Amin'ny anaran'ny Ray.....

1. ikaretsaka ( 18/06/2008 15:09)
Hono tokoa ho'a

Fa maninona kay ny protesta sy ny evanjelikaly no tsy manao famatarana ny hazo fijaliana (Amin'ny anaran'ny Ray e)


Izao manko...

1) mino ny Andriamanitra 3 no 1 (trinity) ry zareo ireo (Ray, Zanaka , Fanahy Masina) ary fampisehoana io fiekem-pinoana io anie le izy e

2)Mino fa nohon'ny hazo fijaliana no nanavotana antsika ary i Md Paoly (Galatiana 6:17 ngamba) aza nilaza fa tsy tokony hahamenatra ny manao mariky ny hazo fijaliana... manampy izany koa dia misy hazo fijaliana tsara ny fiangonana propesta

3) Raha manao salut olona ambony noho izy ny maramila iray dia milaza hoe eo ambany fiadidianao aho... dia raha manao io amin'ny anaran'ny ray.... io anie dia manabara hoe eo ambany fiadidian'Atra aho...sa ianareo tsy eo ambany fiadidiany?

afaka manome ny arguments mitombona amin'ny antony tsy anaovana an'io ve ianareo propesta?
2. Ilo ( 18/06/2008 15:31)
Raha amiko manokana dia tsy dia olana loatra izany.
Rehefa mivavaka aho ka miaraka @ kato dia manao an'io, indrindra mba tsy hahatafintohina azy.
Fa rehefa inona tokoa moa no manao io "Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina io"? Ohatra hoe rehefa mivavaka.
I Kristy milaza fa Izy no mpanalalana antsika @ Ray dia izay no mahatonga ahy rehefa mivavaka dia manao hoe @ anaran'i Kristy. Fa ao anatin'ilay vavaka aho dia miresaka @ A/tra Ray, Zanaka sy ny Fanahy Masina koa.

Izany akory tsy milaza hoe tsy mino ny trinity na ny fanavotana izay ataon'i Kristy aho.
Ary indrindra indrindra tsy milaza izany hoe tsy manaja Azy aho. Sady tsy ny ivelany anie no tena jeren'A/tra fa ny ao am-po e!
Na manao salut aza ny miaramila iray, fanajana ivelany fotsiny izany fa ny tena ao am-pony tsy fantatr'e! Mety hoe mihatsaravelatsihy fotsiny izy!
Toy izay koa ny zanak'A/tra, A/tra irery ihany no mahalala na tena manaja azy isika na tsia fa tsy ny fombafomba ivelany izay ataontsika akory no hijereny izany.
:wink:
3. pissoa ( 18/06/2008 15:53)
Satria ny protesta amin'ny ankapobeny (raha ny fahitako aloha an) dia tsy manome lanja ny famantarana hita maso. Kristianina "ao anaty" :roll: :-D :-D :-D
4. Ilo ( 18/06/2008 16:16)
Tokony hiseho @ fitondran-tena kosa anefa ny maha-kristianina fa tsy hoe "ao anaty" fotsiny. Tsy tokony ho menatra ny Tompontsika isika!
5. ikaretsaka ( 18/06/2008 16:28)
pissoa:

Satria ny protesta amin'ny ankapobeny (raha ny fahitako aloha an) dia tsy manome lanja ny famantarana hita maso. Kristianina "ao anaty" :roll: :-D :-D :-D


sia vao mainka tsy mazava..rehefa manao batisa izy dia mampiasa ny rano ho famantarana hita maso?

dia rehefa inona no mety le "famantarana hita maso" de rehefa inona dia tsy mety?
6. lizabeth ( 18/06/2008 17:42)
ikaretsaka:

Hono tokoa ho'a

Fa maninona kay ny protesta sy ny evanjelikaly no tsy manao famatarana ny hazo fijaliana (Amin'ny anaran'ny Ray e)


Izao manko...

1) mino ny Andriamanitra 3 no 1 (trinity) ry zareo ireo (Ray, Zanaka , Fanahy Masina) ary fampisehoana io fiekem-pinoana io anie le izy e

2)Mino fa nohon'ny hazo fijaliana no nanavotana antsika ary i Md Paoly (Galatiana 6:17 ngamba) aza nilaza fa tsy tokony hahamenatra ny manao mariky ny hazo fijaliana... manampy izany koa dia misy hazo fijaliana tsara ny fiangonana propesta

3) Raha manao salut olona ambony noho izy ny maramila iray dia milaza hoe eo ambany fiadidianao aho... dia raha manao io amin'ny anaran'ny ray.... io anie dia manabara hoe eo ambany fiadidian'Atra aho...sa ianareo tsy eo ambany fiadidiany?

