Ny tena fahotana dia ny tsy fizaràna ny Hazavana

41. rakaroka ( 20/10/2009 18:50)
[quote=rakapy]
Ny fahotana tena goavana amiko dia ny fitaritana olona hiino ny zavatra tsy fantatra.

Izay ilay "antsoin'ny vahiny hoe mi-enduire en "erreur"!" Izany hoe mitarika anjambany fotsiny @zavatra diso => dia lasa mivily any @ tsy izy ny "fiainana manontolo mihitsy! Graaaaavvvvvyyy e! ^:^ ^:^ ^:^ :? :? :x :? :?

Satria dia manome fitaka ny mpiara-belona izy ireny @ fampanantenana zavatra tsy mbola hitany ary tsy nahitany porofo mazava.

Izay mihitsy ka! 'rehefa atao ny "analyse" hoe "mbô hainy tsara moa ny zavatra dradradrainy io , dia milaza "marina" aho fa "manongo tena avokoa ny olona maro aty ivelany hoe " TSY MAITRISEN'ny xtiana" maro ny resaka resahiny! Ary mihivitra rizareo fa 'zareo irery no "nandalina mikasika izany Jesoa! Tsia dia tsia!" Tsy zoviana izany anie ny hafa! Fa aleony mangiana satria "dohika" ftsn no betsaka ary anefa ny "fahalalana sy fahatsapana ny momba azy dia sambihafa! Dia mikatona eo ny "rideau!"

42. soanja ( 20/10/2009 19:46)
ikaretsaka:

xxx:

Amiko indray dia tsy misy ny Fahotana fa dia ny hazavana hitanao sy tsapanao dia tokony hanoro anao ny lalan-kaleha. Misandrahaka ireo lalana sy hazavana ireo ary samy hitondra anao avokoa amin'ny toerana izay irin'ny saina sy ny fanahinao aleha
8O :(



mba afaka velabelarina lalindalina kokoa ve ny mampitanaka sy ny maha kivy an'i xxx @ io teny io raha tsy mahadiso?


Amin'ny mahaolombelona antsika dia tsy misy tonga dia feno avy ankibon-dreniny fa tsy maintsy mila mifandray amin'ny olombelona hafa isika sy ny natiora misy vao afaka hisokatra ny saina ary hiatrika fiainana. Mandritra izany rehetra izany dia miditra tsikelikely ny hazavana izay efa ao anatinao miandry firehetana. Koa raha misy mandrehitra izany dia hidonaka sy hanafana ny rehetra ny hazavana avy any aminao sy ny afo mitsilo anao. Raha tsia moa izany noho ny tsy fahampiana isan-karazany eto an-tany satria tsy lafatra isika dia tsy fahotana ho anao izany fa ny tsilo nitsilopy taminao no tsy ampy enerjia hampifandray ny hazavana efa any aminao sy ny misy anao.

Nomen'Andriamanitra zavatra iray sarobidy isika dia ny SAFIDY. Io no hitarika anao amin'izay lalana tianao haleha. Ny hazavana eny aminao dia mila ampifandraisinao amin'io safidy io mba hitondra anao amin'ny lalindalina kokoa hanao ny asan'ny fanahy. Raha toa moa ka nisafidy ianao fa tsy hanao izany dia anjaranao izany satria tsy vonona hiditra ao anaty hazavana manilo ny rehetra izany ny momba anao. Ny hazavana manilo ao aminao anefa dia mila lalandava hazavana avy amin'ny hafa koa ka izay no mampamiratra ny rehetra.

Matoa anefa tsy tody amin'izany ny zavamisy dia satria efa nisafidy ianao ary izay no takian'ny fanahinao ary mifandray amin'izay safidinao izay ihany koa ny dian'ilay fanahy. Ianao dia ianao ihany na eto na any ankoatra any. Misalotra vatana ianao eto fa ny any kosa dia tsy fanahy tanteraka.

Tsy misy ratsy na tsara fa dia fahazavana dia samy manana ny ampy azy sy mahamety azy ary izay irinao dia tody aminao tokoa.


