Amin'ny anaran'ny Ray.....
41. ikaretsaka
(
24/06/2008 23:51)
aoka aloha hazava fa i Jesosy tsy mivavaka fa miresaka amin-dRainy.
mila mianatra ny Mysticism sy ny corps mystiques ianao ralaza
mila mianatra ny Mysticism sy ny corps mystiques ianao ralaza
42. LazaDaddy
(
25/06/2008 00:04)
ikaretsaka:Nefa toa tsy izany ny voasoratra ao amin'ny Baibolin'ikaretsaka? Vakio anie fa miverimberina ao io e! :)
aoka aloha hazava fa i Jesosy tsy mivavaka fa miresaka amin-dRainy.
43. niryna
(
25/06/2008 01:59)
lizabeth:marina izany.
. Afaka miambozona croix huguenote ny protestanta fa na tsy hiambozona iny aza izy tsy mampiova ny finoany izany.
sahy manandrana mivavaka tsy misy an'ireo ve hianareo ato e.Ny vatana no miditra ao an'efitra mangina ,tsy mitondra na inona na inona fa tonga dia miantso an'i kristy ?
Ny an'ny katolika nefa ohatra raha tsy manana chapelet izany dia ohatran'ny tsy katolika sy tsy mivavaka.
dia ohatr'izay ny amin'ny anaran'ny Ray...: raha hivavaka ianao ao an-trano, eo ampanombohana dia mila miantso ny Fanahy masina ! afaka miteny ve ianao hoe rehefa manao ilay signe dia tonga eo ny FM ary amin'izay ihany ? mandritra ny vavaka ianao afaka milaza "amin'ny anaran'i Jesosy no anaovako izany...", dia raha arahina ilay signe dia misy tsy atao...
hmmm.
misaotra anao fa mazava be toa ny masoandro be lohataona.
hmm
misy zavatra tsy niombonan-kevitry ny protestanta amin'ny katolika, izay ny maha protestanta azy ary afaka avadika koa ny resaka hoe maninona moa izany ny katolika no tsy maintsy manao signe lakroa fa tsy manandratra hira hoe "avia FM" ?
marina tanteraka izany ,ary tsy ny pro ihany fa ny hafa ,tsy ny fiambozonana an'iny na ny fitondrana ny sampilet akory no marika ilazana fa kristiana,na hoe izay tsy manao an'izany dia tsy izy,tsy misy izany koa ao anaty baiboly ao fa marika tany amin'ny tsy mpino (pagans io no noentina tao am-piangonana ,,mbola maro toy ny tara-pahazavana mitsilo ny pilipitra(sun ,dia ny Atra ny masoandro izany ,ny boriboribe amin'ny sary loha rehetra ireny,ny akanjo lafovidy ...
.Na inona zavatra izay heverina fa hamasinina dia toa masina na inona izany na inona.Ny mpanompo sampy koa manamasina omby(ny rany atao fanatitra ) , ny sasany kintana,omby,izay nataon'Atra avokoa ka tsy tokony ho atao ambony noho Izy.
Angaha misy milaza fa ambony noho Izy eo ....io indray izao no mety ho avy eo hi,hi.
Vita hoy ny Tompo ,efa nitondra sy nizaka ny mangidy tamintsika Izy.Efa vita teo amin' ny hazofijaliana izany fa tsy ho lanjalanjaina hatraiza hatraiza akory io ry ika.
Araka ny tenin'ny namana tsy ny fananana an'iny na ny fitondrana [/b] an'iny no tena zava-dehibe ny fo manaiky fa Atra izy no tena ilaina ho an'izay manaraka Azy. Asa anefa fa samy manana ny fomba nampianarina azy ny tsi11 ?
ataovy ny andrana ry ika ,tsy mitsahatra aho ny mampahery anao sy ny namana raha mino sy hihaino dia antsoy mangina Atra ,dia ny fanahinao no miantso ny fanahin'i kristy satria Fanahy Izy.
ny mikipy amin'ny kristiana dia endrik'ilay hoe rehefa hivavaka ianao dia arindrino ny varavarana, izany hoe concentré kokoa ianao raha hikipy, fa afaka tsy mikipy koa ianao mivavaka..., arakaraka ny vavaka ataonao io !
