lundi de pentecote, barbecue en plein air ze interessé

41. angotiko ( 04/05/2008 17:50)
kiadi sy milaibe: hein hein hein fa heverinareo fa tsy matsiro mantsy zay raha atao barbecue an, nareo ndray ny leo fa mitondra toaka sa d monaminaina aminay eo an, sady zay misy ho hanina an!!!, hihihi lol mdrrrrrr, ary ato be ny kitay fa tsy mahavita anay an!!! mdrrrrr
42. kiadi ( 04/05/2008 20:01)
angotiko lesy tsy foiko atsatsika an!!aleo ataoko haingotrano i angotsy fa aleo diams sy aribota no tonga de atsatsika! :-D :-D :-D :-D
43. ari.malala ( 05/05/2008 05:21)
Faly miarahaba ny rehetra indray.

Tena miala tsiny aho rey olona ary mifona raha niteraka polemik ity dinika nataoko ity. Tsy nahalala mihintsy ny fandehan'izany fitoriana ny serasera izany aho raha tsy tam zoma hariva niresaka t@ hery. I bozylove, niova ho bozycaline izany ilay olona e! iraka no nampanaovina ahy, d nanatanteraka t@ fo madio tsy nanana eritreritra hafa ny tenako, fa naita ilay hoe sao d fahavalo aho vao nanontany nanadiady, ary nahalala ny marina rehetra...dia izay ilay izy... Misy fanontanian'i lanto ao ambony ao hoe maninona no mila mpisolo vava, tsy haiko aky fa d iraka hoy aho no nampanaovina ana d nataoko, za koa ts nanisy olana fa d hoe zay zany fa misy fihaonana hono d nalefako ny dinika, hay kay..
44. naritsimba ( 05/05/2008 06:16)
miarahaba antsika rehetra
Gaga ihany ny tena raha nahita ity dinika ity satria Fety sy fihaonana no noheverina ho hita nefa zavatra hafa no tsapa rehefa mamaky azy.
talanjona ihany koa nahita fa nisy nitory ny serasera.
Marina angamba ny an'i Hery hoe fahavalo izay nitory ny serasera.
Tsara ho fantarina anefa hoe inona ny antony nahatonga ny olona iray hametraka fitoriana.
Amiko dia toy ny gazety ny site tahaka itony ka raha mamoaka zavatra tsy marina na manala-baraka olona dia voararan'ny lalàna.
Eto madagasikara raha misy gazety mamoaka zavatra mahakasika zavatra iray indrindra fa fiainana manokana(vie privé) dia ny tompon'andraikitry ny gazety no voasazy.
tsy haiko izay antony mahatonga olona hitory, nefa matoa tonga @ izany dia nisy zavatra tsy tantin'ilay olona ao izany.
Ny tsara dia ny hisian'ny fifanatrehana eo @ izay mpitory sy ny toriana, raha ny serasera moa no toriana dia i Hery izany no tompon'andraikitra mifanatrika @ mpitory. izany mantsy no fepetra tsy maintsy raisin'ny manampahefana tompon'andraikitra mba hampahazava ny resaka.
Raha toa ka tsy manaiky ny hisian'ny fifampiresahana ny olona roa manana olana dia izay tsy mety miresaka no diso avy hatrany, inoako anefa fa tsy izany no tanjontsika rehetra eto, tsy ny hanana fahavalo fa ny hanana namana, ary ny hananana namana dia hifanampy fa tsy hifanenjika.
Ho an'ireo namana avy any am-pita izay mandalo eto Madagasikara dia tsoriko fa i Naritsimba dia tsy manavakavaka na ara-pinoana na ara-poko na ara-poto-kevitra fa dia vonona hifandray @ namana rehetra.
Sambatra izay enjehina...

45. tsiafoi1 ( 05/05/2008 06:32)
Za aloa tsy te hiditra mihitsy @'izay disadisa nisy teo @'ny bozycaline sy ny Serasera, heveriko ho fahendrena koa ny tsy mijabaka @'ny problème ny hafa, @'ny toe-jvt toy izao dia ilaina ny elanelam-panahy ka mandrisika ahy hanao fanamarihana kely eto ambany raha sitrakareo :

Mbola vao aingana ihany manko no naha-pikambana tato @'ny serasera ny tenako, ary miezaka ny hifandray sy hitia ny olona rehetra, eny fa na dia ny fahavalo aza, izay no tanjoko, raha mbola miaina koa. Sady tokony ho izany no ho fiainantsika satria sitrapon'Andriamanitra izany :roll: :roll: .

