rapasy an aza variana mitory teny ....

161. Mandefitra ( 13/08/2008 04:51)
ika:
ny ahy indray ilay fialana pas ataon-drapasy sy ny mpiaro azy @ zanany no tsy mety amiko...

Tsy zanaka pasitera ilay izy fa zanaka mpiandry
ika:
ny hany azo tsoahina dia matoa fopla ny zanany dia nisy zavatra fopla nataony izay eo @ resaka fitaizana ... dia amiko tokony miaiky izay maha fopla azy izay ino tokony hataony aloha dia mitady vahaolana @ izay....

Tsy hisy sahy hilaza fa tanteraka @ fitazaina zaza. Na tsy manao afa tsy mitaiza aza ny asany mbola mibirioka foana ny zaza.
tsy misy hafa @ tantaran'ny Mopre kato pedophile ihany io.... miaiky hoe nanao ny tsy mety dia mitady vahaolana
na inona na inona nahavariana azy tao tsy asiako sira loatra fa maka andraikitra ny fiangonana mitandro ilay zavatra tsary hitranga tsotry

Tena tsy mitovy. Ny zaza raha manao hadalana, mety tsongo sofina de mampahendry azy. Sady izy rahateo mbola zaza ange.
Fa ra Mopera ny pedophile, olona natao hanabe, natao hamahana ny ondry no zary ambodia nandripaka ny zanak'ondry, tsy haiko hoe inona no sazy sahaza ny olona tahak'izany ... fa sady tsy mendrika @ maha olona, no henatra lehibe @ maha Kristianina.
162. prime ( 13/08/2008 08:41)
mandefitra:
lavabe le resaka fa omeo ny vahaolana ary e :
Tsy tokony nitory teny ve rapasy fa nitaiza zaza aloha?
sa zay manana zanaka maditra rehetra ve dia azo tsaraina avy hatrany ho tsy nananatra na tsy nanaramaso ny zanany?
... Ny vahaolana raha ny hevitro (raha ny hevitro hoy aho) dia tsy tokana fa zavatra marobe tsy maintsy ampifamenoana, na dia fantatra aza fa tsy misy "recettes miracles" amina fitaizàna sy fanabeazana ary fampianarana... ny vahaolana tiako ahatongavana dia ny mba tsy iverenan'ilay tranga intsony fa tsy resaka vahaolana hamahàna ny olan'ireto mpiandry ireto...

Eo ny vahaolana ara-panahy, ny fitondràna eo amin'Andriamanitra mandrakariva ny tontolom-piainana, ny fitaizàna amim-bavaka sy amin'ny tenin'Andriamanitra ny ankohonana (Ray, Reny, zanaka, taiza, havana miara-monina ao an-trano, mpanampy) tsy mitsahatra... ary tsy itsitsiana rotsan-kazo sy teny raha toa ka hita taratra ny fiandohan'ny mafiloha eo amin'ny ankizy... nefa anoroana amin'ny fitiavana ihany koa ny atao hoe zanak'Andriamanitra marina sy ny hoe fitiavan'Andriamanitra marina, amin'ny teny sy ny sainina ary ny atao eo anivon'ny ankohonana...

Eo ny vahaolana ara-tsaina, ny fampitoviana ny fandraisana ny ankizy ao an-trano na dia misy ihany aza mety mahasamihafa kely ny tsirairay izay tsy dia tsara loatra ny hampisehoana izay fahasamihafana izay amin'ny sasany amin'ny ankapobeny... fanomezana lanja ny fihainoana sy ny fanatanterahana mihoatra noho ny fitenenana... tsy fampihantàna zanaka fa fanehoana sy firesahana aminy mivantana toy ny anisan'ny tompon'andraikitra amin'ny fiainan'ny ankohonana ka mba tokony resahana aminy rehefa misy ny olana azo zaraina sy ny fitadiavana vahaolana miaraka... tsy anafenana ny fiainana izy fa raha misy ny olana ara-bola ohatra dia atao fantany izany fa tsy afenina azy toy ny tsy misy, mahatonga azy hihevitra fa mandeha ho azy foana ny fiainana ka rehefa mipaka aminy dia tsy ho azony ny tena zavamisy fa "solutions de facilité" ihany no heveriny... fijerena manokana izay mba zavatra mahaliana ny ankizy mialoha ka anohanana azy sy anoroana azy ny tsara hatrany mba hivelarany...

