MASINA- Ny fahamasinana
1. soanja
(
16/04/2008 16:50)
Betsaka ny resaka teo momba ny hoe nahoana no antsoina hoe Masina ny zavatra, teny, toerana ary hevitra iray.
Masina ny zavatra iray dia noho ny fahatsapana avy amin'ny olombelona na Andriamanitra na anjely ka mitaky ASA na fomba maromaro atao hanomezana izany hasina izany.
Ny fahamasinana mihatra raha dia ny fifandraisana misy amin'ny antoko roa ka olombelona sy toerana ohatra ka ny olombelona dia manao zavatra na asa na manatitra na manao joro ho fanamasinana sy fanomezana toky ho an'ilay zavatra hasinina fa hinoana ny fiasan'ilay zavatra na olona ary hisy fiantraikany amin'ireo izay manao ny asa aty aoriana.
Ny Ntaolo dia mahatsapa fa zava-dehibe ny hasina omena ny Zanahary sy ny razana ary ny Ray aman-dreny. Tsy mitovy lenta anefa ireo fa miankina avokoa amin'ny ASA ataon'olombelona na ireo izay manaiky fa hanamasina azy sy ny fomba isainany azy.
Ny ASA na acts na fomba atao manoloana, hifandraisana amin'ilay zavatra na hevitra izany no mampiasa hasina ny zavatra iray.
Ao ny manary hasina, ka ilay olona no manaonao foana ohatra eo amin'ny fiarahamonina. Ao ny manome hasina dia manatitra ny fanatitra amin'ny toerana iray fa satria mino ireto fa afaka hanampy azy ny zavatra iray ka tsy fanatra mazava ny fomba fanampiana saingy manampy tokoa ilay zavatra na toerana na hevitra.
Koa raha raisintsika fa masina ny teny ao anaty baiboly amiko dia izay rehetra heverinao sy hinoana fa miasa ho anao na mandaitra, ka ny fomba ahafahana mahalala izany dia ny fampiaharana ny asa takiana amin'ny alalan'ilay teny. Ohatra hoe Tiavo ny rahalahinao, ny havanao, ny fahavalonao sns ohatra ka rehefa tena miezaka tokoa ianao manao izany ary mahatsapa filaminana sy fitoniana ary hafaliana ianao dia masina tokoa ilay teny satria mandaitra ary nisy asa nifandraika taminy nataonao noho izany.
Inona izany no mampiavaka n rano voahasina sy ny rano eny an'ony tsotra dia satria nisy ataon'ny Mpino na ny mpanamasina manoloana ilay rano ary misy fifandraisana eo anelanelany. Ka raha mandaitra ny heverina fa finoany dia tokony izay no goavana indrindra dia ilay hoe FINOANA amin'ilay izy na ilay olona dia Masina ny rano.
Ny hevitra iray koa dia maty hasina ny olona ray raha navalana andrano ny fatiny. Izay misy foko manao izany tokoa any amintsika. Zava-dehibe ny hasina ary samy manana ny handraisany azy avokoa ka tsy hisy afaka hilaza fa tsy ny anay masina ny anareo tsy masina sns .....
Anareo indray ary,

novalian'i ikaretsaka ny 25/04/2008 22:14
2. cutie
(
16/04/2008 16:56)
Ny ASA na acts na fomba atao manoloana, hifandraisana amin'ilay zavatra na hevitra izany no mampiasa hasina ny zavatra iray.
soa ihany fa tsy misy miracle :-D
4. ikaretsaka
(
16/04/2008 17:46)
Koa raha raisintsika fa masina ny teny ao anaty baiboly amiko dia izay rehetra heverinao sy hinoana fa miasa ho anao na mandaitra
tsy azoko kely io
io iznay le hoe "izya tiatiana ho masina ao ihany no hamasinina fa izay tsy tiana sy mi contre argue le firehana dia tsy kaonty?
"raha izay tiatianao momban'A/tra ihany no ankalazainao sy aparitakao, fa izay tsy tiatianao sy izay tsy azoazonao dia na odianao fanina na avahanao tsotra izao, dia tsy A/tra intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao" (st Augustin)
5. pissoa
(
16/04/2008 17:49)
Miankina amin'ny "asa" ataon'ny olombelona - na zava-boary hava ve izany ny "fahamasinan'Andriamanitra" ?
6. Fody
(
16/04/2008 18:15)
Hevitra moa ny an'i soanja io. Misaotra azy.
