Iza marina ilay A/try ny kristianina?
21. carv
(
29/07/2009 18:28)
voalohany aloha , ny karazam-pivavahana de tahaka ny automobile,moto,bisikileta,sns ka iray ihany ny destination dé ny hanantona an'lLay Ray,izany hoe lé Un. Ary ny zanany dé ny asany, ilay hoe tonga nofo anie dé hoé materialisé hita maso sy azo tsapaintanana e! ohatra zao misy miteny hoe masaka ve lay mangahazo tao? tsy hisy hino an'zany raha tsy mitondra mangahazo masaka eo enao, zany hoe porofo no tena dikan'lé hoe tonga nofo. falé hoe An/tra dé ilay nihavian'io asa zay tonga nofo io. Ilay dikan'ny hoe teny mantsy de asa no tena dikany.mbola hitohy lalindalina io.....
22. Ratoa
(
29/07/2009 19:31)
Jehovah no Andriamanitry (Eksodosy 20:2 sns) ny Kristiana ary Jesosy dia Iraka handio ny tany sy mpanampy ny olombelona izay mitady an'i Jehovah. Ary ny hoe handeha isika hanamboatra olombelona tahaka Antsika dia jereo Genesisy 1:26 Amin'ny teny malagasy: "Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika....." Amin'ny teny frantsay indray: "faisons l'homme à notre image, selon notre ressemblance..." ressemblande dia midika hoe misy itovizana, ary ny image dia raisina au sens figuré fa tsy ara-bakiteny (ohatra: image du père).
Ary na ara-bakiteny aza, fitoviana fotsiny isika fa tsy ilay tena izy, sahala ny aloka anaty rano na ny aloka. Ka raha nahia ny sarinao ianao dia nahita an'Andriamanitra fa satria ao aminao Izy raha mino Azy ianao.
Izaho aloha dia mino, ato amiko Izy ssa eto akaikiko fa ny zavatra ihainako isan'andro dia mampiseho amiko ny fitondrany sy ny fitahiany.

23. rakapy
(
30/07/2009 06:32)
Hoy Ratoa
Ka ilay teny hoe tahaka ny tarehintsika "ressemblence" izay mihintsy no tsy mety misy mahavaly ny tena dikany mazava.
"Andeha isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika....." Amin'ny teny frantsay indray: "faisons l'homme à notre image, selon notre ressemblance..." ressemblande dia midika hoe misy itovizana, ary ny image dia raisina au sens figuré fa tsy ara-bakiteny (ohatra: image du père)
Ka ilay teny hoe tahaka ny tarehintsika "ressemblence" izay mihintsy no tsy mety misy mahavaly ny tena dikany mazava.
24. rijadolly
(
30/07/2009 19:32)
rakapy:
Raha voalaza ao anaty ny bailboly xana fa hoe niteny A/tra na ilay nahary izao tontolo izao hoe " Andeha isika hanamboatra olombelona mitovy endrika @tsika" dia mipetraka ny fanotaniako hoe:
Raha mitovy aminy isika ,nahoana no tsy hitantsika izy?
Ary raha niteny izy hoe "isika". Tsy midika ve izany fa niteny irery izy?
Tsy midika ve izany fa niteny irery izy?efa nisy nahavaly an!
ni81:
Tsy niteny irery izy fa niresaka t@ Jesosy zanany ary ny fanahy masina
" Andeha isika hanamboatra olombelona mitovy endrika @tsika"ra adika tsotra dia hoe:andeha isika hanamboatra tsy Andriamanitra mitovy ENDRIKA @tsika(olombelona).Andriamanitra anefa dia Fanahy fa isika dia olombelona azo tsapain-tanana.ENDRIKA= endrik'Andriamanitra dia volena tao anatitsika ny toetraNy sy ny fahendreNy.[quotesimplex]amiko manokana,
Genese = angano[/quote] diso b satria ra eo @ Genesisy sy Eksodosy fotsiny dia tantara mitohy
rakapy:Mbola diso ihany koa satria hoy Jesoa hoe: Fa Jesosy namaly azy hoe: Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.
