Fitiavana sy ny kapoty

121. rebeccaF ( 27/06/2008 22:09)
xxx106:
ahoana indray ary ianao @ ity fanontaniako ity : inona ny ifandraisan'ny fitiavana sy ny firaisana ? Moa ve tsy porofom-pitiavana ny firaisana ? Ary justement tsy porofon'ny fandraisana responsabilité ve ny fampiasàna kapaoty !!!

Inona kay ny porofom-pitiavana tena izy? Moa ve tsy izay tena mifanaraka amin'ny zavatra mahasoa ny olon-tiana? Raha mbola mpianatra izy, moa ve ny fitarihanao azy hiray aminao no tena hitanao fa mahasoa azy?
Tsara ny firaisana, nefa aza adino fa misy zavatra hafa mbola tsara sy maika noho izany raha mbola tsy ao anatin'ny fanambadiana ny olona anakiroa.
Tsy iverenako intsony fa efa be dia be ny fanazavana momba ny kapoty ireo ambony ireo. Fa hamafisiko fa tsy porofom-pitiavana araka ny lazainao io fa fitiavan-tena.
xxx106:
Ankoatri'zay dia mirary anao aho raha toa ka hanambady ka hanao firaisana ihany ianao, mba tsy hamitaka anao ny fomba natoraly ambaranao, fa tsy adala be daholo akory ireo ray aman-dreny mampiasa fomba hafa satria fantatra fa tsy azo antoka 100% ny fomba natoraly

Ary mba azo antoka 100°/° ve ny ireo fomba hafa lazainao? Raha tsia toa adalabe ihany izy ireo raha izany.
xxx106:
Tandremo fa ohatran'ny manao firesak'olona frustrée ianao a, asio recul kely, conseil d'ami.

Misaotra anao amin'ilay toro-hevitra, saingy mba mianara koa mandray sy mijery ny zavatra lazain'ny hafa tsy mitovy hevitra amin'ny tena.
xxx106:
Mety misimisy ihany koa ireo tsy nanao firaisana talohan'ny mariazy toa anao fa tsy midradradradra zava-tsy fantatra ohatr'izao

Fa rehefa ny olona tia SEX ve no midradradradra izany etsy sy eroa tsy maninona mihitsy, ary na dia manao pub amin'ny tele sy ny radio aza dia tsy olona fa rehefa olona manohitra an'izany kosa no miteny sy mijoro amin'ny heviny dia ezahana ampanginina?
122. rebeccaF ( 27/06/2008 22:42)
xxx 119:
Misaotra betsaka amin'ilay hehy feno fanesoana. Midika avy hatrany ireny amiko fa tsy dia misy hevitra tena mivaingana loatra ny ambaranao dia tohanana amin'ireny.
Isan'izany moa ny hoe: manome lamosina nefa ianao miresaka amiko aza tsy hay intsony hoe: lahy na vavy.
xxx119:
... ary ianao ihany no nilaza fa sady tsy mbola manambady ianao no tsy mbola nanao firaisana

Ny filazana fa mbola tsy manam-bady sy mbola tsy nanao firaisana dia tsy midika velively ho tsy mbola mieritreritra ny fanambadiana akory.
xxx119:
Ary na hilaza hoe nanao fanadihadiana aza ianao tompoko dia tsy marina ny fanadihadiana nataonao raha sahy milaza ianao fa tsisy resaka tsy fifampitokisana ny antony hampiasan'ny mpivady kapoty ! Efa nolazaiko io ny antony andriamatoa.

Inona moa no atao hoe: fanadihadihana ho anao miteny io? nahoana no lazainao fa tsy marina ny fanadihadihana nataoko raha nanao izany aho? Ny valin'ny fanadihadihana amin'ny toerana iray dia tsy voatery hitovy mihitsy amin'ny valin'ny fanadihadihana amin'ny toerana iray. Raha teto amin'ny forum no nahitanao vehivavy milaza fa manome kapoty ny vadiny, toy ny maniraka azy hoe mandehana mividy mpivaro-tena fa tsy ampy anao aho, dia tsy midika fa ny mpivady rehetra dia manao toy izany daholo. tsy midika koa io fa amin'ny toerana rehetra dia ahitana ohatra an'izany daholo, eny fa na dia misy aza ny atao hoe: liberté sexuelle.
xxx119:
Fehiny andriamatoa : Mety misy tahotra amin'ny mpivady sasany mampiasa kapoty ... Misy tsy fifampitokisana no antony hampiasan'ny mpivady kapoty ... Mety misy fijerena ny tenany fotsiny ... Ireo antony ireo no tena lazainao hoe tsy ankasitrahanao ny kapoty ho an'ny tanora ... Nefa dia ekenao ny kapoty ho an'ny mpivady. Absurdeeeeeeeeeeee

Ireo antony ireo no tsy hanekeko azy ho an'ny tanora. Mnanampy izay koa ny firaisana mialohan'ny fanambadiana (na ampiasana kapoty, izany na tsia). Fa mba vakio sy raiso araka izay volaza kosa ny antony hanekeko azy ho an'ny mpivady. Misy cas voalaza ao fa tsy hoe: rehefa mpivady izany dia amporisihina hampiasa kapoty. Non!



