Ny siansa mila porofo fa ny fivavahana mila finoana

1. niryna ( 09/09/2008 16:42)
Matetika isika dia mitady porofo foana vao mino ny fisian'ilay Atra izay hinoan'ny kristiana (Andriamanitr'Israely) izay nipoiran'ilay Mpamonjy dia i kristy izany.
Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza Jaona 14


Ny siansa dia mila porofo fa ny fivavahana an'Atra kosa dia mila finoana .

Ny fahasoavan'ilay Tompo Mpamonjy anie ho ao amintsika .Amen !
(l) niryna
novalian'i niryna ny 03/10/2008 22:12
2. ikaretsaka ( 09/09/2008 16:57)
fa mila mifameno ireo sy miara miasa ireo..io aoka tsy hadino
ny finoana manko hoe
fa maninona ="pourquoi" na "why" no mila valiana


dia ny siansa hoe
tamin'ny fomba ahoana= "comment" na "how" no mila valiana

dia raha samy tsy mifampijabaka @ ireo famaritana ireo dia milamina... fa raha vao misy mifampijabaka dia izay ilay lazaiko foana hoe diso pilopitra
3. badboy ( 09/09/2008 17:00)
Ny fisian'ny fanjakan'ny lanitra no mila inoana fa tsy ny fivavahana, ary ny fiainana antany mila iainana araky ny mahaolombelona fa tsy mihevitra sahady, dieny mbola ety, fa efa any andanitra!! Raha tsy izany manko dia apetraka safady ho eto antany ihany ilay fanjakan'ny lanitra tokony inoana raha dieny mbola eto dia efa atosika ho arak'izay ilay izy ka manjary tsy misy antony tokony hinoana azy intsony satria efa hiainanao eto antany ilay tokony hinoanao!!

Aza adino fa ny tsy hita maso ihany no afaka inoana fa ny hita maso dia antsoina hoe zavamisy sy zavatra iainana!!

Ary aza afangaro koa ny fanantenana sy ny finoana na dia marina aza fa mitovy hoe samy tsy hita maso!! Ny fanantenana mahatonga anao tia miaina, ny finoana mahatonga anao mandray ilay fianana!!


;-) ;-) ;-)
4. ikaretsaka ( 09/09/2008 17:07)
badboy> ka ialahy ange no miara miasa mampanjaka ilay fanjakan'ny lanitra eto an-tany e dia mitohy le izy..
fa raha nofinofy eny an-danitra koa de tsary mety.

eo @ centre aloha vao eny @ but fa tsy vestiaire tonga de maty ny baolina!
5. badboy ( 09/09/2008 17:11)
ikaretsaka >> Miasa hinoana ny fanjakan'ny lanitra angamba no tena marimarina kokoa, dia ny fampisehoana hoe rehefa any andanitra dia na elo na nirvana!! Fa tsy afaka miaina tahaky ny efa hoe any andanitra sahady raha mbola ety antany!! Ohatra tsotra be : @ fomba ahoana no ahafahana mametraka ny fomba tokony hiainana eto antany eny @ galaxie izay mbola tsy hita?? Mars efa hitamaso io aza mbola tsy hay hoe ahoana moa no ahahafahana miaina eny!!

:°) :°) :°)
6. ikaretsaka ( 09/09/2008 17:13)
ok ..zay de ie...
7. badboy ( 09/09/2008 17:27)
;-) ;-)
8. ikaretsaka ( 09/09/2008 18:00)
badboy:
Ohatra tsotra be : @ fomba ahoana no ahafahana mametraka ny fomba tokony hiainana eto antany eny @ galaxie izay mbola tsy hita??


eo izao d'efa eo le mifangaro le finoana sy siansa nolazaiko

raha tena finoana io de hoe Fa maninona no apetraka (na tsy apetraka ... arakaraky ny point de vue) "sahady" ny fomba hiainana any @ ze galaxie any?
fa raha siansa le izy de hoe "@ fomba ahoana" lazainao io tokoa
9. badboy ( 09/09/2008 19:30)
ikaretsaka >> Tsy maintsy misy foana ilay fanontaniana @ fomba ahoana na ao anaty finoana aza!! Ny ohatra akaiky indrindra dia ilay fitsanganana t@ maty : t@ fomba ahoana, ary avy eo vao miainga ilay fanontaniana hoe inona no antony!!! :°) :°) :°)
10. ikaretsaka ( 09/09/2008 19:50)
dia izay le tsy mety anefa...
ny tokony hipetraka dia heo fa naninona no nitsangana t@ maty....

fa tsy heo t@ fomba ahoana!
11. ikaretsaka ( 09/09/2008 20:00)
amiko manokana raha hiresaka finoana ialahy dia ny hoe fa maninona ialahy no noharian'Atra no tokony hibahana sy hanontaniana fa tsy hoe t@ fomba ahoana no naharian'Atra an'ialahy!

