Ny tena fahotana dia ny tsy fizaràna ny Hazavana

101. xxx ( 30/10/2009 20:06)
Ny teny ao anaty baiboly dia soratr'olombelona fa tsy Andriamanitra. Tao ny nanala, tao ny nanampy tamin'io baiboly io. Tsy misy idiran'Andriamanitra izany. Politika aby raha ny fahitako azy!
:roll: :(
102. rakaroka ( 30/10/2009 21:27)
[quote=soanja]

Ny teny ao anaty baiboly dia soratr'olombelona fa tsy Andriamanitra. Tao ny nanala, tao ny nanampy tamin'io baiboly io. Tsy misy idiran'Andriamanitra izany. Politika aby raha ny fahitako azy!

Miombon-kevitra!




103. ikaretsaka ( 30/10/2009 22:34)

Ny teny ao anaty baiboly dia soratr'olombelona fa tsy Andriamanitra. Tao ny nanala, tao ny nanampy tamin'io baiboly io. Tsy misy idiran'Andriamanitra izany. Politika aby raha ny fahitako azy!

Marina tanteraka


104. xxx ( 31/10/2009 05:31)
Hoy i soanja eo ambony
MATOA MISY NY ZAVA-DREHETRA DIA SATRIA EFA VOAHEVITR'ANDRIAMANITRA IZANY. ANJARANTSIKA NY MAMPIASA AZY AM-PITIAVANA SY AMPIHEVERANA DIA HILAMINA NY TANY.

hoy indray i soanja eto ambany
Ny teny ao anaty baiboly dia soratr'olombelona fa tsy Andriamanitra. Tao ny nanala, tao ny nanampy tamin'io baiboly io. Tsy misy idiran'Andriamanitra izany. Politika aby raha ny fahitako azy!

Raha ireo teny ireo no heverina dia lasa jeu de mots ilay izy soanja . Tsy hita intsony ny marina satria izy milaza etsy ambony fa MISY NY ZAVA-DREHETRA (ao anatiny ny fahotana sy ny fahazavana sy ny maizina sy ny teny ao anaty Baiboly sy izay rehetra azo tononina) avy eo indray milaza isika hoe soratr'olombelona ny baiboly fa tsy misy idiran'Andriamanitra. Namorona ny tenany izany ny olombelona araka ny fahazoako ny teninao, dia nanoratra izy avy eo dia niteny tamin'ny tenany hoe misia ny Mazava dia ainsi de suite...fa tsy nampitenenina. Dia olombelona daholo no nanao izany rehetra izany fa tsy misy idiran'Andriamanitra. Mahagaga! Tapitr'ohatra raolombelona raha ny voasoratra dia avy aminy avokoa. Raha Filosofa na siantifika mizara ny fandinihany samirery ny zavatra rehetra dia mety ho marina ny teninao fa tsy misy idiran'Andriamanitra izany (na dia ireo mécanisme rehetra voaforoNY aza no anaovany fandinihana). Fa raha faminaniana kosa dia misy tierce personne ao fa tsy ny ati-doha be fotsiny akory.
Ny azo ambara fotsiny mba hampazava ny resaka dia tsara raha ekena ny filiation Andriamanitra-olombelona dia hazava avokoa ny teny voalazany amin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpanjaka Davida sy ny maro hafa nifandimby izay nankatoa Azy, sy izay nitady Azy fatratra, sy izay tsy nitady Azy nefa nisehoany (Tsy mpanao politika ireo fa mpitarika sy mpanilo mahay miara-dia amin'ny Tompony).
Ireo mpanota indray koa dia hita taratra hatrany amin'ny famafazana lainga, ny fanafenana ny Marina (izay efa mety ho hitany fa tsy tiany zaraina fa hanaovana politika dans le sens péjoratif). Miverina amin'ny sujet eto isika amin'izay fotoana izay hoe "manota ny tsy mizara ny Hazavana marina" fa manala na manampy ny Teny ao anaty Baiboly araka ny filazanao etsy ambony. Asakasany izany satria raha ra-olombelona ihany koa no nilaza hoe : "izay misy manala na manampy izay voalaza dia ho mafy ny saziny", dia mamato-tena izany izy dia naleony aloha nanala io teny io. Toy ny olona manao interprétation personnelle amin'izay maha-diavolana ny sainy ihany io. Rehefa mety amiko dia ekeko fa raha tsy mety amiko dia esoriko. Ahy ihany io koh! hoy ra-olombelona amin'izay.
Ankehitriny dia very fijoro isika olombelona raha tsy miverin-doha mitodika amin'ny Loharano nipoirana Izay tsy mitsahatra ny miteny amin'ireo izay manan-tsofina sy mahazo resaka mba tsy hahafaty ny HAZAVANY nozarainy tamin'ny voariny. Koa raha foanana ny teny hoe fahotana dia foana ho azy koa ny teny rehetra dia tsy misy intsony ny zavatra rehetra fa ny "teny" aza nofoanan-draolombelona, ka inona indray no ifampiresahana fa dia samy manao ny azy aby eo dia izay ataony eo ataony e! dia mibirioka hatrany izay mibirioka, manakorontana hatrany izay manakorontana, mandrindra hatrany izay mandrindra, miha-potika hatrany izay malemy saina dia compétition hatrany dia mifamono hatrany, nefa mahagaga fa mifampiresaka hatrany ireo ary misy hatrany ny "teny" fa tsy foana fa ny fampiasana azy no tsy am-piheverana noho ny ao anatin'ny tsirairay izay koboniny sy kolokoloiny samirery ao amin'ny maizina ao.
Izay no mba hifampizarantsika eto, ary misaotra anao koa aza soanja anisan'ny manatosaka izay nokoboninao tao aminao tao fa raha tsy izany dia tsy hita tokoa ny marina fa very amin'ny katesizy araka ny filazan'i ika azy.
105. bor2lais ( 31/10/2009 09:56)
xxx 103 > +1

