Ny tena fahotana dia ny tsy fizaràna ny Hazavana

1. xxx ( 17/10/2009 07:04)
Raha misy olona iray nahita hazavana ka tsy nizara dia hihamaizina izy satria hototofan'ny haizina manodidina azy.
Raha manana ny mazava isika ka tsy mizara fa manao ny tenantsika fotsiny hoe isika no voavonjy fa ny hafa dia tsy izy daholo dia manjary manao fahotana mahafaty isika satria mamono ny hazavantsika ihany fa tsy mampita azy hahazava izay maizina. Mikombona isika amin'izay fotoana izay.
Jesoa no ohatra, Izy no sahy niteny hoe "Izaho ny Fahazavan'izao tontolo izao" ary Izy no maniraka izay mpikambana ao Aminy hoe "ianareo mpianatro no fahazavan'izao tontolo izao". Tsy fitiavantena fa fitiavana ny hafa no nasehony.
Zavatra iray loha no tena hita fa mamery ny olona, dia ny fanaovana ny fomban'Andriamanitra entina hitadiavana laza ho an'ny tena irery ihany fa tsy hentina hozaraina amin'ny mpiara-belona satria matahotra sao hosongonany raha azony tsara izany Hazavan'Andriamanitra izany. Fialonana no mitarika amin'ny ota rehetra.

Ho an'ny mpitarika dia tokony ho mpampita hazavana izy fa tsy izy no mirehitra irery eo dia rehefa tsy mahazo ny mpanaraka azy fa manontany lava dia lazainy fotsiny hoe: misitery izany zanako.

Koa tsara raha mizara hatrany ry namana isany sady mba mifanitsy amin'ny fomba fibanjina marina fa raha tsy izany dia miara-mirona any amin'ny tsy izy isika mianakavy.
novalian'i soanja ny 01/11/2009 21:00
2. fidinirina ( 17/10/2009 12:04)
Hanampiako ny voalazanao fa tena ilaina tokoa ny mifampizara.

Matio 5.14 Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

5.15 Ary koa, tsy misy mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany.

5.16 Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

3. ikaretsaka ( 17/10/2009 12:24)
Ny hazavana dia samby manana ny Hazavana tandrifiny ny tsirairay, sy ny fomba fahazoany sy fidiran'io hazavana io ao amin'azy
f' indraindray koa tsarovy fa ny fiheveranao loatra hoe "mizara hazavana" dia mety manankona ny "anjara masoandro" sy fidirana hazavana io @ olona 1 ka mainka aza manimba anareo 2 tonta!

Misy anectode izay, Tantaran'i Md Ignace avy any Atiokia (Niara niasa t@ ndry Md Paoly sy ry Polycarpe izy io ho an'izay tsy mahalala) Hoe raha nanoratra ny taratasy ho an'i Polycarpe izy (Evekan'i Smmyrna i Polycarpe) dia @ alina izy no nanoratra ary miantehitra @ hazavan'ny volana sy ny jiro diloilo ... nisy ilay bibikely hoe luciole misy mirehitra fluo ireny ny vodiny nanatona tao..dia sorena i Ignace de nokopahiny ilay biby manalotsalotra azy ... may le biby fa nanatona ilay afon-jiro.
Avy eo hono nifankahita tao anaty nofy le biby sy Atra ary izy dia nitaraina t@ Atra hono le biby hoe mba nitondra fahazavana ho azy ahako ko nahoana no nodoranao? de ho'zy Atra hoe satria notakonanao ny hazavan'ilay Jiro ka mainka nanakona azy ka tsy tsininy izany!
4. fidinirina ( 17/10/2009 12:38)
Ny hazavana dia samby manana ny Hazavana tandrifiny ny tsirairay, sy ny fomba fahazoany sy fidiran'io hazavana io ao amin'azy

