Sambatra ny manana an'i Jesosy

1. niryna ( 14/11/2008 11:49)
Sambatra tokoa izay manana an'i Jesosy.na inona ataonao na inona mihantra aminao aza kivy fa miaraka amintsika foana izy e
Eny manana namana tokoa isika dia Jesosy izany.
Izay manala ny fahotantsika sy ny fahoriantsika
Eny afaka tokoa isika ny miantso sy mivavaka amiNy amin'izay fotoana ilaintsika na aiza izany na inona izany.
Ho maivana ny enta- mavesatra satria izy avokoa no milanja izany raha manaiky sy mitaraina aminy isika hilanja izany enta-mavesatra izany

Alohan'ny hiranao dia vakio kely ny teny izay zaraiko ho antsika

http://www.youtube.com/watch?v=uAbaqzk66Vc&feature=related

Efa nandalo fahoriana na fakampanahy va hianao ?
Toa feno fahoriana avokoa izay aleha rehetra ?
Na izany aza ,aza kivy ,hoento am-bavaka ,hoento ao Aminy izany.

Mahita namana azo antoka ve isika? izay afaka hizaka ny fahoriana manjo antsika ?
Eny ,Jesosy tokoa no mahafantatra ny fahalementsika tsirairay avy.
koa dia aza misalasala e,ento am-bavaka ,eo aminy izany !

Malemy ve isika,mitondra fahoriana ,mila tsy ho zaka ve ny enta-mavesatra ?
Ho ento ambavaka eo aminy avokoa izany
Satria Kristy Mpamonjy dia mbola afaka hialokalofantsika
ka aza misalasala aza e fa ny olona afaka mandao fa Kristy tsy andao anao na amela anao ho irery

Andramo ka zahao fa tsara izy ary mandrakizay ny famindrampony .Amen !


(l) Niryna
novalian'i niryna ny 06/12/2008 18:21
2. prime ( 14/11/2008 13:16)
Misaotra niryna a...

Dia mahereza hatrany ao amin'ny Tompo... :)
3. cutie ( 14/11/2008 16:14)
amen :D
4. fahamarinana ( 14/11/2008 16:16)
:arrow: Misaotra e!!! (l)
5. cutie ( 14/11/2008 16:20)
amen :D
6. ratonga ( 14/11/2008 16:37)
Eny manana namana tokoa isika dia Jesosy izany.
Izay manala ny fahotantsika sy ny fahoriantsika

efa éla nivavahana ihany vé nareo mpivavaka reo dé mbola tsy hafaka ihany izao faotana sy fahoriana ao zao é, ngà tena vraky bé mintsy, tena bokony kosa i rezezo milanja azy rehetra ao an!! :-D :-D :-D
7. ikaretsaka ( 14/11/2008 16:43)
misy diso fivavaka letsy dia tsy ny tenany aloha no jereny a..
dia matetika lasa jamba mifampitantana...
io le hoe if you wanna lead somebody, lead'em back to themselves
8. cutie ( 14/11/2008 19:31)
. Mpandefa : ratonga [ Valio ] 14-11-2008 17:37:09
Lohateny : Re : Sambatra ny manana an'i Jesosy
Voalaza teo :
Eny manana namana tokoa isika dia Jesosy izany.
Izay manala ny fahotantsika sy ny fahoriantsika

efa éla nivavahana ihany vé nareo mpivavaka reo dé mbola tsy hafaka ihany izao faotana sy fahoriana ao zao é, ngà tena vraky bé mintsy, tena bokony kosa i rezezo milanja azy rehetra ao an!!

blablablabla :-D :-D :-D :-D :-D
9. ikaretsaka ( 14/11/2008 19:43)
firy containers isan'olona tokoa le :^)
10. niryna ( 14/11/2008 19:47)
mahatsiaro ny hazofijaliana ve hianao? Ny fantsika namatsihana azy ?
http://www.youtube.com/watch?v=CimKKnKUYrU
isaky ny manao zavatra isika dia tsarovy foana ny fantsika namantsiana azy teo amin'ny hazofijaliana fa tsy te hanao ny tsy mety intsony na dia manao toetra ratsy aza dia mifona aingana fa malahelo azy

:x :cry: :cry:
11. cutie ( 14/11/2008 19:48)
ka ny fahoriana sy ny ota nge tsy maintsy misy foana raha mbola eto an-tany.
Refa lasa any an-danitra daholo ngamba isika vo afaka io :-D :-D :-D :-D :-D
12. ikaretsaka ( 14/11/2008 20:37)
izay..nobody's perfect..
fa misy nilaza izay heo vao mainka mahatonga ny olona hivaralila ny fanesehana ao an-dohany idee hoe enao zao sy zao io!
13. caprio ( 14/11/2008 21:10)
misaotra niryna dia mahereza ary ny tompo anie homba anao mandrakariva,ary tsarovy fa misy olona mihaino anao foana ary misy koa ny manohitra,koa ampitaho hiany izay mahasoa fa izay no ahalalana fa mpanompon'Atra enao
14. ikaretsaka ( 14/11/2008 21:14)
ny fahalalana hoe mpanompon'Atra ve de ny fakana 19? sy ny filazalazana aman'olona pli vava?
15. cutie ( 14/11/2008 21:39)
:-D :-D :-D :-D
16. ratonga ( 14/11/2008 21:59)
=)) =)) =))
17. caprio ( 15/11/2008 08:25)
De ny mbola hafantarana fa mpanompon'Atra hiany koa hianao,dia tsy mamaly mintsy ho an'ireo izay mitondra teny manafitohina,koa tohizo ny dinika niryna fa misy vonona ny hiaino anao foana dia mahereza an
18. bor2lais ( 15/11/2008 09:29)
\"Sambatra ny manana an\'i Jesosy\" no lohateny.
Ny fanontaniana mifampitohy aminy tsara apetraka angamba dia ity : \"misy milaza azy manana an\'i Jesoa nefa mahatsapa tena tsy sambatra ve ? \"
19. ikaretsaka ( 15/11/2008 12:27)
caprio> ny hahafantarana fa mpanompon'Atra dia tsy ny hoe isaky ny misy remarques ataon'ny olona momban'ny tena akory dia raisina foana ho "teny fanafintohinana" fa ny fandinihana ireny remarques ireny ary ny fijerena ny tena sy ny fanontaniana ny tena sy ny konsiansy lalandava manao hoe tena izany tokoa ve?
Izay no "self awarenes" nafaran'i Jesoa sy ny dimbiny foana rehefa miteny f izy ny heo "lazaiko marina dia marina aminareo.... ary efa azony ny valisoany"!
20. kotobekibo ( 15/11/2008 12:43)
bor2lais:

\"Sambatra ny manana an\'i Jesosy\" no lohateny.
Ny fanontaniana mifampitohy aminy tsara apetraka angamba dia ity : \"misy milaza azy manana an\'i Jesoa nefa mahatsapa tena tsy sambatra ve ? \"


tena marina izany less !
Efa tena vendrana matoa mbola tsy faly ihany @ izany .
Sa angaha hoe " A/tra no nanome fa balita no tsy ambinina ? "
:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0526