Anao ny safidy

41. fahamarinana ( 06/01/2009 14:30)
:arrow: misaotra any rahery sy prime manamafy ny fanazavana...tsy noeritreretiko ohatr'izay ilay izy ary ny tena marina dia mbola tsy naheno olona niteny tamiko aho hoe rehefa tsy any jesoa dia any devoly.Tsy fantatro na izay no tokony nampianariny ahy na zà koa no tsy nahay nandray izay nambara ahy.Misy ho saintsainko indray ato ho ato. (marihiko fa zà io hany ka vao manomboka mianatra ka mety miteniteny foana ndraindray fa isaorana ny Tompo fa manome namana mahay mizara sy mampianatra :))
rahery:
Izay Indrindra no hanambarana an Jesoa an ny olona izay mifanerasera aminao,

:arrow:ny manambara any Jesoa anie tsy olana,tsy misy mahamenatra,ny contraire aza satria na tsy hitory teny lavabe mba mety hita taratra koa amin'ny fiainana sns...fa manontany tena aho hoe tamin'ny andron'ny tsy fahalalako dia raha sendra karazana teny tahaka io:
prime:
rehefa tsy Jesosy no manjaka ao ampon'ny olona dia ny devoly fa tsy misy eo anelanelany...
dia mety ahoana ny fandraisako azy re e !(l)
42. ikaretsaka ( 06/01/2009 16:00)
aho:
ka ny sitrapony ange sitrapon'ny Rainy ihany e eo ilay mila famakafakana lalina ny momban'ny trinite


coopsal:
==> Koa maninona ary Izy no nanao hoe "tsy ny sitrapoko fa ny sitrapon'izay naniraka ahy"?

dia mbola averiko ilay hoe mila fakafakainao ny trinite..
tsy misy hafga @ hoe tsy ny sitrapon'ny tanana io fa ny sitrapon'ny vatana (nefa part an'ny vatana ny tanana)

Rijadolly >>> Tsy hain'ny manam-pahalalana ny tian'i Kristy ambara, satria justement Kristy niteny zavatra mahitsy fa tsy miolankolana!

Izy niteny mahitsy io indrindra no mainka mampivoraka le tsimpona fotsiny fa tsy mijery ny manodidina koa.. tahaka ny hatreto ka hatreto ihany no fakafakaina nefa le zavatra hatreto ka hatreto iny dia miditra lavitra kokoa any @ ivelan'iny.. dia very tanteraka
43. rijadolly ( 06/01/2009 16:49)
Misaotra betsaka an\' Fody nihezaka nanazava ahy ny hevitrao :-*

Manaiky ny fanazavan\'Se raha oh ka fanehoan\'Jesoa araka ny teninin\'se ho an\'hafa ny antony nivavahany(nataoko gras),Tsy ambanin\'izany anefa ny maha mifono nofo an\'Jesoa satria dia niady mafy Izy(araka ny teninao ihany koa ,miloko manga)t@ nivavaka iny satria lasa rà mihitsy ni dinitra tamin\'tavany.Inona ny antony?eo ilay hery maha nofo azy,izay manohitra maha Zanak\'Andriamanitra AZY ka tsy hanantanterahaNY ny hiraka nampanaovina Azy.oe no mifanohitra amin\'izay ilay sitraky ny nofo sy ny sitraky ny Fanahy.Ary tsy maintsy reseNy.Ny Fanahiny nanaiky fa ny nofony manohitra satria nahatsapa sahady ny angirifirin\'ilay asa.Marka 14:38 ; Matio 26:41 \"Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin\'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery\"
Ao amin\'io vavak\'i Jesoa eo ambony io, dia miteny mazava i Jesoa hoe: \"raha sitrakao...\" Milaza io fa misy ny possibilité hafa azo isafidianana akoatra an\'izay efa voasotra. Manambara koa io fa manana ny fahafahana tanteraka izy, amin\'ny maha Zanaka azy, manoloana io ady sarotra io. Tsy milaza kosa io hoe: \"ny anesorana ny kapoaka mangidy\" no sitrak\'i Jesoa na ny sitrapony. Ilay hoe \"RAHA SITRAKAO...\" dia mampiseho fa ny sitraky ny Ray no sitrany. Raha fintinina izay voalaza izay dia \"vavaka fandanjalanjana miaraka amin\'Izy Ray\" ity nataon\'i Jesoa ity. Izany hoe \"fitadiavana izay tena sitrak\'izy Ray\" satria izay no tena sitran\'i Jesoa.
Eo amin\'ilay nolokoko mena koa dia manamarina ny fisian\'ilay sitraky ny nofo teo amin\'ilay asa ho tanterahana.Somary averiko kely ty teniko ty hoe: \"Ny sitrapo dia tsy voatery ho tanterahina,fa hetaheta ao anaty\"
44. ikaretsaka ( 06/01/2009 17:12)
Amiko raha any @ malakia no miverina mitsindroka zavatra hafa dia hafahafa ihany... ohatran ny hoe mitsindroka didy aman-dalana t@ andron I gallieni hanamarihana cas @ andron-dra8
45. Fody ( 06/01/2009 18:16)


