ahoana ny hevitrareo ny @ mpiandry

101. rakapy ( 16/12/2008 22:35)
sa videurs any @ boite???
102. ikaretsaka ( 17/12/2008 04:21)
Ny gardadekor nefa tsy mahazo fahefana noho ny ministra sy ny diry fa misho milay
Resep fahiny e...mitaingina bemoto ka de....
103. bor2lais ( 17/12/2008 09:15)
ikaretsaka:

Ka le tsy \"vinany\" amin\'ny hafa ve bien fondE

-> Fanontaniana miverina aty amiko sy aminao ihany koa io ...

104. ikaretsaka ( 17/12/2008 17:09)
ary bien fonde @ sehatra maro samihafa io an

le ohatra hoe prouve fa hoe efa inhumain ny traitement (ary fantatr'izao tontolo izao... sy Atra satria mazava ho azy-> vox populi vox dei) na odian'ilay fiangonana miala bala dia mbola tohizana ihany
105. prime ( 18/12/2008 05:14)
ikaretsaka> Ianao ve aloha tena mahafantatra marina momba ny fifohazam-panahy fa toa mora mihitsy aminao ny mitsara sy manaratsy ary manenjika... mihevera tsara alohan'ny hamaliana fa efa tsy Andriamanitra intsony izany miasa aminao izany!!! :lol:
106. ikaretsaka ( 18/12/2008 05:45)
Tsy manaratsy aho fa manome remarque... io le nolazain I tywa sy pissoa hoe rehefa milaza ny fahitana momba azy ka manahirana ny sainy... de atao hoe manaratsy fa rehefa ekeken'ny sainy na inhumain aza de @ anaran'i jesosy...

Sanatria ....Tsy fifohazana mivaona any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra....
107. ikaretsaka ( 18/12/2008 05:46)
Tsy manaratsy aho fa manome remarque... io le nolazain I tywa sy pissoa hoe rehefa milaza ny fahitana momba azy ka manahirana ny sainy... de atao hoe manaratsy fa rehefa ekeken'ny sainy na inhumain aza de @ anaran'i jesosy...

Sanatria ....Tsy fifohazana mivaona any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany hampiadana ny olona rehetra....
108. prime ( 19/12/2008 06:06)
Ka toa tsy "remarque" no ataonao fa ny asan'Andriamanitra mihitsy no tsarainao ka itompoanao teny fantatra fa tsy misy "valeurs" avokoa ny mahampiandry, na ny antson'Andriamanitra niantso azy ireo, na ny fiofanana nataony, eny fa na ny fiangonana anirahan'Andriamanitra azy ireo koa aza handrasany sns... aoka tsy hadinonao fa olom-boahosotra ireny ary tsy izy no nifidy hanao io asa io fa Jesosy...

Tsy ny fanaovanao tsikera no asiana fanamarihana fa ny hevitra tianao vohizina izay efa tsy avy amin'Andriamanitra intsony...