Amiko, amin'ny maha Kristiana ahy dia tsy miankina velively amin'ny olombelona
1 - Ny Fahamasinan'Andriamanitra. Masina izy satria manana ny hasina ao aminy manokana. Tsy miankina amiko izany, ary na dia hanamavo azy aza ny olona dia tsy hampiova ny fahamasinany izany.
2 - Masina ny teniny, satria misy azy ilay Masina sy Tompon'ny fahamasinana.
3 - Masina ny sakramenta noho ny fahasoavan'Andriamanitra no maha masina azy, fa tsy noho ny asan'ny olombelona akory. Misy ilay antsoina hoe: ex opere operato http://en.wikipedia.org/wiki/Ex_opere_operato http://it.wikipedia.org/wiki/Ex_opere_operato manazava azy bebe kokoa.
Misaotra!
7. pissoa
(
16/04/2008 19:21)
Fody : eny e ! Hitoviako hevitra ny voalazanao ... fa fanontaniana ny hevitry Soanja fotsiny ilay fanontaniako :-D :-D :-D :-D :-D
8. soanja
(
16/04/2008 19:36)
ikaretsaka:
Koa raha raisintsika fa masina ny teny ao anaty baiboly amiko dia izay rehetra heverinao sy hinoana fa miasa ho anao na mandaitra
tsy azoko kely io
io iznay le hoe "izya tiatiana ho masina ao ihany no hamasinina fa izay tsy tiana sy mi contre argue le firehana dia tsy kaonty?
"raha izay tiatianao momban'A/tra ihany no ankalazainao sy aparitakao, fa izay tsy tiatianao sy izay tsy azoazonao dia na odianao fanina na avahanao tsotra izao, dia tsy A/tra intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao" (st Augustin)
Ika> Eo izao dia azoko heverina fa mipetraka tsara ny teniko satria aminao mety Masina i Augustin amiko izy mety olon-tsotra.
Ny teniny mandaitra aminao dia heverinao fa izy amiko mety tsy miteny n'inona n'inona amiko io teniny io.
Ny hasina dia izay finoanao ny zavatra iray ka mandaitra aminao.
Mino ny tenako aho sady mino an'Andriamanitra. Zavatra roa mifandray ireo, raha tsy mino ny fahafahako aho dia tsy hanome hasina akory an'Andriamanitra.
Satria ny fahafahako misaina ny zava-panahy dia fanomezana hasina an'Andriamanitra.
Betsaka ny mahalala ny fisian'ny fanahy saingy tsy asiany dikany izany satria tsy zava-dehibe aminy. Tsy manome hasina ilay Nahary azy izy raha izay saingy mety tsy zava-dehobe aminy koa izay hasin'Andriamanitra ohatra.
9. soanja
(
16/04/2008 19:48)
pissoa:
Miankina amin'ny "asa" ataon'ny olombelona - na zava-boary hava ve izany ny "fahamasinan'Andriamanitra" ?
Ie tsy manan-kasina Andriamanitra eo anatrehan'ireo hafa izay tsy mampivoitra ny fisiany sy tsy manaja azy ary tsy midera Azy.
Ianao Mpino kosa dia mahafantatra sy mino fa MASINA izy.
Ary na hilaza hanaratsy/ hanozona ireo olona ireo tahaka ny inona azy isika Mpino dia tsy handaitra aminy izany satria tsy ao ny hasina izay heverinao fa mety handaitra aminy.
Ny fahagagana amiko dia miseho mangina ho an'ireo izay mino azy fa misy, MISOKO MORA TSY VOAPOROFO ary manaiky izay nahita na nandray azy fa fahagagana ilay izy.
Ny asa ifandraisana amin'ny heverinao fa Masina ihany no hahamasina ny zavatra iray ka mampandaitra azy ianao mino azy.
Ny Papa Iray Masina izao masina eo anatrehanareo Katolika fa tsy masina eo anatrehan'i Protestanta.
Ny fahamasinana anefa dia miankina fa fiheverin'ny tsirairay koa ka raha io no fiheverenanareo ny fahamasinana io ambony io dia manaja izany aho saingy tsy midika hoe ny anareo no marina na hoe ny ahy marina fa samy manana ny fandraisany azy.
