Anao ny safidy

21. Fody ( 05/01/2009 11:20)
coopsal:
Ary ny sitrapoko?
--> Tsy sahiko ny hilaza fa hatramin'izay ninoako an'i Kristy dia tsy nanana sitra-po intsony aho! Tena manana be dia be aho, fa ny zavatra ekeko kosa dia izao, niroso hanaraka ny sitrapon' Andriamanitra aho. Ady ho ahy mandrakariva io hoe "araka ny sitrapoko sa araka ny sitrapon' Andriamanitra ?" io, fa zavatra tokana no ahavitako tsy manaraka ny sitrapoko : ny finoako an'i Kristy, velona Izy ary marina ny filazana momba Azy, koa na hino aho na tsy hino dia hotsaraina araka ny teniNy.


Ny SITRAPO DIA IRAY IHANY dia izay sitrakao amin'ireo "possibilités" maro be miseho eo anatrehanao rehefa manao zavatra. Fa matoa ny zavatra iray tsy natanao dia tsy sitrakao izany, izany hoe "tsy sitraponao". Ary raha misy zavatra tsy sitrakao nefa nataonao dia “involontarie” no nanaovanao izany. Izany hoe, tsy misy responsabilité-nao ao amin’iny asa iny.

Nefa ny Finoana sy Fitiavana an’Andriamanitra dia tena mitaky ny “fahafahan’ny tsirairay” sy ny fandraisany andraikitra, izany hoe: Mitaky asa atao an-tsitrapo, satria isika “Sakaizan’i Kristy”, “zanak’Andriamanitra” fa tsy mpanompo (na andevo) akory. Ny mpanompo sy ny andevo no tsy maintsy manao ny sitrapon’ny lehibeny, na sitrany izany na tsia. Ary araka izay fanatotosany ny teny (baiko) nomena azy no hitsarana azy avy eo.

Fa isika tsy mba sahala amin’izany. Izay ataontsika, amin’ny maha zanaka na maha sakaiza antsika, dia tena sitrantsika avokoa. Izany hoe: sitrapontsika ny miaina am-paharetana izay maha zanak’Andriamanitra antsika izay. Ny sitrapon’Andriamanitra izany dia sitrapoko koa. Tsy misy fihavahany ireo rehefa tanterahako. Raha tsy izany dia involontaire no hanaovako ny sitrapon’Andriamanitra. Ary raha involotaire no hanaovako izany dia tsy hisy fihatraikany amiko, sy tsy hahavonjy ahy.

Ny hanana Fidélité amin'izay safidy fototra noraisinao tany aloha (zanak'Andriamanitra) no katsaho sy tadiavo isan'andro.
22. Fody ( 05/01/2009 11:36)
coopsal:
Mamita-tena izay milaza fa tsy manana safidy na sitrapo intsony! Raha izany no marina dia tsy ho nisy ady natrehina intsony satria efa tsy misy fahavalo intsony. Ary izany no ilazan'ny Apostoly Jaona (Md. Joany) hoe "Raha milaza isika fa tsy manana ota dia mamita-tena", kanefa ilazany ihany koa aoriana kelin'izay hoe "ny zanak' Andriamanitra dia tsy manota".[1 Jaona]

Ny fanana safidy dia tsy midika velively ho fanana ota. Ny fanana safidy koa dia tsy midika velively hoe: misy ny fahavalo, ka tsy maintsy misy ny ady. Ny fahafahana mifidy dia midika fa olon’afaka isika.
coopsal:
--> Ny filàna hanota dia ao anatin'ny olona foana, fa ny mampiavaka ny zanak' Andriamanitra amin'ny zanak'izao tontolo izao dia : ny zanak' Andriamanitra tsy manaraka ny filàn-dratsy ao anatiny, fa mihaino ny fanahin' Andriamanitra mitarika azy.

Ny safidy dia tsy mipetraka fotsiny amin’ny hoe: Tsara sy Ratsy. Izany hoe tsy any amin’ny fitadiavana izay tsara ihany, fa mitondra mankany amin’izay maha soa koa.
Izany hoe, raha manao safidy amin’ireo “possibilités” maro manoloana ahy aho, dia tsy mifidy izay tsy hanotana fotsiny, fa mifidy izay afahako mitia bebe kokoa an’Andriamanitra hatrany.
23. Fody ( 05/01/2009 12:18)
coopsal:
Izany no itenenan'i Kristy hoe "eto amin'izao tontolo izao no hahitanareo fahoriana..." satria fahoriana ho an'ny olona mino an'i Kristy ny fisian'ny filàn-dratsy isan-karazany tahaka izay mampiferotra aina ny olona maro noho ny tahotra sao hihinana sakafo maloto ka harary.