marina tanteraka izany ary averiko indray ika fa tsy izay tenenina hoe tsy maintsy mandohalika aho we,tsy maintsy manao @ RZF ny sary rehetra aho we,tsy maintsy .. rehefa mandalo fiangonana aho we,Raha nampianarina fa tsy maintsy manarako an'izao Religion no hilazana azy toy ny fariseo izay manaraka ny lalana fotsiny hoy i kristy :ny vavany manaiky Ahy kanefa ny fony manavalavitra Ahy
tsy menatry ny maha kristiana azy mihitsy ny protestanta : rehefa hitanao izy fa tsy manao dia izay no maha protestanta sy maha fière azy fa tsy hoe satria izy tsy manao dia tsy sahy miseho mpivavaka !
.Tsotra ny teniko ary efa im-betsaka io no naveriko teto. Diniho foana ny Fanahy izay mampianatra antsika,araho ny baiboly izay milaza ny tokony atao na tsia,raha tsy izany dia fampianarana avy amin'ny olona izany izay ilay izy fa tsy manaraka ny soratra masina.
tsy ny pro irery fa ny hafa ihany koa ...
efa voalaza etsy ambony fany finoan'ny protestanta dia izay ao anatin'ny ary Andriamanitra irery no mahay mahita izany no tena important! na hanao signe lakroa aza ianao nefa ny ao amponao hoe "manao aho satria manao daholo ny olona" dia tsy misy dikany. ary raha katolika ianao dia manao nefa routine sy fomba fotsiny dia tsy misy dikany...!
miombon-kevitra aminao tanteraka aho.Ny fo no manatona an'Atra ,tsy mila na inona na inona
.Ataovy foana hoy aho ny fanandramana mivavaka @ Atra @ tsy mampiasa na inona na inona ary dia midira ao @ trano mangina dia ho tsampanao ny porofo fa tsy mba nanenina izahay niantso ny @ Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ao amin'ny mangingina.
Ao anaty efitrano mangina ao koa no misaotra ny Ray noho ny fitiavany anay ka nanomezany ny Zanany ho mpamonjy anay dia mbola misaotra an'i Kristy fa novonjeny ary nafahany tamin'ny ratsy rehetra ary misaotra azy koa fa ny raNy no nanavotana ,nanadiovany ho afaka tamin'ny fahotana dia tsy mitsahatra ny misaotra ny Fanahy Masina koa noho ny nanomezan'Atra Azy,izay mpampianatra ,mpitari-dalana isan'andro,mpanitsy ny dia,mpiharo anay,mpiambina ary mpampahatsiahy sy mpanadino amin'ny tsy fahamarinana rehetra isan'andro isan'andro ary tena isaoranay tokoa Izy satria miaraka amintsika mandrakizay Izy .
Mino aho fa mba efa mazava aminao amin'izay io ry ika.
Tsy ilay hoe izaho kato ,i ranona protesta,rakoto anglikana no tena imasoana fa ny famonjena izay ho azontsika rehetra refeha manatona sy mino an'i kristy isikaRehefa mametraka ny fiainantsika Aminy isika ary rehefa mizara izany fahasoavana izany amin'ny hafa .Ireo no tena lehibe amiko manokana fa tsy ny anarana fiangonana sy ny hoe fa maninona ranona no manao an'izao ,maninona ranona no tsy mba manao?
Ny Fotsika no Tadiaviny Hiova,Ho Jiro Fanazavana Ny Manodidina.
@ fomba ahoana ?
Ny Fiteny,Ny Fanoratra,Ny Toetra,Ny Fifandraisana ny Tsy Mpino,Ny Fitiavana ny Fahavalo sy Ny Heverintsika fa Tsy Mitovy Finoana amintsika
Dia afaka manontany tena koa isika hoe :
Mba nisy fihovana ve aho na ny toetrako ,na ny fihetsiko,na ny fiteniko,na ny fitiavako ireo izay tsy mitovy ny fampianarana ny finoana ananako ?
