Fitiavana sy ny kapoty

81. sitlo ( 25/06/2008 01:12)
azoko ny tsy azonao :lol:
ny anao:
mitovy satria
- samy tsy tia hiteraka ihany.
- samy tia haka tsirony ihany. :lol:

ny an-drebeccaF:
tsy mitovy satria
ny iray matahotra. Tsy haiko, sao dia tsy maintsy mivady ohatra, na sao tsy mahavita fianarana, sao voan\'ny sida ...

ny iray tsy matahotra. Tsy mbola tia hiterana fa miandry ny fotoana mampety izany fotsiny. Amin\'ny lafiny ara-bola ohatra na za zao tsy manana trano :lol:.
Tsy matahotra sida,...


Mety diso ny fandraisako azy. Fa ny fahazoako ny resany dia mamoitra kokoa hoe ny fitiavana izany olona roa miaraka mifankatia.

Ny an\'i xxx73 olona iray maka fiany dia ampy. Dia mba ahazoana izay dia mitady olona iray (na maro :lol:), anaovana azy.

Raha fehezina dia tsotra eh, ny fitiavana tsy sexe.
82. ari.malala ( 25/06/2008 07:08)
d'accord, ny fitiavana tsy sexe fa sahia mandà nareo lelà hoe tsy mbola niteny tamin'ny olona niaraka taminareo na nanitikitika azy ftsn hiara matory, ne serati-ce que in 1 tao anatin'y fotoana niarahanareo!

mba azon'i sitlo azavaina v ny tiany tenenina amle we mamono eritreritra ny tsy virjiny tsony azafady?, d in kou le resaka tombon-tsoa?

averiko ilay fanotaniako tery ambony hoe moa tena ilaina tokoa ve ny fanatsikafonana ny lasa? tsy aleo ve ny lasa tokoa hmba ny lasa fa ny hoavy no banjinina? fa angaha raha tsikafonina ny lasa d azo averina e! toy ny maty tsy mifoha intsony iany ireny!! toy ny andro omaly, lasa izy nivalona d any tsy azonao iverenana
83. rebeccaF ( 25/06/2008 09:44)
Lazaina moa fa manao affirmation gratuite aho eto, nefa irao milaza fa affirmation gratuite no ataoko toa tsy misy manam-porofo fa tena affirmation gratuite no ataoko, ka asa izay manao affirmation gratuite eto.

Ohatra:
aho:
Satria ianao tsy vonona hijery sy tsy vonona hahalala intsony, na efa vonona ny hamohitra izay lazaina. Any no tena olana.

Io dia ambaran'i fahamarinana fa affirmation gratuite, nefa mba jereo kely:
xxx:
Arakaraky ny conviction personnelle sy ny principe de vie ary ny finoanao. Tadidio anefa fa isika olombelona nofo amandra, manana fo, saina ary fanahy, ka indraindray ny partie sasany malemy noho ny sasany

aho namaly azy:
Ity ambaranao ity dia manamafy fa ny tsirairay dia mety ho diso eo amin'ny fandraisana fanam-pahan-kevitra.

fahamarinana avy eo:
Fa maninona no diso foana,mety ho diso,mety ho marina.Ny hitako olanao dia toa negative lava foana.Normal be raha mahita olana partout.Ialako tsiny raha mahatezitra.Ny fiainana misy ambony,misy ambany fa tsy hoe ho lafatra foana.

Mbola sahinao ve ry fahamarinana no milaza fa affirmation gratuite no nataoko. Bon tsy maninona, tsy ady no atao fa ady hevitra ary tsy manana alahelo na manana ady amin'ny rehetra akory, fa ny hevitra no ampiadiana.



84. rebeccaF ( 25/06/2008 10:25)

aho:
Aza adino fa rehefa misy ny fifamaliana ao an-trano dia tsokofonona daholo ny lasa mba entina hanamarinan-tena.

Hoy kosa ari.malala namaly azy: azafady fa io no tonga d raisiko volou, satria io izany no toetranao d entinao eto? mahasoa angaha ny fanatsikafonana ny lasa? tsy mandoto ve ny mamoha fotaka efa mandry?

Tsy misy resaka toetra sy tsy toetra izany ry ari.malala fa aza dia miakatrakatra fahatany.
Tsy haiko na efa nahita mpivady niady ianao io na tsia, tsy haiko koa na efa nandre tarainan'ny vehivavy ampijalian'ny vady. Fa zava-misy iainan'ny olona no lazaiko eto fa tsy misy hoe: zavatra noforoniko akory. Sarotra anefa ny hitatitra an'ireny eto. Soa ihany fa nisy ny artista nandrafitra an-tsoratra ny zava-misy, nanao azy an-kira, nilalao an-tsehatra, nandraikitra azy tamin'ny horonan-tsary. Ohatra iray ity: http://dailymotion.alice.it/relevance/search/solika/video/x2e8vn_solika-afapo

aho:
Raha ity ohatra lazainao ity dia milaza fa tsy mba ny fitiavana no manosika ilay olona hiditra ao amin'ny tokan-trano, fa resaka interet personnel. Ary tsy ny Fitiavana ny azy no tanjona fa ny FIRAISANA, FAHAFINARETANA.

Dia hoy ari.malala namaly azy: "omeo ny profo ilazanao fa izany no tiako tenenina, io ilay lazain'i fahamarinana hoe manao affirmation gratuite enao".