Noraisiko ho toy ny monde kely iray hikatsahana namana maro samihafa ity site serasera ity. Toy ity planeta Terre misy antsika ity ihany, eto daolo na Tsara na Ratsy. Navondron'Andriamanitra eto isika, ary tsisy afa-miala eto an-tany raha tsy ny faty no hisarahana. Sa maty vao Ra-malala ve?, na we aleo entiko any @'ny fiainana mandrakizay ny fankahalako?, de aza manantena ho tafiditra any akory ?

Misy eto ny tsy fifanarahana samihafa. Koa raha nisy ary ny disadisa eto amintsika, anga de tsy azo hifamelana izany. Matoa Bozy tsy mahafoy ny Serasera, dia mino aho fa tiany izany Site izany, ary izay no tokony ho raisina ho zava-dehibe fa tsy ilay fitoriana sy lolom-po no havela hibahana sy hanan-danja eto. Ny fo ange toy ny ranomafana e, ka rehefa tezitra izay de mandoro, fa ny fo koa no foiben'ny Fitiavana Ka maninona raha le fifankatiavana no avela hanan-danja e. Ka misy mifankatia otran'ny mpivady ve e ! Fa misy mahery miady otran'azy ireo koa?? Mazana aza efa manoloana ny mpitsara mpanao divorce vao mifampody indray... Firifiry koa ireo manana olana mitondra izany manoloana ny fitsarana, de eo vao manao raharaham-pihavanana ??... Zava-misy daolo izany a!

Koa mahaiza MIFAMELA rireto a! Aza manao otri-po fa virtuel anie ity monde kelintsika ity e!

VIVE SERASERA, VIVE L'AMITIE, DE MI-SOURIRE

46. ravatorano ( 05/05/2008 07:11)
tonga soa ato indray zany e !

za manohana an 'ilay hevitra avoakan'i hery aloha
manohana ihnay koa ny teny ataon 'i naritsimba
ary tsy ambanin'izany ny voalazan'i tsiafoi1 io !

za kosa aloha tsy mety amiko izany hoe hanaratsy ny serasera izany nefa ianao ao ihany ary mampiasa ilay "serasera" ihany amin'ny fotoana ilainao azy ary eo indrindra no manahirana amin'izy ty satria hitady namana no tena naleha tato nefa misy olona sahy mitsangana ho fahavalo dia mba gaga ny tena.Za manokana aloha tsy te hiditra amin'ny resaka toy izany nefa dia ampidirana aho ka voatery nefa mino aho fa hiravina ihany izany satria samy olon dehibe sy manan saina matotra daholo ny namana ato
:D
47. hery ( 05/05/2008 12:49)

Efa niresaka t@ i naritsimba aho teo nanazava tsara ny zavatra nisy :-)

Aleo tohizana ny adin'ankizy :-) (satria ankizy angamba no iresahana)

Resaka bozylove,

Hatramin'izao ny zavatra farany nolazain'i bozylove tamiko, ary mbola tsy notsoahiny ny teniny, dia hoe site fanalam-baraka olona ny serasera, ary hataony izay hahafoana an'io. Imbetsaka aho no milaza hoe aza miditra ao fotsiny raha izany no hiheveranao ny serasera... kanefa mbola miditra ihany. :-)

Fa hono ho'a. Nisy nahita an'izany message vie privée-ny teto @ serasera izany ve ianareo? Mba teneno aho raha nisy nahita. Izaho aloha tsy nahita ary mino aho fa raha vao nisy izany dia voafafa niaraka tamin'ny olona nanao azy. Tsy i bozylove angamba aza no nijaly indrindra t@ resaka privée teto fa olona hafa. Koa mahagaga raha izy no hilaza hoe victime... (raha tsy hoe te halaza).

