Andriamanin-kafa

21. rzakarivola ( 07/09/2009 08:46)
rakaroka:
Ary etsy andaniny tsapa ho MIVAONA tokoa ny "torinteny maro sy ny interpretation'ny zava-misy izay volen'ny saina eo @ sehatry ny fivavahana...

==> 1- Ahoana no ahafantarana fa mivaona ny toriteny iray, na interprétation volen'ny saina ?
2- Ireo toriteninao sy hevitrao mikasika ny fiainana sy fivavahana ireo ve possible ho toy izany koa ?

rakaroka:
Tsapa hoe misy "TOVANAN'ny mpino maaaro araka izay saim-pantany na ovainy hafa mihitsy ny "contexte" maro.....dia toa tsinain-kena ka samby mandrirotra izay itiavany azy!

==> Aiza no itiavanao sy andrirotanao azy ity ?
22. rzakarivola ( 07/09/2009 10:54)
tsimiandravola:
"tsy misy tia mihoatra izay mahafoy ny fotoanany sy ny heriny hanampiana ireo izay ao anatin'ny aizina mba hiala amin'izany.,na mba tsy ho tafiditra amin'izany"

==> Izaho koa manaiky fa izany ny fitiavana, tenin'i Jesoa izany. Inona no fomba entinao miady @ aizina izany ?
Ny an'i Jesoa dia ny fahazavana no nentiny niposaka teo @ maizina, ary mbola entiNy mandraka ankehitriny. Ny nanatanterahany izany dia izao : nentiny niantona teo ambony hazo fijaliana, naseho miariary taminy teo an-tamon-tendrombohitra ny fomba fisainana sy fiainan'ny olona. Nanaiky halàm-baraka sy natao ho isan'izay meloka i Jesoa na dia tsy meloka aza, mba hahatonga ny mpanota ho isan'izay voavonjy ho afaka @ fahotana.
23. rzakarivola ( 07/09/2009 11:20)
tsimiandravola:
Fa ny "fandoto" ao amin'ny baiboly kosa dia mi-discretiter tanteraka an'ilay personnage central lazaina fa Andriamanitra.

==> Inona no antsoinao hoe : "fandoto" ao @ baiboly ?

tsimiandravola:
NB:Ny raozy=naturelle, fa ny baiboly nataon'olombelona. ka tsy azo ampitahaina loatra. Ny raozy, tsy nisy raha tsy teo ny conditions naturelles rehetra nilainy. Fa ny baiboly kosa dia afaka misy foana na dia analàna na ampiana na ovàna sy disoana aza ny contenu (et c'est bien ce qui s'est passé,pendant des siècles avec des éditions revues et corrigées)

==> Ary ny olona ve tsy naturel tahaka ny raozy ? Ary ho nisy baiboly ve raha tsy teo ny conditions naturelles rehetra t@ olona?
Ahoana no mahatonga anao hahazo antoka fa novaina sy nodisoana ny baiboly ? Tsy possible ve hoe ny olona no milaza hoe "corriger", fa raha tena ilay Andriamanitra marina no nampanoratra ny baiboly, dia tsy correction velively no nisy fa changement de langage, en fonction ny sain'izay olona tiana hampitana ny hafatra ?
Saingy izao, tena ilay Andriamanitra tokoa i Jesosy, saingy tahaka ny tsy ahafantaran'ny zaza vao teraka ny rainy, no tsy ahafantaran'ny maro an' Andriamanitra ao @i Jesosy. Tahaka ny tsy ahafantaran'ny zaza ao an-kibo ny reniny, na ny feo ety @ tontolo malalaka (izy ao @ tery kely ao), no tsy ahafantaran'ny olona izay tsy mbola nateraka indray na ny Fiangonana na Jesosy. Ary tahaka ny tsy ahafantaran'izay tsy mbola tonga zaza miforona akory ny tsy ahafantaran'ny sasany koa an' Andriamanitra ao @i Jesosy.
24. ikaretsaka ( 07/09/2009 16:44)
Ary ho nisy baiboly ve raha tsy teo ny conditions naturelles rehetra t@ olona?


tsy voatery..possible koa ny hoe tsy nisy baiboly na teo aza ny conditions naturelles rehetra t@ olona
25. Fody ( 07/09/2009 17:42)
fa misy ny Baiboly, noho izany tsy tokony hipetraka ny hoe: possible sy tsy possible... hihihi

Fa tohiziko kely:

misy ny Baiboly satria misy ny nanoratra azy...

Ary misy ny Baiboly satria nisy ny nampanoratra azy...

