Anao ny safidy
62. ikaretsaka
(
08/01/2009 10:53)
prime:
ikaretsaka> Mangataha ny fanahy masina dia hazava aminao... :)
Efa avy tany aho ka,,, de nasainy nanontany anao
63. prime
(
08/01/2009 11:16)
Ka raha tena tany ianao tsy haniraka anao Izy fa nanome ny valiny avy hatrany satria teniny io anontanianao io fa tsy ahy... :)
64. prime
(
08/01/2009 11:23)
Hifanatsafa eto indray isika fa handeha resahana ary...
Ny bokin'ny inona na teny avy amin'ny bokin'iza ihany no azo tononina amin'ny anaran'i Jesosy ao anaty baiboly ry Ika? :lol:
Inona no atao hoe Soratra Masina ra-Ika? :lol:
Ny bokin'ny inona na teny avy amin'ny bokin'iza ihany no azo tononina amin'ny anaran'i Jesosy ao anaty baiboly ry Ika? :lol:
Inona no atao hoe Soratra Masina ra-Ika? :lol:
65. ikaretsaka
(
08/01/2009 15:26)
tany aho fa nanirana anahy hanontany anao izy satria hono le teniny hono toa aolakao araka izay itiavanao azy.. dia nasainy nanontany anao ahoe fa ahoana?
raiso tsotra fotsiny...
i Daniela ohatra no milaza ny momba ny tenany sy ny nanjo azy ... ny tenany no sujet fa tsy i Jesosy an!
Ohatra 1 koa
i Atra Ray no niresaka t@ ndraJeremia nanpahafantatra azy fa Tia azy andriamanitra.. izay no tanjona tian'ilay andalana voatsimpona avoitra!
Fa raha i Jesosy no niteny ny hoe :Tahak'izoa no nitiavan'Atra ny olona... dia Rajesosy no niteny.. izay aho de manaiky hoe @ anarany no ilazana azy

66. prime
(
09/01/2009 05:55)
Ka ilay baiboly mihitsy no anananao olana raha izany ny famakiana azy... ny baiboly anie ra-Ika dia boky marobe nitambatra ho boky iray ary manambara hevitra tokana dia ny asam-pamonjen\'Andriamanitra sy ny fitiavany izao tontolo izao nanomboka hatrany amin\'ny namoronany izao tontolo izao ka hatramin\'ny fotoana ihavian\'ny Tompo hakany ny malalany rehetra ho any Aminy e...
Ary hadinonao angaha fa ny Soratra Masina mihitsy no mampianatra ny amin\'ny hoe, aoka izay ataon\'ny mpino an\'i Jesosy rehetra mba ho amin\'ny anarany? Toy izao indrindra no voasoratra milaza izany amin\'ny anaran\'i Jesosy : \"Ary na inona na inona ataonareo, na amin\'ny teny, na amin\'ny asa, dia ataovy amin\'ny anaran\'i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an\'Andriamanitra Ray amin\'ny alalany.\" Kolosiana 3:17
Raha vao mandray ny baiboly ianao ka mino izany ho boky mirakitra ny Soratra Masina sy manambara ny tenin\'Andriamanitra dia tsy tenin\'ny Mpaminany Mosesy na Daniela na Jeremia na Petera na Paoly sy ireo mpanoratra intsony ohatra ny ao fa ny tenin\'Andriamanitra feno?!!
Fa raha raisina ho boky tahiry mirakitra tantara sy fahalalana kosa no andraisanao ny baiboly dia tsy mahagaga raha azonao tsikeraina satria ny tantara sy ny fahalalana mivoatra...

ikaretsaka:... Tena niresaka tamin\'ny Fanahy Masina marina va ianao dia tena niteny an\'izany marina tokoa va Izy ka nanendrikendrika toy izany marina hoe : aolakolak\'i prime ny teniko ry ikaretsaka ka ampiasainy amin\'izay itiavany azy ary ampiasainy amin\'ny anaran\'i jesosy ny tenin\'i Jeremia, fa ndehana hianao manontany azy ny antony??? :lol: (tandremo amin\'izay havalinao etoana fa tsy izaho no valianao fa ilay Fanahy Masina manatrika ny resantsika sy hianao, vavolombelona velona sy feno hery manatrika ny zava-misy rehetra amin\'ny anaran\'i Jesosy)
tany aho fa nanirana anahy hanontany anao izy satria hono le teniny hono toa aolakao araka izay itiavanao azy.. dia nasainy nanontany anao ahoe fa ahoana?
