Inona izany sakaizan'izao tontolo izao izany ?

21. rakapy ( 23/09/2008 05:46)
Ika> aleo ary fa sitomiko ny fijoroko e! :°)
22. prime ( 23/09/2008 08:15)
Mitovy hevitra amin'i Rovampitia sy tywa68 ny tenako...

Tsy misy ifandraisany amin'ny naharian'Andriamanitra azy tamin'ny voalohany intsony ilay izao tontolo izao ananaran'i Kristy ny mpanaradia azy... izao tontolo izao efa anjakan'i Satàna sy ny forongony (corrompu), ny filàna sy ny firehana ny amin'izao fiainana izao hoy ny tenin'Andriamanitra izay...

Mila avahana tsara ilay hoe fitiavana an'izao tontolo izao ka manaja sy manompo an'i Kristy amin'ny fampielezana ny filazantsara mba ho betsaka ny ho voavonjy araka ny vaovao mahafaly nentin'i Jesosy...
Sy ny hoe fitiavana an'izao tontolo izao ary misakaiza aminy mihitsy... ity farany ity no tian'i Kristy nambara tamin'ireo teny notsongain'i niryna ireo ka tokony hiambenan'ny mpino mafy dia mafy...

Ka tsy azo afangaro be fa mila fandinihana tsara...
23. rijadolly ( 23/09/2008 15:50)
Fa inona kay ny hevitry Niryna ao ambony ao e!Tsy mbola manontany ve izy hoe: "Inona izany sakaizan'izao tontolo izao izany ? " Dia ny hevitsika no angatahiny,Nefa ny fanoherana azy no hita voalohany ao :roll: Miefena ao anatin' XXX niryna A! =)) =)) =)) =))
24. fahamarinana ( 23/09/2008 16:45)
:arrow: rijad :ao anatin'ny fanoherana mety ahazoana fanampim-panazavana ihany koa sady arakaeak'ilay olona mamaly dinika na mpino izy na tsia,sns...sns... :) (l)
25. tywa68 ( 24/09/2008 08:15)
rijadolly : aza miahiahy momban'ni Niryna enao fa mahay miverina mamaly ny namana izy :lol:

fahamarinana : marina mihitsy ny teninao :wink:
26. xxx ( 24/09/2008 09:50)
misy tenin'Atr zay manao we zay ta hanaraha Ahy aoaka izy handa ny tenany ka itondra azo fjaliana!Fa refa te hiaina eto tany oulbelona arak voalazanareo etsy ambony io de malalaka makany am faverezana fa teru lalana makany am fahasambarana!ka inn ary idira zay famonona tena any zareo an!!!aza entim po fa zany miitsy tenin'Atra mila iainana ,fa madiso hevitra nareo de ts fafatarana sitrapon'Atra!Mahereza é!
27. prime ( 24/09/2008 10:30)
Raha tena dinihina tsara ireo tenin'Andriamanitra notsongain'i niryna ireo dia zavatra telo goavana no mila andraisana azy :

  1. Maninona no tia izao tontolo izao ny olona?
  2. Maninona no tsy misy fitiavana an'Andriamanira ny olona fa tonga fahavalony?
  3. Maninona no mora lavon'ny filàna sy ny faharatsiana ny olona?

Fa raha tena arahana tsara dia hita fa zavatra roa loha no mahatonga ny olona ho tia sy hankamamy izao tontolo izao :

  1. Tsy misy fitiavana an'Andriamanitra ary tsy ao aminy rahateo izany
  2. Resy lahatry ny famirapiratan'izao tontolo izao ny olona ka manaiky ho eo ambany vahoan'i Satàna sy ny forongony, milona ao amin'ny fahalotoana sy fahotana ary ny filana sy ny firehana amin'izao fiainana izao...

Ilay ota fototra rahateo efa iray nofo amin'ny tena ka mora mania sy lavo ny olona... izany indrindra no herin'ny fitiavan'Andriamanitra dia ny fanafahana amin'izany vahoa sy fahandevozana izany...

