Ny baiboly no nahavery azy

21. ikaretsaka ( 28/09/2009 22:51)
manomboka enty an tany ny paradisa e..
Ho'zy le hira katokika izay hoe
" sanatria...tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany mba hampiadana ny olona rehetra..."
22. soanja ( 28/09/2009 23:57)
ikaretsaka:

Ny zavatra rehetra rehefa mbola tsy miaraka @ fiainana azy @ realite sy ny zava-misy .. na inona io na inona de mahavery aby

Ny finoana sy ny fampiharana izay inoanao (na inona io inoanao io na inona) @ realite iainanao androany no mahavonjy anao.

Io le hoe aza de variana miandrandra lanitra de mitango lalitra eo fa ny andavanandronao no ataovy izay lanitra azy @ fisian'ny hafalian, fiadanam-po, ary fitiavana.


Namaste!


23. cutie ( 29/09/2009 00:13)
Kitsipona izay lesona azo avy amin'ilay tantara ka ahazoany 10/10 MATIO 16 : 25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko, dia hahazo izany.Fantaro ny fahavalonao,oh ny mpamonjy izany izireny e!.Marina mihitsy Rakapy fa nahazoana lesona tsara ilay izy a! misaotra e!

tsy fantatra nge ny antokom-piainan'io ramatoa io raha tena namoy ny ainy tokoa izy noho ny Amiko ( hoy le voasoratra ery ambony)
de manin i rija no mampitaha tsimpona @ fiainan'le ramatoa????
zany we ny tiako lazaina tsy martiora io ramatoa io :)
24. ikaretsaka ( 29/09/2009 00:53)
Tsy martitry mihitsy io ramatoa io raha ny trangan ndraha eto fa stupide...mbola matory @ realite. Tsy misy "cause" mihitsy ny famoizany aina eto.
Ny hoe martiry de mamoy ny ainy fe aveo lasa misy impact be @ sehatra maro isan karazany iny...
Fa eto ny kosa ny mba impact @ le ramatoa maty de hoe matin'ny adalany avy hatrany ny reaction an'izay olona mamaky ilay tantara @ saina tsy miangatra
25. cutie ( 29/09/2009 00:57)
:-D :-D :-D :-D
26. klitika ( 29/09/2009 05:08)
ikaretsaka:

manomboka enty an tany ny paradisa e..
Ho'zy le hira katokika izay hoe
" sanatria...tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany mba hampiadana ny olona rehetra..."


Marina izay, ary fanesoana ny mahantra io. Ry mopera no manankarem-be dia hoy izy hoe: " manomboka ety antany ny Paradisa eh" dia maraka ry frera hoe "Avoay ny volan'la" Hira io a
27. ni81 ( 29/09/2009 07:15)
Marina izay, ary fanesoana ny mahantra io. Ry mopera no manankarem-be dia hoy izy hoe: " manomboka ety antany ny Paradisa eh" dia maraka ry frera hoe "Avoay ny volan'la" Hira io a
kay moa! :D
28. fahamarinana ( 29/09/2009 07:54)
:arrow: :-D :-D kay moa !! mba tsy haiko zay hira zay ! :lol: (l)
29. fidinirina ( 29/09/2009 09:46)
ikaretsaka:
Tsy martitry mihitsy io ramatoa io raha ny trangan ndraha eto fa stupide...mbola matory @ realite. Tsy misy "cause" mihitsy ny famoizany aina eto.
Ny hoe martiry de mamoy ny ainy fe aveo lasa misy impact be @ sehatra maro isan karazany iny...
Fa eto ny kosa ny mba impact @ le ramatoa maty de hoe matin'ny adalany avy hatrany ny reaction an'izay olona mamaky ilay tantara @ saina tsy miangatra

Mba mahagaga ahy indray izany ry ika, f’angaha tsy efa «cause» ny nandavany an’ireo jiolahim-boto mpifoka rongony, mpimamo sy antikristy ireo. Andriamanitra tokoa aza efa nadràra ny olona tsy hanaraka azy ireny. Ary diniho tsara fa raha io tantara io anie hoy aho no novan’ny mpanoratra ny famoronany ka hoe : maty ilay ramatoa ary nankasitrahan’Andriamanitra ny zavatra nataony. Moa tsy "impact positif" ho an’ny finoana avy hatrany izany. Fa ilay izy moa nosoratan’ny olona tsy mba manana an’Andriamanitra, sahy miampanga an’Andriamanitra, tsy mahita afa-tsy ny négatif foana @ asan’Andriamanitra; hany ka nadikan-drakapy fotsiny koa hoe : ny fitazonana baiboly (tenin’Andriamanitra) lazainy fa mahavery.
30. fidinirina ( 29/09/2009 09:47)
Tsy haiko na izaho no tsy mieritreritra tsara na ilay tantara mihitsy no noforonina tsotra izao. Raha lazaina fa zava-nisy ny tantaran’ilay ramatoa dia tsy maninona fa tena mampieritreritra ny fijoroana vavolombelona nataony. Fa ny zavatra voasoratra hitako manaraka eto dia efa aty @ famoron-dahatsoratry ny mpanoratra vao miteny izy fa Andriamanitra no nandefa izay lazaina ho anjely hanavotra an’ilay ramatoa : hita be izao hoe noforonina. Tsy hisy mandrakizay mihitsy izany Andriamanitra handefa anjely jiolahim-boto sy antihrist izany [rakapy] a! Aza manaiky fitahin’ny mpanoratra mpandainga.
rakapy:
Tsy misy afaka ny hitsara n'iza n'iza eto ambonin'ny tany fa ny mpimamo lava sy ny mpifoka rongony na ny antichrist dia tsy ankasitrahan'A/tra. Izy A/tra irery no mahalala ny ataony.