123. rebeccaF ( 27/06/2008 23:01)
xxx113:
Ny fanentrentena an'ny olomisaina, tsy mila manery olona hanaraka ny hevitrao.

Aleo izy hitazona ny heviny sy hampihatra azy @ fiainany. Samy mizaka ny vokatry ny safidiny ny tsirairay fa tsy miandry lesona avy aminy izay miseho ho faratapony

Angaha moa misy manery ny hafa hanaraka ny hevitro eo? Raha mahita ianao fa diso fihevitra, aza dia entanin'ny ambom-po diso toerana loatra e!
Raha ny resaka hoe: safidin'ny tsirairay io ka avelao izy ny hizakany ny vokany any, dia tsy mba iombonako hevitra aminao. Manana adidy amin'ny mpiara-belona amiko aho, dia ny mizara izay fantatro fa hahasoa sy hahatsara azy, ary mitondra ny fanampiana azoko atao aminy koa raha sendra solafaka izy. Anjarany kosa ny misafidy na handray na handa. Aza adino fa tsy misy safidy tena izy, raha toa ka zavatra tokana ihany no manolona ny tena. raha manome vahana ny resaka sex ny maro, izaho sy izay mitovy hevitra amiko kosa manohitra an'izany, ar manome lanja ny resaka mahaolombelona.
124. xxx ( 27/06/2008 23:21)
rebeccaF:
xxx 119:
Misaotra betsaka amin'ilay hehy feno fanesoana. Midika avy hatrany ireny amiko fa tsy dia misy hevitra tena mivaingana loatra ny ambaranao dia tohanana amin'ireny.
Isan'izany moa ny hoe: manome lamosina nefa ianao miresaka amiko aza tsy hay intsony hoe: lahy na vavy.

Ny hevitra aroso andriamatoa raha mbola misy sy mbola mazoto ! Raha tena tinao moa ny hifantohantsika amin'io hoe fanesoana sy hehy dia tsy maninona fa hotsimponiko tsirairay ny fomba firesakao teto dia ho hitanao raha mendrika omena lanja epsilon akory ny hevitrao.

rebeccaF:
Ny filazana fa mbola tsy manam-bady sy mbola tsy nanao firaisana dia tsy midika velively ho tsy mbola mieritreritra ny fanambadiana akory.

Dia mahatakatra ve ? Eto aza nefa ianao toa tsy mi-considerer ny tsy fifampitokisana misy eo amin'ny mpivady akory lol.

rebeccaF:
Inona moa no atao hoe: fanadihadihana ho anao miteny io? nahoana no lazainao fa tsy marina ny fanadihadihana nataoko raha nanao izany aho? Ny valin'ny fanadihadihana amin'ny toerana iray dia tsy voatery hitovy mihitsy amin'ny valin'ny fanadihadihana amin'ny toerana iray. Raha teto amin'ny forum no nahitanao vehivavy milaza fa manome kapoty ny vadiny, toy ny maniraka azy hoe mandehana mividy mpivaro-tena fa tsy ampy anao aho, dia tsy midika fa ny mpivady rehetra dia manao toy izany daholo. tsy midika koa io fa amin'ny toerana rehetra dia ahitana ohatra an'izany daholo, eny fa na dia misy aza ny atao hoe: liberté sexuelle.

Marina ny voalazanao eto hoe tsy ny mpivady rehetra no manao toy izany. Fa tadidinao ve tompoko ny antony nanontaniako anao tamin'ny fandihadiana ? Ito no nolazainao :
rebeccaF:
Ny mpivady raha mampiasa kapoty dia zavatra tokana ihany no hany hanaovany an'izany dia mba ho fandrindram-piterahana. Tsy misy resaka fiarovana amin'ny aretina izao sy izao ao na kely aza, ary tsy misy resaka tahotra ny ho bevoka.

