Inona marina no atao hoe finoana e?

121. Noue ( 23/10/2008 09:03)
tena tsy manakambara aho fa dia mahafinarfitra beeeeee ahy ny mamaky izao hevitrareo rehetra eto zao aaaa :)
122. rakaroka ( 23/10/2008 15:33)
[quote=xxx]

Averiko aminao indray fa Ny tenin'Andriamanitra de iainana: izay tsy miova, omaly ary anio sy mandrakizay!
http://baiboly.katolika.org/boky/Galata/3

Tena novain'i Paoly ilay fampianaran'i Jesoa ao @ matio 5-7 , raha hoe foana ny lalàna noho ny finoana satria i Jesoa dia nijoro fa tsy handrava na hanafoana ny lalàna velively fa ny hanantateraka ireny aza. Rahateo raha ny fampianarany ao @ Matio io, mbola milaza "MAZAVA" izy fa raha tsy mihoatra noho ny 'Fariseo sy ny Sadiseo ny fitondra-tenanareo dia TSY HAHAZO miditra @ fanjakan'ny lanitra ianareo.
Ka 'zay ilay ataoko hoe misy fampianarana mampandry adrisa. Hoe "tsy manao ezaka firy lé olona doa hianinkanim-potsiny hanantena lanitra. Mbô ivereno vakiana tsara anie Matio 5-7 io e!

[
123. ikaretsaka ( 23/10/2008 15:46)
ka izay le "minoa fotsiny ihany" versus an'ilay hoe "ho voninahitr'Atra ny asa rehetra. sy hoe manomboka ety an-tany "
124. niryna ( 24/10/2008 04:57)
rakaroka:

.
Ka 'zay ilay ataoko hoe misy fampianarana mampandry adrisa. Hoe "tsy manao ezaka firy lé olona doa hianinkanim-potsiny hanantena lanitra. Mbô ivereno vakiana tsara anie Matio 5-7 io e!


mampandry adrisa a ? dia ahoana izany ny tenin'Atra hoe minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao ? diso izany io ?
tsy mila manao na inona na inona tokoa ka faith no tadiavina amintsika dia ny finoana an'i kristy irery izany .
Dia aleo indray aloha averina indray fa Finoana an'i Kristy irery ihany no ahazoana famonjena . MIsy famonjena hafa tokoa angaha ? inona ?

by the grace we are saved ..fa fahasoavana no namonjena antsika .
Tsy avy amin'ny herintsika izany na ny fahaizantsika na ny fahalalantsika fa fahasoavana maimaimpoana nomen'Atra antsika avy amin'ny Zanany Malalany :arrow: Eny manantena ny lanitra tokoa izay rehetra mino an'i Jesosy satria izy irery no lalana mankany amin'ny rainy
4 Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin'izay halehako.

5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana?

6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.
Jaona 14:4-7

.Teny nolazainy ao amin'ny soratra masina tokoa izany.Ny fanontaniana dia hoe moa ve isika mino izany teny fahamarinana izany sa dia hoe mampandry adrisa fontsiny ny teny ? :idea: efa notsimponina foana foana io teny io fa dia anjaran'izay mandray sy raha mahita fika andehanana any an-danitra moa izy ka tsy mila an'i kristy dia izay izy izany fa aza mivaky loha e
125. rakaroka ( 24/10/2008 10:54)
[quote=niryna]


mampandry adrisa a ? dia ahoana izany ny tenin'Atra hoe minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao ? diso izany io ?


"DISO TANTERAKA IO" ary ny tenin'ny soratra masina ihany aza dia mandiso azy: "NY FINOANA TSY MISY ASA DIA MATY MOMOKA" sy ny hoe
"Izay MINO ahy , ny asa ataoko no ataony koa , ary hanao asa lehibe aza izy.
Ny "blem" ateraky ny "fitorianareo dia lasa mitomoepoana ny ankamaroan'ny olona: Lasa miandry ilay "famonjena" sy miandrandra izany ftsn no ataony, anefa raha ny marina dia "MAZAVA" Be fa izy aza no "andrandraina hanao zavatra" : Mazava anie io teny io e, ary i Jesoa en perso no niteny izany fa tsy i Rakaroka no namorona. ny anareo mbola ny resak'izao mpaminany sandoka aty aorian izao no ifikiranareo.

tsy mila manao na inona na inona tokoa ka faith no tadiavina amintsika dia ny finoana an'i kristy irery izany .
:roll: 8O 8O 8O

