rapasy an aza variana mitory teny ....

1. fijo ( 23/07/2008 18:28)
variana mitory teny rapasy de hadinony ny fitaizana ny zaza.loza le

"Antsirabe
Zanaka mpiandry no tontakely ao am-piangonana
mercredi 23 juillet 2008, par Princia R.
Imprimer cet article Enregistrer au format PDF envoyer l'article par mail title=

Hatrany am-piangonana mandritra ny fanokanana mpiandry no hiasan’ny asan-devoly ary tsy lavitra tsy akory fa dia ny zanakin’ny mpiandry ao am-piangonana ihany no manao ny asan’ny maizina amin’ny fanaovana tontakely.

Nandritra ny fanokanana mpiandry farany teo tao amin’ny toby Ambohimahazo Antsirabe no niseho ny raharaha, very nisy nangalatra ny kitapon’ny filohan’ny mpiandry, fakan-tsary, vola, enta-madinika maro samihafa no tao amin’ny kitapo. Tovolahy 14 taona no nanafina ny entana ary nilaza tamin’ireo namany ny toerana nasiany azy, ireto namany indray no nitady mpividy ny entana ka nifanojo tamin’ny olom-pantatry ny tompon’ilay entana. Teo no nanomboka noraisim-potsiny ireo ankizy. Ny nahatsikaiky dia tsy nifankahita ilay tovolahy tena nangalatra ny kitapo sy ireo namany raha tsy efa teny amin’ny mpitandro ny filaminana.

4 mirahalahy no notanana am-ponja vonjimaika ary samy zanaka mpiandry avokoa izy rehetra.
2. ikaretsaka ( 23/07/2008 18:58)
aoka letsy le
3. rakaroka ( 23/07/2008 19:18)
Raha nahavoky wà ny blablabla. 8O 8O 8O
Tsy ho nanao izao ny z'enfà :-P :wink:
4. pissoa ( 23/07/2008 19:46)
Ary sao tsy hoe i Pasitera no variana nitory teny fa ny ankizy mihitsy no efa te hanao ny atao ?

Raha toa ka manaraka izay lazain'ny ray aman-drenintsika daholo isika rehetra ... mety misy Kristianina ny sasany eto amin'ny serasera ohatra. Ka tahaka izay ilay izy. :-D :-D :-D :-D :-D
5. rijadolly ( 23/07/2008 20:17)
fijo:
variana mitory teny rapasy de hadinony ny fitaizana ny zaza.loza le
Tsy azoko raha tsy nitoriteny zany Pastera dia tsy very entana?Ny mahagaga anefa dia ireo ankizy ireo koa anisany nitorina teny.
pissoa:
Ary sao tsy hoe i Pasitera no variana nitory teny fa ny ankizy mihitsy no efa te hanao ny atao ?
zay mantsy.Mety hoe aza mangalatra ny toriteny tao zao dia tsy henon'ankizy akory fa misy manakona izireo.

6. fijo ( 23/07/2008 20:34)
ka lery variana misarika kil,nefa ny zenfa ao an trano,tsy ampy fitaizana ko.

resaka fitaizana io ry pissoa fa tsy resaka safidy finoana..sasanangy samy hafa ireo.
7. rakaroka ( 23/07/2008 20:37)
Da tsa haiko tsara moa rey olona ny fijery
fa matetika dia tsy afaka foana ny ray amin-dreny amin'ny andraikitra amin'ny ankizy, indrindra raha mbola "mineur" ny ankizy.
Tranga efa nitranga tamiko tan'eglizy teto fa nivantan'ny tompon'andraikitra avy hatrany teo am-pihainoana torinteny aho noho ny bagaren'ny ankizy tao ivelany! Anefa tsy tafapetraka ao am-piangonana maharitra ny ankizy raha tsy gezaina satria sady lavareny ilay fotoana no tsy hainy izany tiana ambara!
8. fijo ( 23/07/2008 20:46)
rakaraoka an,raha tsy zarina miady ny zaza dia tsy tia ady.ary raha bedesina izy raha mangalatra dia tsy hosahy intsony.
9. pissoa ( 23/07/2008 20:53)
Eny tena manana andraikitra ny ray aman-dreny !

Fa ianareo ve mety hino hoe ireo mpiandry ray aman-drenin'ireo zaza ireo (zaza efatra be izao) dia mbola tsy nisy niteny ny zanany hoe tsy fanao izany mangalatra ? Na tsy mbola nisy nibedy ny zanany ohatra raha mandraidray zavatr'olona ? Aoka marina e !

Fijo : Vao maika aza ianao manamafy hoe misy misafidy ny tsy hanaraka tenin-dray aman-dreny ny ankizy ! ;) :-D :-D :-D
10. fijo ( 23/07/2008 21:01)
mety efa niteny ny ray amandreniny,fa tsy nanaramaso ny ankizy avy eo.

mahaiza aloha pissoa manavaka zavatra fa manahirana be.
hafa ny safidy finoana;hafa ny fananarana.
11. pissoa ( 23/07/2008 21:05)
:-D :-D :-D :-D :-D

Mety tsy nanara-maso ? Midika izany fa mety nanara-maso koa ... fa mbola nahita irika ihany ny ankizy. Sa ianao ve dia mety mino fa ireo mpiandry rehetra ireo dia tsisy nanara-maso ny zanany mihitsy ? Aoka marina e !