Ilay lazainao hoe: filàn-dratsy isan-karazany no mahatonga ny fahorina dia mampisalasala ihany. Satria izao no antony: na i Kristy koa aza mba nilaza hoe. “Ory ny fanahiko ka mila hahafaty ahy…” ( Mt 26, 38 ). Izany hoe niatrika fahorina koa izy. Ka nisy filan-dratsy ve tao aminy e?

Ny Filàna dia tsy azo sokajiana hoe RATSY velively. Iza no tsy manana filàna amintsika? Dia inona amin’ireo filana ao amin’ny tena no lazaina fa ratsy? Nefa inona amin’ireny no tsy ilaina?... Ny fanaraham-po amin’ny filàna no ratsy fa tsy ny filàna velively. Izany hoe mila fandanjalanjana manoloana ny filàna, na inona izany na inona.

Ny filazana hoe: FILAN-DRATSY dia midika ho fanasokajiana fa ny maha olombelona dia RATSY, izany hoe: Ratsy ny olombelona satria ny Filàny dia ratsy. Nefa i Kristy tonga olombelona, ary any amin’ny Bokin’ny Jenezy dia voalaza mazava fa “ ny olombelona no tsara indrindra tamin’ireo rehetra noharian’Andriamanitra”. Ka raha lazaina fa tsara indrindra ve ny olombelona, ahoana ny Filàna ao aminy no lazainao fa ratsy? Ary raha izay filàna ao aminy izay no mampijaly sy mampahory azy, midika io fa ny tsy fanana filàna intsony no tena maha sambatra indrindra. Iza anefa no tsy manana filàna intsony, moa ve tsy ireo rehetra efa maty ? ... Nefa toa hafa be amin'izany ny hasambarana nolazain'i Kristy Mt 5, 3 - 12.
24. fahamarinana ( 05/01/2009 14:23)
:arrow: misaotra any fody tamin'ny fanampim-panazavana,misy itovizako hvtr ihany koa... (l)
25. prime ( 05/01/2009 14:23)
Mazava tsara ny ambaran'i Fody... misaotra :)
26. ikaretsaka ( 05/01/2009 15:54)
Mazava fody a
27. rahery08 ( 05/01/2009 16:48)
Hoy Ikaretsaka : Ka zanany foana sy Azy foana ange isika na manaiky na tsia e.


Hoatran’ ny tsy manaiky izany ny heritreritro ! satria misy teniny Jesosy hoe :

Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. (Jaona 8:44 a)!

Rehefa tsy manaiky Azy isika, dia an devoly izany.

28. rijadolly ( 05/01/2009 18:35)
Fody:
Ny SITRAPO DIA IRAY IHANY dia izay sitrakao amin\'ireo \"possibilités\" maro be miseho eo anatrehanao rehefa manao zavatra. Fa matoa ny zavatra iray tsy natanao dia tsy sitrakao izany, izany hoe \"tsy sitraponao\". Ary raha misy zavatra tsy sitrakao nefa nataonao dia “involontarie” no nanaovanao izany. Izany hoe, tsy misy responsabilité-nao ao amin’iny asa iny.
Ohatrany tsy dia azoko loatra ry Fody ny tena hevitra tian\'se ampita noho ireto tenin-tsoratra masina ireto Jaona 4:34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon\'Izay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.Jaona 5:30 Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon\'Izay naniraka ahy.Jaona 6:38-39 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon\'Izay naniraka ahy.
Ary ty no tena zava-dehibe indrindra,
Marka 14:36;Lioka 22:42 ;Matio 26:39 \"Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny anao.\"
Inona ilay sitrapon\'Jesoa ka nampandeferany noho ny RAINY? Zay ny antony tsy dia mazava loatra ahy,ary inona ny antony fanitsina ny tenin\'coopsal.
Ny hevitro mantsy dia misy sitrapo roa mifandrirotra fa tsy hoe ray ihany araka ny tenin\'Fody,Tsy sitrapon\'Jesoa no tanterahany fa sitrapon\'Ilay naniraka azy.Izany heo ny sitrapo izany amiko dia hetaheta ao anatinao na nataonao izany na tsy nataonao.
29. ikaretsaka ( 05/01/2009 19:08)
Ny indro kely adinon'i RD eto dia I Jesoa sy ny Ray anie de 1 ihany e... mila viverina kely any @ principen'ny trinite ianao
30. rijadolly ( 05/01/2009 19:17)
Za ika tsy manda ny trinite,tena manaiky aho. fa ny tenin'Jesoa io no manazava kokoa ilay atao hoe sitrapo.

