Fitiavana sy ny kapoty

101. xxx ( 25/06/2008 17:25)
rebeccaF:
Hanampiko izay voalazan’i stilo io dia izao: Tsy misy fahavonona handray andraikitra ao na kely aza: na amin'ny tenany izany, na amin'ny hafa koa.

Raha sendra tsy fantatrao tompoko dia misy ny olona tsy mila mariazy akory dia efa miteraka satria izay no tiany ! Noho izany tsy marina ny fanaovanao bambaray hoe tsy misy fahavononana handray andraikitra ao na dia kely aza !

rebeccaF:
1 – Hilaza ianao hoe: mety mbola mianatra izy roa ka izay no antony.
Dia hoy aho: raha samy mahalala izy roa hoe: samy mbola mpianatra, inona kay ny adidiny voalohany sady prioritaire kokoa manoloana ilay olon-tiany?
Ny mpifankatia ve tsy mifampitondra any amin’izay mahasoa no tokony hilofosany? Izany hoe ny tia tokony hitsinjo izay hahasoa ny tiany, ary ny tiany koa manao toy izany.
Inona ary no tena mahasoa azy roa, raha samy mbola tanora mpianatra izy? Ny manao firaisana ve? Inona no ho vokatr’io? Tsoriko fa korontana foana no ho vokany. Lazaina moa fa negatif foana ny fomba fijeriko, fa tsy maninona fa jereo ny zava-misy: Moa nisy ny vohoka tsy nirina, ny zaza tsy ampy taona behoka, ny sida, sns… raha ohatra ka tsy nisy ny firaisana mialohan’ny fanambadiana (sy ivelan'ny fanambadina)? (marihana aloha fa tsy misy resaka viole eto, ary resaka firaisana no ifantohan'ny resaka).

Dia hilaza ianao hoe: izay anie no hanaovana kapoty e!
Ny fanaovana kapoty dia manabe ny tanora tsy ho respoansable. Hiala sy andositra ny zavatra sarotra, ary tsy hijery afatsy ny tenany ihany.
Raha ny adidin’ny tia amin’ny tiany no jerena akaiky, raha samy mbola mpianatra izy, ary samy mbola tsy te hivady sy hiteraka fa samy mbola te hanohy ny fianarany: dia ny fifanohanan’izy roa amin’izay safidy heveriny fa voalohany sy maika izay no tokony hataony. Izany hoe: ny andraikitry ny tsirairay dia ny mifehy ny tenany sy manampy ny tiany hahafehy tena koa.
Ny kapoty dia manafoana izay fandraisana andraikitra izay, ary manome vahana ny toe-tsaina tsy mijery afatsy ny tena ihany. Dia jereo ny zava-misy fa tsy misy afatsy antony roa ihany no hanaovan’ny tanora kapoty:
1 - sao marary, izany hoe: miray isika fa raha ianao miaraka amiko no marary tsy olana fa izaho kosa tsy tokony harary. Inona anefa no andraikitra tokony horaisina manolona ny tiana? Ny hiaro ny tena tsy harary fotsiny ve sa ny hitsabo azy raha marary izy? Ary raha ohatra ka tsy marary izy fa ny tena no marary, inona no andraikitry ny tena manoloana azy? Ny hanao ny fanao ihany ve ka hampiasa fiarovana mba tsy hamparary azy sa ny hifampitaiza mba tsy hahalatsaka azy amin’izay efa nahavoa ny tena?
2 – Sao bevohoka, (tsy iverenako intsony satria efa mazava izay voalazan’i stilo).


Aza maika hisaina izay mety holazaiko tompoko fa toa tsy takatrao ny fomba fisainako !
Efa soratako mazava aza fa tsy fombana ny kapoty ny soratro mbola tsy azonao ihany fa lazainao fa hiteny aho hoe izany no antony hampiasana kapoty ! :-D :-D :-D
rebeccaF:

1 - sao marary, izany hoe: miray isika fa raha ianao miaraka amiko no marary tsy olana fa izaho kosa tsy tokony harary. Inona anefa no andraikitra tokony horaisina manolona ny tiana? Ny hiaro ny tena tsy harary fotsiny ve sa ny hitsabo azy raha marary izy? Ary raha ohatra ka tsy marary izy fa ny tena no marary, inona no andraikitry ny tena manoloana azy? Ny hanao ny fanao ihany ve ka hampiasa fiarovana mba tsy hamparary azy sa ny hifampitaiza mba tsy hahalatsaka azy amin’izay efa nahavoa ny tena?

Heverinao fa tsy mety mitranga amin'ny mpivady ve ny hoe "sao marary" ! Jereo ery ambany fa manjary miverimberina.

rebeccaF:
2 – Sao bevohoka, (tsy iverenako intsony satria efa mazava izay voalazan’i stilo).

Ny zavatra lazain'i sitlo tompoko dia mitovy ihany : tahotra ! fa ny filaza azy no ahodikodina. Jereo ery ambany any tompoko fa manjary miverimberina.


rebeccaF:
Tena mahatsara ny taranaka tokoa, ary izay no tena izy. Donc tsara ny mifehy tena mba tsy hanao firaisana raha tsy efa manam-bady.

Fa ilay fanontaniana tsy voavalinao hatramin'izao koa dia ny hoe: Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadiana? Inona no antony na eny na tsia ?

