Ny baiboly no nahavery azy

81. cutie ( 02/10/2009 20:19)
. Mpandefa : rijadolly [ Valio ] 02-10-2009 20:31:01
Lohateny : Re : Ny baiboly no nahavery azy
N° 68 io ambony io Cutie a! ary ilay
Voalaza teo :
LE tantara no amatarako azy fa mety tsy fantatr'ilay ramatoa angamba Vakio tsara de fantatrao ko...
dia nataoko gras ohatr' izao ilay hoe "angamba" mba hamerenan'ise hamaky an'ilay tantara tsara...

kamo be za fa efa tsy any tsony e lol
82. ikaretsaka ( 03/10/2009 11:36)
Rija & co> raha sanatria izany ianareo ka atao hoe misy aretina grave tena mahazo. Ka dokotera 1 tsy xtianina na antichrist mihitsy aza ary izy irery ,no specialiste hoe hany manana ny fahaizana sy ny traikefa rehetra momba iny aretinareo iny..de tsary hanaiky hotsaboin'i lery ve nareo....satria hoe antikrista sy tsy ohatranareo izy?
83. rijadolly ( 03/10/2009 11:50)
Aoka ary ry se marina fa mety tokotrany kay moa na misy fofona TOAKA aza ny miakatra eny amin'pilopitra a!Lesoana vaovao any amin'ilay tsy voasoratra tokoa moa izay?(LOVATSOFINA) toko faha firy de andininy faha firy?
cutie:
kamo be za fa efa tsy any tsony e lol
aza kamo izany fa manjary tsy azon'ise anie ny zavatra tenen'ol no tsy mahazo fahafaham-po amin'zavatra anontanian'ise se e!
Za aloha efa manoboka faly fa efa HS be no mandiso-tena le anontaniana ahy ato noho ny fanoherana fotsiny e! :-D :-D :-D :-D
84. ikaretsaka ( 03/10/2009 12:02)
Kay moa itony le mpanova ny voalaza....divay ny voalaza...lasa jus de raisin sy sirop grenadine
85. ni81 ( 03/10/2009 12:04)
Rija & co> raha sanatria izany ianareo ka atao hoe misy aretina grave tena mahazo. Ka dokotera 1 tsy xtianina na antichrist mihitsy aza ary izy irery ,no specialiste hoe hany manana ny fahaizana sy ny traikefa rehetra momba iny aretinareo iny..de tsary hanaiky hotsaboin'i lery ve nareo....satria hoe antikrista sy tsy ohatranareo izy?
ireny chaman na mpijery boule de cristal ireny ve no tianao ho tenenina eto?
86. ikaretsaka ( 03/10/2009 12:12)
Ni>atao hoe voan'ny cancer ana uterus ohatra enao sanatria...de le doko ao @ tanana sy hopitaly misy anao spesialista ikoizana (doko hoa an) tokony handidy anao franc macon ohatra...ary tena fantatrao fa izany mihitsy izy!
Hanano sa tsy hanano?
Valio tsotra ....
87. ni81 ( 03/10/2009 12:15)
Ni>atao hoe voan'ny cancer ana uterus ohatra enao sanatria...de le doko ao @ tanana sy hopitaly misy anao spesialista ikoizana (doko hoa an) tokony handidy anao franc macon ohatra...ary tena fantatrao fa izany mihitsy izy!
Hanano sa tsy hanano?
Valio tsotra ....
tsy manao aho fa mandeha mitady Dr hafa
88. ikaretsaka ( 03/10/2009 12:21)
Ka raha io hoa no HANY specialiste?
89. cutie ( 03/10/2009 13:47)
Hoy i cutie:
kamo be za fa efa tsy any tsony e lol
aza kamo izany fa manjary tsy azon'ise anie ny zavatra tenen'ol no tsy mahazo fahafaham-po amin'zavatra anontanian'ise se e!
Za aloha efa manoboka faly fa efa HS be no mandiso-tena le anontaniana ahy ato noho ny fanoherana fotsiny e!

Efa tsy mi interesser ahy tsony fa resa-be fotsiny no betsaka :-D :-D :-D
90. rijadolly ( 04/10/2009 06:23)
Ika sy rakaroka ary rakapy a! eo amin'ilay tantara ihany.Ny olona mamo tokoa moa tsy misy fofotoaka?Fa ny olona nandray kely no misy o?Zay vao azoko :idea:,izany ny mahatonga an'izireny miteny hoe:"Iza no lazainao mamo?" =)) =)) =)) =)) =))
ika:
Ka raha io hoa no HANY specialiste?
dia mitady hafa hono izy ry ika a! Za ve Kristianina;koa tsy ho tsindromin'io anti-christ io @ zavatra tsy haiko eo za?
91. rakapy ( 04/10/2009 07:42)
Hoy Rijadoly
Ika sy rakaroka ary rakapy a! eo amin'ilay tantara ihany.Ny olona mamo tokoa moa tsy misy fofotoaka?Fa ny olona nandray kely no misy o?Zay vao azoko ,izany ny mahatonga an'izireny miteny hoe:"Iza no lazainao mamo?

