Anao ny safidy
1. rahery08
(
31/12/2008 19:25)
Manahoana daholo nareo !!!
Marina tokoa fa tsy mba nanana safidy isika raha tonga tety an-tany !
Eny fa na dia ny vani-potoana, na ny kolon-tsaina , na ny maha-lahy na vavy sns… tsy mba nananantsika safidy !!! kanefa Atra dia mahalala hevitra hieverana antsika dia hevitra hahatonga fiadanana, fa ny zavatra rehetra nataon’Atra dia tsara avokoa ! ary tokony hisaotra Azy isika ny @ izany.
Na dia maro be toy izany aza ny tsy hananantsika safidy ! dia misy ihany safidy nomen’Atra antsika, dia ny hanao ny Tsara : dia mipetraka ny fanontaniana hoe : inona ny tsara tokony hataoko ?
Raha Jesosy no hanontaniana dia ny hoe : Ny hazo tsara dia mamoa voa tsara, ary ny hazo tsara tsy afaka mamoa voa ratsy (Matio 7-17),
Zanak’Atra Izy, ary manao ny asan Atra ! ( tsy tombotsoa, tsy tahotra) fa mba hankalazan’ny olona an Atra (Matio 5-45), "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao (Hebreo 10:9), ny hanao ny sitrapon’Atra.
Raha i Paoly Apostoly dia ny hanahaka an Kristy! ary Kristy no antony ahavelomany… ny hanao ny sitrapon’Atra!
Ary Ianao : Inona ny tsara tokony hataonao ? hanao ny sitrapon’Atra ve ? sa hanao ny sitraponao ?
« Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. » (1 Jaona 2:17)
Anao ny safidy.

novalian'i ikaretsaka ny 16/01/2009 16:35
2. ikaretsaka
(
31/12/2008 19:48)
Inona koa izany? Terena sy ampitahorina ankolaka ny olona de avy eo de hoe anao ny safidy hono
4. ikaretsaka
(
01/01/2009 17:22)
Xxx> afaka faritanao bebe kokoa ve ilay "sitrapon' atra" tianao lazaina eto
5. prime
(
02/01/2009 09:25)
Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona 2009, Andriamanitra anie hitahy anareo ka hanome anareo ny fifaliana sy fiadanana mandrakariva... :)
rahery08> Misaotra... :) ahy tokoa ny safidy... :D
ikaretsaka> io ambony lazain-drahery08 aloha izao no sitrapony anankiray, izay isaorana an'Andriamanitra no isaorana an'i rahery koa amin'izao taona vaovao izao... :lol:

6. Noue
(
02/01/2009 10:30)
ny tsy azoko fosiny dia izao eee
Marina tokoa fa tsy mba nanana safidy isika raha tonga tety an-tany !nefa avy eo indray dia oee
Eny fa na dia ny vani-potoana, na ny kolon-tsaina , na ny maha-lahy na vavy sns… tsy mba nananantsika safidy !!!
kanefa Atra dia mahalala hevitra hieverana antsika dia hevitra hahatonga fiadanana, fa ny zavatra rehetra nataon’Atra dia tsara avokoa ! ary tokony hisaotra Azy isika ny @ izany.zany oe sady misy (!!!) no misy Kanefa
7. prime
(
02/01/2009 10:39)
Noue> Tsy dia tena azoko ny tianao anontaniana fa ny fahazoako ny tian'i rahery hambara dia :
Tsy tompon'ny safidy isika raha ny amin'ny antony namoronany antsika... fa manana safidy kosa isika ny hanaraka Azy ilay namorona antsika na tsia rehefa tonga tety an-tany... tsara ny nataon'Andriamanitra (fony isika noforoniny) fa antsika ny safidy na handeha amin'ny tsara na handeha amin'ny ratsy rehefa avy eo...
Resaka safidy roa samihafa ireo...

8. Fody
(
02/01/2009 11:04)
Amiko manokana, amin'ny maha kristiana ahy, raha resaka sitrapo no resahana dia tsy mipetraka mihitsy ny hoe safidy.
Izao no antony:
1 - Isika dia olon'afaka fa tsy andevo akory. Izany hoe izay rehetra safidintsika dia sitrapontsika avokoa, fa tsy misy tery na tahotra. Noho izany raha manaraka ny sitrapon'Andriamanitra aho dia izay no tena sitrako fa tsy safidy fotsiny akory.