Eo ny vahaolana ara-nofo sy ara-piarahamonina, ankoatry ny fiahiana ny ankizy mba tsy isian'ny fahasamihafana loatra amin'ny manodidina azy (resaka vola sy fitaovana ary fitafiana sy sakafo) dia ezahana araka izay azo atao ny isian'ny tontolo manodidina mba "mety kokoa"... tanàna sy toerana ipetrahana, sekoly ianarana, namana ifandraisana...sns

Mbola misy vahaolana maro azo aroso no sady tsy "figée" ho modely ireo fa ireo aloha no hitako mivantana... arakaraky ny zavamisy mihitsy no tena ahitana ny vahaolana tena tsara raha ny fahitako azy...
163. Mandefitra ( 13/08/2008 09:22)
misoatra an i prime fa misy horaisina tsara le torohevitra.
Mitaiza madinika mitsy mantsy zao ny tenanay, ka mbola ho ela le 14 ans :)
164. fahamarinana ( 13/08/2008 09:40)
:arrow: itovizako koa io voalazan''i mandefitra io,mbola ao anatiny tsara koa ny tenako amin'ny fitaizana .Dia misaotra an'i prime sy ny rehetra ihany koa fa misy ho sainina tsara daholo e... :) (l)
165. prime ( 13/08/2008 11:56)
mandefitra,fahamarinana> Tsy misy fisaorana fa na izaho koa aza tena ao anatiny ankehitriny no sady mbola mianatra ihany koa... :)

Mba mizara fotsiny fa raha ny tena marina momba ahy dia mba manantena torohevitra indrindra ihany koa sy te-hihaino ny avy aminareo...
166. ikaretsaka ( 13/08/2008 13:40)
mandefitra: amiko rehefa tsy nahazo ny sakramentan'ny ordination dia na mpiandry io na pasitera de mitovy ihany koa... samy afaka mitory teny sy manao akanjo fotsy ;)
any aminareo moa manko tsy misy fankamasinana na konfesy na eokaristia na fanosorana ny marary izay mampiavaka ny "mpisorona" @ "mpitory teny" loatra fa " ny ataon'i Pasy afaka ataon'ingahy mpiandry raha resaka ankamaky baiboly sns.... (tsetsatsetra iny ..mety ho diso aho)


Iombonako hevitra @ Prime io hoe tsy fanafenana ny tranga io sy ny fanomezana lanja ny fifampizarana sy ny fihainoana nohon'ny fanatezarana sy ny fibedesana
ny ahy ny fandraisana andraikitra, eny na @ fanehoana ny tenanao ho ohatra aza no hitako vahaolana voalohany indrindra.
raha mpisotro toaka le mpidoroka ireny ianao ohatra dia sarotra ihany nyilazanao @ zanakao hoe aza misotro toaka... nefa iny no ohatra velona hotany ao an-trano
Raha mitaiza madinika indrindra hoe ny 14 ans amiko tsy ny fibedesana azy loatra intsony sy ny
167. pissoa ( 13/08/2008 19:27)
Misenina mihitsy ity dinika ity ka !

I Fijo sy Ika toa mitovy hevitra sy mifanohatohana eo ... Nefa rehefa manohana ny heviny dia i Fijo mampitaha ny
olona 14 taona ao ampiangonana, imason'ny olona be dia be amin'ny andro atoandro be nanahary
... amin'ny
zaza 6 taona avela irery ao antokotany amin'yn andro alina !

Moa i Ikaretsaka mampitovy ny

olona 14 taona, iziriziriany fa ny fitaizana ihany no nampangalatra azy
amin'ny
mopera efa firi-polotaona pedophile izay isan'ny mpitaiza ny ankizy 14 taona ao amin'ny paroasiny farafaharatsiny (satria mopera ka).

Rehefa mifanampinampy eo ianareo roalahy dia ny farany angamba ho ampitahaina amin'ny zaza 6 taona i mopera normal !
:-D :-D :-D :-D :-D
168. ikaretsaka ( 13/08/2008 20:25)
dia i pissoa mitady argument fosika hiala bala hoe tsy responsabiliten'iza na iza ny fangalarana zaza zanaky ny mpitana fiangonana fa ze lalany any lalany..

ampitahana amin'ny .....



adino anefa fa:
na zanak'alika io na zanak'adala de zana-pokonolona anefa :°)
169. pissoa ( 13/08/2008 20:33)
Ikaretsaka:

dia i pissoa mitady argument fosika hiala bala hoe tsy responsabiliten'iza na iza ny fangalarana zaza zanaky ny mpitana fiangonana fa ze lalany any lalany..

Mbola tsy mahazo ny teniko foana ve hatramin'izao e ? Sa dia mody manao be marenina fotsiny sisa ?