Mahaiza i Fijo manavaka koa aloha fa manahirana be au carre : Ny safidy dia mijanona ho safidy na finoana io na fanarahana ny fananarana ataon'ny ray aman-dreny. :-D :-D :-D
12. ikaretsaka ( 23/07/2008 21:06)
raha ny tokony ho izy tokoa aloha dia miainga ao amin'ny akohonana sy ny communaute sy ny mpiara monina ny asa fitoriana e. io no sehatra ahitan'ny olona hoe mpitari-bato vilambava ve ilay olona nivonona sy/na nanolo-tena hitarika azy se tsia
13. fijo ( 23/07/2008 21:10)
kay kay kay tsy hoe rehefa mamerina toy ny boloky izay lazaiko akory dia hanana ny marina.mandiniha tena aloha fa very be ka manahirana.

io voalazan'ika io,raha tsara taiza izy,ary vaharaka tsara ny fitaizana azy dia tsy hibirioka ny zaza.
tsy adala ny ntaolo niteny hoe hanaro ny zaza dien'ny kely,fa tsy hovery izy rehefa lehibe.
14. rakaroka ( 23/07/2008 21:15)
fijo:

rakaraoka an,raha tsy zarina miady ny zaza dia tsy tia ady.ary raha bedesina izy raha mangalatra dia tsy hosahy intsony.


Ka ilay "société" misy mihitsy anie Ra-fijo no mivoatra . Dà tsa hita intsony izay lohany sy tongony wà. Koa ry "Bush" niady ary anefa filamatra ny Amerikana ho an'ny betsaka. I Chirac à son époque koa ny fitaovam-piadiana
isan'ny nanonkanany budget. Ny filmn'ny ankizy mandeha "film d'action" sy de forc daholo:"spiderman" ,dragon-ballZ, Action-man,etc...
Efa impiry izy roalahy no perako tsy hiady fa "gravy ilay "influence" dia anefa
tsy hoe nitaiza ny ankizy anie ny fiangonana t@ io.
Dia hoe raha bedesina izy raha mangalatra dia tsy ho sahy intsony:
"raha noana wà ny kibo: mivezivezy ny fanahy: Normaly amiko ilay izy!
15. pissoa ( 23/07/2008 21:15)
Asa i Fijo raha mba nahita hoe misy hevitra roa naseho eo ambony eo ! :idea:

Izaho anie tsy manda ny andraikitry ny ray aman-dreny e ! Fa ny fanankinana 100% ny zavatra ataon'ny zaza amin'ny ray aman-dreny dia karazan'ny maso be tsy mahita ihany amiko ! :-D :-D :-D
16. ikaretsaka ( 23/07/2008 21:17)
aha zaza 14 taona kosa aloha mbola andraikitr'ilay Rar ary izy foana no tompon'antoka raha ny tokony ho izy e
17. fijo ( 23/07/2008 21:19)
matoa ny lehibe no saziana rehefa manao zavatra ny zaza dia satria izy no tomponandraikitra.ary marina io.

matoa ny zanabaratra betsaka no lasa mpangalatra,dia satria ny ray amandreniny vizaka miasa de tsy maharaka intsony izay ataon'ireo ankizy.noho izany tsy nisy fitaizana intsony tao.dia nibirioka ny zaza.
18. pissoa ( 23/07/2008 21:29)
:-D :-D :-D

Manana andraikitra ny ray aman-dreny, fa tsy tompon'Andraikitra 100% amin'ny fihetsika rehetra ataon'ny ankizy.

Raha tsy diso aho rehefa manao zavatra ratsy ny ankizy dia ny ankizy no saziana fa tsy ny ray aman-dreny irery ka. Porofo : ny ankizy no notazomina amponja araka ny voalaza fa tsy ny ray aman-dreny ! Raha ny ray aman-dreny no tompon'andraikitra 100% maninona no tsy izy no notanana am-ponja fa ny ankizy ? :wink:
19. pissoa ( 23/07/2008 21:38)
^^ ^^ ^^
20. rakaroka ( 23/07/2008 21:41)
'zaho io, somary débordé izay indray andro niantsena: ny zanako roalahy koa samy manana ny lohany miditra grande surface: ny iray liana kilalao tonga dia lasa any izy, ny iray boky, dia samy tsy tana izy roalahy, fa tsy hitako aza izay ho arahiko, ary very ilay iray, fa ny nanaovan'ny polisy ahy t@ izay a.
Andrekaky ô: 'zaho amin'io efa vizana tanteraka, ny andro alina sady mangatsiaka, ilay an-tanana miaraka amiko, ny entana mavesatra. Ny rain-drizareo tsy eo fa dia niandrona tamiko daholo ny rehetra.
Ahoana ramatoa 'ty hoy izy no zaza roa ny anao dia tsy arakao anefa ny an'ny ray aman-dreniko aza 15 izahay tsy mbola nisy very izany?....Dia inona izao no ataontsika?....Ary raha maninn maninn izy dia ahoana....
Tsy hitako izay havaly sady efa reraka loatra aho: mbola nampiany indray hoe:"zanakao anie izy fa tsy zanako : ianao no première responsabl amin'ny zanakao fa aoka ho fantatrao TSARA!" sady notonnoniny ren'ny vazan'aiko naharary ny nilazany izany sady nibanjinany ahy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4316