Andriamanin-kafa

81. rakaroka ( 13/09/2009 15:46)
[quote=rzakarivola]

==> Hoy i Jesoa : "Ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatr@ voalohany". Ny jiosy koa nanao an'i Jesoa ho misy devoly.


Tsy i Jesoa na ny Devoly no antsoiko hoe "mandainga" sady ts'isy hidiran'izany mihitsy ny resaka atao eto, fa ny tsy "filazana" ny "marina" fotsiny! Raha milaza ianao fa "hitanao ao @ i Jesoa ny zavatra rehetra : Diso izany! Satria maro t@ "concept" tahaka ny ordi wa no "hary" tafaran'i Jesoa!

82. rakaroka ( 13/09/2009 16:01)
[quote=rzakarivola]

==> Maro tokoa no midradradradra mampiakatra tonom-bavaka any amin'ny Ray. Fa ianao kosa raha manaiky "hiditra ao @ mangingina ka mandrindrina ny varavarana", dia "ny Rainao izay ao amin'ny mangingina no hamaly anao".
8O 8O Ouddddriiiiy!!!!!Dia heverinao ve fa tsy efa maroo no dradradradra sy talaho toloko t@ Atra nipololotra tsy hay nampanginina na tany anaty trano fisainana isan-karazany aza!
Dia heverinao ve fa tsy efa nataon'ny betsaka koa izany?...Si nanao izany tokoa ny maaaaro!Mais....
"Ny fahotan' [fikomian'.] ny tany mahamaro mpanapaka;


Fa ny fisian'ny olona manan-tsaina [Na: manan-tsaina sady mahalala rariny.] kosa no mampahateza ny fanjakana.

Ekena! Ié arakaraky ny mahamaro izany ny éveiln'ny firenena iray!

" [Ohabolana 28:2].
Nikomy t@ Andriamanitra ny vahoakaNy

Vahoaka iza? taiza? fomba ahoana?....ILAINA ilay "hazavana" eo @ teny volanina koa, raha tiana hipaka any @ olona ny resaka atao!

ary ny Kristiana no mikomy amin'i Jesoa ...

Nikomy ahoana e :?: :?: teny @ 13 mey ve?...TSY MAZAVA mihitsy ny "fanambaranareo e" . Io no lazaiko hoe "AOKA HAZAVA eo imason'ny olona ianareo (na eo @ teny na @ asa, sns...)

Moa ve Andriamanitra tsy fitiavana ka sitraNy ny hanendry olona iray manan-tsaina hampaharitra fanjakana ? Kanefa mety ho tahaka ny t@ andron'i Elia mpaminany, hisy 3 taona sy tapany krizy aloha Madagasikara. Na hisy aza ny krizy, Jesoa dia manana loharano sy hanina hamelomaNy ny mpanompoNy foana.

8O 8O :roll: :roll: :roll: :?: :?: :?: :?: :?: :? 8-) 8-) :-o :arrow: :-@ :-@ :@ :@






83. ikaretsaka ( 13/09/2009 16:13)
Moa ve Andriamanitra tsy fitiavana ka sitraNy ny hanendry olona iray manan-tsaina hampaharitra fanjakana ? Kanefa mety ho tahaka ny t@ andron'i Elia mpaminany, hisy 3 taona sy tapany krizy aloha Madagasikara. Na hisy aza ny krizy, Jesoa dia manana loharano sy hanina hamelomaNy ny mpanompoNy foana.

misavoana be
84. rakaroka ( 13/09/2009 16:19)
Dia tsy hita mihitsy izay handraisana azy e!?????
Io anie no antony nilazako ilay mot clé tery ambony "honneteté" @perception sy ny "exposé" atao koa, mba mipetraha ianareo mafana fo be mitory @toeran'ny itoriana fa raha tsy izany dia tsitsio ny énergie sy ny fotoana mba tsy ho "parlé sans rien dire"!
85. ikaretsaka ( 13/09/2009 16:28)
parole parole parole
86. fidinirina ( 14/09/2009 11:03)
rakaroka:
mba mipetraha ianareo mafana fo be mitory @toeran'ny itoriana fa raha tsy izany dia tsitsio ny énergie sy ny fotoana mba tsy ho "parlé sans rien dire"!