43. soanja ( 20/10/2009 19:48)
Azafady Fanahy tanteraka ny any ankoatra fa diso ny soratro.
44. ikaretsaka ( 20/10/2009 20:23)
mazava ny an'i soanja ka... izay saika hitovizako fijery rahateo.. fa ilay i xxx toa mitanaka be @ le raha ambaranao no anontaniako hoe inona no mampitanaka anazy
45. soanja ( 21/10/2009 03:42)
ikaretsaka:

mazava ny an'i soanja ka... izay saika hitovizako fijery rahateo.. fa ilay i xxx toa mitanaka be @ le raha ambaranao no anontaniako hoe inona no mampitanaka anazy


Mino aho fa mitanaka izy satria mbola miaina tsy ao anaty hazavana manazava antsika. Izany anefa tsy anomezana tsiny azy satria izay aloha izany no afaka takian'ny fanahiny hatreo, ny hazavana hitany koa anefa ao anatin'ireo hazavana isankarazana misy dia tsy azoko lazaina fa hanimba azy.


46. xxx ( 21/10/2009 03:48)
Mampitanaka ny filazana hoe tsy "misy ny fahotana". Raha izay no izy dia ny fahamarinan'ny tena ihany no atao hoe fahamarinana ka voafefy izany fahamarinana izany araka izany. Ny mikatsaka Hazavana manodidina anao raha toa ka tena hitany fa manana Hazavana ianao nefa tsy mizara araka ny tokony ho izy dia voafatotry ny teny hoe: "Ry rahalahy, aza miseho ho mpampianatra be ihany ianareo fa fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny hitsarana anay mpampianatra"(Jak 3:1).
47. ikaretsaka ( 21/10/2009 03:51)
xxx:

Mampitanaka ny filazana hoe tsy "misy ny fahotana". Raha izay no izy dia ny fahamarinan'ny tena ihany no atao hoe fahamarinana ka voafefy izany fahamarinana izany araka izany. Ny mikatsaka Hazavana manodidina anao raha toa ka tena hitany fa manana Hazavana ianao nefa tsy mizara araka ny tokony ho izy dia voafatotry ny teny hoe: "Ry rahalahy, aza miseho ho mpampianatra be ihany ianareo fa fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny hitsarana anay mpampianatra"(Jak 3:1).


de rehefa lazainao fa misy aza, dia mba farito hoe inona no lazainao fa fahotana rehefa nohazavainay ny anay.. misaotra
48. xxx ( 21/10/2009 04:33)
Tsy mitsipaka velively ny fahazavana ao aminareo ka! Tenin\'Andriamanitra iray ihany no ampitaina dia canal fotsiny izay mampita, dia mba manaraka tsara sao dia diso izay nolazaina ka izany no hijerena ny Tenin\'Andriamanitra. Ny mitsipaka ny fisian\'ny fahotana no mampitanaka satria tsy anjely latsaka an-tany isika ka izany no hitandremana sao manamaizina ny hafa ny zavatra lazain\'ny tena milaza ho mpampita.
Ohatra raha milaza hoe : tsy misy ny fahotana fa raha toa ianao ka mifoka sigara dia tsy ianao no manota fa safidinao io. Dia manazava ilay olona ve aho amin\'izay? Tsia angamba.

Fa raha miteny hoe: voafatry ny sigara ianao ary ekena fa mpanota isika fa mandraisa ny Hazavana dia afaka amin\'io ianao. Dia ataoko fa mampita ianao amin\'izay. Raha tsy azony dia ampio ny fanazavana.
49. xxx ( 21/10/2009 04:36)
Voafatotry ny sigara azafady
50. rzakarivola ( 21/10/2009 06:36)
ikaretsaka:
Tsy ny tenin' Atra ihany no mahavonjy fa Atra. Mihitsy ka..

==> Amiko manokana (ahy izay), ny Teny dia Fanahy, Andriamanitra dia Fanahy. Ny asa na ny boky na ny soratra na ny nofo, na ny zavatra rehetra dia maneho sy manambara ny Teny, fa tsy ireny no Teny.
Amiko, i Jesoa Kristy tsy nofo, fa natao nofo, novonoina tamin'ny nofo fa natsangana tamin'ny Fanahy, koa tsy ny nofon'i Kristy izay efa nohombohona 2000 taona lasa no monina ety fa ny FanahiNy, dia ny TeniNy. Izy no Tenin' Andriamanitra velona.
"Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny."[Joany 1:1]
51. rzakarivola ( 21/10/2009 07:01)
niryna ao @ hevitra lah. 19:
omena ny rehetra ny Teny ary ... mivavaka azy ireo fa mbola ao anatin'ny aizina tokoa izy ireo.Mampalahelo kanefa safidy io. ... izay indrindra mantsy, ahoana no ahalalana fa tena fahazavana ilay izy? miverina amin'ilay teny nomena isika, ... Raha hoy ny teny voasoratra hoe aza ny fahotanareo no manasaraka anareo amin'Atra ...ny dikany misy izany ny fahotana e? dia inona izany fahotana izany ? raha misy mizara anefa ka mandambolambo antsika milaza fa tsy misy ny fahotana dia samia mieritreritra,nanome ilay fahazavana tokoa ve ilay nizara?
izay mandray ny teny izay nomena dia ahafantatra koa ny olona izay tena mizara ilay teny na tsia
sa ahoana ?