Mba nianatra namela heloka ve aho ,mba niezaka nanaiky ny tenin'Atra ve aho,tsy mijery na iza na iza ve aho fa raisiko avokoa izay tsara voalaza eto ary avadiko na dinganiko fotsiny ny sujet rehefa tsy tiako ?
Sa feno fankahalana ve aho,feno tsy fitiavana,feno fiantsarambelantsihy,feno fitsikerana ,feno fanakihanana ,efa niova ve aho na dia kely fotsiny ihany aza hatramin'izay nandraisako nizara ny tenin'ATra teto izay?
Mba nozaraiko tamin'ny manodidina ahy ve izany ary nampihariko tamin'ny fiainako sa dia mahita tenenina foana aho ?
Ireo dia ho antsika tsirairay avy ary tafiditra amin'izany koa ny tenako.
Mivavaka ireo olona mbola tsy mahalala ny tenin'Atra ve aho? Mivavaka ve aho alohan'ny hidirako eto mba tsy ahery ny fakampanahy ka ampisaidaotra ahy rehefa mamaly ny olona ?
Mba mivavaka ireo olona izany mbola ao anatin'ny maizina ve aho ka mangataka ny Fanahy Masina hirotsaka ao am-pony ?
Mbola mitovy ny toetrako taloha ny nahalalako an'i kristy ve ny toetrako @ sa mba misy fihovana kely aza ?
Fantatra eny foana ny voa hafafintsika amin'ny farany e !!
mamafaza voa ka aza mba malaina fa tsy fantatrao re izay ho vanona
44. prime
(
25/06/2008 09:32)
ikaretsaka:... ka aza borkena toa io fa omeo ny toko sy andininy ary e!!! :)
taiza ho aiza i kristy no nampianatra hoe manaova signe de croix?
ao @ asan'ny Apostoly ao
In hoc signo vinces (« Par ce signe, tu vaincras »)
45. fahamarinana
(
25/06/2008 11:48)
niryna:
sahy manandrana mivavaka tsy misy an'ireo ve hianareo ato e.Ny vatana no miditra ao an'efitra mangina ,tsy mitondra na inona na inona fa tonga dia miantso an'i kristy ?
:arrow: niryna a,ny ato aloha tsy haiko fa manana havana avy any dago aho dia sondriana be aho satria dia mivavaka mikimpy ,mivavaka miteny (tamin'ny andronay manko manao torapo,efa elabe zany an...),dia tsy misy chapelet manaraka azy zany. Ka tsy haiko ndray na toy izany daholo na io olona io no hafa fa dia andraso andrasana ny hevitry ny namana..
niryna:
marina tanteraka izany ,ary tsy ny pro ihany fa ny hafa ,tsy ny fiambozonana an'iny na ny fitondrana ny sampilet akory no marika ilazana fa kristiana,
:arrow: Iombonako hevitra ihany koa.Ny Fomba,ny zvtr ivelany sns.. dia samy manana ny azy daholo na kato na protest na hafa koa.
niryna:
Rehefa mametraka ny fiainantsika Aminy isika ary rehefa mizara izany fahasoavana izany amin'ny hafa .Ireo no tena lehibe amiko manokana fa tsy ny anarana fiangonana sy ny hoe fa maninona ranona no manao an'izao ,maninona ranona no tsy mba manao?
:arrow: marina tanteraka ihany koa ary iraisako hevitra.Izay no tokony tsy hanomezana tsiny na mampiasa lakroa na mampiasa chapelet na tsy mandohalika,na mivavaka mangina anaty trano,na mandohalika,sns...sns..
