Misy fanahy(soul) koa ve ny biby ?

1. niryna ( 07/10/2008 17:47)
Tsy fantatro aloha na fety inona na inona no nankalazain'ny fiangonana iray izay hitako nanomboka ny sabotsy ka hatramin'ny alahady(.
Nilahatra nitondra ny alikany avokoa ireo mpiangona ao amin'ilay fiangonana dia nisy olona nitondra rano izany ary nofafazany rano ny alikan'ny olona .Efa nahita toy izany ve hianareo? Angaha ry ireto ny biby koa misy fanahy(soul) ?
Ny fahalalako azy raha manana saka na alika ny tena ka marary dia afaka mivavaka amin'Atra mba ho sitraniny satria izy manasitra izay tiany ho sitranina .Fa izany alika ho entina any am-piangonana rarahana rano izany dia hafa kely .Sa ahoana ny hevitrareo ?

Misaotra mialoha e

(l) niryna
2. rijadolly ( 07/10/2008 18:15)
Vaovao amiko daholo zao ireo tenenin'se reo na ilay hoe hivavahana(angataahana amin'Andriamanitra)ny biby ra marary sy hoe fafazana rano.
Tsy misy fanahy ny biby ny fahalalako azy satria ny fanahy no hiavahan'olona amin'biby.

Mba mangataka fanazavana amin'Niryna oe za amin'ilay hoe hivavahana ny biby marary,satria na io aza oh hafahafa be amiko ary tsy mbola nanao izany mihitsy fa nalahelo fotsiny no efa nataoko.Misaotra méloa.
3. Noue ( 07/10/2008 18:34)
dia ahoana izany ity??????


Récemment, les Eglises ont manifesté une certaine disposition à clarifier la confusion qui entoure la question de l'âme des animaux. A ce sujet, la déclaration du Pape Jean-Paul II du 19 janvier 1990 est significative. Lors d'une audience publique,le Pontife déclara que les animaux aussi possèdent une âme et que nous, êtres humains, devons nous sentir solidaires avec nos frères cadets. En déclarant cela, le Pape suit et transmet la tradition biblique. Cette déclaration, ainsi que d'autres qui vont à l'encontre d'un courant catholique défavorable aux animaux, sont des indices d'une certaine prise de conscience, au plus haut niveau de l'Eglise Catholique, du fait que le suivi non critique des thèses d'inspiration aristotélicienne de certains théologiens de grand prestige a conduit l'humanité à un anthropocentrisme suicidaire*
4. Zakou ( 07/10/2008 21:27)
Ny biby aloha tsy afaka hiresaka amin'Andriamanitra na oviana na oviana.
Nomena ny olombelona ny Fanahy hahafahany miresaka amin'Andriamanitra Rainy.
Ny momba ny fiangonana nanao io fihetsika io indray dia malalaka ny olona rehetra hanao izay tiany hatao, izany akory tsy midika fa hoe ara-dalàna.
Misy kosa anefa biby tena manana fifandraisana amin'ny fanahy ratsy, ohatra ny bibilava, ny voay sns...Tafiditra any amin'ny tontolon'i fanahy (monde spirituel) isika raha ho tohizana ny resaka.
5. ikaretsaka ( 08/10/2008 00:34)
Ny Momban'ny fety nankalazaina t@ alahady

Tsy resaka fanahin'ny biby akory rehefa tsofina rano ny biby fa zavatra hafa mihitsy hanampy ny fiarahany mifanasoa amin'ny olombelona no antony ...
tsy ny zavatra misy fanahy ihany no azo tsofina rano! misy mitso drano sy mamafy rano sampakazo rehefa fetin'ny sampakazo, ny jiro masina, misy ny mitso-drano sy mamafy rano trano vaovao, fiangonana vaovao sns.... satria hiara hifanasoa amin'ny olombelona ireny

momban'ny biby
fetini St Francois d'assise t@ alahady. ny tantaran'i francois d'Assise ankoatran'ny maha stigmatique azy, dia izy no olomasina mpiaro (izany heo nasaina mivavaka manokana hoan') ny biby sy anisan'ny nivoy ilay hoe endrik'Andriamanitra ny Zavaboahary ary azo ampiasaina hitadiavana Azy koa

misy antsa izay: Antsan'ny Zavaboahary no anarany na canticles of the sun" (misy manao hoe ry habakabaka ankalazao ny Tompo... @ teny gasy) afaka hanampy anao bebe kokoa http://prayerfoundation.org/canticle_of_brother_sun.htm