Dia tahaka izao moa ny fampianarana aely, dia ahoana kay no handroso ny firenena e ? Inn anefa ny zavatra "concret azon-drizareo @ finoana an'i Kristy => ny fiangonana aza miady misamasamaka, ary na mino tahaka ny inn rizareo
tsy hanantena "grande chose" raha tsy mila manao n'inn toa izao.
'za aloha dia tsy mbo hampianatra ny olona ho "kamo tahaka izao mihitsy an".
Io no mahatonga ahy miteny hoe "aleo aza tsy miresaka toa izay "dire n'importe quoi". Ary mahatsapa aho fa "TOMPON'ANDRAIKITRA MIVANTANA @ FAHANTRAN''ny FIRENENA" mihitsy ny mpitory toa izao!

fa fahasoavana no namonjena antsika

Aza mihevi-tena aloha be hoe efa voavonjy e, ary raha hanjakan'ny "corruption sns ny firenena tsy handihy tsy afa-tavony tahaka
izao aho: mieux vaut se taire!"
efa notsimponina foana foana io teny io fa dia anjaran'izay mandray sy raha mahita fika andehanana any an-danitra moa izy ka tsy mila an'i kristy dia izay izy izany fa aza mivaky loha e

Io hatraty no mahay mitsipona koa. Ary tenin'ny baiboly miverina imbetsaka ao @ Ohabolana mihitsy ny hoe "Mahazoa : "FAHALALANA ary MAHAZOA
FAHENDRENA", mbola teny ao @ filazan-tsara vao2 ny hoe : "Fantaro ny zavatra rehetra", sns.
Donk samy manana ny hiheverany sy ny andraisany an'i Kristy, fa du moins ny teniny direct koa aza no mbô heveriko.


126. coopsal ( 24/10/2008 15:05)
xxx:
koa amin'ny fomba ahoana no ahalalako hoe toy ny voatsinapy na mbola kely noho izay ny finoako!

==> ilay 3- nosoratanao dia milaza hoe "raha toy ny voan-tsinapy dia mahafindra tendrombohitra". Koa amiko izay mino io koa dia izao : raha mahafindra tendrombohitra ianao dia au moins toy ny voatsinapy, raha tsy mbola mahafindra tendrombohitra ianao dia mbola tsy tonga toy ny voantsinapy izany.
127. coopsal ( 24/10/2008 15:10)
xxx:
Zaho mino an'i Jesoa Kristy fa izy tokoa no zanak' Andriamanitra

==> Vao nihaona voalohany t@i Jesosy i Natanaela dia niaiky hoe "Ianao no zanak' Andriamanitra".[Jaona ]
Rehefa nanontanian'i Jesosy ny mpianany ny @izay niheveran'izy ireo Azy dia namaly i Petera hoe "ianao no zanak' Andriamanitra velona". Ary inoako fa maro t@ireo mpianany no efa niaiky Azy ho zanak' Andriamanitra velona ... fony mbola tsy maty Kristy.
Saingy rehefa maty Kristy, ny mpianatra rehetra dia samy nalahelo sy kivy (izany hoe finalement tsy nitoetra ny finoan'izy ireo fa Jesoa no zanak' Andriamanitra velona, raha tsy izany mantsy dia ho nanantena izy ireo fa tsy havelan' Andriamanitra ho faty fotsiny izany ny ZanaNy).
Ianao koa eto dia mino (manaiky) fa Jesoa Kristy tokoa no zanak' Andriamanitra.
128. coopsal ( 24/10/2008 15:13)
xxx:
Zaho mino an'i Jesoa Kristy fa izy tokoa dia ... maty

==> Ny Silamo koa mino fa Jesoa Kristy dia maty, ny Jiosy 2000 taona lasa izay dia nino koa, sady nahita maso mihitsy izy ireo fa maty Jesoa Kristy.
129. ikaretsaka ( 24/10/2008 15:21)
Io hatraty no mahay mitsipona koa. Ary tenin'ny baiboly miverina imbetsaka ao @ Ohabolana mihitsy ny hoe "Mahazoa : "FAHALALANA ary MAHAZOA

tsetsatsetra kely
ao @ bokin'ny fahendrena no tena betsaka an'io.... fa nodinganin-dreo moa io boky 1 io satria manohitra ilay theologie tian-deo voizina t@ izany
vokany de betsaka no ni ignore azy
130. coopsal ( 24/10/2008 15:55)
xxx:
Zaho mino an\'i Jesoa Kristy fa izy tokoa dia ... nitsangan-ko velona ho