==> Azoko, ilay nambaran'ny [1Jaona] io e?
Ny olona manana ny mazava dia tsy olona manao maso be tsy mahita @ fahadisoana, fa olona mahita mazava ka miaiky, tsy manafina ny fahamelohany. Tsy miezaka ny hampihena ny fomba filaza ny heloka, fa milaza marina ny tena misy. Ohatra, ny "lainga" sy ny hoe "lainga masina". Fa misy tenin'i Jesoa :
- Efa renareo fa voalaza hoe : Izay mamono olona dia mendrika hohelohina @ fitsaràna, fa izaho manao aminareo hoe izay rehetra tezitra @ rahalahiny dia mendrika hohelohina @ fitsarana, ...
- Efa renareo hoe "aza mijangajanga", fa izaho milaza aminareo, fa izay rehetra mijery vehivavy ka mila azy, dia meloka nijangajanga taminy tao am-po.
Ny manana ny mazava dia miaiky fa vao tezitra @ rahalahiny izy dia meloka tahaka ny namono olona, vao nijery vehivavy t@ filàna izy dia meloka nijangajanga.
52. rakapy ( 21/10/2009 07:09)
Hoy Rzakarivola
Ny manana ny mazava dia miaiky fa vao tezitra @ rahalahiny izy dia meloka tahaka ny namono olona, vao nijery vehivavy t@ filàna izy dia meloka nijangajanga.

Raha raisitsika ary ity voalazanao ity Rzakarivola ka oharina @ ohatra iray.

- Meloka ve ny olona iray raha toa ka tezitra @ rahalahany izy satria tratra niaraka natory t@ vadiny ny rahalahany?
Meloka ve izy raha tezitra? Sa tokony ho faly ve izy?
53. bor2lais ( 21/10/2009 08:13)
Voalaza teo :
\"\"Ataonao ahoana no fitia an\'Atra izay tsy hita maso, raha ny hitan\'ny masonao aza tsy hainao mitia ???? => aza \"afotsitra moa ny resaka e!\" Io no voasoratra fa aza manao \"tsingolobatika sy mampitsongoloka olona @ toriteny \"fôsika!\"=> Mamery ny maaaaro izany! \"
------------
Misaotra an\'i Rakaroka amin\'ny fanamarihana !

Miala tsiny aho fa izaho angamba no tsy dia havanana amin\'ny fitenenana na fanazavana ka hitako toa tsy dia azonao loatra ny tiako tenenina ka toa lasa avilanao.

Hoy aho hoe :
\"Raha tsara ny fifandraisako amin\'Andriamanitra dia mandeha ho azy ny fifandraisako amin\'ny manodidina ahy\"

Tsara ny fifandraisako amin\'Andriamanitra : tsapako ny fitiavaNY ahy maimaim-poana, sns (Izy no tia ahy voalohany)

Izany fahatsapana izany no manesika ahy mba hitia koa ny hafa tsy misy tambiny, sns. (Izaho indray no miezaka mitia ny hafa)

Fampiharana eo amiko (ahy manokana ity an) : matoa aho kizitina amin\'ny hafa, mila vaniny, manabatibaty (na fomba fihetsika izany na fomba fiteny), tsy manana fiadanam-po, sns dia ny fifandraisako Aminy izay no misy tsy mety.

Averiko indray fa fomba fijeriko manokana izany : tsy voatery hitovy amin\'ny fijerin\'ny hafa (izay hajaiko tokoa). Ary aoka tsy hanaovana tsingolo batita fa sao dia marary eo ny an-doha ka izaho no mahazo loza ! :D

HS : Raha izaho manokana aloha dia zarako aza misy Azy iankinako, ametrahako ny fiainako amin\'izay rehetra atao ... na dia tsy hitan\'ny \"maso\" aza Izy ! Tsy izay ve moa no antsoina hoe finoana ?
54. rzakarivola ( 21/10/2009 09:17)
rakaroka:

[quote=soanja]
Ny fahazavana kosa dia manerana ary tsy voafetra.
^:^ ^:^ ^:^ Ekena ! Izany ahay mbô mpino tsy mitanila fijery tahaka ilay Rainy ao ambony!
Raha toa faritra iray monja no nanaposahana hazavana dia ho niangatra izao Atra izao !, samby nomeny ny "anjara masoandrony" sy ny anjara Christ" tsy nisy diso anjara ! Meeeety tokoa izany!