Fehiny: tsy mipetraka intsony izany ny hoe: possible na tsy possible ny fisian'ilay nampanoratra azy dia Andriamanitra izany.
26. ikaretsaka ( 07/09/2009 18:52)
Mety tsy baiboly nenarany ko...hhaha
27. rakaroka ( 07/09/2009 19:02)
Marobe ny fanontanian´i Rzakarivola . ...
Ny tiako apetraka angamba aloha dia ny "tontolo" misy ahy ankehitriny.
Mipetraka eto @ toerana sahala @ hoe "ivo" izany aho, dia sahala @ miaina
ny monde en version originale. Rehefa mamonjy fivoriana atsy am-pianaran´ny ankizy aho : solon-tenam-pirenena efapolo mahery samby hafa no mivory ao! Ary fony niresaka boloky namerina izay reny tany am-piangonana ny zanako, sahala @ hoe bedin´í Jesosy raha miteny ratsy!...
Tsy misy miresaka Jesoa izany any e...Samby manana ny inoany, ary samby mitahiry izany any am-pony fa tsy dradradradraina @ hafa satria ny hafa koa efa samby manana ny "inoany" koa, sady tsy ho resinao lahatra @ izay blabla-nao!
28. rakaroka ( 07/09/2009 19:25)
[quote=rzakarivola]

==> Raha azoko ny tianao tenenina dia hoe, isika lehibe aza tsy mahavoafehy ilay vision tokana, ka aleo ampiana visions hafa maro be ... ?

Eny tsy mihambahamba satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra! Io anie tsy kestion hoe lehibe fa raha mihoatra ny horizon nisy
matetika misy peception de vision hafa, normal sy logique izany!


==> Raha tsy hitanao izay navaly momba ilay finoana nampianarina anao, tsy tokony ho namantatra tsara io finoana io ve no nataonao aloha ? Sa efa nataonao izany dia resy lahatra ianao fa ilaina mihitsy ny fampianarana vaovao ?

Raha ny marina anie efa nihoarana hatry ny ela ny hoe "Baiboly irery ihany! Fony vao nianatra ny Lala sy i Noro ftsn, ary raha nahampy izany, tsy ho nampiasa ordi toa izao akory fa ho nifantoka tao fotsiny!

29. rakaroka ( 07/09/2009 19:36)

==> Fitiavana hafakely ny anao. Tsy haiko aloha an, fa raha izaho no teo @ toeranao dia aleoko izaho mihitsy no mikarakara ny sakafo dia manandrana aloha, izay vao omeko ny zanako ilay sakafo, fa tsy ny zanako no asaiko misafidy @ karazan-kanina maro izay tsy hainy akory ny hahafaty azy


Ny röle-ko dia manoro araka izay tratra. ny zanako izay zavatra primordiales tsara ho fantany hiatrika ny fiainana! Manome "initiations de base", ary tsy hoe "famonoan-tena akory ny fisokafana @ hafa, bien sur misy balise hazavaina @ rizareo ohatra tsy tsara ny drogue sigara, toaka...sns fa raha ny fahafantarana ny finoan´ny hafa, ataoko fa programa ibeazana sy ikoloana ny finoan´ny tena aza ny fahalalana ny hafa!



30. rakaroka ( 07/09/2009 19:53)

==> Ny tianao tenenina ve hoe, raha misy olona milaza fa ny andriamanitry ny Silamo no andriamaniny, kanefa izy tsy miaina araka ny fiainan'ny silamo akory (ohatra hoe mihinan-kisoa, tsy manao ramadan, tsy manatanteraka ny fankanesana any LaMecque une fois dans sa vie, tsy manao asa soa isaka zoma, tsy mivavaka isaka ny @ 6-12-6 manatrika an'i Lameka), dia ahazoanao conclusion hoe : "tsy ilay andriamanitry ny silamo no andriamanitr'io" ? Tahaka izany koa izay mino an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Andriamanitra (?)


Eny azoazonao, en faite, niresaka "honetete d´esprit" aho etsy ambony"
Ny hazavana ao an-tsaina. ao am-po, ao anaty, enti-miaina, ary miako
@ manodidina no mi-reflete ny perception´ny hary iray @ manodidina
sy ilay "Source"-ny. Tahaka izany ny hoe "aoka hazava eo imason´ny olona ianareo...mba hankalazainy ny Rainareo..." Fa tsy dradraina indray fa nisy natao ho zanaky ny fahaverezana: Atra hany ka tsy mitanila izany !
31. rakaroka ( 07/09/2009 20:11)
[quote=rzakarivola]

==> Te hanontany an'i rakaroka aho ny amin'izay fandraisanao izany "fahazavana" lazain'i Jesoa izany.