31. ikaretsaka ( 05/01/2009 19:50)
ka ny sitrapony ange sitrapon'ny Rainy ihany e :-D eo ilay mila famakafakana lalina ny momban'ny trinite
32. fahamarinana ( 06/01/2009 07:28)
rahery:
Rehefa tsy manaiky Azy isika, dia an devoly izany.

:arrow:zany tokoa,ohatran'ny tsy dia iraisako hvtr kosa ilay famaritana io...(l)
33. rahery08 ( 06/01/2009 08:42)
Hoy Fahamarinana:

ohatran'ny tsy dia iraisako hvtr kosa ilay famaritana io..(Rehefa tsy manaiky Azy isika, dia an devoly izany.)
Mba azonao hazavaina misy² kokoa ve ny tsy hanekenao ilay hevitra

Zao manko:
2 ny safidy: na an Atra na an Devoly.
ka rehefa tsy an Atra izany dia an devoly:

Ny fanekenao an Jesosy ho Mpamonjy anao no mamaritra ny hisy anao; na an' Atra ianao, na tsy Azy. tsy misy eo anelanelany.

34. fahamarinana ( 06/01/2009 09:58)
:arrow: ny tsy ahavoazako azy dia izao : raha mbola mihenahena ilay ranamana ohatra fa tsy mbola tanteraka dia efa zaody any amin'ny devoly ve !...ekeko fa ny fanekeko any Jesoa no mamaritra ahy ho Xna fa amiko tsy dia izay koa no hanambarako fa ny tsy ao dia any devoly...gravissime be zany teny zany satria mety noho ny tsy fahalalana fa any aoriana mbola hiova...( amiko aloha )
35. Fody ( 06/01/2009 10:51)
rijadolly :
Ny hevitro mantsy dia misy sitrapo roa mifandrirotra fa tsy hoe ray ihany araka ny tenin'Fody,Tsy sitrapon'Jesoa no tanterahany fa sitrapon'Ilay naniraka azy.Izany heo ny sitrapo izany amiko dia hetaheta ao anatinao na nataonao izany na tsy nataonao.

Hahafahako manome fanazavana fanampiny dia raisiko avy hatrany ity andalan-tsoratra Masina nolazainao ity
rijadolly:
Marka 14:36;Lioka 22:42 ;Matio 26:39 "Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny anao."

Tsy haiko hoe ahoana no fomba fahazoanao an'io vavak'i Jesoa io. Vavaka izay resaka mivantana amin'izy Ray.

Raha mandinika aho eto izao dia angamba sahala amin'izao no mety fahazoanao an'azy io: Ny sitrapon'ny Ray dia ny hirosoan'ny Jesoa amin'ny lalan'ny hazofijaliana. Ny sitrapon'i Jesoa kosa dia ny tsy hirosoany amin'izany. Sitrapo roa mifanohitra ireo.

Raha izay no fahazoanao azy dia ity mba misy fanontaniana kely: Tsy sitrapon'i Kristy ve ny hiroso tamin'ny fijaliana, ary ho faty teo ambonin'ny hazofijaliana? Izany hoe "acte involontaire" no nataony tamin'iny fotoana iny?

Raha hoy ianao hoe tsy sitrapony io fa sitrapon'ny Ray no notanterahany. Dia hoy aho hoe: raha izany no izy dia mpiatsara velatsihy koa i Kristy satria izy niteny hoe: "tsy misy manam-pitiavana lehibe mihotra noho izay mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany", nefa tsy sitrany akory ny ho faty ho antsika, izay lazainy fa sakaizany.
Raha tsy sitrapony koa fa sitrapon'ny Ray fotsiny no nirosoany tamin'ny fijaliana sy ny fahafatesana, dia mazava ho azy fa tsy nahazo voninahitra tamin'izany izy, satria nandeha tsy an-tsitrapo fa an-tery.