Raha masera iray na pretra iray no solafaka ohatra, aza ny asan'Andriamanitra niantso ireny olona ireny no hamavoina fa ireny olona ireny anie ka voavonjy rehefa ibebahany ny faharatsiany... fa ianao ilay nitsara sy nanenjika azy anie ka raisin'Andriamanitra amin'izay nataonao tamin'ny hafa e... :lol:
109. ikaretsaka ( 19/12/2008 06:30)
Ahoana no maha asanl andriamanitra asa tsisy vokany sy mainka mankarary ohatran'ny nataon ireo ary? Tsary efa voalaza ve fa ho betsaka ny mody hisandoka..ary na ilay ratsy aza nitsimpona tenin'ny soratra masina mba hanamarinany ny tsy mety ataony sy hanampenany ny mason'ny marivo salosana..
Raha tena asan'atra tokoa io dia poa tahak'zay de sitrana le olona na au moins mba nataony ho fantatr'ireo soi disant mpiasa ny aretina tena nahazo ireto olona "hotsaboiny"...
Izany rahateo ny ara tantara sy soratra masina momba ireo sitrana hoe tonga jesoa sy ny tena mpianany dia fehinteny tokana de poa tahak izay de sitrana ny narary,nitsangana I lazara,nitombo ny mofo... fa tsary niandry zany
110. prime ( 19/12/2008 06:54)
ikaretsaka:
Ahoana no maha asanl andriamanitra asa tsisy vokany sy mainka mankarary ohatran'ny nataon ireo ary? Tsary efa voalaza ve fa ho betsaka ny mody hisandoka..ary na ilay ratsy aza nitsimpona tenin'ny soratra masina mba hanamarinany ny tsy mety ataony sy hanampenany ny mason'ny marivo salosana..
... Izay ilay ilazako hoe aza maika ny hitsara fa raha ny asan'ny fifohazana nandritra ny efa ho 300 taona izao no holazaina aminao dia tsy ho voatanisa ary tsy fitanisa rahateo satria asan'Andriamanitra izany fa ny vavolombelona no aoka hilaza, ka izay fahalemena toby iray na mpiandry iray va no hahasahianao hitsara ny asan'Andriamanitra... mba miambena ra-Ika a...
ikaretsaka:
Raha tena asan'atra tokoa io dia poa tahak'zay de sitrana le olona na au moins mba nataony ho fantatr'ireo soi disant mpiasa ny aretina tena nahazo ireto olona "hotsaboiny"...
Izany rahateo ny ara tantara sy soratra masina momba ireo sitrana hoe tonga jesoa sy ny tena mpianany dia fehinteny tokana de poa tahak izay de sitrana ny narary,nitsangana I lazara,nitombo ny mofo... fa tsary niandry zany
... izay ilay lazaiko hoe fantaro aloha dia mianara ny fiainan'ny fifohazana sy ny tobim-pifohazana fa lasa toa izay kely fantatrao no itompoanao teny fantatra... izaho aza mino fa toa mbola tsy niditra toby ianao na dia indray mandeha aza ary mino koa aho fa mbola tsy nahita asa sy fampaherezana ianao no mbolatsy nanatrika rahateo fa mety izay tantarain'ny olona no lazainao... ianao aza moa toa tsy tia olona mijoro vavolombelona fa tampenanao vava ka ahoana no ahafantaranao ny asan'Andriamanitra amin'ny olom-boavonjy?... izaho rehefa tsy mahalala ny fiainan'ny monastera ohatra dia tsy handeha hitsaratsara sy hitsikera ny asa misy sy ny seho rehetra any amin'ireny toerana ireny sy ny ataon'ny Tompo... ka mandiniha tena alohan'ny ilazana hevitra dia mahereza mivavaka fa efa toa tsy ny mpiandry intsony izao halanao izao fa Jesosy mihitsy...
111. ikaretsaka ( 19/12/2008 06:58)
Vo 300 taona ve? Tsy atakaloko velively ny 2000+ taona aloha e. Itu vo 300 taona de be ny mamarara....
112. ikaretsaka ( 19/12/2008 07:04)
Ny ahy raprime manomboka eto an tany ny paradisa an dia ny resaka ohatran ireny ny ahy ampitahaiko foana hoe tena nanasoa tokoa ve .... dia ny ahy ny zavatra hita maso no hijereko ny zavatra tsy hita maso... ny akaiky indrindra dia ny fiaraha monina... inona ny impact ny teo? Famoretana ve fa fanasitranana marina?
Izay ny ahy le examen de conscience sy fandinihana lazaiko eto ombieny
113. prime ( 19/12/2008 07:40)
ikaretsaka:
Vo 300 taona ve? Tsy atakaloko velively ny 2000+ taona aloha e. Itu vo 300 taona de be ny mamarara....
... Dia ahoana raha 300 taona? ny teto Madagasikara no 300 taona fa ny tany ivelany rehetra efa nihoatra noho izany... na ny nidiran'ny eglizy kato teto Madagasikara aza ra-Ika vao 100 taona eo ho eo ka inona no mahagaga anao? :-D :)

Ny 2000 taona tianao marihina dia Jesosy sy ny Apostoly fa tsy ny ekar velively... :-D :)

Ikaretsaka> Ary raha tsy ampy ny hitan'ny masonao dia ahoana? :-D
114. ikaretsaka ( 19/12/2008 08:02)
ka tsy ny ekar ve ny "jesosy sy ny apostoli"
katolika apostolika...hmmm,
115. ikaretsaka ( 19/12/2008 08:07)
taona 1650 rompoko no nidiran'ny kato voalohany teto madagasikara... tany fort dauphin....

anontanio ireo congregation an'i st vincent de paul raha mila fanazavana misymisy ianao
116. rahery08 ( 22/12/2008 12:48)
Ity misy tantara kely nosintonina avy ao @ baiboly!
Vakio ihany fa mety mahasoa anao!