Raha resaka fifamelana, dia tsy izaho irery no tsy nahatanty ny zavatra nataon'i bozylove teto. Ny admin rehetra no nohitsahiny an-tampondoha nolazainy fa tsy mahavita ny asany. Hatrany amin'ny admin chat izany ka hatr@ admin forum ka hatr@ admin sary.

Sady ny olona tsy mi-reconnaitre ny faute-ny izany tsy mila avela akory.

Ny ankizy ao @ chat rehefa tenenina hoe ovay ny solonanarana fa provocatif, ary misy ankizy eto, dia tonga dia manova. Fa i bozylove ihany no ankizy mafy loha mametraka ps misy allusion-na sexe eo @ chat tsy mety manova. Dia rehefa dakaina izy dia ny admin no fopla. :-) Ankizy mihitsy.

De inona koa? :-)

Ary izy mba aiza e? :-p
48. kiadi ( 05/05/2008 12:56)
de reefa banni tsaty ange iz in de mahay miditra pv manambitamby sy be taraina oe banni tsaty hono de enao no langolangony hiteny ny admin de nefa vô tafiditra tsaty iz de mila ady no ataony!! efa mivika in ramatoa in amiko fa tokony banni hatramin'ny farany fa ato ko ange misy mpiandraikitra bola mitsetra an'azy fona eh!
49. rajoelina ( 05/05/2008 13:03)
hery: ra mpino ingahy, de misy teny ao @ Baiboly we: mamela de ho voavela ianareo.
Olona i bozylove fa tsy biby, tsy misy tanteraka isika, ny azo hatao de mifanampy raha tokony hampiana ny sasany ra manana probleme.

Za alou tsy manana bleme amin'iza na amin'iza satry tsy misy rarahiko izay tafitohina noho amiko, fa le ol mpanao ahy ireny baraka nomeko azy rehefa tsy mahay mipetraka.

Eto alou de misy adala sy hendry, ary ny malala fomba sy tsy malala fomba. Ary tadidiana tsara koa fa forum ity ry zareo ah.

Rehefa voadakany sefo ka ti hihiditra indray de miova ps :lol:

;-)
50. mihanta ( 05/05/2008 13:22)
Ny ankizy ao @ chat rehefa tenenina hoe ovay ny solonanarana fa provocatif, ary misy ankizy eto, dia tonga dia manova. Fa i bozylove ihany no ankizy mafy loha mametraka ps misy allusion-na sexe eo @ chat tsy mety manova. Dia rehefa dakaina izy dia ny admin no fopla. Ankizy mihitsy


za aloha na dia vao mahita ny ps ny fotsiny dia efa leo.
amiko rehefa tsy misy fiovàna fa hila kisa sy hanakorontana dia ataovy banni any.olona anankiray ve no hanome laginina lava eto.

haratsiana à gauche à droite serasera kanefa dia tsy manan-kambo fa eo ihany tss.aleo izy banni dia mankany amin'ny maison de repos
51. Naniie ( 05/05/2008 13:31)

Gaga tanteraka amin'ilay resaka, hay ve nisy an zany e!
Misy raha la terre

:)
52. Veloo ( 05/05/2008 17:19)
:-w :-w :-w
53. ikaretsaka ( 05/05/2008 18:41)
tsy misy idirako le izy fa resaka tsetsatsetra kely amin'ilay hoe "mahaiza mifamela" fotsiny no tsy aritro.
za pour an'ilay fifamelana raha aseho carte sur table aby heo izao no nety sy tsy nety ..IZAY VAO..
la le SARONTSAROMANA FIFAMELANA fotsiny io no hitako fa tsy nampandroso ary tsy hampandroso antsika mihitsy
zavatra tsy miravona dia forcena sy sarontsaromana mba hiravorarona fa "mahamenatra hono" raha vao tsy izay...

