mety mahafoy Andriamanitra

1. rahery08 ( 19/11/2008 05:24)
: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. » (2 Tantara 24:20b)

Mety mahafoy Atra :
Tantara sendra henoko izy ity raha nanatrika fotoam-bavaka t@ tobin-pifohazana :
Raha namangy t@ ity fianakaviana iray ny mpanompon Atra (Nenilava) dia nitory an’ Jesosy izy mba handraisan ny ity fianakaviana ny famonjena ! Nanda kosa ity tovolahy tsy handray, fa asa na variana @ iz ttl iz na naharay fampianarana raitra, na tsy hay…, fotoana vitsy taty aoriana dia tonga narary ilay tovolahy, nikoropaka ny fianakaviana ka lasa niantso ilay mpanompon’Atra,
Raha mbola nikenokenona hiomana hoany @ ilay marary ilay panompon Atra dia tonga Jesosy nanontany azy hoe : « hoaiza ianao »
dia namaly izy hoe ho any @ Ran. Aho fa marary izy,
Jesosy namaly hoe :Tsy mahazo mankany ianao, Izaho no hoany, adinonao angah fa raha nitorinao ny filazantsara izy dia nanda,
Dia lasa Jesosy nandeha, fotoana fohy avy eo dia tonga indray Jesosy, dia hoy ilay mpanompon Atra hoe tonga sahady angah Ianao ry Tompo :
Dia hoy ny Tompo eny, avy nandatsaka ny fanahiny tany @ helo aho !

Mampivarahontsana ihany aloha izany tantara izany !

Hay mety mahafoy Atra !
Koa dieny tsy mbola tonga ny andro mahory !
Dieny tsy mbola tonga ny andro anaovanao hoe tsy sitrako izao !
Dieny mbola miposaka aminao ny masoandro !
Dieny mbola androm-pahasoavana izao !

Andeha hitady Azy dieny mbola hita Izy !
Andeha hiantso Azy dieny mbola Akaiky Izy !

Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa : andraisanao ny famonjena!


HOMBA ANAREO NY TOMPO!
novalian'i rahery08 ny 22/12/2008 08:22
2. bor2lais ( 19/11/2008 07:57)
\"Tantara sendra henoko izy ity ...\" hoy ianao !
Izany hoe tsy voatery marina !
\"Ilay inoako dia Fitiavana ...\" hoy ny tononkiran\'i Besa izay !
3. dalie ( 19/11/2008 10:04)
Mamela heloka Andriamanitra, raha toa ka mahatsiaro ny fahadisoana izay natao dia avelany ny heloka izany no nahatongavany Zanany tety an-tany dia Jesosy izany.
4. coopsal ( 19/11/2008 11:22)
rahery08:
Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa : andraisanao ny famonjena!

==> Tsy azoko, rehefa manao soa ve dia mandray (mahazo) famonjena?

rahery08:
Jesosy namaly hoe :Tsy mahazo mankany ianao, Izaho no hoany, adinonao angah fa raha nitorinao ny filazantsara izy dia nanda,

==> Izaho koa @ fitoriako dia mahatsapa tsindraindray fa tena sakanan' Andriamanitra tsy hanatanteraka na hiteny zavatra sasantsasany. Fa ny antony indray ho ahy dia tsy hoe satria nolavin' i Kristy ny olona, fa izaho no lasa mirehareha ka fandrika ho ahy izany.
5. mmmhh ( 19/11/2008 14:08)
Raha mbola nikenokenona hiomana hoany @ ilay marary ilay panompon Atra dia tonga Jesosy nanontany azy hoe : « hoaiza ianao »
dia namaly izy hoe ho any @ Ran. Aho fa marary izy,
Jesosy namaly hoe :Tsy mahazo mankany ianao, Izaho no hoany, adinonao angah fa raha nitorinao ny filazantsara izy dia nanda,
Dia lasa Jesosy nandeha, fotoana fohy avy eo dia tonga indray Jesosy, dia hoy ilay mpanompon Atra hoe tonga sahady angah Ianao ry Tompo :
Dia hoy ny Tompo eny, avy nandatsaka ny fanahiny tany @ helo aho !