Hanampy anao hahazo bebe kokoa dia izao:
Md Paoly (fil 2, 5 - 8 ) :
Manàna izao saina amam-po hita tao amin'ny Kristy Jeso izao: na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialany izany tamin'izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.

Araka io voalaza io dia izao: Tany amboalohany i Kristy dia efa nanolo-tena hanao ny asan'izy Ray. Izany hoe: ho an'izy Ray no safidiny. Ho IRAY amin'izy Ray. Ka raha IRAY amin'izy Ray izy dia IRAY FANAHY, IRAY SAINA, IRAY FO, IRAY ASA....ary indrindra indrindra iray safidy sy Sitrapo amin'izy Ray.

Ao amin'io vavak'i Jesoa eo ambony io, dia miteny mazava i Jesoa hoe: "raha sitrakao..." Milaza io fa misy ny possibilité hafa azo isafidianana akoatra an'izay efa voasotra. Manambara koa io fa manana ny fahafahana tanteraka izy, amin'ny maha Zanaka azy, manoloana io ady sarotra io.
Tsy milaza kosa io hoe: "ny anesorana ny kapoaka mangidy" no sitrak'i Jesoa na ny sitrapony. Ilay hoe "RAHA SITRAKAO..." dia mampiseho fa ny sitraky ny Ray no sitrany. Raha fintinina izay voalaza izay dia "vavaka fandanjalanjana miaraka amin'Izy Ray" ity nataon'i Jesoa ity. Izany hoe "fitadiavana izay tena sitrak'izy Ray" satria izay no tena sitran'i Jesoa.
Fehiny: Ny sitrapon'Izy Ray izany dia sitrapon'Izy zanaka ihany, noho izany tena nandeha an-tsitrapo i Jesoa niatrika ny fijaliana sy ny fahafatesana.


Fanampim-panazavana:
Ny Faneken'i Kristy ny Ray, na dia voalaza fa toy ny faneken'ny mpanompo aza, dia tsy azo lazaina ho faneken'ny ANDEVO kosa. Izany hoe fanekena tsy misy "VOLONTE", na koa hoe fanekena an-jambany fotsiny. Fa nanaiky an-tsitrapo ny Ray i Jesoa. Ary ny sitrapony dia ny sitrapon'ny Ray. Hoy izy mantsy: "Izaho sy ny Ray dia iray ihany". Ary ny maha iray azy ireo dia noho izy ireo: IRAY FO, IRAY FANAHY, IRAY SAINA...izay no maha FITIAVANA AZY.



36. rahery08 ( 06/01/2009 12:49)
Hoy Fahamarinana:
ny tsy ahavoazako azy dia izao : raha mbola mihenahena ilay ranamana ohatra fa tsy mbola tanteraka dia efa zaody any amin'ny devoly ve !...ekeko fa ny fanekeko any Jesoa no mamaritra ahy ho Xna fa amiko tsy dia izay koa no hanambarako fa ny tsy ao dia any devoly...gravissime be zany teny zany satria mety noho ny tsy fahalalana fa any aoriana mbola hiova...( amiko aloha )

Izay Indrindra no hanambarana an Jesoa an ny olona izay mifanerasera aminao,
mety tsy izao izy no hiova fa any aoriana, fa asan ny Fanahy Masina no manova olona. Fa mazava ny teny, izay tsy an Jesoa dia an devoly,

Fa fotsiny hoe: raha mbola tsy nandray an Jesoa ny olona iray ohatra, mety ho ankizy io, tanora io... ny azo lazaina dia ny Ray amandreniny no efa nandray an Jesoa, ary mitondra ambavaka ny zanany hatrany mba hifanena amini Jesoa.
Izay ny azoko ambara!
tsy haiko raha mahavaly!
37. prime ( 06/01/2009 13:15)
ikaretsaka:
Ka zanany foana sy Azy foana ange isika na manaiky na tsia e
... Efa saiky tsy hamaly intsony aho fa hitako naverin'ny namana ao ambony ao ilay fanamarihana izay mitombina tokoa ary efa imbetsaka no nohazavaina an'ika fa hodian'ika tsy hainoana...