Asa ianao tompoko raha mba mamaky na maika hanoratra lava be fotsiny. Indroa izao ianao no hitako tsy mamaky akory ny soratro. Tedavo ao ambony any ambony any tompoko fa efa novaliako io.

rebeccaF:
Ilay tahotra ny responsabilité be amin’ny fanana zanaka maro aloha dia efa laviko. Tsy tahotra velively no mibaiko azy fa ny andraikitra amin’ny taranaka, hoy ny soratra Masina: “Miteraha maro, mameno ny tany, ary mizaka azy”.
Hamafisiko fa tsy misy resaka tahotra na kely aza raha ny mpivady no mampiasa ny kapoty.
Ilay tahotra ny aretina aloha dia efa tsy misy. Raha misy iny dia efa mipetraka ny fifampiahiahiana eo amin’izy roa. Izany hoe: mihena ny fifampitokisana ary mety ho foana mihitsy aza.
Eo amin’ny resaka vohoka indray dia izao: Tsara ny manamariaka aloha fa tsy ny mpivady rehetra no mampiasa azy ity. Faharoa dia isany adidin’ny vady amin’ny vadiny ny miray aminy. Mariky ny mahairay azy ireo izany. Isany antony iray lehibe azo hanafoana ny fanambadiana ny tsy fahafahan’ny lahy na ny vavy manantateraka izany.

Ny filazanao hoe na kely aza tompoko dia mampiharihary ny tsy fahampian'ny fanadihadiana ataonao. Tsy vitsy mihitsy ny vehivavy na dia efa manambady aza dia tsy mbola mety miteraka noho ny tahotra izany hoe ho reny izany. Misy ny efa teraka ny zaza mbola mitaintaina foana amin'ny andraikitra be. Ary inona moa ny dikan'ny tenin'i sitlo hoe mbola tsy manam-bola ? Tsy ny responsabilite amin'ny zanaka ve no atahorana tsy ho vita raha tsisy ny vola ? Tahotra e !

Ary raha mba manaraka ny forum eto ianao tompoko dia tokony efa nahita ny valin-teny atoan'ireo efa ray aman-dreny amin'ny resaka fandrindram-piterahana. Raha tsy mbola nahita ianao tompoko fa manao affirmation gratuite fotsiny mamaly ahy, dia hilazako ianao fa efa nandeha teto ny hoe aleo iray dia voakarakara tsara toy izay maro nefa tsy araka akory.


rebeccaF:
Ny mandrindra vohoka tompoko dia tsy mitovy velively amin’ny hoe: manakana vohoka tsy hisy mihitsy (toy ny fanaon’ny tsy mpivady nefa miray).
Ny iray voalohany dia mandrindra ny fiterahana (mielanelana 2 na 3 na 4 taona arakaraka). Ity iray faharoa kosa dia manakana avy hatrany ny tsy fisiany mihitsy. Izay mbola azo heverina hoe: raha misy dia mety ho esorina mihitsy angamba!

Ny olona miandry manambady vao miteraka koa tompoko dia fandrindrana fiterahana koa no ataony, fa tsy hoe fanakanana vohoka tsy hisy mihitsy izany. Sa efa hitanao angaha tompoko ny ampitson'izy ireo ka lazainao fa hosakananny tsy hisy mihitsy ? :-P

Aminao ve izany tompoko rehefa hoe ny sasany amin'ny vohoka fotsiny no sakanana dia mitovy amin'ny tsy nanakana izany ?

rebeccaF:
Raha lazainao fa affirmation gratuite io, dia asehoy ny maha affirmation gratuite azy aloha!

Ianao tompoko no afaka manome porofo amiko raha tena tsy affirmation grauite tokoa ! Ny zava-misy tompoko dia misy mihitsy izany hoe mpivady tsy mifampatoky. Raha efa nanaraka forum teto ianao tompoko dia tokony mahafantatra fa misy ny vehivavy mihitsy no manome kapoty ny vadiny mandeha mission, ary mampiasa kapoty rehefa vao miverina ilay rangahy.

Sitlo : diso tanteraka ny fandraisanao ny teniko taminao nilaza hoe :
sitlo:
Ny an'i xxx73 olona iray maka fiany dia ampy. Dia mba ahazoana izay dia mitady olona iray (na maro ), anaovana azy.

Ary diso koa ny filazanao hoe
sitlo:

azoko ny tsy azonao
ny anao:
mitovy satria
- samy tsy tia hiteraka ihany.
- samy tia haka tsirony ihany.

Raha tinao ho fantatra ny hevitro dia na ao anaty na ivelan'ny tokatrano dia tsy momba ny kapoty aho. Io resaka te haka tsirony nefa mitsaoka responsabilite io mihitsy na efa manambady na tsia no tsy hombako azy.

102. xxx ( 25/06/2008 17:31)
na mpivady na mpisipa na tanora na antitra, tsara foana ny fimailo e!
tsy adalàna ny hamarotana azy ho mora azo ampiasain'ny rhetra
ary tsy adalàna ny hanaovana pub azy manerana ny tany.....
izay tsy te hampiasa azy ny azy izay te hampiasa dia fahamailona ho azy izany
resaka kapoty koa toa lasa resa-be
103. xxx ( 25/06/2008 17:37)
xxx100 bien dit! :wink:
104. yonikafopl ( 25/06/2008 18:26)
Hoy rebeccaF
Tsoriko aloha fa izaho dia momba ny fampiasana ny kapoty raha mpivady no mampiasa azy. Izany hoe ao an-tokan-trano.

Raha lazaina fa fiarovan-tena no mahatonga ny tanora hanao kapoty, olon-tiana ve ilaina fiharovana ny fiarahana aminy? Misy tsy fifampitokisana ao ka mbola azo lazaina ho misy fitiavana ve?

Lava be lotra le dinika de tsy arako tsony ny mamaky azy rehetra, fa reo tenin'i rebeccaF reo no mba tiako asiana fanamarihana kely,
milaza ianao fa momba ny fampiasana kapoty raha mpivady no mampiasa, mba azonao lazaina ve hoe inona no antony hampiasany kapoty ao antrano?? asa tsy fiarovantena ihany koa ve??? milaza ianao fa misy tsy fifampitokisana raha ny tanora(mpisipa ve no tianao hambara amin'io) no manao kapoty, ary raha ny mpivady no manao kapoty midika fifampitokisana ve zany??????