2 - Ny mpino rehetra raha tena mpino izy dia tia an'Andriamanitra koa. Ka raha tia an'Andriamanitra dia tokony ho iray aminy koa: iray Fo, iray Fanahy, iray Safidy, iray Asa... Ary mazava ho azy fa IRAY SITRAPO ihany koa: ary afaka miteny hoe: "Ny sitrakao no sitrako ry Tompo". Donc tsy misy intsony ny safidy hoe ny sitrapoko sa ny sitrapon'Andriamanitra... Ny tokony ho tadiavina sy iezahana isan'andro izany dia ny hahalala an'izay sitrak'Andriamanitra izay: izany hoe mila mandanjalanja sy mandinika miaraka amin'ny Fanahy Masina mandrakariva isika.
Misaotra.
9. prime
(
02/01/2009 11:25)
Fody> Ho anao, ho ahy efa nisafidy ny hanaiky sy hino ary hankato an'Andriamanitra dia mazava ny resaka ka tsy mitombina intsony tokoa ilay resaka safidy fa efa an'Andriamanitra ny momba ny tena rehetra...
Fa ho an'ny besinimaro eto amin'ny serasera dia mitombina ilay tian'i rahery ahatongavana mba hisafidy tsara...
Fa ho an'ny besinimaro eto amin'ny serasera dia mitombina ilay tian'i rahery ahatongavana mba hisafidy tsara...
10. Fody
(
02/01/2009 12:35)
prime: Tsy misy mihitsy olona mifidy ny "RATSY" na ny ho "RATSY", fa ny safidin'ny tsirairay dia mirona mankany amin'ny "TSARA" avokoa, ary ny sitrapony dia mifanaraka amin'izay safidiny voalohany izay. Izany hoe, ny asa ratsy hitanao isan'andro dia
- na tsy sitrak'ilay olona no nahatonga azy hanao izany (jereo Paoly),
- na ninia nanda ny sitrapony izy na tsy tompon'ny tenany (oh: olona mihinana zava-mahadomelina)
- na diso fiheverana ihany koa, na mety koa tsy mitovy fijery aminao. sns...
Fanamarihana: Tsy ny sitrapo no safidina satria ny tsirairay dia tokony handeha arak'izay sitrany aby. Ny safidy dia mipetraka amin'izay heverina fa "TSARA" . Izany hoe: ny tsirairay dia samy hikaroka ny hoe: Inona no tena tsara? na hoe: Iza no tena tsara ho azy? Ary ny fomba fiainany dia hampifanarahany amin'izany. Ny tsy fanantaterahany ny fepetra takian'io safidiny io dia midika ho fanoherany ny tenany ihany, na koa hoe: fanimbana tena. Ary raha kristiana izy, dia midika ho fanoherana an'Andriamanitra izany. Izay no atao hoe: fahotana.
Noho izany, raha tsy mpino izy dia tsy midika avy hatrany fa ho ratsy ny asany, na koa hoe ratsy ny safidiny. Fa toa anao, toa ahy... nifidy izay noheveriny ho tsara koa izy, noho izany tsara ny safidiny. Arakaraky ny hitomboan'ny fahalalan'ny tsirairay ny TSARA anefa no hanatsarany ny safidiny koa ka hahatsara kokoa hatrany ny asany, satria hivoatra makany amin'ny tena TSARA ny sitrapony. Io voalaza farany io dia mitombina na ho an'ny mpino na ho an'ny tsy mpino.
12. prime
(
02/01/2009 14:59)
Fody> Izay vao azoko ny tianao ambara... misaotra nitondra fanampim-panazavana...
Itoviako hevitra ianao raha raisina amin\'ny fomba fijerin\'olombelona toy izay hoe izay safidy atao dia heverina ho tsara... fa ny tsara sy ratsy araka ny tenin\'Andriamanitra dia mazava tsara ka itenenany mihitsy aza hoe : fidionao anio...

13. rahery08
(
02/01/2009 17:06)
Marina ny fanamarihana ary isaorana ny namana Fody sy Prime !
Fa ny tena tiako ahatongavana dia ny mba hisaintsainantsika fa raha tonga tety an tany isika dia tsy nanana safidy, fa natolotra antsika tsy ampierana izany (eny fa na ny fetr’andro izay hiainantsika aza,…) ! Andriamanitra anefa dia mahalala hevitra hieverana antsika, dia hevitra hahatonga fiadanana ! mazava ho azy fa dia ao @ Atra ihany no mahatsara antsika, manompo Azy sy manao ny sitrapony.
Dia mitaona ny rehetra aho zany : Ndeha hanoa Azy fa izany no mahatsara antsika !
Ireo vahoaka betsaka izay nanantona an’ Jesosy nanontany hoe : inona no ataonay hiasanay ny asan’Atra ?
Dia hoy Jesosy : Izao no asan’Atra : dia ny hinoanareo izay nirahiny. Izany hoe ny hinoana an’Jesosy, izay midika fa : ny fankatovana ny teniny, ny firaisana aminy.