67. coopsal
(
09/01/2009 09:34)
fahamarinana:
coopsal:
Fa tsy mampaninona ahy ny miavaka amin'ny besinimaro raha toa ka ny hevitr'i Kristy no ahy.
:arrow:fa ny an'iza loatra ary no mety tsy any Kristy..:-w.
:arrow: KRISTY no niteny hoe "izay tsy miara-manangona amiko dia tena manaparitaka".
fahamarinana:
coopsal:
fa fitiavana (ary tsy ny ahy fa ny Azy) no itenenako aminareo an'izany zavatra izany, mba hamonjena anareo,
:arrow: misaotra anao manao izany,ary coopsal zany efa sur fa ho voavonjy tokoa o! Sambatra ianao ! Zà manokana miezaka manaraka ny lalana,mbola tsy haiko na ho voavonjy ,eny na mino tanteraka any Kristy aza.Ny fantatro dia mifikitra aminy aho dia ny ho avy no ho hita ary Izy irery no mahalala.Raha tsy hoe ho bitsibitsihan'ny Kristy manokana aho fa efa ok ny toerako any ambony any.....
:arrow: Sady marina no tsy marina ilay hoe nobitsihin'i KRISTY.
1- Tsy marina satria zavatra misoratra mazava ary imbetsaka ao amin'ny filazantsaran'i [Jaona] fa "tsy ho very izay rehetra mino Azy", "Izay mino no manana ny fiainana", "tsy hamelako hisy ho very izay rehetra nomeny ahy" ... Ka tsy midradradra mihitsy ve izany hoe "izay mino an'i KRISTY dia voavonjy" ? Tsy izaho no mi-assurer ny famonjena ahy, fa IZY, ary tsy izaho no manome ny garantie fa IZY! Ary tsy teniny tamiko manokana izany fa nambarany ampahibemaso tamin'ny rehetra ary na iza na iza mamaky ny baiboly dia afaka hahita an'izany.
2- Marina ihany hoe nobitsihina satria na dia misoratra mivandravandra sy miverimberina aza dia izay mihaino AZy amin'ny fo ihany no afaka mandre an'ilay feo. Tsy misy asan'ny saina izany satria tsy takatry ny siansa, fa finoana.
Ka hoy aho hoe, raha mino an'i KRISTY marina ianao, tsy izaho ary tsy ianao no mi-assurer fa voavonjy ianao fa IZY, ary IZY no manome ny garantie. Tsy zavatra foroniko io ary tsy faminaniana spécial tamin'ny tsindrimandry fa zavatra voasoratra mazava! Fa raha tsy inoanao izany dia misalasala aho mandre anao miteny hoe "mino Azy aho"?
fahamarinana:
coopsal:
ka na dia ny honneur-ko (maha izaho ahy, aiko) aza mila afoiko
:arrow:tsy dia azoko loatra...honneur par rapport à quoi :?: (l)
:arrow: Ka moa aho tsy efa voalaza fa mpisandoka, mpamitaka, dondrona, sekta, voadona, ...? (tsy miteny aho hoe eto ihany fa miteny izay efa azoko hatrany rehetra izany). fa tadidiko fa i KRISTY mihitys rehefa nilaza ny marina dia hoy ireo jiosy hoe "tsy efa nolazainay fa Samaritana ianao sady misy demonia?". Ka izaho tsy lehibe mihitsy noho ny mpaniraka ahy. Hoy KRISTY tamin'ny mpianany hoe "tahaka ny nanirahan'ny Ray ahy no anirahako anareo koa."
68. coopsal
(
09/01/2009 11:20)
Fody:
coopsal:
==> Izaho ry ise tsy mahalala afa-tsy ny ao am-poko.
Raha tsy mahalala afatsy izay ao am-ponao ianao ahoana no asahinao mitsara ny hafa ????