105. fahamarinana ( 25/06/2008 18:38)
:arrow: =D> Yonika : lavabe tokoa aky ilay dinika fa voasingandry tsara ilay olana eto.Misy contradictoire.... (l)
106. yonikafopl ( 25/06/2008 20:40)
fahamarinana tena kamo za hamaky izay voasoratrareo rehetra ao kou hihihihihih

Fa eo am le resaka virjiny sy tsy virjiny, ho inonao moa ny fiainan'ny hafa? raha mbola virjiny ianao ka te hijanona virjiny dia anao manokana izay, tsy misy idiran'ny manodidina? sa ve mihevitra ianao fa hahazo laza sy voninahitra fa hoe virjiny??? efa nilaozan'ny taona elabe tany izany toetsaina izany.
107. xxx ( 25/06/2008 21:27)
Marina tokoa fa lava loatra

Ho an'i RebeccaF : ahoana indray ary ianao @ ity fanontaniako ity : inona ny ifandraisan'ny fitiavana sy ny firaisana ? Moa ve tsy porofom-pitiavana ny firaisana ? Ary justement tsy porofon'ny fandraisana responsabilité ve ny fampiasàna kapaoty !!!

Ankoatri'zay dia mirary anao aho raha toa ka hanambady ka hanao firaisana ihany ianao, mba tsy hamitaka anao ny fomba natoraly ambaranao, fa tsy adala be daholo akory ireo ray aman-dreny mampiasa fomba hafa satria fantatra fa tsy azo antoka 100% ny fomba natoraly

Tandremo fa ohatran'ny manao firesak'olona frustrée ianao a, asio recul kely, conseil d'ami. Mety misimisy ihany koa ireo tsy nanao firaisana talohan'ny mariazy toa anao fa tsy midradradradra zava-tsy fantatra ohatr'izao
108. rebeccaF ( 26/06/2008 12:53)
fahamarinana:
Tonga eto ihany ny fiafaran'ny resaka zany ,tsy hitako hoe inona no ifandraisany eto sa moa ilay hoe mpanota izay tsy virjiny sy mampiasa kapoty...sns....sns...Aza manao resaka fivavahana sy finonana aloha satria tsy voatery Xna ny namana rehetra eto,ary tsara raha alefa ary amin'ny dinika misahana izany.Mifangaro daholo ny resaka manko dia hivaona..tsetsatsetsa tsy aritra moa iny ny ahy....azo henoina,azo ignorer-na koa..toa ny hevitra tsy azoazo rehetra e..azo raisina sy tsy azo raisina ihany koa..

Aza tsiny aminao aho fa tsy misy zavatra mifangaro araka ny teninao akory eo.
Ary izaho tsy manavaka mihitsy hoe: ny mpampiasa kapoty sy ny manao firaisaina ivelan'ny tokan-trano ihany no mpanota akory. Mpanota ireo, saingy isika rehetra koa dia mpanota daholo (na mpino na tsy mpino).
Ny tiako marihana koa dia izao: amiko tsy misy fotoana ny hoe: eto aho kristiana dia etsy aho tsy izy fa hafa indray. Fihatsaram-belatsihy izany amiko.

Raiso raha mahasoa avereno amiko raha tsy misy ilaivanao azy!
109. rebeccaF ( 26/06/2008 12:59)
minoulavitra :
Inona kay ny ilaina ny firaisaina aranofo ?
Moa hitadiavana feeling fotsiny ve ny firaisana aranofo ?
Dia ho anao, inona no antsoina hoe FITIAVANA ?
110. yonikafopl ( 26/06/2008 15:33)
ary ny fanontaniako tsy novalian'i rebeccaF :wink:
111. xxx ( 26/06/2008 21:24)
rebeccaF:

minoulavitra :
Inona kay ny ilaina ny firaisaina aranofo ?
Moa hitadiavana feeling fotsiny ve ny firaisana aranofo ?
Dia ho anao, inona no antsoina hoe FITIAVANA ?



Ny notions de base rehetra no tsy fantatrao raha izao no fanontaniana apetrakao , franchement cette discussion n'aurait pas dû avoir lieu

bye

(( te hamaly be @ lay fanontaniana voalohany aho hoe hanalàna andro))
112. naritsimba ( 27/06/2008 05:18)
Ho ahy izany dia Tsy ilaina ny kapôty!

Ny hoe virjiny na tsy virjiny dia miankina @ tsirairay io. Anjaran'ilay vehivavy no mandinika ny toetran'ilay olona hiarahany, raha azony antoka fa hanambady azy ilay lehilahy dia tsy misy olana amiko raha hanao firaisana ara-nofo izy roa, fa misy koa dia tena ilay firaisana ara-nofo no ilainy fa tsy ilainy ny resaka vady. Ary farany dia misy ny vehivavy, zanaka no ilainy dia ampy azy fa tsy ilainy ny vady.
Koa safidy io ho an'ny tsirairay e!
113. ari.malala ( 27/06/2008 08:12)
voilà, zay zao mazava tsara ny an\'i naritsimba, sady fohy no mazava fa tsy ilàna quote etsy quote eroa!

ny maha virjiny conviction personnelle an\'ny tsirairay izany, tsy ilàna dradradradraina eran\'ny vazan-tany ohe za zao Xtaona fa za mbola virjiny, fa tsy mampitombo na mampihena 1g ny vary hanin\'izay mandre azy akory zany :°)

Hoy i rebeccaF:
Hanampiko izay voalazan’i stilo io dia izao: Tsy misy fahavonona handray andraikitra ao na kely aza: na amin\'ny tenany izany, na amin\'ny hafa koa.