Rah araka ny tantaranao eto de tsy hanasitrana ny oul tsy mitodika aminy zany ny Tompo? tsy miray hevitra @ zany aho, Amiko zao rah ny fitrangan\'ny tantara dia tena tokony navelan\'i Tompo mihintsy ilay mpanompo hanasitrana an\'le oul nanda azy mba hahafantarany ny fahasoavan\'Atra, fa tsy navela hoe satria nanda ahy izy de aleo ho any.
6. rahery08 ( 19/11/2008 16:12)
Bord 2lai > Eny @ ny alitara ve ilay olona dia hilaza lainga!
Coopsal> Ny hoe manao soa, tiana ho resahana eto dia ny hoe , manao soa ho an ny fanahinao ianao, fa tsy hoe manao soa ho an’ ny olona akory, EKENAO HO TOMPO SY MPAMONJY ANAO JESOSY, MANKATO AZY IANAO, ARY MANATANTERAKA IZAY LAZAINY.
Dalie > Ary ny hoe Andriamanitra dia mamela heloka: marina izany raha mibebaka marina tokoa ny olona,! Tsy tonga hiantso ny marina Izy, fa ny mpanota mba hibebaka! Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka @ ny tsy fahamarinana rehetra!
Mmhm> Andriamanitra irery aloha ny mahalala ny antony tsy nanasitranany ilay olona! Fa izao kosa no azo heverina : misy fetrany ny antson’ny Tompo @ ny olona iray! Ary tsy misy mahalala ny fetra
Ity tantara ity dia niniko nambara mba hampandinitena, ireo izay tsy mbola nandray an’Jesosy ho Tompo!
7. ikaretsaka ( 19/11/2008 17:50)
zay le heo raha zavatra efa nohavaozin'ny testamenta vaovao dia aza tsimponina any @ testamenta taloha indray fa manjary be mifanipaka
8. coopsal ( 19/11/2008 19:19)
rahery08>>> Tsy fantatro na marina na diso io tantara io! Fa ilay Jesosy voalaza eo dia tsy mba ilay Jesosy inoako ary voasoratra ao @ baiboly.
Ny Jesosy inoako dia nilaza hoe :
"... ary izay manatona ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy".
"Raha misy mandà ny teniko, izaho tsy hitsara azy, ny Zanaka tsy tonga hitsara fa hamonjy, fa manana ny mpitsara azy izy : ny teny izay nolazaiko taminy".
"Ny zanaka tonga teto @izao tontolo izao, tsy ny hanameloka azy fa ny hamonjeny azy".

Ny anaran'i Jesosy mihitsy no hoe "YAHAWEH Mpamonjy".

Izay ilay Jesosy inoako.
9. fijo ( 19/11/2008 21:42)
mba masiak aratsy koa izany jeso aizany an,ary tsy misy hindrafo arak any torian amomba azy,ka hialao fa manary
10. ikaretsaka ( 20/11/2008 01:01)
jesosy vinany tokoa ny an'ialahy rahery an
11. Mandefitra ( 20/11/2008 04:11)
Tantara natao hampanindin -tena tokoa ity, nefa tsy azo tsaraina avy hatrany ho tsy marina.
1/ "Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hahasitrana azy Aho" (Isa. 6. 10).
Rehefa tsy nitoriana ny Teny ny olona ka tsy mety mandray, dia Andriamanitra mihitsy no manamafy ny fony.

2/Matio 12 :31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Jesosy mihitsy no niteny zany eto ... ka sao mba zay no nitranga t@ ilay rahavana, ka dia aim-bery maina ny fanasitranana ny marary satria tsy ho avotra intsony ny fanahiny
3/IJaona 5:16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty [Gr. ota tsy ho amin'ny fahafatesana]. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.

Ireo misy antony maromaro voalazan'ny Soratra Masina tsy hahafahana hamonjy olona iray. Ary aza adino fa na Fitiavana aza Andriamanitra, dia sarotiny @ fiandrianany sy ny Fahamasinany Izy.

Ary tsarovy zay nihantra t@ Ananiasy sy ny vadiny (Asa 5) rehefa "handainga amin'ny Fanahy Masina ka nanafina ny vola sasany vidin'ny tany?" .
fa :
Asa 5 :9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana hianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.

10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy.

12. Mandefitra ( 20/11/2008 04:14)
Rehefa tsy nitoriana ny Teny ny olona ka tsy mety mandray, dia Andriamanitra mihitsy no manamafy ny fony.

=> Rehefa nitoriana ny Teny ny olona ka tsy mety mandray, dia Andriamanitra mihitsy no manamafy ny fony.
13. niryna ( 20/11/2008 05:50)
Mandefitra:

Tantara natao hampanindin -tena tokoa ity, nefa tsy azo tsaraina avy hatrany ho tsy marina.
1/ "Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hahasitrana azy Aho" (Isa. 6. 10).
Rehefa tsy nitoriana ny Teny ny olona ka tsy mety mandray, dia Andriamanitra mihitsy no manamafy ny fony.