==> Tsy mitsara na iza na iza aho! Efa fanaoko izany mitsara sy manameloka izany ary rehefa mivavaka aho dia averin'i KRISTY amiko foana hoe raha tsy nanota aho dia aoka hitora-bato, ary soratany ao am-poko rahateo ny fahotako, ahoana no ahafahako hitsara anareo amin'izay zavatra ataon'ny tenako? Fa justement, izay ato am-poko amin'ny maha izaho ahy, amin'ny maha olombelona ahy no ambarako anareo! Izay maha olo-meloka ahy no teneniko sy tantaraiko, mba ahafahako milaza ny fitiavan'i KRISTY. Tsy mba misy asa tsarako ahafahako vonjena! Fa ny asan' Andriamanitra no amonjena ahy, tsy ahy izany fa Azy. KRISTY no mamonjy ahy fa tsy izaho no mamonjy ny tenako.
fa ny ilazanao ahy hoe mitsara angamba, dia ny fanairako ny olona tsy hihevitra velively fa tsara ny asany ka hitady famonjena amin'ny ezaky ny tenany.
Fody:
Raha tsy mahalala afatsy izay ao am-ponao ianao, ahoana no asahinao milaza izay holazain'i Kristy amin'ny hafa ???
==> Tsy fantatro ny ao am-pon'ny olona ary imbetsaka aho no miahotra hiteny zavatra iray, fa rehefa mino aho fa KRISTY no mampiteny ahy dia tsy maintsy teneniko izany.
Fody:
coopsal:
==> Mampahatsiaro ahy namako iray nivavaka mba hahafantarako ny tena fitiavana. Novalian' Andriamanitra ny vavak'io namako io ary fifaliana ho ahy ny nahafantatra ny fitiavana : "Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika."http://baiboly.katolika.org/boky/Joany+I/4
Samihafa ry namana ny "mahalala" (fahalalana anaty mitondra makany amin'ny asa) sy ny fahaizana (an-tsaina, tsy hita amin'ny lazaina sy ny atao).
==>
Iombonako hevitra tanteraka ny hoe samy hafa ny mahalala ao am-po sy ny mahafantatra ao an-tsaina. Ary izay mino amin'ny fo no voavonjy. Ary izany no nitenenan'i Jesoa tamin'ilay Fariseo hoe : "tsy lavitra ny fanjakàn' Andriamanitra ianao", satria nahafantatra tao an-tsainy izy fa tsy tonga tao amin'ny fony ilay fanjakàn' Andriamanitra (tsy mifanalavitra mantsy ny fo sy ny saina fa cm vitsivitsy no mampisaraka azy).
Fody:
Lazainao mantsy ny hoe:
"--> Fitiavana =-> mamonjy
--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy"
Tsy io no tenin'i Kristy fa novainao. Izy tsy nilaza mihitsy: "--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy".
Jereo any amin'ny 1 kor 13 fa disoan'i Md Paoly io zavatra lazainao io. (Marihako fa tsy izay nolazain'i Kristy no diso, fa ny interpretation-nao. Ary tsy izaho no mandiso azy, fa i Kristy sy i Md Paoly)
==>Mahagaga, ny marainan'ny andro tamin'izaho nanoratra an'io raha nivavaka ary nanokatra baiboly dia io 1 Korintiana 13 io no tao ary novakiako manontolo, taty am-piasana aho mbola io koa no naveriko novakiana fa @ teny frantsay indray.
Ary tsy possible ho ny interprétation-nao ny tenin'i Kristy sy Md Paoly ve no diso? Ka mahatonga anao hihevitra fa diso izay lazaiko?
Izaho tsy mihevitra ny tenako ho mi interpréter fa izay hitako no tonga dia ekeko eto! Koa tsy manana interprétation aho. Fa na izany na tsy izany, na i KRISTY izay nilaza ny marina aza niteny hoe "rehefa tonga ny Mpananatra dia izy no hampahatsiaro anareo izay nolazaiko, ary hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra". Koa rehefa tonga ao anatinareo ny Mpananatra dia Izy no hitarika anareo amin'ny marina rehetra ary hanambara aminareo na diso ny teniko (izay tsy ahy fa an'i KRISTY) na tsia.