Raha ny marina tena nampianatra lava tokoa izy ny mba hitondra-tena tsara, ary raha ny marina aza somary nasiaka firesaka tahaka ahy izao koa...Be ny zavatra nahitsiny an, tsy izao...fa izao...Mazava koa fa tsy tonga hanohitra an-dry Mosesy izy...izany hoe nisy "chaine de vie tsy tokony ho tapahina hoe hatrin´ny faha Jesoa ihany no tena izy ohatra na ny hazofijaliana ihany TSIA dia TSIA...Tsy fintinina ny fijery satria fiainana Manana ny hanitra aby na ny tany aloha na ny aty aoriana matoa nohariana! Ka ny fahaiza-naka lesona,fahaiza-niatrika sy nisy notarafin´ny hafa angamba no naniteraka "hazavana" eo @ izay nisy!

32. rakaroka ( 07/09/2009 20:27)

rakaroka:
TENA TSAPAKO ny maha-zava-dehibe ny REFLEXION entiny! satria voagatotra loatra, voageja tao anaty bolabola mifintina ny fijery sy fisaina ary MISY FIANTRAIKANY GOAVANA eo @ fiainana ny fahateren'ny fomba fijery!

==> Marina izany. Aiza no misy ny fahalalahana ? ataontsika ve izany?


Ny tena mandreraka dia ny mieritreritra fa misy "possibilite" tsy hita noanoa @ tiany atao ny olona iray , izany hoe "mitombo" kokoa ny "chance"-ny ! satria nivatsy fahalalana sy savoir-faire na exploit ny talentany sns...ary ara-baiboly mihitsy koa izany "mahazoa fahalalana cf ohabolana, ny fanoharana @ talenta sns. Fa nalevintsika aiza aza ´zany fampianarana Soa izany koa? satria toa variana mibanjina an´I jesoa voafantsika ftsn sanatria dia tsy mana-kafitsoka raha tsy ny manantena ny famonjeny! Miandry antsika anie Izy fa tsy hoe "izy no andrasana!"
33. rakaroka ( 07/09/2009 20:35)

rakaroka:
Asa "etats d'ésprit gasy angaha ilay mianoka @ nisy sy somary kanosa mitady Mpitahy?...

==> Tsy azoko ilay hoe kanosa mitady Mpitahy.
Raha ny hevitrao, Inona no iantsoana ny olona manana Mpitahy efa nomena azy kanefa tsy mandray, tsy mahafantatra ka mikaroka etsy sy eroa ?

Ka ny "blem" dia sarotra ny hananana personnalite ho an´ny zatra notahatahiana. Ohatran´ny Kung-fu ohatra dia alefa hisedra ny sarotra ilay olona! Dia miatrika ny fiainana izy fa tsy miatrika mpitahy am-panomezana lamosina ny fiainana!...HADISOANA be io


34. rakaroka ( 07/09/2009 20:39)

==> Inona no no iantsoana ny olona mihoa-pefy ?

Il y a "fefy" et "fefy". Raha "aizina"=fefy dia ny olona nihoatra izay
ao anaty "hazavana"



35. rakaroka ( 07/09/2009 20:49)
[quote=rzakarivola]

==> 1- Ahoana no ahafantarana fa mivaona ny toriteny iray, na interprétation volen'ny saina ?

Satria misy "contexte" nanoratana azy ny soratra maro, ary tsy tokony hodian-tsy hita ireny contexte ireny, ary misy hevi-dalina fonosiny efa
mazava tsara. Ohatra concret, ilay torintenin´i Jesoa teo an-tendrombohitra, nampianatra mikasika ny fitondra-tena izy, ary nofaranany fa ny olona mitandrina ny teny araka ny namelarany azy teo dia oharina @ lhl hendry izay nanorina ny tranony teo ambony " vato fehizoro" . Dia mpitory maro no tonga dia manao hoe "I Jesoa no vato fehizoro , anefa mazava eto fa tsy i Jesoa ilay vatofehizoro tiany ampitaina! Donk Navaona ilay fampianarana. Ohatra iray io fa tsy tambo isaina ny toa izany!


36. rakaroka ( 07/09/2009 21:01)

2- Ireo toriteninao sy hevitrao mikasika ny fiainana sy fivavahana ireo ve possible ho toy izany koa ?