Raha sendra tsy fantatrao tompoko dia misy ny olona tsy mila mariazy akory dia efa miteraka satria izay no tiany ! Noho izany tsy marina ny fanaovanao bambaray hoe tsy misy fahavononana handray andraikitra ao na dia kely aza !


miombonkevitra tanteraka! ho anà manokana, tsy tanjona ny fanambadiana!! misy fiteny izay (tsy haiko mou na fomba fiteny izy io, na hevitr\'olona) hoe ny vady azo soloina fa ny zanaka ts azo soloina, d hoanà zany ny zanaka no priorité, ts olana amko na manambady ah na tsia fa refa manana zanaka ah hiaraka miriaria amko eo am fianana d ampy ana tsara izay :°) (d kiano ndray hoe ts responsable ah fa tsy olana mintsy hihihihi!)

momba ilay resaka latsa sns, fa inona no tombon-tsoa amin\'ilay mandatsa kay? mitondra in hoanao ny fandatsana olona? hitako hadalana anie raha ohatra zavatra efa fantatra no idirana nefa andatsana olona e! iverenako ilay hoe mpivarotena taloha d navotan\'ilay rangahy, en connaissance de cause izy naka vady ilay vevavy, ko manin aty afara latsaina izy? hadalana izany amko! ary raha atao indray hoe ts fantatra fa nafenina, ianao mandatsa io v tena siora 100% fa tsy misy kianina ny fiananao? izay nge le hoe izay tsy manota aminareo no aoka hitoravato azy e!

Hamaranako ny teniko d zao, hitako i rebeccaF fa tsy resy lahatra mints n\'inon\'inona lazain\'ny olona k d zao, raiso atovy quote dool ze nolazaiko ts manin, fa za ts hamaly ity dinika ity itnsony, fa enao iany no manana ny marina! :°)
114. xxx ( 27/06/2008 08:51)
ari.malala

efa hoe aza mamaly azy intsony fa tsy adihevitra ny eto
mody manontany izy fa araky ny nolazany xxx etsy ambony dia efa fantany ny valiny sady hanakiana izay tsy manaraka ny heviny fotsiny no tena fotondiany

io no mahavoa an'TONY kristiana tapany tony, tsy mahay mietry tena @ fanehoankevitra fa mitetateta manoatra noho ny kisoa mahita fotaka, ary mora vexé izy rehefa tsy mety resena lahatra ianao de lazainy fa be fahotana, izy mantsy dia olomasina e ! Efa manana tiket hidirana any amparadisa izy io. Izany hono no kristiana e =D> =D> =D> =D> Masina rebecca :°)

Ny fanentrentena an'ny olomisaina, tsy mila manery olona hanaraka ny hevitrao.

Aleo izy hitazona ny heviny sy hampihatra azy @ fiainany. Samy mizaka ny vokatry ny safidiny ny tsirairay fa tsy miandry lesona avy aminy izay miseho ho faratapony
115. rebeccaF ( 27/06/2008 20:50)

aho:
Hanampiko izay voalazan’i stilo io dia izao: Tsy misy fahavonona handray andraikitra ao na kely aza: na amin'ny tenany izany, na amin'ny hafa koa.

Raha sendra tsy fantatrao tompoko dia misy ny olona tsy mila mariazy akory dia efa miteraka satria izay no tiany ! Noho izany tsy marina ny fanaovanao bambaray hoe tsy misy fahavononana handray andraikitra ao na dia kely aza !

Mba asio lojika ny resaka ry xxx! Zavatra roa tsy mitovy mihitsy izany, na dia atao hoe samy safidy aza. Ny iray mifidy ny hiteraka, ary ny iray kosa mifidy ny tsy hiteraka. Izany hoe: ny iray positif ary ny iray negatif. Acte mitovy no ataon’izy roa, ary vokatra mitovy koa noho izany no tokony ho azo.
Ny iray anefa dia efa nifidy dia eny mialoha ny tsy handray andraikitra amin’izay vokatry ny acte ataony. Ary nanao ny fomba mba ialana amin’izany dia ny fanakanana ny fiterahana izany. Noho izany nampiasa kapoty izy.
Ny iray kosa dia efa vonona dia eny mialoha ny handray andraikitra amin’ny acte ataony. Ary tsy hampiasa kapoty mihitsy. Ataoko fa hitanao ny mahasamihafa azy.
aho:
1 – Hilaza ianao hoe: mety mbola mianatra izy roa ka izay no antony.
Dia hoy aho: raha samy mahalala izy roa hoe: samy mbola mpianatra, inona kay ny adidiny voalohany sady prioritaire kokoa manoloana ilay olon-tiany?
Ny mpifankatia ve tsy mifampitondra any amin’izay mahasoa no tokony hilofosany? Izany hoe ny tia tokony hitsinjo izay hahasoa ny tiany, ary ny tiany koa manao toy izany.
Inona ary no tena mahasoa azy roa, raha samy mbola tanora mpianatra izy? Ny manao firaisana ve? Inona no ho vokatr’io? Tsoriko fa korontana foana no ho vokany. Lazaina moa fa negatif foana ny fomba fijeriko, fa tsy maninona fa jereo ny zava-misy: Moa nisy ny vohoka tsy nirina, ny zaza tsy ampy taona behoka, ny sida, sns… raha ohatra ka tsy nisy ny firaisana mialohan’ny fanambadiana (sy ivelan'ny fanambadina)? (marihana aloha fa tsy misy resaka viole eto, ary resaka firaisana no ifantohan'ny resaka).

