ahoana ny hevitrareo ny @ mpiandry

81. rahery08 ( 12/12/2008 15:17)
>>>Finoanaranoray
Inona no nataon’Jesosy ireo mpinatra sy ireo mpanara-dia azy nandritra ny 3 taona ?
Nampianatra izy, nitory teny izy, nanao ny asa mahagaga maro Izy : fanasitranana ny marary, fanafahana ireo voafatotry ny devoly, … Ary nandritra izany rehetra izany dia niara niaina taminy ireo mpianatra. Tao anatin io fotoana io ihany koa no nanirahany ireo mpianany : 70 lahy sy 12 lahy, hitory ny filazantsara

« Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. » (Lioka 10:1)

Moa ve izany tsy endrika fiofanana ?
Ity tantara eto ambany ity dia manambara amintsika ny mahaza-dehibe ny fiofanana sy ny fanokanana ; nefa ny mpino tsirairay dia manana anjara amin’ny fitoriana
« Ary nisy Jiosy sasany, mpiriorio mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran'i Jesosy Tompo koa teo ambonin'ny manana fanahy ratsy ka nanao hœ: Mampianiana anareo amin'i Jesosy Izay torin'i Paoly aho. » (Asan'ny Apostoly 19:13)
« Ary nisy fito mirahalahy, zanak'i Skeva, Jiosy, lohan'ny mpisorona, izay nanao izany. » (Asan'ny Apostoly 19:14)
« Ary ny fanahy ratsy namaly ka nanao taminy hœ: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo? » (Asan'ny Apostoly 19:15)
« Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin'ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin'izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra. » (Asan'ny Apostoly 19:16)

Raha ny anarana hoe mpiandry dia hevitra avy amin’ny « mpiandry ondry », Amin ny toby samihafa dia misy ny Iraka, ary misy ny Apostoly, misy ny Evanjelista… Ny anarana tsy mampiova ny asa fitoriana filazantsra iraisana
« Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. » (Marka 6:34)

Ary Jesosy no nanafatra an’i Petera hoe :
« Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. » (Jaona 21:15)
« Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. » (Jaona 21:16)
« Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hœ: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. » (Jaona 21:17)

Ilay anaranao aloha dia tena ao @ ilay takian Tompo !


82. fahamarinana ( 12/12/2008 17:04)
rahery08:
Ilay anaranao aloha dia tena ao @ ilay takian Tompo !

:arrow:tena tsy ratsy tokoa ilay ps-n'ny finoanaranoray an..:) (l)
83. finoanaranoray ( 13/12/2008 07:16)
hoy Fahamarinana

na handeha aza ahoana no ahalalanao marina ny tena Filazantsara ho toriana raha tsy handalina na indray maka aza...


fa inona ny filazantsara notoriana tamiko fony izaho vao nino? iny ihany no ampitaiko...

TOA TENA Samihafa ny "mitory filazantsara" sy "mampianatra soratra masina"? raha hisolatsolana hampianatra soratra masina tsy niofana na tsy mahalala ny andalan-tenin'ny soratra masina dia eee..."Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina" hoy i Krsity, izay ilay mila fiofanana...

Ny mitory filazantsara anie dia mitory famelankeloka e - tsy mila fiofanana be izany....

Rahery08
Fahano ary ny ondriko


ok tena ok...Efesiana 4.11 koa re no manambara fa misy mpiandry e... "Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra"...

Fa ny tena dikan'io dia PAstera (vakio ny version tsy gasy)...

Anarana moa iny tanim-boanjo ka dia "Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka" hoy i Kristy (MAtio 12.30) - mino aho fa momba an'i Kristy ny Mpiandry version gasy...
84. ikaretsaka ( 13/12/2008 09:20)
De film efa nandeha no averina de ny nety taminao no forcenao hiety @ hafa tsotra izao tsisy analyse
Na lazainao ho samihafa aza ny mitory filazaan tsara sy mianatra soratra masina dia. Izao ary: inona no torianao raha tsy hainao ny zavatra torianao aloha voalohany indrindra... ko raha tsy boloky izy ity ko asaina averina de tsy jerena sy dinihina fa tonga de wawawa
Manambara famelankeloka hono nefa le heloka sy le famelana aza tsy hay akopry... nga izy ty tenintenenina foana?