Tsy izany no nampianarina anay raha hitory ny filazantsara. Ny teny dia afafy fa ny olona mandray no samy manana ny andraisany azy.

Marka 4.14 Ny mpamafy dia mamafy ny teny.

4.15 Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin'izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy.

4.16 Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin'ny hafaliana;

4.17 nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin'izay izy.

4.18 Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin'ny tsilo; dia ireo no ilay nandre ny teny,

4.19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.

4.20 Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy, dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.

Ary koa, izahay tsy maintsy mamafy satria fotoa-mpamokarana izao hoy ny Tompo. Ho avy tokoa hijinja ny vokatra araka ny voasoratra.

87. ikaretsaka ( 14/09/2009 12:25)
misy teny izay ry fidy namintinan'ilay rangahy anankiray nanampy t@ fanambarana ny baiboly azy rehetra:

"Preach the gospel always, If necessary use words.

izany hoe rehefa ilaina ihany vao mi wawawa sy mampiasa teny fa asa no tena mitondra azy...
ho'zy koa i Md Jakoba hoe

Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, ka ilazan'ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany

Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa, ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako.
88. ari.malala ( 14/09/2009 12:40)
Ho ahy rehefa hitako manalasala be ny pièce de vérité entin'ny namana iray, dia iray no atoniko ary anontaniako raha marina na tsia izay notoriana tamiko : i JESOSY. Angatahiko amiNy koa aza ny verset biblique ahitako an'izany.
mahavariana izany! hay v ametrahanao doute ny tenin'olona fa ny anao zany marina 100% e! d ahoana kay ny fanaovana ilay hoe omeo ny verset? ilay atao tsatopiso v?
89. ari.malala ( 14/09/2009 12:48)
Hoy i rakaroka:
Dia mpandainga no iantsoako anao satria ...


==> Hoy i Jesoa : "Ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatr@ voalohany". Ny jiosy koa nanao an'i Jesoa ho misy devoly.
:roll: :roll: :roll: :roll: in no idiran'ny devoly sy Jesoa amle resaka? i razaka no tenenina d i Jesoa no antsoantsoina???

==> Maro tokoa no midradradradra mampiakatra tonom-bavaka any amin'ny Ray. Fa ianao kosa raha manaiky "hiditra ao @ mangingina ka mandrindrina ny varavarana", dia "ny Rainao izay ao amin'ny mangingina no hamaly anao"
tsy azoko... fa inona ny olana raha midradradradra mampiakatra tonombavaka any @ Ray ny ankamaroan'ny olona? tsy haiko na fandraisana antendrony na ahoana, fa ny tena tian'i Jesoa nolazaina t@ ilay fanoharana anie d hoe tsy ilaina ilay miseho milay ho hitan'nyoul fa mivavaka e! ilay mideradera, d izay lay hoe efa azony ny valisoany.

Ary izany ny mpianatr'i Kristy, tsy izy ireo no mazava, fa izy ireo no fitoeran-jiro, fa i KRISTY (dia ny teniNy) no ilay mazava eo aminy ka mampiseho miariary ny tena toe-pon'ny tsirairay avy
d nampirimina aiza sa odiana fanina ilay tenin'i Jesoa hoe 'ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao'????

Tsy azoko tsony mintsy...
90. ari.malala ( 14/09/2009 12:51)
ika, nifanojo ny eritreritsika, zà koa vao naika iteny sy hanome an'io tenin'i Md Jakoba io!
91. ikaretsaka ( 14/09/2009 12:52)
k"efa hoe ze tiany ihany momba le Jesoa no tsimpotsimponiny koa
... mazava be anie izany e
92. rzakarivola ( 14/09/2009 13:37)
rzakarivola:
==> Hoy i Jesoa : "Ny Devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy dia mpamono olona hatr@ voalohany". Ny jiosy koa nanao an'i Jesoa ho misy devoly.

rakaroka:
Tsy i Jesoa na ny Devoly no antsoiko hoe "mandainga" sady ts'isy hidiran'izany mihitsy ny resaka atao eto, fa ny tsy "filazana" ny "marina" fotsiny!