Dia hilaza ianao hoe: izay anie no hanaovana kapoty e!
Ny fanaovana kapoty dia manabe ny tanora tsy ho respoansable. Hiala sy andositra ny zavatra sarotra, ary tsy hijery afatsy ny tenany ihany.
Raha ny adidin’ny tia amin’ny tiany no jerena akaiky, raha samy mbola mpianatra izy, ary samy mbola tsy te hivady sy hiteraka fa samy mbola te hanohy ny fianarany: dia ny fifanohanan’izy roa amin’izay safidy heveriny fa voalohany sy maika izay no tokony hataony. Izany hoe: ny andraikitry ny tsirairay dia ny mifehy ny tenany sy manampy ny tiany hahafehy tena koa.
Ny kapoty dia manafoana izay fandraisana andraikitra izay, ary manome vahana ny toe-tsaina tsy mijery afatsy ny tena ihany. Dia jereo ny zava-misy fa tsy misy afatsy antony roa ihany no hanaovan’ny tanora kapoty:
1 - sao marary, izany hoe: miray isika fa raha ianao miaraka amiko no marary tsy olana fa izaho kosa tsy tokony harary. Inona anefa no andraikitra tokony horaisina manolona ny tiana? Ny hiaro ny tena tsy harary fotsiny ve sa ny hitsabo azy raha marary izy? Ary raha ohatra ka tsy marary izy fa ny tena no marary, inona no andraikitry ny tena manoloana azy? Ny hanao ny fanao ihany ve ka hampiasa fiarovana mba tsy hamparary azy sa ny hifampitaiza mba tsy hahalatsaka azy amin’izay efa nahavoa ny tena?
2 – Sao bevohoka, (tsy iverenako intsony satria efa mazava izay voalazan’i stilo).


Hoy xxx 100: “Aza maika hisaina izay mety holazaiko tompoko fa toa tsy takatrao ny fomba fisainako !
Efa soratako mazava aza fa tsy fombana ny kapoty ny soratro mbola tsy azonao ihany fa lazainao fa hiteny aho hoe izany no antony hampiasana kapoty ! ”

Mba lazao àry ny hevitrao mba ho hita!
Ary raha misy hanoheranao izay voalazako dia mba lazao fa mihaino aho. Ny hoe tsy fantatro ny fomba fisainanao, dia manaiky izany aho, satria na ianao aza tsy mahalala hoe: iza ianao?

aho:
1 - sao marary, izany hoe: miray isika fa raha ianao miaraka amiko no marary tsy olana fa izaho kosa tsy tokony harary. Inona anefa no andraikitra tokony horaisina manolona ny tiana? Ny hiaro ny tena tsy harary fotsiny ve sa ny hitsabo azy raha marary izy? Ary raha ohatra ka tsy marary izy fa ny tena no marary, inona no andraikitry ny tena manoloana azy? Ny hanao ny fanao ihany ve ka hampiasa fiarovana mba tsy hamparary azy sa ny hifampitaiza mba tsy hahalatsaka azy amin’izay efa nahavoa ny tena?

Heverinao fa tsy mety mitranga amin'ny mpivady ve ny hoe "sao marary" ! Jereo ery ambany fa manjary miverimberina.

Misy fanontaniana mipetraka ireo tompoko maninona raha valiana?
aho:
Tena mahatsara ny taranaka tokoa, ary izay no tena izy. Donc tsara ny mifehy tena mba tsy hanao firaisana raha tsy efa manam-bady.

Fa ilay fanontaniana tsy voavalinao hatramin'izao koa dia ny hoe: Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadiana? Inona no antony na eny na tsia ?


Asa ianao tompoko raha mba mamaky na maika hanoratra lava be fotsiny. Indroa izao ianao no hitako tsy mamaky akory ny soratro. Tedavo ao ambony any ambony any tompoko fa efa novaliako io.

Eny, tena mamaky tokoa aho fa mba jereo kely hoe misy xxx firy kay eo? Dia iza amin’ireo ny anao?
Heveriko fa isany zavatra tsara ny fisian’ny fifanajana ao anatin’ny ady hevitra. Isany voalohany amin’izany ny fisehoana hoe ity aho miresaka aminao. Alaivo sary an-tsaina hoe: miresaka amin’ny olona ianao dia miafina any ambanin’ny lakavy na misaro-tava miafina, na manome lamosina… Aleo tsy halavaina fa sao lazaina ho manome moral aho.

aho:
Ilay tahotra ny responsabilité be amin’ny fanana zanaka maro aloha dia efa laviko. Tsy tahotra velively no mibaiko azy fa ny andraikitra amin’ny taranaka, hoy ny soratra Masina: “Miteraha maro, mameno ny tany, ary mizaka azy”.
Hamafisiko fa tsy misy resaka tahotra na kely aza raha ny mpivady no mampiasa ny kapoty.
Ilay tahotra ny aretina aloha dia efa tsy misy. Raha misy iny dia efa mipetraka ny fifampiahiahiana eo amin’izy roa. Izany hoe: mihena ny fifampitokisana ary mety ho foana mihitsy aza.
Eo amin’ny resaka vohoka indray dia izao: Tsara ny manamariaka aloha fa tsy ny mpivady rehetra no mampiasa azy ity. Faharoa dia isany adidin’ny vady amin’ny vadiny ny miray aminy. Mariky ny mahairay azy ireo izany. Isany antony iray lehibe azo hanafoana ny fanambadiana ny tsy fahafahan’ny lahy na ny vavy manantateraka izany.


Ny filazanao hoe na kely aza tompoko dia mampiharihary ny tsy fahampian'ny fanadihadiana ataonao. Tsy vitsy mihitsy ny vehivavy na dia efa manambady aza dia tsy mbola mety miteraka noho ny tahotra izany hoe ho reny izany. Misy ny efa teraka ny zaza mbola mitaintaina foana amin'ny andraikitra be. Ary inona moa ny dikan'ny tenin'i sitlo hoe mbola tsy manam-bola ? Tsy ny responsabilite amin'ny zanaka ve no atahorana tsy ho vita raha tsisy ny vola ? Tahotra e !