niryna:
Ny Fotsika no Tadiaviny Hiova,Ho Jiro Fanazavana Ny Manodidina.Ny Fiteny,Ny Fanoratra,Ny Toetra,Ny Fifandraisana ny Tsy Mpino,Ny Fitiavana ny Fahavalo sy Ny Heverintsika fa Tsy Mitovy Finoana amintsika
:arrow: Izay efa haveriko ombieny,averin'ny ika ombieny,averin'ny ari.malala ombieny,averin'ny prime ombieny dia mbola hamafisin'ny niryna etoana ihany koa izao.Misaotra any Tompo fa tafita ny hafatra iray.Misaotra nizara.. .:-* (l)
46. ikaretsaka
(
25/06/2008 12:20)
prime:
taiza ho aiza i kristy no nampianatra hoe manaova signe de croix?... ka aza borkena toa io fa omeo ny toko sy andininy ary e!!! :)
ao @ asan'ny Apostoly ao
In hoc signo vinces (« Par ce signe, tu vaincras »)
za tsy mahay toko sy andininy iznay fa misy ao @ teny grika manao heo "en touytioy nikka" rehefa tsy tianao ny latinina
jereo ny adin'i Miliviana fa ao izy izay..
Aza tsimponina hoa fa vakio! terrulian sns....
48. fahamarinana
(
25/06/2008 13:15)
:arrow: :) Tena mbola ho betsaka zany tokony hovakiana zany ry ika..,marina moa (l)
49. ikaretsaka
(
25/06/2008 22:21)
ka izay le mahasamihafa ny mamaky sy mitsimpona.. nefa betsaka ny manafangaro
50. LazaDaddy
(
25/06/2008 22:35)
ikaretsaka:Nefa toa tsy izany ny voasoratra ao amin'ny Baibolin'ikaretsaka? Vakio anie fa miverimberina ao io e! :)
aoka aloha hazava fa i Jesosy tsy mivavaka fa miresaka amin-dRainy.
51. ikaretsaka
(
25/06/2008 22:46)
samihafa ny priere an'i jesosy sy ny priere antsika ka... theologiquement parlant
52. LazaDaddy
(
26/06/2008 00:55)
ikaretsaka> ny vavaka ataon'ny olona tsirairay dia samihafa tanteraka tokoa. Ny vavaka ataoko ohatra tsy mitovy amin'ny vavaka ataon'ikaretsaka. Saingy diso kosa ny fitenenan'ikaretsaka fa "tsy nivavaka tamin'Andriamanitra Ray i Jesosy". Ny Baiboly izay ampiasain'ikaretsaka no manohitra izany tanteraka :)
53. ikaretsaka
(
26/06/2008 02:11)
vakio ny votoatin'ilay zavatra lazain'i jesoa @ vavaka dia ampitovio @ ny anao..
dia defineo @ izay ny ,mivavaka
@ teny anglisy dia tsy mi "worship" i jesoa
amintsika moa ny mi- "pray" sy ny mi worship de natambatra teny 1 hoe "mivavaka" ka eo no manahirana
dia defineo @ izay ny ,mivavaka
@ teny anglisy dia tsy mi "worship" i jesoa
amintsika moa ny mi- "pray" sy ny mi worship de natambatra teny 1 hoe "mivavaka" ka eo no manahirana
54. LazaDaddy
(
26/06/2008 02:30)
aza miala bala @ "jeux de mots" sy "traduction vilana" ry ikaretsaka rehefa tsy mahita tenenina a :)
1) To pray = mivavaka, To worship = manompo :) Nanao fanahy iniana nandika vilana ikaretsaka teo :)
2) Raha teny Anglisy no resahinao dia sady ni-"pray" no ni-"worship" i Jesosy. Minia mitapi-maso ihany koa ikaretsaka teto :)
Ohatra: Joy i Jesosy ao @ John 4:22 "You Samaritans worship what you do not know; we worship what we do know, for salvation is from the Jews."
Fehiny: arakaraka ny hamoron'ikaretsaka zavatra mifanohitra @ voalaza ao @ baiboliny mba hanamarinany tena no vao maika mampibaribary ny fahadisoan'ny zavatra lazainy :)
1) To pray = mivavaka, To worship = manompo :) Nanao fanahy iniana nandika vilana ikaretsaka teo :)
2) Raha teny Anglisy no resahinao dia sady ni-"pray" no ni-"worship" i Jesosy. Minia mitapi-maso ihany koa ikaretsaka teto :)
Ohatra: Joy i Jesosy ao @ John 4:22 "You Samaritans worship what you do not know; we worship what we do know, for salvation is from the Jews."