==> Izaho no nolazainao hoe "mpandainga", araka ny fijerinao ny valin-teniko. Izay no antony nilazako an'io, mba itenenako aminao fa tsy lainga izay lazaiko satria izaho mino an'i Jesosy.
Hoy ny Apostoly Jaona hoe : "Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra"

rakaroka:
Raha milaza ianao fa "hitanao ao @ i Jesoa ny zavatra rehetra : Diso izany! Satria maro t@ "concept" tahaka ny ordi wa no "hary" tafaran'i Jesoa!

==> Izao no fomba anazavako azy aminao (satria isika miresaka hazavana, lumière rahateo). Fony vao namorona ny télé ny olona, na ny fakan-tsary, dia noir et blanc no sary (izay no midika fa ny noir et blanc aloha no voalohany). Ny blanc no lumière, fa ny noir absence de lumière.
Taty aoriana rehefa nandroso ny fikarohana sy fampiharana dia nahita ny olona fa ny lumière blanche dia fitambaran'ny lumières rehetra misy (na ny hita maso na ny tsy hita).
Dia tahaka izany Jesosy, Izy no fahazavana, Izy no "fiandohana sy fiafarana", avy @ lumière blanche nodécomposena no nahazoana lumières isan-karazany, ary rehefa mitambatra ny lumières rehetra dia manome blanche.
Izay no ilazako aminao hoe : voafehiko ao @ i Jesosy ny zava-drehetra. Mety misy ny lumières sasany (miresaka fahalalana aar-panahy aho eto) izay tsy mbola hitako mivantana, fa na dia ny ultra-violet sy ny infra-rouge koa mba tsy hitan'ny maso, kanefa misy ary samy ao @ lumière blanche ihany. Dia tahaka izany, arakaraka ny fandrosoan'ny fahalalana an'i Kristy no ahitana zavatra maro izay tsy hita hatrany am-boalohany. Expérience iainako izany.

Ny hoe Jesosy mbola tsy hita ao @ TT dia tahaka izany ihany, voalaza ao mihitsy Izy, ary afaka porofoiko aminao izany.
93. rzakarivola ( 14/09/2009 14:31)
rakaroka:
8O 8O Ouddddriiiiy!!!!!Dia heverinao ve fa tsy efa maroo no dradradradra sy talaho toloko t@ Atra nipololotra tsy hay nampanginina na tany anaty trano fisainana isan-karazany aza!

==> Hoy aho teo hoe : Maro tokoa no midradradradra mampiakatra tonom-bavaka any amin'ny Ray. Atsy ambadika misy miresaka tranolay. Fa ny fahazoako ny tenin'i Kristy rehefa miteny hoe : efitra mangina, dia ny fo. Izao no nolazain'i JESOSY mikasika ny toeram-pivavahana : "Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray ... Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana." [Jaona 4:21-24]

rakaroka:
Dia heverinao ve fa tsy efa nataon'ny betsaka koa izany?...Si nanao izany tokoa ny maaaaro!Mais....

==> Betsaka tokoa ny miresaka @ Ray. Fa raha mandre ny "Ray mamaly ahy ao @ mangingina" aho dia handre teny toy izay voalaza eto.

Nikomy t@ Andriamanitra ny vahoakaNy

rakaroka:
Vahoaka iza? taiza? fomba ahoana?....ILAINA ilay "hazavana" eo @ teny volanina koa, raha tiana hipaka any @ olona ny resaka atao!