Vao nainka koa mivoana le zavatra notsimponina.... I Piera no sujet eto... sa te ho piera aby koa?
Io misora tena sy mody mampiasa soratra masina @ tsy tokny ho izy io nge no mampamoehatra anareo toy io e
85. ikaretsaka ( 13/12/2008 09:28)
azafady raha maharary ny filazako azy fa aleo le izy avantana. hijerenareo akaiky ny realite sy ny lojika ary handinihinareo tena @ tsy mampety le tohankevitra sy ny ataonareo
86. fahamarinana ( 15/12/2008 07:30)
finonarano1:
fa inona ny filazantsara notoriana tamiko fony izaho vao nino? iny ihany no ampitaiko...

:arrow:izany hoe izay nampianarina ahy fony mbola nanao katesizy ve no averiko ohatra,tena efa ela izany ary tsy ampy...;amiko manokana tsy ampy ahy izay ary isan'ny nahatonga ahy hianatra sy handalina bebe kokoa.Mora manko ny miteny hoe Mpino aho fa rehefa tena halalinina dia toa tsy dia hay ilay hinoana.Fa ahy moa izay :samy manana ny fomba fanaony,ao ny mianatra be ,ao ny mampihatra azy,sns...sns..fa tsy idirako satria tsy izaho no ilay olona fa azy ny azy.
Ny ahy aloha ny mampianatra Tenin'ny Soratra Masina mbola hafa ihany koa fa na zà aza mbola mianatra sy mandalina ary na ny baiboly manontolo aza ataoko hoe nisy ny nidirako lalina,nisy ny nadalovako fontsiny.Izay ilay fandalinana fa tsy voatery ny be sy ny maro koa no tokony hanao izay.Ny ahy besoin personnel ka tsy ho sahy hiebo sanatria hoe mahay dia ndeha hampianatra... :?, (l)
87. finoanaranoray ( 15/12/2008 10:38)
Ka ilay filantsara hotoriako anie dia hoe : "maty nisolo ahy teo amin'ny hazo fijaliana i Krsity - noho izany voavela ny heloko - nitsangana tamin'ny maty izy, resiny ny fahafatesana, noho izany mpandresy aho (amin'ny fahotana) ary karakarainy ny fiainako - ary ho avy izy haka ny mpino"...

TSy dia nila nianatra be aho aloha vao nahay ireo e...fa nino...ka dia mora amiko ny mampita azy...noheveriko fa hafa mihitsy ny fianarana soratra masina (toy ny hoe inona ny antsoina hoe batisa - inona no antsoina hoe sakramenta...)

Ikaretsaka
88. fahamarinana ( 15/12/2008 12:10)
:arrow: finoanarano1 :ka raha izay ambaranao izay dia efa fantan'ny Mino rahateo tokoa rahatoa tena mino tokoa fa tsy izay hatrany angamba (hoy aho fa mety ho diso koa aho ,olombelona ihany )no ho toriana fa ny voalaza ao anaty Baiboly raha vita.Izany hoe raha hiditra amin'ny hoe inona no atao hoe batisa,mpandray sns...en detail dia hafa tokoa ary tsy ny rehetra no ahavita izay raha tsy handalina.En tout cas zà manokana tsy ampy ny kely haiko ka ho ampitaiko ankoatran'ny fampiharana ny didy folo izay mbola tsy tafa tanteraka aza ka ndrao manao dika vilana indray.
Sambatra ianao tsy nila nianatra be fa tonga dia nino,zaho manokana ndray na fantatro aza ny sens-ny dia mbola nikaroka koa aho teny ho eny aloha ny teny tiany ambara.Fa iny moa averiko hatrany sy mazana ahazoako tsiny tokoa hoe minoa fontsiny ihany,izaho tia karokaroka sy tia miditra laina izay ndraindray vao resy lahatra.Ary mino aho fa tena defaut tanteraka fa hatreto aloha izany dia eo ny toerana misy ahy .:? (l)
89. bor2lais ( 15/12/2008 14:16)
Voalaza teo :
\"I Piera no sujet eto... sa te ho piera aby koa? \"
-> Io resaka io no isan\'ny tsy naha Katolika Romana ny rehetra ry Ika a !
90. ikaretsaka ( 15/12/2008 18:29)
bor2lais:

Voalaza teo :
\"I Piera no sujet eto... sa te ho piera aby koa? \"
-> Io resaka io no isan\'ny tsy naha Katolika Romana ny rehetra ry Ika a !


