ...", "ny menarana (noforoninao) ...".
Fa ny ao amin'ny mazava, na iza nahatonga ny heloka nataony na iza, dia miaiky hoe : efa diso aho!
reality:Misaotra betsaka nanampy e!,misaotra tsy namihana ny soa azonareo fa nizara.
Misy ihany koa ny hoe "Tezera fa aza manota ", fa mila manana fandeferana sy fo mahay mamela heloka.
Ny hazavana hanana tsy dia voatery ho resahina na toriana etsy sy eroa fa hita taratra foana ny @ fomba fiainan'ny olona ao @ MAZAVA. Misy ny fotoana na hanazava tahaka ny ahoana aza ianao dia mahatsapa fa tsy takatrin'ny maro ny zava-panahy raha tsy izay olona maheno ny bitsikin'ny Fanahy ihany.
73. ikaretsaka
(
23/10/2009 16:42)
Ny hazavana hanana tsy dia voatery ho resahina na toriana etsy sy eroa fa hita taratra foana ny @ fomba fiainan'ny olona ao @ MAZAVA.
izay
74. rijadolly
(
23/10/2009 17:02)
tapan'ise kely ndray ilay tenin'olona,Hita mihitsy hoe tsy mahay mitsipona fa izay maha metimety an'ise ihany no raisina =)) =)) =)) =)), Way ty zaho dia manameloka an'ika nefa mety tsy voarahiny fotsiny ilay izy fa tsy dia nanana heritreritra hanapaka izy :oops: :oops:
Adinonin'ise ry se fa
Adinonin'ise ry se fa
Misy ny fotoana na hanazava tahaka ny ahoana aza ianao dia mahatsapa fa tsy takatrin'ny maro ny zava-panahy raha tsy izay olona maheno ny bitsikin'ny Fanahy ihany.
75. ikaretsaka
(
23/10/2009 17:30)
fanahy inioako notapahina teo mihitsy le izy satriaa fa ka na misy tohiny anie io r'ianona na tsisy... na bitsiky ny fanahy na tsizy ... rehefa mazava de mazava ary rehefa tsy ,mazava e...
ny tena hazavana manko tsary mifidy izany hoe ito (ze maheno bitsiky ny fanahy na ze tian'ianona iantsoana azy)
satria tsy ,misy mazava miangatra izany

76. ikaretsaka
(
23/10/2009 17:40)
raha tsorina znay de le notsimponiko @ le voalazany ekeko fa le tohiny notsimponinao tsy ekeko de io nazavaiko io ny antony
77. rakaroka
(
24/10/2009 17:19)
Samy manana ny hiheverany sy andraisany azy ny "hazavana" , size efa nataoko
teo aloha hoe "miompana bbbe @ "fananana "hôneteté d'ésprit" no isan'ny maha-tafa na tsia izany ao anaty "tontolo" .

79. xxx
(
26/10/2009 10:36)
Hoy rakaroka
"Samy manana ny hiheverany sy andraisany azy ny "hazavana" , size efa nataokoteo aloha hoe "miompana bbbe @ "fananana "hôneteté d'ésprit" no isan'ny maha-tafa na tsia izany ao anaty "tontolo" ."
Hoy kosa ika: "marina ny an-drakaroka".
tsy hita intsony ny marina ry ika raha marina ny an-drakaroka satria raha samy manana ny hazavana araka ny fiheverany avy dia tsy misy ny HAZAVANA fa voafono ao anatin'ny tsirairay izany. Rehefa hazavana dia hazavana. Ny mampitsilopy azy eo imason'ny tsirairay, na ao anatin'ny tsirairay, dia satria tsy mahafantatra ny tsirairay hoe, rehefa etsy aho dia hitako mazava tokoa IZY. Raha takona kosa aho ary manao solomaso mainty ohatra dia fantatro fa tsy hahita AZY araka ny tena izy. Hazavana anefa IZY. Toy ny miteny hoe samy manana ny fahitany ny masoandro no fijeriko ny zavatra lazain'i rakaroka eto. Ny masoandro anefa dia masoandro hatrany hatrizay ary mamelona ny planeta tany sy ny zavatra ao aminy izy.
Raha inaccessible no filazan-drakaroka azy etsy ambony dia inaccessible amin-drakaroka koa izany ny masoandro, na ny ampoule fotsiny ao an-tranony aza dia mety inaccessible aminy.
Hazavana zaraina ny an'ny Tompo ohatra dia lazaina fa inaccessible. Raha ETRE ianao tahaka ny Tompo dia accessible aminao ny hazavana omeny toy ny nahafahan'ny tsirairay nanana accès AMINY hatrizay 2000 taona nizaraNY izay.

80. cutie
(
26/10/2009 13:26)

miampy 1 :)