Fitiavana sy ny kapoty

21. rebeccaF ( 22/06/2008 13:57)
tess:
fa inona moa no hidiran'ny hoe fampiasàna saina sy ny hoe manaonao foana sy ny hoe fanahy handalnjalanja eto ry rebecca???

Efa voalazako ery ambony ery io. Fa averiko: ny olona dia manana SAINA sy FANAHY fa tsy toy ny biby izay baikon'ny instinct. (valin-teny nomeko an'i xxx)

Fanazavana misimisy kokoa: lazaina fa manaonao foana ny olona rehefa manao acte iray nefa tsy manana ny fahafahana feno tanteraka. Tsy misy anefa ny fahafahana feno tanteraka raha ohatra ka tsy ho afaka mandanjalanja ilay olona, izany hoe: tsy misy fahalalana feno ny zavatra hataony: inona ilay zavatra, inona ny antony manosika hanao na tsy hanao an'io, inona no tanjona amin'ny fanaovana na tsy fanaovana an'izany?
tess:
ary oatran'ny tsy ekenao ilay hevitra hatolotro fa tsy voatery hanaraka ny lazaiko enao fa mametraka dinika ianao dia mamaly tostra fotsiny aho

ka dinika anie no atao eto e! Ady hevitra, ary tsy voatery hitovy hevitra, ary hevitra no ampiadina. Ary arakarak'izay voasoratrao no hamaliako azy koa.
tess:
tsy angamba fa tena marina, experience ho anao ihany ny fanaovana firasiana alohan'ny fanambadiana, raha mbola virja moa ianao no hanambady dia manaraka ho azy eny hainao miandalana ihany koa io
mazava ve ry rebecca

Ka raha lazaina fa experience fotsiny ihany no antony hanaovana azy. Ny olona tsy manao firaisana mialohan'ny fanambadiana anefa dia tsy azo lazaina mihitsy hoe: taraiky raha rehefa manam-bady vao manao izany.
Ny fanontaniana azo apetraka àry dia hoe: Inona izany no tombony azon'ilay nanao firaisana mialohan'ny fanambadiana, ary inona kosa ny tombony azon'ilay niandry ny fanambadiana vao nanao firaisana?

tess:
fa tsy azoko e! mamaly hevitra ve ilaina mila hoe tsy maintsy hevitra araka ny tianao tadiavina sa ahoana???sinon sorito dieny mialoha ilay izy hoe hevitra tena sur 100°/° NO TADIAVIKO fa izay f
misy fisalasalàna tsy mila mamaly

Olon-dehibe isika miresaka eto, ary ady hevitra no atao. Izaho tsy mitaky hoe: hevitra sur 100°/° no tadiaviko, fa averiko hoe: ady hevitra no atao. Ary misy lohahevitra sy fanontaniana mazava. Ary arakarak'izay no iangan'ny resaka. Ny soratrao no valiako, arak'izay voasoratrao eo.
22. ainaheri ( 22/06/2008 14:03)
Za kou ané mba gaga ry tess ee... io ny hevitro d aona no anontaniana ndray we fa aona sy aona,raha hainao ny valiny maninona no anontaniana ndray ary eee......Mba omeo ndray ny hevitry rebeecaf ary ee
23. rebeccaF ( 22/06/2008 14:07)
xxx:
ary raha ny famalian'i rebbeca ny mpamaly hevitra rehetra eto izany dia diso sy tsy marina daholo, noho izany hainao ihany izany ny valinteninao amin'ny dinika apetrakao ka maninona no nampiditra ito hevitra ito

Dinika no atao hoy aho. Ady hevitra.
Manana ny position-ko manokana aho, ka moa tsiniko ve ny hitana izany ao anaty ny ady hevitra?
Ary moa tsy tokony hametraka lohahevitra ve ny olona iray manana ny heviny manokana?