Eto kosa angamba efa hevitrao amin’izay. Mahalala ny ataony tokoa Andriamanitra fa tsy izay te-hanoratra dia milaza fa izao na izao no teneniny. Ny ahy ho’aho jereko foana aloha ny baiboly : inona no tenin’Andriamanitra marina fa tsy izay teny foronina rehetra izao dia ekeko avokoa. Izao no voasoratra :

I Jaona 2.18 Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
2.19 Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
2.20 Fa hianareo kosa manana hosotra avy amin'Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
2.21 Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.
2.22 Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
2.23 Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
2.24 Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa hianareo.
2.25 Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
2.26 Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.

I Jaona 4.3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.
4.4 Anaka, hianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.

Efa naharesy ilay Ramatoa ary tena diso tena diso tanteraka ny filazana fa lasa any @ helo izy. Izaho koa aloha tsy hanaiky velively izay tenin’i antichrist izany! Aeloko maty manaraka an’Andriamanitra toy izay velona hiara-miaina @ fahavalon’Andriamanitra. Aleoko halan’olona sy enjehin’olona @ finoako (toy ny an’ilay ramatoa) toy izay halan’Andriamanitra.

Ndeha ho raisiko ohatra eto ianao io [rakapy] : raha ianao izao «ohatra» no antikristy mba vonona ve ianao hanavotra anay ary mba omeo teny fampanantenana tsara ao @ baiboly hoe izahay raha manaiky ianao ho fitaovan’Andriamanitra hampita izany.
31. rijadolly ( 29/09/2009 14:52)
rijadolly:
Kitsipona izay lesona azo avy amin'ilay tantara ka ahazoany 10/10 MATIO 16 : 25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko, dia hahazo izany.Fantaro ny fahavalonao,oh ny mpamonjy izany izireny e!.Marina mihitsy Rakapy fa nahazoana lesona tsara ilay izy a! misaotra e!
cutie:
de manin i rija no mampitaha tsimpona @ fiainan'le ramatoa????
zany we ny tiako lazaina tsy martiora io ramatoa io
Satria fantany fa Anti-Kristy ny maka azy,ra natahotra ny ho faty izy dia nanaiky ny hovonjen'Anti-Kristy.Fa tsy natahotra izy noho ny fananany an'Tompo dia nahasahy sy tsy nanana fanahina ny ainy satria fantany fa ho azony izany ao amin'Ilay inoany. hoy Ilay hira iray izay hoe: "Ra hitondra ny mafy aho dia izao ny tsaroko,ankaiky Mpamonjy aho!Ra tondraka ny rano dia tsy maintsy tafita aho,ankaiky Mpamonjy aho.Esorina ny aiko fa izaho tsy hamaly,ho sasapoana ireo izay te-hampinjaly,kanefa maty aho,tsy ahoako satria izao!ankaiky Mpamonjy aho."
32. ikaretsaka ( 29/09/2009 15:32)
fidinirina:

ikaretsaka:
Tsy martitry mihitsy io ramatoa io raha ny trangan ndraha eto fa stupide...mbola matory @ realite. Tsy misy "cause" mihitsy ny famoizany aina eto.
Ny hoe martiry de mamoy ny ainy fe aveo lasa misy impact be @ sehatra maro isan karazany iny...
Fa eto ny kosa ny mba impact @ le ramatoa maty de hoe matin'ny adalany avy hatrany ny reaction an'izay olona mamaky ilay tantara @ saina tsy miangatra

Mba mahagaga ahy indray izany ry ika, f’angaha tsy efa «cause» ny nandavany an’ireo jiolahim-boto mpifoka rongony, mpimamo sy antikristy ireo. Andriamanitra tokoa aza efa nadràra ny olona tsy hanaraka azy ireny. Ary diniho tsara fa raha io tantara io anie hoy aho no novan’ny mpanoratra ny famoronany ka hoe : maty ilay ramatoa ary nankasitrahan’Andriamanitra ny zavatra nataony. Moa tsy "impact positif" ho an’ny finoana avy hatrany izany. Fa ilay izy moa nosoratan’ny olona tsy mba manana an’Andriamanitra, sahy miampanga an’Andriamanitra, tsy mahita afa-tsy ny négatif foana @ asan’Andriamanitra; hany ka nadikan-drakapy fotsiny koa hoe : ny fitazonana baiboly (tenin’Andriamanitra) lazainy fa mahavery.