Io indrindra no nahatonga ahy indray mandeha nanokatra lohahevitra hoe : "Mpino kristiana????"...
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m489999b9915e0
28. prime ( 24/09/2008 10:35)

29. majesty ( 24/09/2008 11:07)
Tsy hita intsony ary ilay nitarika an'ilay loha-hevitra :)
30. xxx ( 24/09/2008 14:02)
aleo an'Atra fitsarana fa Atra ahita ao antiny fonao na kristianina enoa na tsia!F any adala aza mbola manatena ho hendry ono!!!
31. niryna ( 24/09/2008 14:59)
majesty:

Tsy hita intsony ary ilay nitarika an'ilay loha-hevitra :)

:D

32. niryna ( 24/09/2008 17:26)
rakapy:

Raha dinihina izany ny voalazanao dia tsaratsara kokoa ny tsy miaina raha tsy te ho fahavalon'A/tra?
izay izany no andraisanao azy e

Ka ho anao te ho zanak'A/tra io maninona no tsy mamono tena dia @ zay tsy ahita ireo filana intsony satria ireo dia zava-misy hita ary iainana eto an-tany. Angamba any ankoatra any tena milamina tsy misy olana toy ny eto an-tany.
ny kristiana tsy famonoana tena no vahaolana amin'ny fiainana ,fiainana mamy sy matsiro ity koa maninona aho no andeha tsy antsoina

:cry: :D
33. niryna ( 24/09/2008 17:28)
ikaretsaka:

le izy hoa ry niryna aza raisina ara bakiteny be ...manjary marina ny voalazan-drakapy..ndeha mamono tena na maniraha olona hamono anao fa tsy misy ilana anao eto amin'izao tontolo izao...
manaova secte moon dia manaova sucide collectif!
teny voalaza ao amin'ny soratra masina ireo ry ika a fa anjarantsika no mandray azy a

faharoa aza tsimpotsimponina ohatran'io hoa le izy... na rehefa hitsimpona ihany de mba ampitahao amin'ny tsy voatsimpona ny notsimponina fa tsy hoe izay tiatiana sy metimety @ revy ihany no alaina!
ahoana ny hafatra ary @ bokin'ny Jenezy manao hoe Anjakao izao tontolo izao?
tsy zakanao mihitsy ilay tenin'Atra a

amiko matoa ianao napetraka eto amin'iuzao tontolo izao ka natao hoe "hisakaiza" aminy dia:
-ny mpisakaiza amiko de mifanasoa.
-ny fisakaizana tsy reciproque amiko dia misy egoisme ho an'ilay tsy mamerina ilay fifanasoavana
-io no tsy ankasitrahan'Atra loatra
misaotra nizara ny hevitrao

34. ikaretsaka ( 24/09/2008 17:58)
ny hoe teny voalaza ny soratra masina hoa tsy heo nolazain'i paoly t@ romanina ohatra de midika fa hiety @ niryna?
enao nga romanina?
mba mieritrereta!
35. cutie ( 24/09/2008 20:55)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 20-09-2008 03:15:36
Lohateny : Inona izany sakaizan'izao tontolo izao izany ?
4 Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.

tena marina mitsy we tonga de misy mandray ara-bakiteny ny sasany ze mamaly eto :) tsy le fanontaniana akory no novaliana fa tonga de be fiavy :-D
Samia mandinika ze voalaza ny SM lol
36. rakapy ( 24/09/2008 21:02)
Nyrina> Kay ve ka mamy sy matsiro ihany ity fiainana eto an-tany ity?
ka moa va tsy sakaizan'izao tontolo izao ianao? :-D :-D :-D
37. fijo ( 24/09/2008 21:08)
ka izao anie ry sakakely e,
-misy mahay mamaky teny;
-misy mahay mandinika ny teny novakiany.

izay no mahasamihafa azy.
38. cutie ( 24/09/2008 21:10)
samia aza maka ze tandrify azy e :-D :-D :-D :-D
39. fijo ( 24/09/2008 21:11)
izay mantsy.raha ny ankizy any amin'ny CE1 izao dia mahay mamaky teny tokoa izy,fa mba voadininy ve izay novakiany tao???
40. cutie ( 24/09/2008 21:13)
mila mpampadinika :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121