Ka inona moa no affirmation gratuite amin'io nefa tsy olon-kafa fa ianao ari.malala no nilaza an'ity: " ny lelà nge lelà iany e! mety hoe nahazo anao virjiny izy fa tsy afapo aminao izy fa mbola mitady virjiny hafa koa hopasahana (miala tisny amilay vocabulaire fa izay no hitako mahitsy mahalaza azy kokoa)"
ari.malala:
ny lehilahy hoa na virjiny enao na tsy virjiny tsony refa hanao ny adalany izy d ts tananao! mahalala olona tena faran'izay akaiky ana za, virjiny niditra tokantrano ary tsy nahalala lelà afatsy ny vadiny, fa maditra ny vadiny, ary efa nisaraka mintsy aza izy roa ankehitriny!!

Fa ny lehilahy koa anie olombelona e! Afaka mandinika ary afaka misaina na dia hevirina fa adala aza. Ny fanontaniako dia hoe: iza no manana chance kokoa izy roa mba hanampy ny lahy handinika?
Ohatra : Victoire Rasoamanarivo (sa olo-masina iny, ny rehetra anefa samy afaka ny ho masina daholo)
farany,
aho:
Ireny famerenana ny lasa ireny anefa dia manampy ny tsirairay handinika sy handray fanam-pahan-kevitra vaovao, na hanamafy izay efa noraisiny.

Hoy ari.malala namaly azy: "tsia dia tsia!!! tsy ilaina averina ny lasa satria rano raraka tsy azo raofina! ny erreur ny omaly tsy natao hanamaloka ny anio fa atao jiro itarafana ny hoavy".

Izaho dia tsy niaza hoe: averina ny lasa. Mifampitohy amin'ny fehezan-teny eo aloha io hevitra io, fa mba ivereno azafady.
Ary vakio tsara koa fa tsy misy mahasamihafa azy ny zavatra ambarako sy ny zavatra nolazinao. Ianao milaza fa ny hadisoana natao dia tsy hatao hanamaloka fa natao jiro itarafana ny ho avy.
Izaho kosa nilaza fa ny lasa (ny hadisoana sy ny tsara vita) dia manampy ny tsirairay handinika sy handray fanampahan-kevitra vaovao, na hanamafy izay efa noraisina. Izany hoe: misy depart vaovao ho an'ny ho avy eto.
85. naritsimba ( 25/06/2008 11:02)
Na lahy na vavy dia mitovy ny hevitra lazainareo dia ny hoe: Olombelona toy ny olombelona rehetra; lasa fialàna andraikitra sy fialokalofana io fitenenana io, samy tsy misy miaiky daholo izay mamaly.
Raha ara-tsoratra masina azo ekena ve ny kapôty, amiko dia Tsia.
Ny antony dia efa nomena saina handinika sy hahalalany tsara sy ny ratsy isika olombelona ka tokony hahalala ihany koa ny azo atao sy ny tsy azo atao.
86. rebeccaF ( 25/06/2008 11:13)

aho:
mifototra tanterka amin'ny zavatra iainan'ny olona.

Hoy fahamarinana namaly: "Mifototra amin'ny zvtr iainanao manokana angamba no tokony hilazanao azy satria apparement betsaka ihany no tsy mitovy hevitra aminao,raha azo atao hoe olona ireo rehetra miteny eo ambony ireo

Hevitro manokana ve ny milaza fa:
Ny kapoty dia ampiasain'ny olona hiarovany tena amin'ny aretina sy ny vohoka satria tsy te hiteraka ?
Hevitro manokana ve ny milaza fa: Noho ny tsy fahazoana antoka ilay olona miaraka amin'ny tena no mahatonga ny tanora hanao kapoty rehefa manao firaisana?
Hevitro manokana ve ny milaza fa: fandrindram-piterahana no mahatonga ny mpivady hampiasa ny kapoty?
Hevitro manokana ve ny milaza fa:
Manaonao foana ny olona miray amin'ny olon-tsy fantatra ?

aho:
Ilaina ny mifampizara sy ny mifanapatapa-kahitra, mifanakalo fomba fijery.

Dia hoy fahamarinana: Tena ilaina tokoa raha tena mitombina marina fa mifampizara sy mifanakalo hevitra..

Iza anefa no tsy mifanakalo hevitra eto? Iza no tsy mifampizara? Izaho milaza ny hevitro sy mamaly ny hevitra lazainareo sa ianao milaza lava fa affirmation gratuite ny ahy nefa tsy misy porofo asehonareo akory hoe affirmation gratuite io.

aho:
Nefa raha tianao ny hanana fiainana tena tsara dia tsy maintsy misokatra amin'ny zava-misy rehetra ianao

Dia hoy fahamarinana: Fisokafana amin'ny zava-misy ve fiankinanan'ny fiainana amin'ny sondage ? Asa anefa fa samy manana ny fiainany,ny ahy aloha tsy izay,ny anao dia izay,samihafa isika....

Isany hahalalana ny zava-misy ny fanaovana fanadihadiana (tafiditra ao ny sondage lazainao). Ary manampy ny rehetra amin'ny fandanjalanjana izay hataony ny vokatry ny fanadihadiana.
aho:
Resaka mpivady no resahana. Tsy misy resaka mariazy ao na kely aza, ary tsy mbola nampiditra resaka mariazy aho

Hoy fahamarinana: Tsy nilaza aho fa ianao ,raha nahay namaky teny ianao dia za,fahamarinana ,no lazaiko sy manazava eo io,aza tonga dia sendoatra aloha fa aoka hazava kely..

:}
fahamarinana:
Eny e,ka vita mariage sa tsia,satria ny loharano mampisy fianakaviana na vita na tsy vita dia misy daholo,sa inona ireny ?...Tsara natao tery ambony angamba ny dikany hatramin'ny 1er ahaizan'ny mpisera mamaly azy...