Angamba tsy ny resaka fofo-taoka na ny rongony sy ny maha antchrist no tena zava-dehibe eto @ ilay tantara fa ilay toetran'ilay ramatoa xana manavakavaka ireo olona saika hanavotra azy tsotra @ maha olombelona nefa nolaviny.
Ary noheveriko hoe ity ramatoa tao @ tantara irery ihany no manana izany toetra izany kay maro na ato @ serasera izay sehatra kely dia kely ity aza dia ahitana fanavakavaka toa izany.
Raha fintinina ilay izy dia toy izao.
Inareo izay tsy xana dia tsy ilainay na inona na inona SOA mety ho vitanareo dia tsy ilainay ny mifangaro amininareo.

Mazava tsara amiko amin'izay ilay filozofianareo xana. Mahafinaritra fa sady heni-kaja sy voninahitra i kristy! :-D :-D :-D
92. ni81 ( 04/10/2009 08:04)
misy zavatra tsy tokony atao rakapy a!
Tsy tokony hataon'ny olona mitonona ho kristiana ohatra ny mandeha mamonjy mpisikidy, ombiasy, mpimasy, mpahita sns
93. ni81 ( 04/10/2009 08:05)
Ilay manatona no tiako lazaina @ ilay hoe mamonjy eo ambony io
94. rakapy ( 04/10/2009 08:47)
Hoy i Ni81
misy zavatra tsy tokony atao rakapy a!
Tsy tokony hataon'ny olona mitonona ho kristiana ohatra ny mandeha mamonjy mpisikidy, ombiasy, mpimasy, mpahita sns

Ka tao @ ilay tantara anie tsy nisy nilaza fa nanantoma mpisikidy na mpisotro toaka na antichist ilay ramatoa fa zavatra tsotra be no niseho. Saika hamonjy azy (amin'ny maha olombelona tandidomin-doza azy) ireto olona lazaina fa tsy mendrika.
Izany hoe tokony mila KARATRA maha kristianina koa angamba @ zay mora fantatra izay tokony hiaraka.
Mety tsara koa angamba raha asiana bus special ho an'ny xana @zay tsy tratry ny otanay avy ivelany ianareo xana :-D :-D :-D
95. ni81 ( 04/10/2009 08:56)
ka ny hevitry ny resaka @ ankapobeny no nolazaiko
96. ikaretsaka ( 04/10/2009 11:48)
rijadolly:

Ika sy rakaroka ary rakapy a! eo amin'ilay tantara ihany.Ny olona mamo tokoa moa tsy misy fofotoaka?Fa ny olona nandray kely no misy o?Zay vao azoko :idea:,izany ny mahatonga an'izireny miteny hoe:"Iza no lazainao mamo?" =)) =)) =)) =)) =))
ika:
Ka raha io hoa no HANY specialiste?
dia mitady hafa hono izy ry ika a! Za ve Kristianina;koa tsy ho tsindromin'io anti-christ io @ zavatra tsy haiko eo za?
[/quote]
Ny olona mamo misy fofontoaka..fa ny olona mamofona toaka tsy voatery ho mamo...raha nirarahan'ny divay t@ fandraisana ve I rija fa nikoropaka tsy nahy ingahy diakona de nitobaka tany aby de hoe satria namofona be de mamo ianao satria namofona...

Misy aretina izay ry rija tsary tadidiko ny anarany fa ny fisehony dia Misy lalandra tsentsina ao ambanin'ny "matiere grise" ao @ atidoha ao..dokotera tokana amerikanina ihany hatr@ zao no mahay ny operation manala io eran-tany. 3 eme deg @ franc macon anefa io rangahy io ary tsy afeniny ny maha franc macon sy maha tsy mpino azy...
De raha sanatria ve voan'io aretina io nareo de tsy hanantona azy

De nga moa ra antikristy izy de midika fa mpamono olona? Raha hitsabo no asany?

97. rakapy ( 04/10/2009 13:33)
tsy manao aho fa mandeha mitady Dr hafa
Za ve Kristianina;koa tsy ho tsindromin'io anti-christ io @ zavatra tsy haiko eo za

Mampatahotra be ilay fotopisainan'ny xana ohatra anareo. Amiko ny olona manana izao fisainana sy fihevitra toa anareo izao no tena mpanao azy.
Raha hoe tsy xana ve no manantona dokotera xana dia ho tsindromin'ilay dokotera zavatra tsy hay tsy hay mba ho lasa xana??? maha tonga saina ilay fisainana.
98. ikaretsaka ( 05/10/2009 01:48)
Hafa dia hafa tokoa izany toetrana xtianina any aminao izany ry rika.. karaha fariseo no manakaiky azy kokoa
99. cutie ( 05/10/2009 12:28)
:-D :-D :-D :-D :-D
100. fidinirina ( 05/10/2009 12:52)
Ny baiboly no nahavery azy