==> Azafady fa na dia eto an-tany aza dia mbola misy ny alina (faritra tsy ao anaty mazava) sy atoandro (faritra iposahan'ny mazava).
Ary na dia amin'ny atoandro aza, rehefa misy fanakonana dia izay faritra takona dia mbola maizina ihany, misy ny eclipse. Ka tsy azoko ilay teninareo, lalitra izao afahanareo izao (amiko).
55. rzakarivola ( 21/10/2009 09:21)
niryna:

Raha miteny isika hoe ny tena fahotana dia ny tsy fizarana ny hazavana... angamba lasa isika indray no mamaritra ny tenin'Atra e. ...
Andriamanitra no lohan'ny fiangonana, ary isika rehetra no rantsana.
Ny biby tsy manandoa tsy mandeha
ny ratsana tapaka dia tsy afaka hifameno ,noho izany mifameno daholo ny fahasoavana izay nomena antsika,tia tena raha toa ka nomena ilay izy ka tsy nozaraina. ...
mpanota avokoa isika fa ilay hoe miaiky ny fahotana ve isika sa tsia.
Tsy hoe izay tsy mizara ilay hazavana dia io irery no tena fahotana e,azavao tsara kosa fa manjary lasa mametraka ilay olona ho mpanota izay tsy mizara ilay fahazavana. ...

==> Io nolazain'i Niryna io hoe : mpanota avokoa isika rehetra! Noho izany tsy misy antony hiadiana izay mety ho mpanota kokoa na moins pécheur que les autres. Ary fahafatesana no tambin'ny ota, koa voaozona @ fahafatesana daholo isika rehetra, nankany @ maizina avokoa isika rehetra.
Noho izany, un péché de plus ou de moins ne nous conduit pas dans la lumière! Ny zavatra ilaina dia hoe mila tonga ao @ mazava, satria ny mazava no nisiam-piainana (ary mbola hisian'ny fiainana ihany).

Izao no fanoharana entiko, raha misy olona efa maty, moa ve fahotana ny manatsatotsatoka antsy an'iny olona iny ? Fa ndeha atao hoe, misy olona maty, ianao kosa manana zavatra (potion) anakiray izay mahavelona ny maty, mety ho fahotana ve ny tsy ampiasanao ilay anananao mba hamelomana ny maty?
Ny ràn'i Kristy dia tahaka ny potion hananganana indray ny maty, araka ny teniNy hoe : "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana, izay mino ahy na dia maty aza dia ho velona indray, ary izay velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay".

Hoy ny lalàn'izao tontolo izao hoe : "non assistance à une personne en danger".
Hoy kosa i Jesoa Kristy hoe "Fa raha tsy mamela ny heloky ny hafa ianareo, dia mba tsy hamela ny helokareo koa ny Rainareo izay any an-danitra".
Koa ity tenin'i xxx ity dia izay tsapan'ny Apostoly Paoly hoe "Fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho", ary tokony ho tsapan'izay mino marina an'i Kristy rehetra.
56. rzakarivola ( 21/10/2009 10:36)
rakapy:

Raha raisitsika ary ity voalazanao ity Rzakarivola ka oharina @ ohatra iray.

- Meloka ve ny olona iray raha toa ka tezitra @ rahalahany izy satria tratra niaraka natory t@ vadiny ny rahalahany?
Meloka ve izy raha tezitra? Sa tokony ho faly ve izy?