1 - Raha amin'ny fijery kristiana dia izay vita mariazy no atao hoe mpivady.
2 - Raha ara-panjakana indray dia ireo vita soratra any amin'ny firaisana no atao hoe mpivady
3 - Raha eo amin'ny fiaraha-monina mbola tsy misy rafi-panjanakana, sy rafi-pivavahana kristiana (na sahala amin'izany) dia ireo vita fomba.

Misy kosa ny zavatra itambaran'ireo rehetra ireo dia ny hoe:
- Fifanekena ataon'ny olona roa fa hitambatra ho iray sy hiaraka hanorina fianakaviana iray. Ny fiarahana dia mandritry ny taona tsy voafetra. Io dia mifototra amin'ny fitiavana.
- Na ny mariazy, na ny soratra, na ny fombam-drazana, na ny fombafomba isan-karazany dia mampiova ny fifandraisana misy eo amin'izy roa hivady.
Izany hoe: raha mpianadahy izy teo aloha: Satria samy zanak'Andriamanitra raha kristiana, satria Olona iray ihany no niaviany raha ny fomba fijery malagasy (maro koa ny firenana manana izany fomba fijery izany)
Dia lasa mpivady izy amin'izao fotoana izao.

Izany hoe: Ny mpisipa dia tsy mpivady na dia lazaina fa mpifankatia aza. Ary mbola tsy nisy sahy nilaza fa: vadiny ny sipa. Ny betsaka aza dia miteny hoe: cousine-ko iny, cousin-ko iny. Izany hoe mpianadahy ireo :-D
87. fahamarinana ( 25/06/2008 12:29)
rebeccaF:
Mbola sahinao ve ry fahamarinana no milaza fa affirmation gratuite no nataoko.

:arrow: Tena mbola sahiko tokoa hany zany,ary vao maika sahiko satria hitako sy tsapako fa tsy izaho irery fa betsaka ny namana no miray hevitra amiko.Fa iny moa azo faranana foana amin'ilay hoe hevitra no ampiadiana.Ary misaotra anao tsy manana alahelo na manana ady amin'ny rehetra,izaho koa torak'izany.Fizarana fontsiny ihany dia fiadivan-kevitra fa isika tsy hary hitovy daholo tokoa.. :)
naritsimba:
Raha ara-tsoratra masina azo ekena ve ny kapôty, amiko dia Tsia

:arrow: Naritsimba ka rehefa nandinika aho dia tokony toy izay angambany no nitondrana ilay dinika dia tonga dia nazava hatramin'ny 1er...Tsy ho tohizako ny adihevitra fa lasa lavitra be avy eo fa betsaka ny tiako ambara koa momba izay ary tsy itovizako amin'ny naritsimba amin'ny maha-Xna ahy koa io...
naritsimba:
Ny antony dia efa nomena saina handinika sy hahalalany tsara sy ny ratsy isika olombelona ka tokony hahalala ihany koa ny azo atao sy ny tsy azo atao.

:arrow: ara-tsoratra masina hoy naritsimba ery ambony :ny olona rehetra aloha tsy Xna 1er indrindra,misy ny Xna mbola mihazohazo,misy efa tena Mpino..samy manana ny heviny daholo ireo..ajanoko hatreo.
rebeccaF:
Hevitro manokana ve ny milaza fa:
Ny kapoty dia ampiasain'ny olona hiarovany tena amin'ny aretina sy ny vohoka satria tsy te hiteraka ?
Hevitro manokana ve ny milaza fa: Noho ny tsy fahazoana antoka ilay olona miaraka amin'ny tena no mahatonga ny tanora hanao kapoty rehefa manao firaisana?
Hevitro manokana ve ny milaza fa: fandrindram-piterahana no mahatonga ny mpivady hampiasa ny kapoty?
Hevitro manokana ve ny milaza fa:
Manaonao foana ny olona miray amin'ny olon-tsy fantatra

:arrow: Fa tsy ianao ve no miteny izany eto sa olon-kafa no miteny amin'ny place-nao eto? Ny eto no resahantsika fa tsy resaka ataonao amin'olona any.Ny olona eto no resahako hoe misy mitovy hevitra amiko fa tsy niteny koa aho sanatria hoe ny olona aty antranonay... 8O ,tsy mahazo resaka ve ianao sa ?
rebeccaF:
Iza anefa no tsy mifanakalo hevitra eto? Iza no tsy mifampizara? Izaho milaza ny hevitro sy mamaly ny hevitra lazainareo sa ianao milaza lava fa affirmation gratuite ny ahy nefa tsy misy porofo asehonareo akory hoe affirmation gratuite io

:arrow: Nilaza tokoa IZAHAY fa manao affirmation gratuite ianao fa tsy ianao irery ihany no nilaza hevitra fa isika rehetra izay niditra tao ihany koa.enfin bref raha mahafinaritra anao dia ianao ihany zany e,zahay namaky fontsiny dia izay... :roll:
rebbecaF:
Fifanekena ataon'ny olona roa fa hitambatra ho iray sy hiaraka hanorina fianakaviana iray. Ny fiarahana dia mandritry ny taona tsy voafetra. Io dia mifototra amin'ny fitiavana.