rijadolly: azoko ny zavatra tsy azonao.

Ny SITRAPO, arak'izay voalazako teo aloha dia avy amin'ny hoe: SITRAKA sy FO. Izany hoe izay sitraky ny Fo.

Misy tendances marobe miseho ao anatintsika rehefa miatrika zavatra iray isika. Ireo no lazaiko hoe: POSSIBILITES azo atao.
Ny manome an'ireo "tendances" ireo dia izay mandrafitra ny maha izy ny tena rehetra: Nofo - Fanahy - Saina - Fo... sns.... Ary tafiditra ao koa ny SAFIDY FOTOTRA NORAISINA (Ny ho kristiana ohatra, ho an'i Jesoa dia ny ho an'ny Ray)

Ny tendance anefa dia tsy azo lazaina hoe: SITRAPO raha tsy ankatoavin'ny tena. Izany hoe, misy an'ilay FANKASITRAHA, ary fankasitrahana hatrany anaty(fankasitrahan'ny FO). Mitaky fahafahana sy Fitiavana izany fankasitrahana izany. Ary manampy izay, ny sitrapo dia izay SITRAKY NY SAINA (voadinika), SITRAKY NY FANAHY (voalanjalanja), ary SITRAKY NY FO (tiana). Raha ohatra ka misy tsy ao ny iray amin'ireo dia azo lazaina fa tsy vokatry ny sitrapo no nanaovana ny acte iray (Jereo ny nanjoa an'i Paoly). Ary ireo tendances tsy nankasitrahan'ny tena dia mijanona ho possibilités ihany fa tsy mety ho sitrapo mihitsy.

Amin'ny maha olombelona an'i Jesoa tokoa dia nisy tendances maro niseho teo aminy, ary teo koa ny demony mbola naka fanahy azy. Ny SITRAPONY kosa dia tsy hafa fa izay ssitrak'izy Rainy, satria izay ihany no nankasitrahany sy nontaterahany tamin'ireo tendances marobe niseho taminy. Niady mafy tokoa izy ny alin'iny, nandanjalanaja hoe: inona no tena sitrak'izy Ray, mampiseho amintsika izany fa tsy mora ny "mikatsaka ny sitrapon'ny Ray" (FANAOVANA DISCERNEMENT). Mbola mampiseho koa io fa ny "VAVAKA DIA TOLONA FA TSY SENTO".


Raha mbola tsy azonao dia izao: anandramo valiana ireo fanontaniana napetrako teo aloha.

Ohatra iray ny hoe: Moa samihafa ve ny SITRAKY ny FON'NY RAY sy ny SITRAKY NY FON'NY ZAKANA, nefa lazaina fa iray ihany izy ireo ?

46. Fody ( 06/01/2009 18:27)
coopsal:
Ankehitriny dia maro ny olona tahaka ireny ary hita eto mihitsy izy, ary izaho mino fa raha teto i Kristy dia mbola hiteny amin'izy ireo hoe "tsy zanak' Andriamanitra izany ianareo fa zanaky ny devoly rainareo, izay mpandainga sady mpamono olona hatrany am-boalohany, ary izany koa no ataonareo eto".