69. coopsal
(
09/01/2009 11:25)
rijadolly:
...Fa manaiky ilay teninanao izay namarininao tamin'alalan'tenin'Andriamanitra za fa tonga nofo Jesoa ary mitazona ny hevitro aho hoe nisy sitrapo avy tamin'nofo tao amin'Jesoa Kristy izay noreseny tanteraka.Mba hamitany ny hiraka nampanaovina Azy
==> Hitako izao fa tsy mifanohitra ny hevitsika sy ianao. Kanefa tsy noho ny tsy fifanoherany akory no maha marina azy, fa raha izany no ampitain'ny tenin' Andriamanitra dia marina izany, ary raha tsy izany dia diso izany.
Eo amin'ny pratique fotsiny no ahitako matetika Kristiana manao hoe "izaho anie tsy Jesosy e! Jesosy Fanahy" ... ny fihevitra toy izany dia mahatonga ny olona hanaiky ho resin'ny ota na dia mihira aza hoe "efa resy izao ny ozona rehetra ...".
Ny tiana ambara eto dia hoe : Na iza na iza tarihin'ny Fanahin' Andriamanitra dia mahatohitra ny sitrapon'ny nofony mba handehanana araka ny sirtapon' Andriamanitra. Ary raha mihevitra isika fa tsy manana sitrapo dia mamita-tena ary mamitaka ny hafa koa.
70. coopsal
(
09/01/2009 11:28)

71. coopsal
(
09/01/2009 11:28)
Fody:
coopsal:
==> Izaho ry ise tsy mahalala afa-tsy ny ao am-poko.
Raha tsy mahalala afatsy izay ao am-ponao ianao ahoana no asahinao mitsara ny hafa ????
==> Tsy mitsara na iza na iza aho! Efa fanaoko izany mitsara sy manameloka izany ary rehefa mivavaka aho dia averin'i KRISTY amiko foana hoe raha tsy nanota aho dia aoka hitora-bato, ary soratany ao am-poko rahateo ny fahotako, ahoana no ahafahako hitsara anareo amin'izay zavatra ataon'ny tenako? Fa justement, izay ato am-poko amin'ny maha izaho ahy, amin'ny maha olombelona ahy no ambarako anareo! Izay maha olo-meloka ahy no teneniko sy tantaraiko, mba ahafahako milaza ny fitiavan'i KRISTY. Tsy mba misy asa tsarako ahafahako vonjena! Fa ny asan' Andriamanitra no amonjena ahy, tsy ahy izany fa Azy. KRISTY no mamonjy ahy fa tsy izaho no mamonjy ny tenako.
fa ny ilazanao ahy hoe mitsara angamba, dia ny fanairako ny olona tsy hihevitra velively fa tsara ny asany ka hitady famonjena amin'ny ezaky ny tenany.
Fody:
Raha tsy mahalala afatsy izay ao am-ponao ianao, ahoana no asahinao milaza izay holazain'i Kristy amin'ny hafa ???
==> Tsy fantatro ny ao am-pon'ny olona ary imbetsaka aho no miahotra hiteny zavatra iray, fa rehefa mino aho fa KRISTY no mampiteny ahy dia tsy maintsy teneniko izany.
Fody:
coopsal:
==> Mampahatsiaro ahy namako iray nivavaka mba hahafantarako ny tena fitiavana. Novalian' Andriamanitra ny vavak'io namako io ary fifaliana ho ahy ny nahafantatra ny fitiavana : "Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika."http://baiboly.katolika.org/boky/Joany+I/4
Samihafa ry namana ny "mahalala" (fahalalana anaty mitondra makany amin'ny asa) sy ny fahaizana (an-tsaina, tsy hita amin'ny lazaina sy ny atao).
==>
Iombonako hevitra tanteraka ny hoe samy hafa ny mahalala ao am-po sy ny mahafantatra ao an-tsaina. Ary izay mino amin'ny fo no voavonjy. Ary izany no nitenenan'i Jesoa tamin'ilay Fariseo hoe : "tsy lavitra ny fanjakàn' Andriamanitra ianao", satria nahafantatra tao an-tsainy izy fa tsy tonga tao amin'ny fony ilay fanjakàn' Andriamanitra (tsy mifanalavitra mantsy ny fo sy ny saina fa cm vitsivitsy no mampisaraka azy).
