Raha tsy ATra no mitantana ny fiainantsika dia Iza ?

1. niryna ( 18/11/2008 07:04)
Raha ohatra tokoa ka tsy Atra no mitantana ny diantsika,ny fiainantsika ,ny firenena rehetra dia iza ?
Raha ohatra ka tsy misy olona hafa akoatran'Atra mitantana ny fiainantsika dia milaza ve izany fa tongatonga ho azy daholo izao rehetra izao na hoe manambitana ilay olona ?


1 Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.Gen 1:1


Salamo 22:28
28 Fa an'i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin'ny firenen-tsamy hafa Izy.

Joba 12:23
Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa; Mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray

(l) niryna
2. ikaretsaka ( 18/11/2008 07:26)
Andriamanitra no nanome antsika fa isika no responsable avy eo

adino angaha ilay teny heo Atra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany?
sy ny hoe andriamanitra no nanome fa i ...no tsy ambinina?

jereo ny momban'ny talenta ao @ Matio 25...
dia hoy koa ny Jenezy ao hoe Manjaka @ ireo harintanany ireo

mpiasan'Atra isika , nomeny antsika ny instructions,fa nomeny antsika koa anefa ny safidy: natorony hoe ity ny point A de iry ny point B, nasiany Jiro, nomeny ny zavatra rehetra ho ampiasaina... fa isika koa no mila mandeha fa tsy hiandry Azy lalandava
3. prime ( 18/11/2008 08:28)
Raha tsy Andriamanitra no mitantana antsika dia efa voasoratra :
- Na i Satàna
- Na izao tontolo izao
- Na ny filàn'ny nofo...

Raha manodina ny tavany Andriamanitra ka tsy mijery sy tsy mitantana ny fiainana dia "fahafatesana" no miandry ary ny fahamaizinana no mandrakotra azy... efa voasoratra ihany koa izany...
4. ikaretsaka ( 18/11/2008 15:33)
de maninona raha voasoratra?
5. Veloo ( 18/11/2008 15:40)
Raha tsy Andriamanitra no mitantana antsika dia efa voasoratra :
- Na i Satàna
- Na izao tontolo izao
- Na ny filàn'ny nofo...


prime a mitovy ireo telo ireo amiko.
fa izao fotsiny Na Andriamanitra na i Satana tsy misy eo anelanelany.
6. rabilabila ( 18/11/2008 16:08)
Tena kivy sy malahelo aho mamaky anareo :
mbola mijery ny fiainana en noir et blanc foana nefa efa betsaka ny fomba hijerena azy ho en couleur.
ity atolotro anareo mba hijerevanareo ny fiainana en couleur mitovy amiko ,na dia tsy mitovy aza ny fandrindrantsika ilay loko.

http://www.youtube.com/watch?v=5-mIHk2rM0Q

7. ikaretsaka ( 18/11/2008 16:18)
ka izay le voky tokana ry bila an

na taratasy na ranomainty!...
8. Veloo ( 18/11/2008 20:16)
mbola mijery ny fiainana en noir et blanc foana nefa efa betsaka ny fomba hijerena azy ho en couleur.


Izay manana an'Antra lety dia manana fifaliana foana ary tokony ho izany mihitsy matoa tsy faly eo @ fiainana dia tsy manana an'i Jesosy :P
ary tsy mahita ny fiainana mainty izany... fotsy foana..
9. ikaretsaka ( 18/11/2008 20:19)
le "fomba" soid disant ho fananana an'Atra no problematika eto nge ry veloo e
10. rabilabila ( 18/11/2008 22:09)
Veloo
Izaho aloha lety tsy "lety" a!! :)
Koa ny andriamanitrareo ,izay lazainareo fa namorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy aza ,nanamboatra ny "arc en ciel " kle.dia ny anareo ve dia ny fotsy foana no fidiana ? aoka re!!

Fa iza no miteny am'la letsy hoe tsy misy fifaliana ny fianako kle ,koungefa izaho tsy manana an'izay andriamanitra izany .Zé tsy manota ho'aho no aleo hitora-bato ahy ( izay tantanan'i satana na ny filàn'ny nofo araky ny définition-nareo ) :lol:
11. fijo ( 18/11/2008 22:57)
nahona atoko ano avy di aterena hoe andriamanitran omitantan any rehetra e.
mba valio ary ity.

tokony homelohina ve ny mpamono olona,satria andriamanitra izany no efa nitantana azy hanao izany?
12. kotobekibo ( 18/11/2008 23:01)
fijo:

nahona atoko ano avy di aterena hoe andriamanitran omitantan any rehetra e.
mba valio ary ity.

tokony homelohina ve ny mpamono olona,satria andriamanitra izany no efa nitantana azy hanao izany?