:arrow: eto aloha dia d'accord aho!

rebbecaF:
Izany hoe: Ny mpisipa dia tsy mpivady na dia lazaina fa mpifankatia aza. Ary mbola tsy nisy sahy nilaza fa: vadiny ny sipa. Ny betsaka aza dia miteny hoe: cousine-ko iny, cousin-ko iny. Izany hoe mpianadahy ireo
:arrow: Oh la la !!!8O ,etsy ambony ianao milaza fa manao fanekena ny olona roa :efa niteny taminao angaha ny mpisipa fa tsy manao fanekena koa ? Betsaka no mpisipa dia miafara amin'ny fanambadiana,misy koa ny tsy miafara...Choix-ny zay dia azy...
Mbola tsy nisy sahy nilaza fa ho vadiny hoe ? eh ben ,mety misy ny tsy milaza fa betsaka aloha no efa henoko kosa...et avec fierté en plus...
Ny milaza cousine sns...mbola tsy nahita koa aho,zay sendran'izany angamba no mampalahelo ary tsy mahagaga tokoa raha lasa frustrée lay vehivavy na aigrie na lasa romotra be...sa ahoana hoy ianareo ry namako ato ???? ndryyyy,maha-ontsa kosa zany tranga zany aloha ary tsy hitako zay mampihomehy aloha hatreto...(l)

88. naritsimba ( 25/06/2008 12:45)
Hoy rebbecaf:
zany hoe: Ny mpisipa dia tsy mpivady na dia lazaina fa mpifankatia aza. Ary mbola tsy nisy sahy nilaza fa: vadiny ny sipa. Ny betsaka aza dia miteny hoe: cousine-ko iny, cousin-ko iny. Izany hoe mpianadahy ireo


Hoy ny famaliny fahamarinana:
Mbola tsy nisy sahy nilaza fa ho vadiny hoe ? eh ben ,mety misy ny tsy milaza fa betsaka aloha no efa henoko kosa...et avec fierté en plus...
Ny milaza cousine sns...mbola tsy nahita koa aho,zay sendran'izany angamba no mampalahelo ary tsy mahagaga tokoa raha lasa frustrée lay vehivavy na aigrie na lasa romotra be...sa ahoana hoy ianareo ry namako ato ???? ndryyyy,maha-ontsa kosa zany tranga zany aloha ary tsy hitako zay mampihomehy aloha hatreto...


Dia hoy aho hoe:
ahoana izany ilay fitenintsika malagasy manao hoe: FARA VADY ANADAHY.
89. fahamarinana ( 25/06/2008 12:51)
:arrow: naritsimba : tena mbola tsy henoko zay ,marina moa ? inona no tena dikan'ilay izy? azonao hazavaina ahy ve,misaotra miloha...Ary inona no tena ifandraisany amin'ilay dinika eto ,raha tsy mahadiso...Avy eo aho vao mamaly sao miteniteny foana. (l)
90. ari.malala ( 25/06/2008 12:55)
matoa tratran'ny filazana hoe cousin na cousine ilay lelà na vevavy d satria tsy matotra izany ny olona miaraka aminy ko! mampirafy izy d refa tratra d ny hoe cousin na cousine no fialana pas!

Ho valin'ilay hoe miakatrakatra, tsy miakatra mitns ah fa calme tsara :) ny fomba famalinao aza no hitako miakatra afo amin'ny tsisy dikany matetika lotra mintsy ilazàn'ny olona an'i rebecaff ho kizintina...

momba ilay hiran'ny solika afapo, aiza hoaiza ao no misy mitanisa ny lasa hono e! :) ilay hoe nakifaky ny sasany v? raha za no mandinika ts manatsikafona ny lasa izany fa mandatsa! ny atao hoe manatsikafona ny lasa raha ts hain'i rebecaff d ohatr ahoe sanatria mpivarotena ilay ramatoa taloha no navontan'ilay rangahy d refa miady izy mivady d tsikafonina ny hoe enao aza efa teny amorondalana no navontako, zavatra mitovitovy amin'izany!

hoan'i naritsimba, tsy misy miaiky ahoana moa? ts terena b fahatany nge ny olona hiaiky e! ts hoe satria izay no ekenao d ts maints izay koa no eken'ny be sy ny maro, fa io samy manana ny maharetsy lahatra azy!

hay, naika adinoko, momba ilay hoe interêt, aiza hoaiza no misy resaka interêt izany fa ts azoko mints e! ts misy interêt mints ao antsaiko fa az ainterperetena amin'izay tianao ny teneniko! ary ilay resaka Victoire Rasoamanarivo, tsy ho ary Victoire Rasoamanarivo sy Radriaka daolo ny olona! tsy mahay antontan'isa otranao za, fa betsaka mba tsy ilazako hoe tsy vitsy ny vevavy virjiny ilaozan'ny vadiny! tsy antoka hahatanana lelà na hahatanana vady ny fahavirjiniana! indrindra amin'izao fotoana izao. Toy ny mitady fanjaitra anaty sesikidoro enao raha hitady lelà tena fidel sy manaja izany amin'izao! misy aza mahavatra mitnsy hoe asorina ny peratra hahazoana sipakely ko (HS iny fa ialako tsiny)
91. sakaizakely ( 25/06/2008 14:01)
Rebeca>

inona kay ny tena tanjonao nametrahanao ilay fanontaniana hoe ilaina ve sa tsia ?

Te hiditra fiainanolona sy hanebaka ireo zay nania ve ? Sa kosa handresendahatra ny oul mba hitana ny mahavirjiny azy alohan'ny fanambadiana ?

Fantatrao fa safidin'ny tsirai1 izy io, ka inn no mbola hidirana manontany we ilaina sa tsia, raha eny blabla raha tsia blabla ...