Ny fitahitainana sy ny tebiteby amin’ny fanabeazana ny ankizy dia tsy azo lazaina velively ho tahotra ny fandraisana andraikitra andrematoa. Ny mifanohitra amin’izany aza no izy, satria ny reny sy ny raim-pianakaviana dia samy vonona ny hanao ny ainy tsy ho zavatra ho an’ny zanany. Noho izany dia normal raha misy ny fanahiana sy ny tebiteby ao amin’izy ireo. Izay fanahiana sy tebibety izay dia manosika azy hanefa ny adidiny sy ny andraikiny fa tsy hitondra azy handositra an’izany akory.
Ny tebiteby sy ny fanahiana ao amin’ny mpivady dia tsy mitovy mihitsy amin’ny tahotra misy ao amin’ny mpisipa. Ny tahotra ho an’ny mpisipa dia mitondra azy ireo avy hatrany any amin’ny fandosirana andraikitra sy adidy. Io tahotra io koa dia mifototra indrindra amin’ny fijerena ny tombon-tsoan’ny tena manokana sy ny tsy fahampianan’ny fifampitokisana.
Ary raha mba manaraka ny forum eto ianao tompoko dia tokony efa nahita ny valin-teny atoan'ireo efa ray aman-dreny amin'ny resaka fandrindram-piterahana. Raha tsy mbola nahita ianao tompoko fa manao affirmation gratuite fotsiny mamaly ahy, dia hilazako ianao fa efa nandeha teto ny hoe aleo iray dia voakarakara tsara toy izay maro nefa tsy araka akory.

Ny iray tompoko dia tsy mitovy amin’ny tsy misy. 1 # 0


aho:

Ny mandrindra vohoka tompoko dia tsy mitovy velively amin’ny hoe: manakana vohoka tsy hisy mihitsy (toy ny fanaon’ny tsy mpivady nefa miray).
Ny iray voalohany dia mandrindra ny fiterahana (mielanelana 2 na 3 na 4 taona arakaraka). Ity iray faharoa kosa dia manakana avy hatrany ny tsy fisiany mihitsy. Izay mbola azo heverina hoe: raha misy dia mety ho esorina mihitsy angamba!


Ny olona miandry manambady vao miteraka koa tompoko dia fandrindrana fiterahana koa no ataony, fa tsy hoe fanakanana vohoka tsy hisy mihitsy izany. Sa efa hitanao angaha tompoko ny ampitson'izy ireo ka lazainao fa hosakananny tsy hisy mihitsy ?

Voalohany indrindra aloha dia asa raha mba fantatrao miteny io ny atao hoe: fandrindram-piterahana.
Misy centre maro no mikarakara ny momba azy io any Madagasikara ka toy izao ny fandehany:
Misy ny sampana indraiketan’ny Fiangonana. Ho azy ireo dia mazava fa fandrindram-piterahana no atao. Ny mpivady no mila manatona ny toby miaraka mandray ny fampianarana. Izany hoe: ho an’ny mpivady ny fandrindram-piterahana raha ny tena marina. Mbola manamafy izany ny zava-misy amin’ireo toby maro tsy miankina (na amin’ny fanjanakana io na amin’ny fiangonana) satria misy amin’izy ireny ny mitaky ny presence ny mpivady.
Ny toby sasany kosa dia tsy mba fandrindram-piterahana ihany no ataony. Ho azy ireo indray dia ny ady amin’ny vohoka tsy irina no tena imasoany, ary ho an’ny tanora no tena iantefan’ny hafatra ataony. Tsy misy resaka fandrindram-piterahana na kely aza.
Raha mbola tsy mazava dia izao: ny olona mandrindra Fiterahana dia olona afa niteraka na vonona ny hiteraka sy hitaizana ny zanany tsara. Fa ny olona miady amin’ny vohoka tsy nirina kosa dia olona tena tsy mbola vonona ny hiteraka mihitsy, ary mbola tsy mieritreritra ny hitaiza mihitsy.

Aminao ve izany tompoko rehefa hoe ny sasany amin'ny vohoka fotsiny no sakanana dia mitovy amin'ny tsy nanakana izany ?

Aminao ve mitovy ny atao hoe: Fisakanana sy ny atao hoe Fandrindrana?

aho:

Raha lazainao fa affirmation gratuite io, dia asehoy ny maha affirmation gratuite azy aloha!


Ianao tompoko no afaka manome porofo amiko raha tena tsy affirmation grauite tokoa ! Ny zava-misy tompoko dia misy mihitsy izany hoe mpivady tsy mifampatoky. Raha efa nanaraka forum teto ianao tompoko dia tokony mahafantatra fa misy ny vehivavy mihitsy no manome kapoty ny vadiny mandeha mission, ary mampiasa kapoty rehefa vao miverina ilay rangahy.

Dia tsy iverenako intsony izay efa voalazako fa mba ivereno vakina ery ambony ery (jereoko koa eo amin’ny n°63) , ary valio ilay fanontaniana mipetraka ao, sy ireo fanontaniana mapetrako eo ambony eo ireo!
116. rebeccaF ( 27/06/2008 20:54)
yonikafopl: Efa voavaly efa elabe ny fanontanianao: mba jereo eo amin'ny n°53 sy 63.