nan tsy cause ireo fa mainka aza toetrana farisianina
diniho ny tantaran'ilay nisy nanendaka teny an-dalana de le samaritana no nanavotra anazy ange e..
de raha nahatsiaro tena ve le zalahy voaendaka io ka niteny hoe za aza avotana fa enao samaritanina ... de hoe maritiry izy @ zay? doy e!
33. rakapy ( 29/09/2009 16:23)
hoy Ika
nan tsy cause ireo fa mainka aza toetrana farisianina
diniho ny tantaran'ilay nisy nanendaka teny an-dalana de le samaritana no nanavotra anazy ange e..
de raha nahatsiaro tena ve le zalahy voaendaka io ka niteny hoe za aza avotana fa enao samaritanina ... de hoe maritiry izy @ zay? doy e

Izay mihintsy izy ity e! be ireo mpitsara ivelany sy mihevitra fa ny olona ahenona teny avy ao @ baiboly ihany ny vavany no iraka avy any @ A/tra.Maro ireo miandry ilay anjely misy elatra hidina avy any an-danitra.
Ity tantara ity izao dia ohatra iray tsy misy valaka ilay tanataran'ny samaritana sy fariseo ao @ baiboly.
Tena hitanao ny fanoharana ry Ika.
34. ikaretsaka ( 29/09/2009 16:45)
ni81:

Marina izay, ary fanesoana ny mahantra io. Ry mopera no manankarem-be dia hoy izy hoe: " manomboka ety antany ny Paradisa eh" dia maraka ry frera hoe "Avoay ny volan'la" Hira io a
kay moa! :D

de i mompera no namoaka vola @ io an (jereo ny an'i Pedro hanasoavany 4 mi atsy)

35. rakapy ( 29/09/2009 18:50)
Hoy i Fidinirina
: hita be izao hoe noforonina. Tsy hisy mandrakizay mihitsy izany Andriamanitra handefa anjely jiolahim-boto sy antihrist izany [rakapy] a! Aza manaiky fitahin’ny mpanoratra mpandainga.

Hono wa ry Fidinirina?
Moa va tsy mitovy tamin'ny fihevitr'ireo olona maro tamin'izany andro momba ny fahaterahan'i jesosy tao an-tranon'omby izato fihevitrao???
Maro mantsy ny olona no nilaza sy nihevitra tamin'izany andro fa hoe:
Zanak'A/tra ve dia any an-tranon'omby no teraka?
Mpanjakan'ny mapanjaka ve dia any an-tranon'omby no hateraka?
Mesia ve dia mpandrafitra mahantra kely no rainy?

Ary raha hiverina tokoa ary ilay jesosy tinao sy maminao ka amin'ny endrika hafa no hiverenany, endrika jiolahimboto ohatra. Mbola hiino ve ianao sa hanao toa an'ity ramatoa ao @ tantara izay arovanao mafy ity?
36. ni81 ( 29/09/2009 19:04)
de i mompera no namoaka vola @ io an (jereo ny an'i Pedro hanasoavany 4 mi atsy)
tsara izany ka! efa tsy hitaiza ihany izy ve ka tsy hikarakara ny kamboty sy mahantra
37. ikaretsaka ( 29/09/2009 19:14)
hanampiako kely ny an-drakapy
ho an'i Fidinirina sy ny namany
raha mamaky sy mandinika ny voalaza ange de voalaza foana ny hoe hoe "madinika" , "mpanota", "samaritanina", "vehivavy janga", "Mpanjono", mpamory hetrazelaoty (mpanohitra).. fakofakon'olona sy ireo nosokajian'ny mpiara monina sy nolazaian fa tsy masim-pitondran-tena, Jiolahimboto mpangalatra (jereo le mpianatra naka salohimbarin'olona teny an-tsaha).. mpandika ny andro sabata sns...

Izany aby ange no naman'i Jesoa sy nirahiny sy netiny nanambara ny fihevitr"Atra tamin'ny mpiara belona e... nefa inoanao!
38. rakaroka ( 29/09/2009 19:38)
Dia marina mihitsy ry Ika fa dia tsy nanavaka'olona toa izao mba ifandraisana izy izay an, Nisy ilay vhv janga 'zao dia hoe "'zé tsy nanota t@nareo no aoka hitora-bato. Ary ilay niara-nohombohana taminy teo @ hazofijaliana voalaza fa "Jiolahy" ary voalaza "tsara fa hoe "HIHAONA AMINY ANY AM-PARADISA!"
=> Aza mihevitra fa ny "tsy jiolahy"ara-oiheveran'ny sasany ! ihany no natao ho any ! Oh tsia "efa VOAPOROFO ara-tsoratra masina 'zany!
39. ni81 ( 29/09/2009 19:53)
Izany aby ange no naman'i Jesoa sy nirahiny sy netiny nanambara ny fihevitr"Atra tamin'ny mpiara belona e... nefa inoanao
iza izany olona izany
40. ikaretsaka ( 29/09/2009 20:29)
ivereno vakiana (fa tsy tsimponina) ny evanjelinao fa saika izany daholo ny naman'i jesoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.405