afaka manome ny arguments mitombona amin'ny antony tsy anaovana an'io ve ianareo propesta?



iza no milaza aminao fa tsy manao io ny protestanta ? efa nanatrika batisa protestanta ve ianao ?
7. ikaretsaka ( 18/06/2008 19:26)
za aloha tsy mbola nahita hoe nisy protesta dia sady manao amin'ny anaran'ny ray no manao signe de croix @ vatany izany e (le depart avy eo @ handrina midina dia avy eo soroka anankiroa no tiako tenenina an..).
8. fijo ( 18/06/2008 21:04)
le amin'ny vatany aloha tsy manao izay ny protes,fa manao kosa izy eo amin'ny rivotra(iznay hoe toa le ataon'ny pretra somary manainga tanana iny)io amiko dia resaka fomba fotsiny,ka izay ngamba no tsy nampiasain'ny mpino protes azy.ny protes koa ohatra dia tsy misy le mandohalika ao ampiangonana.io moa dia efa nampisy resabe fahiny.
9. ikaretsaka ( 18/06/2008 21:22)
de ny azoko heo rehefa inona ny atao de rehefa inona no tsy atao izany
10. fijo ( 18/06/2008 21:26)
rehefa manamasina faty ohatra de manao ilay izy ny rapasy.na manamasina trano tokanana,na misy zavatra hamasinina ena tsofina rano.
11. ikaretsaka ( 18/06/2008 21:29)
de rapasy ihany iznay fa ny sisa de mondro aby?
12. fijo ( 18/06/2008 21:32)
ka izy no manome ny tsodrano.de mangina ny mpokona e.
13. ikaretsaka ( 18/06/2008 21:46)
tsss.. io no tsy mety azoko mihitsy @ prot.. hoe rehefa inona ny zavatra ohatran'izao de azo atao dia rehefa inona no tsy azo atao, dia iza no mahazo manao azy dia iza no tsy mahazo manao azy...

ny an'ny kato manko izao ohatra dia hita hoe i mopre no mampikonfesy ohatra na mampanao batemy, iza no mahazo manambady , iza no manana pouvoir mandroaka devoly sns...
fa ny prot sy ny sekta tsy fantatra be ihany ny hoe iza no iza.... dia iza no mahazo maninona de rehefa inona no azo ataony zavatra ohatran'izao de rehefa inona no tsy azo...
mnbetika manamasina trano mbetika tsy manamasina.. mbetika azo tsofina rano ny zavatra , ny sasany tsy mahazo tsofina rano...

raha misy hafaka manazava misimisy kokoa miaraka @ antony dia isaorana mialoha
14. ari.malala ( 19/06/2008 07:03)
refa any ambanivohitra d protestant ny fiangonana ivavahanay (tam ts mbola nahalala hoe mis fiangonana katolika any) d refa le vao miditra zany d mitsaoka ny Hazo Fijaliana (za io) fa 8O 8O aby ny 1 fiangonana, d refa mivavaka ndray d manao signe de croix fa mbola 8O 8O iany ry zareo... d refa am farany le manome tso-drano amizay, d mangina kelikely alou d miara manonona ny amin'nyanaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy mazona amizay, d anjarako indray no mba 8O 8O 8O satria ohatran'ny hoe ahilka le Fanahy Masina amiliay hoe "ary" fa ny ahy aloha izany refa manonona an'iny d arahiko signe de croix soa amantsara e! izay no maha katolika ahy, araka ny ampianarain'i Md Paoly d ts tokony ho menatra ny finoana, ary tsy misy ataoko ho rehareha afatsy ny Hazo FIjalian'i Kristy d entiko am vatako izany oe asehoko refa mivavaka aho :°)
15. Koditra ( 19/06/2008 15:00)
Mandrapahatongan'ilay valiny tena mahafa-po an' Ika aloha dia apetrako eto ihany ity hevitro ity.
Fa maninona kay ny protesta sy ny evanjelikaly no tsy manao famatarana ny hazo fijaliana (Amin'ny anaran'ny Ray e)

Efa h@ nahakatôlika ny katôlika no nampiasa an'io fihetsika famantarana io izy, efa h@ nahaprotestant ny protestant ihany koa no efa tsy nampiasa an'io fihetsika io izy.

Raha ny fahitako azy manokana izany dia :

- efa izay no voafaritry ny fomba fivavahana katôlika, misy dikany daholo h@ ilay fihetsika hoe eo @ andrina dia mankeo @ kibo dia mankeo ambonin'ny faritra mivonto @ tratra anankiroa. Tsy mety raha vao any @ kibo no mandeha mialoha fa lasa ôtran'ilay mitoraka salut @ tànana havia ka lasa tsy fanajana sy fanaovana tsinontsinona indray. Tsy hasiana fanontaniana koa hoe fa maninona no tsy tany @ sandry anankiroa satri efa fantatra hoe misy dikany daholo ilay fihetsika.