Tsoriko fa tsy fanontaniana hoe: 2 + 2 = firy ? no napetrako, fa fanontaniana manokatra sehatra iadin-kevitra . Raha ilay voalohany io mantsy dia tsy tokony napetraka tokoa ilay fanontaniana, satria fantatro ny valiny, izay tokana ihany (4) .
24. rebeccaF ( 22/06/2008 14:19)
ainaheri:
Za kou ané mba gaga ry tess ee... io ny hevitro d aona no anontaniana ndray we fa aona sy aona,raha hainao ny valiny maninona no anontaniana ndray ary eee......Mba omeo ndray ny hevitry rebeecaf ary ee

Angaha tsy hitanao ny hevitra voalazako?
Ho ahy dia tsy ilaina ny manao firaisana mialohan'ny fanambadina: manana ny fotoanany ny fanaovana izany dia amin'ny fotoanan'ny fanambadiana (jereo fa efa voalazako ery ambony ery io).
Ho ahy dia tsy ilaina ny manao firaisana mialohan'ny fanambadiana satria: mitory ny maha izaho ahy izay (efa voalaza any ambony any koa io).
Ho ahy dia tsy misy tombony manokana ho an'ny vehivavy ny manao firaisana mialohan'ny fanambadiana satria: faharavana ho an'ny ho avy ny fanaovana izany (jereo fa misy fanontaniana napetrako ery ambony ery momba ny fampitahana ny tombony azon'ny vehivavy manao firaisana mialohan'ny fanambadiana sy tsy manao izany)
25. xxx ( 22/06/2008 14:49)
ka manana ny heviny koa ny tsirairay mamaly ny hevitrao ...fa lazainao fa manakiana ny hevitra atsipinao...samy manana ny heviny sy ny fisainanay ny tsirarairay ary ady hevitra koa ny ataon'ny mpamaly fa tsy hoe inona akory
ka raha ahitanaoa tisniny daholo sy fanankianana dia tazomy izany ny hevitrao fa efa voavaha ny olana nanotanianao :-D :-D :-D :-D :-D
izahay moa tsy mahita ambara intsony fa dia efa haianao be mihintsy ny valinkeivtrao dia vita izany ny ady hevitra hahahaahah!
26. ainaheri ( 22/06/2008 16:46)
rebeccaF>> Mbola mamerina ny saika nolazaiko aza i xxxx lol,....ary nolazaiko kou ny hevitro d maninn no tsongolohon'i rebeccaF ?? Ary za tsy mitsara ny hevitr'iza satria samy manana ny fomba fisainany sy fiainany,ka sarotra ny hampitovy ny hevitry ny oul @ hevitro. :lol:
27. xxx ( 22/06/2008 17:23)
. Mpandefa :3: xxx [ Valio ] 21-06-2008 16:45:17
Lohateny : Re : Fitiavana sy ny kapoty
Voalaza teo :
Tena ilaina ve ny firaisana mialohan'ny fanambadina ?


eny madama


fa inona foana no mahatonga anareo antitra hametra ny firaisana aranofo ho eo anivon'ny tokantrano fotsiny e ?


marina ve aloha hoe antitra i xxx araka voalazan'i xxx3 io fa otran'ny kizitina izany hihihihi......!!!!
28. rebeccaF ( 22/06/2008 18:31)
xxx:
ka manana ny heviny koa ny tsirairay mamaly ny hevitrao ...fa lazainao fa manakiana ny hevitra atsipinao...

Aiza aho no nilaza fa manankina ny hevitra atsipiko ny hafa? Aza mandainga sy mamorona rehefa tsy manana argument hanohanan-kevitra e!
xxx:
samy manana ny heviny sy ny fisainanay ny tsirarairay ary ady hevitra koa ny ataon'ny mpamaly fa tsy hoe inona akory
ka raha ahitanaoa tisniny daholo sy fanankianana dia tazomy izany ny hevitrao fa efa voavaha ny olana nanotanianao

Dia mba fantaro aloha ny antsoina hoe ady hevitra. Tsy hoe filazana fotsiny ny hevitrao, ka rehefa tsy eken'ny hafa, na hadihadiany lalindaliana kokoa dia lazaina fa mpanakina izy.
Ianareo itony angamba karazan'ireny olona tsy mba valin-teny ireny ka raha vao toerina kely dia miakatr'afo. Moramora ihany e!
xxx:
izahay moa tsy mahita ambara intsony fa dia efa haianao be mihintsy ny valinkeivtrao dia vita izany ny ady hevitra hahahaahah!

Rehefa resy lahatra ka tsy misy alahatra intsony, ary tsy afa-manohina intsony izay nalahatra dia izay koa no fahendrena.