Fa Kristy ve i coopsal e ? Tsy vitan'ny miseho mahalala ny ao am-pon'ny olona fa mbola mahalala izay hambaran'i Kristy amin'ny hafa koa.

Mivavaka ho anao aho mba hanananao fanentren-tena sy fitiavana, satria ireo no hitako fa tsy mba anananao.
47. ikaretsaka ( 06/01/2009 18:35)
misaotra an'i fody
somary nitavozavoza ni nilazako azy fa ity voalazan'i fody ity no tiako tenenina raha
zahako hoe:
ka ny sitrapony ange sitrapon'ny Rainy ihany e eo ilay mila famakafakana lalina ny momban'ny trinite


dia ity hanontanianao ny tenanao sy ezaho valiana

Ohatra iray ny hoe: Moa samihafa ve ny SITRAKY ny FON'NY RAY sy ny SITRAKY NY FON'NY ZAKANA, nefa lazaina fa iray ihany izy ireo ?




48. rijadolly ( 07/01/2009 01:57)
Tena misaotra betsaka r'se Fody sy Ikaretsaka ary Coopsal sy izay nandray anjara tamin'ty loha hevitra ty fa tenja betsaka ny lesona azo tamin'ty satria dia niditra lalina dia lalina hatrany anaty tany ilay izy fa tsy nijery ivelany fotsiny.
Ny tiako mariana kely fotsiny dia ny fitovizatsika hevitra fa Ny sitrapo ny RAY dia sitrapon'Jesoa Kristy koa izay notaterahany tamin'Alalan'FITIAVANA.

Voafehin'io avihatrany ny hevitsika rehetra ary dia tsy afaka nikofoka intsony.Mahery ka!

Efa azoko tsara amin'izay ny tena hevitry Fody.Za koa anié ry Fody ka ainga tsaina ihany no sady mora mahazo zavatra rehefa azavaina amiko elabe e! =)) =)) =)) =)) =))

Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany sy Jesoa Kristy Zananany ary ny Fanahy Masina.
49. coopsal ( 07/01/2009 08:04)
rijadolly:
Ny tiako mariana kely fotsiny dia ny fitovizatsika hevitra fa Ny sitrapo ny RAY dia sitrapon'Jesoa Kristy koa izay notaterahany tamin'Alalan'FITIAVANA.

==> Tsy mitovy hevitra isika rehetra ka. Fa tsy mampaninona ahy ny miavaka amin'ny besinimaro raha toa ka ny hevitr'i Kristy no ahy. Ny fitaka miseho eto amin'izao resaka izao dia ny fampiatahana tanteraka an'i Kristy amin'ny olombelona, kanefa Andriamanitra raha tonga nofo dia ny hampiraisany ny tenany amin'ireo nania (ny olombelona), izany hoe ny objectifn' Andriamanitra mihitsy no avily lalana.
Izany en pratique no lazain'ny Apostoly JAona (ao @ epistily 1) hoe : izay rehetra tsy manaiky fa efa tonga nofo Kristy dia fanahin'ny mpaminany sandoka. Ny tsi-fanekena fa tonga nofo Kristy ka nanana ny sitrapon'ny nofo tahaka ny nofo rehetra dia sandoka, ary mitondra ny olona amin'ny lalan-diso ka hahavery azy izany.
50. coopsal ( 07/01/2009 08:50)
Fody:
Fa Kristy ve i coopsal e ? Tsy vitan'ny miseho mahalala ny ao am-pon'ny olona fa mbola mahalala izay hambaran'i Kristy amin'ny hafa koa.