Tsy ny olona rehetra no atao hoe zanak'Andriamanitra fa izay "naterak'Andriamanitra" ihany...

Izay "...nahazo hery ka tonga zanak'Andriamanitra..." dia izay mino an'i Jesosy ka nandray ny Fanahy Masina... ary io tsy azo avy any am-pananahana fa mandalo dingana maro, manomboka any amin'ny fanekena ny antson'Andriamanitra, ny fibebahana, ny fanoloran-tena, ny fandraisana Fanahy masina, fanekena ho mpanompon'Andriamanitra, fanekena ho sakaizan'Andriamanitra, fanekena ho zanak'Andriamanitra sns... vao tena tonga zanak'Andriamanitra...

Tokana ihany no tena Zanak'Andriamanitra dia Jesosy Kristy... ny olona hafa rehetra tonga zanany dia zanaka natsangana avokoa noho ny finoany sy ny fandraisany an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy azy, fa tsy tongatonga ho azy zanak'Andriamanitra nefa Jesosy ilay tena Zanany aza tsy raisina ho iray amin'ny tena... (eo koa dia tsy resaka firaisana latabatra amin'ny Tompo no tiana resahana fa firaisana aina amin'i Jesosy, ka raha vao mihiratra ny maso dia Kristy no velona ao anaty fa tsy mbola milona ao anaty fahotana indray koa...)

Fa mitombina tsara ny fanamarihan'ny namana ao ambony ao, fa fony mbola tsy mandray an'i Jesosy ny olona dia manana ilay rainy efa nambaran'i Kristy hoe Satàna, ilay rain'ny lainga, ilay andrian'izao tontolo izao... io no rain'ny tsy mpino rehetra... zanaky ny devoly hoy Jesosy izay... rehefa tsy Jesosy no manjaka ao ampon'ny olona dia ny devoly fa tsy misy eo anelanelany... ary eo indrindra no mbola iderana ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra satria na dia ao anatin'ny tsy fahalalana aza ny olona dia efa maty hamonjy azy Kristy... finoana no andrasan'Andriamanitra fa tsy asa manokana mba ho voavonjy... efa vitan'i Kristy teo amin'ny hazofijaliana avokoa ny zavatra rehetra fa ny finoana Azy no takian'i Kristy raha te-ho zanak'Andriamanitra... eo nefa ny olana fa tsy mety mino ny ankamaroan'ny olona satria mbola mankamamy ilay izao tontolo izao...

Mavesatra izany teny izany nefa efa tonga ny fotoana hanambarana azy satria efa miresaka izany rahateo etoana... :)

fahamarinana> Izay no antony tsy ipetrapetrahana sy tsy handaniana fotoana intsony satria efa miharatsy izao fiainana izao ary mahafaty sy mahatonga any amin'ny fahaverezana ny tsy fahalalana... fa rehefa ho tonga Jesosy dia tsy fialan-tsiny ny hoe "izaho tsy mba nahalala..." na hoe "izaho teo anelanelany fa tsy mba nanao ratsy..." :)

Ka raha mbola tiantsika ny idiran'ny olon-tiantsika rehetra sy ny ankohonana any amin'ny Jesosy, ao amin'ny mandrakizay dia ataovain-dohandraharaha ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ao Jerosalema sy Jodia sy Samaria aloha (ny vady aman-janaka, ny Ray aman-dReny sy mpiray tampo, ny havana aman-tsakaiza rehetra) vao any amin'ny faran'ny tany (ny mpiara-monina, ny mpiray fihaviana, ny mpiray tanindrazana, ny mpiray firenena, izao tontolo izao...)

Nefa eo indrindra no efa ampiomanan'i Kristy fa tsy ho mora ny asa ka ilana firaisana aina sy hery Aminy ary tsy itsaharana vavaka sy tenin'ndriamanitra, satria ireo olon-tiana ireo indrindra no hitsangana ho fahavalo voalohany rehefa manambara an'i Jesosy ianao...
38. Fody ( 06/01/2009 14:00)
fanampiny:
Sitrapo dia avy amin'ny hoe: SITRAKA sy FO.

Ka ny sitraky ny fon'i Jesoa sy sitraky ny fon'ny Ray ve dia mifanohitra, nefa lazaina fa Andriamanitra ny Ray ary Andriamanitra koa i Jesoa?

