mety mahafoy Andriamanitra
42. mangidy
(
30/11/2008 11:10)
rahery08:
Mampivarahontsana ihany aloha izany tantara izany !
Hay mety mahafoy Atra !
Koa dieny tsy mbola tonga ny andro mahory !
Dieny tsy mbola tonga ny andro anaovanao hoe tsy sitrako izao !
Dieny mbola miposaka aminao ny masoandro !
Dieny mbola androm-pahasoavana izao !
Andeha hitady Azy dieny mbola hita Izy !
Andeha hiantso Azy dieny mbola Akaiky Izy !
Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa : andraisanao ny famonjena!
HOMBA ANAREO NY TOMPO!
Araka ny perikopa anio dia,,miambena miambena ka mivavaha fa tsy fantatrareo izay hiavian'ny fotoana ;;; f'andrao avy tampoka izy ka ahita anareo matory....
Tsarovy koa fa Antra tsy mba mandao;; ary tsy mahafoy antsika izay tiany sy malalany, nefa tadidio fa Atra saropiaro izy.Mielina sy mandalo izao tontolo izao. Tsy foiny ho latsaka anatin'ny aizina isika ka itomany, satria mbola nekeny mba ho tiany sy narovany antrany antrany.....
43. fahamarinana
(
30/11/2008 12:14)
mia:
ATRA dia tsy mandao tokoa nefa misy fetrany ny antsony rehefa manda ny fanasany fona isika.
:arrow:somary mangataka ++ hevtr momba an'io aho raha azonao atao.Misaotra mialoha.
Amiko manokana manko tsy misy fetra ny antso fa maharitra Andriamanitra satria be ny Fitiavany...Araka ny voalaza any ho any (ialako tsiny fa tsa mahay toko sy andininy aho ) hoe hatramin'ny farany dia omeny chance foana ny olona hino sy ahatsapa Azy sy hiova.Sa ve diso tanteraka ny eritreritro fa mandray vilana aho ? Satria raha io voalaza io dia mifono fampitahorana ,tahaka ny hoe raha tara loatra dia bye bye eo nareo..nefa koa misy Teny milaza fa samy manana ny fotoanany koa aza tara ihany ve zany vao tonga saina fa mety tsy ekeny fa laviny ? Miala tsiny raha diso fanadray fa mba hitsio na hazavao kokoa e. Misaotra izay aafaka manome fanazavana.:? (l)
44. ikaretsaka
(
30/11/2008 16:36)
Andremanitra dia tsy manampetra donc raha miresaka atra sy antsony isika dia tsisy fetra izany
Mitovy fijery @ faha
Mitovy fijery @ faha
45. prime
(
01/12/2008 12:57)
fahamarinana> Mitombina ny ambaranao ary ataoko fa izany tokoa no herin'ny fitiavan'Andriamanitra...
Fa ny fetra resahana dia tsy hoe Andriamanitra manodina ny tavany aminao fa ilay "ianao" (tsy i fahamarinana no resahako etoana fa ilay olombelona) tsy mahafantatra ny ampitso sy ny ho avy... tsy misy mahalala ny iantsoan'Andriamanitra azy avy ny olona, ary maro no efa voafitaka fa ho maro andro kinanjo tsy nanana na dia iray segondra akory aza iantsoana na ivavahana na ibebahana tamin'Andriamanitra tamin'ny ora farany satria tampoka taminy ny fahafatesana ohatra... noho izany indrindra no tsara itodihana amin'Andriamanitra dia eny mbola misy ny fotoana fa tsy ho variana sy hahatoky tena ny amin'ny ampitso... satria tsy misy fivavahana sy fibebahana intsony any ankoatra...
Tsy fampitahorana izany fa fampandinihan-tena satria Andriamanitra mbola miantso mandrak'ankehitriny...

46. mia
(
01/12/2008 19:47)
Fahamarinana> ny tiako tenenina @ ilay hoe misy fetrany ny antsony rehefa mandà ny fanasany fona isika dia tsotra ihany: tsy mahafantatra isika hoe rahoviana no ho faty, ka raha mbola tsy nibebaka, nanolotra ny tena, fanahy, saina ho an'ny tompo nefa kay efa akaiky ilay ora farany dia very e!
Arak'ilay hira iray izay hoe " sao ity no antso farany ka valio Izy sao ho very ianao". Raha misy olona izany hoe mangataka anadro fona hoe andraso aloha fa rehefa antitra aho na rehefa zao aho dia hanolo-tena amin'izay nefa tsy hainy akory koe rahoviana izy no ho faty.
Tsy fampitahorana fa fampitandremana na fampandinihan-tena araky ny lazainn'iI Prime( ary kay efa nazavain'ni Prime tsara daholo ny tiako ambara an!!!
:roll: misaotra e!