Voalaza teo :
"Izay no mba hifampizarantsika eto, ary misaotra anao koa aza soanja anisan'ny manatosaka izay nokoboninao tao aminao tao fa raha tsy izany dia tsy hita tokoa ny marina fa very amin'ny katesizy araka ny filazan'i ika azy."


=D> =D>
106. ikaretsaka ( 31/10/2009 22:51)
Hoy i soanja eo ambony
MATOA MISY NY ZAVA-DREHETRA DIA SATRIA EFA VOAHEVITR'ANDRIAMANITRA IZANY. ANJARANTSIKA NY MAMPIASA AZY AM-PITIAVANA SY AMPIHEVERANA DIA HILAMINA NY TANY.

hoy indray i soanja eto ambany
Ny teny ao anaty baiboly dia soratr'olombelona fa tsy Andriamanitra. Tao ny nanala, tao ny nanampy tamin'io baiboly io. Tsy misy idiran'Andriamanitra izany. Politika aby raha ny fahitako azy


Zavatra 2 tsary mifandray sy tsy mitovy ange izany e!
Ny 1 momba ny eritreritr"Atra no nolazain'i soanja
ny 1 resaka baiboly no nolazainy

sa aminao baiboly=andriamanitra
107. ikaretsaka ( 31/10/2009 22:58)
ny tokony hazava aloha de hoe Atra de tsy Baiboly ary baiboly dia tsy andriamanitra..
fa matetika manko ny voanjo alika toa lasa manao hoe Atra=baiboly
108. soanja ( 01/11/2009 20:30)
xxx:

Hoy i soanja eo ambony
MATOA MISY NY ZAVA-DREHETRA DIA SATRIA EFA VOAHEVITR'ANDRIAMANITRA IZANY. ANJARANTSIKA NY MAMPIASA AZY AM-PITIAVANA SY AMPIHEVERANA DIA HILAMINA NY TANY.

hoy indray i soanja eto ambany
Ny teny ao anaty baiboly dia soratr'olombelona fa tsy Andriamanitra. Tao ny nanala, tao ny nanampy tamin'io baiboly io. Tsy misy idiran'Andriamanitra izany. Politika aby raha ny fahitako azy!

Raha ireo teny ireo no heverina dia lasa jeu de mots ilay izy soanja . Tsy hita intsony ny marina satria izy milaza etsy ambony fa MISY NY ZAVA-DREHETRA (ao anatiny ny fahotana sy ny fahazavana sy ny maizina sy ny teny ao anaty Baiboly sy izay rehetra azo tononina) avy eo indray milaza isika hoe soratr'olombelona ny baiboly fa tsy misy idiran'Andriamanitra.


Ka ny teny ao anaty biaboly ve no Andriamanitra aminao?

Ny zava-drehetra misy dia efa voahevitr'Andriamanitra avokoa hoy aho satria na ny fisian'i Baiboly na ny fisian'i Korana na ny nanoratana ny Torah dia samy nosoratan'olombelona avokoa. Isika olombelona anefa tsy tongalafatra. Ny hoe tsindry mandry dia na izaho zao aza dia mahazo tsindrimandry ihany kosa saingy tsy voatery ho avy amin'Andriamanitra izany fa avy amin'ny hevitra izay mitsimoka ato anatiko ary lasa mivelatra misy dikany amiko ary afaka hosoratako eto ho an'ny hafa. Ny tiana toriana dia politika avokoa fa ny finoana ao anatinao izay miasa ho amin'ny mahatsara sy mahasoa ny rehetra sy ny tenanao no Andriamanitra amperianasa. Afaka manoratra izay tiako soratana aho fa raha tsy mandaitra aminao izany dia tsy natao ho anao fa mety ho ahy irery ary mety ho an'ny hafa koa.