Amiko indray dia ny testameta taloha dia angano sy morale avokoa ny ankamarohany.
Ny testameta vaovao dia ekeko fa nisy fahamarinana ihany ny voasoratra ao nefa dia nafangaro moral sy angano ihany koa.
25. rakapy
(
31/07/2009 11:36)
Hoy i Rijadolly
Ny interpretation sy fametraha zavatra iray tiana ho masina anie dia tsy ho lany mihintsy e! Azo adika @ izay hitiavana sy mahafaly ny mpihaino sy mpanaky daholo ny zavatra rehetra.
Raha izay no hitanao ho dikany mety dia tsara izany fa amiko kosa dia hitako sy tsapako fa maro ny zavatra noforonina toa angano ao anatin'io boky io.
ra adika tsotra dia hoe:andeha isika hanamboatra tsy Andriamanitra mitovy ENDRIKA @tsika(olombelona).Andriamanitra anefa dia Fanahy fa isika dia olombelona azo tsapain-tanana.ENDRIKA= endrik'Andriamanitra dia volena tao anatitsika ny toetraNy sy ny fahendreNy.[quotesimplex]amiko manokana
Ny interpretation sy fametraha zavatra iray tiana ho masina anie dia tsy ho lany mihintsy e! Azo adika @ izay hitiavana sy mahafaly ny mpihaino sy mpanaky daholo ny zavatra rehetra.
Mbola diso ihany koa satria hoy Jesoa hoe: Fa Jesosy namaly azy hoe: Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka
Raha izay no hitanao ho dikany mety dia tsara izany fa amiko kosa dia hitako sy tsapako fa maro ny zavatra noforonina toa angano ao anatin'io boky io.
26. ravonjison
(
31/07/2009 11:55)
Sarotra dia sarotra ny mandinika sy mamakafaka ny " Teo Izay Iray ( Trinité ) "
27. rakapy
(
31/07/2009 12:10)
Sarotra dia sarotra ny mandinika sy mamakafaka ny " Teo Izay Iray ( Trinité ) "
Mety tsy sarotra nefa koa azo asarotina.
28. Zina
(
31/07/2009 13:49)
18. Mpandefa : rakapy [ Valio ] 29-07-2009 09:03:46
Lohateny : Re : Iza marina ilay A/try ny kristianina?
Voalaza teo :
amiko manokana,
Genese = angano
Amiko indray dia ny testameta taloha dia angano sy morale avokoa ny ankamarohany.
Ny testameta vaovao dia ekeko fa nisy fahamarinana ihany ny voasoratra ao nefa dia nafangaro moral sy angano ihany koa.
dia ahona ihany zany ny hafarany? ekenao sa tsia? satria betsaka be mihitsy ny teny ao Test. Taloha miverina ao Testameta vao? :lol:
29. rakapy
(
31/07/2009 14:07)
dia ahona ihany zany ny hafarany? ekenao sa tsia? satria betsaka be mihitsy ny teny ao Test. Taloha miverina ao Testameta vao?
Dia aleo atako hoe tsy misy ekeko raha izany . Samy angano izany raha ny teo iahany no averina.
30. niryna
(
31/07/2009 16:54)
rakapy:
Raha voalaza ao anaty ny bailboly xana fa hoe niteny A/tra na ilay nahary izao tontolo izao hoe " Andeha isika hanamboatra olombelona mitovy endrika @tsika" dia mipetraka ny fanotaniako hoe:
Raha mitovy aminy isika ,nahoana no tsy hitantsika izy?
Ary raha niteny izy hoe "isika". Tsy midika ve izany fa niteny irery izy?
iza marina ilay A/tra hinoan'i rakapy ?
ity ary ny valiny raha mitovy amintsika Atra?
izay no nahatonga an'i kristy tonga tety an-tany naka endrika mitovy amintsika ry noho ny fitiavan'ilay ATra izay noheverin'ny hafa ho tsy misy no nahatonga azy tety an-tany
Fa toy izao no nitiavan'Atra izao tontolo izao,nomeny ny Zanany lahy tonga mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizayJaona 3:16
Tsy misy mahalala ny endrik'Atra isika fa hoy ny soratra masina manao hoe
9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? Jaona 14:9
Raha misy izy ,maninona isika no tsy mahita azy?