Fody:
Lazainao mantsy ny hoe:
"--> Fitiavana =-> mamonjy
--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy"
Tsy io no tenin'i Kristy fa novainao. Izy tsy nilaza mihitsy: "--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy".
Jereo any amin'ny 1 kor 13 fa disoan'i Md Paoly io zavatra lazainao io. (Marihako fa tsy izay nolazain'i Kristy no diso, fa ny interpretation-nao. Ary tsy izaho no mandiso azy, fa i Kristy sy i Md Paoly)
==>Mahagaga, ny marainan'ny andro tamin'izaho nanoratra an'io raha nivavaka ary nanokatra baiboly dia io 1 Korintiana 13 io no tao ary novakiako manontolo, taty am-piasana aho mbola io koa no naveriko novakiana fa @ teny frantsay indray.
Ary tsy possible ho ny interprétation-nao ny tenin'i Kristy sy Md Paoly ve no diso? Ka mahatonga anao hihevitra fa diso izay lazaiko?
Izaho tsy mihevitra ny tenako ho mi interpréter fa izay hitako no tonga dia ekeko eto! Koa tsy manana interprétation aho. Fa na izany na tsy izany, na i KRISTY izay nilaza ny marina aza niteny hoe "rehefa tonga ny Mpananatra dia izy no hampahatsiaro anareo izay nolazaiko, ary hitarika anareo ho amin'ny marina rehetra". Koa rehefa tonga ao anatinareo ny Mpananatra dia Izy no hitarika anareo amin'ny marina rehetra ary hanambara aminareo na diso ny teniko (izay tsy ahy fa an'i KRISTY) na tsia.
72. coopsal
(
09/01/2009 11:53)
Ikaretsaka:
tany aho fa nanirana anahy hanontany anao izy satria hono le teniny hono toa aolakao araka izay itiavanao azy.. dia nasainy nanontany anao ahoe fa ahoana?
==> Azoko inoana ihany io. Voasoratra ao amin'ny [Jaona 11:49-51] fa ny mpisoronabe Kaifa dia niteniteny zaavtra toy izany, izay tsy avy aminy fa faminaniana nomen' Andriamanitra mba hahatanterahan'ny sitrapon' Andriamanitra = "mba hanana fiainana mandrakizay izay mijery an'i KRISTY ka mino Azy".
- Nisy fotoana koa tao amin'ny testamenta taloha jentilisa no nitenenan' Andriamanitra tamin'ny mpanjakan'ny Joda.
Koa tsy laviko mihitsy fa izao no araka ilay nanontanian'i Naughtyboy atsy ambadika hoe "an'ny olona ny fikasan'ny fo; Fa ny famalian'ny lela dia an' Andriamanitra".
Mety tsara anontaniana angamba dia hoe, inona no tian' Andriamanitra haseho amin'izany?
73. fahamarinana
(
09/01/2009 12:08)
:arrow: coopsal :aoka hijanona hatreo raha ny amiko aloha sy mikasika ity dinika ity fa lasa somary mandreraka be.Aleo dia tsoriko fa ny olana aminao dia asa na tsy mamaky tsara na mamakafaka ny lazain'ny namana ianao na tena minia manao fananiana na koa tena tsy te hivaky loha loatra amin'ny hafa fa ny fitoriana ( :?: ) ataonao no tiana hilatsaka amin'ny be sy ny bobaka fa somary misy contradictions mazana ny soratanao,tsy eto ihany fa na etsy sy eroa ka hoy aho hoe,tsy takatry ny atidoha-keliko intsony fa dia vita ny anjarako dia soava tsarà.Mirary soa hatrany e!
Ampitiavana be hoy fody izay...(l)
Ampitiavana be hoy fody izay...(l)
74. Fody
(
09/01/2009 12:17)
I Kristy ry namana tsy nilaza mihitsy hoe: "Lehibe indrindra ny mahafoy ny aina a!"
Ny nolazainy dia hoe: "Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy ho an'ny sakaizany" (Amin'ny teny grika io dia hoe: Meizona tautèsagapèn oudeis exei, hina tis tès psuxèn autou thè huper tòn filòn autou.)