Misy fanontaniana mipetraka aminao kosa ireo mba valio hoe!
117. rebeccaF ( 27/06/2008 21:10)
xxx110:
Ny notions de base rehetra no tsy fantatrao raha izao no fanontaniana apetrakao , franchement cette discussion n'aurait pas dû avoir lieu

Ka raha lazainao fa tsy haiko ahoana raha mba lazaina hoe: izao no izy hojerena!
Raha tsy mitovy fijery aminao sy amin'ny maro ve aho dia sahinao ny milaza fa tsy mahalala aho, na diso hevitra?
Maninona raha ampitahana ny fijery dia ho hita eo hoe: aiza no marina sy diso?
118. rebeccaF ( 27/06/2008 21:25)
naritsimba:
Ny hoe virjiny na tsy virjiny dia miankina @ tsirairay io. Anjaran'ilay vehivavy no mandinika ny toetran'ilay olona hiarahany, raha azony antoka fa hanambady azy ilay lehilahy dia tsy misy olana amiko raha hanao firaisana ara-nofo izy roa, fa misy koa dia tena ilay firaisana ara-nofo no ilainy fa tsy ilainy ny resaka vady. Ary farany dia misy ny vehivavy, zanaka no ilainy dia ampy azy fa tsy ilainy ny vady.
Koa safidy io ho an'ny tsirairay e!

Dia any amin'ny hasin'ny fanambadiana mihitsy raha izany no efa tsy misy intsony, tsy mahagaga raha lazaina fa lany andro ny resaka fanambadiana ankehitriny.

Fa ho anao naritsimba no hametrahako indray ilay fanontaniana hoe: Atao inona kay ny firaisana aranofo (na koa hoe: inona no ilaina azy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona ?) ?
119. rebeccaF ( 27/06/2008 21:47)
yonikafopl:
Fa eo am le resaka virjiny sy tsy virjiny, ho inonao moa ny fiainan'ny hafa? raha mbola virjiny ianao ka te hijanona virjiny dia anao manokana izay, tsy misy idiran'ny manodidina? sa ve mihevitra ianao fa hahazo laza sy voninahitra fa hoe virjiny??? efa nilaozan'ny taona elabe tany izany toetsaina izany.

Tsy mitady laza araka ny hevitrao aho, ary tsy mila an'izany mihitsy. Mizara izay hitako fa tsara sy mahasoa ny hafa aho. Na dia tsy ho azy mivantana aza, fa ho an'ny zanany ho avy ny firenena.

Ny zavatra tiako hasongadina dia ny hoe: ilaina ny manana personnalité, ary ny tsy fanana an'io no mbola maha firenena mahantra antsika mandrak'ankehitriny. Tsy misy mijoro amin'ny maha izy azy fa mpanara-drenirano no betsaka. Malaza ny liberté sexuelle dia lasa mirohitra manaraka an'iny toa tsy mitsinjo akory hoe: inona no ho vokany? Dia lazaina fa lany andro ny fahavirijinina nefa tsy misy sahy milaza sy manamporofo na dia iray aza fa ratsy izany!

120. xxx ( 27/06/2008 21:56)
rebeccaF:

Mba lazao àry ny hevitrao mba ho hita!
Ary raha misy hanoheranao izay voalazako dia mba lazao fa mihaino aho. Ny hoe tsy fantatro ny fomba fisainanao, dia manaiky izany aho, satria na ianao aza tsy mahalala hoe: iza ianao?

:-D Tsy hitanao angaha ireo hevitra be dia be ireo andriamatoa ? lol

rebeccaF:
Misy fanontaniana mipetraka ireo tompoko maninona raha valiana?

Ny hevitro no asehoko andriamatoa fa tsy hoe mi-satisfaire ny fitiavanao mametraka fanontaniana aho. Ary ianao milaza hoe valio ny fanontaniana moa maninona no tsy namaly koa ? lol

rebeccaF:
Eny, tena mamaky tokoa aho fa mba jereo kely hoe misy xxx firy kay eo? Dia iza amin’ireo ny anao?

Raha tena namaky ianao andriamatoa dia tokony nahita ! Noteneniko mazava mihitsy tamin'izaho namaly hoe xxx iza aho ! Andramo anie e ! ;)
Ary efa naveriko indray koa fa asa raha hitanao tsara.

rebeccaF:
Heveriko fa isany zavatra tsara ny fisian’ny fifanajana ao anatin’ny ady hevitra. Isany voalohany amin’izany ny fisehoana hoe ity aho miresaka aminao. Alaivo sary an-tsaina hoe: miresaka amin’ny olona ianao dia miafina any ambanin’ny lakavy na misaro-tava miafina, na manome lamosina… Aleo tsy halavaina fa sao lazaina ho manome moral aho.

lol ... sao tokony hampiseho sary aloha i rebeccaF e ! Toa manome lamosina izany ny fahitako anao fa tsy hitako endrika akory :-P

rebeccaF:
Ny fitahitainana sy ny tebiteby amin’ny fanabeazana ny ankizy dia tsy azo lazaina velively ho tahotra ny fandraisana andraikitra andrematoa.

Loza izany andriamatoa ! Fa taiza aho no niresaka tebiteby taminao ? Tahotra no noresahiko, ary mazava be ny soratro fa ianao no namadika hoe tebiteby lol.

rebeccaF:
Ny mifanohitra amin’izany aza no izy, satria ny reny sy ny raim-pianakaviana dia samy vonona ny hanao ny ainy tsy ho zavatra ho an’ny zanany. Noho izany dia normal raha misy ny fanahiana sy ny tebiteby ao amin’izy ireo. Izay fanahiana sy tebibety izay dia manosika azy hanefa ny adidiny sy ny andraikiny fa tsy hitondra azy handositra an’izany akory.

Mba asiao lojika andriamatoa ! Vonona hanao ny ainy tsy ho zavatra ho an'ny zanany ve dia vao eo amin'ny hoe ny miteraka aza tsy sahy atao akory !

rebeccaF:
Ny tebiteby sy ny fanahiana ao amin’ny mpivady dia tsy mitovy mihitsy amin’ny tahotra misy ao amin’ny mpisipa. Ny tahotra ho an’ny mpisipa dia mitondra azy ireo avy hatrany any amin’ny fandosirana andraikitra sy adidy. Io tahotra io koa dia mifototra indrindra amin’ny fijerena ny tombon-tsoan’ny tena manokana sy ny tsy fahampianan’ny fifampitokisana.