Efa nihinana mofomamy ve ianao ? Ilaina ve sa tsia ny mofomamy ?
Efa nandeha fiara ve ianao, ilaina marina ve ny fiara nefa ny tongotrao mbola tomady afaka mitondra anao ?
Hiandry we misy ilàna azy foana ve vao hanao zavatra ? Ary ny hoe fahafinaretana fotsiny, fahafinaretan'ny maso, ny saina, ny vavony sns... ve tsisy fotony ?
Si ce que tu as à dire n'est pas plus intéressant que le silence, alors tais toi

tsy haiko we iza no niteny an'io fa mba manontany anao aho hoe mitondra fahasoavana ve ny fanontanianao ? ary fahasoavana ho an'iza ? inona no tena tanjonao mametraka fanontaniana ?

Raha fitiavana hisarika ny oul hanana finiavana hijanona ho virjiny mandrampahitany vady ianao dia tokony ovaina mba ho attractif ny firesaka mba hamporisika ny oul hanaraka anao, dia cibler-na tsara koa ny oul iantefan'ny resaka, fa eto angamba toa efa olondehibe daholo ary tsy nisy nanenina izay nataony.

tsy hanome lesona na hitsara oul no iainako eto antany na be aza ny zavatra manirikiry ahy. Amiko rehefa sambatra sy faly @ ataony ny oul iray de ampy ahy izay (na virja na tsia nanambady tsy raharahako), satria miparitaka am manodidina azy ny hafaliany (ny hasambarana mantsy aretimifindra). Raha hitsimpona ny tsy mety rehetra ataon'ny tsirai1 sy hanao morale drindrangilo eo de ho leo sy hiala aminao tsikelikely ny oul.

Rehefa tsy tinareo sy naritsimba ny manao kapoty de aza manao. Safidinareo zany tsy misy hitsikerana anareo roa.

Mandreraka be le dinika fa toa lasa fitsiponana sy fitsikerana maimaipoana fotsiny
92. rebeccaF ( 25/06/2008 14:14)
xxx:
Fa maninona ny olona tsy mpivady no lazainao fa irresponsible raha tsy te hiteraka,

Hanampiko izay voalazan’i stilo io dia izao: Tsy misy fahavonona handray andraikitra ao na kely aza: na amin'ny tenany izany, na amin'ny hafa koa.
Hazavaiko:
1 – Hilaza ianao hoe: mety mbola mianatra izy roa ka izay no antony.
Dia hoy aho: raha samy mahalala izy roa hoe: samy mbola mpianatra, inona kay ny adidiny voalohany sady prioritaire kokoa manoloana ilay olon-tiany?
Ny mpifankatia ve tsy mifampitondra any amin’izay mahasoa no tokony hilofosany? Izany hoe ny tia tokony hitsinjo izay hahasoa ny tiany, ary ny tiany koa manao toy izany.
Inona ary no tena mahasoa azy roa, raha samy mbola tanora mpianatra izy? Ny manao firaisana ve? Inona no ho vokatr’io? Tsoriko fa korontana foana no ho vokany. Lazaina moa fa negatif foana ny fomba fijeriko, fa tsy maninona fa jereo ny zava-misy: Moa nisy ny vohoka tsy nirina, ny zaza tsy ampy taona behoka, ny sida, sns… raha ohatra ka tsy nisy ny firaisana mialohan’ny fanambadiana (sy ivelan'ny fanambadina)? (marihana aloha fa tsy misy resaka viole eto, ary resaka firaisana no ifantohan'ny resaka).

Dia hilaza ianao hoe: izay anie no hanaovana kapoty e!
Ny fanaovana kapoty dia manabe ny tanora tsy ho respoansable. Hiala sy andositra ny zavatra sarotra, ary tsy hijery afatsy ny tenany ihany.
Raha ny adidin’ny tia amin’ny tiany no jerena akaiky, raha samy mbola mpianatra izy, ary samy mbola tsy te hivady sy hiteraka fa samy mbola te hanohy ny fianarany: dia ny fifanohanan’izy roa amin’izay safidy heveriny fa voalohany sy maika izay no tokony hataony. Izany hoe: ny andraikitry ny tsirairay dia ny mifehy ny tenany sy manampy ny tiany hahafehy tena koa.
Ny kapoty dia manafoana izay fandraisana andraikitra izay, ary manome vahana ny toe-tsaina tsy mijery afatsy ny tena ihany. Dia jereo ny zava-misy fa tsy misy afatsy antony roa ihany no hanaovan’ny tanora kapoty:
1 - sao marary, izany hoe: miray isika fa raha ianao miaraka amiko no marary tsy olana fa izaho kosa tsy tokony harary. Inona anefa no andraikitra tokony horaisina manolona ny tiana? Ny hiaro ny tena tsy harary fotsiny ve sa ny hitsabo azy raha marary izy? Ary raha ohatra ka tsy marary izy fa ny tena no marary, inona no andraikitry ny tena manoloana azy? Ny hanao ny fanao ihany ve ka hampiasa fiarovana mba tsy hamparary azy sa ny hifampitaiza mba tsy hahalatsaka azy amin’izay efa nahavoa ny tena?
2 – Sao bevohoka, (tsy iverenako intsony satria efa mazava izay voalazan’i stilo).
xxx:
heverinao fa tahotra no manosika azy … fa ny olona mpivady heverinao fotsiny hoe hahatsara ny taranaka ? Tsy mahatsara ny taranaka koa angaha raha miandry mivady ny olona vao miteraka ?

Tena mahatsara ny taranaka tokoa, ary izay no tena izy. Donc tsara ny mifehy tena mba tsy hanao firaisana raha tsy efa manam-bady.