Tokana ny mazava dia Jesoa Kristy fa tsy misy hafa. Ampy mizara ho an'ny olona rehetra. Famaritanao samirery io voalazanao io fa tsy ny voasoratry ny tenin'Andriamanitra (Baiboly tokana).
5. ikaretsaka ( 17/10/2009 14:58)
Io le fijery tokana io no mahavoa anareo... karaha hoe ny masoandro ihany ny mazava de tsy rarahiana ny hazavan'ny jiro sy sy Ny volana ary ny zavatra mety hanazava rehetra. Sy ny fomba nahatongavan'ilay hazavana tany aminao.
Marina fa misy ny mazava kokoa na samy hazavana aza..fa zany tsy midika mihitsy hoe iny ihany sy iny fomba iny ihany no mazava sy manazava.
6. ni81 ( 17/10/2009 16:10)

raha fijery kristiana madio mangarangarana tsisy fangarony dia JESOSY irery ihany no fahazavana.
7. ikaretsaka ( 17/10/2009 18:11)
Fa ny FOMBA nidirana na hidiran le hazavana mankany @ nao dia tsy ny fombanareo ihany....
Ohatran'ny hoe tsy eo @ varavarankely andrefana ihany no voatery hiditra ny taramasoandro
8. LazaDaddy ( 17/10/2009 20:58)
xxx:
Ny tena fahotana dia ny tsy fizaràna ny Hazavana
=D>
ni81:
raha fijery kristiana madio mangarangarana tsisy fangarony dia JESOSY irery ihany no fahazavana
=D>
9. LazaDaddy ( 17/10/2009 21:00)
ni81:
raha fijery kristiana madio mangarangarana tsisy fangarony dia JESOSY irery ihany no fahazavana.
ny tena marina dia tsy fijery Kristianina io fa fijerin'i Jesosy. Izaymanohitra an'io dia manohitra Azy
10. rijadolly ( 18/10/2009 04:13)
Tsy anampy tsony aho fa feno tanteraka sy mazava amiko tsara
>>>> ika no valiako eto
Io le fijery tokana io no mahavoa anareo... karaha hoe ny masoandro ihany ny mazava de tsy rarahiana ny hazavan'ny jiro sy sy Ny volana ary ny zavatra mety hanazava rehetra. Sy ny fomba nahatongavan'ilay hazavana tany aminao.
Marina fa misy ny mazava kokoa na samy hazavana aza..fa zany tsy midika mihitsy hoe iny ihany sy iny fomba iny ihany no mazava sy manazava
Ika a! ika ô! io ry se dia marina tokotrany fa kosa tsy misy hazavana azo zaraina ireo FITAOVANA ireo raha tsy mahazo avy any amin'Ilay TOMPON' Hazavana a!Vakio tsara fa marina io lohateny io hoe: Ny tena fahotana dia ny tsy fizaràna ny Hazavanaary vakio tsara daholo ny lazain'olona rehetra ao fa izany mihitsy.Ny tsy zakan'ise izay vao azoko fa mila tononina ise hoe ika ko mizara Hazavana,hoy Rakaroka izay "="

11. ikaretsaka ( 18/10/2009 07:33)
Ika a! ika ô! io ry se dia marina tokotrany fa kosa tsy misy hazavana azo zaraina ireo FITAOVANA ireo raha tsy mahazo avy any amin'Ilay TOMPON' Hazavana a