==> Izaho ry ise tsy mahalala afa-tsy ny ao am-poko. Fa Andriamanitra nanao ny fo mahafantatra ny ao am-pon'ny tsirairay!
Ezekiela mpaminany tsy nahafantatra ny tao am-pon'ny mpiray firenena taminy, fa Andriamanitra no naniraka azy hanambara amin'ireo nofidiaNy ireo fa maditra sy mivadika izy ireo. Hoy Andriamanitra tamin'ilay nirahiny : "NA hihaino anao na tsy hihaino anao izy ireo dia tsy maintsy ambaranao aminy fa maditra izy ary mpivadika. Hanandrina anao izy ary tsy hiraharaha. Kanefa mitenena aminy ihany, mba ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy" [Ezekiela 2]

Fody:

Mivavaka ho anao aho mba hanananao fanentren-tena sy fitiavana, satria ireo no hitako fa tsy mba anananao.

==> Mampahatsiaro ahy namako iray nivavaka mba hahafantarako ny tena fitiavana. Novalian' Andriamanitra ny vavak'io namako io ary fifaliana ho ahy ny nahafantatra ny fitiavana : "Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika."http://baiboly.katolika.org/boky/Joany+I/4

Ankehitriny aho misaotra anao fa novalian' Andriamanitra ny vavakao, ary mahasoa ahy izany :
"Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao : dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany"
--> Fitiavana =-> mamonjy
--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy

Andriamanitra no vavolombeloko, fa fitiavana (ary tsy ny ahy fa ny Azy) no itenenako aminareo an'izany zavatra izany, mba hamonjena anareo, ka na dia ny honneur-ko (maha izaho ahy, aiko) aza mila afoiko.
51. fahamarinana ( 07/01/2009 12:26)
coopsal:
Fa tsy mampaninona ahy ny miavaka amin'ny besinimaro raha toa ka ny hevitr'i Kristy no ahy.

:arrow:fa ny an'iza loatra ary no mety tsy any Kristy..:-w.
coopsal:
fa fitiavana (ary tsy ny ahy fa ny Azy) no itenenako aminareo an'izany zavatra izany, mba hamonjena anareo,

:arrow: misaotra anao manao izany,ary coopsal zany efa sur fa ho voavonjy tokoa o! Sambatra ianao ! Zà manokana miezaka manaraka ny lalana,mbola tsy haiko na ho voavonjy ,eny na mino tanteraka any Kristy aza.Ny fantatro dia mifikitra aminy aho dia ny ho avy no ho hita ary Izy irery no mahalala.Raha tsy hoe ho bitsibitsihan'ny Kristy manokana aho fa efa ok ny toerako any ambony any.....
coopsal:
ka na dia ny honneur-ko (maha izaho ahy, aiko) aza mila afoiko

:arrow:tsy dia azoko loatra...honneur par rapport à quoi :?: (l)
52. Fody ( 07/01/2009 13:15)
coopsal:
==> Izaho ry ise tsy mahalala afa-tsy ny ao am-poko.

Raha tsy mahalala afatsy izay ao am-ponao ianao ahoana no asahinao mitsara ny hafa ????
Raha tsy mahalala afatsy izay ao am-ponao ianao, ahoana no asahinao milaza izay holazain'i Kristy amin'ny hafa ???

coopsal:
==> Mampahatsiaro ahy namako iray nivavaka mba hahafantarako ny tena fitiavana. Novalian' Andriamanitra ny vavak'io namako io ary fifaliana ho ahy ny nahafantatra ny fitiavana : "Ary toy izany fitiavana izany: tsy isika no tia an'Andriamanitra rahateo, fa izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin'ny fahotantsika."http://baiboly.katolika.org/boky/Joany+I/4

Samihafa ry namana ny "mahalala" (fahalalana anaty mitondra makany amin'ny asa) sy ny fahaizana (an-tsaina, tsy hita amin'ny lazaina sy ny atao).

coopsal:
Ankehitriny aho misaotra anao fa novalian' Andriamanitra ny vavakao, ary mahasoa ahy izany :
"Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao : dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany"
--> Fitiavana =-> mamonjy
--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy

Ity teninao ity dia manambara mazava fa an-tsaina ihany ny fahaizanao ny tenin'Andriamanitra, ary ataonao ohatra ny manao mathematique izany.

