ahoana ny hevitrareo ny @ mpiandry

61. ikaretsaka ( 08/12/2008 20:52)
Hafa koa ty tokatokananareo ty ka
62. fahamarinana ( 09/12/2008 07:44)
:arrow: ilay fomba filazana azy no samihafa ry ika,azo atao koa hoe raisina...na hamasinina.Tahaka ny fandraisana ho diakona sy mpandray : azo lazaina koa ary misy miteny izay hoe tokanana diakona sy mpandray na namasinina ho diakona sy mpandray...ilay sens no jerena . (l)
63. bor2lais ( 09/12/2008 09:02)
Hevitra kely avy aty amiko ka tiako zaraina (raha tsy mety dia avereno aty amiko ihany) :

Fanokanana !
Olona voatsonga tao anaty vahoakan\'Andriamanitra ary atokana (na anankinana) hanao asa manokana eo amin\'ny sehatry ny Fiangonana.

Voantsonga !
Nandray antso ka nanaraka fiofanana (ary voasedra) !

Nandray antso !
Ilaina ny antso (na fandresen-dahatra) nefa tsy ampy (raha ny hevitro) fa mila ampiana fiofanana (izay ilaina tohizana hatrany na dia aorian\'ny fanokanana aza).

Fanamarihana : tsy mety koa anefa ny miofana avy hatrany nefa tsy nahazo antso akory ho amin\'ilay asa !

Ny fanontaniana mety hipetraka dia ny hoe : ahoana no ahafantarana fa nahazo antso tokoa ilay olona ? Ny tsi11 no mahalala sy afaka mamaly izany !

Fa kosa, amiko, rehefa eken\'ny Fiangonana ny fanokanana olona iray dia anjaran\'ny Fiangonana iray manontolo no mitrotro am-bavaka azy @ fanatontosana izany asa nankinina aminy izany !
64. tsiafoi1 ( 09/12/2008 09:28)
"Jehovah no Mpiandry ahy,
Tsy hanan-java-mahaory aho...
Mampandry ahy eo amoron'ny ony fialan-tsasatra Izy..." Salamo 23/ 1-...

Tonga de teny fikasana be io, ary mazava fa aza miasa saina @'izay Mpiandry isan-karazany any, mbola olombelona ihany ireny, na antitra na tanora...Fa MINOA an'Andriamanitra, ary MATOKIA Azy amin'izay alehanao rehetra, fa Izy handamina ny fiainanao...
65. tywa68 ( 09/12/2008 10:07)
Tsiafoi1 : misy manontany anie d mamaly fa tsy hoe haninn akory e ! zah manokana aloha d tsy hiova finoana @izay tranga hitako, satria fantatra fa olombelona ohatr'ahy ireny na Mpiandry aza no anarany, ary mety ho solafaka koa. Azy sy ny Tompo tia no mifanazava any aoriana any :wink:
66. fahamarinana ( 09/12/2008 10:40)
(l)
bor2:
Hevitra kely avy aty amiko ka tiako zaraina (raha tsy mety dia avereno aty amiko ihany) :

:arrow: aleo tsy averina kah..misaotra nanazava.
67. ikaretsaka ( 09/12/2008 19:19)
averiko any ary aloha de diniho tsara e
68. bor2lais ( 10/12/2008 08:06)
Angaha nozarain\'i Fah t@ Ika ilay izy ?
69. tywa68 ( 10/12/2008 08:32)
Hoy i Bor2lais :
Fanamarihana : tsy mety koa anefa ny miofana avy hatrany nefa tsy nahazo antso akory ho amin'ilay asa !

Satria manjary tsy eken'ny fiangonana raha mitonatonana hanao asa zany nefa tsy notondroina sy nolaniana teo imason'ny mpiara-miangona ? Nefa ilay antso, ny tena ihany no nandre azy, ary Atra no tsapanao niantso anao d ahoana ? :°)
70. bor2lais ( 10/12/2008 09:43)
tywa68:

Hoy i Bor2lais :
Fanamarihana : tsy mety koa anefa ny miofana avy hatrany nefa tsy nahazo antso akory ho amin'ilay asa !

Satria manjary tsy eken'ny fiangonana raha mitonatonana hanao asa zany nefa tsy notondroina sy nolaniana teo imason'ny mpiara-miangona ? Nefa ilay antso, ny tena ihany no nandre azy, ary Atra no tsapanao niantso anao d ahoana ? :°)


-> Miala tsiny fa mety tsy mazava ny voalazako. Ny tiako lazaina dia izao :
misy étapes 3 tsara arahina vao manatanteraka asa eo @ sehatry ny Fiangonana.
étape voalohany : antso
étape faharoa : fiofanana (izay mbola tsara tohizana hatrany na dia aorian'ny étape fahatelo aza) na fianarana ...
étape fahatelo : fanokanana

Ny fanamarihana nataoko dia milaza fa tsy dia mety, araka ny hevitro, ny manao ilay étape faharoa nefa tsy nandalo ilay étape voalohany akory. Mety tsy ampy angamba ny mpiasa ohatra dia alaim-panahy aho hirotsaka @ ilay asa nefa tsy manana fanomezam-pahasoavana na nahazo antso na resy lahatra hanao izany akory ny tenako. Sao lasa manaonao foana ka noho ny amiko no hitenenan-dratsy ny Anaran'ny Tompo ...