14. ikaretsaka
(
02/01/2009 17:28)
Ny mahatsara antsika ao @ atra ange de misy fomba maro samihafa koa e... tsy isika koa no misafidy izany amiko, fa izy. Araka ny voalazany hoe Izy no nifify antsika fa tsy isika no nifidy Azy
16. rijadolly
(
03/01/2009 14:42)
Ny tena fazoako ny hevitry hery dia safidy hiaraka amin'Andriamanitra na tsy hiaraka aminy.Ra io dia antsika ny safidy,afaka mandaha azy isika na afaka miaraka aminy ary isika nomena fahafahana amin'izany.
ikaretsaka:Marina fa Andriamanitra no nifidy antsika,nefa maro ireo efa natsoiNY fa tsy namaly ny antsoNY noho ilay fahafahana misafidy.
Araka ny voalazany hoe Izy no nifify antsika fa tsy isika no nifidy Azy
18. niryna
(
05/01/2009 04:16)
rahery08:
Manahoana daholo nareo !!!
Marina tokoa fa tsy mba nanana safidy isika raha tonga tety an-tany !
Eny fa na dia ny vani-potoana, na ny kolon-tsaina , na ny maha-lahy na vavy sns… tsy mba nananantsika safidy !!! kanefa Atra dia mahalala hevitra hieverana antsika dia hevitra hahatonga fiadanana, fa ny zavatra rehetra nataon’Atra dia tsara avokoa ! ary tokony hisaotra Azy isika ny @ izany.
Na dia maro be toy izany aza ny tsy hananantsika safidy ! dia misy ihany safidy nomen’Atra antsika, dia ny hanao ny Tsara : dia mipetraka ny fanontaniana hoe : inona ny tsara tokony hataoko ?
Raha Jesosy no hanontaniana dia ny hoe : Ny hazo tsara dia mamoa voa tsara, ary ny hazo tsara tsy afaka mamoa voa ratsy (Matio 7-17),
Zanak’Atra Izy, ary manao ny asan Atra ! ( tsy tombotsoa, tsy tahotra) fa mba hankalazan’ny olona an Atra (Matio 5-45), "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao (Hebreo 10:9), ny hanao ny sitrapon’Atra.
Raha i Paoly Apostoly dia ny hanahaka an Kristy! ary Kristy no antony ahavelomany… ny hanao ny sitrapon’Atra!
Ary Ianao : Inona ny tsara tokony hataonao ? hanao ny sitrapon’Atra ve ? sa hanao ny sitraponao ?
« Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay. » (1 Jaona 2:17)
Anao ny safidy.
misaotra nizara e.
Manao ny sitrapony no tanjoko ary mivavaka isan'andro mba ahatanteraka izany ,tsy mora kanefa izy dia efa nanome fampanantenana ka izay mino aza dia anao ny anarany.
19. coopsal
(
05/01/2009 08:58)
rahery08:
Ary Ianao : Inona ny tsara tokony hataonao ? hanao ny sitrapon’Atra ve ? sa hanao ny sitraponao ?
==> Raha nihazakazaka nanatona an\'i Kristy ny tovolahy iray mpanankarena ka nanao hoe \"Mpampianatra tsara ô! ...\", dia izao no navalin\'ny Mpampianatra azy \"Tsy misy tsara afa-tsy iray, dia Andriamanitra\".
Aminareo, inona no atao hoe asa tsara? Raha izao ambaran\'i Kristy izao dia izay asa nibaikoan\' Andriamanitra no atao hoe tsara. IZany hoe, tsy ilay asa atao no hi-qualifiena azy ho tsara na ratsy, fa ilay niandohany (no sady tsy maintsy hiafarany rahateo). Izay avy amin\' Andriamanitra (hazo tsara) dia tsara ary izay avy amin\'ny hafa rehetra (hazo ratsy) dia ratsy.
Ny asa miainga amin\'ny fitiavan\'ny olona dia mifarana amin\'ny fireharehana, fa izay miainga amin\'ny fitiavan\' Andriamanitra dia miafara amin\'ny famonjena. Satria ny tena fitiavana araka an\' Andriamanitra dia famonjena ilay tiana.
Inona ny sitrapon\' Andriamanitra ?
--> Kristy niteny fa \"ny sitrapon\'ny Ray dia mba hanana fiainana mandrakizay izay mijery ny Zanaka ka mino Azy\".
Ka inoako fa ankehitriny dia efa tanteraka izany, satria na iza na iza no mijery ny Zanaka ka mino azy dia manana fiainana mandrakizay tokoa.
Ary ny sitrapoko?