Lazainao mantsy ny hoe:
"--> Fitiavana =-> mamonjy
--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy"
Tsy io no tenin'i Kristy fa novainao. Izy tsy nilaza mihitsy: "--> Lehibe indrindra =-> mahafoy ny ainy".
Jereo any amin'ny 1 kor 13 fa disoan'i Md Paoly io zavatra lazainao io. (Marihako fa tsy izay nolazain'i Kristy no diso, fa ny interpretation-nao. Ary tsy izaho no mandiso azy, fa i Kristy sy i Md Paoly)
coopsal:
Andriamanitra no vavolombeloko, fa fitiavana (ary tsy ny ahy fa ny Azy) no itenenako aminareo an'izany zavatra izany, mba hamonjena anareo, ka na dia ny honneur-ko (maha izaho ahy, aiko) aza mila afoiko.

Misaotra anao miteny am-pitiavana, ary tsara raha miezaka hatrany mba tena izay tena tian'i Kristy lazaina no zaraina amin'ny hafa, fa tsy izay masaka ao an-tsainao fotsiny.
53. rijadolly ( 07/01/2009 17:02)
coopsal:

rijadolly:
Ny tiako mariana kely fotsiny dia ny fitovizatsika hevitra fa Ny sitrapo ny RAY dia sitrapon'Jesoa Kristy koa izay notaterahany tamin'Alalan'FITIAVANA.

==> Tsy mitovy hevitra isika rehetra ka. Fa tsy mampaninona ahy ny miavaka amin'ny besinimaro raha toa ka ny hevitr'i Kristy no ahy. Ny fitaka miseho eto amin'izao resaka izao dia ny fampiatahana tanteraka an'i Kristy amin'ny olombelona, kanefa Andriamanitra raha tonga nofo dia ny hampiraisany ny tenany amin'ireo nania (ny olombelona), izany hoe ny objectifn' Andriamanitra mihitsy no avily lalana.
Izany en pratique no lazain'ny Apostoly JAona (ao @ epistily 1) hoe : izay rehetra tsy manaiky fa efa tonga nofo Kristy dia fanahin'ny mpaminany sandoka. Ny tsi-fanekena fa tonga nofo Kristy ka nanana ny sitrapon'ny nofo tahaka ny nofo rehetra dia sandoka, ary mitondra ny olona amin'ny lalan-diso ka hahavery azy izany.

.........................................................................................................

Mazava tsara ary tena azoko mihitsy ny antony tsy aneke'se io nambarako io.
Fa ra nandinika tsara ny hevitry Fody za dia tsy ilay maha olombelona an'Jesoa izay manana ny sitrapony ny tian'Fody ambara fa ilay fankasitrahany hanantateraka ny asa ampanirahana Azy izay avy any amin'RAINY.
Ohatra tsotsotra ty ra azoko tsara ny tian'Fody ambara.Nirahiko natsaka ity zanako(ohtra!)nefa izy teo ampilalaovana.ozy izy tamiko avelao re ry dada za aloha mba hilalao fa tena rerakabe anie za é!Hendry be sy mankatoa RD be io zanako io an! tsy sitrakao zany hoy aho ny andeha hatsaka izay nanirahako anao ?(io fanontaniana io no miafina tsy nahazoako ny tian'Fody lazaina izay mbola valitenin'ilay zaza mihafina ihany koa) - Sitrako ka!aiza ary ilay siny angalako rano e!(ampitiavana fa tsy fiatsarambelatsihy) ==> izany hoe Nankasitrahan'ilay zaza ny sitraky ny rainy==> Izay ihany koa no nahatonga ahy nanambara hoe "Ny sitrapo ny RAY dia sitrapon'Jesoa Kristy ka notanterahiny tamin'Alalan'FITIAVANA." Fa manaiky ilay teninanao izay namarininao tamin'alalan'tenin'Andriamanitra za fa tonga nofo Jesoa ary mitazona ny hevitro aho hoe nisy sitrapo avy tamin'nofo tao amin'Jesoa Kristy izay noreseny tanteraka.Mba hamitany ny hiraka nampanaovina Azy