Fa ilay fanontaniana tsy voavalinao hatramin'izao koa dia ny hoe: Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadiana? Inona no antony na eny na tsia ?
xxx:
Ary inona no anton’ny fandrindram-piterahana eo anivon’ny fanambadiana aminao, tsy ny tahotra ? (Sao tsy velona, sao tsy izao sao tsy izao ...) Tsy fi-eviter-na ny responsibility be miandry amin’ny fananan-janaka maro ?

Ilay tahotra ny responsabilité be amin’ny fanana zanaka maro aloha dia efa laviko. Tsy tahotra velively no mibaiko azy fa ny andraikitra amin’ny taranaka, hoy ny soratra Masina: “Miteraha maro, mameno ny tany, ary mizaka azy”.
Hamafisiko fa tsy misy resaka tahotra na kely aza raha ny mpivady no mampiasa ny kapoty.
Ilay tahotra ny aretina aloha dia efa tsy misy. Raha misy iny dia efa mipetraka ny fifampiahiahiana eo amin’izy roa. Izany hoe: mihena ny fifampitokisana ary mety ho foana mihitsy aza.
Eo amin’ny resaka vohoka indray dia izao: Tsara ny manamariaka aloha fa tsy ny mpivady rehetra no mampiasa azy ity. Faharoa dia isany adidin’ny vady amin’ny vadiny ny miray aminy. Mariky ny mahairay azy ireo izany. Isany antony iray lehibe azo hanafoana ny fanambadiana ny tsy fahafahan’ny lahy na ny vavy manantateraka izany.

Ny tsara indrindra dia ny fanabeazan’aizana voajanahary. Io dia manampy ny tsirairay hanana fifehezan-tena. Isany manome vaha ny maha olona io.
Izao anefa, noho ny toe-batana tsy mitovy, na noho ny zava-misy tsy azo anoharana (ohatra: manao mission lava rangahy, ary amin’ny fotoana maha lonaka ny vavy izy no an-trano) dia voatery mampiasa kapoty izy roa.
Inona no mahasamihafa izany hoy ianao? Misy antony roa mazava tsara ireto:
1 – Ny tsy mpivady mampiasa kapoty dia ny TSY HITERAKA ihany no ao an-tsaina. Izany hoe: tsy mijery afatsy ny tenany izy roa ihany.
Ny mpivady kosa raha mampiasa kapoty dia tsy mijery ny tenan’izy ireo ihany, fa mijery ny zanany ihany koa. Izany hoe: noho ny fitsinjovana ny hahatsara ny zanany.
2 – Ny tsy mpivady miray mampiasa kapoty dia entanin’ny toe-tsaina mbola tsy te handray andraikitra (tsy mbola te hanambady, sns…)
Ny mpivady kosa raha mampiasa kapoty dia noho ny fitsinjovany ny zanany. Izany hoe: noho ny andraikitra manoloana ny zanaka nateraka, sy ny andraikitra amin’ny maha mpivady.
xxx:
Mbola tsy novalianao aho fa naverinao fotsiny indray ilay hevitra : ahoana izany fandrindram-piterahana tsy misy tahotra ny ho bevohoka ? Ny olona manao fandrindram-piterahana anie ka mi-eviter vohoka no tena ataony e. Fantatrao ve aloha fa mila bevohoka vao miteraka lol, ary rehefa mandrindra fiterahana dia mila mandrindra vohoka izany.

Ny mandrindra vohoka tompoko dia tsy mitovy velively amin’ny hoe: manakana vohoka tsy hisy mihitsy (toy ny fanaon’ny tsy mpivady nefa miray).
Ny iray voalohany dia mandrindra ny fiterahana (mielanelana 2 na 3 na 4 taona arakaraka). Ity iray faharoa kosa dia manakana avy hatrany ny tsy fisiany mihitsy. Izay mbola azo heverina hoe: raha misy dia mety ho esorina mihitsy angamba!
xxx:
Misy fanontaniana iray hafa koa mbola tsy novalianao : Nanao fanadihadiana angaha ianao, sa affirmation grauite ny hilazanao fa fandrindram-piterahana fotsiny ny hampiasan’ny mpivady rehetra kapoty ?

Raha lazainao fa affirmation gratuite io, dia asehoy ny maha affirmation gratuite azy aloha!

xxx:
Averiko indray, tsy fombana ny kapoty akory ny soratro fa absurde amiko ny hevitrao hoe momba raha ho an’ny mpivady fa tsy momba raha tsy mpivady

Raha mbola misy izay tsy mazava dia anontanio.
93. fahamarinana ( 25/06/2008 14:55)
sakaizakely:
Si ce que tu as à dire n'est pas plus intéressant que le silence, alors tais toi

:arrow:sakaizakely : Tsy ratsy koa ito lazainao ito an.. .mbola tsy reko zay...:)
94. fahamarinana ( 25/06/2008 15:04)
sakaizakely:
eto angamba toa efa olondehibe daholo

:arrow: Iraisako hevitra ihany koa..ary koa atao hoe efa nandia fiainana na koa azo lazaina hoe efa nahita fiainana sy nandalo zava-tsarotra na fanambadiana na fahatanorana na fiainana en general e,izay no hifampizarana ...Asa ny atao hoe tanora tsy nanana hoe experience raha afaka tena hilaza tsara kokoa ny tena mikasika ny mpivady,sns...mbola andalovana dingana maro io ary tsara kokoa miaina ao dia ahita tokoa anizany hoe hafaliana na hasosorana na fijaliana na fiadanana na fitavantena na faharetana na fahafinaretana na fahoriana.... :) (l)
95. rebeccaF ( 25/06/2008 15:11)
sakaizakely:
inona kay ny tena tanjonao nametrahanao ilay fanontaniana hoe ilaina ve sa tsia ?
Te hiditra fiainanolona sy hanebaka ireo zay nania ve ? Sa kosa handresendahatra ny oul mba hitana ny mahavirjiny azy alohan'ny fanambadiana ?

