Inona izany sakaizan'izao tontolo izao izany ?

1. niryna ( 20/09/2008 01:15)
4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
novalian'i niryna ny 07/11/2008 19:51
2. niryna ( 20/09/2008 01:30)
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray

1 Jaona 2
16 Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao.

Ireo telo ireo no fahavalontsika dia ny filan'ny nofo,ny filan'ny maso ary
ny rehaka momba izao fianana izao ...

Inona izany tia ny izao tontolo izao izany ?

(l) niryna
3. rakapy ( 20/09/2008 02:10)
Raha dinihina izany ny voalazanao dia tsaratsara kokoa ny tsy miaina raha tsy te ho fahavalon'A/tra?
Ka ho anao te ho zanak'A/tra io maninona no tsy mamono tena dia @ zay tsy ahita ireo filana intsony satria ireo dia zava-misy hita ary iainana eto an-tany. Angamba any ankoatra any tena milamina tsy misy olana toy ny eto an-tany.
4. ikaretsaka ( 20/09/2008 15:01)
le izy hoa ry niryna aza raisina ara bakiteny be ...manjary marina ny voalazan-drakapy..ndeha mamono tena na maniraha olona hamono anao fa tsy misy ilana anao eto amin'izao tontolo izao...
manaova secte moon dia manaova sucide collectif!

faharoa aza tsimpotsimponina ohatran'io hoa le izy... na rehefa hitsimpona ihany de mba ampitahao amin'ny tsy voatsimpona ny notsimponina fa tsy hoe izay tiatiana sy metimety @ revy ihany no alaina!
ahoana ny hafatra ary @ bokin'ny Jenezy manao hoe Anjakao izao tontolo izao?

amiko matoa ianao napetraka eto amin'iuzao tontolo izao ka natao hoe "hisakaiza" aminy dia:
-ny mpisakaiza amiko de mifanasoa.
-ny fisakaizana tsy reciproque amiko dia misy egoisme ho an'ilay tsy mamerina ilay fifanasoavana
-io no tsy ankasitrahan'Atra loatra
5. zefalah ( 20/09/2008 15:35)
niryna ==> manao ahoana

Andriamanitra nandefa baiboly mba ho sorodalana ho any kristianina.
iaraha malala nefa ny fiovan ny zavatra iainan ny zanak olombelona.

dikan zany ny baiboly ilaina fanazavana,fa tsy hoe lay ao anaty baiboly ao mihinsy no ho tanerahana.
hoy ianao ==> Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray

ka raha tsy ho tian zao tontolo zao v ianao afaka iaina? Andriamanitra nandefanao eto antany mba anompo azy... ary ny valin fanoponao dia ny paradisa...ary Andriamanitra tsy miena na mitombo @ fanoponao.
matoa izy nandefa anao ety an tany dia ny hiiavanao an zao tontolo izao.
aoka ahazao koa...fa izy nandrara ny fijangajangana , kosa namela atsika hifanambady...za zao manao zay position tiako @ vadiko..ntrongolika mdaboka sns...fa vadiko..ary tsy ho tantaraiko an iza n iza zay ataonao.
za aloa tia filan nofo,saingy @ lalanAndriamanitra ,tia an zao tontolo zao saingy @ lalan Andriamanitra.
matoa Andriamanitra nanamboatra an Eva ho an Adam
dia tsy fady zany ny fady lay mahazatra ny olona ankehitriny le misolosolo
ray iany de ampy.
farany....Andriamanitra dia tsy hifahavalo @ olona,fa ny olona no maka vahavalo anandriamanitra
tsis olona vahavalo n Andriamanitra, sa enao?
hehehehe
veloma o!!!
6. diamondra27 ( 21/09/2008 13:53)
ny teny rehetra ao amin'ny baiboly dia mila fandinihina ary mila hay ihany koa ny version contradictoire momba ilay tianao ho fanttara fa tsy tokony hionona amin'izay voavaky na voatsimpona fotsiny .

complementaire izany ny an'i rakapy sy niryna ka ny azo raisina amin'izany dia izao: eto amin'izao tontolo izao isika napetrak'Atra mba hanjaka eto fa tsy ho tia izao tontolo izao mihoatra lavitra noho ny fitiavatsika an'Atra .
Izany hoe: tahaka anao manana olontiana ihany io raha tia olonkafa dia mampirafy , ary izay ilay tsy tianAtra atao aminy hoe: aza tia izao tontolo izao isika olombelona mihoatra noho ny fitiavantsika Azy.
Dia miverina any amin'ilay hoe tsy mahay manompo tompo roa isika fa ny 1 ho tiany ary ny 1 ho halany.
Raha tia an'Atra izany isika dia afaka miaina eto amin'izao tontolo izao , tsy miahy ny momba antsika fa hain'Atra eny foana ny manome izay ho anizay manara-dia Azy fa ho an'izao tia izao tontolo izao kosa dia tsy mety raha tsy mitady hatrany hatrany izay mahafapo ny tenany. Filana ara-nofo+++, fitiavam-boninahitra sns
7. ikaretsaka ( 21/09/2008 15:26)
dia ahoana ny hahafahana manjaka raha tsy tia?
ahoana no hahafahan'Atra manjaka am-pontsika raha tsy tiany isika ohatra?
8. rakaroka ( 21/09/2008 16:40)
Ny manahirana @ fampianarana dia tahaka ny notovanana izany. Raha manao hoe "Tiava an'i Jehovah Atrao @ fonao rehetra sns ary ny faharoa izany "TAHAKA" fa tsy hoe latsak'izany aza na faharoa dia "tiava ny namanao".
Ka niova izany io didy io noho ity lalàna vao notsipinina taty aoriana? :roll: :?: 8O 8O 8O
9. ikaretsaka ( 21/09/2008 17:00)
izay ka ono mahagaga ahy ry rakaroka
10. rakapy ( 22/09/2008 04:40)
Ka ilay teny hoe "Izao tontolo " mihintsy anie raha ny fijeriko azy no raisin'ireo xana hoe sens negatif. Ilay izao tontolo izao anefa dia midadasika be ny heviny. Ao ny tsara, ary ao koa ny ratsy. Ao ny fantatra, ao koa ny tsy fantatra sns...
Amiko manokana dia tsy misy maha ratsy ny fitiavana an'izao tontolo izao satria "Iza no nanome azy antsika?". Ka raha ny zavatra nomeny aza tsy tinao, tsy hajainao, tsy koloinao. Mino marina ve ianao fa tena tia AZY? .Sa ilay tahotra ny ao ambadik'ity fiainana ity no manery anao hitia azy? :-D :-D :-D
11. fahamarinana ( 22/09/2008 05:38)
rakapy:
lay izao tontolo izao anefa dia midadasika be ny heviny. Ao ny tsara, ary ao koa ny ratsy. Ao ny fantatra, ao koa ny tsy fantatra sns.