Izay no tiako lazaina ka asa na mazava kokoa @ Tywa ilay izy !
71. tywa68 ( 10/12/2008 09:51)
Misaotra anao @ fanazavàna
Ny fanamarihana nataoko dia milaza fa tsy dia mety, araka ny hevitro, ny manao ilay étape faharoa nefa tsy nandalo ilay étape voalohany akory. Mety tsy ampy angamba ny mpiasa ohatra dia alaim-panahy aho hirotsaka @ ilay asa nefa tsy manana fanomezam-pahasoavana na nahazo antso na resy lahatra hanao izany akory ny tenako. Sao lasa manaonao foana ka noho ny amiko no hitenenan-dratsy ny Anaran'ny Tompo ...

Matoa alaimpanahy hirotsaka, d nisy niantso na nanosika hoe ndàna ekeo ny adidinao, sady resy lahatra fa hahavita zavatra ao ampiangonana sa tsy izy zay fahatsapa-tena zay ? :lol:
72. bor2lais ( 10/12/2008 10:51)
tywa68:

Misaotra anao @ fanazavàna Matoa alaimpanahy hirotsaka, d nisy niantso na nanosika hoe ndàna ekeo ny adidinao, sady resy lahatra fa hahavita zavatra ao ampiangonana sa tsy izy zay fahatsapa-tena zay ? :lol:


-> Tsy mety angamba ilay teny hoe "alaim-panahy" nampiasaiko. Ny tiako tenenina dia izao : tsy mety raha toa ka ny zava-misy no manosika ahy hirotsaka @ ilay asa fa tsy antso na fandresen-dahatra ! Hevitro manokana ihany io ka avereno aty amiko raha tsy mety !

Io lazain'i tywa io ange efa misy fandresen-dahatra e : efa izy izay amiko ...

73. rahery08 ( 10/12/2008 11:38)
Ny asan'Atra hoy ilay olona izay vita foana na anao ianao na tsy, izany hoe na hirotsaka ho mpiandry ianao natsy hirotsaka,

Miandry famantrarana hoy ilay olon zay: ny Jentilisa hono no mila famantarana!

Fa rehefa resy lahatra Ianao, hanao ny Asa dia izay no takiana,

Miandry Antso: Antso inona moa noa andrasana: Olona marobe isa-minitra no very any @ helo!
Hiandry antso ve ianao vao hitory filazantsara,
Ny asan Ny Mpiandry ange tsy dia hoe mandroaka devoly, dia mivavake! fa ny mitory filazantsara indrindra indrindra!
@ny fihetsika, fiteny, ny atao rehetra, mba hankalazan'ny olona an Atra!
74. bor2lais ( 11/12/2008 10:38)
rahery08:

Ny asan\'Atra hoy ilay olona izay vita foana na anao ianao na tsy, izany hoe na hirotsaka ho mpiandry ianao natsy hirotsaka,
Miandry famantrarana hoy ilay olon zay: ny Jentilisa hono no mila famantarana!
Fa rehefa resy lahatra Ianao, hanao ny Asa dia izay no takiana,
Miandry Antso: Antso inona moa noa andrasana: Olona marobe isa-minitra no very any @ helo!
Hiandry antso ve ianao vao hitory filazantsara,
Ny asan Ny Mpiandry ange tsy dia hoe mandroaka devoly, dia mivavake! fa ny mitory filazantsara indrindra indrindra!
@ny fihetsika, fiteny, ny atao rehetra, mba hankalazan\'ny olona an Atra!


-> Misy tsy dia mazava amiko loatra ny tianao lazaina eto.
Hoy mantsy ianao hoe :

\"Ny asan\'Atra hoy ilay olona izay vita foana na anao ianao na tsy ...\" : iombonako hevitra tanteraka io voalaza io ...

dia eo ambany indray dia hoy ianao hoe :
\"Fa rehefa resy lahatra Ianao, hanao ny Asa dia izay no takiana\" : raha tsapanao fa ny Tompo no nandresy lahatra anao (fa tsy noteriterena ohatra), izay ilay antsoiko hoe \"antso\" ange ...

Dia ity no tsy azoko :
\"Miandry Antso: Antso inona moa noa andrasana: Olona marobe isa-minitra no very any @ helo! Hiandry antso ve ianao vao hitory filazantsara\".

Izay indrindra mantsy ka sao dia sanatria lasa miara-very any re !

Marihiko aloha fa raha ny fitoriana ny filazantsara no resahina dia (tokony) samy manana antso ny amin\'izany daholo ny mpino Kristiana rehetra (ny endriky ny fitoriana no mety samihafa nefa mifameno). Saingy misy ny manao izany ho anton\'asa ka ilana fiofanana manokana alohan\'ny hanokanana azy ho amin\'izany asa izany.
75. finoanaranoray ( 11/12/2008 10:59)
Jehovah no MPIANDRY ahy...

ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino (fa tsy hoe izay MPIANDRY) hametra-tanana amin'ny marary izy dia ho sitrana ireny, handraoka demonia amin'ny anarako izy...

TSy asan'ny mpiandry ny mitory filazantsara (satria tsy misy mpiandry ao amin'ny baiboly afatsy ilay MPIANDRY TSARA) fa andraikitry ny mpino rehetra ... ary andraikitra manokan'ny "Evanjelista"...(efasiana4.11)

iza no andrasan'ny MPIANDRY eo? I PAoly?




76. fahamarinana ( 11/12/2008 11:55)
bor2:
Marihiko aloha fa raha ny fitoriana ny filazantsara no resahina dia (tokony) samy manana antso ny amin'izany daholo ny mpino Kristiana rehetra (ny endriky ny fitoriana no mety samihafa nefa mifameno). Saingy misy ny manao izany ho anton'asa ka ilana fiofanana manokana alohan'ny hanokanana azy ho amin'izany asa izany.

:arrow:iraisako hvtr ihany koa... (l)
77. rahery08 ( 11/12/2008 13:00)

Hoy Bor 2
Marihiko aloha fa raha ny fitoriana ny filazantsara no resahina dia (tokony) samy manana antso ny amin'izany daholo ny mpino Kristiana rehetra (ny endriky ny fitoriana no mety samihafa nefa mifameno). Saingy misy ny manao izany ho anton'asa ka ilana fiofanana manokana alohan'ny hanokanana azy ho amin'izany asa izany.



Marina izany !

Manaiky tokoa aho, fa mila fihofanana izany asa izany ! Ary tsy entin-kafanampo fotsiny fa mila mandinika lalina !
Fa ny Tompo mitady olona hiara hiasa aminy, olona efa niova fo, vonona ! hitory !











78. finoanaranoray ( 12/12/2008 10:10)
Fa angaha ny fitoriana filazantsara mila fiofanana manokana e....ny hevitr'i Krsity anie hoe "mandehana mitoria ny filazantsara"...fa tsy hoe mandehana rehefa avy niofana...

sao dia heverina fa zavatra grandiose be aza izany fitoriana ny filazantsara izany...Classique amin'ny fiainan'ny mpino izany...

ilay fiofanana dia amin'ilay hafatra hoe "ataovy mpianatro ny firenena rehetra"...mpianatra samy mpianatra mifampianatra otroniny mpananatra...

Koa raha fiofanana mitory filazantsara no ataon'izay miomana ho mpiandry dia tokony "evanjelista" izany no anarany...na "apostoly"...

Ady hevitra anatiny izany fa rehefa tsy manda an'i Jesoa Kristy izy dia basy...

Tsy mapiova ny fijerin'Andriamanitra ny olona iray mihitsy ny firotsahany ho mpiandry...izy mijery ny finoana ny ran'i jesosy...

na mpiandry na tsy mpiandry iray ihany aminy...
79. fahamarinana ( 12/12/2008 12:41)
finoanarano1:
na mpiandry na tsy mpiandry iray ihany aminy...

:arrow:mbola nisy nilaza ny contraire ve...ngaha moa nisy nilaza koa hoe raha mpiandry dia hafa ny fijerin'ny Tompo aminy...
Tsy grandiose ahoana ny fitoriana ny filazantsara...classique amin'ny fiainan'ny Mpino fa eto amin'ny serasera fontsiny dia efa hita taratra fa samy manana ny fomba fitoriany ary mahatonga resaka sy adi-hvtr lava be.Mila mianatra tokoa fa tsy ny hevinao no ampitanao na Mpino fatratra aza ianao fa ny tenin'Andriamanitra.Tsy sendra ireny tratran'ny zèle de l'evangile ireny tokoa ianao ka milaza izay...ho hitanao hoe hivoana fa hifangaro bodaka ny sitrapon'Andriamanitra sy ny sitrapon'ilay olona " sois-disant " tsy mila miofana. Fianarana = fiofanana=fahaizana kokoa ilay raha tsy hiala amin'ny tena sens-ny.
finoanarano1:
ny hevitr'i Krsity anie hoe "mandehana mitoria ny filazantsara"...fa tsy hoe mandehana rehefa avy niofana...

:arrow: na handeha aza ahoana no ahalalanao marina ny tena Filazantsara ho toriana raha tsy handalina na indray maka aza...
Izany tsy midika hoe ndeha koa mianatra be fahatany,mamaky be fahatany dia hoe mahay sy niofana fa kosa--amiko manokana---mba fantarina koa ny manaraka azy rehetra.Finoana tsy arahan'asa koa tsy dia tena tiako raha ny ahy aloha no lazaiko,ny hafa tsa haiko fa samy manana ny Finoany sy ny fanehoany aza sy ny maha-resy lahatra azy ihany koa io. (l)
80. bor2lais ( 12/12/2008 13:01)
Fahamarinana > dia mbola iombonako hevitra tanteraka ihany eto ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0529