Tsoriko aloha fa tsy misy resaka te hiditra fiainan'olona eo na kely aza, ary tsy misy resaka fanebahana mihitsy koa. Fijerena miaraka ny zava-misy no atao hafahana mandanjalanaja mba hitondrana ny fiainana.
Raha milaza ianao sy ny maro fa tsy ilaina ny fahavirijinina, tsy handresy lahatra anao hitana ny fahavirijinina aho. Saingy misy kosa ny tanora mbola an-dalam-pitombona mila mahalala hoe: aiza marina no tena izy, lany andro marina ve izany fahavirijiina izany sa ahoana, sns... Ho azy ireo no iadiko hevitra eto. Mety ho an'ny zanakao koa aza.
Tsoriko fa betsaka ny zavatra tsy fantatro izay koa no antony!
sakaizakely:
Fantatrao fa safidin'ny tsirai1 izy io, ka inn no mbola hidirana manontany we ilaina sa tsia, raha eny blabla raha tsia blabla ...

Safidin'ny tsirairay tokoa, ary ny tsirairay nisafidy dia efa samy nanana experience aby, misy ny positive ary nisy ny negative. Misy anefa ny hafa mbola tsy nifidy (ny zanakao angamba, na ny zanaky ny hafa koa). ka raha manana fitiavana ny hafa ianao dia tsy hiteny ho anao ihany fa ho an'ny hafa koa. Ny tao-trano tsy efan'irery ho ny malagasy, ary mora ny mitondra tehina, fa sarotra kosa ny mitondra tena. Ilaina ny fifanampiana eo amin'ny fiainana.
sakaizakely:
Efa nihinana mofomamy ve ianao ? Ilaina ve sa tsia ny mofomamy ?
Efa nandeha fiara ve ianao, ilaina marina ve ny fiara nefa ny tongotrao mbola tomady afaka mitondra anao ?
Hiandry we misy ilàna azy foana ve vao hanao zavatra ?

Raha zavatra tsy misy ilaina azy ve tokony hatao sy handaniana andro? Aza adino fa resaka fiainana no resahana eto: ka raha zavatra efa hita fa tsy misy ilaina azy ve mbola hatao ihany? Moa tsy fanaovanaovam-poana ve izany?
sakaizakely:
Ary ny hoe fahafinaretana fotsiny, fahafinaretan'ny maso, ny saina, ny vavony sns... ve tsisy fotony ?

Tsy hoe tsy misy fotony araka ny filazanao akory. Fa eo amin'ny fiainana dia misy "valeurs" maro be, izay samy tsara. Isan'izany ny fahafinaretana lazainao. Isan'ny valeur io. Ny olona anefa dia tsy maintsy mifidy lalandava izay valeur horaisiny sy avelany. Eo no mipetraka ny fandanjalanjana amin'ny mahaolona. Izany hoe: izay tena mahasoa no tokony hofidiana, satria misy ny zavatra tsy afa-miara-dalana: ohatra ny fianarana sy ny fiterahana. Ny zavatra raisina dia izay heverina fa mananan-daja kokoa sy maika kokoa.
sakaizakely:
tsy haiko we iza no niteny an'io fa mba manontany anao aho hoe mitondra fahasoavana ve ny fanontanianao ? ary fahasoavana ho an'iza ? inona no tena tanjonao mametraka fanontaniana ?

Ny tanjona amin'ny fametrahana fanontaniana ombenimbeny dia ny fitaomana ny hafa hijery ifotony ny zava-misy marina, izay lazaiko fa na izaho aza dia ampahany ihany no fantatro. Saingy raha mifameno amin'ny an'ny hafa dia mety ho feno ihany.
Ny hoe: mahasoa ve? Eny no valiny.
Ary tsy mahasoa ahy ihany fa matoa zaraiko dia hitako fa mahasoa ny hafa koa: Ho an'ireo mandray anjara eto mivantana, na ho an'ny zanany, sns...
sakaizakely:
Raha fitiavana hisarika ny oul hanana finiavana hijanona ho virjiny mandrampahitany vady ianao dia tokony ovaina mba ho attractif ny firesaka mba hamporisika ny oul hanaraka anao, dia cibler-na tsara koa ny oul iantefan'ny resaka, fa eto angamba toa efa olondehibe daholo ary tsy nisy nanenina izay nataony.

Efa mazava izay nolazaiko tery ambony.
Ny resaka fitenenana indray dia tsy mahagaga raha lazainao fa tsy mahasarika satria zavatra tsy nosainin'ny maro no nolazaiko. Na izany aza dia misaotra ihany.
sakaizakely:
tsy hanome lesona na hitsara oul no iainako eto antany na be aza ny zavatra manirikiry ahy. Amiko rehefa sambatra sy faly @ ataony ny oul iray de ampy ahy izay (na virja na tsia nanambady tsy raharahako), satria miparitaka am manodidina azy ny hafaliany (ny hasambarana mantsy aretimifindra). Raha hitsimpona ny tsy mety rehetra ataon'ny tsirai1 sy hanao morale drindrangilo eo de ho leo sy hiala aminao tsikelikely ny oul.