==> Meloka ny rahalahiny satria nijangajanga, meloka izy satria tezitra. Izay no tenin'i Jesoa Kristy. Hazavaiko aminao kokoa hoe maninona no meloka izy na dia compréhensible aza ny fahatezerany.
Andriamanitra dia fitiavana, tompon'ny fahefana rehetra misy, ka tsy misy manana fahefana raha tsy nomen' Andriamanitra. Noho izany, ny fahatezerany na dia amin'ilay rahalahiny aza, satria io no hitany maso, dia indirectement amin' Andriamanitra, afaka hanaovana enquéte Andriamanitra hoe : nahoana no tsy narovanao ny vadiko mba tsy hijangajangany ? Rehefa atao ny fanadihadiana rehetra, Andriamanitra no mahatezitra tsy nampiasa ny heriny sy ny fiarovany.
Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny, na inona antony na inona, dia amin' Andriamanitra Tsitoha no iantefan'ny fahatezerany, ka moa ve tsy fitsarana an' Andriamanitra ho manaonao foana izany ?
Dia mitovy amin'ilay hoe "ny vehivavy nomenao ahy ...", "ny menarana (noforoninao) ...".
Fa ny ao amin'ny mazava, na iza nahatonga ny heloka nataony na iza, dia miaiky hoe : efa diso aho!
57. reality ( 21/10/2009 11:20)
Misy ihany koa ny hoe "Tezera fa aza manota ", fa mila manana fandeferana sy fo mahay mamela heloka.
Ny hazavana hanana tsy dia voatery ho resahina na toriana etsy sy eroa fa hita taratra foana ny @ fomba fiainan'ny olona ao @ MAZAVA. Misy ny fotoana na hanazava tahaka ny ahoana aza ianao dia mahatsapa fa tsy takatrin'ny maro ny zava-panahy raha tsy izay olona maheno ny bitsikin'ny Fanahy ihany.
58. rakaroka ( 21/10/2009 11:42)
[quote=bor2lais]
Misaotra an\'i Rakaroka amin\'ny fanamarihana !


Miala tsiny aho fa izaho angamba no tsy dia havanana amin\'ny fitenenana na fanazavana ka hitako toa tsy dia azonao loatra ny tiako tenenina ka toa lasa avilanao.

Hoy aho hoe :
\"Raha tsara ny fifandraisako amin\'Andriamanitra dia mandeha ho azy ny fifandraisako amin\'ny manodidina ahy\"

Ahitsio aza 'za raha diso ity fijery ity=> Matoa izany mifandripaka toa izao ny mpiara-belona,tsy milamina ny firenena MALAGASY anefa 'reo eo hany ka samby niseho ho mpino an'Atra.
Raha azoko tsara hoy aho ny tianao ahatongavana dia "FOSIKA" be izany ny "
fifandraisan-drizareo @ Atra satria raha tia an'Atra tokoa 'zareo tokony ho hainy ny mifampitsimbina!
Fehiny Tsy tia an'Atra izy fa disehoana ho "mpino no betsaka!"
59. fidinirina ( 21/10/2009 12:48)
Misy marina ny voalazanao. Tsy ao am-pon'ny Malagasy intsony angamba ankehitriny ny fatahorana an'Andriamanitra. Tena mihena ihany koa ny fitiavana ny mpiara-belona satria samy tia tena. Ary ny tena mampalahelo aza dia efa sahy miseho ampahi-beso (@ TV) mihitsy izao ny mpanompo sampy, ny tsy mpino an'i Jesoa Kristy, ny antsoina hoe "secte" (misy izao vao nahavita trano be). Tsy mitsaha-mitombo avokoa izao ny haratsiana rehetra (halatra, vono olona @ tsy antony, fijanganjangana, fitiavam-bola, fitiavam-boninahitra)
Nefa ny mpitondra tsy mba taitra @ izay mba hoavin'ny Malagasy manoloana izany.
II Tantara 7:14 Raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
Salamo 33:12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.
(fa tsy manana sampy na manana gourou na andriamanin-kafa)
60. rakaroka ( 21/10/2009 13:10)
[quote=fidinirina]
Misy marina ny voalazanao. Tsy ao am-pon'ny Malagasy intsony angamba ankehitriny ny fatahorana an'Andriamanitra.

Ilay izy anie Fidy ny "firenena hafa" tsy miseho ho matahotra an'Atra fa toa mba milamn noho isika ?...

Tena mihena ihany koa ny fitiavana ny mpiara-belona satria samy tia tena.
Ekena tokoa saingy toa naronjon'ny "hasarotam-piainana angamba?...

II Tantara 7:14 Raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.


Dia fa "aiza hono 'reo olona nantsoina t@ anarany? Tsy nanao ny tokony ho natao foana angaha :roll: :?: :?: 8O :? anefa efa ela ihany no naharenesako ity tsipona ity nohiraina aza an?...'zany hoe lasan-ko ho vavany foana izany ilay izy fa tsy tafa?...

Salamo 33:12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny.
(fa tsy manana sampy na manana gourou na andriamanin-kafa)


Ka etsy sy eroa anie toa tsy Jehovah doholo no Atra fa maro karazana toa ny any Dago ihany!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3321