"lanja miakatra ny fiainana" hoy ny ´Ntaolo . Misy ny antsoina hoe "habadoana" ary tsy natao hijanonana mihitsy io sehatra io, sahala @ vato voapaika (izany hoe nisy fikasokasohana imbetsaka t@ hafa)no hiranitan´ny "fahalalana" sy miha-mahamari-pototra izany, mba hanondroan´ny ati-fanahy ,enfin, ny marina nokatsahiny mikasika zavatra iray! Mba tsy hivaona !

37. rakaroka ( 07/09/2009 21:07)

==> Aiza no itiavanao sy andrirotanao azy ity ?

Efa navaloko ilay izy raha ny marina, ary mieritreritra aza aho fa "fomba"ihany ny fivimbinana baiboly raha ´ndeha hiangona na ho etsy sy aroa. Tsy voatery hanokatra sy hamaky iny isak´álahady na isan ándro anie vao hahalala ny tokony atao! na izay voasoratra !

38. rzakarivola ( 08/09/2009 09:31)
rakaroka:

[quote=rzakarivola]==> Raha azoko ny tianao tenenina dia hoe, isika lehibe aza tsy mahavoafehy ilay vision tokana, ka aleo ampiana visions hafa maro be ... ?

Eny tsy mihambahamba satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra! Io anie tsy kestion hoe lehibe fa raha mihoatra ny horizon nisy
matetika misy peception de vision hafa, normal sy logique izany!

==> Eny e, hajaiko ny lojikanao. Ho ahy dia lojika ny hoe : raha tokana aza tsy voafehy, ahoana no hitadiavana marobe!

rakaroka:
Raha ny marina anie efa nihoarana hatry ny ela ny hoe "Baiboly irery ihany! Fony vao nianatra ny Lala sy i Noro ftsn, ary raha nahampy izany, tsy ho nampiasa ordi toa izao akory fa ho nifantoka tao fotsiny!

==> Ho ahy aloha dia zavatra roa samihafa izany baiboly sy ordi e! Misy izao ny bible numérique, ny ordi fitaovana azo itahirizana ny Baiboly. Tsy ny Baiboly koa ho ahy, fa ny ambaran'ny Baiboly, dia i Jesoa izany. Ho anay nanao matematika dia misy fomba azoko ilazana azy ny fikatsahana fiainana : http://fr.wikipedia.org/wiki/Fonction_%CE%B4_de_Dirac
39. rzakarivola ( 08/09/2009 09:36)
rakaroka:
"honetete d´esprit" ... Fa tsy dradraina indray fa nisy natao ho zanaky ny fahaverezana: Atra hany ka tsy mitanila izany !

==> Mazava ny nanazavanao ilay fahazavana : ahafahana mahita mazava ny zava-miafin'ny fo (na tsara na ratsy, na madio na maloto).
Raha toa tsy mitanila Andriamanitra, nahoana no misy ny mahantra fadiranovana ? Nahoana no misy ireo sembana ara-tsaina sy ara-batana ? Nahoana no misy ny loza voajanahary ?
40. rzakarivola ( 08/09/2009 10:57)
rakaroka:
ary nofaranany fa ny olona mitandrina ny teny araka ny namelarany azy teo dia oharina @ lhl hendry izay nanorina ny tranony teo ambony \" vato fehizoro\" . Dia mpitory maro no tonga dia manao hoe \"I Jesoa no vato fehizoro , anefa mazava eto fa tsy i Jesoa ilay vatofehizoro tiany ampitaina! Donk Navaona ilay fampianarana. Ohatra iray io fa tsy tambo isaina ny toa izany!

==> Izaho koa manaiky fa misy ny toriteny mivaona. Fa ho ahy indray ny fomba tokana ahafantarana izany dia @ fanontaniana @ilay tompon\'ny teny, dia Izy Andriamanitra. Ary fantatro rahateo fa i Jesoa no Tenin\' Andriamanitra velona.
I Paoly sy Petera koa samy nilaza fa i Jesoa no vato izay nolavin\'ny mpanao trano kanjo tonga fehizoro.
Raha milaza i Jesoa fa izay mitandrina izany teniny izany dia oharina @ lehilahy nanorina trano teo ambony vatolampy, ny fahazoako azy dia hoe, ny tenin\'i Jesoa no vatolampy, ary ny fankatoavana (fitandremana) ny teniNy no fanorenana ny trano (izay fiainana).
Somary HS moa iny fa mba noraisiko kely fotsiny (nanararaotra aho) ... aza tsiny rey olona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085