Tsy mitsara an'iza an'iza aho, ary tsy hanome moral an'iza an'iza koa.
Fa ny zava-tsy nety sy ny zavatra ratsy nihatra tamin'ny hafa kosa tsy iriako hahavoa ny hafa intsony. Mitondra ny kely mba fantatro aho, mizara an'izany, ary mbola vonona ny handray koa.
Ny faniriako dia ny mba hiaina an-kafaliana marina ny olona: manana ny maha izy azy, ary afaka mivelatra tsara.
sakaizakely:
Rehefa tsy tinareo sy naritsimba ny manao kapoty de aza manao. Safidinareo zany tsy misy hitsikerana anareo roa.

Lazao raha misy diso izay voalazanay rehetra. Ary raha ohatra ka ianao no tsy vonona hiady hevitra sy hifandahatra aminay dia tsy terena ianao hamaly akory.
sakaizakely:
Mandreraka be le dinika fa toa lasa fitsiponana sy fitsikerana maimaipoana fotsiny

Misy hira katolika izay milaza hoe: Tsy zakan'ny olombelona vesaran'ota ny marina....

Raha lazainao fa fitsikerana maimaipoana ny voalaza dia mba hamarino ny maha maimaipoana azy azafady.
96. rebeccaF ( 25/06/2008 15:27)
ari.malala
Fa avy aiza hono ry ari.malala no ipoiran'ny fandatsana? Tsy ny lasa ve no andatsana ny olona sa ny ho avy indray no andatsana azy? Ilay ohatra nolazainao, momba ny hoe: mpivaro-tena taloha, tsy volatsalatsan'ny vadiny tamin'izay nataony koa ve no hilazana azy io?

Ilay hoe: interet personnel volazako: tsy misy fitiavana hoy aho fa interet personnal no nahatonga azy haka ilay vehivavy raha izany. Satria ianao nilaza fa noho izy virijiny no nakany azy vady, ary rehefa avy eo izy dia nitady virijiny hafa indray hopasahana.
Izany hoe: Tsy ilay vehivavy no tiany fa ny fahafinaretana hanapasaka virijiny no tena tena notadiaviny.
97. fahamarinana ( 25/06/2008 15:39)
rebeccaF:
Tsy zakan'ny olombelona vesaran'ota ny marina....

:arrow: Tonga eto ihany ny fiafaran'ny resaka zany ,tsy hitako hoe inona no ifandraisany eto sa moa ilay hoe mpanota izay tsy virjiny sy mampiasa kapoty...sns....sns...Aza manao resaka fivavahana sy finonana aloha satria tsy voatery Xna ny namana rehetra eto,ary tsara raha alefa ary amin'ny dinika misahana izany.Mifangaro daholo ny resaka manko dia hivaona..tsetsatsetsa tsy aritra moa iny ny ahy....azo henoina,azo ignorer-na koa..toa ny hevitra tsy azoazo rehetra e..azo raisina sy tsy azo raisina ihany koa... :) (l)
98. minoulavitra ( 25/06/2008 16:04)
Salut daolo e!

Ary tena mamnkamamy fitiavana daolo na lahy na vavy an, vero io no resaka dé tonga aby ny kilonga, ngôma va sa??? Sengy ohatry ny mifangaro be ny hevitra refe tena mandé ny resaka.

Zao ny hevitro momba ny fampiasana kapaoty @ resaka fitiavana AMAFISIKO IO de miankina @zé zava-misy sy ny feeling n'ireo "mpanao" @io fotoana io ny zavatra rehetra. Misy ny Fitiavana "tompon'andraikitra", tsisy resaka tsy fitokisana zany ao fa fakàna fepetra fotsiny io (ialàna @ vohoka tsy irina na aretimifindra... ary tandremo fa tsy voatery hoé mampirafy vao manana aretina an...). Misy koa tena tsy maita feeling mihitsy revo mampiasa kapaoty, azo atao anefa ny manandrana raha tena te ho "responsable" enao, question de prélude ngamba no tsy ampy???
Ary na ohatra aza ka fampiasana kapaoty @ resaka filàna tahaka @ mahafilàna azy dé vao mainka tsara koa satria sady miaro ny tenanao enao no miaro ilay olona "anaovanao"...

Ary zao e : mino ve nareo fa Fitiavana no ao ambadiky ny fankahalana, ary Fankahalana no ao ambadiky ny fitiavana??? Donc, zé tsy atao foana no ohatry ny oé mety, ary zé atao ohatry ny ahitana lesoka daolo...

Zay fa dé samia mankamamy ny afomanga rahalina rah manana possibilités e! Balônne hafa ndray no tsofina eto fa tsy lé kapaoty teo tsony an...
99. xxx ( 25/06/2008 16:09)
Si ce que tu as à dire n'est pas plus intéressant que le silence, alors tais toi

Tsy zakan'ny olombelona vesaran'ota ny marina....

Mitombina tsara mihitsy ny remarque rebeccaF
100. xxx ( 25/06/2008 16:17)
fahamarinana:

rebeccaF:
Tsy zakan'ny olombelona vesaran'ota ny marina....

:arrow: Tonga eto ihany ny fiafaran'ny resaka zany ,tsy hitako hoe inona no ifandraisany eto sa moa ilay hoe mpanota izay tsy virjiny sy mampiasa kapoty...sns....sns...Aza manao resaka fivavahana sy finonana aloha satria tsy voatery Xna ny namana rehetra eto,ary tsara raha alefa ary amin'ny dinika misahana izany.Mifangaro daholo ny resaka manko dia hivaona..tsetsatsetsa tsy aritra moa iny ny ahy....azo henoina,azo ignorer-na koa..toa ny hevitra tsy azoazo rehetra e..azo raisina sy tsy azo raisina ihany koa... :) (l)



ekena tanteraka ny voalzan'i fahamarinana!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.009