10. pissoa
(
16/04/2008 20:01)
Raha tsisy olona "mino" an'Andriamanitra ve izany dia tsy "masina" Izy (= Andriamanitra) ? :-D :-D :-D
11. Fody
(
16/04/2008 20:09)
Ie tsy manan-kasina Andriamanitra eo anatrehan'ireo hafa izay tsy mampivoitra ny fisiany sy tsy manaja azy ary tsy midera Azy.
Tsy miankina amin'ny hasina omenao azy ny hasin'Andriamanitra. Masina izy satria ao aminy izay fahamasinana izay.
Ohatra: Raha misy Raiaman-dreny iray eo anivon'ny zaza mpamingavinga maro ka tsy manome ny haja saha azy! Moa lazainao fa Tsy Raiamandreny ve io Raiamandreny io ? Mbola Raiamandreny ve izy sa tsia ? Mbola Raiamndreny foana izy na dia tsy manaja azy aza ireo tanora ireo.
Raha ohatra kosa ka ilay Raiamandreny no manao toetra tsy mendrika eo imason'ny tanora maro ka mahatonga azy ireo, hamingavinga azy. Amin'izay fotoana izay dia azo lazaina fa manary ny haja nanany ilay Raiamandreny ka tsy mendrika ny atao hoe: Raiamandreny intsony.
Fehiny: Raha izay no Jerena dia izao: Tsy miankina amin'ny olona ny Hasin'Andriamanitra, fa miankina aminy. Masina izy satria ao aminy izay. Ary tsy misy afaka manala aminy an'izay fahamasinana izay afatsy izy tenany ihany.
Toy izany koa ny olombelona: Lazaina fa manana fahamasinana isika rehefa manaiky hitoeran'ny Fahamasinan'Andriamanitra ary tsy misy afaka manala an'izany amintsika, afatsy isika ihany.
Misaotra!
12. rabilabila
(
16/04/2008 20:53)
Raha fintiniko ny resakareo dia 3 ny "sens"-'ilay masina : saint , sacré ,précieux.
Saint ho an'ny Katolika ny Papa
Saint ho an'ny Silamo i Mahometa
Sacré ( na saint )ho an'ny Kristianina ny baiboly
Sacré ( na saint ) ho an'ny Silamo ny coran
Sacré ho an'ny mpino azy Ikelimalaza
Sacré ho an'ny mandàla izany ny Razana
Précieux ho an'ny olombelona ny aina
Précieux amiko ny zanako
Précieux ny Raiaman-dreny
Précieux ny fihavanana
Précieux ny boky rehetra rehefa misy précieux ny hevitra fonosony.
Or ,misy hevitra sasantsasany ao anatin'ny baiboly précieux amiko
Donky précieux ( fa tsy sacré na saint )amiko io boky io.
etsetra ....etsetra...................

13. fijo
(
16/04/2008 21:29)
fody masina izy hoan'izay mino azy.izay no izy,fa tsy hoe masina aminareo dia voatery homasina main'ny rehetra.io dia tsy ekeko.
ohatra misy tany lazaina fa masina hoan'ny silamo.dia manaja izany izy satria masina aminy io,fa hoan'ny tsy silamo tsy voatery ho masina io.

14. pissoa
(
16/04/2008 21:58)
Fijo : vakio tsara fa toa tsisy fifanerena eo hanaiky hoe Masina Andriamanitra na tsia ! :-D :-D :-D
Ny zavatra tenenina dia hoe tsy miankina amin'izany nefa ny mahamasina Azy ! :-D

15. fijo
(
16/04/2008 22:00)
tsy manery mivantana,fa ny filazana fa masina io na mino nareo na tsia dia efa tery izay.
17. soanja
(
16/04/2008 23:15)
[quote=Fody]
Ny ray amandreny raha io fanazavanao io dia ireo niteraka, zany hoe na omenao haja ry zareo na tsia dia ray amandreny ihany satria ireny no namoaka anao. Anjaranao ny manome hasina ny ray amandreny. Raha ny fomba eto an-tany dia manome haja, hasina,mankatoa ny ray amandreny ny zanaka ary rehefa tsy raharahainao ireo sy tsy asianao fotony dia very ny hajany na eo amin'ny fianakaviana na mety koa aza eo amin'ny fiarahamonina.