Waouw , lalina b izany resak'i toi izany an!
Ny ahy tsotsoriko @ ilay hoe ny fihevitro tsy fihevitrareo , ny fisainako tsy fisainanareo .
Fa raha tsy izany angamba mipoaka ity loha keliko :-D :-D
13. rakapy ( 19/11/2008 02:48)
Ka izay izany no mahatonga ny ady maro sy ny aretina sy ny haratsiana isan-karazany eto amin'izao tontolo izao satria i A/tra no mitantana ny fiainanatsika??? Ary mbola A/tra ihany koa no nahary izao tontolo izao, dia mbola izy ihany koa izay no mandefa ny satana hanadala antsIka???
14. kotobekibo ( 19/11/2008 15:41)
rakapy:

Ka izay izany no mahatonga ny ady maro sy ny aretina sy ny haratsiana isan-karazany eto amin'izao tontolo izao satria i A/tra no mitantana ny fiainanatsika??? Ary mbola A/tra ihany koa no nahary izao tontolo izao, dia mbola izy ihany koa izay no mandefa ny satana hanadala antsIka???


Tsy Izy direct fa kosa asa tanan'ireo anjeliny fahiny izay nivadika ( demony ) , RESPONSABLE MAIS PAS COUPABLE .
Ohatra JOBA , KRISTY nadalain'ny fanahy ratsy ....maika fa izay tsika ?
15. niryna ( 19/11/2008 18:40)

fijo:

nahona atoko ano avy di aterena hoe andriamanitran omitantan any rehetra e.
mba valio ary ity.

tokony homelohina ve ny mpamono olona,satria andriamanitra izany no efa nitantana azy hanao izany?
kotobekibo:


Waouw , lalina b izany resak'i toi izany an!
Ny ahy tsotsoriko @ ilay hoe ny fihevitro tsy fihevitrareo , ny fisainako tsy fisainanareo .
Fa raha tsy izany angamba mipoaka ity loha keliko :-D :-D
:D


=D> =D>
16. ikaretsaka ( 19/11/2008 18:56)
ka anefa te hihevitra io fihevitr' Atra io ny betsaka @ ireo soi disant "mpivavaka"
de mahatonga io hoe terena ho Izy no mitantana ny zavatra rehetra
17. fijo ( 19/11/2008 21:51)
tsy nisy namaly ilay fanontaniana izany fa dia natao samy maka hoazy ny farany.hiihihi

mba homeo ny anjara andraikiny wa ny olombelona,fa aza terena mant ahoe "andriamanitra "no manao izao sy izao.fa very ny hiafarany ary tsy hita fototra ny tsara sy ratsy
18. prime ( 20/11/2008 12:59)
Veloo:
prime a mitovy ireo telo ireo amiko.
fa izao fotsiny Na Andriamanitra na i Satana tsy misy eo anelanelany.
... Marina ny ambaranao... itoviako hevitra tanteraka...

"Nuances" no nahatonga ahy hamaritra ireo... fa Satàna dia afaka mi'agir amin'ny hafetsena maro ary afaka miasa mivantana, fahita amin'ireny demoniaka ireny izany... nefa koa izy dia mampiasa ny heriny araka ny fanjakany eo amin'ilay izao tontolo izao eo ambany vahoany sy ilay nofo feno fahalovana araka ny filany, voaozona hatrany am-boalohany...

Fa mitombina ny fanamarihanao... :)
rabila:
Tena kivy sy malahelo aho mamaky anareo :
mbola mijery ny fiainana en noir et blanc foana nefa efa betsaka ny fomba hijerena azy ho en couleur.
ity atolotro anareo mba hijerevanareo ny fiainana en couleur mitovy amiko ,na dia tsy mitovy aza ny fandrindrantsika ilay loko.
... Ny fiainana dia tokana Rabila raha ny lazain'ny Soratra Masina, dia Jesosy Kristy, ary "blanc" ihany (raha arahana ny famaritanao) : "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana" hoy Izy... ny ankoatr'izay dia tsy fiainana no iantsoany azy...
fijo:
nahona atoko ano avy di aterena hoe andriamanitran omitantan any rehetra e.
mba valio ary ity.
... Raha manaraka tsara ny lohahevitra ianao dia fanontaniana ilay izy fa tsy fanamarinana... "raha tsy... dia iza?" fa tsy niteny izy hoe "Andriamanitra no mitantana ny fiainana..."