:arrow: mba itovizako hevitra koa io voalazan'ny rakapy io..mbola eto antany tokoa isika aloha izao.Raha manana ny Fanahy Masina voalaza ombieny dia amiko afaka mamantatra ny ratsy sy tsara ka afaka miala aminy koa.Dia tokony hiambina ny tena fa koa tsy hiaina ao anatin'ny tahotra lava.Manjary tena tsy dia hitako hoe inona no atao eto fa tsy aleo tonga dia any ho any ihany raha any ihany no tena paradisa,na hoe passage aza eto ... :( (l)
12. rakaroka ( 22/09/2008 05:58)
Marina ny fanamarihan-dRakapy sy "Fahamarinana e: => matoa wa isika "terrien" dia miaina ny zavatry ny tany aloha ary manaraka ny lalàna mifehy izany rehetra. Sady ilay Nahary anie nahita fa "TSARA" avokoa izay nataony koa nahoana no akifika ftsn tahaka izao izany aty aoriana?... Na Izy Nahary aza ni-admirer izany, tsy normaly raha "esorina amintsika ny "admiration" fa dia "tiavina "jiaby jiaby e" !
13. Rovampitia ( 22/09/2008 08:19)
Efa mazava be ny atao hoe izao tontolo izao de tena io ara-bakiteny tokoa io satria efa nahazo fahefana @ Satana ary afaka ataony ze itiavany azy io!
Noho ny fahotana voalohany ze nataon'i Eva sy Adama de voazona ny zanak'olombelona ary napetrak'Andriamanitra ny lalàna t@ Moizy! de mbola nandika ny lalàna ihany ny zanak'olombelona ary mbola be famindram-po ary be fitiavana tokoa Andriamanitra de nalefany ny zanany lahitokana ho famonjena ny olombelona! Ary i Jesoa Kristy no lalàna sy fahamarinana ary fiainana! Izay rehetra mino ny Ray, sy ny zanaka ary Fanahy Masina no voavonjy!
Na izany na tsy izany aza de nomen'Andriamanitra fahefana i Satana ny amin'izao tontolo izao: ny vola, fahefana, voninahitra, fitiavana, fahaizana, sns........... nefa efa mazava fa ny contraire amin'ireo ny lalàn'i JK!
Zay miambenà dhl e!
14. tywa68 ( 22/09/2008 09:33)
Rakapy : ny olona rehetra d mampiasa zay misy eo am-pelatanany ary arakarak'ilay finoany, ny hanaovany izany.
Miambena mandrakariva hoy ny kristianina tsy midika hoe sens négatif ny hitenenana azy, fa mba hampatsiahivina dieny mbola afaka mibebaka hoe tsy fantatra @oviana no hikipy ny masonao, ka vonony mandrakariva ny fanahy, raha mino enao fa misy fiainana aorian'ny fahafatesana. :lol:
15. ikaretsaka ( 22/09/2008 15:27)
rehefa tena dinihina de le hoe miambina mihitsy no somary manahirana ihany ny mandika sy mandray azy azy (lasa sanatriavina lazain'ny olona ho gardien na alika eo )
fa raha hoe mivonona lalandava angamba de mba mazava kokoa
16. fahamarinana ( 22/09/2008 16:14)
:arrow: ika : ka efa izay ilay filaza azy hatrizay dia sarotra ny manova azy,fa marina koa fa hoe mivonona lalandava ohatran'ny mendrika kokoa na koa hoe miaro ny tena ,ilay miambena mifono tahotra na dia hoe efa tokony atao ny miambin-tena na misy tahotra na tsy misy.Fa arakaraka ny tsi11 ihany.:) (l)
17. ikaretsaka ( 22/09/2008 17:41)
tsy azoko ilay hoe sarotra
18. rakapy ( 22/09/2008 23:09)
Tena ni-derap any anaty tatatra ilay size ko!!! :-D :-D :-D Angaha tsy resaka sakaizan'izao tontolo izao no resaka ry reto an? ^^ Toa lasa fiambenana indray no resahana. ^^ Izao no antony iray tsy nahavoasarika ahy tany @ ity xnisma ity. :-D :-D :-D
19. ikaretsaka ( 22/09/2008 23:32)
bedy eo ialahy mijoro vavolombelona eo :-P
20. fahamarinana ( 23/09/2008 04:54)
:arrow:ika : ilay sarotra tiako lazaina hoe efa mahavantana sy efa izay no filaza...fa hevitro io fa mety misy antony hafa koa angamba..
rakapy :manaraka ny onjan'ny dinika dia mba manome hevitra e ka ialana tsiny raha lasa any an-kafa ny resaka. :) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1541