Izay no mahatonga ny Ray amandreny ho sarotiny indrindra raha resaka seho eo anatrehan'ny fiarahamonina ka mahatonga azy ireo indraindray hanary zanaka na hanary zo ny zanany. Dia io haja, hasina io no antony. Raha nangalatra ny ray amandreny na nanao zavatra tsy mifanaraka amin'ny fiarahamonina dia lazaina fa very hasina satria io zavatra natao io no manala ilay hasina. Ka raha te hamerina izany hasina izany izy ireo dia miezaka manao zavatsoa ho an'ny hafa na manao zavatra mihoatra ny efa vitany hamerenana indray ny hasina nisy.
Mbola hitohy!
Ohatra: Raha misy Raiaman-dreny iray eo anivon'ny zaza mpamingavinga maro ka tsy manome ny haja saha azy! Moa lazainao fa Tsy Raiamandreny ve io Raiamandreny io ? Mbola Raiamandreny ve izy sa tsia ? Mbola Raiamndreny foana izy na dia tsy manaja azy aza ireo tanora ireo.
Raha ohatra kosa ka ilay Raiamandreny no manao toetra tsy mendrika eo imason'ny tanora maro ka mahatonga azy ireo, hamingavinga azy. Amin'izay fotoana izay dia azo lazaina fa manary ny haja nanany ilay Raiamandreny ka tsy mendrika ny atao hoe: Raiamandreny intsony.
Fehiny: Raha izay no Jerena dia izao: Tsy miankina amin'ny olona ny Hasin'Andriamanitra, fa miankina aminy. Masina izy satria ao aminy izay. Ary tsy misy afaka manala aminy an'izay fahamasinana izay afatsy izy tenany ihany.
Toy izany koa ny olombelona: Lazaina fa manana fahamasinana isika rehefa manaiky hitoeran'ny Fahamasinan'Andriamanitra ary tsy misy afaka manala an'izany amintsika, afatsy isika ihany.
Misaotra!
Ny ray amandreny raha io fanazavanao io dia ireo niteraka, zany hoe na omenao haja ry zareo na tsia dia ray amandreny ihany satria ireny no namoaka anao. Anjaranao ny manome hasina ny ray amandreny. Raha ny fomba eto an-tany dia manome haja, hasina,mankatoa ny ray amandreny ny zanaka ary rehefa tsy raharahainao ireo sy tsy asianao fotony dia very ny hajany na eo amin'ny fianakaviana na mety koa aza eo amin'ny fiarahamonina.
Izay no mahatonga ny Ray amandreny ho sarotiny indrindra raha resaka seho eo anatrehan'ny fiarahamonina ka mahatonga azy ireo indraindray hanary zanaka na hanary zo ny zanany. Dia io haja, hasina io no antony. Raha nangalatra ny ray amandreny na nanao zavatra tsy mifanaraka amin'ny fiarahamonina dia lazaina fa very hasina satria io zavatra natao io no manala ilay hasina. Ka raha te hamerina izany hasina izany izy ireo dia miezaka manao zavatsoa ho an'ny hafa na manao zavatra mihoatra ny efa vitany hamerenana indray ny hasina nisy.
Mbola hitohy!
18. bilakarenjy
(
17/04/2008 13:19)
ny hasina dia miankina @ fototr'ilay zavatra ho masinina .Tsy azo foronina io fa miseho ary hita fototra .
Raha Andriamanitra zao no lazaina dia masina izy satria namorona ny zavatra rehetra ary izy ihany no afaka mibaiko ny zavatra rehetra .Manome hasina azy ny tontolo sy ny manodidina satria manana fahefana sy voninahitra @ rehetra izy .
Toy izany koa ny ray aman-dreny @ zanaka satria fantatr'ilay zanaka fa ny ray amandreny no miantoka ny fiainany sy ny momba azy dia manaja ny ray aman-dreniny izy ary manome hasina sy voninahitra azy .
Toy izany koa ireo olona manao joro sy mamonjy la doany ireny satria nahitany fahasoavana sy fanambinana ary nanova ny fiainany ilay zavatra dia hamasininy mba hitombo fitahina sy hitondra fahasoavana satria izay ny fototr'ilay nanamasinana azy .
Za kosa ve dia hanamasina zavatra tsy mitondra mankaiza akory .

19. fijo
(
17/04/2008 21:05)
raha ny ray amandreniko dia mijanona ho ray amandreniko foan ainy na hajain'ny hafa na tsia.fa amin'ny hafa izy mety azony lazaina ho ray amandreny ,nefa azony tsy asiana vidiny koa