Fehiny: arakaraka ny hamoron'ikaretsaka zavatra mifanohitra @ voalaza ao @ baiboliny mba hanamarinany tena no vao maika mampibaribary ny fahadisoan'ny zavatra lazainy :)
55. ikaretsaka
(
26/06/2008 02:47)
aiza ao anaty baiboly..ankoatran'ny vavaka nampianarin'ny Tompo...no nisy resaka hoe ni worship ny votoatim-bavaka nataon'i jesoa?
aiza ao no nisy heo "nanompo ny Rainy" na nanao ny Rainy hoe "masina indrindra" Izy?
aiza ao no nisy heo "nanompo ny Rainy" na nanao ny Rainy hoe "masina indrindra" Izy?
56. LazaDaddy
(
26/06/2008 02:59)
ikaretsaka> tena "jamba" tokoa ve ise sa minia tsy mijery? :) Vakio tsara io ambony io aloha ;)
57. niryna
(
26/06/2008 04:13)
lazaDaddy:
aza miala bala @ "jeux de mots" sy "traduction vilana" ry ikaretsaka rehefa tsy mahita tenenina a
1) To pray = mivavaka, To worship = manompo Nanao fanahy iniana nandika vilana ikaretsaka teo
2) Raha teny Anglisy no resahinao dia sady ni-"pray" no ni-"worship" i Jesosy. Minia mitapi-maso ihany koa ikaretsaka teto
Ohatra: Joy i Jesosy ao @ John 4:22 "You Samaritans worship what you do not know; we worship what we do know, for salvation is from the Jews."
hmm.
hmm .avelao ny rehetra ahita fa toa ny tena foana no milaza an'izany eto.. tsara ho fantatra izany na dia efa fantatra ihany aza fa minia mikimpy
Fehiny: arakaraka ny hamoron'ikaretsaka zavatra mifanohitra @ voalaza ao @ baiboliny mba hanamarinany tena no vao maika mampibaribary ny fahadisoan'ny zavatra lazainy
ikaretsaka> tena "jamba" tokoa ve ise sa minia tsy mijery? Vakio tsara io ambony io aloha
ny hendry hono mody voky fa ny adala manesika ihany ,arakaraky ny eritreretantsika fa ny fahaizan-tsika no ilaizana ny tenin'Atra no vao maika mampivarina any an-kady .Mila base-na amin'ny tenin'Atra hatrany kanefa ny sasany tsy tia tsimpona dia sahirana ny olona rehefa miteniteny hoe ao anatin'i matio ao angamba izy izay fa izaho moa tsy tia tsimpona ... hmmmm
58. ikaretsaka
(
26/06/2008 16:47)
niryna:\
Ny an'ny katolika nefa ohatra raha tsy manana chapelet izany dia ohatran'ny tsy katolika sy tsy mivavaka.
sahy manandrana mivavaka tsy misy an'ireo ve hianareo ato e.Ny vatana no miditra ao an'efitra mangina ,tsy mitondra na inona na inona fa tonga dia miantso an'i kristy ?
ianaro aloha ilay chapelet sy ny atao amin'ilay izy....
azo atao tsara ny manao chapele tsy raozery tsy mitondra chapelet ka
iza no miteny anao fa tsy miantso an'i Kristy mangina rehefa manao raozery na manao Toko chapelet? Ianaro aloha ho'a
-> raha hisafidy ihany: Aleoko kosa jamba toa izay tsy misaina @ lojikan-javatra ka tsy mahay anavaka mny manamasina sy mivavaka... jereo hoa ny tonom-bavaka nataon'i jesoa... nisy resaka "fanamasinana ve tao"? donc aza afangaro!
59. fijo
(
26/06/2008 18:51)
lava be le ady hevitra,nefa rah any fahitako azy tsy dia zavtra lehibe anie io e,fomba fotsiny iny.ohatra misy olona roa samy mino,ny iray manao fanatitra nyiray misaotra any an tsainy fotsiny.de hitsara ve ny iray hoe ary iry toa tsy manao izao,na hoe elahy toa be zesita manao izao fotsiny?