Izaho sy ny Ray hoy Jesoa dia iray ihany, ka ny sitraky ny Fon'i Jesoa ve dia hiofanohitra amin'ny sitraky ny Fon'ny Ray?
39. coopsal ( 06/01/2009 14:09)
Ikaretsaka:
Ny indro kely adinon'i RD eto dia I Jesoa sy ny Ray anie de 1 ihany e... mila viverina kely any @ principen'ny trinite ianao

==> Marina tokoa fa i Kristy sy ny Ray dia iray ihany. Fa inona no intérêt raha mijanona eo @ Kristy sy ny Ray ary ny Fanahy Masina ny maha iray?

Ahoana ary no hevitr'Ikaretsaka amin'ity :
"Mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka ny maha iray ahy sy ianao" [JAona 17]
--> Ny firaisan'ny mpianatr'i Kristy dia amin'ny firaisan'ny tsirairay amin'i Kristy, ary raha iray amin'ny Ray Kristy ary ny mpianarta iray amin'i Kristy, dia iray amin'ny Ray sy Kristy zany ny rehetra!

Ikaretsaka:
ka ny sitrapony ange sitrapon'ny Rainy ihany e eo ilay mila famakafakana lalina ny momban'ny trinite

==> Koa maninona ary Izy no nanao hoe "tsy ny sitrapoko fa ny sitrapon'izay naniraka ahy"?

Rijadolly >>> Tsy hain'ny manam-pahalalana ny tian'i Kristy ambara, satria justement Kristy niteny zavatra mahitsy fa tsy miolankolana! Kristy tsy niteny mba hanaovany démonstration fa favo Izy, fa niteny hahasoa izay mihaino Izy mba hamonjena ny olona.
Ankehitriny koa aza Izy dia mbola miteny mahitsy amin'ny olona foana, saingy ny saina tsy mino tsy maintsy mitady hamilana ny teny foana!
Mahafaly ny fo kosa ny mahita fa misy olona manetry tena eto ary mampiseho ny tenany fa mpianatr'i Kristy izy amin'izany. satria hoy Kristy hoe : "Mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho ..."
40. coopsal ( 06/01/2009 14:24)
prime:
Fa mitombina tsara ny fanamarihan'ny namana ao ambony ao, fa fony mbola tsy mandray an'i Jesosy ny olona dia manana ilay rainy efa nambaran'i Kristy hoe Satàna, ilay rain'ny lainga, ilay andrian'izao tontolo izao... io no rain'ny tsy mpino rehetra... zanaky ny devoly hoy Jesosy izay...

==> Marina izany.
Tiako marihina fotsiny fa ireo olona nitenenan'i Jesosy mahitsy fa zanaky ny Devoly ireo dia olona tena mpivavaka sy mpandinika Soratra Masina (fa tsy mba jentilisa na olona tahaka andry Zakaiosy na ilay vehivavy janga izay nangina teo anatrehan'ny fiampangana).
Ireo olona ireo dia nilaza fa taranaky Abrahama, avy eo nanizingizina fa zanak' Andriamanitra. Fa rehefa i Kristy no niteny ny tenany ho Zanak' Andriamanitra dia nolazain'izy ireo fa niblasfema.

Ankehitriny dia maro ny olona tahaka ireny ary hita eto mihitsy izy, ary izaho mino fa raha teto i Kristy dia mbola hiteny amin'izy ireo hoe "tsy zanak' Andriamanitra izany ianareo fa zanaky ny devoly rainareo, izay mpandainga sady mpamono olona hatrany am-boalohany, ary izany koa no ataonareo eto".

Raha velona teto ny mpaminany Malakia ankehitriny dia mbola ho nampitenenin' Andriamanitra tahaka ny fahiny hoe :
"Ianareo no tsy mitandrina ny tenin' Andriamanitra ary manao tsinontsinona ny mpanompoko izay nofidiko. Ireny mpanompoko ireny dia matahotra ahy ary ny fanekeko taminy dia famonjena. Fa ianareo kosa manao tsinontsinona azy ireo. Raha tsy mihaino ny feoko ianareo dia voaozona, sady efa voaozona sahady ianareo satria tsy nihaino ny feoko." [Malachi 2]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084