54. Fody ( 07/01/2009 20:42)
coopsal:
Ny fitaka miseho eto amin'izao resaka izao dia ny fampiatahana tanteraka an'i Kristy amin'ny olombelona, kanefa Andriamanitra raha tonga nofo dia ny hampiraisany ny tenany amin'ireo nania (ny olombelona), izany hoe ny objectifn' Andriamanitra mihitsy no avily lalana.
Izany en pratique no lazain'ny Apostoly JAona (ao @ epistily 1) hoe : izay rehetra tsy manaiky fa efa tonga nofo Kristy dia fanahin'ny mpaminany sandoka. Ny tsi-fanekena fa tonga nofo Kristy ka nanana ny sitrapon'ny nofo tahaka ny nofo rehetra dia sandoka, ary mitondra ny olona amin'ny lalan-diso ka hahavery azy izany.

Ny zavatra lazainao eto aloha ry coopsal dia efa misy contradictoire be mihitsy. Jereo ireo zavatra nataoko en gras ireo.

Amiko sy izay rehetra mitovy amiko, kristiana fa tsy fondamentaliste dia izao: I Jesoa dia TENA ANDRIAMANITRA ARY TENA OLOMBELONA.


Amin'ny maha Andriamanitra Azy sy amin'ny maha olombelona azy dia nisy tendances divine tao aminy ary nisy tendances humaines ihany koa. Fa ny sitrapony kosa dia iray ihany, dia iLay NANKASITRAHANY tamin'ireo tandences niseho tao aminy.

Averiko fa ny tendances dia tsy sitrapo fa possibilité ihany, izany hoe azo tanterahana. Ny sitrapo kosa dia izay tendances tao amin'ny tena ka nekena sy notanterahana ankalalahana .
Ho an'i rijadolly: raha mbola misy tsy azonao dia vakio sy diniho ilay fanoharana nataon'i Jesoa momba ireo olona roa nirahina: ny iray nanaiky ny hanao nefa tsy nanantateraka... ny iray kosa nandà nefa nanao izany avy eo.
(Azafady fa tsy fantatro ny toko sy ny andininy.)

Vakio koa ny Rom 7, 14 - 25 .

Misaotra anao.
55. ikaretsaka ( 07/01/2009 20:54)
mba tsetsatsetra kely fotsiny> tsara ny manoratra lava ho an'izay tia manao izany, fa mba tsara raha jereo sy hivereno vakiana ny zavatra nosoratanareo alohan'ny hanapotseranareo ny bokotra hoe alefaso
Misaotra.
56. prime ( 08/01/2009 08:07)
fahamarinana:
misaotra any rahery sy prime manamafy ny fanazavana...tsy noeritreretiko ohatr\'izay ilay izy ary ny tena marina dia mbola tsy naheno olona niteny tamiko aho hoe rehefa tsy any jesoa dia any devoly.Tsy fantatro na izay no tokony nampianariny ahy na zà koa no tsy nahay nandray izay nambara ahy.Misy ho saintsainko indray ato ho ato. (marihiko fa zà io hany ka vao manomboka mianatra ka mety miteniteny foana ndraindray fa isaorana ny Tompo fa manome namana mahay mizara sy mampianatra
... Na izaho aza dia sadaikatra ihany ny hiteny izany tenin\'Andriamanitra izany izay tena marina tokoa, nefa tsy ny filazana hoe ianao izao na izatsy na zanaky ny izao sy ny izao no zavadehibe fa ilay Jesosy tia antsika ary tsy mitsahatra miantso mandrakariva sy miahy ary mitahy mandrakariva mba ho voavonjy ny maro... :)

Na i Jesosy niteny izany aza dia noho ny zava-nisy no tsy maintsy nilazany izany fahamarinana izany, ka aza dia atao mampiasa saina loatra fa Jesosy jerena dia ho hitanao ny voninahiny ary hampamirapiratra ny tavany aminao izy ka hiaro anao... :)
fahamarinana:
dia mety ahoana ny fandraisako azy re e !
... Andriamanitra efa niteny toy izao amin\'ny anaran\'i Jesosy : \"...fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetsako famindrampo ho anao.\" Jeremia 31:3