:-D :-D :-D :-D :-D
170. ikaretsaka ( 14/08/2008 04:07)
zany no ataonao eo fa aza mody miala bala eo e
171. prime ( 14/08/2008 12:22)
ikaretsaka:
mandefitra: amiko rehefa tsy nahazo ny sakramentan'ny ordination dia na mpiandry io na pasitera de mitovy ihany koa... samy afaka mitory teny sy manao akanjo fotsy
... (miala tsiny fa maka ny valin-teny ho an'i mandefitra)

O ra-ika a, ny fiantsoana azy no samihafa fa tena mandray fanosorana ny Mpiandry sy ny Mpitandrina saingy tsy mitovy velively ny asam-panompoana niantsoana azy avy...
any aminareo moa manko tsy misy fankamasinana na konfesy na eokaristia na fanosorana ny marary izay mampiavaka ny "mpisorona" @ "mpitory teny" loatra fa " ny ataon'i Pasy afaka ataon'ingahy mpiandry raha resaka ankamaky baiboly sns....
... Ny isan'ny sakramenta kato fotsiny dia efa tsy mitovy amin'ny isan'ny sakramenta protes.

Ary ny asa misiona ataon'ny Mpitandrina dia tsy azon'ny Mpiandry rehetra atao velively...

Raha famakiana baiboly indray dia ny olon-drehetra dia afaka manao izany ary ampirisihina aza hanao izany... io "mystery, mistery" efa tsy nety nataon'ny fiangonana fahiny io ve dia mbola tadiavinao hofehezina amin'izany ihany ny fiangonana???
172. pissoa ( 14/08/2008 17:50)
Ikaretsaka : mampihomehy ianao :-D :-D :-D :-D :-D

Hay na ny pasitera sy ny mpiandry sns aza tsy fantatrao akory koa dia efa manankiana be fahatany tany amboalohany ? lol. Neveriko hoe manadihady sy mamantatra izay ataon'ny olona ange aloha e lol.
173. ikaretsaka ( 15/08/2008 03:58)
ka tsy samy miakanjo fotsy sy mi wawawa eo ambony pilipitra sy mankahery mpivavaka ve ny ataony..raha jerena ny tena fonds?
174. ikaretsaka ( 15/08/2008 04:11)
omeo zavatra samihafa hafa ataony aho ka ny 1 tsy mahazo manao ny hafa ..theologiquement parlant akoatran'ny manao batemy sy manamasina mariazy?
mampikonfesy ve ? manao fankamasinana ve?


raha mitory teny e..mandroaka devoly eee. mitety mpiangona e...mizara an zao sy zaroa eeee.de ieee zay aho manaiky hoe samy manao fa tsy heo iry ihany ny manao dia iry tsy manao
175. pissoa ( 15/08/2008 15:03)
:-D :-D :-D :-D :-D

Fa rehefa tsy dika petaka tamin'ny Katolika angaha ny tsy fitoviana misy amin'ireo dia hoe mitovy ?

Aza atao teoria fotsiny hoe io coexistence io fa mba hiaino !
176. ikaretsaka ( 15/08/2008 16:46)
ka ny coexistence ange ry pissoa ny fahalalana ny hoe ity mety sy tsy mety hahafahana mi avoid azy raha misy interaction e...
177. pissoa ( 15/08/2008 18:00)
Ary raha tsy nomarihin'i Ikaretsaka dia tsy izay mihitsy no ataon'i Ikaretsaka eto amin'ny forum ;)

:-D :-D :-D :-D :-D
178. ikaretsaka ( 15/08/2008 23:24)
za mi refer hoe hoe ty za de ty nenazy de inona no tsy mety ka

de lazaiko mivantana le tsy mety fa betsaka moa avy eo no tafitohina rehefa direct be ahako milaza anazy

jereo le resaka reference atsy ambadika atsy
179. ikaretsaka ( 16/08/2008 00:30)
sady izao koa ry pissoa an momban'ny coexistence ihany: .. ny biby aza raha 1 fisoko na 1 tarika .. ny fahafantarany hoe ireto avy no mitovy aminy y aza sy ny hoe izao no maha samihafa azy amin'itsy biby itsy na hoe ito samihafa aminy no vao mainka aza mahatonga azy mi preserver ny maha izy azy sy hahaizany miara miaina miaraka kokoa aza amin'ireo especes miaraka taizana sy ompiana aminy ( jereo ireny gana kely kotrehin'ny akoho ireny ohatra)

dia ho ambaka noho iznay ve isika?? mba tsetsatsetra iny!


ho an-draprime: ny fanosorana lazainao eto: mao ve sakramenta no ilazana azy?
180. pissoa ( 16/08/2008 13:21)
Ny teoria anie azo atao be dia be foana e ! Fa dia tena hita hoe forum tokoa ity ka teoria fotsiny no avoakan'ny sasany fa ny pratika toa hafahafa ihany :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089