==> Ny vahoakan' Andriamanitra dia izay navotan' Andriamanitra avy t@ fanandevozan'ny fahotana ary nampanantenaiNy ny fiadanana mandrakizay. Ny Fiangonan' Andriamanitra eto Madagasikara izany. Ny fikomiana amin' Andriamanitra dia ny tsi-fankatoavana ny Didin' Andriamanitra. Jesoa dia tsy iza fa JEHOVAH Mpamonjy.

rakaroka:
Nikomy ahoana e :?: :?: teny @ 13 mey ve? ...TSY MAZAVA mihitsy ny "fanambaranareo e".

==> Manohitra an'i Jesoa e! Mandà ny teniNy! Teniny anakiray ny hanekena (soumission) izay mpitondra eo, na tsara fanahy na ratsy fanahy.
94. ikaretsaka ( 14/09/2009 14:44)
zay no ilazako aminao hoe : voafehiko ao @ i Jesosy ny zava-drehetra

ny fomba nentinao "namehezana" azy tany amiNY ngamba no tsary nety ko
95. rzakarivola ( 14/09/2009 14:49)
rzakarivola:

Izaho koa manaiky ny voasoratry ny Baiboly hoe
3- "Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?" [AMOSA 3:6]
4- "Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza. "[OHABOLANA 16:4]

rakaroka:
"vision relative" anie ny soa sy ny ratsy! Dia lazaivo koa fa i Jehovah no nanjera baomba tetsy sy teroa, anefa loza avokoa izany!

==>
1- Tsy i Jehovah no nanjera baomba ka. Ny mahagaga dia izao, rehefa nisy tifitra ny 10 Août 1991 dia hoy ny oul hoe "Ratsiraka no namono olona", rehefa nisy tifitra ny 07 février 2009 d ouz ny oul hoe "Ravalomanana no nibaiko hoe tifiro" ... fa tsy mety heverin'ny olona mihitsy fa ao ambonin'ireo misy anakiray Izay tompon'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

2- Ianao ihany no milaza fa "vision relative" ny ratsy, ny loza koa izany, ka raha loza ny baomba milatsaka @ vision-nao, mety ho ahoana ny vision an' Andriamanitra ?
- "ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy Jehovah"
- "izaho manana ny hevitra iheverako anareo, dia hitondra fiadanana fa tsy loza".
Fantaro ny fihevitr' Andriamanitra, ao amin'i Kristy ny fihevitr' Andriamanitra.
96. ikaretsaka ( 14/09/2009 14:50)

==> Manohitra an'i Jesoa e! Mandà ny teniNy! Teniny anakiray ny hanekena (soumission) izay mpitondra eo, na tsara fanahy na ratsy fanahy.


Le izy ngamba ry zaka
1) le tsimpona nalainao teto de tsisy idiran'i jesosy mihitsy (deteronomy le nalainao raha tsy diso aho)
2) Tsy hoe manda ny teniny mihitsy akory, fa tsy manaiky ny interpretation anareo (izay tiatianareo sy tsimponinareo) araka izay itiavanareo azy!.. tsy i Jesosy no toherinay fa ny fomba fanolananareo tanteraka ny momba Azy
97. rzakarivola ( 14/09/2009 15:16)
ari.malala:
mahavariana izany! hay v ametrahanao doute ny tenin'olona fa ny anao zany marina 100% e!

==> Normal be mihitsy amiko ny fisalasalana @ fampianarana izay tsy nahazatra ny tena, indrindra rehefa mifanohitra ilay izy. Fa matoa aho misalasala dia satria tsy mahazo antoka 100% ny ahy koa aho izany, mety mba ho resy lahatr'ilay fampianarana hafa raha hitako tokoa fa marina. Iray no ananako antoka 100% : i Jesosy no Tenin' Andriamanitra Velona, ka Andriamanitra dia miteny @ olona amin'ny alalaNy. Izay no antony anontaniako an'i Jesosy foana.

ari.malala:
d ahoana kay ny fanaovana ilay hoe omeo ny verset? ilay atao tsatopiso v?

