Ny siansa mila porofo fa ny fivavahana mila finoana

21. ikaretsaka ( 10/09/2008 18:28)
ho'zy ilay mompera mpampianatra anay izay hoe "tsy ny fisian'ny paompy akory no manaporofo fa misy ny rano..

na misy paompy eo na tsisy de ny rano rano foana...
dia toy iznay koa ny Kristianisma: tsy ny fisian'ny baiboly akory no manaporofo hoe misy i Kristy na misy Atra, Andriamanitra sy i Kristy Andriamanitra sy kristy foana na misy baiboly na tsisy baiboly!
22. fijo ( 10/09/2008 22:06)
mila finoana tokoa ny fivavahana,saingy,aoka tsy hino fotsiny dia ampy,fa asio porofo arakasa ny finoanao
23. ikaretsaka ( 10/09/2008 22:31)
le izy ho'a ra fijo raha hoe
"t@ fomba ahoana ny nahariana an'ialahy?" dia izay le mila porofo ---> izay anefa tsy mahakasika finoana amiko

fa ny mahakasika ny finoana amiko de hoe "fa naninona ialahy no nohariana?"---->finoana izay rehefa :wink: 8O 8O 8O ialahy

Kopin'ialahy?
24. rakaroka ( 11/09/2008 00:48)
ikaretsaka:

le izy ho'a ra fijo raha hoe
"t@ fomba ahoana ny nahariana an'ialahy?" dia izay le mila porofo ---> izay anefa tsy mahakasika finoana amiko

fa ny mahakasika ny finoana amiko de hoe "fa naninona ialahy no nohariana?"---->finoana izay rehefa :wink: 8O 8O 8O ialahy

Kopin'ialahy?



Tiako Bbbbbe ity "ohatr"'i Ika ity Tena maneho ny sens profond ny existenciel justement!
Ié fa lazaiko fa nisy vava maro nibaradaka qu'après "fahatsapana" ny antsoiko hoe raison d'être" ny être iray. Ohatra "Marina tokoa fa zanak'Atra io lhl io" na hataka "canonisation" après reconnaissance de l' Etre, sns Izay lazaiko hoe misy "Base" mivaingana toa porofo mitohaka amin'ny tenda azo renesina foana fa tsy mihanina amin'ny honohono!
25. badboy ( 11/09/2008 08:24)
Tsara ilay hoe mino, ary tena sambatra tokoa ilay mino tsisy porofo satria tsy mila mikaroka intsony fa efa tonga dia mipetraka ilay hoe izay no izy tsy misy tokony hiadiana hevitra intsony!!

Ny olana, dia ilay finoana kristianina tsy ho nisy raha tsy nisy porofo hoe Kristy no zanak'A/tra!! Ary eo no mampifanandrina ny finoana samihafa satria ny silamo sy ny jiosy dia tsy manaiky izany fa aminy dia mbola tsy tonga ny mesia ary Jesoa dia mpaminany tahaka ny mpaminany rehetra!! Ny kristianina anefa manaporofo fa avy @ teniny sy ny fiainanany no ahafahana milaza fa izy no zanaky ny ray!! Ny porofo : ireo fahagagana rehetra nataony, ny fahaizany mampita teny nefa tsy nandalo sekoly akory, ny faminaniany ny andro hahafatesany sy ny andro itsanganany @ maty, ny fiakarany velona any andanitra miaraka ireo "stigmate"!!!!

Ireo rehetra ireo no mitambatra dia manambara fa mila porofo koa ny finoana kristianina!! Ny fisian'ny fanjakan'ny lanitra aza di avoaporofo @ fomba ambadika @ alalan'ireo rehetra ireo!!

Ilay fanasarahana be fahatany mampibiloka ilay finoana, ilay fandinihina tsara ilay izy fa tsy azo atao amboletra, raha tsy zany dia masa fanatisma ka mahatonga milazalaza foana sy manaonao foana satria mitompo teny fatratra tsy arahamporofo!!! ;-) ;-) ;-)
26. prime ( 11/09/2008 14:18)
coopsal:
"Rehefa afaka izany dia niseho tamin'ny mpianatra indray Jesosy ... toy izao no nisehoany ...
... dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany
... " [Jaona 21:1-5].
Talohan'ity tantara ity dia efa niseho im-bitsivitsy tamin'ireo mpianatra ireo Jesosy :
[list=.]
tamin'I Maria Magdalena rehefa avy tany @ fasana,
tamin'izy roalahy nankany Emaosy,
tamin'izy 11 lahy tany Galilia in-2
. Ny zavatra voamarika dia izao, tsy fantatr'izy ireo foana hoe I Jesosy io!
Koa raha olona nifampikasoka be nandritra ny telo taona sy tapany tamin'I Kristy toy izany sady tena tia be azy ka ho nahalala tsara ny tenany manontolo aza tsy nahafantatra Azy im-be dia be rehefa nitsangana Izy, ireny dia olona nahita porofo beeee mihitsy hoe "ity no zanak' Andriamanitra velona", ireny tsy nahafantatra Azy rehefa nitsangana Izy. Hataon'izay olona tsy nahita na inona na inona ary tsy manana porofo ahoana no fahafantatra Azy?