Tena hevi-diso tanteraka io ; ary izao no voasoratra ahavery ny olona :
Jaona 3.16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Tsy misy zavatra hafa voasoratra ahavery ny olona, indrindra ao @ baiboly (izay ampangaina eto) afatsy ny TSY FINOANA an’i Jesoa kristy. Io tokoa no voalohany indrindra raha te-ho kristiana. Tsy hoe rehefa tsy mihaino sy manaiky ny tenin’ny olona rehetra izao ianao, eny fa anjely aza, dia ho very. Tsy misy an’izany. Izaho tsy hanery anao hihaino ny teniko. Andriamanitra aza tsy manery anao fa ny anjarako dia ny milaza ny marina aminao fa raha tahiny Tsy mino an’i Jesoa kristy sy ny famonjeny ianao dia aza gaga raha very.

Ny anjely. Fanamafisana no soratako eto fa tsy misy anjely mpifoka rongony sy mpimamo ary sanatria antikristy izany. Lazainao fa miandry anjely toy ireny hita @ sary ireny izahay. Tsia, tsy misy miandry an’izany ary ny zavatra hitako, asa raha fantatrao fa ny antokom-pivavahana katolika no tena mamoaka karazana sarisary be dia be tahaka ireny mihoatra ny antokom-pivavahana hafa. Ka tsy haiko na izaho no miandry zavatra hoatr’ireny araka ny nolaizanao na izy ireo.

Matio 28.2 Ary, indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin'ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
28.3 Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala.

Jesoa sy ny mpanota
Marina tokoa fa niaraka t@ ireny olona jentilisa marobe ireny Jesoa fony Izy tety an-tany. Izy ihany no afaka nanao izany fa tsy ny olona rehetra. Tonga ho an’ireny olona ireny Izy fa tsy ho an’ny olona efa marina sy nino Azy.

Matio 18.11 Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very.
Marka 2:17 Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.
Jaona 6.38 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon'Izay naniraka Ahy.
6.39 Ary izao no sitrapon'Izay naniraka Ahy dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin'ny andro farany izy.
6.40 Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany .

Jesoa te-hamonjy ireny olona ireny (na ianao) satria nampalahelo Azy ny nahita an’ireo fa tsy niteny akory izy ianareo (kristiana) koa manaova toy izany. Ny hafatr’i Jesoa t@ olona mpino dia ny hanalavitra ny fanaon’izao tontolo izao sy hiaro ny tena @ ratsy. Tsy afa-miala eto, nefa kosa mijoro @ mazava fa manana an’i Jesoa kristy. Ary tokana ihany no baiko hoe mandehana ataovy mpianatro ny firenena rehetra : ianao kristianina no mampianatra ny tsy kristiana satria tsy manana ny fahamarinana ireny. Tsy notenina mihitsy ianao ndeha miara-mihinana @ mpifoka sy misotro na sanatria mba manaova tahak’ireo izay mandà an’Andriamanitra. Sanatria izany !

Mba mahagaga ahy ihany ny fivadibadiky ny hevitra : raha toa izao misy mpitory ny filazantsara raisintsika hoe mpijangajanga sy mpimamo lava sy mpifoka sns: ahoana re no fiovan’ny hevitr’i rakapy indray e ! sa ireny tokoa no anjely andrasan-drakapy hirediredy eny ary io rakapy fa manongilan-tsofina hihaino izay ambarany sa ndray hoe zany ve no mba kristiana ?

Ilay fijoroana vavolombelona nataon’ilay ramatoa:
Nolazaiko tetsy ambony fa ny TSY Finoana an’i Jesoa no ahavery ny olona. Noho izany, raha tsy t@ finoana an’i Jesoa no nandavan’ilay ramatoa dia ekena fa very tokoa izy. Saingy nino izy ary tsy nataony ho zava-dehibe ny ainy noho ny finoana nahareseny ny fitak’ireo ratsy.

Jaona 12.24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin'ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
12.25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin'izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay.

Ary naninona ary no tsy novalin-drakapy ilay faniriako teo aloha :

Ito tantaran-drakapy ito mitovitovy @ ilay fanoharana ny @ baiboly nosoratako.

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4aab66927b96a

I rakapy : tsy nanatri-maso, tsy manana porofo nefa milaza fa tantara marina no nosoratan’ny mpanoratra. Rehefa zavatra hoatran’izany dia mino izy fa rehefa ny baiboly koa no manoratra hoe tonga teto an-tany Jesoa, Andriamanitra naka endrika ny olona, tonga hamonjy ny very ; izay tsy mino an’i Jesoa Kristy tokoa no ho very, manahirana an-drakapy ny hanaiky azy...

Vonjeo zaho rakapy a! Mba mila teny fampaherezana avy ao @ baiboly raha afaka mamonjy ahy ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1603