75. Fody
(
09/01/2009 12:41)
coopsal:
Ary izany no nitenenan'i Jesoa tamin'ilay Fariseo hoe : "tsy lavitra ny fanjakàn' Andriamanitra ianao", satria nahafantatra tao an-tsainy izy fa tsy tonga tao amin'ny fony ilay fanjakàn' Andriamanitra (tsy mifanalavitra mantsy ny fo sy ny saina fa cm vitsivitsy no mampisaraka azy).
Aiza ao amin'ny baiboly no milaza fa azo refesina amin'ny cm ny elanelan'ny ny fo sy ny saina ???
"Tsy izay manao Tompoko Tompoko no hovonjena ry namana fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra. Ary ny sitrapony dia ASA fa tsy TENY (KABARY).
Aza adino fa i Jesoa nilaza hoe: "tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao: mahafoy ny aina ho an'ny sakaizany", dia nahafoy ny ainy ho antsika tokoa... ASA FA TSY KABARY BE, tsy fitanisana toko sy andiny akory.
76. Fody
(
09/01/2009 12:47)
coopsal:.
==> Tsy fantatro ny ao am-pon'ny olona ary imbetsaka aho no miahotra hiteny zavatra iray, fa rehefa mino aho fa KRISTY no mampiteny ahy dia tsy maintsy teneniko izany
Ampy izay ry namana a!
Aza manendrikendrika an'i Kristy ho tompon'andraikitra amin'izay hadalana rehetra lazainao ianao.
Am-pitiavana be!
77. ikaretsaka
(
09/01/2009 17:05)
Izay manko...ra coops no miteniteny foana de razezo no omentsisy sy endrikendrehina...zany ve de mba mety
78. Mirananirina
(
09/01/2009 18:21)
Izay manko...ra coops no miteniteny foana de razezo no omentsisy sy endrikendrehina...zany ve de mba mety:lol: :lol: :lol:
Mangataha ny fanahy masina dia hazava aminao...
Olona telo no iray:ny ray,ny zanaka ary ny fanahy masina.Manazava tokoa ve ny fanahy masina,impiry aho no nangataka toa tsy misy mamaly.Nolazaina fa mibitsika,efa naheno ve ianao,ny marina lazaina
79. prime
(
12/01/2009 09:45)
Mirananirina> Tena manontany ianao sa mampadinin-tena sa manao vazivazy?
Handeha raisiko hoe tena manontany hianao dia valiako araka izay, fa raha tsy izany avereno amiko izay voambara ary ialako tsiny dia eny mialoha...
Andriamanitra aloha tsy olona ry mirana... Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra Fanahy dia Iray ihany ary ny asany no manambara Azy... (indramiko ny tenin\'Ikaretsaka hoe, ianarana ny Trinité dia hazava ny mahaizy Azy)
Ny mikasika ny Fanahy Masina dia misy zavatra tiana hazavaina ihany... ny Fanahy Masina dia nampanantenain\'i Jesosy ho an\'ny olona \"manaiky sy mino Azy\" fa tsy natao ho an\'ny olona rehetra... ary raha manaiky sy mino marina an\'i Kristy dia manaiky sy mino an\'Andriamanitra Ray naniraka Azy, ary manaiky sy mino ny asam-pamonjena vitan\'i Kristy teo amin\'ny hazofijaliana... ary raha tena tsapanao izany herin\'ny asan\'Andriamanitra izany dia mila manatrika ny fahamarinan\'i Jesosy sy ny fahamasinany hianao ka mila mibebaka... raha tsy izany dia hitoetra ho fahalalana ihany...
Raha efa nandalo izany dingana izany nefa hianao dia misy antony manokana matoa mbola tsy nomena anao ny Fanahy Masina... mbola misy zavatra maro tian\'Andriamanitra amboarina aminao...

80. coopsal
(
12/01/2009 11:55)
Fody:
Tsy izay manao Tompoko Tompoko no hovonjena ry namana fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra. Ary ny sitrapony dia ASA fa tsy TENY (KABARY).
==> Rehefa niady hevitra ny Fariseo sy ny mpisorona dia nilaza hoe "diniho ny Soratra MAsina fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia".