Ny finoana dia natao ho an'ny tena irery fa miara-miasa kosa na mihetsika ao anaty daholobe amin'ny fahasoavana.

Tadidio lalandava fa ny marina aminao tsy voatery ho marina amiko. Isika rehetra dia samy manana ny fifohazam-panahy mifanindrify aminy avy. Ka raha ny herin'ny fahotana no miasa eo anatrehanao dia inoako fa miasa aminao izany, fa amiko kosa dia ny hazavana no fototry ny fiainana sy ny finoana. Ny hazavana izay aparitakao ka mitsilo ny hafa no manome ny firedaredan'ny fitiavan'Andriamanitra eo amintsika. Tsy atao anaty tahotra io ary tsy natao ampitahorana. Ny mazava no mamono ny aizina. Ka raha mazava ianao dia hazava ny hafa satria tsilovinao miaraka amin'ny azy. Ny aizina dia naman'ny fiainana avokoa ary isan'ny ampiasana amin'ny andavanandro mba ahitana ny mazava. Tsy natao amboletra ny fizarana ny mazava fa raha mazava ianao dia hazava ho azy satria izay ilay fitiavana. Tsy misy idiran'ny hoe tsy maintsy na hoe ity ny tahotra atolotro anao ry havako fa mahaiza mizara! Tsy finoana izany fa amboletra.


109. soanja ( 01/11/2009 20:43)
xxx:

Namorona ny tenany izany ny olombelona araka ny fahazoako ny teninao, dia nanoratra izy avy eo dia niteny tamin'ny tenany hoe misia ny Mazava dia ainsi de suite...fa tsy nampitenenina. Dia olombelona daholo no nanao izany rehetra izany fa tsy misy idiran'Andriamanitra.


Tsy nisy fitenenana aloha avy amiko hoe ny olombelona no namorona ny tenany. Raha vonona ny handainga ianao dia tsy maninona akory fa tazomy ho hevitrao izany.

Ny olombelona dia manana an'Andriamanitra isanisany avy ao anatintsika. Isika no tempolin'Andriamanitra. Afaka manoratra isika ny hevintsika ary ny hevintsika dia avy amin'Andriamanitra eo amperinasa raha toa ka mitondra amin'ny mahasoa sy mahatsara ary ampitiavana ho an'ny tena sy ny rehetra misy. Ny fanalana sy fanampiana azy no nambarako hoe tsy misy idiran'Andriamanitra satria politikan'olombelona izany noho ny fitiavan-tenany te hanaparitaka ny heverina fa mety aminy ka tsy maintsy hety amin'ny hafa. Fa afaka manoratra aho ary mahalaza ilay Andriamanitra ato anatiko tokoa fa tsy ho voatery ho mahalaza ny finoanao izay finoako izay na dia iray aza ny hery mampitambatra antsika. Tsy natao hanampy na hanala izay voasoratry ny hafa aho ary Andriamanitra dia tsy manana tanana hanala na hanampy ny voalaza ao anaty boky sy ny hafa. Ny vitan'Andriamanitra kosa dia ny manome antsika hery mampivelatra sy mampiodina antsika amin'ireo zavamisy iainantsika.
110. soanja ( 01/11/2009 20:52)
xxx:

Toy ny olona manao interprétation personnelle amin'izay maha-diavolana ny sainy ihany io. Rehefa mety amiko dia ekeko fa raha tsy mety amiko dia esoriko. Ahy ihany io koh! hoy ra-olombelona amin'izay.


Ahitsiko ianao eto, tsy ny mahadiavolana ny sainy akory fa maha Diavolana ny FANAHINY. Isika dia samy manana izany fanahy izany ao anatintsika mitsilo antsika amin'izay atao rehetra. Ny asan'ny fanahy dia ampitiavana avokoa. Tsy manao amboletra velively fa raha izay no mitranga dia fitiavan-tena no misy fa tsy ilay fanahy no miasa.

Isika dia tsy voatery hanana fomba fijery na fifohazam-panahy mitovy amin'ny resaka finoana. Raha terenao ny olona hino ny inoanao dia hery maizina izany amiko. Ny mahiratra eo aminao dia tsy voatery mahiratra eo amin'ny hafa ary izay no nanamboaran'Andriamanitra antsika. Samihafa nefa mifameno.