Tsisy resaka io hoe amin'ny toerana sasany fotsiny, na hoe ary io tsy marina ... fa dia affirmation be manarona izao tontolo izao !!! :-P

rebeccaF:
Ireo antony ireo no tsy hanekeko azy ho an'ny tanora. Mnanampy izay koa ny firaisana mialohan'ny fanambadiana (na ampiasana kapoty, izany na tsia). Fa mba vakio sy raiso araka izay volaza kosa ny antony hanekeko azy ho an'ny mpivady. Misy cas voalaza ao fa tsy hoe: rehefa mpivady izany dia amporisihina hampiasa kapoty. Non!

Hay kosa a ! Fa tsy izany mihitsy ny lazainao eo ambony andriamatoa ... Aleo angamba ampatsiahiviko anao kely :
rebeccaF:
Hamafisiko fa tsy misy resaka tahotra na kely aza raha ny mpivady no mampiasa ny kapoty.
Ilay tahotra ny aretina aloha dia efa tsy misy.

Tsisy resaka hoe ny mpivady sasany ao, na hoe amin'ny toerana sasany ... fa dia toa mbola mandrakotra izao tontolo izao ihany ;)

Ankoatra io dia mbola misy ireto :
rebeccaF:
Ny mpivady raha mampiasa kapoty dia zavatra tokana ihany no hany hanaovany an'izany dia mba ho fandrindram-piterahana. Tsy misy resaka fiarovana amin'ny aretina izao sy izao ao na kely aza, ary tsy misy resaka tahotra ny ho bevoka.

rebeccaF:
Ho an'ny mpivady kosa, raha misy ny mampiasa azy io, dia handrindrana ny fiterahana mba hahatsara ny taranaka. Tsy misy resaka fahatahorana ny ho bevoka ao na kely aza, na fahatahorana aretina.


hi hi hi
125. yonikafopl ( 28/06/2008 08:20)
Hoy RebeccaF:
Tsy mitady laza araka ny hevitrao aho, ary tsy mila an'izany mihitsy. Mizara izay hitako fa tsara sy mahasoa ny hafa aho. Na dia tsy ho azy mivantana aza, fa ho an'ny zanany ho avy ny firenena.


Ahoana moa no ilazanao sy hanananao toky fa tsara sy mahasoa ny hafa ny zavatra zarainao????
126. xxx ( 01/07/2008 12:32)
Hita oa ry yonikafopl,iza marna no niteny tamny hoe mahasoa ny rehetra ny zavatra teneniny?izy aza toa tsy mahay miresaka akory,te hapita hevitra mafy mihitsy izy,fa eee,apisaina daolo ity firafi-pehezan-teny ty fa eee,apiasaina ndray ny fanakianana sy ny fitsikerana fa eee,mbola tsy tafita ihany e,miezaka mafy izy manisy quote mba hampazavazava ilay tiny hambara fa toa vao may mivaona sy lava be fotsiny.Tsy mahay miserasera hono ny olona rehefa tsy tafita ny hevitra tiana holazaina.Ny communication tsara indrindra dia fohy,mazava,ary azo tsara vao vakina indray mandeha.
Mila mianatra kely lou ky njy fa lasa mapalaelo be le ady hevitra a,tena tokony hisy zavatra ahasoa mihitsy azo raisina amin\'ny tiny ambara fa eee,effet contraire no résultat.njiiiiiiiii
127. xxx ( 01/07/2008 12:43)
Ny tsy azoko koa,dia ny morale-ny,izy zany manaraka ny fomba hoe,kapoty ihany no ampiasain'ny mpivady raha hanao fanabeazana aizana izy? ko maninona raha fomba hafa no ampiasaina raha io no anaovana resaka polémique be eo dia samy vita?Mitady problème be ilay ramatoa tovovavy.
128. naritsimba ( 02/07/2008 05:10)
Hoy rebeccaf:
Fa ho anao naritsimba no hametrahako indray ilay fanontaniana hoe: Atao inona kay ny firaisana aranofo (na koa hoe: inona no ilaina azy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona ?) ?


Ho an'ny olona mpivady dia ny hiterahana sy hananana taranaka no ilana azy, fa rehefa tratra ilay fetran'ny zaza ateraka dia fahafinaretana indray no ilaina, hitady fahafinaretana ve dia any an-kafa, tsy aleo ilay vady ihany??? fa dia ny fifehezan-tena tsy hisian'ny zaza no atao, izay no tsy hilako kapôty mihitsy.
129. ari.malala ( 03/07/2008 06:58)
tsy y kapoty iany nge ny fandrindram-piterahana azo atao e! misy ny pillules, misy ny noorplan, misy ny bedabe e, ndana nge mankeny am tobim-pahasalamana fa mahazo fahafahampo nareo e, d ajanony ny resaka kapôty fa mampifamaly hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3307