Akory anefa ny hagagako anio nahita fa kay efa voasoratra mazava tao amin'ny Isaia fa "avy ao Galilia sy ny manodidina, firenena maizina, no hiposahan'ny Mazava". Izany hoe tsy ny Soratra no tsy nisy fa ireo no tsy nahay nandray ny Soratra, tahaka izay nambaran'i KRISTY directe hoe : "Nahoana no tsy mahazo izay lazaiko ianareo? Satria tsy ahay mihaino ahy ianareo!".
Ny olombelona dia mandinika sy mandalina amin'ny fijerin'ny nofo foana. Nefa hoy ny Apostoly Paoly hoe "fa ny fihevitry ny nofo fahafatesana, fa ny fihevitry ny fanahy fiainana". Raha nino ireo dia ho nahazo, saingy saina no nampiasainy fa tsy fo mba hino izay nolazainy fa tenin' Andriamanitra.
Raha iverenanao vakiana ny Matio 7 22-23 izay tohin'io verset nomenao io dia hoe : "Maro no hiteny amin'izany hoe : izahay nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao ... Fa izaho hiteny aminy hoe : mialà amiko ianareo mpanao meloka".
Tsy ny asan'ny nofo no sitrapon' Andriamanitra fa famonjena, izay asan'ny Fanahy. Aza hadino fa tsy noho ny tsy fiasana no mahatonga ny olona ho voaheloka fa noho ny fahotana, ary izany no manakana azy tsy hahazo ny fanjakàn'ny lanitra. Fa rehefa foana ny heloka dia tafiditra ao amin'ny fanjakàn'ny lanitra izy.
Raha miteny ho ahy aho dia tsy misy dikany fa ny Soratra no mirakitra izay nolazain'i Jesosy ny amin'ny sitrapon' Andriamanitra :
"satria izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon'izay naniraka ahy."
--> Raha toa misy olombelona ankoatra an'i KRISTY manao ny sitrapon' Andriamanitra, moa ve nila nidina tety KRISTY?
"Ary izao no sitra-pon'izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy, fa ny mba hananganako azy amin'ny farandro."
--> Raha toa ka KRISTY no hanao ny sitrapon' Andriamanitra (izay naniraka azy), moa ve ny asako izany sa ny asaNy ihany? Raha Izy no tsy hamela, inona no asako amin'izany?
"Satria izao no sitra-pon'ny Raiko izay naniraka ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin'ny farandro."
--> Noho izany, raha mba te hanao zavatra mifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra ho, dia ny manao izay hahitan'ny olona ny Zanaka, hahafahany mino mba ho voavonjy izy. Ary tsy ny nofoko na ny tarehiko no hahitan'ny olona ny Zanaka, fa ny fanahin'ny Zanaka ato anatiko.
Ny asan' Andriamanitra
"Ary hoy izy ireo taminy: Inona àry no hataonay mba hiasanay ny asan'Andriamanitra?"
--> Teny fampiasan'ny mpivavaka mihitsy ity hoe "asan'ny Tompo" ity, kanefa na dia ny Jiosy mpanaraka lalàna aza nanontany an'i Jesoa hoe inona tokoa ilay asan' Andriamanitra. Isika toa mametra hoe ny asa toy izao sy toy izao no asan' Andriamanitra.
"Namaly Jeso ka nanao tamin'izy ireo hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo ilay nirahiny."
--> Tsy mahita andinin-tSoratra Masina milaza asan' Andriamanitra hafa ankoatra an'io aho! Tena milaza mazava hoe izao ilay asa. Ny finoana an'izay nirahiNy dia tsy asan'ny saina na ny vatana izany fa asan'ny fo irery ihany.
Olona ihany aho ka zava-poana ny teniko, fa raha tenin'i KRISTY kosa izay lazaiko ary i KRISTY no mampiseho ny tenaNY nefa lavina, dia tsy izaho no hanameloka na iza na iza, KRISTY koa efa nilaza fa tsy tonga tamin'izao tontolo izao hanameloka, fa tonga hamonjy.
Izaho matoky fa izay mitady an'i KRISTY amin'ny fony dia hahita Azy, ary handre ny feoNy.