Amiko rehefa tsy miravona rangahy dia aravony aloha fa aza forcena sy sarontsaromana kle....
54. ikaretsaka ( 05/05/2008 18:43)
misy tenindrazantsika izay heo rehefa tsy raikitra dia mifampitso-drano toy izay le mody :°) be fotsiny nefa ny any am-po any :evil:
tsssssss
55. kiadi ( 05/05/2008 19:19)
hypocrite no betsaka fa tsy misy mifamela zany eo!! refa tsy le olona no voa de asainy mifamela fa refa iz no voa tsy mino zah oe hamela iz!
56. ikaretsaka ( 05/05/2008 19:26)
izay mantsy..
57. angotiko ( 06/05/2008 04:26)
kiadi: tena marina zany ry kiadi a!, hifamela ahoana aza fanga izy ity ataotao fahatany, misy fiteny zay manao we manao azafady ny ambaniandro, mahavoa vao manao azafady, sady tsy we vao hitory fa efa nitory, manarak'izay ity serasera ity anie eran'zao tontolo izao eh, ka ho mpotehin'ny olona ray,
izany famelana zany anie tsy ataotao fatany eh,
za alou d manoana ny hevitry i hery eh, fahavalo d fahavalo, ra mba we tsotsotra le nataony d manaiky aho, saingy zao tontolo zao no ho tady potehiny, dray saika tsy hifanoratra amin'i kiadi tsony zany za nefa za haingotranony fa tsy ataony barbecue lol
58. naritsimba ( 06/05/2008 08:05)
Misaotra an\'i hery t@ fanazavana nataony.
Ny tiako ho lazaina dia tsotra, raha misy tsy fifankahazoana amintsika tsirairay dia mba iangaviana tsy havoaka @ site tahaka itony fa vitao any ambadika any ny adinareo.
Rehefa nataoko mantsy ny fandinihana satria tafaresaka t@ bozylove aho ary tafaresaka t@ hery dia tsy adiny hery sy bozylove ilay izy fa ady teo @ bozylove, sy namana hafa, tao anatin\'izay dia navoakan\'io namana io ny momba an\'i bozylove rehetra izany hoe ny momba azy @ antsipirihany, nisy nahita izany ka dia nisy nanaparitaka ihany koa. Eto izany dia tiako ny milaza amintsika fa ny famoahana fiainan\'olona manokana(fanaratsiana) izay marihana moa fa matoa atao an\'izany dia ao antony.
Ekena fa samy manana ny namana mpiresaka aminy isika ato, misy ny namana tena namana ary misy ny namanamana fotsiny, ary misy ny mody namana ka manao izay hifandraisana ka hahalalana ny fiainanao mba hanaratsiana anao.Anjarantsika no manavaka ny vary @ tsiparifary.
Ny faniriako dia ny hijanonan\'ity resaka ity hatreo amin\'izay, satria tsy misy mahazo tombony @ fisian\'ny ady afa-tsy ny ratsy saina ihany, misy aminareo naman\'ny hery misy naman\'ny bozylove, iangaviako tsy handranitra ny namanareo tsirairay avy ianareo fa mipetraha ho naman\'ny namana rehetra, misy fitenenana manao hoe :raha tohina ny aty marary ny afero, izay no maha namana, ekeko koa hoe fanampiana no ataontsika na dia hevitra ihany aza mba hanampiana ny namana, aoka anefa tsy hevitra hampifandrafy fa hevitra hampifandray.
Efa nolazaiko ihany fa voarara n\'aiza n\'aiza ny famoahana an\'izany, ary raha misy fanasaziana dia tsy isika rehetra no voasazy fa ny tompon\'andraikitra izay manaiky ny amoahana azy.
Tsy tonga lafatra anefa isika rehetra ato na admin io na mpikambana tsotra na aty Madagasikara na any ivelany fa samy manana ny fahalemeny daholo.
(Mbola hitohy)
59. diamondra27 ( 06/05/2008 08:05)
angotiko : io kiadi io ange akia tena danz b raha hanao barbecue io e
60. xxx ( 06/05/2008 08:18)
tsiafoi1:

Matoa Bozy tsy mahafoy ny Serasera, dia mino aho fa tiany izany Site izany,



tiana v d toriana? :roll: mahagaga iany alou e, angaha d ts azo atao ny manatona miresaka? ataoko samy olondehibe isika no eto? atao hoe tezitra am tsiafoi za zao, d ts manatona fa hotoriako i tsiafoi nefa avy teo za midradradradra fa tiako i tsiafoi, ts contradictoire v zany? ts azoko mitns le raisonnement :-w:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3043