ny momban'ny hoe misy fanahy ve ny biby?
tsy haiko aloha fa za tsy biby ..... :wink: fa raha jerena kosa ny Salamo 104 (105 ngamba ho an'ny tsy manaraka vulgate)
tsy misy fanavahana mihitsy ao hoe ny olona sa ny inona no voa rehefa manafina ny endriny Atra

dia fanontaniana kely: maninona ny Tompo no miantso ny tenany hoe zanak'ondry n'Atra
izany heo tsy mananana fanahy koa iznay izy? :-D :-D eritrereto!
6. fahamarinana ( 08/10/2008 03:24)
:arrow: :-w mahavariana ilay dinika...tsy dia fantatro loatra ny mikasika ny bibi ihany koa fa ny hitako ohatra dia ireo mpiandry mifindra trano dia iasàna ilay trano ka azo hilazàna ve izay hoe misy fanahy ilay trano sa akory..,misy koa mpitondra moto;sns..sns.. (l)
7. Noue ( 08/10/2008 07:01)
maninona ny Tompo no miantso ny tenany hoe zanak'ondry n'Atra
izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao
8. badboy ( 08/10/2008 07:04)
Ilay fandalinana nyrina mba alefaso lavitra f'aza dia ampotonorona ohatr'io foana!! Ny hevitra ambadika, izay tsy fantatro na rakatrao na tsia, dia ny finoana boudhiste sy hindou izay mametraka avo ny toeran'ny biby no tonga dia tifirinao ankitsirano!! Eo indray ianao izany dia manakihana, ankolaka angamba, ireo finoana ireo!!

Inona moa anefa no maharatsy ny fanasoavana ny biby!! Raha toa ka ny filazana fa manampanahy izireo no hahafahana miaro ny fisiany, ka hahafahan'ny tysirairay mihinankena na manao torista @ alalan'ny reserve naturelle ka mampidibola ho an'ny eo antoerana, dia tsy hitako loatra izay olana!! Lasa ataonao sakana @ izany rehetra izany ny fampidirana ny anaran'Atra ao anatin'ilay hevitra!!!

Averiko indray, mba mitraka matetika ny loha mijery ny manodidina fa tsy faly mihoroka ny fofon'ny baiboly lalandava ao ity orona!! :twisted: :twisted: :twisted:
9. prime ( 08/10/2008 11:02)
badboy> Diso adiresy ianao fa toa fiangonana katolika ilay resahan'i niryna ary ireo efa nentin'ny namana ikaretsaka sy Noue ireo ny heviny... moramora ihany r'ise a... :lol: :)
10. arialy ( 08/10/2008 11:40)
:roll: :roll: :lol:
11. booboo ( 08/10/2008 13:16)
Badboy > :-D :-D :-D. cf fanazavana an'Ikaretsaka fa mazava be mihitsy. Toa hitako tsy azonao sy tsy voafehinao manko ilay raha lazaina eto :-D :-D :-D :-D
12. badboy ( 08/10/2008 14:29)
Aleo ataoko tsotra sy mazava ilay resaka fa tsy ataoko misy hevitra miafina intsony fa toa bdb ny tsy maharaka!!

Tsy dia asiako olana loatra hoe katolika sa protestanta no nanao azy na koa aza athé, fa ny fanamarihako dia io voalaza ambony io!! Tsy olana na lazaina manampanahy na masina aza ny biby raha izay no ahafahana miady @ fandringanana tsisy farany!!

Ho ela velona ny katolika izay manaraka ny lalana diavin'ny bouddhiste sy ny hindou @ fitandremanan ny biby, na dia ny kely indrindra aza, izay isan'ny hiankinan'ny mahaolona ny olona sy ny fiainana antany!!

Hoy ilay raikalahy mahiratra erantany izay hoe " raha foana ny tantely, dia andro vitsy monja sisa no ahafahan'ny olombelona miaina eto antany"!!

Tsy voatery ho ao anaty baiboly foana ny valiteny na vahaolana @ tranganjavatra 1, fa ny fiainana koa no manery ho azy ilay vahaolana na valiteny mipetraka!!

Ka atrakao @ izay ny orona fa sao voan'ny sery @ ilay fofona bobongolon'ny baiboly!! :twisted: :twisted: :twisted:
13. rabilabila ( 08/10/2008 14:54)
aaaaaaatchouuuuummm :lol:
Velona e!! :-D :-D
14. Noue ( 08/10/2008 15:25)
:-D :-D :-D :-D :-D :^) :^) :-D :-D :-D velona eeeeeeee :-D :-D :-D
15. xxx ( 08/10/2008 15:35)
tena manahaka ny anarany mitsy i bandy adala :^) :/ :°)
16. tywa68 ( 09/10/2008 14:16)
Aleo ataoko tsotra sy mazava ilay resaka fa tsy ataoko misy hevitra miafina intsony fa toa bdb ny tsy maharaka!!