47. coopsal
(
02/12/2008 12:13)
fijo & Ikaretsaka:
za koa mahafehy tena raha izany ka.
==> Amen!
mia:
Tsy fampitahorana fa fampitandremana na fampandinihan-tena araky ny lazainn'iI Prime
==> Hoy Kristy
"Priez pour que votre fuite n'ait pas lieu en hiver, ni un jour de sabbat.".[Matthieu 24:20]
hiver = eo am-pialana aina, sabbat = efa maty!
"Vraiment, si le Seigneur n'avait pas décidé de réduire le nombre de ces jours, personne n'en réchapperait ; mais, à cause de ceux qu'il a choisis, il abrégera ce temps de calamité."[Matthieu 24:22]
Ny fetra ka mahafoy ny andro dia noho ny fitiavan' Andriamanitra ny oloNy. Ary ny rehetra dia taomin' Andriamanitra ho oloNy.
Izaho kosa mino, fa ny olona mino marina an'i Kristy dia mi pratiquer ny finoany! Ary ny pratique ny finoana dia :
- vavaka : fifampiresahana @ Andriamanitra hahafantarana ny plan Andriamanitra @ zava-drehetra, sy ny idiran'ny tena @izany.
- fankatoavana : fifikirana @izay noraisina t@ alalan'ny vavaka, ka anatanterahana izany.
I Kristy dia olon'ny vavaka ka nahafantatra tsara ny zavatra tsy maintsy hihatra taminy rehetra. Ary rehefa mbola tsy tonga ny fotoana voatondro hahafatesany, dia niala Izy aloha raha nisy nitady hamono. Fa t@ ora voatondro dia tsy nitsoaka Izy satria "izaho no antony nahatongavako" hoy Izy.
I Paoly koa nahafantatra hoe: efa tonga ny orako
I Petera koa toy izany.
Izaho mino fa ny rehetra izay mino an'i Kristy marina, dia mi-pratiquer ny finoany araka iretsy ambony iretsy, ary izy koa hahafantatra ny tendrin' Andriamanitra ho azy! Eny fa hatr@ fotoana sy ny zava-hitranga hahafatesany aza. Satria ampahafantarin' Andriamanitra azy @ fotoana hitan' Andriamanitra fa mety izany.
48. prime
(
02/12/2008 14:05)
coopsal> ho an'ny manana an'i Jesosy dia mitombina ny ambaranao fa ho an'izay mbola tsy nanatona ny Tompo dia tsy izany loatra no zava-misy...
mia> tsy misy fisaorana... miala tsiny raha mba nizara... mahereza...
mia> tsy misy fisaorana... miala tsiny raha mba nizara... mahereza...
49. kotobekibo
(
02/12/2008 18:19)
Lohateny : mety mahafoy Andriamanitra:
Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. » (2 Tantara 24:20b)
Mety hafiny ianao , raha tena mafy sofina aminy . Jereo ny devoly , avy aiza no fiavian'izay ireo , tsara noho ny fihavian'izy ireo v tsika olombelona , nomen'A/tra hery sy fahalalana tahaka azy ireo v tsika ?
Nafoiny satria tsy nanaraka ny teniny , tsika koa tahak'izay . Fa ilay A/tra d Lehibe ary afaka mamela heloka an'izay mibebaka .
Anjaranao ny mandanjalanja izay tokony hoavinao ,
50. ikaretsaka
(
02/12/2008 18:55)
Tsy nafoiny izany letsy ny demony fa nomeny andraikitra hafa an ary mbola misento aminlny demony atra matoa namela azy ireny mbola hanadala an'ialahy. Raha tena tsy norarahian' atra intsony ireny amiko dia tsy nomeny na dia ny anjara toerany manadala an'ialahy monja aza
51. fijo
(
02/12/2008 22:05)
avelao kosa ny devolinay mba hifaly sy hiravo kle.mangatsiaka be izao aty ,ka avelao izy mba hanome hafanana hoanay e
52. rahery08
(
03/12/2008 18:22)
Maro ny tantara rehako ny mikasika ny fitaoman’Atra ny olona hibebaka, ary ny azoko lazaina ihany koa fanampin’izay efa voalaza dia izao :
Miala nenina amintsika hatrany Atra : Raha toa ka maromaro ny antsonAtra @nao, mitaona anao hibebaka, handray an Jesosy ho Tomponao, ary toa mifanesy mihintsy aza, dia mahimahiana ihany !
Sao dia efa akaiky ! Tsy mapitahotra toy ny lazain’Ikaretsaka akory, fa mba mampilaza fotsiny hoe, andeha anao arrangement dieny zao eh !
Izay fa dia mahereza daholo, ho Tahin’Atra ianareo rehetra!