Ho an'ny mpino dia toy ny rehetra milasa fa misy ny rivotra, mifofoy,kanefa tsy ita maso,ho an'ay mpino an'ilay Atra kosa dia tsy itan'ny masonay izy fa fantatray ny fisiany satria miasa ao anatin'ny fiainanay izy
Tsy misy mahita an'Atra isika satria fanahy izy )invisible) saingy tsy midika akory izany hoe tsy mahita azy dia tsy mino ny fisiany.Finoana io fa tsy fahitana,mino izay vao mahita ny asany izay miasa ao amin'ny tsirairay.
Ny radio tsy misy file kanefa mandeha fa misy wave ,ahoana no mino fa mandeha ny radio kanefa tsy mahita zavatra mifandrirotra aminy isika,mifampitohy,ny siance mbola tsy nisy ny sciance dia efa nampahafantatra ny baiboly fa boribory ny tany, toy izany koa ny balloons
avy aiza ny rivotra?
ny finoana fa misy ilay Atra kristiana na tsy misy tsy midika velively aloha hoe tsy misy izy ,mino rakapy izay no voalazan'ny baiboly tsy mino moa dia mba tantarao anay hoe ny Atra hinoanao ?
misaotra
12 Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
12 Aujourd`hui nous voyons au moyen d`un miroir, d`une manière obscure, mais alors nous verrons face à face; aujourd`hui je connais en partie, mais alors je connaîtrai comme j`ai été connu. I kor 13:12
31. rakapy
(
01/08/2009 17:22)
Hoy Niryna
Ilay A/tra tsy ankasitrahanao no mba tiako atao A/tro. :wink:
iza marina ilay A/tra hinoan'i rakapy
Ilay A/tra tsy ankasitrahanao no mba tiako atao A/tro. :wink:
32. Ratoa
(
01/08/2009 21:31)
Ilay A/tra tsy ankasitrahanao no mba tiako atao A/tro
iza angaha izy io rakapy?
Niryna â:
nomeny ny Zanany lahy tonga mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizayJaona 3:16Satria na dia nandika ny didiny aza i Adama dia mbola Tiany ihany, ary dia mbola Tiany ko ny taranany ka nandefasany an'i Jesosy hamonjy azy ( antsika ) izay mino.
Mendrika ny hifanatrika aminy ve isika?
Adama sy Eve nifantrika taminy.
33. rakapy
(
02/08/2009 15:18)
Hoy ratoa
Angamba tsy misy interet ho anao ny hilazako azy .Fa ity no mba tiako lazaina aminao: Tena mahatsiaro faly sy sambatra aho miaraka amin'ilay A/tra tsy ankasitrahanareo.
Ilay resaka adama sy eva aloha dia mitovy @ resaka ngahy be Noely amiko
Ahona no nahalalanao fa nifanatrika taminy izy ireo?
Mba azavao hoe fa mahaliana be izy izany.
Ilay A/tra tsy ankasitrahanao no mba tiako atao A/tro
iza angaha izy io rakapy?
Angamba tsy misy interet ho anao ny hilazako azy .Fa ity no mba tiako lazaina aminao: Tena mahatsiaro faly sy sambatra aho miaraka amin'ilay A/tra tsy ankasitrahanareo.
Satria na dia nandika ny didiny aza i Adama dia mbola Tiany ihany, ary dia mbola Tiany ko ny taranany ka nandefasany an'i Jesosy hamonjy azy ( antsika ) izay mino.
Mendrika ny hifanatrika aminy ve isika?
Ilay resaka adama sy eva aloha dia mitovy @ resaka ngahy be Noely amiko
Adama sy Eve nifantrika taminy..
Ahona no nahalalanao fa nifanatrika taminy izy ireo?
Mba azavao hoe fa mahaliana be izy izany.