2/Matio 12 :31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
Jesosy mihitsy no niteny zany eto ... ka sao mba zay no nitranga t@ ilay rahavana, ka dia aim-bery maina ny fanasitranana ny marary satria tsy ho avotra intsony ny fanahiny
3/IJaona 5:16 Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an'izay manao ota tsy mahafaty [Gr. ota tsy ho amin'ny fahafatesana]. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin'izany izy.

Ireo misy antony maromaro voalazan'ny Soratra Masina tsy hahafahana hamonjy olona iray. Ary aza adino fa na Fitiavana aza Andriamanitra, dia sarotiny @ fiandrianany sy ny Fahamasinany Izy.
ay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.


misaotra anao nizara .Matetika dia manao tantara kely foana ny mpitandrina mba isarihana ny saintsika.
Manamafy ny fon'izay tsy mety mihaino ny tenin'Atra tokoa Atra ary izay mangetaheta ny teniny dia omeny izany teny izany koa.
Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.


.....ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. Isaia 55

Ka ny hoe tsy mety sitrana izy dia Atra ihany koa no mahalala fa tsy hoe akory hoe tsy maintsy ho sitrana daholo izay hivavahana rehetra. Misy koa ny hoe tsy mino izy fa mandeha fotsiny na koa hoe misy fahotana tsy tiany hibebahana,na koa hoe manana fanahiana ary ao koa ny hoe manana Atra hafa , Ary misy koa ny hoe izay no lalana tian'Atra atao ilay olona .
14. bor2lais ( 20/11/2008 08:38)
1) Tokony hitandrina ihany ny fitantarana zavatra toy izao eto amin\'ity sehatra ity satria manonona anaran\'olona tsy afaka ny hamaly na hanamarina ny voalaza intsony ...

3) Ilay inoako dia Fitiavana. Io voatantara io no antsoina hoe : \"non assistance en personne en danger !\" raha nisy tokoa ilay tranga.

-> Miombon-kevitra tanteraka amin\'i coopsal aloha ny tenako eto !
15. Nandra1 ( 20/11/2008 09:11)
Tantara izany ary tsy fantatra ny fahamarinany fa ny ankamaroan'ny olona de toy ny zaza mpandany dhl ihany kanefa Izy nandray sy tia azy foana rhf niverina! ary mbola manamafy izy fa tsy tonga ho an'ny olo-marina aho fa ho an'ny mpanota hibebaka !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
16. prime ( 20/11/2008 12:39)
Hitako mifameno ny ambaranareo rehetra fa tsy mifanohitra tsy akory...

Itoviako hevitra i bor2lais sy coopsal amin'ny hoe Andriamanitra dia fitiavana ary izany tokoa Izy... Andriamanitry ny famindrampo sy ny faharetana Izy... ka toa sarotra ihany ny ieritreretana fa Izy mihitsy no handefa olona any amin'ny helo...

Tsy diso koa nefa ny fanamarihan'i Mandefitra sy rahery08 (izay nitondra ny lohahevitra rahateo) fa, Andriamanitra dia Marina sy Masina ary saropiaro amin'izany ka mety misy fetrany ny famindrampony... ny tsy voambara hatrany am-boalohany tokoa dia ny hoe nibebaka ihany ve sa tsia ilay tovolahy araka ny tantara talohan'ny nahafatesany fa dia ilay vokatra no nolazain'i rahery08 dia ny hoe, Kristy nandefa azy tany amin'ny helo, izany hoe maty ilay tovolahy ary "angamba" tsy nibebaka na dia ny Tompo mihitsy aza no natrehany tamin'ny fotoana farany... ary marina tokoa fa Ananiasy sy Safira ohatra dia nadaraboky ny Tompo nefa dia isan'ny fiangonana voalohany rehefa nanao zavatra mifanohitra amin'ny sitrapon'ny Tompo sy ny baikony... efa nitranga ny toa io tamin'ny nahazo an'i Saoly Mpanjaka izay Andriamanitra ihany no nanendry sy nanosotra azy... Andriamanitra iray ihany foana nefa io Andriamanitra resahana io na ao @ TT na ao @ TV, ilay tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay... fa raha tsy nety nibebaka nandrapialan'ny fofonaina farany ilay tovolahy dia zavatra mety mitranga tokoa io nambara tamin'ny tantara io...