- torak'izay koa ny protestant, araka ilay nolazain'ny pissoa etsy ambony manao hoe tsy manome lanja ny famantarana hita maso. Kristianina "ao anaty", izany hoe mety tsy ilay fihetsika no zava-dehibe fa ilay fanononana sy ny finoana an'ilay Ray, Zanaka , Fanahy Masina. Ka na dia natao aza anefa hoe mba namorona ihany koa ny protestant dia ngamba mety tsy tena nitovy ilay faritra voatondro fa dia refa manome forme croix fotsiny ilay fihetsika defa zay, nefa dia mety ho adi-hevitra hafa indray no ipetraka eo @ilay faritra tsy itoviana.

Amafisiko fotsiny izany ilay hevitro tery amboalohany, raha mipetraka zao ny fanontaniana hafa manao hoe fa maninona ny antokopinoana sasany no mikipy maso rehefa mivavaka dia maninona ny sasany no tsy mikipy maso, dia mitovy @ valiny voalazako tery ambony ihany hoe satria efa izay no efa nitondrana ny fomba nentina mivavaka ho an'ny antokopinoana tsi11 avy hatrany amboalohany, ary samy nanana ny raison-ny ireo.

Amaranako azy fa sao lava loatra, mino a fa samy hanaiky daholo isika raha miteny aho hoe ny finoanao sy ny fandraisanao ampo no tena zavadehibe voalohany, na manao fihetsika na tsia, na mikipy na tsy mikipy, sns...

Mba eritreritro manokana io ry Ika fa za tsy mpandalina a.

16. ikaretsaka ( 19/06/2008 15:31)
dia rehefa voafaritra ve de protestena fahatany fa tsy azavaina hoe inona ny antony...

fa momba ilay famantarana hita maso koa no tsy mazava amiko... rehefa inona ilay izy no atao hita de rehefa inona ilay izy no atao tsy hita?

Izao ohatra: rehefa atao batisa izao de tondrahana rano..maninona le izy no atao hita tsara ilay "famantarana"..... rehefa manao signe lakroa tsy atao hita tsara...maninona no tsy tenenina fotsiny hoe vita batisa ianareo ry katekomenina dia tsy asiana famantarana mihitsy rehefa tsy hanao ihany fa any am-po any (Ao anaty ho'zy enao) de basy raha izany ?!
Ataovy serieux le!
17. Koditra ( 19/06/2008 17:02)
Ilay fandraisako an'lé izy nge ry Ika d izao eh, na ho tonga eto aza dadapasy dia mety hiteny koa izy hoe fa naninona tokoa aza no tsy mba nasian-drizalahy izay nanangana ity protestant ity fihetsika ny fanononana ny Ray - Zanaka - Fanahy Masina? Dia mety izy ihany angamba no hamaly hoe : na mety tsy tao antsain-drizalahy, na nieritreritra ihany zareo fa tsy noraisiny ho zava-dehibe ilay fihetsika famantarana. Tsy misy afa-tsy ny iray @ireo ihany anefa no mety ho valin'io fanontanian'Ika io.
Raha raisitsika ilay antony faharoa dia izao, @ ankapobeny, ny fanononana an'io Ray - Zanaka - Fanahy Masina io dia any ampiangonana, mialohan'ny fahavitan'ny fotoampivavahana, mihantona ery anoloana ery ny hazofijaliana ary samy mahatazana an'izany avokoa ny mpivavaka rehetra, dia hoy aho hoe angamba nohon'ny efa fisian'io lakroa io no antony tsy ilàna ilay fihetsika famaritana intsony.
Nataoko hoe @ ankapobeny ilay izy satria ny protestant dia manao vavaka tora-po rehefa samy any antranony any avy sy eny @izay misy azy rehetra eny, ary tonga dia mifarana @ Amen. Na dia eny ampitondràna fiarakodia eny aza dia afaka mivavaka sy mangata-pitahiana, tsy mitaky sy tsy mila fihetsika n'inoninona, na dia tsy misokatra aza ny vava fa mivavaka an'eritreritra defa mety, izay no tiana lazaina @ilay hoe kristianina "Anaty" ary mino aho fa betsaka ny mpanao an'io na dia tsy protestant aza. (Angamba mety ilay fomba nilazàna an'ilay kristianina Anaty no dia tsy nety tsara. Valiteny tery ambony).