"Ary hoy Izy (Kristy) taminy (ireo mpianatra) ... alatsaho ao ankavanan'ny sambo dia hahazo ianareo
... ary hoy ny mpianatra izay tian'I Kristy : 'ny Tompo iry'... " [Jaona 21:6-7].
Fomba iray no nahafantaran'ny mpianatra azy araka ireto andininy ireto : ny teniNy. Tsy noho ny nofon'I Kristy izay nifanerasera sy nifampikasokasoka taminy, fa noho ny finoany Azy ho Tompo dia nanatona Azy izy ka nitoetra tao amin'izy ireo ny teniNy, hany ka na dia tsy ilay vatana fahitaNy aza io, dia fantaNy noho ny teniNy.
" ... ny nofo tsy mahasoa na inona na inona, ny teny izay nolazaiko taminareo dia Fanahy sy Fiainana" [Jaona 6:63].
Maro isika kristiana no mionona fotsiny amin'ny fahafantarana an'I Kristy araka ny nofo (ny tantarany: nahaterahany, nampianarany, nanaovany fahagagana, ny nampijaliana sy namonoana Azy, ny nitsanganany), saingy tsy manana porofo ny fahavelomany isika ka miorina ambony fasika ihany ny finoantsika! Nandalovako izany, mpivavaka nafàna fo aho fahiny, saingy tsy nanana porofo ka nisalasala raha tena nitsangana ho velona marina izany Kristy na tsia! Ary noho izany dia tsy mba noraisiko akory ny teniNy izay misoratra ao amin'ny baiboly na dia nandalina baiboly aza aho! Hatramin'ny nananako porofo kosa dia nino Azy aho, mino aho fa velona Izy ary Izy no Lalana tokana mankany amin' Andriamanitra Ray. Ary rehefa nino marina Azy aho dia afaka nandray tsara ny teniNy ary afaka hahafantatra Azy koa amin'ny fotoana itenenaNy sy hisehoaNy rehetra!
... ^:^ Voninahitra ho an'Andriamanitra amin'izany ambaranao izany ^:^ =D> =D> =D>
27. ikaretsaka ( 11/09/2008 14:41)
rakaroka:


le izy ho'a ra fijo raha hoe
"t@ fomba ahoana ny nahariana an'ialahy?" dia izay le mila porofo ---> izay anefa tsy mahakasika finoana amiko

fa ny mahakasika ny finoana amiko de hoe "fa naninona ialahy no nohariana?"---->finoana izay rehefa :wink: 8O 8O 8O ialahy

Kopin'ialahy?



Tiako Bbbbbe ity "ohatr"'i Ika ity Tena maneho ny sens profond ny existenciel justement!
Ié fa lazaiko fa nisy vava maro nibaradaka qu'après "fahatsapana" ny antsoiko hoe raison d'être" ny être iray. Ohatra "Marina tokoa fa zanak'Atra io lhl io" na hataka "canonisation" après reconnaissance de l' Etre, sns Izay lazaiko hoe misy "Base" mivaingana toa porofo mitohaka amin'ny tenda azo renesina foana fa tsy mihanina amin'ny honohono!


ary hitanao taratra sahady ny tiako hahatongavana an
28. xxx ( 11/09/2008 15:19)
Inty ary misy porofo kely fotsiny sady hisainana ny sasany , zao ary sady raisina ohatraihany , i Isaia mpaminany sy Daniel , dia samy nahazo faminaniana ny momba an'i Kristy fa i Isaia dia nilaza fa zaza no homena antsika , ary ny anarany atao hoe Imanoela , ny an'i Daniel indray dia nanambara ny fandravana an'i Jerosalema sy ny fahafatesan'i Mesia . Jereo fa ireo faminaniana voalaza ireo dia efa nambara talohabe ny fahatongavan'i Mesia andriana Kristy io a ! ka diniho fa izay voasoratra ao dia tanteraka avokoa , fa mila mandalina kely mba hafantarana azy angamba tsisy boky akoatrany baiboly nanambara ny voalohany sy ny farany
29. rakaroka ( 11/09/2008 20:55)
Ny tena "blem" mantsy dia maaaaaro loatra ireo mpaminany na voyance misy manerana ny tany, ary tsy ao anaty baiboly ihany no nanana tsindrimandry dia tanteraka an. Jereo fa ilay 11 septembre iny 'gné efa be no nilaza mialoha! ka tsy afaka otompo teny fantatra isika hoe izatsy na izaroa ihany no
marina fa izay voaporofon'ny tantara aloha hatramin'izao na tatsy na taroa no azo ekena ho "Marina", ary na tatsy na taroa koa samy nahitana tsy fahatanterahana koa eo isika @ fikatsaham-pahamarinana!
30. xxx ( 12/09/2008 05:22)
niryna:

Matetika isika dia mitady porofo foana vao mino ny fisian'ilay Atra izay hinoan'ny kristiana (Andriamanitr'Israely) izay nipoiran'ilay Mpamonjy dia i kristy izany.
Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza Jaona 14


Ny siansa dia mila porofo fa ny fivavahana an'Atra kosa dia mila finoana .