34. Ratoa
(
03/08/2009 15:42)
hoy rakapy
mbola tsy azo hatramin'izao satria manontany tena foana aho fa betsaka ny nataon'ny olona ho Andriamanitra. Ny Tompo menakely ohatra iray momba an'i Madagasikara. I Bala raha amin'ny mpanompy sampy voalaza ao amin'ny Baiboly. Râ tany Egypte taloha. izay é!
faly sy sambatra aho miaraka amin'ilay A/tra tsy ankasitrahanareo
mbola tsy azo hatramin'izao satria manontany tena foana aho fa betsaka ny nataon'ny olona ho Andriamanitra. Ny Tompo menakely ohatra iray momba an'i Madagasikara. I Bala raha amin'ny mpanompy sampy voalaza ao amin'ny Baiboly. Râ tany Egypte taloha. izay é!
35. rakapy
(
03/08/2009 17:45)
mbola tsy azo hatramin'izao satria manontany tena foana aho fa betsaka ny nataon'ny olona ho Andriamanitra. Ny Tompo menakely ohatra iray momba an'i Madagasikara. I Bala raha amin'ny mpanompy sampy voalaza ao amin'ny Baiboly. Râ tany Egypte taloha. izay é
Tena tsy ho takatrao mihitsy ilay izy e! mihonona amin'izay eo am-pelatananao fa izay no fahendrena.
36. Ratoa
(
03/08/2009 18:08)
Aoka aho hiomehy :lol: :lol: :lol: :lol:
Tena tsy sahinao lazaina ilay izy. Agamba tsy manana akory ianao :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
Tena tsy sahinao lazaina ilay izy. Agamba tsy manana akory ianao :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
37. fidinirina
(
05/08/2009 06:01)
rakapy:
Raha voalaza ao anaty ny bailboly xana fa hoe niteny A/tra na ilay nahary izao tontolo izao hoe " Andeha isika hanamboatra olombelona mitovy endrika @tsika" dia mipetraka ny fanotaniako hoe:
Raha mitovy aminy isika ,nahoana no tsy hitantsika izy?
Ary raha niteny izy hoe "isika". Tsy midika ve izany fa niteny irery izy?
Andriamanitra dia :
1- Mpahary, namorona izao rehetra izao
2- Tompon’ny zavatra rehetra
3- Nihavian’ny zavatra rehetra
4- Tompon’ny aina (manome sy maka)
5- Tokana
6- Feno
7- Masina indrindra
8- Avo indrindra
9- Tsitoha
10- Mpanjaka ambonin’ny mpanjaka rehetra
11- Manam-pahefana amin'ny zavatra rehetra
12- Manjaka hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay
13- Ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay
14- Fitiavana
15- Marina mandrakizay
16- Mahery
17- Rain’ny mandrakizay
18- Andrian’ny fiadanana
19- Tsara
20- Mahagaga
21- Mazava
22- Mihaino sy mamaly vavaka
23- Mpandahatra
24- Mpandresy (eny fa na dia fahafatesana aza)
25- Mpamindra fo
26- Mpamela heloka
27- Mpanafaka
28- Mpamonjy ny olona rehetra
29- Miseho amin’ny endrika telo nefa tokana ihany (trinité) – Ray, Zanaka ary Fanahy masina (fototra iorenan’ny finoana kristiana)
a. Rain’izao rehetra izao Izy (Rainay izay any an-danitra…) : Mpahary
b. Zanaka satria Jesoa Kristy zanak’Andriamanitra velona tonga nofo ka niara-nonina tamintsika : Mpamonjy
c. Fanahy masina satria mbola mitoetra mandrak’ankehitriny any anatin’ny olona tsirairay na ny antsoina indrindra hoe fiangonana : Mpanavao sy Mpitari-dàlana
30- Ao aminy ihany no tena misy fiainana
31- …
Jaona 1 :1-4 : « 1.1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
1.2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
1.3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
1.4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. »
Tamin’ny alalan’ny teniny no nanaovany izao rehetra izao. Ary izay nataony dia tsara avokoa. Nanao ny olona ho tahaka ny endriny tokoa izy. Ny dikan’izany dia tsy hoe raisina ara-bakiteny ho mitovy amin’ny olona akory Andriamanitra fa ilay endrika feno fahatsarana tanteraka tahaka an’Andriamanitra no napetraka tao amin’ny olona. Raha jerena ny Genesisy dia efa nataon’Andriamanitra ho mpanjakan’ny zava-boahary rehetra (tahaka Azy) mihitsy ny olona.