Raha tinao koa andriamatoa dia tsy mitovy ny tahotra ao amin'ny tanora roa ! Saingy izany rehetra izany tsy misy mampivadika hoe tebiteby na fanahiana araka ny tianao hiantsoana azy ny tahotra ao amin'ny olona efa mivady - ka mahatonga ny sasany misakana ny vohoka ! ;)

Ankoatra izay, raha tsy fantatrao koa andriamatoa dia misy ny olona tsy te hiteraka na manambady aza satria manimba ny bikan'ny vehivavy hono ny fitondrana vohoka ! Tombontsoan'iza izany ?

PS : Hevitra hafa aroso raha misy fa aza lany andro manarontsarona ny zavatra misy amin'ny fanodikodinana ny teny Malagasy ...

rebeccaF:
Ny iray tompoko dia tsy mitovy amin’ny tsy misy. 1 # 0

Toa tamin'ny T1 aho andriamatoa dia efa nahafantatra io fa sao ianao mihevitra hoe nanaporofo theorem vaovao tamiko raha nitondra io teto. :-D :-D :-D

Tsy hanaporofo mihitsy hoe mitovy ny 1 sy ny 0 no nataoko teo andriamatoa, fa raha manaraka ianao dia tokony nahafantra fa hampiseho aminao ny eritreritry ny olona efa mivady sasany ka mahatonga azy irenyhanakanana ny vohoka. Ary tsy novalianao koa andriamatoa ny fanontaniako : Efa hitanao angaha ny ampitson'izy ireny ka fantatra fa hosakanany tsy hisy mihitsy ... Mety miteraka izy any aoriana dia ho lasa 1 ny isan'ny ankizy fa tsy 0 :-D

rebeccaF:
Voalohany indrindra aloha dia asa raha mba fantatrao miteny io ny atao hoe: fandrindram-piterahana.
Misy centre maro no mikarakara ny momba azy io any Madagasikara ka toy izao ny fandehany:
Misy ny sampana indraiketan’ny Fiangonana. Ho azy ireo dia mazava fa fandrindram-piterahana no atao. Ny mpivady no mila manatona ny toby miaraka mandray ny fampianarana. Izany hoe: ho an’ny mpivady ny fandrindram-piterahana raha ny tena marina. Mbola manamafy izany ny zava-misy amin’ireo toby maro tsy miankina (na amin’ny fanjanakana io na amin’ny fiangonana) satria misy amin’izy ireny ny mitaky ny presence ny mpivady.
Ny toby sasany kosa dia tsy mba fandrindram-piterahana ihany no ataony. Ho azy ireo indray dia ny ady amin’ny vohoka tsy irina no tena imasoany, ary ho an’ny tanora no tena iantefan’ny hafatra ataony. Tsy misy resaka fandrindram-piterahana na kely aza.
Raha mbola tsy mazava dia izao: ny olona mandrindra Fiterahana dia olona afa niteraka na vonona ny hiteraka sy hitaizana ny zanany tsara. Fa ny olona miady amin’ny vohoka tsy nirina kosa dia olona tena tsy mbola vonona ny hiteraka mihitsy, ary mbola tsy mieritreritra ny hitaiza mihitsy.

Fantatro ny atao hoe fandrindram-piterahana andriamatoa ! Ny filazana fa ny mpivady ihany kosa tompoko no mandeha amin'ny fandrindram-piterahana dia tsy heveriko fa tsy marina. Ary tsy ny fandehanana amin'ny toby tompoko no midika hoe mandrindra fiterahana na tsia ... ! ;)

rebeccaF:
Aminao ve mitovy ny atao hoe: Fisakanana sy ny atao hoe Fandrindrana?

Tsia tompoko ! Fa aminao indrindra andriamatoa no hitako mitovy ny hoe fisakanana sy ny hoe fandrindrana, ary izany indrindra no antony nanontaniako anao, saingy tsy novalianao fa aminao ve rehefa hoe ny sasany no sakanana fa ny sasany avela dia midika hoe tsy nanakana ? :-D :-D :-D

rebeccaF:
Dia tsy iverenako intsony izay efa voalazako fa mba ivereno vakina ery ambony ery (jereoko koa eo amin’ny n°63) , ary valio ilay fanontaniana mipetraka ao, sy ireo fanontaniana mapetrako eo ambony eo ireo!

Tsy hiverenanao satria manahirana anao o ! Ny isan'ny voalazanao eo amin'ny 63 mantsy dia hoe
rebeccaF:
Sarotra ho anao ny hahatakatra ny valin'ireo fanontaniana ireo raha ohatra ka mbola tsy manam-bady ianao, na mbola tsy mieritreritra an'izany.

... ary ianao ihany no nilaza fa sady tsy mbola manambady ianao no tsy mbola nanao firaisana ;)
Ary na hilaza hoe nanao fanadihadiana aza ianao tompoko dia tsy marina ny fanadihadiana nataonao raha sahy milaza ianao fa tsisy resaka tsy fifampitokisana ny antony hampiasan'ny mpivady kapoty ! Efa nolazaiko io ny antony andriamatoa.

Fehiny andriamatoa : Mety misy tahotra amin'ny mpivady sasany mampiasa kapoty ... Misy tsy fifampitokisana no antony hampiasan'ny mpivady kapoty ... Mety misy fijerena ny tenany fotsiny ... Ireo antony ireo no tena lazainao hoe tsy ankasitrahanao ny kapoty ho an'ny tanora ... Nefa dia ekenao ny kapoty ho an'ny mpivady. Absurdeeeeeeeeeeee.

PS : Tsy andriamatoa aho andriamatoa ;)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0749