==> Inoako marina, fa ity iray ity no fototry ny fisalasalanao, ka tsy tsapanao tanteraka eo amin\'ny fiainanao ny ambiny.
Tsaroako fa fahiny koa aho dia nino ... presque ireo rehetra ireo, saingy noho ny tsy fananako porofon\'ny fahaveloman\'i Kristy no nahatsapako hoe nisy zavatra tsy ampy tao @ity resaka ambaran\'ny baiboly ity!
Fa na ny mpianatra voasoratra ao @ baiboly aza ka! Raha tsy nanana porofo ireo fa velona tokoa Jesoa, tsy afaka nahafantatra ny Soratra Masina ary tsy afaka ho nino ny ambiny rehetra rahateo.
Ankehitriny, misy ireo izay tsy te hiova finoana fa hitazona ny anarana hoe \"kristiana\" ka rehefa sendra ny mavesatra toy izao dia aviliny fotsiny @ hoe \"tsy azo raisina ara-bakiteny\".
Ho anao kosa dia eo am-pitadiavana ny marina ianao, ary raha mangetaheta ny fonao dia hahafantatra ianao!
131. coopsal ( 24/10/2008 16:20)
Tantaraiko fohy aminao (xxx) eto izay nahatonga ahy hino fa velona Jesosy, ka rehefa sendra ny zava-mampisalasala toy ireny aho dia Izy mihitsy no anontaniako ny marina rehetra! Ary mamaly Izy rehefa anontaniana :
T@ taona 2004, nisy olana (ara-pitiavana) nianjady tamiko izay, indray Alakamisy alina dia tena feno loatra ny foko noho ny alahelo, ary nitamberina tao anatiko ireo olako hatrizay hatrizay.
Nametra-panontaniana maro t@ tenako aho, fa nahatsapa ny foko ho tena kivy tanteraka. Dia tonga tao anatiko izao vavaka izao hoe "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko hoe fa maninona no mahatonga izao amiko".
Nahazo valiny tao am-poko koa aho, ary inoako fa Jesosy no namaly ahy satria Izy no niresahako. Ary izao no valim-panontaniana voalohany nomeNy ahy :
"raha tsy nisy izao dia tsy ho nitodika taty amiko ianao".
Izay zavatra iray izay no zavatra tsy nananako ka nampisalasala ahy t@ rehetra.
Taty aoriana aho rehefa misalasala dia mahatsiaro hoe "kay velona Jesosy (araka ny voasoratra), koa marina izany io lazainy io".
132. ikaretsaka ( 24/10/2008 17:39)
ny nahatonga anao nino ve mahavaly ilay fanontaniana hoe inona no atao hoe finoana?
133. rakaroka ( 24/10/2008 20:45)
ikaretsaka:

Io hatraty no mahay mitsipona koa. Ary tenin'ny baiboly miverina imbetsaka ao @ Ohabolana mihitsy ny hoe "Mahazoa : "FAHALALANA ary MAHAZOA

tsetsatsetra kely
ao @ bokin'ny fahendrena no tena betsaka an'io.... fa nodinganin-dreo moa io boky 1 io satria manohitra ilay theologie tian-deo voizina t@ izany
vokany de betsaka no ni ignore azy

Ka 'zay mihitsy anie ry Ika ny tsy azoko @ ireto miseho ho mpino ireto e :
"DRADRADRADRAINY tahaka ny inn hoe "vakio ny baiboly" satria heveriny tsy namaky izany mihitsy angamba aho. Ary rehefa "zohiko kay misy teny SOA dia SOA tokoa fa dia nahifiky rizareo fahatany fotsiny e, 'nefa dia samy tao anaty baiboly izao ihany, rahateo rehefa dinihinao @ fiainana ankapobeny aza :
"Atout GOAVAM-BE ho an'izay nanana azy foana ny fahendrena sy ny fahalalana izany ! Dia iniana toherina hoe "tsy izany fa minoa fotsiny e" .
Eto 'zao 'zareo dia mbola sahy manohitra hoe tsy ao ara-tsoratra masina koa izany?...Io wa aza mitsipona fa diso fitsipona, rehefa tsy mahadinika ny iray manontolo dia Mbô mahaiza mitsipona e

:wink: :-D :-D
134. ikaretsaka ( 24/10/2008 21:01)
izay manko
135. rakaroka ( 25/10/2008 08:01)
[quote=ikaretsaka]

tsetsatsetra kely
ao @ bokin'ny fahendrena no tena betsaka an'io.... fa nodinganin-dreo moa io boky 1 io satria manohitra ilay theologie tian-deo voizina t@ izany
vokany de betsaka no ni ignore azy