Saingy indrisy fa naleon’ny olona nihaino ny feon’ny devoly (ratsy) toy izay nihaino ny feon’Andriamanitra ka nanaiky ny ho mpanjaka, dia voaozona sy voaroaka tao Edena ary ny devoly no mbola miseho manjaka ankehitriny.
Mbola mamindra fo ary be fitiavana anefa Andriamanitra ka tsy namela ny zavatra noforonina ho simba sy rava fotsiny amin’izao. Izany no nahatonga azy nanome ny zanany lahitokana hamonjy ny olona ary indrindra mitady olona vaovao hanjaka ao Edena vaovao Izy. Izany no hevitry ny hoe : Ho tonga anie ny Fanjakanao ety an-tany tahaka izay efa Anao any an-danitra.
Tsy afaka ny hanjaka miaraka aminy kosa anefa isika raha tsy efa nandray Azy sy Jesoa kristy zanany. Izany no ilàna fibebahana satria nanota teo anetrahany foana ny olona, nanomboka tamin’ny Adama, ny zanak’Isarely, ny olombelona ankehitriny (mbola manompo sampy sy manana andriamani-kafa) sns. Izany no koa no ilàna ny fiangonana izay itoeran’ny fanahy masina mba hitari-dàlana marina sy hampahery antsika izay te hiara-hanjaka amin’i Jesoa Kristy rahatrizay.
38. rakapy
(
05/08/2009 06:42)
Ohatra ny mitanisa tsianjery be no fahitako an'i Fidinirina satria dia tsy hitako nisongadina akory ilay valin'ilay loha-hevitra.
39. fidinirina
(
05/08/2009 08:09)
Ireo nosoratako ireo dia toetran'ny Andriamanitry ny kristiana ?
Andriamanitra dia Mpahary, Mpamonjy sns.
Inona amin'ireo no tsy azonao fa misy andinin-tsoratra masina milaza an'ireo rehetra ireo ao anaty baiboly (fa saingy lava be dia tsy nosoratako)
Ny fanonantianao hoe :
Ny valiny io dia ny "trinité" izany hoe tsy mitovy @ olona mihitsy akory Andriamanitra ary tsy hahita azy na oviana na oviana ianao.
Saingy ny endriky ny fahatsaran'Andriamanitra no efa nomeny ny olombelona. Oh: afaka mamorona, manana saina...
Ary raha niteny Izy hoe "isika" dia izay ilay voalazan'i Jaona hoe :"ny teny dia tao amin'Andriamanitra" ary taty aoriana "ny teny dia tonga nofo (Jesoa Kristy) ka nonina tamintsika" : niresaka tamin'ny zanany Izy dia Jesoa Kristy efa tao aminy hatrizay hatrizay.

Raha mitovy aminy isika, nahoana no tsy hitantsika izy?
Ary raha niteny izy hoe "isika". Tsy midika ve izany fa niteny irery izy?
Ny valiny io dia ny "trinité" izany hoe tsy mitovy @ olona mihitsy akory Andriamanitra ary tsy hahita azy na oviana na oviana ianao.
Saingy ny endriky ny fahatsaran'Andriamanitra no efa nomeny ny olombelona. Oh: afaka mamorona, manana saina...
Ary raha niteny Izy hoe "isika" dia izay ilay voalazan'i Jaona hoe :"ny teny dia tao amin'Andriamanitra" ary taty aoriana "ny teny dia tonga nofo (Jesoa Kristy) ka nonina tamintsika" : niresaka tamin'ny zanany Izy dia Jesoa Kristy efa tao aminy hatrizay hatrizay.
40. ari.malala
(
05/08/2009 08:58)
fidinirina, k raha Atra sy Jesoa irery no niresaka d ataonao aiza ny Fanahy Masina? izay anie no maha trinite ny trinité e! aza adinoina!