Tsy manesotra ireo olona heverinao ireo satria izy tsy afaka manova izay voasoratra fa tsy mampiasa kosa ny zavatra tsy ilainy sy tsy miasa aminy. Raha mino ny satana ianao dia aoka hino ny satana. Ny momba ahy kosa dia tsy hino ny satana ary tsy nataon'Andriamanitra hino izany. Izay tsapako no hinoako. Izay no finoako.


111. cutie ( 01/11/2009 20:55)
Ny olombelona dia manana an'Andriamanitra isanisany avy ao anatintsika. Isika no tempolin'Andriamanitra. Afaka manoratra isika ny hevintsika ary ny hevintsika dia avy amin'Andriamanitra eo amperinasa raha toa ka mitondra amin'ny mahasoa sy mahatsara ary ampitiavana ho an'ny tena sy ny rehetra misy. Ny fanalana sy fanampiana azy no nambarako hoe tsy misy idiran'Andriamanitra satria politikan'olombelona izany noho ny fitiavan-tenany te hanaparitaka ny heverina fa mety aminy ka tsy maintsy hety amin'ny hafa. Fa afaka manoratra aho ary mahalaza ilay Andriamanitra ato anatiko tokoa fa tsy ho voatery ho mahalaza ny finoanao izay finoako izay na dia iray aza ny hery mampitambatra antsika. Tsy natao hanampy na hanala izay voasoratry ny hafa aho ary Andriamanitra dia tsy manana tanana hanala na hanampy ny voalaza ao anaty boky sy ny hafa. Ny vitan'Andriamanitra kosa dia ny manome antsika hery mampivelatra sy mampiodina antsika amin'ireo zavamisy iainantsika.

miampy 1 :)
112. soanja ( 01/11/2009 20:56)
xxx:

Ankehitriny dia very fijoro isika olombelona raha tsy miverin-doha mitodika amin'ny Loharano nipoirana Izay tsy mitsahatra ny miteny amin'ireo izay manan-tsofina sy mahazo resaka mba tsy hahafaty ny HAZAVANY nozarainy tamin'ny voariny. Koa raha foanana ny teny hoe fahotana dia foana ho azy koa ny teny rehetra dia tsy misy intsony ny zavatra rehetra fa ny "teny" aza nofoanan-draolombelona, ka inona indray no ifampiresahana fa dia samy manao ny azy aby eo dia izay ataony eo ataony e! dia mibirioka hatrany izay mibirioka, manakorontana hatrany izay manakorontana, mandrindra hatrany izay mandrindra, miha-potika hatrany izay malemy saina dia compétition hatrany dia mifamono hatrany, nefa mahagaga fa mifampiresaka hatrany ireo ary misy hatrany ny "teny" fa tsy foana fa ny fampiasana azy no tsy am-piheverana noho ny ao anatin'ny tsirairay izay koboniny sy kolokoloiny samirery ao amin'ny maizina ao.
Izay no mba hifampizarantsika eto, ary misaotra anao koa aza soanja anisan'ny manatosaka izay nokoboninao tao aminao tao fa raha tsy izany dia tsy hita tokoa ny marina fa very amin'ny katesizy araka ny filazan'i ika azy.



Eto dia hevitrao io fa tsy hevitr'Andriamanitra. Tsy misy mahalala izay hevitr'Andriamanitra fa ny finoana tsapantsika no resahintsika ho an'ny hafa sao mba afaka hitsilo azy ihany. Manaja ny hevitrao aho raha io no fahitanao ny zavamisy. Misy ny mitsimpona eto dia miasa aminy ny hazavana ary misy ny mitradraka manokana vao mahazo fahazavana. Tsy manahy izany. Aoka kosa tsy hitsara ny hafa noho izay ataony satria ny hazavana fantany mety tsy ilay havazana fantatrao.


113. soanja ( 01/11/2009 21:00)
xxx:

Izay no mba hifampizarantsika eto, ary misaotra anao koa aza soanja anisan'ny manatosaka izay nokoboninao tao aminao tao fa raha tsy izany dia tsy hita tokoa ny marina fa very amin'ny katesizy araka ny filazan'i ika azy.



Tsetsetra tsy aritro kely dia amiko raha hijoro vavolombelona aho dia hanao toy ny apostoly, dia ny hiseho eo imason'ny hafa ary tsy hisy tahotra ny momba ahy satria izay ilay hazavana. I Jesoa dia tsy niafina fa niseho lalandava teo anivon'ireo heveriny fa hamono azy aza. Ny hazavana dia ny tsy fisian'ny tahotra. Misaotra anao nanome ny hevitrao koa.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084