Ka minia pahina mihitsy rizareo matahotra ny hodisoina "finoana", raha ilazana ny marina fa hoe "efa ambikambin-tsoratra" ary norafetin'ireo
loholona mba iarovana ny tombontsoany anie iny baiboly tavela iny.
Tsy ianao ihany no nilaza fa nisy "takelaka hafa nesorina , sy toko hafan'ny baiboly tsy noraharahiana mihitsy noho ny fitandroana ny tombon-tsoan'ireto lohan'ny mpisorina à l'époque! , dia notezaina hanarak'efa ny maro ! Dia hoe aza sainina fa inoy ftsn!



136. ikaretsaka ( 26/10/2008 01:04)
izay mantsy
137. rahery08 ( 27/10/2008 08:53)
Misy milaza hoe minoa fotsiny ihany!
Ny tena finona dia ny firaisana @ Jesosy Kristy!
Hoy Paoly "Tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiko!'
Hoy Jesosy hoe: raha miray amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko! dia angatao...
Ireo vahoaka maro nanontany an Jesosy hoe: Inona no ataonay hiasanay ny asan'Andriamanitra? Jesosy namaly hoe Izao no asan'Andriamanitra dia ny hinoanareo izay nirahiny! Ny hiraisanao tanteraka @ Jesosy! Izany no takina amintsika Kristiana!
Na mino ianao na tsy mino tsy mahafoana ny fisianAndriamanitra izany!
Miadry anao Jesosy mba andraisanao azy ho Tomponao sy Mpamonjy anao!
Mampalahelo ireo fanahy very any @ helo!
Jereo ao @ Google ny REVELETION SUR L'ENFER 7 JEUNES COLOMMBIENS"

138. prime ( 27/10/2008 14:00)
rakaroka> Ka raha tsy mitombina ny baiboly, ahoana no ilazanao fa marina ny lazain'i Kristy amin'ireo nampianariny notsongainao??? :lol:
139. ikaretsaka ( 27/10/2008 16:12)
prime:

rakaroka> Ka raha tsy mitombina ny baiboly, ahoana no ilazanao fa marina ny lazain'i Kristy amin'ireo nampianariny notsongainao??? :lol:


raha ny fahitako ny lazain-drakaroka par contexte dia tsy heo tsy mitombina ny baiboly fa hoe tsy ampy ny baiboly, (samihafa ireo ry prime...)
ary tsy ny baiboly irery ihany akory no manambara ny hoe marina nolazain'i kristy
140. rakaroka ( 27/10/2008 17:28)
prime:

rakaroka> Ka raha tsy mitombina ny baiboly, ahoana no ilazanao fa marina ny lazain'i Kristy amin'ireo nampianariny notsongainao??? :lol:



Ny tiako marihina @ Prime dia mahafinaritra ny hafanam-po , fa 'zao 'za raha
"mikiry miresaka aminareo koa " tsapako misy "inclinaison BBbe 'zany" amina tel "versé"=> mirona loatra @ "finoana" ohatra ny fijery, ary anefra tahaka ny tsy "maitrisé"tsara izany lé izy...ouf. Dia ahoana 'zao ny hoe ary ankehitriny ireto telo ireto no mitoetra : "finoana, fanantenana , fitiavana ,
fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo. Ka "Fitiavako ny mpino maro hanana "fahalalana sy fahendrena sy hanana fiainana BBbe dia be no hanaovako izao, satria maaaaaroo loatra ireo notampenana fotsiny hoe izao ihany hono e, dia rehefa tena miatrika ny fiainana ny tsy ampy fahalalana dia "sahirana" tokoa. Mety tsy diso ilay tenin'ny baiboly fa ny andraisana izany sy ny "contexte" no tsy mifanaraka , na misy tsy ampy mihitsy. Olona ihany koa anie no nandrafitra iny ! Ny haka izay saim-pantany fehezin'ny teny. Koa raha afa-misaina marina maninn raha mbo mampiasa ny saina ahatakatra misimisy izay tena marina na ivelan'ny Baiboly aza tsy voafetra sy tsy fehezin'ny boky tokana ny "fahamarinana".
Raha apetraka ho izany monja ny marina sy ny ffiainana dia tsy misy dikany izany isika izao satria tsy voasoratra ao?....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3143