Tena mazava be e :lol: ny fitiavam-biby aloha tsy hifanerena satria misy mieritreritra fa tsy afaka mitia zavatra hafa raha voa tia an'Atra, nefa manana alika sy saka ao an-trano :lol:
Amiko manokana d ny tiako na olona io na biby io na asa d angatahiko @Atra foana zay hampety an'izany @ilay fiainana andavanandro, mba haha-mendrika ahy hiaraka Aminy.
Ny Tompo anie hitahy "antsika" rehetra, eny fa na ireo efa maty aza, satria tsy afaka mangataka izany intsony izy ireo :wink:
17. ikaretsaka ( 09/10/2008 15:16)
tywa68:


Tena mazava be e :lol: ny fitiavam-biby aloha tsy hifanerena satria misy mieritreritra fa tsy afaka mitia zavatra hafa raha voa tia an'Atra, nefa manana alika sy saka ao an-trano :lol:
Amiko manokana d ny tiako na olona io na biby io na asa d angatahiko @Atra foana zay hampety an'izany @ilay fiainana andavanandro, mba haha-mendrika ahy hiaraka Aminy.
Ny Tompo anie hitahy "antsika" rehetra, eny fa na ireo efa maty aza, satria tsy afaka mangataka izany intsony izy ireo :wink:


misaotra tompoko o! ^:^
18. niryna ( 09/10/2008 17:56)
rijadolly:

Vaovao amiko daholo zao ireo tenenin'se reo na ilay hoe hivavahana(angataahana amin'Andriamanitra)ny biby ra marary sy hoe fafazana rano.
Tsy misy fanahy ny biby ny fahalalako azy satria ny fanahy no hiavahan'olona amin'biby.

Mba mangataka fanazavana amin'Niryna oe za amin'ilay hoe hivavahana ny biby marary,satria na io aza oh hafahafa be amiko ary tsy mbola nanao izany mihitsy fa nalahelo fotsiny no efa nataoko.Misaotra méloa.


hay ve e .Toy ny biby fiompy ao an-trano ohatra ,nisy olona nanana alika kely mahafatifaty,nivoaka ny tokontany dia nihinana poizina ilay izy,nandoavana vola $ 600 mihitsy satria nampidirina hopitaly fa voa hono ny havokavony .Dia nivavaka ho an'ilay alika kely izahay. Nangataka tamin'Atra mba ho sitraniny.Ary dia sitrana soa amantsara ilay alika . cas toa izao mahazo mangataka mivavaka amin'Atra mba hanasitranany ny biby nahariany isika sa tsia ? tsy mampiasa zavatra hafa fa izy ihany no antsoiny hamonjy ilay alika kely ?
19. ikaretsaka ( 09/10/2008 18:16)
iza moa no tsy mivavaka ho an'ny bibiny sy ny fananany sy mandany vola @ na zavatra tiany?

ny tantsaha mivavaka mba tsy his yhavandra sy loza voajanahary samihafa sy mba ho lonaka ny tany ka tsy ho simba ny vokatra
ry zalahy any atsimo mivavaka mba ho avy ny orana sy tsy ho kere, sy hoe tsy ho lasan'ny dahalo ny ombiny

izahay aza t@ mbola kely nisy resaka an'izany koa hoe ny reniakoho hono mivavaka mba tsy hi paohin'ny papango ny akohokeliny!

za koa mino fa na ireny biby rehetra "en menace" ireny diamba manandratra kely vavaka manao toy iznay aby! fa hoe Andriamanitra iza no hivavahany no samy tsy misy mahalala fa ny "enga anie" no bobaka!
"enga anie mba tsy ho lanin'ny voay anay rehefa mita rano" ho'zy ny zanak'omby
"enga anie ka tsy mba androany no ho tapaka ny loha" hoy ny poulet de chair! :-D :-D
20. rabilabila ( 09/10/2008 18:21)
:-D :-D :-D

mitady hisy hahita volana alohan'ny biby ato an!!

Tsy tadidinareo angaha ilay tsianjery ao anaty Lala sy Noro?

Raha misy manome
zavatra ho anao
kingà miteny hoe:
"misaotra tompoko ô"
Ny akoho misotro rano
na be na kely eo
andeha ange tazano
diniho sy jereo
Izay azo iandrandrana
fisaorana no atao
ry ankizy mamy saina
ho ambaka ve ianao !!!

vita tompoko!! :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1188