==> Versets izany anie vakiana ao @ baiboly e! Ny kristiana tany Berée ni-vérifier tao @ Soratra Masina izay rehetra notorina taminy. Dia mba toy izany no ataoko. Hoy Jesoa hoe "Quand l'Esprit de vérité sera venu, il vous conduira dans la vérité tout entière", sy hoe "Mais le Défenseur, le Saint-Esprit que le Père enverra en mon nom, vous enseignera toutes choses et vous rappellera tout ce que je vous ai dit moi-méme.". Izay no maha défenseur Azy, miaro ny ondriNy tsy hihinana fitaka Izy.
98. rakaroka ( 14/09/2009 19:09)
Ary mba nosokafako moa ilay nasain'i Razaka novakiana, dia izao no tao:

"Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina."

Dia ny "conclusion" raha toa izao : MAIZINA eo ampototry ny mazava izany ianareo. Satria TSY AZONAREO VELIVELY ny FAHAMAIZINAN'ny Teny aelinareo
anefa dia dradrainareo ery fa zanaky ny mazava ianareo !
Tsy hitako ny iadiana hevitra @ fiheveran'Atra raha tsy natao hipaka @ntsika ilay eritreriny!
99. ikaretsaka ( 14/09/2009 20:03)
Lalina izany: mitovy eritreritra zy zavtra saika holazaina@ razaka araka nyvoalazan rakaroka mihitsy aho
100. rzakarivola ( 15/09/2009 11:15)
rakaroka:
Dia ny "conclusion" raha toa izao : MAIZINA eo ampototry ny mazava izany ianareo. Satria TSY AZONAREO VELIVELY ny FAHAMAIZINAN'ny Teny aelinareo ...

==> Tsy nazava taminao ny teny nampitaiko, dia ny tenin'i Jesosy, ny antony dia tsotra.
Ianao tetsy ambony dia nilaza fa tsy nazava tamiko ny resaka fanatsarana ny karma, notion fotsiny ihany no reko ka mba nilaza izay hevitro aho. Ary afaka miteny izany ianao satria ianao mihitsy no nandalina mikasika ilay karma, fantatrao avy hatrany fa tsy izy aho!
Izaho koa hilaza aminao fa tsy mazava aminao ilay fanoharana hoe fonction de Dirac, fantatro amin'ny fomba firesakao fa na dia nandalo matematika ihany aza ianao dia tsy mpandalina, ary afaka miteny izany aho satria izaho dia azo lazaina ho nahitahita kely ihany sady tia matematika sy raisonnement matematika rahateo.
Fa hilaza aminao koa aho, fa amin'ny jamba dia maizina ny zava-drehetra, eny fa na dia ny mazava aza, ary tsy gaga aho raha lazainao fa maizina am-pototry ny mazava. I Jesosy no miteny hoe : "Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany, raha tsara ny masonao; dia hazava avokoa ny tenanao rehetra.
Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra; koa raha maizina ny fahazavana ao anatinao, manao ahoana ny halehiben'izany fahamaizinana izany!
" [MATIO 6:22-23].
Ny Filazantsara mitantara ireo karazana jamba isan-karazany nositranin'i Jesosy, ary dia fomba maro isan-karazany koa no nentin'i Jesoa nanatanterahana tamin'izy tsirairay avy ny fanasitranana, arakaraka ny situation nisy azy. Iray ihany anefa no nampahiratra azy rehetra : ny finoana ny tenin'i Jesosy. Mbola misy an'ireny jamba isan-karazany ireny mandraka ankehitriny, ary na dia fomba maro aza no entin'i Jesoa manasitrana ireo, dia mbola ilay fomba tokana ihany no hampahiratra azy ireo : ny finonana ny tenin'i Jesosy.
Izaho afaka hiezaka hanazava aminao, saingy raha tena tianao hazava aminao izay hafatra ampitain'ny mpino an'i JK eto, dia mila mino ny tenin'i JK ianao, amin'izay, ianao mihitsy no mahita sy mahatsapa azy @ fonao.

rakaroka:
... anefa dia dradrainareo ery fa zanaky ny mazava ianareo !

==> Tsy tadidiko na efa nilaza ny tenako ho zanaky ny mazava aho, fa i Jesoa nilaza hoe : "Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0095