« [Ny nanomezan'i Miriama sy Arona tsiny an'i Mosesy, sy ny nataon'Andriamanitra tamin'izany]

Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. 
Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany. 
Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra aty ambonin'ny tany. 
Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. 
Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy. 
 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy. 
« Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra. 
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko? 
Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy. 
Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy. 
Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay. 
 Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy. 
  (Nomery 12:1-12)

Inona no tiana ambara:
Tsy te ho Mosesy akory ny Mpiandry, fa izao no hafatra:
Aza ho tsy matahotra hanome tsiny ny mpanompon'Atra: Na mpiandry io na pastera io na pastora io na ...

Sao dia boka eo!
117. prime ( 22/12/2008 13:44)
Misaotra rahery a... tenim-pahendrena izany tenin'Andriamanitra ampitain'ise izany...

Ikaretsaka> marina izany ambaranao izany fa tany fort-dauphin no nahatongavan'ny misionera zezoita voalohany ary tamin'ny XVIIème tokoa... fa raha narahanao ny tantara dia tao dia niverina izy ireo raha nandalo faritra vitsivitsy (comptoirs commerçiaux) no sady tsy asa misiona loatra no nahatongavany tamin'izany fa varotra... (aleo tsy tohizana raha azo atao)

Fa ny asa misiona hitory filazantsara ka niorenan'ny ekar voalohany teto Madagasikara dia vao 100 taona mihoatra kely raha nisy ary fantatrao hoe iza ary aiza izany...

Fa tsy izany velively no tiana resahana fa ny asa fifohazana... asan'Andriamanitra io ary tsara raha tsy dia resahana lavitra aza fa ny fanoloran-tena ho an'i Jesosy no tokony idirana kokoa... ary eo nefa dia mbola am-pitiavana no itenenana hoe tsy ifaninanana io fa samy an'ny Tompo no sady tsy ifampiderana satria tsy asan'olombelona ka tsara sy fahendrena ny tsy mifampitsara satria ilay Andriamanitra Tompo sy nanendry ny olony dia mahafantatra tsara ny ataony no sady tsy azo tsaraina rahateo... fa tsy vitsy izay nanenjika sy nitsara ny olon'Andriamanitra izay fa raha tafahaona tamin'Izy Andriamanitra ilay niantso azy ireo dia voakapoka avokoa... nefa na nokapohany aza dia mbola amindrany fo mandrakariva raha miverina sy mibebaka...
118. Noue ( 22/12/2008 20:50)
prime:

ikaretsaka> Ianao ve aloha tena mahafantatra marina momba ny fifohazam-panahy fa toa mora mihitsy aminao ny mitsara sy manaratsy ary manenjika... mihevera tsara alohan'ny hamaliana fa efa tsy Andriamanitra intsony izany miasa aminao izany!!! :lol:
miolakolana ilay famalian'i prime azy aaa ! fa efa tsy Andriamanira intsony hono no miasa @ ikaretsaka fa iza ? sa ho lazainao indray oe devoly ve ???


:-D :-D :-D :-D :-D
119. ikaretsaka ( 22/12/2008 20:53)
io le hoe rehefa tsy metimety @ sainy de devoly hono de rehefa metimety de Atra hono...
Ko raha tsy ny sainao no rol sy natao hinoana ko! :-D
120. Noue ( 23/12/2008 06:42)
tsy aiko fa oatra ny oe ry zareo iany no tena mahafantara ny marina rehetra eeee! sa ve ry zareo iany no azo lazaina oe mpino ??? :-D :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0928