NB: Amin'ny manaraka dia mba honnête, aza dia mandainga loatra na mampiteny izay tsy nolazain'ny hafa.
29. xxx ( 22/06/2008 18:39)
ny handresy lahatra fa tsy hampiady hevitra izany i rebeccah !
ary aza miakatra aminy tsy aminapa nama a ! :-D :-D dinika mananihany hihihihi , misaotra ihany e :p
30. rebeccaF ( 22/06/2008 18:42)
ainaheri:
rebeccaF>> Mbola mamerina ny saika nolazaiko aza i xxxx lol,....ary nolazaiko kou ny hevitro d maninn no tsongolohon'i rebeccaF ??

Angaha tsy azo tsongolohana ny hevitrao? Ary tsy fanakianana be fahatany no nataoko fa fametrahana fanontaniana hisian'ny tena ady hevitra. Saingy ilay hevitrao angamba no sarotra aminao no manohana azy, na tsapanao ny fahadisoany, nefa sarotra ny miaiky izany dia aleo miakatr'afo. Ambom-po diso toerana io. Fa raha tena hiady hevitra dia aleo hevitra no alahatra.
ainaheri:
Ary za tsy mitsara ny hevitr'iza satria samy manana ny fomba fisainany sy fiainany,ka sarotra ny hampitovy ny hevitry ny oul @ hevitro.

Tsy misy mitsara ny hevitry ny hafa mihitsy eo. Fifandresen-dahatra no atao, ka raha tsy afaka hanohina izay hevitra nolazainao ianao dia aza lazaina ho mpanakina fotsiny ny hafa.

Averiko fa ady hevitra no hatao, ary tsy misy ny ady hevitra raha mitovy hevitra sy fomba fijery daholo ny rehetra.
31. rebeccaF ( 22/06/2008 18:44)
xxx:
ka manana ny heviny koa ny tsirairay mamaly ny hevitrao ...fa lazainao fa manakiana ny hevitra atsipinao...

Mba valio ity fanontaniana ity ry xxx: Aiza aho no nilaza fa manankina ny hevitra atsipiko ny hafa? Aza mandainga sy mamorona rehefa tsy manana argument hanohanan-kevitra e!
32. xxx ( 22/06/2008 18:44)
27. Mpandefa : rebeccaF [ Valio ] 22-06-2008 20:31:36
Lohateny : Re : Fitiavana sy ny kapoty
Hoy i xxx:
ka manana ny heviny koa ny tsirairay mamaly ny hevitrao ...fa lazainao fa manakiana ny hevitra atsipinao...


hoy i rebecca
Aiza aho no nilaza fa manankina ny hevitra atsipiko ny hafa? Aza mandainga sy mamorona rehefa tsy manana argument hanohanan-kevitra e


hitanao izany ry rebecca fa ianao no mila mandanjalanja tsara izay voasoratrao aloha fa ny vosoratrao aza tsy hitanao sy tsy tsaroanao akory... :-D :-D :-D ity no nosoratanao etsy ambony milaza fa manakiana ny hafa mamaly hevitra eto

14. Mpandefa : rebeccaF [ Valio ] 22-06-2008 14:48:14
Lohateny : Re : Fitiavana sy ny kapoty
Hoy i xxx:
ny faniriana hanana firaisana ara-nofo ange dia voajanahary ho an'ny zava-mananaina rehetra e, ka tsy tokony raràna

Zava-manan'aina tokoa ny olombelona fa saingy tsy mitovy amin'ny BIBY. Manana saina sy fanahy izy, ka ireo no mitondra ny fiainany fa tsy "instinct" ohatra ny biby akory.
Ataoko fa tsy nisy nandrara teo hoe: "tsy azo atao ny manao firaisana". Noho izany tsy mitombina ny fanankianana ataonao.



ka hitanao sa tsia.....??????
33. xxx ( 22/06/2008 18:47)
Noho izany tsy mitombina ny fanankianana ataonao.