Azoko tsara ny tian'Ika apetraka hoe @fo kokoa sy tena manaiky marina raha miaraka @ fihetsika famantarana, za mino fa marina izany, ankilany koa aho nefa mieritreritra fa fanamafisana fotsiny ilay fihetsika, fa ny fiekena sy ny fandraisana azy anaty no tena takiana. Dia aleo raisitsika hoe finoana izany ilay izy, Ika mieritreritra hoe tsy maintsy, ny Prostetant mino fa na tsy misy fihetsika aza dia mety, tsy midika akory izany fa ratsy ilay miampy fihetsika.

18. ikaretsaka ( 19/06/2008 17:16)
dia mbola fanontaniana ihany...
ny propesta izany tsy manao amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina ankoatra ny ao am-piangonana rehefa mivavaka tokoa e? satria ao ihany ny an-dreo no misy lakroa... toa tsy manao crucifix sy miambozona lakroa, tsy misy lakroa any anaty fiarany... loatra "hono" manko ry zareo!

dia momba ilay "anaty" atao ao anaty iznay ilay maha kristianina ..nefa misy tenin'i jesoa izay anie manao heo tsy fanao ny manao ny jiro ao ambany latabatra e?

mba tsetsatsetra ny ahy iny
19. rebeccaF ( 19/06/2008 17:51)
Ilay fandraisako an'lé izy nge ry Ika d izao eh, na ho tonga eto aza dadapasy dia mety hiteny koa izy hoe fa naninona tokoa aza no tsy mba nasian-drizalahy izay nanangana ity protestant ity fihetsika ny fanononana ny Ray - Zanaka - Fanahy Masina? Dia mety izy ihany angamba no hamaly hoe : na mety tsy tao antsain-drizalahy, na nieritreritra ihany zareo fa tsy noraisiny ho zava-dehibe ilay fihetsika famantarana. Tsy misy afa-tsy ny iray @ireo ihany anefa no mety ho valin'io fanontanian'Ika io.

Ny mpanorina ny fiangoanana protestanta dia pretra, ary moine. Nahay ny famataran'ny hazofijaliana tokoa izy, saingy noheveriny ho kipitsopitson-javatra tsy dia tena important loatra izany. Izany hoe: mazava ho azy fa raha kristiana tamin'izany fotoana izany dia hahay ny famataran'ny hazofijaliana. Tsy nanda ny fanaovana an'io anefa ry zareo.
Raha raisitsika ilay antony faharoa dia izao, @ ankapobeny, ny fanononana an'io Ray - Zanaka - Fanahy Masina io dia any ampiangonana, mialohan'ny fahavitan'ny fotoampivavahana, mihantona ery anoloana ery ny hazofijaliana ary samy mahatazana an'izany avokoa ny mpivavaka rehetra, dia hoy aho hoe angamba nohon'ny efa fisian'io lakroa io no antony tsy ilàna ilay fihetsika famaritana intsony.

Tsy amin'io fotoana voalaza io ihany akory ny protestanata no manonona ny vavaka: Amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, fa amin'ny fotoana rehetra ivavahany amin'ny Trinite Masina (isan'andro). Jereo ny tohin'ny resaka nataon'i Koditra ry ikaretsaka.

Ilay hoe: kristiana anaty:
Amiko dia ilaina ny manana fiainana anaty: Fiainanam-panahy. Ary tokony io fiainana anaty io no hanosika ny tena amin'izay atao rehetra. Raha famataran'ny hazofijaliana tsy misy finoana sy fitiavana dia paokaty, tsy misy aina fa fihatsaram-belatsihy. Ary raha fiainanam-panahy tsy miseho ety ivelany dia toy ny jiro atao amban'ny farafara, tsy mitondra inona ho an'ny tena sy ho an'ny hafa. Tsy misy ilaivana azy fa finoana maty (na mbola matory).
20. ikaretsaka ( 19/06/2008 20:33)
ka ny tsy azoko anie le hoe "noheveriny ho kipitsopitsony" e.... nefa avy eo izy "tsy manda" indray...de ahoana ihany?


Ilay hoe: kristiana anaty:
Amiko dia ilaina ny manana fiainana anaty: Fiainanam-panahy. Ary tokony io fiainana anaty io no hanosika ny tena amin'izay atao rehetra. Raha famataran'ny hazofijaliana tsy misy finoana sy fitiavana dia paokaty, tsy misy aina fa fihatsaram-belatsihy. Ary raha fiainanam-panahy tsy miseho ety ivelany dia toy ny jiro atao amban'ny farafara, tsy mitondra inona ho an'ny tena sy ho an'ny hafa. Tsy misy ilaivana azy fa finoana maty (na mbola matory).


marina dia marina... fa le hoe kristianina "anaty" aza anie mbola questionnable e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1612