Ny fahasoavan'ilay Tompo Mpamonjy anie ho ao amintsika .Amen !
(l) niryna

=D

31. rakaroka ( 12/09/2008 06:19)
Dia izay no mahatonga an'i Le Fijo hiteny hoe: "Minonoa fotsiny ihany" :wink:
Manoloana ny finoana isan-karazany mifandipatra fijery aza! 8O 8O 8O
32. coopsal ( 12/09/2008 11:20)
rakaroka:
Ny tena "blem" mantsy dia maaaaaro loatra ireo mpaminany na voyance misy ...

==> Tahaka ny nahamaroa ny mpaminany sandoka fahiny (vanim-potoana Testamenta taloha) no mahamaro ny mpampianatra sy mpaminany sandoka ankehitriny!
"...fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao'" [Jeremia 1:7b].
Io tenin' Andriamanitra tamin'i Jeremia mpaminany io dia mitovy amin'izay nanirahan'i Kristy ny mpianaNy koa! Andriamanitra tsy naniraka olona hiteny ny zava-misy sy mety ho hita rehetra aty ambany masoandro (na any ambony tsy taka-maso), fa ny hanambara izay nandidian' Andriamanitra azy ihany!
Kristy koa raha naniraka mpianatra, tsy ny haneho karazan-kevitra na fahalalana isan-karazany! Fa ny didin' Andriamanitra no nasain'i Kristy nambaran'ny mpianatra @ olombelona rehetra, dia izao izany Didy izany : "Ny hinoantsika an'i Jesosy, sy ny hifankatiavantsika araka ny nandidian'i Jesosy" [1Jaona 3:23].
Tsy tonga hanambara ny baiboly ny irak' Andriamanitra, fa tonga hanambara izay nambaran'ny baiboly (satria izany no nandidian' Andriamanitra ny mpaminany fahizay, mbola notohizan'i Kristy, ary nanirahaNy ny mpianany koa!)
33. prime ( 12/09/2008 12:33)
coopsal> =D> Misaotra, mazava tsara...
34. ikaretsaka ( 12/09/2008 13:08)
ny ahy ny tsy azoko @ le "passionnes de le fijeriny heo "rehefa milaza jesosy" de tsy sandoka ... na sandoka be aza fa milaza jesosy de oui oui"
karaha le zazakely miombona doty sy daka ts'ita maso ireny de miteny "doty rehefa avy miteny ratsy de afaka!
35. prime ( 12/09/2008 13:20)
ikaretsaka> io indrindra no mahatonga ny tenin'Andriamanitra hizaha toetra tsara ny fanahy...
36. fijo ( 12/09/2008 19:59)
ika,azoko tsara le tian'ialahy lazaina ka,fa le minomino fotsiny no tsy ekeko.

"Ny olana, dia ilay finoana kristianina tsy ho nisy raha tsy nisy porofo hoe Kristy no zanak'A/tra!"io koa mbola fanontaniana tsy ahitan avaliny mihintsy,fa dia hoe minoa fotsiny de izay.
37. rakaroka ( 12/09/2008 22:38)
ikaretsaka:

ny ahy ny tsy azoko @ le "passionnes de le fijeriny heo "rehefa milaza jesosy" de tsy sandoka ... na sandoka be aza fa milaza jesosy de oui oui"
karaha le zazakely miombona doty sy daka ts'ita maso ireny de miteny "doty rehefa avy miteny ratsy de afaka!


Fiheverako misy "sesika boletran'ireto mpitondra fiangonana no mi-afflue sy mi-influence ny mpanaraka tsy misaina rehetra fa na i Jesoa en perso aza raha ny tsipona nilaza fa tsy izay manonona ny anarany dia hovonjena .

38. ikaretsaka ( 13/09/2008 01:31)
rakaroka:


ny ahy ny tsy azoko @ le "passionnes de le fijeriny heo "rehefa milaza jesosy" de tsy sandoka ... na sandoka be aza fa milaza jesosy de oui oui"
karaha le zazakely miombona doty sy daka ts'ita maso ireny de miteny "doty rehefa avy miteny ratsy de afaka!


Fiheverako misy "sesika boletran'ireto mpitondra fiangonana no mi-afflue sy mi-influence ny mpanaraka tsy misaina rehetra fa na i Jesoa en perso aza raha ny tsipona nilaza fa tsy izay manonona ny anarany dia hovonjena .





tsy hay tsotry e
39. xxx ( 13/09/2008 15:47)
Karetsaka Rakaroka , tsy haiko aloha ny finoanareo na inona na inona fa tsy azoko mitsy fa ohatra ny sady mamoaka no mampiditra mijoroa nareo @ tena finoanareo fa tsy mazava
40. ikaretsaka ( 13/09/2008 16:49)
ny ahy ny finoana tsy heo mino aho de zay fa asiako remise en question ry xxx an
ary enao nge manao ohatran le mamo miantso polisy e... na ilay mpifoka sigara manao hoe ratsy io sigara io
mijoroa @ tena maha ianao anao hono nefa ianao aza miafina???
taovy serie!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089