12. badboy ( 09/09/2008 20:21)
Ilay fanasarahana azoko tsara, mba tsy hampifangaroana ilay atao hoe siansa sy finoana!! Fa ny olana dia tsy tsotra be ohatr'izay ilay izy!! Ny siansa tsy maintsy miainga ao aorian'ny hoe ahoana, ny fanontaniana hoe inona no antony!! Torak'izay koa ny finoana, izay miainga @ hoe inona no antony, vao mandeha ao @ ilay hoe @ fomba ahoana!!

Ohatra hoe ny antony hivavahana dia satria mino, amin'ny fomba ahoana no hivavahana izany, dia ny fomba tiana rehetra!!! ;-) ;-) ;-)
13. badboy ( 09/09/2008 20:38)
Ary ilay finoana tsy mila pororfo resabe fotsiny!! Raha tsy nila porofo ilay finoana tsy nisy ny antsoina hoe valimbavaka!! Noho izany tsy ny siansa ihany no mila porofo fa ny finoana ihany koa!! :idea: :idea: :idea:
14. rakaroka ( 09/09/2008 20:53)
'za aty voambara fa ara-tsiansa mihitsy ny "FINOANA", Ny siansa dia tsy inn fa processusn'ny loi de l'univers voadiniky ny ol/
Ny miracle tsy misy raha toa mahafantatra sy miaina tsara ny loi.
Hafa ny hoe "manao concept bateau voasaina tsara ny oul iray: ny finoany fa ho tody @ tanjony iny, sy tsy nisy conception n'inn n'inn fa mino fotsiny @ izao. Du moins soit par une bonne intuition izay mila porofoin'ny "efa" soit par experimentation'ny zava-misy. Fa manahirana indrindra ilay mitompo teny fantatra ho manana ny "Marina" tsy amina "base marimpototra fa ekena satria "dogme" :wink: :lol:
15. coopsal ( 10/09/2008 13:06)
\"Rehefa afaka izany dia niseho tamin\'ny mpianatra indray Jesosy ... toy izao no nisehoany ...
... dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany
...
\" [[size=10px]Jaona 21:1-5[/size]].
Talohan\'ity tantara ity dia efa niseho im-bitsivitsy tamin\'ireo mpianatra ireo Jesosy :
[list=.]
  • tamin\'I Maria Magdalena rehefa avy tany @ fasana,
  • tamin\'izy roalahy nankany Emaosy,
  • tamin\'izy 11 lahy tany Galilia in-2
  • [/list]
    . Ny zavatra voamarika dia izao, tsy fantatr\'izy ireo foana hoe I Jesosy io!
    Koa raha olona nifampikasoka be nandritra ny telo taona sy tapany tamin\'I Kristy toy izany sady tena tia be azy ka ho nahalala tsara ny tenany manontolo aza tsy nahafantatra Azy im-be dia be rehefa nitsangana Izy, ireny dia olona nahita porofo beeee mihitsy hoe \"ity no zanak\' Andriamanitra velona\", ireny tsy nahafantatra Azy rehefa nitsangana Izy. Hataon\'izay olona tsy nahita na inona na inona ary tsy manana porofo ahoana no fahafantatra Azy?

    \"Ary hoy Izy (Kristy) taminy (ireo mpianatra) ... alatsaho ao ankavanan\'ny sambo dia hahazo ianareo
    ... ary hoy ny mpianatra izay tian\'I Kristy : \'ny Tompo iry\'...
    \" [[size=10px]Jaona 21:6-7[/size]].
    Fomba iray no nahafantaran\'ny mpianatra azy araka ireto andininy ireto : ny teniNy. Tsy noho ny nofon\'I Kristy izay nifanerasera sy nifampikasokasoka taminy, fa noho ny finoany Azy ho Tompo dia nanatona Azy izy ka nitoetra tao amin\'izy ireo ny teniNy, hany ka na dia tsy ilay vatana fahitaNy aza io, dia fantaNy noho ny teniNy.
    \" ... ny nofo tsy mahasoa na inona na inona, ny teny izay nolazaiko taminareo dia Fanahy sy Fiainana\" [[size=10px]Jaona 6:63[/size]].
    Maro isika kristiana no mionona fotsiny amin\'ny fahafantarana an\'I Kristy araka ny nofo (ny tantarany: nahaterahany, nampianarany, nanaovany fahagagana, ny nampijaliana sy namonoana Azy, ny nitsanganany), saingy tsy manana porofo ny fahavelomany isika ka miorina ambony fasika ihany ny finoantsika! Nandalovako izany, mpivavaka nafàna fo aho fahiny, saingy tsy nanana porofo ka nisalasala raha tena nitsangana ho velona marina izany Kristy na tsia! Ary noho izany dia tsy mba noraisiko akory ny teniNy izay misoratra ao amin\'ny baiboly na dia nandalina baiboly aza aho! Hatramin\'ny nananako porofo kosa dia nino Azy aho, mino aho fa velona Izy ary Izy no Lalana tokana mankany amin\' Andriamanitra Ray. Ary rehefa nino marina Azy aho dia afaka nandray tsara ny teniNy ary afaka hahafantatra Azy koa amin\'ny fotoana itenenaNy sy hisehoaNy rehetra!
    16. ikaretsaka ( 10/09/2008 16:14)
    badboy:

    Ary ilay finoana tsy mila pororfo resabe fotsiny!! Raha tsy nila porofo ilay finoana tsy nisy ny antsoina hoe valimbavaka!! Noho izany tsy ny siansa ihany no mila porofo fa ny finoana ihany koa!! :idea: :idea: :idea:



    io ra badboy le filazan'ilay olona iray izay hoe "ny finoana dia toy ny ho attitude sy ny reaction an'ialahy amin'ny filazako (na olona hafa) amin'ialahy hoe zahay dia mahita maso mainty ana vitsika mainty mipetraka eo ambony vato mainty ao anaty lavaka mainty ao anaty tonelina mainty amin'ny sasak'alina maizim-bolana"

    dia io asakasak'ialahy hoe hila ireo porofo be ireo ve (hitady vato maintsy sy vitsika mainty sns...) ialahy vao hino ilay affirmation-ko sa hino @ zao fotsiny!? iny an'ialahy iny fa zahako nilaza fotsiny!

    ny fopla amin'io indray anefa de tsy tokony hi force an'ialahy aho (na izay nilaza an'ialahy) na @ fomba ahoana na ahoana hoe hinoy ny ambarako (na ambaranay na hoe aza hinoana le nambara fa iny asakasak'ialahy
    raha misy io case io dia mi admettre aho ary mi condamne an'izay nanery an'ialahy sy nanesotra ny maha ialahy an'ialahy noho izany!
    17. rakaroka ( 10/09/2008 16:17)
    Izay ilay ataoko hoe : "misy concept de base" mitombina tsara "iorenan'ny finoana "marim-pototra!". :-w :-$ Heu....Misy sarin'i Jesoa lavavolo iny zao mandehandeha any, dia maaro no voafatotr'izay ny vinaniny, sy amboloiny ho i Kristy, tsy ao an-tsainy hoe en évolution anie ny être rehetra (y compris
    Jesoa), ary rahateo araka ny voalazan'ny namana hoe na ireo niara-niaina taminy aza tsy nahay nahafantatra azy akory t@ izany, donk mltombina hatrany ilay hoe "misy concept" mamaritra ny zavatra "inoana" , 'ngamba ny olona liana @ fametrahana zavatra marim-pototra no tsy hianina ihany @ "honohono sanatria" fa hanadihady izay nisy marina sy ny fizotran'izay nisy marina, sy mametraka ny synthèsen'izany. Dia izay 'gné lé esptit siantifika
    Tsy tokony ampifandrafiana @ finoana sanatria, satria zavatra miara-dalana ireo .
    18. ikaretsaka ( 10/09/2008 16:35)
    dia miverina @ le resako atsy ambadika attsy hoe tsara hay ny manavaka ny "pourquoi' @ "comment" e!
    19. xxx ( 10/09/2008 16:58)
    Asa ianareo raha mba mitovy hevitra @ ko fa ny ahy aloha ny tena nahafantarako an'i Kristy dia tao anaty baiboly izany hoe ny ray aman-dreny moa izany efa Kristiana ihany fa tsy ampy ny fanazavana dia mba anjaran'ny tena no mikaroka fa raha voaporofo fa marina izay voalaza ao anaty baiboly dia tsisy lainga ny voasoratra ao , izaho nefa manana porofo fa marina ny voasoratra ao ka asa ny anareo raha mba mitovy @ izay porofo ananako izay ka alefaso oe de jerena raha mitovy
    20. ikaretsaka ( 10/09/2008 18:22)
    arosoy ary hoe aloha ny porofonao hojerena
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 7.7927