--> Tsy sahiko ny hilaza fa hatramin\'izay ninoako an\'i Kristy dia tsy nanana sitra-po intsony aho! Tena manana be dia be aho, fa ny zavatra ekeko kosa dia izao, niroso hanaraka ny sitrapon\' Andriamanitra aho. Ady ho ahy mandrakariva io hoe \"araka ny sitrapoko sa araka ny sitrapon\' Andriamanitra ?\" io, fa zavatra tokana no ahavitako tsy manaraka ny sitrapoko : ny finoako an\'i Kristy, velona Izy ary marina ny filazana momba Azy, koa na hino aho na tsy hino dia hotsaraina araka ny teniNy.
Mamita-tena izay milaza fa tsy manana safidy na sitrapo intsony! Raha izany no marina dia tsy ho nisy ady natrehina intsony satria efa tsy misy fahavalo intsony. Ary izany no ilazan\'ny Apostoly Jaona (Md. Joany) hoe \"Raha milaza isika fa tsy manana ota dia mamita-tena\", kanefa ilazany ihany koa aoriana kelin\'izay hoe \"ny zanak\' Andriamanitra dia tsy manota\".[1 Jaona]
--> Ny filàna hanota dia ao anatin\'ny olona foana, fa ny mampiavaka ny zanak\' Andriamanitra amin\'ny zanak\'izao tontolo izao dia : ny zanak\' Andriamanitra tsy manaraka ny filàn-dratsy ao anatiny, fa mihaino ny fanahin\' Andriamanitra mitarika azy.
Izany no itenenan\'i Kristy hoe \"eto amin\'izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana...\" satria fahoriana ho an\'ny olona mino an\'i Kristy ny fisian\'ny filàn-dratsy isan-karazany tahaka izay mampiferotra aina ny olona maro noho ny tahotra sao hihinana sakafo maloto ka harary.
Fa ampian\'i Kristy hoe \"... nefa matokia, fa izaho efa naharesy izao tontolo izao.\". Tsy misy olombelona maharesy izao tontolo izao afa-tsy iray ihany : Kristy. Ary ny olona manana an\'i Kristy ao anatiny sady ao amin\'i Kristy (iray amiNy) dia maharesy izao tontolo izao koa! Tsy manan-kery aminy ka hankarary azy ny loto (fahotana) rehetra eto amin\'izao tontolo izao.
Ny olon\'izao tontolo izao sady tsy conscient amin\'izany no tsy manana hery rahateo.
Mirary anao mba ho tena rahery ... hanana ny hery dia Kristy.
20. Fody
(
05/01/2009 10:48)
coopsal:
Ny asa miainga amin'ny fitiavan'ny olona dia mifarana amin'ny fireharehana,....
Tsy dia tena d'accord amin' io zavatra nolazainao io satria hitako fa marina tapany ihany izy io, na azo lazaina mihitsy aza hoe diso, ka tokony ahitsy kely.
Izao no antony:
1 - Ny olombelona dia nohariana mitovy endrika amin'Andriamanitra. Io dia midika hoe: "ilay endrik'Andriamanitra Fitiavana dia efa ao amin'olombelona fa mbola tsy lavorary". Ny olombelona anefa dia tsy mitsahatra mihitsy mitady an'izay fahalavorariana izay, ary ny "point de depart-ny" dia ny tenany. Izany hoe ny "Fitiavana araka ny olombelona = Fitiavan-tena= fitadiavana ny ho azy ihany". Ireto misy ohatra vitsivitsy nalaina tao amin'ny Evanjely:
- Mc 10, 17: "Ary nony vao nivoaka nankeny an-dàlana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?". Ny fiainana mandrakizay ho azy no notadiaviny fa tsy ho azy sy ho an'ny hafa akory.
- Lc 23, 42: Ary hoy ilay jiolahy niara-nofatsihana tamin'i Jesoa: "Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao". Fitiavan-tena izany, satria Fitiavana tsy mijery ny hafa fa ny tenany ihany.... Nefa any amin'i Jesoa no nihafarany fa tsy fireharehana araka izay voalazanao.
2 - Andriamanitra dia tonga mba hanavotra ny olona. Ary tonga olombelona mihitsy izy mba hanatanteraka izany. Midika io fa miainga eo amin'izay maha olombelona izay ny famonjena. Izany hoe: ny asa atao amin'ny "fitiavan'ny olona" dia tena afaka miafara any amin'Andriamanitra mihitsy. Ohatra iray tsy azo lavina amin'izany i Md Piera. Ny fitiavana niangany dia fitiavana araka ny maha olona (phila) fa tsy "fitiavana araka an'Andriamanitra (agape) Jn 21, 15 - 17. Nefa jereo ny niafan'ny asa nataony rehetra fa tsy fireharehana fa voninahitr'Andriamanitra sy famonjena ny hafa.