53. Mandefitra
(
04/12/2008 04:57)
fahamarinana> efa henonao ny hira 354 ao @ fihirana ffpm hoe "ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao ..."
Misy zao ao hoe :
Sao ity no tori-teny fara-fanasana anao
Sao anio no fotoana fara-hahavelomanao ....
Dia izany indrindra no tsy hangatahan'andro, "fa anio raha mahare ny feoNy ianao, dia aza manamafy ny fonao ...." :)

54. fahamarinana
(
04/12/2008 05:58)
:arrow: mandefitra : haiko tokotrany...efa ao tanteraka kah (fa mino aho fa mbola tsy tanteraka sy misy indro kely )fa kosa mitsinjo ireny namana am-pisalsalana ireny ihany koa dia mametra-panontaniana.
Misaotra any prime sy mia nanome fanazavana.... :-*
-------fa raha tanty ohatra tsy fantatry ilay olona iray fa misy antso atao azy dia ahoana no fipetrany! da ho kila avao ary zany fa tara loàtra ( faha be vazivazy ho an'ireo mbola tsy zatra ).
Satria mety tsy fantany sy tsy tsapany.Milaza izany aho satria isan'ny mpandà taloha nefa nahatsapa antso,tsy haiko azavaina hoe karakory no namerenany ahy indray fa dia eto aho izao ary mahatsapa fa soa ihany zalahy fa nandre!!:D (l)

55. fitiatantely
(
04/12/2008 06:35)
Mpamindra fo Atra! Hoy Izy hoe:"tsy ho avy hiantso ny marina aho fa ny mpanota hibebaka" .@ tantaran'i Jesosy nisy ilay jiolahy 2 niaraka nofantsihina taminy teo @ hazo fijaliana, efa teo am-bavan'ny fahafatesana fa mbola voavonjy ihany ny iray
. De izao koa! hoy Atra hoe" ts tiako hisy ho very aminareo na de iray aza". Ts mahafoy antsika Atra matoa mbola nomeny ny zanany ho sorona hamonjena antsika, tiany isika ary efa noraisiny ho zanany na de mpanota aza. Hevitro manokana io an! za ts hoe mitory teny fa mba milaza ny hevitro fotsiny!

56. fahamarinana
(
04/12/2008 07:24)
:arrow: ka zay manko ry fitiatantely no mampametra-panontaniana ahy teo. (l)
57. prime
(
04/12/2008 13:56)
fahamarinana:... Mahatalanjona ny fitiavana ao anatinao ka itsinjovanao ny namana hafa sahady.. mirosoa aloha ianao dia ho hitanao ny tanan'Andriamanitra hiasa ho anao sy ireo namanao eritreretinao ireo... :)
fa kosa mitsinjo ireny namana am-pisalsalana ireny ihany koa dia mametra-panontaniana.
fahamarinana:... Izany indrindra no tsy ipetrapetrahana intsony satria miharatsy izao tontolo izao... Jesosy mihitsy no miantso ahy sy ianao sy ny namana rehetra efa mandray sy mino ary manana an'i Jesosy tsy ho varimbariana intsony ary tsy hanarinary fotoana intsony fa tena hitodika hanatanteraka ny asan'ny Tompo... :)
-------fa raha tanty ohatra tsy fantatry ilay olona iray fa misy antso atao azy dia ahoana no fipetrany! da ho kila avao ary zany fa tara loàtra ( faha be vazivazy ho an'ireo mbola tsy zatra ).
Satria mety tsy fantany sy tsy tsapany.Milaza izany aho satria isan'ny mpandà taloha nefa nahatsapa antso,tsy haiko azavaina hoe karakory no namerenany ahy indray fa dia eto aho izao ary mahatsapa fa soa ihany zalahy fa nandre!!
58. fahamarinana
(
05/12/2008 06:12)
:arrow: ka toa mba tiako raha miaraka daholo...fa marina ny lazain'ny prime hoe mety ahatsara zvtr raha ny ahy aloha no hataoko lafatra tsara.. ^:^ (l)
59. ikaretsaka
(
05/12/2008 17:09)
Amiko aloha tsy misy Atra mahafoy izany e... RAR aza tsy mahafoy zanaka...
Zany ny mahatonga ahy hino ny purgatoire..izany hoe na any 2 fiainana tsy hita any aza dia mbola omeny chance foana saqtria tsy foiny
Zany ny mahatonga ahy hino ny purgatoire..izany hoe na any 2 fiainana tsy hita any aza dia mbola omeny chance foana saqtria tsy foiny
60. fijo
(
05/12/2008 21:55)
rahery 8 an,io ve le jesoa inoanao??tena mino ve ianao fa toa io ny tarehiny?