Sokafy ny fonao dia mivavaha mba hihainoany anao, dia atolory azy ny fonao... mangataha Aminy mba idirany ao amponao, fa Izy efa niteny toa izao amin\'ny anaran\'i Jesosy : \"Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-hisakafo aminy, ary izy amiko\" Apokalipsy 3:20

\"...Izay mangataka no omena...\" hoy Jesosy, ary \"...izay mandondona no hovohana...\"

Ny Tompo tsy mitsahatra ny miantso anao dia valio Izy amin\'ny \"Eny\"... dia atolory ho Azy ny tena sy ny fonao amin\'ny fahavononana rehetra handray an\'i Jesosy... avelao ny Fanahy Masina hiasa fa hitondra amim-bavaka anao ny tenako sy ny namana rehetra...

Rehefa izany dia asaina ianao hamaky baiboly isanandro, na dia iray minitra monja isanandro aza dia efa mety, ka tsy hoe asesy manomboka any amin\'ny Genesisy, fa mividiana \"bonne sémence 2009\" ohatra na koa \"Mana isanandro\" ohatra dia vakio ny tenin\'Andriamanitra sahaza isanandro fa hiasa aminao sy ny ankohonanao Jesosy...

Ho aminao sy ny fiainanao anie ny fiadanan\'i Jesosy... :)
57. prime ( 08/01/2009 08:33)
fahamarinana> Raha manaiky sy mandray izao teny izao ianao, manao hoe amin'ny anaran'i Jesosy : "...Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao" Asan'ny Apostoly 16:31

Tsy misy n'inon'inona angatahana aminao fa ny mino Azy no ilaina ataonao... hoe mino an'i Jesosy ve hianao fa tonga Izy hamonjy anao? ary mino ve hianao fa efa vita teo amin'ny hazofijaliana ny asam-pamonjena?

Efa noraisin'i Jesosy tamin'ny tenany ka nohomboana teo amin'ny hazofijaliana ny helokao raha manaiky sy mino hianao, ary Izy no efa nanatanteraka ny zavatra rehetra mba hahavoavonjy anao... ary ho velona hianao raha mino ka efa miara-mitsangana Aminy... koa dia asaina hianao hivavaka ka hanaiky Azy hiasa amin'ny fiainanao...

Rehefa izany dia ento eo aminy ny momba anao rehetra (amin'ny alalan'ny vavaka), na izay rehetra ota vita, na ny fiainanao, na ny kasainao sns... dia ibebaho avokoa ary apetraho Aminy fa hiasa Izy... aza mitsahatra mangataka ny Fanahy Masina hitoetra sy hiasa aminao...

Raha manaiky sy mino hianao ka nanokatra ny fonao itoeran'i Jesosy dia minoa fa efa voavonjy hianao sy ny fanahinao... aza misalasala intsony... olom-boavonjy hianao... efa an'i Jesosy hianao... hoy ny Tompo aminao : "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.I" I Korintiana 5:17

Koa mahereza fa momba anao Jesosy, efa voavelan'ny Tompo ny helokao rehetra raha tena mino hianao, ary efa tonga olom-boavonjy hianao... :)
58. prime ( 08/01/2009 08:47)
fahamarinana> Raha mba misy fotoana hianao na dia fohy aza isanandro dia asaina mba hamaky : http://www.topchretien.com/ ary hiditra ho mpikambana mihitsy raha azo atao fa mety hitondra soa ho anao sy ny akaikin'ny fonao rehetra ny ao... (io aloha no akaiky fa maro ny site mahasoa)

Mahereza hatrany... :)
59. fahamarinana ( 08/01/2009 09:01)
:arrow: prime :mankasitraka tanteraka e !:-* (l)
60. ikaretsaka ( 08/01/2009 10:02)
Fa tsy azoko...andriamanitra niteny an zao @ anaran'i jesoa... de jeremia no vakiana... nga jeremia jesosy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0513