Ka io mi interpreter anazy araka ze metimety @ saina io mihitsy no tsy mety fa tsy hoe zahay zao de tsy ohatranareo izay izao....
Eto zao efa voalaza tsara ny sujet


Raha izay metimety aminao momban'atra ihany no tsimponinao sy ekenao ary ianaranao fa izay tsy metimety de na ovaina na odiana fanina na tsy ekena...dia tsy Atra intsony no inoanao fa ny tenanao
91. rahery08 ( 16/12/2008 05:33)
Sendra tafaresaka t@ mpiandry aho t@ alahady farany teo, dia hoy izy: "ny asa iandraketan ny mpiandry dia tena ankasitrahan Jesosy satria hoy ihany izy toy ny manohy ny asa nataon i Jesosy"

Araka ny heritreritro angamba dia: ny mpiandry tsy vitan ny hoe manorina ny olona ho @ ny finoana marina, fa mandrodana sy manjera ny asa ratsin'ny satana.

Izay fa dia mirary antsika rehetra ho tahin ny Tompo!
hahatratra soa ny fety!
92. finoanaranoray ( 16/12/2008 06:20)
ikaretsaka:

bor2lais:

Voalaza teo :
\"I Piera no sujet eto... sa te ho piera aby koa? \"
-> Io resaka io no isan\'ny tsy naha Katolika Romana ny rehetra ry Ika a !


Ka io mi interpreter anazy araka ze metimety @ saina io mihitsy no tsy mety fa tsy hoe zahay zao de tsy ohatranareo izay izao....
Eto zao efa voalaza tsara ny sujet


Raha izay metimety aminao momban'atra ihany no tsimponinao sy ekenao ary ianaranao fa izay tsy metimety de na ovaina na odiana fanina na tsy ekena...dia tsy Atra intsony no inoanao fa ny tenanao



Manomboka manao INTERPRETATION koa ianao izany...raha tsy diso aho...
:?: :?: INTERPRETAION ny hevitry ny olona sasany...
93. ikaretsaka ( 16/12/2008 06:23)
samy mody miteny sy milaza ny azy fa "ankasitrahan I Jesosy" avokoa ange rehefa te hiaro ny tenany e.... eny na mpamono olona extremiste ireny aza misy milaza fa noho I jesosy no hamonoany ny tsy mitovy aminy
94. bor2lais ( 16/12/2008 10:01)
ikaretsaka:

samy mody miteny sy milaza ny azy fa \"ankasitrahan I Jesosy\" avokoa ange rehefa te hiaro ny tenany e.... eny na mpamono olona extremiste ireny aza misy milaza fa noho I jesosy no hamonoany ny tsy mitovy aminy


-> Ianao ihany anie ra Ika no mpilaza matetika eto hoe \"ny metimety aminao tsy voatery ho metimety amin\'ny hafa\" e !

Ny tiako lazaina dia samy manana ny fomba fiasany @ mpino tsi11 ny Fanahy Masina : verset 1 dia mety manome hafatra ara-panahy samihafa (nefa heveriko fa tsy mifanipaka). Porofo izany fa manan-karena ny Teny, ary tsy \"figé\" na \"dépassé\" fa mbola \"d\'actualités\" hatrany.

Ny hoe ahoana no ahafantarana fa Fanahy Masina tokoa no miasa @ ilay olona : sujet atsy ambadika atsy izay !
95. ikaretsaka ( 16/12/2008 13:09)
Ny naha samihafa azy ra bor2 de ny ahy tsy ny mety amiko irery fa ny amin'ny fiangonana koa an... izay no maha samihafa azy...ny ahy entite ambony kokoa nohon'ny personnel fa tsy ohatran ny anareo..avy eo interpretena vinany any de manorina sekta
96. bor2lais ( 16/12/2008 14:07)
Ka ilay antsoinao hoe \"vinany\" aminao anie tsy voatery ho vinany @ sasany e, na mety hifamadika @ izay koa !
97. ikaretsaka ( 16/12/2008 15:03)
Ka le tsy "vinany" amin'ny hafa ve bien fondE
98. finoanaranoray ( 16/12/2008 15:11)
ikaretsaka:

Ny naha samihafa azy ra bor2 de ny ahy tsy ny mety amiko irery fa ny amin'ny fiangonana koa an... izay no maha samihafa azy...ny ahy entite ambony kokoa nohon'ny personnel fa tsy ohatran ny anareo..avy eo interpretena vinany any de manorina sekta


tokony ovaina ilay lohateny : ahoana ny hevitr'i "Ikaretsaka sy ny fiangonana entite ambony kokoa noho ny personnel" ny @ mpiandry? :oops:
99. ikaretsaka ( 16/12/2008 15:33)
Ty mbola tsaratsara kokoa raha hanova ihany:"fa mihevi-tena ho iza loatra ny mpiandry rehefa manaonao foana dia mody milazalaza ny @ anaran'i jesoa"?
100. fijo ( 16/12/2008 21:40)
ka gardakor ireo matoa "mpiandry"ko.defa hain'ialahy ny fisainana gardakor.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085