Ny zavadehibe dia ilay fanasàna nataon'i rahery08, mba handraisana an'i Kristy ho an'izay mbola tsy nandray Azy mba hahitan'ny fanahin'ny olona fitsaharana sy fifaliana ary fiandanana... ary ny fiambenana mandrakariva ho an'izay efa nandray Azy, fa tsy indray mandeha io Jesosy Tompontsika io no nampitandrina fa ny efa mandroso sy matanjaka no mora lavo raha tsy miambina sy mivavaka mandrakariva... ny famonjen'i Kristy no vita indray mandeha fa ny finoana sy ny fihazonana izany dia ady isanandro isanandro amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra ka ananaran'i Kristy tsy mitsahatra ny hihazonana tsara ilay satroboninahitra...

Mahereza daholo... :)
17. ikaretsaka ( 20/11/2008 19:36)
Amiko le fisarihana olona miampy fampitahorana ity no hitako hoe tsy mety nefa tena fataon'ireo sekta!
le hoe raha tsy mivavaka nareo dia lasa any @ afobe........
dia lasa nohon'ny tahotra sy ny tsy satry no mahatonga ilay olona manao tsy sazoka ilay asa na manaraka ilay vavaka fa tsy noohon'ny fitiavany sy tena vokatry ny fony loatra intsony
18. fijo ( 20/11/2008 21:05)
ka efa "voalahatra daholo anie hono izany e"efa voasoratra,ka inona indray ary
19. rahery08 ( 21/11/2008 06:47)
Ikaretsaka>>>
Mampiasa ny fomba rehetra Atra mba hahatonga ny olona rehetra ho voavonjy !
Satria araka ny teniny ihany dia : tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, » (2 Petera 3:9b)
« Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ? » (Ezekiela 18:23)
Ny tanjon’Atra @ olona rehetra dia : FAMONJENA : mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay :
Raha ilay REVELATION SUR L’ENFER no jerena dia hita fa tena hoe BAIKON NY TOMPO mihintsy ny hoe : AMPAHAFANTARO @ FIRENENA, FIANGONANA, AMIN’NY IZAY ANIRAHAKO ANAREO ! fa misy ny ENFER
Ary ilay izy ange tsy mifanohitra @ voalazan ny Bible !
Ka raha hoe sekte na tsy sekte ! rehefa KRISTY NO TORINA, mba andraisan’ny olona FAMONJENA, DIA ZAVA-DEHIBE IZAY,
« Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin'ny helo*, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. » (Lioka 12:5)

20. coopsal ( 21/11/2008 15:09)
Ikaretsaka:
dia lasa nohon\'ny tahotra sy ny tsy satry no mahatonga ilay olona manao tsy sazoka ilay asa na manaraka ilay vavaka fa tsy noohon\'ny fitiavany sy tena vokatry ny fony loatra intsony

==> Mampahatsiaro ahy fahiny ity teninao ity. zah d olona nivavaka sady nampiaiky ny besinimaro fa nahay nivavaka hatr@ vao 6 taona.
Fa izaho tenako no nahatsapa fa nahay nikabary vavaka mba hahafaly ny sofin\'ny olona mandre aho, fa ny foko tsy dia tena niresaka t@ Andriamanitra izany ary tsy dia mba nihaino an\' Andriamanitra izany.

Fa tsy izany foana ka! Indray mandeha izay, t@ andron\'ny chloéra nalaza teto tanà, narary kibo aho, zah avy nianatra ni-battre nanomboka avy tany faravohitra ho any Anosizato, nivavaka t@ foko aho teny an-dalana: \"Andriamanitra ô! Ataovy tsy choléra izany mahazo ahy izany\".
Mafy loatra tamiko ny fampitahorana mikasika ny choléra ka dia tsy vitan\'ny nitandrina aho sao voa, fa rehefa narary kibo aho dia natahotra mafy sao dia choléra ka nangataka t@ Andriamanitra t@ foko.
Tsy indray mandeha io fa izany no fiainako ara-bavaka, izaho anefa mpamonjy alim-bavaka, mpitari-bavaka ao an-trano sy any rehetra any ary tsy menatra ny @izany!
Saingy Andriamanitra nahalala ny tao am-poko.
Voadonam-pahoriana faran\'izay tsy zakako aho vao mba nitady tao am-poko an\'izany Jesoa izany raha misy tokoa! Ary dia nampafantariny ahy fa io voadona tao am-poko io dia Izy no nandondona tao am-baravaran\'ny foko, ka rehefa nandre ny feony aho dia niditra tao am-poko Izy ary nanomboka hatr@izay dia niray latabatra tokoa izahay! [Apokalipsy 3:20].

Ka hoy aho hoe, sambatra ireo mino Azy marina nefa tsy nandre na inona na inona, tsy niandry voadona! Fa soa aho voadona sy narary mba hikatsahan\'ny foko ny marina ary namokisan\' Andriamanitra ahy ny Fahamarinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1337