Eo indrindra isika izao!
Misaotra an'ianona aloha nitondra ilay resaka "Fitaovana"
Fitaovana aby tokoa isika voarin'Atra: tsarymisy exception io fa nataohifampizara sy hifanasoa aby! (io le hoe "anjara lahasa volagninay sy ry soanja)
Fa ireo fitaovana ireo de koa de tsy hoe misy tsininy raha tsy tafazara ilay hazavana nomeny fa tsy hoe manota izany
Ohatra akaiky ny volana dia fitaovana tokony hizara hazavana fa kosa rehefa alina maizim-bolana tsary misy eo... Meloka ve izy ? no!
ny masoandro rehefa alina... ve meloka? no!
f'ilay "luciole" @ le anectode teo nampirehitra ny jirokely Fluo t@ vodiny no mainka aza voa mafy niapanga tena satria hazavana very maina no nozarainy teo ambody Jiro sy manelatselatra ilay olomasina mpanoratra
->de izay ny tiako ahatongavana sady mamaly an-dra xxx zahako hoe tsara fa sy voatery (on peut ..pas obligE) , fa ny mi obliger tena aza mainka manimba ilay plan-janahary! lasa mila raharaha ohatran-drainizafilemena
Azon'ianona?
12. rakaroka ( 18/10/2009 13:44)
Aoka "hazava" :idea: :idea: :idea: 8O 8O 8O Fa tsy tazana sady tsy
hita mitsilopy anie h@ izao ilay teny hoe"aoka hazava eo imason'ny olona ianareo" . Dia lazaivo koa wa fa 'reo olona no tsy lasa e :roll: :roll:
Samby hafa ny hoe i Jesoa no entinareo mitsilo sy ny hoe "Aoka hazava ianareo" aza miolakolaka!"
13. ikaretsaka ( 18/10/2009 14:37)
izay mihitsy rakaroka ilay izy a
ny "aoka hazava" sy ny "mizaraa hazavana"... misy manafangaro voraka
14. Hinagasy ( 19/10/2009 03:35)
Amiko ny fomba fizarana tsara indrindra (io ihany no mety raha amiko manokana) dia ny fizarana amin'ny alalan'ny fampisehoana ohatra tsara amin'ny fomba fiainana. Tsy tantaraina etsy sy eroa satria mety mahatonga fahasorenana ho an'izay tsy te hiaino na handeha hitety varavaran'olona hizara ilay hazvana fa hasehoy ohatra ny fiainanareo, ka lasa modely dia ny olona no mahita dia mangataka ilay hazavana any aminareo. Amin'ny izay amiko vao fahotana rehefa misy mangataka ka tsy omena.
Fa tsy hoe tsy mandeha mitory teny etsys y eroa aho dia fahotana izany!
15. bor2lais ( 19/10/2009 06:52)
Voalaza teo :
"Ny tena fahotana dia ny tsy fizaràna ny Hazavana"
--------
Ny fahazoako azy indray dia ny tohiny amiko no tena zava-dehibe : handray sa tsy handray ilay Hazavana zaraina ?

Ny mety olana angamba dia ny hoe : Fahazavana tokoa ve ilay zaraina sa tsia ?
Zavatra hafa indray izay ! :D
16. ikaretsaka ( 19/10/2009 12:33)
Hinagasy:

Amiko ny fomba fizarana tsara indrindra (io ihany no mety raha amiko manokana) dia ny fizarana amin'ny alalan'ny fampisehoana ohatra tsara amin'ny fomba fiainana. Tsy tantaraina etsy sy eroa satria mety mahatonga fahasorenana ho an'izay tsy te hiaino na handeha hitety varavaran'olona hizara ilay hazvana fa hasehoy ohatra ny fiainanareo, ka lasa modely dia ny olona no mahita dia mangataka ilay hazavana any aminareo. Amin'ny izay amiko vao fahotana rehefa misy mangataka ka tsy omena.
Fa tsy hoe tsy mandeha mitory teny etsys y eroa aho dia fahotana izany!

izay mihitsy
17. rzakarivola ( 19/10/2009 14:18)
Mahavariana ahy ny mamaky ilay resaka rehetra, tena marina ny tenin' Andiamanitra hoe : "Ny mamorona fikasana ao am-po no an'ny olona;
fa ny famalian'ny lela dia avy amin'Iaveh.
".
Izao koa no ambaran'i Jesoa Kristy hoe : "Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.".
Hoy ilay pasitera izay hoe : "ny teninao dia mifamatotra amin'ny tenanao".
Te hametraka fanamarihana amin'ny tenin'ny tsirairay aho, nefa sady miahotra, nefa na dia tsy hanoratra eto aza aho dia efa nosainiko ny fanamarihana ary fantatro fa izay itsaràko ny hafa no mba hitsarana ahy koa. Meloka aho @ teniko rehetra, fa ny tenin' Andriamanitra mahavonjy izay mino Azy, ary i Jesoa Kristy no Tenin' Andriamanitra velona.
18. xxx ( 19/10/2009 14:41)
Mihamanalavitra ilay Hazavana Tena Izy hatrany isika raha toa ka mijery Azy avy aty ivelany fa tsy mampiditra Azy ao anaty hahatonga antsika Hazava ary hohazavainy. Ny mahatakona na ny mahatonga ny Hazavana tsy ho tafita dia satria tsy authentique ny mpampita Azy fa manao omeko tsy omeko ohatra na mi-sous estimer ny olona hampitany azy ka mety milaza hoe tsy afaka ny hazava mihitsy io olona resahako io raha tsy izaho irery ihany no mampita izany aminy. Rehefa hitan'ny hafa isika hoe mahitsy sy marina eo amin'ny fampitana ny Hazavana dia mora manaraka ho azy ny hafa. Mila expériences betsaka koa ny fanamarinana ny hoe ny Mazava Marina no mitoetra ao amin'ny tena ka afaka manazava ny hafa amin'ny fandresen-dahatra tsotra fa tsy miolakolaka.
19. ikaretsaka ( 19/10/2009 15:34)
rzakarivola:

Mahavariana ahy ny mamaky ilay resaka rehetra, tena marina ny tenin' Andiamanitra hoe : "Ny mamorona fikasana ao am-po no an'ny olona;
fa ny famalian'ny lela dia avy amin'Iaveh.
".
Izao koa no ambaran'i Jesoa Kristy hoe : "Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.".
Hoy ilay pasitera izay hoe : "ny teninao dia mifamatotra amin'ny tenanao".
Te hametraka fanamarihana amin'ny tenin'ny tsirairay aho, nefa sady miahotra, nefa na dia tsy hanoratra eto aza aho dia efa nosainiko ny fanamarihana ary fantatro fa izay itsaràko ny hafa no mba hitsarana ahy koa. Meloka aho @ teniko rehetra, fa ny tenin' Andriamanitra mahavonjy izay mino Azy, ary i Jesoa Kristy no Tenin' Andriamanitra velona.

Tsy ny tenin' Atra ihany no mahavonjy fa Atra. Mihitsy ka..izay le hoe araka asa.
Ohatran'ny hoe raha marary ianao de tsy ny fahaizanao ny anaran' izao fanafody rehetra izao (t-simmpona) no hahasitrana anao fa ny fihinananao azy (le asa)
Tadidio fa efa tonga Nofo ny Teny..ary miara monina amintsika foana sy manodidina antsika..ary eo amintsika foana sy anatintsika... fa tsy ao anaty boky irery ihany intsony

20. niryna ( 19/10/2009 15:35)
bor2lais:

Voalaza teo :
"Ny tena fahotana dia ny tsy fizaràna ny Hazavana"
--------
Ny fahazoako azy indray dia ny tohiny amiko no tena zava-dehibe : handray sa tsy handray ilay Hazavana zaraina ?
:D
omena ny rehetra ny Teny ary dia anjaran'ny tsi11 no mandinika izany na fahamarinana na fahazavana avy amin'ilay Teny nampitondraina azy tokoa ilay izy.Tsara ho fantatra fa maro no ilaza hoe tompo ,tompo hoy kristy fa izay rehetra manao ny didiny no ankasitrahany.Mety ho tsara fiteny sy tsara lahatra ny teny omen'ny olona iray kanefa raha tsy mitory ny fahamarinana izy dia anjarantsika no mivavaka azy ireo fa mbola ao anatin'ny aizina tokoa izy ireo.Mampalahelo kanefa safidy io.

Ny mety olana angamba dia ny hoe : Fahazavana tokoa ve ilay zaraina sa tsia ?
Zavatra hafa indray izay ! :D
izay indrindra mantsy ,

ahoana no ahalalana fa tena fahazavana ilay izy? miverina amin'ilay teny nomena isika,mandalina an'ilay teny izay nozaraina ary manao fandalinana amin'izany.Raha hoy ny teny voasoratra hoe aza ny fahotanareo no manasaraka anareo amin'Atra ...ny dikany misy izany ny fahotana e? dia inona izany fahotana izany ? raha misy mizara anefa ka mandambolambo antsika milaza fa tsy misy ny fahotana dia samia mieritreritra,nanome ilay fahazavana tokoa ve ilay nizara?
izay mandray ny teny izay nomena dia ahafantatra koa ny olona izay tena mizara ilay teny na tsia
sa ahoana ?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1966