Io tsy hitanao ve io zavatra mazava be io!
aleo hipitsika fa tssssss ianao ihany dia efa mahavaly ny dinika sy mahay midinika izany tsy mila ny hafa :-D :-D :-D :-D :-D
34. rebeccaF ( 22/06/2008 18:52)
Mba vakio tsara aloha izay nosoratao ra-xxx.
Hoy ianao: ny faniriana hanana firaisana ara-nofo ange dia voajanahary ho an'ny zava-mananaina rehetra e, ka tsy tokony raràna

Dia taiza anefa no nisy fandrarana ny firaisana ara-nofo tamin'izay rehetra voasotra eo ambony eo. Ataoko fa tsy nisy, Izay no nilazako fa diso be ny fanankiananao. Raha misy dia mba asehoy hoe!
35. xxx ( 22/06/2008 18:55)
reveo manja eo ny kapoty nao e! :-D :-D :-D :-D :-D ita fa nanoratra hoe fanankiananareo, ko lazaina manakiana anao indrya raha mamaly hevitra ny olona koa aiza ary izany miantso mpidinika mamela dinika izany...
mora miaka-pofona be mihintsy ento mora ihany e! :-D :-D :-D :-D
reveo eo ny anao fa tsy miverina eto intsony aho hamaly fa efa voavaly nao amin'ny ara-dalàna ny dinika nataonao .... =)) =)) =))
36. rebeccaF ( 22/06/2008 21:33)
iza no miaka-pofona amin'izao fa tsy ianao? Ianao izay tsy mba azo valin-teny.
Sady miafiana tsy sahy miseho masoandro fa kitahorona. Raha tena lehilahy dia miseho ary tohano ny hevitra lazaina.
37. xxx ( 23/06/2008 03:46)
I RebeccaF izany manohana ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo alohan'ny fanambadiana.

Indramiko ny teniny Tess hoe na hijanona ho vierge ianao hatramin"ny mariage na hi-consomm aloha dia Choix-nao manokana, ary choix sy conviction personnelle. Samy tsara daholo fa anjaranao ny misafidy izay metimety aminao.

Arakaraky ny conviction personnelle sy ny principe de vie ary ny finoanao. Tadidio anefa fa isika olombelona nofo amandra, manana fo, saina ary fanahy, ka indraindray ny partie sasany malemy noho ny sasany.

Mitovy @ hoe tsara, inona ny tsara?
- misotro rano mafana rehefa mangatsiaka be ny ao an-trano sy ny any an-tokotany sa
- misotro rano mangatsiatsiaka eny @ desert de Sahara.

Mbola misy fanontaniana hafa ve?



38. tess ( 23/06/2008 05:04)
hoy rebecca

tohano ny hevitra lazaina.


inona ary ny dikan'ilay hoe tohano ny hevitra, tohanana amin'ny aoana ????
rehefa milaza ny heviny ny mpamaly dia ampy izay ko! ekenao tsara tsy ekenao tsara, samy manana ny fandraisany avy...anjaranao ny mandray ny hevitra ratsy sy tsara fa mampiomehy be ilay hoe tohano ny hevitrao hihihihih
39. naritsimba ( 23/06/2008 05:27)
Ho ahy aloha tsy ilaiko ny kapôty.
Raha fiarovana dia inona no antony iarovan-tena raha tsy misy zavatra ratsy atahorana.
Toy ny hoe hisotro toaka io dia matahotra ny ho mamo, sy ny hoe andeha hilomano dia hitondra elo.
Aleoko ny ahy tsy manao firaisana rehefa fantatro fa ao anatin'ny fotoana maha bevohoka.
40. rebeccaF ( 23/06/2008 10:27)
tess:
inona ary ny dikan'ilay hoe tohano ny hevitra, tohanana amin'ny aoana ????
rehefa milaza ny heviny ny mpamaly dia ampy izay ko! ekenao tsara tsy ekenao tsara, samy manana ny fandraisany avy...anjaranao ny mandray ny hevitra ratsy sy tsara fa mampiomehy be ilay hoe tohano ny hevitrao hihihihih

Inona moa no tokony hampihomehy amin'ny hoe: tohano ny hevitrao?
Aza adino fa ady hevitra no atao. Izay tsy midika hoe: fanomezana information. Raha izay izy dia hafa.
Ao anatin'ny ady hevitra dia aza adino fa misy ny fifamaliana fa tsy hoe: iny ny ahy dia vita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084