Tsy nisy fanerena izany fa fanokafana adihevitra, izany hoe mety misy hafa mitantana "ny fiainana"...
fijo:
tokony homelohina ve ny mpamono olona,satria andriamanitra izany no efa nitantana azy hanao izany?
... Andriamanitra tokoa ve no nitantana azy hanao izany? ianao ihany angamba dia mahavaly ilay fanontaniana...
19. coopsal ( 20/11/2008 16:53)
Fijo:
tokony homelohina ve ny mpamono olona

==> Samy manana izay mety havaliny an'io ny olona na ny finoana tsirairay! FA hamaly anao araka ny finoako aho, dia araka an'i Jesosy izay tenin' Andriamanitra velona.

1. Fanamelohana : Tsy misy hoe tokony homelohina ve fa efa voaheloka sahady izay namono olona rehetra! Na @ fomba fiteny araka ny lalàna (droits) iainanantsika eto @izao tontolo izao dia hoe "melohin'ny lalàna". Ny lalàn'ny fahamarinan' Andriamanitra dia manameloka izay namono olona.

Fanamarihana kely : Hoy Jesosy izay inoako hoe "Raha misy tezitra @ rahalahiny dia mitovy @ izay efa namono olona izy eo anatrehan'ny Ray".

2. Fampiharana ny fanamelohana :
Araka ny lalàna eto @izao tontolo izao, tsy izay rehetra voaheloky ny lalàna dia avy hatrany dia maty na voasazy eo no ho eo. Fa mandeha toy izao : "voampanga" (araka ny lalàna), "tsaraina" (araka ny lalàna), "iharan'ny sazy" (takian'ny lalàna).
Tahaka izany ny @ lalàn' Andriamanitra. Eto an-tany izao dia efa voampanga izay namono olona sy ny namany (na dia ny feon'ny fieritreretana aza dia endrika mampiseho fa voapanga izay nanao meloka).
Ho avy ny fotoana iray izay natokan' Andriamanitra hitsarana ny voapanga rehetra (fitsaran'Andriamanitra).
Iharan'ny sazy (afobe) ireo voaheloka.

3. Famotsoran-keloka : Ho an'izay voaheloka dia efa azo antoka fa hiatra aminy ny sazy, raha tsy hoe angaha mahazo ny antsoina hoe "famotsoran-keloka" izy!

Tsy haiko na misy olona mahatsiaro tena ho tsy mbola voampanga (azo antoka fa voaheloka) eto, fa ho ahy dia efa azoko antoka ankehitriny fa voaheloka aho satria na dia tsy mbola namono olona aza aho dia hila ho isanandro no tezitra @ rahalahiko!
Tsy manana famonjena afa-tsy ny famotsoran-keloka aho. Ary ifaliako indrindra ny fahatsapan'ny foko hoe, efa nisy olona iray nandray ny saziko rehetra ka amin'ny alalany dia azoko koa ny famotsoran-keloka.
Izany olona izany no ilay antsoiko hoe Jesosy, izay tsy ninoako fahiny, fa ankehitriny dia inoako satria ananako porofo ny aminy.
20. ikaretsaka ( 20/11/2008 17:06)
.. Raha manaraka tsara ny lohahevitra ianao dia fanontaniana ilay izy fa tsy fanamarinana... "raha tsy... dia iza?" fa tsy niteny izy hoe "Andriamanitra no mitantana ny fiainana..."

dia efa nisy namaly io hoe ..isika ihany



Hoy i fijo:
tokony homelohina ve ny mpamono olona,satria andriamanitra izany no efa nitantana azy hanao izany?
... Andriamanitra tokoa ve no nitantana azy hanao izany? ianao ihany angamba dia mahavaly ilay fanontaniana...

fa iza...
io ho'a le tsy mety io mi attribuer zavatra mialoha io,, hoe rehefa metimety aminao de andriamanitra dia rehefa tsy metimety aminao dia ahilika hitadiavana bouc emissaire hafa
lasa ianao no mandidy alohan'Atra raha izany anie e...,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0625